UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

99 lines (98 loc) 14 kB
{ "1": { "1": "Avy amin\u2019i Paoly, apostolin\u2019i Kristy Jesosy noho ny sitrapon\u2019Andriamanitra, izay nirahina hitory ny fampanantenana fiainana amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy.", "2": "Ho an\u2019i Timoty, zanako malalako, Enga anie ilay Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika mba haneho hatsaram-panahy miavaka sy famindram-po aminao, ary hanome anao fiadanana!", "3": "Misaotra an\u2019Andriamanitra aho, dia ilay anaovako fanompoana masina, hoatran\u2019ny nataon\u2019ny razambeko, amim-pieritreretana madio. Ary mahatsiaro anao foana aho rehefa mitalaho amim-bavaka andro aman\u2019alina.", "4": "Te hahita mafy anao aho rehefa mahatsiaro ny ranomasonao. Amin\u2019izay raha mahita anao aho, dia tena ho faly be.", "5": "Tsaroako mantsy ny finoana tsy mihatsaravelatsihy anananao, izay efa tao amin\u2019i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao aminao koa.", "6": "Izany no antony ampahatsiahivako anao hoe ataovy miredareda toy ny afo ilay fanomezan\u2019Andriamanitra, izay noraisinao tamin\u2019izaho nametra-tanana taminao.", "7": "Fa tsy mahatonga antsika ho kanosa ny toe-tsaina omen\u2019Andriamanitra antsika, fa mahatonga antsika hahery sy ho be\u00a0fitiavana ary hahay hisaina.", "8": "Koa aza menatra mitory momba ny Tompontsika, na menatra noho ny amiko, izay voafonja noho ny aminy. Miareta kosa fahoriana noho ny vaovao tsara, ka miantehera amin\u2019ny herin\u2019Andriamanitra.", "9": "Namonjy sy niantso antsika tamin\u2019ny fiantsoana masina izy, tsy noho izay nataontsika anefa, fa noho ny fikasany sy ny hatsaram-panahiny miavaka. Naneho an\u2019izany hatsaram-panahy izany tamintsika tamin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy izy, efa hatramin\u2019ny ela\u00a0be.", "10": "Fa natao mazava tsara izany izao, tamin\u2019ny nisehoan\u2019i Kristy Jesosy Mpamonjy antsika. Izy no nanafoana ny fahafatesana sy nampahafantatra tamin\u2019ny alalan\u2019ny vaovao tsara hoe ahoana no hahazoana fiainana sy vatana tsy mety lo.", "11": "Mba hampahafantatra an\u2019izany vaovao tsara izany no nanendrena ahy ho mpitory sy apostoly ary mpampianatra.", "12": "Izany koa no antony iaretako an\u2019ireny zavatra ireny. Tsy menatra anefa aho. Fantatro mantsy Ilay inoako, ary matoky aho fa vitany ny miaro an\u2019izay nankiniko taminy mandra-pahatongan\u2019izany andro izany.", "13": "Aza ialana mihitsy ny modelin\u2019ny teny mahasoa efa henonao tamiko, ary koa ny finoana sy ny fitiavana izay anananao noho ianao tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy.", "14": "Arovy amin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina, izay ao anatintsika, izany zavatra sarobidy nankinina taminao izany.", "15": "Fantatrao fa efa nahafoy ahy ireo rehetra any amin\u2019ny faritanin\u2019i Azia, anisan\u2019izany i Fygelo sy Hermogena.", "16": "Fa enga anie ny Tompo hiantra ny ankohonan\u2019i Onesiforosy, satria namelombelona ahy matetika izy, sady tsy mba nahamenatra azy ny rojo\u00a0vy namatorana ahy.", "17": "Izy aza nitady mafy ahy tamin\u2019izy teto Roma, ka nahita ahy.", "18": "I Jehovah Tompo anie hiantra azy amin\u2019izany andro izany! Ary fantatrao tsara ny fanompoana rehetra nataony tany Efesosy." }, "2": { "1": "Ataovy foana \u00e0ry, anaka, izay hahazoanao hery avy