UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

902 lines 187 kB
{
    "1": {
        "1": "Vao mainka nihanatanjaka ny fanjakan\u2019i Solomona zanak\u2019i Davida. Nanampy azy i Jehovah Andriamaniny, ka lasa nisandratra faran\u2019izay ambony izy.",
        "2": "Ary novorin\u2019i Solomona ny Israely rehetra, dia ny lehiben\u2019ny arivo, ny lehiben\u2019ny zato, ny mpitsara, ary ny mpiadidy rehetra teo amin\u2019ny Israely manontolo, izany hoe ny lohan\u2019ny fianakaviambe.",
        "3": "Dia nankany amin\u2019ilay toerana avo tany Gibeona i Solomona sy ny fiangonana manontolo, satria tany ilay tranolay fihaonana. An\u2019ilay tena Andriamanitra io tranolay io, ary naorin\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah tany an-tany efitra.",
        "4": "Efa nentin\u2019i Davida niakatra avy tany Kiriata-jearima ho any amin\u2019ilay toerana nomaniny ho azy anefa ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Efa nanangana tranolay ho an\u2019io Vata io mantsy izy tao Jerosalema.",
        "5": "Ary napetraka teo anoloan\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah ny alitara varahina nataon\u2019i Bezalila, zanak\u2019i Ory, zanak\u2019i Hora. Fanaon\u2019i Solomona sy ny fiangonana ny nivavaka teo alohan\u2019izy io.",
        "6": "Teo i Solomona no nanao fanatitra teo anatrehan\u2019i Jehovah. Nisy 1\u00a0000 ny fanatitra dorana natolony teo ambonin\u2019ilay alitara varahina, tao amin\u2019ilay tranolay fihaonana.",
        "7": "Tamin\u2019iny alina iny, dia niseho tamin\u2019i Solomona Andriamanitra ka niteny hoe: \u201cAngataho izay tianao homeko anao.\u201d",
        "8": "Dia hoy i Solomona tamin\u2019Andriamanitra: \u201cNasehonao tamin\u2019i Davida raiko hoe tena tia azy sy tsy nivadika taminy ianao. Dia nataonao mpanjaka nandimby azy aho.",
        "9": "Enga anie \u00e0ry mba ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin\u2019i Davida raiko, Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4! Izaho mantsy efa nataonao mpanjaka, ka manjaka amin\u2019ny olona be dia be hoatran\u2019ny vovoka amin\u2019ny tany.",
        "10": "Mba omeo fahendrena sy fahalalana aho mba hahaizako hitondra an\u2019ity vahoaka ity. Fa iza moa no mahay mitsara an\u2019ireo vahoakanao be dia be ireo?\u201d",
        "11": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019i Solomona: \u201cSatria izany no irin\u2019ny fonao, fa tsy nangataka harena ianao, na fananana, na voninahitra, na ny hahafatesan\u2019ny olona mankahala anao, na ny ho ela velona, fa nangataka fahendrena sy fahalalana kosa mba hahaizana mitsara ny vahoakako, satria nataoko mpanjakan\u2019izy ireo ianao,",
        "12": "dia homena fahendrena sy fahalalana ianao. Homeko harena sy fananana ary voninahitra be koa anefa ianao, ka tsy nisy nanana hoatr\u2019izany ny mpanjaka rehetra talohanao, ary tsy hisy hanana hoatr\u2019izany ny mpanjaka rehetra aorianao.\u201d",
        "13": "Dia niala teo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana tany amin\u2019ny toerana avo, tany Gibeona, i Solomona ka nankany Jerosalema. Nanjaka teo amin\u2019ny Israely izy.",
        "14": "Ary nanangona kalesy sy soavaly foana i Solomona. Nanana kalesy 1\u00a0400 sy soavaly 12\u00a0000 izy. Nataony tao amin\u2019ny tan\u00e0na fanatobiana kalesy sy tany Jerosalema tany akaikin\u2019ny mpanjaka ireo.",
        "15": "Nataon\u2019ny mpanjaka be dia be toy ny vato ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary nataony betsaka toy ny aviavidia any Sefela ny hazo sedera.",
        "16": "Nohafarana avy tany Ejipta ny soavalin\u2019i Solomona, ka ny mpandraharahan\u2019ny mpanjaka no nasaina nividy an\u2019ireny soavaly ireny, ary andiany maromaro no novidina araka izay vidiny.",
        "17": "Ary volafotsy 600 sekely ny vidin\u2019ny kalesy tsirairay nohafarana avy tany Ejipta, ary 150 ny vidin\u2019ny soavaly iray. Dia avy eo naondran\u2019ny mpandraharahan\u2019ny mpanjaka nankany amin\u2019ny mpanjaka rehetran\u2019ny Hetita sy ireo mpanjakan\u2019i Syria ireny."
    },
    "2": {
        "1": "Nanome baiko i Solomona hoe haorina amin\u2019izay ny trano ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah sy ny trano ho an\u2019ny fanjakany.",
        "2": "Dia nifantina lehilahy 70\u00a0000 i Solomona hatao mpitondra entana, 80\u00a0000 ho mpipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3\u00a0600 ho mpiandraikitra an\u2019ireo.",
        "3": "Nampitondra hafatra ho an\u2019i Hirama mpanjakan\u2019i Tyro koa i Solomona hoe: \u201cMba andefaso hazo sedera aho, hoatran\u2019ilay nataonao tamin\u2019i Davida raiko tamin\u2019izy hanorina trano hipetrahana.",
        "4": "Hanorina trano ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitro mantsy aho. Amin\u2019izay aho mba ho afaka hanamasina an\u2019ilay izy ho Azy, handoro emboka manitra eo anatrehany, hametraka ny mofo mifanaingina izay tokony ho eo amin\u2019ny toerany foana, ary hanatitra fanatitra dorana amin\u2019ny maraina sy hariva, rehefa Sabata sy tsinam-bolana ary amin\u2019ny fotoanan\u2019ny fety ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray. Zavatra tsy maintsy ataon\u2019ny Israely foana izany.",
        "5": "Lehibe ilay trano haoriko, satria tena miavaka noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.",
        "6": "Fa iza anefa moa no hahavita hanorina trano ho azy? Ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby azy, koa inona moa izay izaho no hanorina trano ho azy? Trano handoroana fanatitra mba hidona-tsetroka eo anatrehany ihany no mba azoko atao ho azy.",
        "7": "Andefaso mpanao asa tanana mahay \u00e0ry aho, dia olona havanana amin\u2019ny asa momba ny volamena, volafotsy, varahina, vy, volonondry volomparasy, kofehy mena antitra, kofehy manga, nefa koa havanana amin\u2019ny asa sokitra. Hiasa any Joda sy eto Jerosalema izy, miaraka amin\u2019ny mpanao asa tanana mahay efa eto amiko, izay notendren\u2019i Davida raiko.",
        "8": "Ary andefaso hazo sedera sy zenevrie sy algoma avy any Lib\u00e0na koa aho. Fantatro tsara hoe efa zatra mikapa ny hazon\u2019i Lib\u00e0na ny mpanomponao. Dia hiara-miasa amin\u2019ny mpanomponao ny mpanompoko,",
        "9": "ka hanomana hazo be dia be ho ahy ry zareo. Lehibe sy faran\u2019izay tsara mantsy ilay trano haoriko.",
        "10": "Ireto avy ny sakafo homeko ho an\u2019ny mpanomponao, dia ny mpikapa hazo: Varimbazaha 20\u00a0000 kora, vary orza 20\u00a0000\u00a0kora, divay 20\u00a0000 bata, ary menaka 20\u00a0000 bata.\u201d",
        "11": "Dia nandefa taratasy ho an\u2019i Solomona i Hirama mpanjakan\u2019i Tyro hoe: \u201cTian\u2019i Jehovah ny vahoakany, dia izany no nahatonga azy hanendry anao ho mpanjakan\u2019izy ireo.\u201d",
        "12": "Hoy koa i Hirama: \u201cHoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, ilay nanao ny lanitra sy ny tany, satria izy nanome an\u2019i Davida Mpanjaka zanaka hendry sy malina ary mahira-tsaina, izay hanorina trano ho an\u2019i Jehovah sy trano ho an\u2019ny fanjakany!",
        "13": "Alefako any aminao i Hiram-aby, mpanao asa tanana mahay sady mahira-tsaina.",
        "14": "Vehivavy danita ny reniny, fa ny rainy kosa avy eto Tyro. Manana traikefa izy amin\u2019ny asa momba ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, hazo, volonondry\u00a0volomparasy, kofehy manga, lamba tena tsara, ary kofehy mena antitra. Mahavita manao sokitra isan-karazany koa izy, sady mahatafavoaka tsara an\u2019izay sary ampanaovina azy. Hiara-miasa izy sy ny mpanao asa tanana mahay any aminao ary ny mpanao asa tanana mahay notendren\u2019ny rainao, dia i Davida tompoko.",
        "15": "Koa alefaso, tompoko, ny varimbazaha, ny vary orza, ny menaka, ary ny divay efa nampanantenainao ny mpanomponao.",
        "16": "Izahay kosa hikapa hazo be dia be avy any Lib\u00e0na, araka izay ilainao. Hataonay zahatra izany, dia halefanay eny an-dranomasina mandra-pahatonga any aminao any Jopa. Dia ianao no hampiakatra azy any Jerosalema.\u201d",
        "17": "Ary nisain\u2019i Solomona ny lehilahy vahiny rehetra tao amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely, taorian\u2019ilay fanisam-bahoaka nataon\u2019i Davida rainy. Nisy 153\u00a0600 izy ireo.",
        "18": "Dia nataony mpitondra entana ny 70\u00a0000 tamin\u2019izy ireo, mpipai-bato eny an-tendrombohitra ny 80\u00a0000, ary mpiandraikitra an\u2019ireo olona niasa ny 3\u00a0600."
