UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

24 lines (23 loc) 2.66 kB
{ "1": { "1": "Izaho, ilay zokiolona, no manoratra ho an\u2019i Gaio, rahalahy malala tena tiako.", "2": "Ry malala, mivavaka ho anao aho mba handeha tsara foana ny zava-drehetra, hoatran\u2019ny amin\u2019izao, ary mba ho salama tsara ianao.", "3": "Tena faly be aho mantsy rehefa nisy rahalahy tonga nitantara hoe mbola mifikitra amin\u2019ny fahamarinana foana ianao, hoatran\u2019ny efa nataonao hatramin\u2019izay.", "4": "Tsy misy mahafaly ahy noho ny maheno hoe tsy miala amin\u2019ny fahamarinana mihitsy ny zanako.", "5": "Ry rahalahy malala, hita hoe tsy mivadika ianao amin\u2019izay ataonao ho an\u2019ireo rahalahy, na dia tsy fantatrao akory aza ry\u00a0zareo.", "6": "Notantarain-dry\u00a0zareo teo anatrehan\u2019ny fiangonana ny fitiavana nasehonao. Mba karakarao tsara izy ireny rehefa handeha, ka ataovy araka izay itiavan\u2019Andriamanitra azy izany.", "7": "Noho ny anaran\u2019Andriamanitra mantsy no nandehanany, ary tsy naka zavatra avy tamin\u2019ny olona eo amin\u2019izao tontolo izao izy ireny, na inona izany na inona.", "8": "Tsy maintsy mampiantrano sy mandray tsara azy ireny \u00e0ry isika, mba ho mpiara-miasa aminy ao amin\u2019ny fahamarinana.", "9": "Nisy zavatra nosoratako ho an\u2019ny fiangonana, saingy te ho lohany eo aminareo i Diotrefa, ka tsy mba nisy nohajainy na nekeny izay noteneninay.", "10": "Raha tonga any \u00e0ry aho, dia hampahafantariko tsara ny zavatra mbola ataony. Manaratsy anay foana mantsy izy, ary tsy vitan\u2019izay fa tsy mety mandray tsara an\u2019ireo rahalahy sady tsy manaja azy ireo. Dia izay te handray azy ireo indray tadiaviny hosakanana sy horoahina tsy ho anisan\u2019ny fiangonana.", "11": "Ry rahalahy malala, aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara. Avy amin\u2019Andriamanitra mantsy izay manao ny tsara. Tsy mahita an\u2019Andriamanitra izay manao ratsy.", "12": "Tsara laza teo amin\u2019ny mpiara-manompo rehetra i Demetrio sady mampihatra ny fahamarinana. Izahay koa vavolombelona manamarina an\u2019izany, raha ny marina, ary fantatrao fa marina izay lazainay.", "13": "Be dia be ny zavatra noeritreretiko hosoratana taminao, saingy tsy te hanoratra aminao amin\u2019ny penina sy ny ranomainty intsony aho.", "14": "Manantena ny hahita anao tsy ho ela anefa aho, dia hiresaka mivantana isika. Enga anie ianao hahazo fiadanana! Mampamangy, hono, ianao, hoy ny namana at\u1ef3. Mampamangy any amin\u2019ny namana tsirairay any, araka ny anarany avy." }, "meta": { "name": "3 Jaona", "order": 63, "chapter_number": 1 } }