amin\u2019ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019i Kristy Jesosy.", "2": "Ary izay henonao tamiko sady nohamafisin\u2019ny vavolombelona maro, dia ampitao amin\u2019ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa kosa avy eo.", "3": "Miaramila tsaran\u2019i Kristy Jesosy ianao, ka miareta koa fahoriana.", "4": "Tsy misy miaramila miditra amin\u2019ny raharaham-barotr\u2019izao fiainana izao, raha tiany ny hahazo sitraka amin\u2019ilay nandray azy ho miaramila.", "5": "Ary na izay mandray anjara amin\u2019ny lalao fifaninanana aza, dia tsy mahazo satroboninahitra raha tsy nanaraka fitsipi-dalao.", "6": "Ny mpamboly izay miasa mafy no voalohany tokony hahazo amin\u2019ny vokatra.", "7": "Eritrereto foana izay lazaiko. Hanampy anao hahatakatra tsara ny zava-drehetra ny Tompo.", "8": "Tsarovy fa efa natsangana tamin\u2019ny maty i Jesosy Kristy sady taranak\u2019i Davida, araka ny vaovao tsara toriko,", "9": "izay mahatonga ahy hiaritra fahoriana sy higadra toy ny mpanao heloka bevava. Tsy voafatotra kosa anefa ny tenin\u2019Andriamanitra.", "10": "Izany no mbola iaretako ny zava-drehetra noho ny amin\u2019ny olom-boafidy, mba hahazoan\u2019izy ireo koa an\u2019ilay famonjena azo amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy, ary mba hahazoany voninahitra mandrakizay.", "11": "Tena azo atokisana izao teny izao: Raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa,", "12": "ary raha miaritra foana isika, dia ho mpanjaka hiara-mitondra aminy. Fa raha mand\u00e0 azy kosa isika, dia holaviny.", "13": "Ary raha mivadika isika, izy kosa tsy mba hivadika mihitsy, satria tsy toetrany izany.", "14": "Ampahatsiahivo azy ireo foana ireo zavatra ireo, ary anaro eo anatrehan\u2019Andriamanitra izy ireo mba tsy hiady hevitra momba ny teny, fa tsy misy ilana azy mihitsy izany satria manimba an\u2019izay mihaino.", "15": "Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahafahanao mampiseho eo anatrehan\u2019Andriamanitra hoe olona ankasitrahana ianao, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin\u2019inona na amin\u2019inona, ary manazava ny tenin\u2019ny fahamarinana amin\u2019ny fomba marina tsara.", "16": "Ialao kosa ny resaka tsy misy fotony manazimbazimba zava-masina, satria vao mainka hahatonga ny olona tsy hatahotra an\u2019Andriamanitra izany,", "17": "sady hitatra hoatran\u2019ny fery mandoaka. Anisan\u2019ny mpanao an\u2019izany i Hymeneo sy Fileto.", "18": "Niala tamin\u2019ny fahamarinana ireo lehilahy ireo ka nilaza fa efa nitranga sahady, hono, ny fitsanganana amin\u2019ny maty. Koa nanimba ny finoan\u2019ny sasany izy ireo.", "19": "Na izany aza, dia mbola mijoro ihany ny fototra mafy nataon\u2019Andriamanitra, sady misy an\u2019izao tombo-kase izao: \u201cFantatr\u2019i Jehovah ny azy\u201d, sy hoe: \u201cAoka tsy hanao ratsy intsony izay rehetra miantso ny anaran\u2019i Jehovah.\u201d", "20": "Tsy fitaovana volamena sy volafotsy ihany no ao amin\u2019ny trano lehibe iray, fa fitaovana hazo sy tany koa. Ny sasany natao hampiasaina amin\u2019ny zavatra mendri-kaja, fa ny sasany kosa amin\u2019ny zavatra tsy mendri-kaja.", "21": "Koa raha misy manalavitra an\u2019ireo farany ireo, dia ho fitaovana natao hampiasaina amin\u2019ny zavatra mendri-kaja izy, ary hohamasinina ka hahasoa ny tompony, sady ho vonona hanao ny asa tsara rehetra.", "22": "Andosiro \u00e0ry ny faniriana mpitranga amin\u2019ny tanora, fa miezaha foana kosa