    },
    "3": {
        "1": "Dia nanomboka nanorina trano ho an\u2019i Jehovah tany Jerosalema i Solomona, teo amin\u2019ny Tendrombohitra Moria. Teo i Jehovah no niseho tamin\u2019i Davida rainy, dia teo amin\u2019ny famoloan\u2019i Ornana Jebosita, izany hoe ilay toerana efa nomanin\u2019i Davida.",
        "2": "Nanomboka nanorina izy tamin\u2019ny andro faharoan\u2019ny volana faharoa, tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakany.",
        "3": "Izao no refin\u2019ny fototra nanorenan\u2019i Solomona an\u2019ilay tranon\u2019ilay tena Andriamanitra: 60\u00a0hakiho ny lavany ary 20\u00a0hakiho ny sakany, araka ny hakiho fandrefesana taloha.",
        "4": "Nisy tilikambo fidirana teo anoloan\u2019ilay tempoly. Nirefy 20\u00a0hakiho mitovy amin\u2019ny sakan\u2019ilay trano ny lavany, ary 120 ny haavony. Ary nopetahan\u2019i Solomona takela-bolamena tsy misy fangarony ny tao anatiny.",
        "5": "Nopetahany takela-kazo zenevrie ny efitra lehibe, dia avy eo norakofany volamena tena tsara, ary noravahany sarina hazo palmie sy rojo.",
        "6": "Noravahany vatosoa tsara tarehy koa ilay trano. Volamena avy any Parvaima no nampiasainy.",
        "7": "Dia norakofany volamena ny trano, ny hazo mitondra ny tafo, ny tokonana, ny rindrina, ary ny varavarana. Ary nasiany sarina kerobima voasokitra teny amin\u2019ny rindrina.",
        "8": "Dia nanamboatra an\u2019ilay efitra atao hoe Masina Indrindra izy. Nirefy 20\u00a0hakiho mitovy amin\u2019ny sakan\u2019ilay trano ny lavany, ary 20\u00a0hakiho koa ny sakany. Norakofany volamena tena tsara nilanja 600 talenta ilay izy.",
        "9": "Nilanja 50 sekely ny volamena nanaovana an\u2019ireo fantsika. Norakofany volamena koa ireo efitra tany an-tampon-trano.",
        "10": "Dia nasiany sarivongana kerobima\u00a0roa tao amin\u2019ilay efitra Masina Indrindra, ka nopetahany takela-bolamena ireo.",
        "11": "Ary 20\u00a0hakiho ny halavan\u2019ny elatr\u2019ireo kerobima raha atambatra. Dimy hakiho ny halavan\u2019ny iray amin\u2019ny elatr\u2019ilay kerobima voalohany, ary nipaika tamin\u2019ny rindrin\u2019ilay efitra ilay izy. Dimy hakiho koa ny halavan\u2019ny elany ilany, ary nipaika tamin\u2019ny iray amin\u2019ny elatr\u2019ilay kerobima faharoa ilay izy.",
        "12": "Dimy hakiho ny halavan\u2019ny iray amin\u2019ny elatr\u2019ilay kerobima iray, ary nipaika tamin\u2019ny rindrin\u2019ilay efitra ilay izy. Dimy hakiho koa ny halavan\u2019ny elany ilany, ary nipaika tamin\u2019ny iray amin\u2019ny elatr\u2019ilay kerobima voalohany ilay izy.",
        "13": "Nivelatra ny elatr\u2019ireo kerobima ireo, ary nirefy 20\u00a0hakiho. Nijoro tamin\u2019ny tongony izy ireo, sady nanatrika an\u2019ilay efitra lehibe.",
        "14": "Nataony koa ny ridao, ka kofehy manga sy volonondry volomparasy sy kofehy mena antitra ary lamba tena tsara no nanaovany azy. Dia nasiany sarina kerobima ilay izy.",
        "15": "Nanao andry roa teo anoloan\u2019ilay trano izy avy eo, ka 35\u00a0hakiho ny halavany, ary dimy hakiho ny loha andry tsirairay.",
        "16": "Nanao rojo koa izy, dia napetany teny amin\u2019ny tampon\u2019ireo andry izany. Ary nanao ampongabendanitra 100 izy, ka nataony teny amin\u2019ireo rojo.",
        "17": "Natsangany teo anoloan\u2019ilay tempoly ireo andry, ka ny iray teo ankavanana ary ny iray teo ankavia. Dia nataony hoe Jakina ny anaran\u2019ilay teo ankavanana, ary Boaza ilay teo ankavia."
    },
    "4": {
        "1": "Dia nanao ny alitara varahina izy, ka 20\u00a0hakiho ny lavany, 20\u00a0hakiho ny sakany, ary 10\u00a0hakiho ny haavony.",
        "2": "Nanao fitoeran-drano varahina lehibe nantsoina hoe Ranomasina izy. Boribory ilay izy: 10\u00a0hakiho ny savaivony, 5\u00a0hakiho ny haavony, ary tady 30\u00a0hakiho vao nahodidina azy.",
        "3": "Nisy haingony nitovy tamin\u2019ny voatango teo ambanin\u2019ny molony manodidina azy. Voatango folo isaky ny iray\u00a0hakiho no nanodidina an\u2019ilay Ranomasina. Roa andalana ireo voatango ireo, ary lasitra iray ihany no nandrendrehana azy sy ilay Ranomasina.",
        "4": "Nipetraka teo ambonin\u2019ny omby varahina 12 ilay Ranomasina, ka ny omby 3 nitodika nianavaratra, ny 3 niankandrefana, ny 3\u00a0nianatsimo, ary ny 3 niantsinanana. Nifampiamboho ireo omby rehetra ireo, ary teo ambonin\u2019ireo ilay Ranomasina.",
        "5": "Toy ny sakan\u2019ny felatanana ny hatevin\u2019ilay Ranomasina, ary natao hoatran\u2019ny molotry ny kaopy ny molony, mitovy amin\u2019ny felana lisy. Antonona rano 3\u00a0000 bata ilay fitoeran-drano.",
        "6": "Nanao koveta folo hisasana koa izy, ka ny dimy nataony teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia. Ao amin\u2019ireo ny mpisorona no hanasa ny zavatra ampiasaina amin\u2019ny fanatitra dorana, fa ilay Ranomasina kosa natao hisasany.",
        "7": "Nanao fitoeran-jiro volamena folo izy avy eo, araka izay nasaina natao. Napetrany tao amin\u2019ny tempoly izany, ka ny dimy teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia.",
        "8": "Nanao latabatra folo koa izy. Napetrany tao amin\u2019ny tempoly izany, ka ny dimy teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia. Dia nanao vilia baolina volamena 100 izy.",
        "9": "Nataony koa avy eo ny tokotany ho an\u2019ny mpisorona sy ny tokotany lehibe ary ny vavahadin\u2019ny tokotany. Dia nopetahany takela-barahina ireo vavahady ireo.",
        "10": "Ary nataony teo ankavanana, teo atsimoatsinanana, ilay Ranomasina.",
        "11": "Nanamboatra fitoeran-davenona sy lapelina ary vilia baolina koa i Hirama. Dia vitan\u2019i Hirama ny asa nataony ho an\u2019i Solomona Mpanjaka, momba ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra:",
        "12": "Ny andry roa sy ny loha\u00a0andry nitovy tamin\u2019ny vilia baolina, izay teo an-tampon\u2019ny andry roa; ny harato roa nandrakotra ny loha\u00a0andry roa teo an-tampon\u2019ireo andry;",
        "13": "ny ampongabendanitra 400 ho an\u2019ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana ho an\u2019ny harato tsirairay, mba handrakofana ny loha\u00a0andry roa teo ambonin\u2019ny andry;",
        "14": "ny kalesy folo sy ny koveta folo teo amboniny;",
        "15": "ny Ranomasina sy ny omby 12 teo ambaniny;",
        "16": "ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ary ny fitrebika. Teo koa ny fitaovana rehetra miaraka amin\u2019ireo, izay nataon\u2019i Hiram-abivy tamin\u2019ny varahina nokosehina hangirana. Nataony ho an\u2019i Solomona Mpanjaka izany, ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "17": "Tao anaty lasitra tanimanga no nandrendrehan\u2019ny mpanjaka azy ireo, tao amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, teo anelanelan\u2019i Sokota sy Zareda.",
        "18": "Dia nataon\u2019i Solomona be dia be ireny fitaovana rehetra ireny. Tsy fantatra intsony izay lanjan\u2019ny varahina.",
        "19": "Ary nataon\u2019i Solomona ny fitaovana rehetra ho an\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra: Ny alitara volamena; ny latabatra fametrahana ny mofo aseho;",
        "20": "ny fitoeran-jiro sy ny jirony, izay samy volamena tsy misy fangarony, mba hirehitra eo anoloan\u2019ny efitra anatiny indrindra, araka izay nasaina natao;",
        "21": "ny felam-boninkazo tamin\u2019ny fitoeran-jiro, ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro, izay samy natao tamin\u2019ny volamena tsara indrindra;",
        "22": "ny famonoan-jiro, ny vilia baolina, ny kaopy, ny fitondrana afo, izay samy volamena tsy misy fangarony; ary ny fidirana amin\u2019ny trano, izany hoe ny varavarana anatiny mankao amin\u2019ny Masina Indrindra sy ny varavaran\u2019ny tempoly. Samy volamena daholo ireo."
    },
    "5": {
        "1": "Vitan\u2019i Solomona \u00e0ry ny asa rehetra tsy maintsy nataony ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Dia nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin\u2019i Davida rainy. Ary nataony tao amin\u2019ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana rehetra.",
        "2": "Tamin\u2019izany fotoana izany, dia novorin\u2019i Solomona ny anti-panahin\u2019ny Israely, sy ny lehibem-poko rehetra, ary ny mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Israely. Tonga tany Jerosalema izy ireo mba hampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, avy tany amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida, izany hoe Ziona.",
        "3": "Dia nivory teo anatrehan\u2019ny mpanjaka ny lehilahy rehetra teo amin\u2019ny Israely tamin\u2019ny fotoanan\u2019ny fety, izay natao tamin\u2019ny volana fahafito.",
        "4": "Tonga daholo \u00e0ry ny anti-panahin\u2019ny Israely, ary nobatain\u2019ny Levita ilay Vata.",
        "5": "Dia nentin\u2019izy ireo niakatra ilay Vata, sy ny tranolay fihaonana, ary ny fitaovana masina rehetra tao amin\u2019ilay tranolay. Ny mpisorona sy ny Levita no nitondra an\u2019izany niakatra.",
        "6": "Teo anoloan\u2019ilay Vata i Solomona Mpanjaka sy ny vahoakan\u2019Israely manontolo, izay nampanantsoiny mba hihaona aminy. Be dia be mihitsy ny ondry sy omby natao sorona tamin\u2019izay, ka tsy voaisa intsony.",
        "7": "Dia nentin\u2019ny mpisorona ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, ka nataony teo amin\u2019ny toerany, tao amin\u2019ny efitra anatiny indrindra amin\u2019ilay trano, tao amin\u2019ny Masina Indrindra, teo ambany elatr\u2019ireo kerobima.",
        "8": "Nivelatra teo ambonin\u2019ny toerana nisy an\u2019ilay Vata \u00e0ry ny elatr\u2019ireo kerobima, ka nanaloka an\u2019ilay Vata sy ireo bao filanjana azy ny kerobima.",
        "9": "Lava be ireo bao ka tazana ny tendrony raha avy eo amin\u2019ny Masina, eo anoloan\u2019ny efitra anatiny indrindra. Tsy tazana avy any ivelany kosa ireo bao ireo. Ary mbola ao ireo hatramin\u2019izao.",
        "10": "Tsy nisy na inona na inona tao anatin\u2019ilay Vata, afa-tsy ireo takela-bato roa napetrak\u2019i Mosesy tao, tany Horeba, rehefa nanao fifanekena tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely i Jehovah, tamin\u2019izy ireo nivoaka avy tany Ejipta.",
        "11": "Rehefa nivoaka avy tao amin\u2019ny toerana masina ny mpisorona,\u2014fa efa nanamasina ny tenany ny mpisorona rehetra teo, na inona na inona fizarana nisy azy\u2014",
        "12": "dia efa nanao akanjo vita tamin\u2019ny lamba tena tsara daholo ny Levita mpihira notarihin\u2019i Asafa sy Hemana sy Jedotona sy ny zanak\u2019izy ireo ary ny rahalahiny. Nitondra kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa koa ireo Levita ireo. Nitsangana teo atsinanan\u2019ny alitara izy ireo, niaraka tamin\u2019ny mpisorona 120 izay nitsoka trompetra.",
        "13": "Raha vao niara-nidera sy nisaotra an\u2019i Jehovah ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, ka naneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno hafa, dia feno rahona ilay trano, izany hoe ny tranon\u2019i Jehovah. Nidera an\u2019i Jehovah izy ireo tamin\u2019izay, \u201cfa tsara izy, ary be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay.\u201d",
        "14": "Tsy nahavita nanohy ny fanompoany ny mpisorona noho ilay rahona, satria feno ny voninahitr\u2019i Jehovah ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra."