hanao ny marina, hanana finoana sy fitiavana ary fiadanana, miaraka amin\u2019ireo miantso ny Tompo amin\u2019ny fo madio.", "23": "Ialao koa ny adihevitra adaladala sy tsy misy dikany, satria fantatrao fa mampiady izany.", "24": "Tsy tokony hiady mantsy ny mpanompon\u2019ny Tompo, fa halemy fanahy amin\u2019ny rehetra kosa, hahay hampianatra, hahafehy tena rehefa misy manisy ratsy,", "25": "ary halemy paika rehefa mampianatra an\u2019ireo tsy mora manaiky. Angamba Andriamanitra hamela azy ireo hibebaka, ka hahalala tsara ny fahamarinana izy ireo.", "26": "Dia ho tonga saina izy ireo ka ho afaka amin\u2019ny fandriky ny Devoly, izay nanao azy sambo-belona mba hanao ny sitrapony." }, "3": { "1": "Fantaro anefa izao: Amin\u2019ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora atrehina.", "2": "Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, hieboebo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankat\u00f2 ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, ho mora mivadika,", "3": "tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara,", "4": "ho mpamadika, ho mafy loha, hirehareha, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an\u2019Andriamanitra,", "5": "hoatran\u2019ny hoe mpivavaka be ny fahitana azy nefa tsy misy heriny eo amin\u2019ny fiainany ny maha mpivavaka azy. Ialao ny olona toy ireny.", "6": "Misy amin\u2019izy ireny mampiasa hafetsena mba hidirana any an-tranon\u2019olona, ka alainy ho babo ny vehivavy mora ambakaina, izay vesaran\u2019ny fahotany sy fehezin\u2019ny faniriana maro samihafa.", "7": "Mianatra foana ny vehivavy toy ireo, nefa tsy mety mahalala tsara ny fahamarinana mihitsy.", "8": "Manohitra ny fahamarinana foana ireny olona ireny, hoatran\u2019ny nanoheran\u2019i Jana sy Jambra an\u2019i Mosesy. Olona tena ratsy saina ireny, ary tsy ankasitrahana satria manohitra ny finoana.", "9": "Tsy ho lasa lavitra anefa izy ireny, satria hiharihary amin\u2019ny rehetra ny hadalany, hoatran\u2019ny hadalan\u2019izy roa lahy ihany.", "10": "Fa ianao kosa efa nanaraka akaiky ny fampianarako, ny fomba fiainako, ny tanjoko, ny finoako, ny faharetako, ny fitiavako, ny fiaretako,", "11": "ary fantatrao koa ny fanenjehana sy ny fijaliana nanjo ahy tany Antiokia sy Ikonioma ary Lystra. Niaritra an\u2019izany fanenjehana izany aho, ary nanafaka ahy tamin\u2019izany rehetra izany ny Tompo.", "12": "Raha ny marina, dia henjehina ihany koa izay rehetra te hampiseho eo amin\u2019ny fiainany hoe mahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra sady tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy.", "13": "Fa vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka, ka sady mamitaka izy ireo no voafitaka.", "14": "Fa ianao kosa, araho foana ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao. Fantatrao mantsy hoe iza avy no nampianatra anao an\u2019ireny.", "15": "Ary mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ka hahatonga anao ho voavonjy noho ianao mino an\u2019i Kristy Jesosy.", "16": "Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin\u2019ny herin\u2019ny fanahy masin\u2019Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana an\u2019izay tsy mety, hanabeazana mifanaraka amin\u2019ny fahamarinana,", "17": "mba hahatonga ny olon\u2019Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara hanaovana ny asa tsara rehetra." }, "4": { "1": "Izao no ampirisihako mafy anao eo