    },
    "6": {
        "1": "Dia hoy i Solomona tamin\u2019izay: \u201cNilaza i Jehovah fa honina ao amin\u2019ny haizim-pito izy.",
        "2": "Efa nahavita trano be\u00a0voninahitra ho anao aho, dia toerana honenanao mandrakizay.\u201d",
        "3": "Dia nitodika ny mpanjaka, ka notsofiny rano ny fiangonan\u2019Israely manontolo, raha mbola nitsangana teo izy ireo.",
        "4": "Ary niteny izy hoe: \u201cHoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, fa Izy mihitsy no efa nampanantena an\u2019i Davida raiko, ary Izy mihitsy no efa nanatanteraka an\u2019izany! Hoy mantsy Izy:",
        "5": "\u2018Hatramin\u2019ny andro nitondrako ny vahoakako nivoaka avy tany Ejipta, dia mbola tsy nisy tan\u00e0na nofidiko teo amin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely, mba hanaovana trano hitoeran\u2019ny anarako. Ary mbola tsy nisy olona nofidiko ho mpitarika ny Israely vahoakako.",
        "6": "Nifidy an\u2019i Jerosalema anefa aho mba hitoeran\u2019ny anarako, ary nifidy an\u2019i Davida ho mpitarika ny Israely vahoakako.\u2019",
        "7": "Ary nirin\u2019ny fon\u2019i Davida raiko ny hanorina trano ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "8": "Hoy anefa i Jehovah tamin\u2019i Davida raiko: \u2018Nirinao tamin\u2019ny fonao manontolo ny hanorina trano ho an\u2019ny anarako, ary tsara izany fanirian\u2019ny fonao izany.",
        "9": "Tsy ianao anefa no hanorina an\u2019ilay trano, fa ny zanakao izay haterakao no hanorina an\u2019ilay trano ho an\u2019ny anarako.\u2019",
        "10": "Notanterahin\u2019i Jehovah ny fampanantenana nataony, satria nandimby an\u2019i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny Israely, araka ny nampanantenain\u2019i Jehovah. Nanao trano ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely koa aho.",
        "11": "Dia napetrako ao ny Vata misy an\u2019ilay fifanekena nataon\u2019i Jehovah tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely.\u201d",
        "12": "Dia nitsangana teo anoloan\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah, teo anatrehan\u2019ny fiangonan\u2019Israely manontolo, i Solomona, ary namelatra ny tanany mba hivavaka.",
        "13": "\u2014Fa efa nanao lampihazo varahina i Solomona ka nametraka an\u2019ilay izy teo afovoan\u2019ny tokotany. Dimy hakiho ny lavan\u2019ilay izy, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. Ary nitsangana teo ambonin\u2019io izy.\u2014Dia nandohalika teo anatrehan\u2019ny fiangonan\u2019Israely manontolo izy, ka namelatra ny tanany nanandrify ny lanitra mba hivavaka.",
        "14": "Dia hoy izy: \u201cRy Jehovah Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4, tsy misy Andriamanitra hoatr\u2019anao na any an-danitra na et\u1ef3 an-tany. Manaja fifanekena ianao, ary tia an\u2019izay manompo anao amin\u2019ny fony manontolo sady tsy mivadika aminy.",
        "15": "Notanterahinao\u00a0ny fampanantenana nataonao tamin\u2019i Davida raiko mpanomponao. Ianao mihitsy no nampanantena, ary ianao mihitsy no nanatanteraka an\u2019izany androany.",
        "16": "Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4, tanteraho \u00e0ry ilay fampanantenana nataonao tamin\u2019i Davida raiko mpanomponao hoe: \u2018Hisy lehilahy avy amin\u2019ny taranakao foana hipetraka eo anatrehako, eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny Israely, raha mitandrina tsara ny taranakao ka mankat\u00f2 ny lal\u00e0ko, tahaka ny nanarahanao an\u2019izay natoroko anao.\u2019",
        "17": "Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4, mba tanteraho re ny fampanantenana nataonao tamin\u2019i Davida mpanomponao\u00a0e!",
        "18": "\u201cAndriamanitra anefa ve dia tena hiara-monina amin\u2019ny olona et\u1ef3 an-tany? Ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra aza tsy omby anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!",
        "19": "Mba henoy re ny vavak\u2019ity mpanomponao sy ny fitalahoany famindram-po, ry Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4! Henoy ny antso vonjy sy ny vavaka ataon\u2019ny mpanomponao eto anatrehanao.",
        "20": "Enga anie ianao hijery an\u2019ity trano ity andro aman\u2019alina, ilay toerana nolazainao fa hametrahanao ny anaranao, ka hohenoinao ny vavaka ataon\u2019ny mpanomponao manandrify an\u2019ity toerana ity!",
        "21": "Henoy ny antso vonjy ataon\u2019ny mpanomponao sy ny fitalahoan\u2019ny Israely vahoakanao, rehefa mivavaka manandrify an\u2019ity toerana ity. Ary enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao any! Enga anie ianao hihaino ka hamela heloka!",
        "22": "\u201cRaha misy olona manota amin\u2019ny namany ka asaina mianiana sy miaiky hoe ho voaozona izy raha tsy manaja an\u2019ilay fianianana, ary tonga eo anoloan\u2019ny alitaranao ato amin\u2019ity trano ity izy,",
        "23": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka hanao zavatra ary hitsara ny mpanomponao! Sazio ny ratsy fanahy, ary valio araka izay nataony izy. Lazao hoe tsy manan-tsiny kosa ny olo-marina, ary omeo valisoa izy satria nanao ny marina.",
        "24": "\u201cRaha resin\u2019ny fahavalo ny Israely vahoakanao satria nanota taminao foana, nefa miverina aminao izy ka manome voninahitra ny anaranao, ary mivavaka sy mitalaho famindram-po eo anatrehanao ato amin\u2019ity trano ity,",
        "25": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka hamela ny fahotan\u2019ny Israely vahoakanao, ary hampody azy any amin\u2019ny tany nomenao azy sy ny razambeny!",
        "26": "\u201cRaha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota taminao foana izy ireo, nefa mivavaka manandrify an\u2019ity toerana ity izy ary manome voninahitra ny anaranao sady miala amin\u2019ny fahotany, satria nataonao izay hahatonga azy hanetry tena,",
        "27": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka hamela ny fahotan\u2019ny mpanomponao, dia ny an\u2019ny Israely vahoakanao, ary hanoro azy ny lalana tsara tokony halehany! Ary andatsaho orana ny taninao izay nomenao ho lovan\u2019ny vahoakanao.",
        "28": "\u201cRaha misy mosary eto amin\u2019ity tany ity, na areti-mandringana, na mainan\u2019ny rivotra mahamay sy tratran\u2019ny aretin-javamaniry ny voly, na misy andiam-balala na valala mirangorango, na misy fahavalo manao fahirano ny vahoakanao ao amin\u2019ireo tan\u00e0na eto amin\u2019ity tany ity, na misy loza na aretina hafa,",
        "29": "ka mivavaka na mitalaho famindram-po ny olona iray na ny Israely vahoakanao rehetra\u2014satria samy mahalala an\u2019izay mampahory azy ao am-pony ao ny tsirairay\u2014ary mamelatra ny tanany manandrify an\u2019ity trano ity izy,",
        "30": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao any ka hamela heloka! Mba valio araka izay nataony ny tsirairay, satria ianao no mahalala ny ao am-pony\u2014ianao irery ihany no mahalala tsara ny ao am-pon\u2019ny olona\u2014",
        "31": "mba hatahorany anao ka hanarahany ny lalana atoronao, amin\u2019ny andro rehetra iainany eto amin\u2019ity tany nomenao ny razambenay ity!",
        "32": "\u201cRaha misy koa vahiny tsy anisan\u2019ny Israely vahoakanao, nefa tonga avy any an-tany lavitra noho ny amin\u2019ny anaranao be voninahitra sy ny tananao matanjaka ary ny sandrinao mahery, ka tonga mivavaka manandrify an\u2019ity trano ity izy,",
        "33": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao any, ka hanao an\u2019izay rehetra angatahin\u2019ilay vahiny aminao! Amin\u2019izay dia ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao, ka hatahotra anao hoatran\u2019ny Israely vahoakanao izy ireo, ary ho fantany fa efa nantsoina teto amin\u2019ity trano naoriko ity ny anaranao.",
        "34": "\u201cRaha mandeha miady amin\u2019ny fahavalony any amin\u2019ny lalana andefasanao azy ny vahoakanao, ka mivavaka aminao manandrify an\u2019ity tan\u00e0na nofidinao ity sy ny trano naoriko ho an\u2019ny anaranao,",
        "35": "dia henoy any an-danitra any ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po, ka ataovy izay hitanao fa rariny mba hanampiana azy ireo.",
        "36": "\u201cRaha manota aminao izy\u2014fa tsy misy olombelona tsy manota\u2014ka tezitra be aminy ianao, dia avelanao ho azon\u2019ny fahavalo izy ka entin\u2019izy ireo ho babo any an-tany lavitra na akaiky,",
        "37": "ary tonga saina izy any amin\u2019ny tany nitondrana azy ho babo, dia miverina aminao sy mitalaho famindram-po aminao any amin\u2019ilay tany nitondrana azy, ka miteny hoe: \u2018Nanota izahay sady efa diso ary nanao ratsy\u2019,",
        "38": "ary miverina aminao amin\u2019ny fony manontolo sy ny heriny manontolo izy, any amin\u2019ny tany izay nitondrana azy ho babo, ka mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razambeny, sy ny tan\u00e0na nofidinao ary ny trano naoriko ho an\u2019ny anaranao,",
        "39": "dia henoy any an-danitra fonenanao any ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po, ka ataovy izay hitanao fa rariny mba hanampiana azy ireo, ary mamel\u00e0 ny heloky ny vahoakanao izay nanota taminao.",
        "40": "\u201cAndriamanitro\u00a0\u00f4, enga anie ny masonao hijery, ary ny sofinao hihaino tsara ny vavaka atao eto amin\u2019ity toerana ity!",
        "41": "Miakara ao amin\u2019ny toerana honenanao, ry Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4, ianao sy ny Vata Masin\u2019ny herinao. Enga anie hitafy famonjena ny mpisoronao, ry Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4, ary enga anie hifaly noho ny zavatra tsara ataonao ny olona tsy mivadika aminao!",
        "42": "Aza afoy ny voahosotrao, ry Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4! Enga anie ho tadidinao fa tianao i Davida mpanomponao ary tsy mivadika aminy ianao!\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Raha vao avy nivavaka i Solomona, dia nisy afo nilatsaka avy any an-danitra nandevona ny fanatitra dorana sy ny sorona. Ary nameno an\u2019ilay trano ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "2": "Tsy afaka niditra tao an-tranon\u2019i Jehovah \u00e0ry ny mpisorona, satria feno ny voninahitr\u2019i Jehovah ilay tranon\u2019i Jehovah.",
        "3": "Nahita an\u2019ilay afo nilatsaka sy ny voninahitr\u2019i Jehovah teo amin\u2019ilay trano ny vahoakan\u2019Israely, ka niondrika tamin\u2019ny tany teo amin\u2019ilay tokotany vato sady niankohoka ary nisaotra an\u2019i Jehovah, \u201cfa tsara izy, ary be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay.\u201d",
        "4": "Dia nanao sorona teo anatrehan\u2019i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka manontolo.",
        "5": "Nanolotra omby 22\u00a0000 sy ondry 120\u00a0000 i Solomona Mpanjaka mba hatao sorona. Izany no nataon\u2019ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, tamin\u2019izy ireo nitokana ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "6": "Nijoro teo amin\u2019ny toerana tokony hisy azy ny mpisorona tamin\u2019izay, ary teo koa ny Levita nitondra ny zavamaneno nanaovana hira ho an\u2019i Jehovah. I Davida Mpanjaka no nanamboatra an\u2019ireny zavamaneno ireny mba hanaovana hira fisaorana an\u2019i Jehovah,\u2014\u201cfa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay\u201d\u2014isaky ny nidera azy niaraka tamin\u2019izy ireo i Davida. Ary nitsoka trompetra mafy be teo anoloan\u2019izy ireo ny mpisorona, raha mbola nitsangana teo ny Israelita rehetra.",