anatrehan\u2019Andriamanitra sy Kristy Jesosy, izay hitsara ny velona sy ny maty rehefa miseho sy manjaka ao amin\u2019ny Fanjakany izy:", "2": "Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany na amin\u2019ny mora na amin\u2019ny sarotra; mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, ampirisiho ny hafa, ka miezaha hanam-paharetana tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao an\u2019izany.", "3": "Ho avy mantsy ny fotoana tsy hahazakan\u2019ny olona ny fampianarana mahasoa ka hitadiavany mpampianatra, araka izay tiany, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.", "4": "Tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy ireo, fa hihaino tantara tsy marina.", "5": "Fa ianao kosa, aoka ianao hisaina tsara foana amin\u2019ny zava-drehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan\u2019ny mpitory ny vaovao tsara, ary ataovy tsara ny fanompoanao.", "6": "Fa efa araraka sahady toy ny fanatitra zava-pisotro aho, ary efa akaiky ny fotoana hanafahana ahy.", "7": "Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita an\u2019ilay hazakazaka hatramin\u2019ny farany aho, nanaraka ny finoana foana aho.", "8": "Manomboka izao, dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana. Ny Tompo, ilay mpitsara manao ny rariny, no hanome ahy an\u2019io valisoa io amin\u2019izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany fa ho an\u2019izay rehetra maniry mafy ny hisehoany koa.", "9": "Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana haingana at\u1ef3 amiko.", "10": "Efa nandao ahy mantsy i Demasy satria tia an\u2019izao tontolo izao, ka lasa any Tesalonika. I Kreska lasa any Galatia ary i Titosy lasa any Dalmatia.", "11": "I Lioka irery no eto amiko. Ento miaraka aminao i Marka fa ilaiko amin\u2019ny fanompoana izy.", "12": "I Tykiko kosa nirahiko ho any Efesosy.", "13": "Rehefa mankat\u1ef3 ianao, dia ento ilay akanjo ivelany navelako tany amin\u2019i Karpo any Troasy. Ento koa ireo horonam-boky, indrindra fa ireo horonam-boky hoditra.", "14": "Betsaka ny ratsy nataon\u2019i Aleksandra mpanefy varahina tamiko. I Jehovah no hamaly azy araka izay nataony.", "15": "Ianao koa mba mitandrema ihany amin\u2019izy iny, fa tena nanohitra mafy an\u2019izay nolazainay izy.", "16": "Tsy mba nisy tonga nanotrona ahy, tamin\u2019izaho nilaza ny fiarovan-tenako voalohany, fa nandao ahy izy rehetra. Enga anie tsy homelohina noho izany izy ireo!", "17": "Nijoro teo anilako anefa ny Tompo ka nankahery ahy, mba ho vita tsara amin\u2019ny alalako ny asa fitoriana, ary mba haheno an\u2019ilay hafatra toriko ny firenena rehetra. Ary novonjeny tamin\u2019ny vavan\u2019ny liona aho.", "18": "Hanafaka ahy amin\u2019ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ka hitondra ahy any amin\u2019ny Fanjakany any an-danitra. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.", "19": "Mampamangy any amin\u2019i Priska sy Akoila ary ny ankohonan\u2019i Onesiforosy.", "20": "Nijanona any Korinto i Erasto, fa navelako any Mileto kosa i Trofimo satria narary.", "21": "Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana at\u1ef3 alohan\u2019ny ririnina. Mampamangy, hono, ianao, hoy i Eobolo, Poda, Lino, Klaodia, ary ny rahalahy rehetra.", "22": "Ny Tompo anie hitahy ny toe-tsaina tsara anananao! Enga anie ianareo hanehoany hatsaram-panahy miavaka!" }, "meta": { "name": "2 Timoty", "order": 54, "chapter_number": 4 } }