        "7": "Dia nohamasinin\u2019i Solomona ny teo afovoan\u2019ny tokotany, teo anoloan\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Teo no tsy maintsy nanolorany ny fanatitra dorana sy ny tavin\u2019ny sorona iombonana. Tsy antonona teo amin\u2019ilay alitara varahina nataon\u2019i Solomona mantsy ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin\u2019ireo sorona.",
        "8": "Nanao fety nandritra ny fito andro i Solomona tamin\u2019izay, niaraka tamin\u2019ny Israely rehetra, izay fiangonana lehibe avy any Lebo-hamata ka hatrany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Ejipta.",
        "9": "Nanao fivoriambe makotrokotroka izy ireo ny andro fahavalo, satria efa nitokana an\u2019ilay alitara nandritra ny fito andro izy ireo sady nanao an\u2019ilay fety nandritra ny fito andro.",
        "10": "Dia nalefany nody ny vahoaka tamin\u2019ny andro faha-23 amin\u2019ny volana fahafito. Faly sy ravoravo er\u1ef3 ny fon\u2019izy ireo, noho ny soa rehetra nataon\u2019i Jehovah tamin\u2019i Davida sy Solomona ary ny Israely vahoakany.",
        "11": "Dia vitan\u2019i Solomona ny tranon\u2019i Jehovah sy ny tranon\u2019ny mpanjaka. Vitany tsara daholo ny zavatra rehetra niriny hatao momba ny tranon\u2019i Jehovah sy ny tranony.",
        "12": "Ary niseho tamin\u2019i Solomona i Jehovah ny alin\u2019iny, ka nilaza hoe: \u201cEfa henoko ny vavaka nataonao, ary efa nofidiko ho ahy ity toerana ity mba ho trano fanaovana sorona.",
        "13": "Raha manidy ny lanitra aho ka tsy misy orana, na mibaiko ny valala mba handripaka ny zavamaniry eo amin\u2019ny tany, na mandefa areti-mandringana hamely ny vahoakako,",
        "14": "nefa manetry tena ny vahoakako izay antsoina amin\u2019ny anarako, ka mivavaka sy mitady ahy ary miala amin\u2019ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra aho ka hamela ny fahotany ary hamerina ny taniny amin\u2019ny laoniny.",
        "15": "Dia hijery ny masoko, ary hihaino tsara ny vavaka atao eto amin\u2019ity toerana ity ny sofiko.",
        "16": "Efa nofidiko sady nohamasiniko ity trano ity mba ho ao foana ny anarako. Hifantoka ao foana koa ny masoko ary ho ao foana ny foko.",
        "17": "\u201cRaha manompo ahy toy ny nataon\u2019i Davida rainao koa ianao, ka manao an\u2019izay rehetra nandidiako anao ary mankat\u00f2 ny fitsipiko sy ny didim-pitsarako,",
        "18": "dia hataoko mafy orina ny fanjakanao, araka ny fifanekena nataoko tamin\u2019i Davida rainao hoe: \u2018Hisy lehilahy avy amin\u2019ny taranakao foana hitondra eo amin\u2019ny Israely.\u2019",
        "19": "Raha miala amiko anefa ianareo, ka tsy miraharaha ny didy sy ny lal\u00e0na nomeko anareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehan\u2019ireny,",
        "20": "dia hongotako tsy ho eo amin\u2019ny tany nomeko azy ny Israely. Ilay trano nohamasiniko ho an\u2019ny anarako kosa hariako tsy ho hitan\u2019ny masoko intsony, sady havelako hesoesoin\u2019ny firenena rehetra sy hataony fihomehezana.",
        "21": "Ary ho lasa korontam-bato mivangongo ity trano ity. Ho gaga izay rehetra mandalo eo, dia hiteny hoe: \u2018Fa naninona \u00e0ry no dia nataon\u2019i Jehovah hoatr\u2019izao ity tany ity sy ity trano ity?\u2019",
        "22": "Dia hisy hilaza hoe: \u2018Satria ry zareo niala tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny, izay nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta, ary maimaika er\u1ef3 nanaraka andriamani-kafa ka niankohoka teo anatrehan\u2019ireny sady nanompo azy. Izany no nahatonga Azy hamely an-dry zareo tamin\u2019izao loza rehetra izao.\u2019\u201d"
    },
    "8": {
        "1": "Rehefa tapitra ny 20\u00a0taona nanorenan\u2019i Solomona ny tranon\u2019i Jehovah sy ny tranony,",
        "2": "dia naoriny indray ireo tan\u00e0na nomen\u2019i Hirama azy, ka nasainy nipetraka tao ny Israelita.",
        "3": "Nankany Hamata-zoba koa i Solomona ka naharesy azy.",
        "4": "Dia nohamafisiny i Tadmora tany an-tany efitra, sy ny tan\u00e0na rehetra fitehirizana entana sy vokatra efa naoriny tany Hamata.",
        "5": "Naoriny koa i Beti-horona Ambony sy Beti-horona Ambany. Tan\u00e0na voaro mafy misy manda sy vavahady ary bara hidiny ireo.",
        "6": "Naoriny koa i Baleta sy ny tan\u00e0na rehetra fitehirizan\u2019i Solomona entana sy vokatra, ny tan\u00e0na rehetra fanatobiana kalesy, ny tan\u00e0nan\u2019ny mpitaingin-tsoavaly, ary izay rehetra nirin\u2019i Solomona haorina tao Jerosalema sy tany Lib\u00e0na ary nanerana ny tany nanjakany.",
        "7": "Ary mbola nisy sisa tavela ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita, izay samy tsy anisan\u2019ny Israely.",
        "8": "Mbola tavela teo amin\u2019ilay tany ny taranak\u2019izy ireny fa tsy naripaky ny Israelita, ka nampanaovin\u2019i Solomona asa an-terivozona hatramin\u2019izao.",
        "9": "Ny Israelita kosa tsy nisy nataon\u2019i Solomona andevo, fa izy ireo no miaramilany, lehiben\u2019ny manamboninahitra lefitra, lehiben\u2019ny mpitondra kalesiny, ary lehiben\u2019ny mpitaingin-tsoavaly.",
        "10": "Nisy 250 lahy ny mpiadidy ny lehibem-paritr\u2019i Solomona Mpanjaka. Mpanara-maso an\u2019ireo olona nanao an\u2019ilay asa izy ireo.",
        "11": "Ny zanakavavin\u2019i Farao indray nentin\u2019i Solomona niakatra avy tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida ho any amin\u2019ilay trano naoriny ho azy. Fa hoy izy: \u201cTsy tokony hipetraka ao an-tranon\u2019i Davida mpanjakan\u2019ny Israely izy, na dia vadiko aza, satria masina ny toerana nidiran\u2019ny Vata masin\u2019i Jehovah.\u201d",
        "12": "Avy eo dia nanolotra sorona dorana ho an\u2019i Jehovah i Solomona, teo amin\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah, izay efa naoriny teo anoloan\u2019ny tilikambo fidirana.",
        "13": "Nanaraka ny didy nomen\u2019i Mosesy izy ka nanao ny fanatitra tokony hatao isan\u2019andro, ny fanatitra atao rehefa Sabata sy tsinam-bolana ary amin\u2019ny fotoanan\u2019ny fety intelo isan-taona, dia ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay, sy ny Fetin\u2019ireo Herinandro, ary ny Fetin\u2019ny Trano Rantsankazo.",
        "14": "Ary nozarazarainy hanao ny fanompoany ny mpisorona, nifanaraka tamin\u2019ny fitsipika napetrak\u2019i Davida rainy. Notendreny hanao ny andraikiny koa ny Levita, mba hidera sy hanompo an\u2019Andriamanitra eo anatrehan\u2019ny mpisorona araka ny fanao isan\u2019andro. Notendreny ho eny amin\u2019ny vavahady samy hafa kosa ny mpiandry vavahady, araka ny fizarana nisy azy avy. Izany rehetra izany mantsy no nandidian\u2019i Davida, lehilahin\u2019Andriamanitra.",
        "15": "Ary nankatoavin\u2019izy ireo foana ny didin\u2019ny mpanjaka ho an\u2019ny mpisorona sy ny Levita, dia ny didy nomeny momba ny trano fitehirizana entana na momba ny zavatra hafa rehetra.",
        "16": "Voalamina tsara daholo \u00e0ry ny asan\u2019i Solomona, nanomboka tamin\u2019ny andro nandatsahana ny fototry ny tranon\u2019i Jehovah ka mandra-pahavitany. Dia vita tanteraka ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "17": "Tamin\u2019izay i Solomona no nankany Eziona-gebera sy Elota, teny amoron-tsiraka, tany Edoma.",
        "18": "Nandefa sambo sy tantsambo za-draharaha tany amin\u2019i Solomona i Hirama, ka ny mpanompony no nasainy nandefa an\u2019izany. Niaraka tamin\u2019ny mpanompon\u2019i Solomona nankany Ofira ireo, dia naka volamena nilanja 450 talenta, ka nitondra an\u2019izany tany amin\u2019i Solomona Mpanjaka."
    },
    "9": {
        "1": "Henon\u2019ny mpanjakavavin\u2019i Sheba ny lazan\u2019i Solomona, ka tonga tany Jerosalema izy mba hitsapa an\u2019i Solomona tamin\u2019ny fanontaniana saro-baliana. Nisy mpanompo maro be koa niaraka taminy, dia nisy rameva nitondra menaka balsama sy volamena be dia be ary vatosoa. Ary nankao amin\u2019i Solomona izy, ka nilaza taminy an\u2019izay rehetra tao am-pony.",
        "2": "Dia voavalin\u2019i Solomona daholo ny fanontaniany. Tsy nisy zavatra sarotra loatra tamin\u2019i Solomona ka hoe tsy hainy ny nanazava azy.",
        "3": "Rehefa hitan\u2019ilay mpanjakavavin\u2019i Sheba ny fahendren\u2019i Solomona, ny trano naoriny,",
        "4": "ny sakafo teo an-databany, ny fomba nametrahana an\u2019ireo mpanompony, ny fomba fiasan\u2019ireo mpandroso sakafo sy ny fitafian\u2019izy ireo, ny mpandroso zava-pisotro sy ny fitafian\u2019izy ireo, ary ny sorona dorana natolony tsy tapaka tao an-tranon\u2019i Jehovah, dia tena gaga be mihitsy izy.",
        "5": "Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cTena marina ny zavatra henoko tany amin\u2019ny taniko momba ny zava-bitanao sy ny fahendrenao.",
        "6": "Tsy nino ny tenin\u2019ny olona anefa aho raha tsy tonga tat\u1ef3, ka ny masoko mihitsy no nahita. Hay na ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy nolazaina tamiko! Fa mihoatra lavitra noho izay efa henoko ny zavatra hitako.",
        "7": "Sambatra ny olonao, ary sambatra ny mpanomponao izay eto aminao eto foana, ka maheno ny fahendrenao!",
        "8": "Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitrao izay nankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin\u2019ny seza fiandrianany, mba ho mpanjaka hisolo tena an\u2019i Jehovah Andriamanitrao! Tian\u2019Andriamanitrao ny Israely sady tiany haharitra mandrakizay, ka notendreny ho mpanjakan\u2019izy ireo ianao, mba hanao ny rariny sy ny hitsiny.\u201d",
        "9": "Dia nomen\u2019ilay mpanjakavavin\u2019i Sheba volamena 120 talenta i Solomona Mpanjaka, sady nomeny menaka balsama be dia be sy vatosoa. Tsy nisy nitondra menaka balsama be dia be hoatran\u2019ilay nomeny an\u2019i Solomona intsony tany taorian\u2019izay.",
        "10": "Nitondra volamena avy any Ofira ny mpanompon\u2019i Hirama sy ny mpanompon\u2019i Solomona, ary nitondra hazo algoma sy vatosoa koa.",
        "11": "Ny hazo algoma dia nanaovan\u2019ny mpanjaka tohatra ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah sy ho an\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka, ary harpa sy zavamaneno fitendry ho an\u2019ny mpihira. Mbola tsy nahitana hoatr\u2019izany mihitsy tany Joda hatramin\u2019izay.",
        "12": "Nomen\u2019i Solomona Mpanjaka ho an\u2019ny mpanjakavavin\u2019i Sheba koa izay rehetra niriny sy nangatahiny, mihoatra noho izay efa nentiny ho an\u2019ny mpanjaka. Dia lasa nody tany amin\u2019ny taniny ilay mpanjakavavy sy ny mpanompony.",
        "13": "Nilanja 666 talenta ny volamena tonga tany amin\u2019i Solomona tao anatin\u2019ny herintaona,",
        "14": "ankoatra an\u2019izay nentin\u2019ny mpivaro-mandeha sy ny mpivarotra. Nitondra volafotsy sy volamena ho an\u2019i Solomona koa ny mpanjaka rehetran\u2019ny Arabo sy ireo governoran\u2019ilay tany.",
        "15": "Nanao ampinga lehibe 200 tamin\u2019ny volamena misy fangarony i Solomona Mpanjaka, ka volamena misy fangarony milanja 600 sekely no nandrakofany ny ampinga tsirairay.",
        "16": "Nanamboatra ampinga kely 300 tamin\u2019ny volamena misy fangarony koa izy, ka volamena milanja telo mina no nandrakofany ny ampinga kely tsirairay. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin\u2019ny Trano Alan\u2019i Lib\u00e0na ireo.",
        "17": "Nanao seza fiandrianana lehibe koa ny mpanjaka. Vita tamin\u2019ny Ivoara izy io, ary nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony.",
        "18": "Nisy zanatohatra enina nankeo amin\u2019ilay seza fiandrianana, ary nisy fitoeran-tongotra volamena napetaka tamin\u2019ilay seza. Nasiany fitoeran-tanana teo amin\u2019ny andaniny roa amin\u2019ilay seza, ary nasiany liona iray\u00a0avy nitsangana teo akaikin\u2019ireo fitoeran-tanana.",
        "19": "Nisy liona 12 koa teo amin\u2019ireo zanatohatra enina, ka iray avy teo amin\u2019ny sisiny roa tamin\u2019ny zanatohatra tsirairay. Tsy nisy fanjakana nanao seza fiandrianana hoatr\u2019izany mihitsy.",
        "20": "Volamena daholo ny kaopin\u2019i Solomona Mpanjaka. Ary volamena tsy misy fangarony ny fitaovana rehetra tao amin\u2019ny Trano Alan\u2019i Lib\u00e0na. Tsy nisy zavatra vita tamin\u2019ny volafotsy mihitsy, satria noheverina ho tsinontsinona ny volafotsy tamin\u2019ny andron\u2019i Solomona.",
        "21": "Fa nanana sambo nankany Tarsisy ny mpanjaka, ary ny mpanompon\u2019i Hirama no nitondra an\u2019ireny. Tonga isaky ny telo taona koa ny sambon\u2019i Tarsisy, izay nitondra volamena, volafotsy, ivoara, rajako, ary vorombola.",
        "22": "Nanan-karena sy hendry noho ny mpanjaka rehetra teto an-tany \u00e0ry i Solomona Mpanjaka.",
        "23": "Ary nangataka hihaona taminy ny mpanjaka eran-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon\u2019ilay tena Andriamanitra tao am-pony.",
        "24": "Samy nitondra an\u2019ireto fanomezana ireto izy ireo isan-taona: Zavatra vita tamin\u2019ny volafotsy sy volamena, fitafiana, fitaovam-piadiana, menaka balsama, soavaly, ary ramole.",
        "25": "Ary nanana tranon-tsoavaly 4\u00a0000, sy kalesy, ary soavaly 12\u00a0000 i Solomona. Nataony tao amin\u2019ny tan\u00e0na fanatobiana kalesy sy tany Jerosalema tany akaikin\u2019ny mpanjaka ireo.",
        "26": "Teo ambany fahefany ny mpanjaka rehetra, nanomboka tany amin\u2019ny Renirano ka hatrany amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina sy ny sisin-tanin\u2019i Ejipta.",
        "27": "Nataon\u2019ny mpanjaka be\u00a0dia\u00a0be toy ny vato ny volafotsy tany Jerosalema, ary nataony betsaka toy ny aviavidia any Sefela ny hazo sedera.",
        "28": "Soavaly avy any Ejipta sy avy any amin\u2019ny tany hafa rehetra no nentina ho an\u2019i Solomona.",
        "29": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny asa soratr\u2019i Natana mpaminany sy ny faminanian\u2019i Ahia Silonita ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Solomona, hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany? Tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny fahitana hitan\u2019i Ido koa ve izany? Mpahita fahitana i Ido, ary nahita fahitana momba an\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata izy.",
        "30": "Nanjaka 40\u00a0taona tany Jerosalema, teo amin\u2019ny Israely rehetra, i Solomona.",
        "31": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny izy, ka nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida rainy. Ary i Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "10": {
        "1": "Nankany Sekema i Rehoboama, satria tonga tany ny Israely rehetra mba hanao azy ho mpanjaka.",
        "2": "Raha vao henon\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata izany, dia niverina avy tany Ejipta izy\u2014mbola tany Ejipta izy tamin\u2019izay satria nandositra an\u2019i Solomona Mpanjaka.\u2014",
        "3": "Nampiantso azy \u00e0ry ny olona. Ary nankany amin\u2019i Rehoboama i Jeroboama sy ny Israely rehetra, ka niteny hoe:",
        "4": "\u201cNampitondra zioga mavesatra anay ny rainao. Hanompo anao anefa izahay, raha hamaivaninao ny fanompoana mafy nampanaovin-drainao sy ny zioga mavesatra nampitondrainy anay.\u201d",
        "5": "Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cMiverena at\u1ef3 amiko rehefa afaka telo andro.\u201d Dia lasa ny olona.",
        "6": "Ary nanontanian\u2019i Rehoboama Mpanjaka ireo zokiolona nanompo an\u2019i Solomona rainy fony fahavelony hoe: \u201cAhoana no havaly ny vahoaka, araka ny hevitrareo?\u201d",
        "7": "Dia hoy ireo zokiolona taminy: \u201cRaha tsara fanahy amin\u2019ny vahoaka ianao, ka mampifaly azy sy manome valin-teny mahafa-po azy, dia hanompo anao foana ry zareo.\u201d",
        "8": "Tsy nanaraka ny soso-kevitr\u2019ireo zokiolona anefa izy, fa nanontany an\u2019ireo tovolahy niara-lehibe taminy sady mpanompony.",
        "9": "Hoy izy: \u201cAhoana no havalintsika ny vahoaka, araka ny hevitrareo? Niteny tamiko mantsy ry zareo hoe: \u2018Mba hamaivano ny zioga nampitondrain\u2019ny rainao anay.\u2019\u201d",
        "10": "Dia hoy ireo tovolahy niara-lehibe taminy: \u201cNiteny taminao ny vahoaka hoe: \u2018Nampitondra zioga mavesatra anay ny rainao, fa mba hamaivano kosa izany.\u2019 Dia izao lazaina aminy: \u2018Ho lehibe noho ny andilan\u2019ny raiko ny ankikeliko.",
        "11": "Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy ny zioganareo. Ny raiko nanafay anareo tamin\u2019ny karavasy tsotra, fa izaho kosa hanafay anareo amin\u2019ny karavasy misy zava-maranitra.\u2019\u201d",
        "12": "Dia nankany amin\u2019i Rehoboama i Jeroboama sy ny olona rehetra, tamin\u2019ny andro fahatelo, araka ny tenin\u2019ny mpanjaka hoe: \u201cMiverena at\u1ef3 amiko amin\u2019ny andro fahatelo.\u201d",
        "13": "Teny henjana anefa no navalin\u2019ny mpanjaka ny vahoaka. Tsy narahin\u2019i Rehoboama Mpanjaka \u00e0ry ny soso-kevitr\u2019ireo zokiolona.",
        "14": "Nanaraka ny soso-kevitr\u2019ireo tovolahy izy, ka nilaza hoe: \u201cVao mainka hataoko mavesatra ny zioganareo ary mbola hampiako aza. Nanafay anareo tamin\u2019ny karavasy tsotra ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin\u2019ny karavasy misy zava-maranitra.\u201d",
        "15": "Tsy nohenoin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry ny vahoaka, satria ilay tena Andriamanitra no nahatonga an\u2019izany, mba ho tanteraka ny teny nasain\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Ahia Silonita tamin\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata.",
        "16": "Dia hoy ny Israely rehetra, rehefa tsy nety nihaino azy ireo ny mpanjaka: \u201cInona moa no mba anjaranay any amin\u2019i Davida? Tsy misy lovanay ange any amin\u2019ny zanak\u2019i Jese\u00a0e! Samia mankany amin\u2019ny andriamaniny avy, ry Israely\u00a0\u00f4! Karakarao amin\u2019izay ny taranakao, ry Davida\u00a0\u00f4!\u201d Dia nody tany an-tranony ny Israely rehetra.",
        "17": "Na izany aza, dia mbola nanjaka tamin\u2019ny Israelita nipetraka tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda ihany i Rehoboama.",
        "18": "Dia nirahin\u2019i Rehoboama Mpanjaka ho any amin\u2019ny Israely rehetra i Hadorama, ilay niandraikitra an\u2019ireo voantso hanao fanompoana ho an\u2019ny mpanjaka. Nitora-bato azy anefa ny Israelita, ka maty izy. I Rehoboama Mpanjaka kosa tafakatra tao anaty kalesiny, ka nandositra tany Jerosalema.",
        "19": "Ary mbola mikomy amin\u2019ny taranak\u2019i Davida ny Israelita hatramin\u2019izao."
    },
    "11": {
        "1": "Vao tonga tany Jerosalema i Rehoboama, dia namory ny taranak\u2019i Joda sy Benjamina, izany hoe miaramila 180 000 efa zatra ady. Novoriny izy ireo mba hiady tamin\u2019ny Israely, amin\u2019izay ho azon\u2019i Rehoboama indray ny fanjakana.",
        "2": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Semaia, lehilahin\u2019Andriamanitra:",
        "3": "\u201cLazao amin\u2019i Rehoboama zanak\u2019i Solomona mpanjakan\u2019ny Joda, sy amin\u2019ny Israelita rehetra any amin\u2019ny tanin\u2019i Joda sy Benjamina hoe:",
        "4": "\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAza miakatra hiady amin\u2019ny rahalahinareo. Samia mody any an-tranonareo avy, fa izaho no nahatonga an\u2019izao.\u201d\u2019\u201d Dia nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah izy ireo, ka nody fa tsy nanafika an\u2019i Jeroboama.",
        "5": "Nipetraka tao Jerosalema i Rehoboama, ary nanorina tan\u00e0na voaro mafy tany Joda.",
        "6": "Dia naoriny i Betlehema, Etama, Tekoa,",
        "7": "Beti-zora, Soko, Adolama,",
        "8": "Gata, Maresa, Zifa,",
        "9": "Adoraima, Lakisy, Azeka,",
        "10": "Zora, Aialona ary Hebrona, izay samy tan\u00e0na voaro mafy tany amin\u2019ny tanin\u2019i Joda sy Benjamina.",
        "11": "Nohamafisiny koa ny fiarovana an\u2019ireo toerana voaro mafy ireo. Nasiany mpitari-tafika \u00e0ry tao amin\u2019ireo, ary namatsy sakafo sy menaka ary divay ho an\u2019ireo izy.",
        "12": "Nasiany ampinga lehibe sy lefona koa tany amin\u2019ny tan\u00e0na hafa rehetra, ary nataony mafy tsara ny fiarovana an\u2019ireny. Mbola izy ihany no nanjaka tamin\u2019i Joda sy Benjamina.",
        "13": "Dia niala tany amin\u2019ny faritra rehetra nisy azy ny mpisorona sy ny Levita eran\u2019i Israely, ka niandany tamin\u2019i Rehoboama.",
        "14": "Niala tany amin\u2019ny kijanany sy ny fananany \u00e0ry ny Levita, ka nankany Joda sy Jerosalema. Nesorin\u2019i Jeroboama sy ny zanany tsy ho mpisoron\u2019i Jehovah mantsy izy ireo.",
        "15": "Dia nanendry mpisorona ho eny amin\u2019ireo toerana avo i Jeroboama, mba hanompo an\u2019ireo demonia miendrika osy sy ireo zanak\u2019omby nataony.",
        "16": "Nisy olona avy tamin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely kosa nanaraka an\u2019ireo mpisorona sy Levita. Nitady an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin\u2019ny fony manontolo izy ireo, ka nankany Jerosalema mba hanao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny.",
        "17": "Nanatanjaka ny fanjakan\u2019ny Joda izy ireo sady nanohana an\u2019i Rehoboama zanak\u2019i Solomona nandritra ny telo taona. Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019i Davida sy Solomona mantsy izy ireo nandritra ireo telo taona ireo.",
        "18": "Ary nanambady an\u2019i Mahalota i Rehoboama. I Mahalota dia zanakavavin\u2019i Jerimota zanakalahin\u2019i Davida sy Abihaila zanakavavin\u2019i Eliaba zanak\u2019i Jese.",
        "19": "Nitera-dahy taminy i Mahalota, dia i Jeosy sy Semaria ary Zahama.",
        "20": "Nanambady an\u2019i Maka zafikelin\u2019i Absaloma koa i Rehoboama. Tat\u1ef3 aoriana, dia niteraka an\u2019i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy i Maka.",
        "21": "Tia an\u2019i Maka zafikelin\u2019i Absaloma mihoatra noho ny vadiny sy ny vadikeliny rehetra i Rehoboama. Naka vady 18 sy vadikely 60 mantsy izy, ka niteraka zazalahy 28 sy zazavavy 60.",
        "22": "I Abia zanak\u2019i Maka \u00e0ry no notendren\u2019i Rehoboama ho lehiben\u2019ireo rahalahiny sady mpitarika azy, satria tiany hatao mpanjaka izy.",
        "23": "Nahira-tsaina anefa i Rehoboama ka nalefany nanerana ny faritr\u2019i Joda sy Benjamina, tany amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra voaro mafy, ny zanany lahy sasany. Nomeny sakafo be dia be sy vady maro be koa izy ireo."
    },
    "12": {
        "1": "Raha vao mafy orina ny fanjakan\u2019i Rehoboama ka lasa natanjaka izy, dia nahafoy ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah izy sy ny Israely rehetra niaraka taminy.",
        "2": "Ary tamin\u2019ny taona fahadimy nanjakan\u2019i Rehoboama, dia niakatra i Sisaka mpanjakan\u2019i Ejipta mba hanafika an\u2019i Jerosalema, satria nivadika tamin\u2019i Jehovah ny Israely.",
        "3": "Nanana kalesy 1\u00a0200 sy mpitaingin-tsoavaly 60\u00a0000 i Sisaka. Tsy hita isa ny miaramila niaraka taminy avy any Ejipta, dia ny Libyanina sy ny Sokita ary ny Etiopianina.",
        "4": "Dia azony ireo tan\u00e0na voaro mafy tany Joda, ka tonga hatrany Jerosalema izy.",
        "5": "Nivory tao Jerosalema i Rehoboama sy ny andrianan\u2019ny Joda satria natahotra an\u2019i Sisaka. Dia tonga teo amin\u2019izy ireo i Semaia mpaminany, ka niteny hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Ianareo efa nahafoy ahy, ka mba afoiko eo an-tanan\u2019i Sisaka koa.\u2019\u201d",
        "6": "Dia nanetry tena ny mpanjaka sy ny andrianan\u2019ny Israely, ka niteny hoe: \u201cRariny ny an\u2019i Jehovah.\u201d",
        "7": "Rehefa hitan\u2019i Jehovah fa nanetry tena izy ireo, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Semaia: \u201cNanetry tena izy ireo ka tsy haringako, ary tsy ho ela dia hovonjeko. Dia tsy hanampatra ny hatezerako aminy aho, ka tsy havelako hamely an\u2019i Jerosalema i Sisaka.",
        "8": "Ho lasa mpanompon\u2019i Sisaka anefa izy ireo, mba hahafantaran\u2019izy ireo fa tsy mitovy ny manompo ahy sy ny manompo ny mpanjakan\u2019ny firenen-kafa.\u201d",
        "9": "Dia niakatra nanafika an\u2019i Jerosalema i Sisaka mpanjakan\u2019i Ejipta. Nalainy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon\u2019i Jehovah sy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka. Lasany daholo ny zava-drehetra, anisan\u2019izany ny ampinga volamena nataon\u2019i Solomona.",
        "10": "Nanao ampinga varahina \u00e0ry i Rehoboama Mpanjaka ho solon\u2019ireny. Nasainy niandraikitra an\u2019ireny ny lehiben\u2019ny mpiambina, izay niambina ny fidirana mankao an-tranon\u2019ny mpanjaka.",
        "11": "Isaky ny nankao an-tranon\u2019i Jehovah ny mpanjaka, dia niditra ny mpiambina sady nitondra an\u2019ireo ampinga, dia avy eo namerina an\u2019izany tao amin\u2019ny efitra fiambenana.",
        "12": "Nanetry tena mantsy ny mpanjaka sady mba nanao zavatra tsara ihany ny olona tany Joda. Tsy tezitra tamin\u2019ny mpanjaka intsony \u00e0ry i Jehovah, ka tsy nandringana azy ireo tanteraka.",
        "13": "Nanamafy orina ny toerany tao Jerosalema i Rehoboama Mpanjaka, ka mbola nanjaka foana. Lasa mpanjaka i Rehoboama tamin\u2019izy 41\u00a0taona, ary 17\u00a0taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tan\u00e0na nofidin\u2019i Jehovah teo amin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely mba hametrahany ny anarany. Nama no anaran-dreniny, ary Amonita izy io.",
        "14": "Nanao ratsy anefa i Rehoboama, satria tsy tena tapa-kevitra tamin\u2019ny fony manontolo ny hitady an\u2019i Jehovah.",
        "15": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny lisitry ny tetirazana, ao amin\u2019ny asa soratr\u2019i Semaia mpaminany sy Ido mpahita fahitana ve ny tantaran\u2019i Rehoboama, hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany? Ary niady foana i Rehoboama sy Jeroboama.",
        "16": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Rehoboama, ka nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Ary i Abia zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "13": {
        "1": "Lasa mpanjakan\u2019ny Joda i Abia tamin\u2019ny taona faha-18 nanjakan\u2019i Jeroboama Mpanjaka.",
        "2": "Nanjaka telo taona tany Jerosalema izy. Mikaia no anaran-dreniny, ary zanakavavin\u2019i Oriela avy any Gibea izy io. Ary niady i Abia sy Jeroboama.",
        "3": "Nandeha niady \u00e0ry i Abia, niaraka tamin\u2019ny miaramila matanjaka 400\u00a0000 efa zatra ady. I Jeroboama kosa nandahatra miaramila matanjaka 800\u00a0000 efa zatra ady mba hiady aminy.",
        "4": "Dia nitsangana teo amin\u2019ny Tendrombohitra Zemaraima any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima i Abia, ka niteny hoe: \u201cHenoy aho, ry Jeroboama sy Israely rehetra\u00a0\u00f4!",
        "5": "Tsy fantatrareo angaha fa nomen\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely an\u2019i Davida ny fanjakana, rehefa nanao fifanekena maharitra taminy izy, ka i Davida sy ny taranany no hanjaka eo amin\u2019ny Israely mandrakizay?",
        "6": "Nikomy tamin\u2019ny tompony anefa i Jeroboama zanak\u2019i Nebata sady mpanompon\u2019i Solomona zanak\u2019i Davida.",
        "7": "Dia nisy olona tsisy atao sady tsisy ilana azy tonga teo aminy foana, nitangorona teo. Nahery noho i Rehoboama zanak\u2019i Solomona izy ireo. Mbola tanora sady saro-tahotra mantsy i Rehoboama ka tsy nahatohitra an\u2019ireo.",
        "8": "\u201cDia izao ianareo te hanohitra ny fanjakan\u2019i Jehovah eo an-tanan\u2019ny taranak\u2019i Davida. Vahoaka be mantsy ianareo, sady manana an\u2019ireo zanak\u2019omby volamena nataon\u2019i Jeroboama ho andriamanitrareo.",
        "9": "Ianareo koa angaha moa tsy efa nandroaka ny taranak\u2019i Arona izay mpisoron\u2019i Jehovah, sy ny Levita, ka nanendry mpisorona ho anareo, hoatran\u2019ny nataon\u2019ny firenen-kafa? Ary izay olona tonga nitondra vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy fito, na iza izy na iza, dia mety ho lasa mpisoron\u2019izay tsy andriamanitra akory.",
        "10": "Fa ny anay kosa, i Jehovah no Andriamanitray, ary tsy mba nahafoy azy izahay. Ny taranak\u2019i Arona ny anay no mpisorona manao fanompoana ho an\u2019i Jehovah, ka ny Levita no manampy azy ireo amin\u2019izany asa izany.",
        "11": "Manolotra fanatitra dorana mba hidona-tsetroka ho an\u2019i Jehovah izy ireo isa-maraina sy isaky ny takariva, sady mandoro emboka manitra. Alamin\u2019izy ireo eo ambony latabatra vita amin\u2019ny volamena tsy misy fangarony koa ny mofo mifanaingina. Dia ampirehetin\u2019izy ireo isaky ny takariva ny jiro eo amin\u2019ny fitoeran-jiro volamena. Manao ny andraikitray amin\u2019i Jehovah Andriamanitray mantsy izahay, fa ianareo kosa efa nahafoy azy.",
        "12": "Ary manampy anay sady mitarika anay ilay tena Andriamanitra. Eto koa ny mpisorony hitsoka ny trompetra fanairana rehefa hamely anareo izahay. Koa aza miady amin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ry miaramilan\u2019ny Israely\u00a0\u00f4, fa tsy handresy ianareo.\u201d",
        "13": "Naniraka miaramila anefa i Jeroboama mba hiafina ka hanafika avy any aorianan\u2019ny Joda. Dia lasa teo alohan\u2019ny Joda ry Jeroboama, ary avy tany aoriana ireo miaramila niafina.",
        "14": "Koa rehefa nitodika ny miaramilan\u2019ny Joda, dia hitany fa tsy maintsy niady tamin\u2019ny fahavalo teo alohany sy tao aorianany izy ireo. Dia nitaraina tamin\u2019i Jehovah izy ireo, ary nitsoka mafy ny trompetra ny mpisorona.",
        "15": "Dia nanao hiakan\u2019ady ny miaramilan\u2019ny Joda. Ary rehefa nanao an\u2019izany izy ireo, dia nataon\u2019ilay tena Andriamanitra resin\u2019i Abia sy ny Joda i Jeroboama sy ny Israely rehetra.",
        "16": "Dia nandositra ny Israelita, ka nataon\u2019Andriamanitra resin\u2019ny Joda.",
        "17": "Be dia be tamin\u2019izy ireo no matin\u2019i Abia sy ny miaramilany, ka lehilahy 500\u00a0000 efa zatra ady tamin\u2019ny Israely no maty niampatrampatra.",
        "18": "Resy \u00e0ry ny miaramilan\u2019ny Israely, tamin\u2019izany fotoana izany. Ny fokon\u2019i Joda kosa nahery satria niantehitra tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny.",
        "19": "Ary nanenjika an\u2019i Jeroboama i Abia ka naka an\u2019ireo tan\u00e0na nofeheziny, dia i Betela sy ireo tan\u00e0na niankina taminy, Jesana sy ireo tan\u00e0na niankina taminy, ary Efraina sy ireo tan\u00e0na niankina taminy.",
        "20": "Tsy natanjaka hoatran\u2019ny taloha intsony \u00e0ry i Jeroboama tamin\u2019ny andron\u2019i Abia. Ary nasian\u2019i Jehovah izy tat\u1ef3 aoriana dia maty.",
        "21": "I Abia anefa nihanahery foana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanana vady 14 izy, ka niteraka 22 lahy sy 16 vavy.",
        "22": "Efa voasoratra ao amin\u2019ny asa soratr\u2019i Ido mpaminany daholo ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Abia, dia ny zavatra nataony sy nolazainy."
    },
    "14": {
        "1": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Abia, ka nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Ary i Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Nilamina nandritra ny folo taona ilay tany, tamin\u2019ny andron\u2019i Asa.",
        "2": "Nanao izay tsara sy mety teo imason\u2019i Jehovah Andriamaniny i Asa.",
        "3": "Nesoriny ireo alitaran\u2019ny firenen-kafa sy ireo toerana avo, dia nopotipotehiny ireo tsangambato masina, ary nokapainy ireo tsato-kazo masina.",
        "4": "Nasainy nitady an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny koa ny Joda, sady nasainy nankat\u00f2 ny Lal\u00e0na sy ny didy.",
        "5": "Nesoriny tao amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra tany Joda ny toerana avo sy ny fandoroana emboka manitra. Tsy nisy nanakorontana mihitsy ny fanjakana, nandritra ny fitondrany.",
        "6": "Ary nanorina tan\u00e0na voaro mafy tao Joda izy, satria tsy nisy nanakorontana ilay tany. Tsy nisy niady taminy koa nandritra ireo taona ireo, fa nataon\u2019i Jehovah milamina ny taniny.",
        "7": "Hoy izy tamin\u2019ny Joda: \u201cAndao haorintsika ireto tan\u00e0na ireto, ka hasiantsika manda sy tilikambo ary vavahady misy bara hidiny ny manodidina. Fa mbola antsika ny tany, satria efa nitady an\u2019i Jehovah Andriamanitsika isika. Efa nitady azy isika, dia nataony milamina tanteraka ny tanintsika.\u201d Dia vitan\u2019izy ireo soa aman-tsara ny zavatra naoriny.",
        "8": "Nanana tafika i Asa, ka ny avy tamin\u2019ny Joda dia miaramila 300\u00a0000 nitondra ampinga lehibe sy lefona. Ny avy tamin\u2019ny Benjamina indray miaramila matanjaka 280\u00a0000 nitondra ampinga kely sy tsip\u00ecka.",
        "9": "Ary nanafika azy ireo i Zera Etiopianina sy ny tafiny nisy miaramila 1\u00a0000\u00a0000 sy kalesy 300. Rehefa tonga tany Maresa izy,",
        "10": "dia nivoaka hiady taminy i Asa. Dia nilahatra hiady teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Zefata any Maresa izy ireo.",
        "11": "Ary niantso an\u2019i Jehovah Andriamaniny i Asa ka niteny hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, tsy mampaninona anao na be dia be na tsy manan-kery ny olona ampianao. Koa ampio izahay, ry Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4, fa miantehitra aminao izahay, ary amin\u2019ny anaranao no ahatongavanay eto hiady amin\u2019io vahoaka io. Jehovah\u00a0\u00f4, ianao no Andriamanitray. Aza avela handresy anao ny olombelona mety maty.\u201d",
        "12": "Dia nataon\u2019i Jehovah resin\u2019i Asa sy ny Joda ny Etiopianina ka nandositra.",
        "13": "Nenjehin\u2019i Asa sy ny miaramilany hatrany Gerara ny Etiopianina, ka maty niampatrampatra ary tsy nisy niangana intsony tamin\u2019ny farany. Naripak\u2019i Jehovah sy ny miaramilany mantsy izy ireo. Dia nitondra zavatra be dia be nataony babo ny Joda.",
        "14": "Notafihin\u2019izy ireo koa ny tan\u00e0na rehetra manodidina an\u2019i Gerara, satria efa nataon\u2019i Jehovah natahotra be ny olona. Ary norobain\u2019izy ireo ny tan\u00e0na rehetra, fa be zavatra azo norobaina tao amin\u2019ireny.",
        "15": "Notafihiny koa ny tranolain\u2019ireo mpiandry biby fiompy, ka ondry sy rameva be dia be no azon\u2019izy ireo babo. Niverina tany Jerosalema izy ireo avy\u00a0eo."
    },
    "15": {
        "1": "Ary niasa tamin\u2019i Azaria zanak\u2019i Odeda ny fanahin\u2019Andriamanitra.",
        "2": "Dia nandeha nitsena an\u2019i Asa izy, ka niteny hoe: \u201cHenoy aho, ry Asa sy Joda ary Benjamina rehetra! Manampy anareo foana i Jehovah, raha tsy mivadika aminy ianareo. Ary raha mitady azy ianareo, dia hataony izay hahitanareo azy. Fa raha mahafoy azy kosa ianareo, dia hafoiny koa.",
        "3": "Tsy nanompo an\u2019ilay tena Andriamanitra ny Israely, nandritra ny fotoana ela, sady tsy nanana mpisorona nampianatra azy, ary tsy nanana lal\u00e0na koa.",
        "4": "Rehefa nanana olana be anefa ry zareo, dia niverina tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely sady nitady azy. Nataon\u2019Andriamanitra \u00e0ry izay hahitan\u2019izy ireo azy.",
        "5": "Nampahatahotra ny nandeha lavitra tamin\u2019ireny fotoana ireny, satria nisy korontana\u00a0be teo amin\u2019ny mponina rehetra tany amin\u2019ny faritra samy hafa.",
        "6": "Nifandringana koa ny firenena samy firenena sy ny tan\u00e0na samy tan\u00e0na, satria nataon\u2019Andriamanitra nahita olana isan-karazany ry zareo ka nikorontana be.",
        "7": "Ianareo kosa mahereza ary aza kivy, fa hahazo valisoa ianareo amin\u2019izay ataonareo.\u201d",
        "8": "Vao henon\u2019i Asa izany teny izany sy ny faminanian\u2019i Odeda mpaminany, dia lasa be herim-po izy ka nesoriny ny sampy maharikoriko nanerana ny tanin\u2019i Joda sy Benjamina. Nesoriny koa ny sampy tany amin\u2019ireo tan\u00e0na nobaboiny tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima. Dia naveriny tamin\u2019ny laoniny ilay alitaran\u2019i Jehovah teo anoloan\u2019ny tilikambo fidirana ao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "9": "Ary novoriny daholo ny Joda sy ny Benjamina ary ny vahiny niaraka tamin\u2019izy ireo. Avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Efraima sy Manase ary Simeona ireo vahiny ireo. Be dia be izy ireo no niala tamin\u2019ny Israely ka niandany tamin\u2019i Asa, rehefa hitany fa nanampy an\u2019i Asa i Jehovah Andriamaniny.",
        "10": "Dia nivory tao Jerosalema izy rehetra ireo, tamin\u2019ny volana fahatelo tamin\u2019ny taona faha-15 nanjakan\u2019i Asa.",
        "11": "Nanao sorona ho an\u2019i Jehovah avy tamin\u2019ny zavatra nataony babo izy ireo tamin\u2019io andro io, dia omby 700 sy ondry 7\u00a0000.",
        "12": "Nanao fifanekena koa izy ireo fa hitady an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny amin\u2019ny fony manontolo sy ny heriny manontolo.",
        "13": "Dia hovonoina ho faty izay tsy mitady an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely, na kely na lehibe, na lahy na vavy.",
        "14": "Nianiana tamin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny feo mafy \u00e0ry izy ireo, sady faly sy nihorakoraka be ary nitsoka trompetra sy anjombona.",
        "15": "Dia faly daholo ny Joda noho ilay fianianana, satria tamin\u2019ny fony manontolo no nanaovany an\u2019ilay izy. Nazoto nitady an\u2019Andriamanitra koa izy ireo, ka nataony izay hahitan\u2019izy ireo azy. Ary nataon\u2019i Jehovah milamina foana ny tanin\u2019izy ireo, na taiza na taiza.",
        "16": "Nesorin\u2019i Asa Mpanjaka tsy ho mpanjakavavy mihitsy koa aza i Maka renibeny, satria nanao sampy mahatsiravina hivavahana tamin\u2019ny tsato-kazo masina. Dia nokapain\u2019i Asa ilay sampy mahatsiravina nataon\u2019ny renibeny, ka nopotipotehiny sy nodorany tao amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kidrona.",
        "17": "Tsy nesorina teo amin\u2019ny Israely anefa ny toerana avo. Na izany aza, dia nanompo an\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny fony manontolo i Asa, nandritra ny androm-piainany.",
        "18": "Ary nentiny tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra ny zavatra nohamasinin\u2019izy sy ny rainy, dia volafotsy sy volamena ary fitaovana isan-karazany.",
        "19": "Tsy nisy ady intsony hatramin\u2019ny taona faha-35 nanjakan\u2019i Asa."
    },
    "16": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona faha-36 nanjakan\u2019i Asa, dia niakatra hanafika an\u2019i Joda i Basa mpanjakan\u2019ny Israely. Dia nanorina an\u2019i Rama i Basa, mba hisakanana ny olona tsy hivezivezy hankany amin\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "2": "Koa namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin\u2019ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019i Jehovah sy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka i Asa. Dia nandefa an\u2019ireny tany amin\u2019i Beni-hadada mpanjakan\u2019i Syria, nipetraka tao Damaskosy, izy, ka nilaza hoe:",
        "3": "\u201cNanao fifanarahana izaho sy ianao, ary ny raiko sy ny rainao. Dia nampitondra volafotsy sy volamena ho anao aho. Koa foany ny fifanarahana nifanaovanao tamin\u2019i Basa mpanjakan\u2019ny Israely, mba hialany eto amin\u2019ny taniko.\u201d",
        "4": "Dia narahin\u2019i Beni-hadada ny tenin\u2019i Asa Mpanjaka, ka nirahiny ireo lehiben\u2019ny tafiny mba hanafika ny tan\u00e0nan\u2019ny Israely. Koa resiny i Iona, Dana, Abela-maima, ary ny toerana rehetra fitehirizana entana sy vokatra tao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Naftaly.",
        "5": "Raha vao henon\u2019i Basa izany, dia tsy nanorina ny tan\u00e0nan\u2019i Rama intsony izy, ka najanony ny asa nataony tao.",
        "6": "Nentin\u2019i Asa Mpanjaka avy eo ny Joda rehetra, ka nalain\u2019izy ireo ny vato sy ny hazo nanorenan\u2019i Basa an\u2019i Rama. Dia ireny no nampiasain\u2019i Asa hanorenana an\u2019i Geba sy Mizpa.",
        "7": "Tamin\u2019izay, dia nankany amin\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda i Hanany mpahita, ka niteny taminy hoe: \u201cSatria ianao niantehitra tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Syria, fa tsy tamin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, dia ho afa-mandositra anao ny tafiky ny mpanjakan\u2019i Syria ka tsy ho resinao.",
        "8": "Angaha moa ny Etiopianina sy ny Libyanina tsy tafika lehibe sady nanana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly be dia be? Niantehitra tamin\u2019i Jehovah anefa ianao, ka nataony resinao ry zareo.",
        "9": "Fa ny mason\u2019i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, satria izy te hampiasa ny heriny mba hanampiana an\u2019izay manompo azy amin\u2019ny fo manontolo. Hadalana mihitsy ny nataonao tamin\u2019ity indray mandeha ity, ka hisy hiady aminao foana manomboka izao.\u201d",
        "10": "Tezitra tamin\u2019ilay mpahita anefa i Asa dia nampiditra azy tao am-ponja, satria romotra be taminy noho ilay zavatra noteneniny. Nanomboka nampijaly olona sasany teo amin\u2019ny vahoaka koa i Asa tamin\u2019izay.",
        "11": "Ary efa voasoratra ao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjakan\u2019ny Joda sy Israely ny tantaran\u2019i Asa, hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany.",
        "12": "Nisy narary teo amin\u2019ny tongotr\u2019i Asa tamin\u2019ny taona faha-39 nanjakany, ka lasa narary mafy izy. Na izany aza, dia tsy mba nitady an\u2019i Jehovah izy, fa nitady mpanasitrana.",
        "13": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Asa. Maty izy tamin\u2019ny taona faha-41 nanjakany.",
        "14": "Koa nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida izy, tao amin\u2019ilay fasana lehibe efa nolavahany, ka natao teo ambony filanjana faty nofenoina menaka balsama sy menaka manitra natao tamin\u2019ny zava-manitra isan-karazany. Ary nandrehitra afo be izy ireo rehefa nandevina azy."
    },
    "17": {
        "1": "Ary i Josafata zanany no nanjaka nandimby an\u2019i Asa, ka nanamafy orina ny toerany teo amin\u2019ny Israely.",
        "2": "Dia nisy andia-miaramila nasainy nijanona tao amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra voaro mafy tao Joda. Nasiany toby miaramila koa tany amin\u2019ny tanin\u2019i Joda sy ireo tan\u00e0nan\u2019i Efraima nobaboin\u2019i Asa rainy.",
        "3": "Ary nanampy an\u2019i Josafata foana i Jehovah. Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019i Davida razambeny mantsy izy sady tsy nitady an\u2019ireo Bala.",
        "4": "Fa nitady an\u2019ilay Andriamanitry ny rainy izy sady nanaraka ny didiny, fa tsy nanao ny fanaon\u2019ny Israely.",
        "5": "Koa nataon\u2019i Jehovah mafy orina ny fanjakany. Ary nitondran\u2019ny Joda rehetra fanomezana foana i Josafata, ka nahazo harena sy voninahitra be.",
        "6": "Lasa be\u00a0herim-po izy ka nanaraka ny lalan\u2019i Jehovah. Nesoriny mihitsy aza ireo toerana avo sy tsato-kazo masina tao Joda.",
        "7": "Tamin\u2019ny taona fahatelo nanjakany, dia nampanantsoiny ireto andrianany ireto mba hampianatra tao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda: Ben-haila, Obadia, Zakaria, Netanela, ary Mikaia.",
        "8": "Ireto ny Levita niaraka tamin\u2019izy ireo: Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adonia, Tobia, ary Tob-adonia. Ary niaraka tamin\u2019ireo koa i Elisama sy Jorama izay samy mpisorona.",
        "9": "Nampianatra tao Joda izy ireo sady nitondra ny boky misy ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah. Dia nitety ny tan\u00e0na rehetra tao Joda izy ireo, ka nampianatra ny vahoaka.",
        "10": "Ary nataon\u2019i Jehovah natahotra be ny fanjakana rehetra nanodidina an\u2019i Joda, ka tsy nisy niady tamin\u2019i Josafata.",
        "11": "Dia nanatitra fanomezana ho an\u2019i Josafata ny Filistinina, sady nandoa hetra taminy. Ny Arabo koa nitondra ondrilahy 7\u00a0700 sy osilahy 7\u00a0700 homena azy.",
        "12": "Vao mainka nihanahery i Josafata. Dia mbola nanorina toerana voaro mafy sy tan\u00e0na fitehirizana entana sy vokatra tao Joda izy.",
        "13": "Nahavita zavatra miavaka be\u00a0dia be tao amin\u2019ireo tan\u00e0na tao Joda izy, sady nanana miaramila matanjaka tao Jerosalema.",
        "14": "Nozaraina arakaraka ny fianakaviambeny izy ireo. Tamin\u2019ny Joda dia nisy lehiben\u2019ny arivo, ka i Adna no lehiben\u2019ireo. Ary nisy miaramila matanjaka 300\u00a0000 niaraka taminy.",
        "15": "Ary izy no nifehy an\u2019i Johanana, ilay lehiben\u2019ny miaramila 280\u00a0000.",
        "16": "I Adna koa no nifehy an\u2019i Amasia zanak\u2019i Zikry, izay nanolo-tena an-tsitrapo hanompo an\u2019i Jehovah. Ary nisy miaramila matanjaka 200\u00a0000 niaraka tamin\u2019i Amasia.",
        "17": "Ny avy tamin\u2019ny Benjamina kosa, dia i Eliada. Miaramila matanjaka izy, ary nisy lehilahy 200\u00a0000 nitondra tsip\u00ecka sy ampinga niaraka taminy.",
        "18": "Ary i Eliada no nifehy an\u2019i Jozabada, ary nisy lehilahy 180\u00a0000 efa vonona hiady niaraka taminy.",
        "19": "Ireo no nanompo ny mpanjaka, ankoatra an\u2019izay efa napetrany tany amin\u2019ireo tan\u00e0na voaro mafy nanerana an\u2019i Joda."
    },
    "18": {
        "1": "Nanana harena sy voninahitra be i Josafata. Nanao fifanarahana tamin\u2019i Ahaba anefa izy, ka nalainy ho vadin\u2019ny zanany ny zanak\u2019i Ahaba.",
        "2": "Rehefa afaka taona vitsivitsy, dia nidina nankany amin\u2019i Ahaba tany Samaria izy. Dia namono ondry sy omby be dia be hatao sorona i Ahaba, mba ho an\u2019i Josafata sy ny olona niaraka taminy. Ary nampirisihiny hiaraka aminy hanafika an\u2019i Ramota-gileada i Josafata.",
        "3": "Dia hoy i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely tamin\u2019i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda: \u201cHiaraka amiko ho any Ramota-gileada ve ianao?\u201d Dia hoy i Josafata: \u201cHoatr\u2019anao ihany aho! Ny vahoakako dia vahoakanao ihany. Hanampy anao any an\u2019ady izahay.\u201d",
        "4": "Hoy koa anefa i Josafata tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cMba anontanio ihany aloha, azafady, izay lazain\u2019i Jehovah.\u201d",
        "5": "Novorin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely \u00e0ry ny mpaminany 400 lahy, dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cHandeha hanafika an\u2019i Ramota-gileada ve izahay, sa tsy handeha?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cMandehana fa hataon\u2019ilay tena Andriamanitra resinao ilay tan\u00e0na, ry mpanjaka!\u201d",
        "6": "Ary hoy i Josafata: \u201cTsy misy mpaminanin\u2019i Jehovah moa eto? Aleo koa izy asaintsika manontany.\u201d",
        "7": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely tamin\u2019i Josafata: \u201cMbola misy lehilahy iray izay any azontsika asaina manontany an\u2019i Jehovah. I Mikaia zanak\u2019i Jimla! Halako anefa izy satria tsy mba maminany zavatra tsara momba ahy mihitsy fa zava-dratsy foana.\u201d Hoy anefa i Josafata: \u201cAza dia miteny hoatr\u2019izany, ry mpanjaka\u00a0\u00f4!\u201d",
        "8": "Niantso tandapa iray \u00e0ry ny mpanjakan\u2019ny Israely, dia niteny taminy hoe: \u201cAsaivo mankat\u1ef3 haingana i Mikaia zanak\u2019i Jimla.\u201d",
        "9": "Samy nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany ny mpanjakan\u2019ny Israely sy Josafata mpanjakan\u2019ny Joda. Samy nanao akanjom-boninahitra izy ireo, ary nipetraka teo amin\u2019ilay famoloana teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019i Samaria. Ary naminany teo anatrehan\u2019izy roa lahy ny mpaminany rehetra.",
        "10": "Dia nanamboatra tandroka vy i Zedekia zanak\u2019i Kenana, ka niteny hoe: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Amin\u2019ireto no hanotoanao ny Syrianina mandra-pandringanao azy tanteraka.\u2019\u201d",
        "11": "Naminany hoatr\u2019izany koa ny mpaminany hafa rehetra, ka nilaza hoe: \u201cMiakara any Ramota-gileada fa handresy ianao. Fa hataon\u2019i Jehovah resinao ilay tan\u00e0na, ry mpanjaka!\u201d",
        "12": "Niteny tamin\u2019i Mikaia \u00e0ry ilay olona nirahina hiantso azy, hoe: \u201cSamy nilaza zavatra tsara tamin\u2019ny mpanjaka daholo ny mpaminany. Koa mba zavatra tsara hoatran\u2019ny nolazain-dry zareo koa resahina, azafady.\u201d",
        "13": "Hoy anefa i Mikaia: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitro, dia izay lazainy ihany no holazaiko.\u201d",
        "14": "Dia nankao amin\u2019ny mpanjaka izy. Ary nanontany azy ny mpanjaka hoe: \u201cHandeha hiady amin\u2019i Ramota-gileada ve izahay, ry Mikaia, sa tsy handeha?\u201d Tonga dia namaly i Mikaia hoe: \u201cMandehana fa handresy ianao. Ho resinao ireo, ry mpanjaka!\u201d",
        "15": "Dia hoy ny mpanjaka: \u201cImpiry izay ianao no efa nasaiko nianiana hoe izay marina ihany lazaina rehefa miresaka amiko amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah?\u201d",
        "16": "Hoy \u00e0ry i Mikaia: \u201cIreny fa hitako miparitaka eny an-tendrombohitra ny Israelita rehetra, hoatran\u2019ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy i Jehovah: \u2018Tsy manan-tompo ireo, ka aleo ry zareo samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.\u2019\u201d",
        "17": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely tamin\u2019i Josafata: \u201cTsy efa niteny taminao moa aho hoe: \u2018Tsy haminany zavatra tsara momba ahy izy, fa zava-dratsy ihany\u2019?\u201d",
        "18": "Ary hoy i Mikaia: \u201cHenoy \u00e0ry ny tenin\u2019i Jehovah: Nahita an\u2019i Jehovah nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany aho. Ary ny tafiky ny lanitra manontolo nitsangana teo ankavanany sy teo ankaviany.",
        "19": "Dia hoy i Jehovah: \u2018Iza no hamitaka an\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely, mba hiakarany any Ramota-gileada dia ho faty any izy?\u2019 Dia niteny zavatra iray ny anankiray, fa ny anankiray kosa niteny zavatra hafa.",
        "20": "Dia nanatona ny anjely iray ka nitsangana teo anatrehan\u2019i Jehovah, ary nilaza hoe: \u2018Izaho no hamitaka azy.\u2019 Nanontany azy i Jehovah hoe: \u2018Ahoana no hataonao?\u2019",
        "21": "Dia namaly izy hoe: \u2018Handeha aho ka hataoko maminany lainga daholo ny mpaminaniny rehetra.\u2019 Hoy \u00e0ry Andriamanitra: \u2018Hamitaka azy ianao, ary ho vitanao tokoa izany. Mandehana \u00e0ry, dia izany atao.\u2019",
        "22": "Koa nasian\u2019i Jehovah fanahy mamitaka tao am-bavan\u2019ireo mpaminaninao ireo. Nilaza anefa i Jehovah fa hisy loza hanjo anao.\u201d",
        "23": "Ary nanatona i Zedekia zanak\u2019i Kenana, ka namely tehamaina an\u2019i Mikaia, sady nanao hoe: \u201cFa ahoana koa no nialan\u2019ny fanahin\u2019i Jehovah tamiko, dia lasa ialahy indray no nitenenany?\u201d",
        "24": "Dia namaly i Mikaia hoe: \u201cHo hitanao ny hialany amin\u2019ny andro hiafenanao ao amin\u2019ny efitra anatiny indrindra.\u201d",
        "25": "Ary hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cEnto i Mikaia, dia atero any amin\u2019i Amona lehiben\u2019ny tan\u00e0na sy Joasy zanaky ny mpanjaka.",
        "26": "Teneno ry zareo hoe: \u2018Izao no nolazain\u2019ny mpanjaka: \u201cAmpidiro am-ponja ilehity, ka ahenao ny anjara mofo sy rano omena azy mandra-piveriko soa aman-tsara.\u201d\u2019\u201d",
        "27": "Hoy anefa i Mikaia: \u201cRaha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy i Jehovah no niteny tamiko.\u201d Hoy koa izy: \u201cTadidio izany, rey olona\u00a0a!\u201d",
        "28": "Niakatra nankany Ramota-gileada \u00e0ry ny mpanjakan\u2019ny Israely sy Josafata mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "29": "Ary hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely tamin\u2019i Josafata: \u201cMody hanao olon-kafa aho dia hirotsaka ao amin\u2019ny ady, fa ianao kosa anaovy ny akanjom-boninahitrao.\u201d Mody nanao olon-kafa \u00e0ry ny mpanjakan\u2019ny Israely, ka nirotsaka tao amin\u2019ilay ady.",
        "30": "Ny mpanjakan\u2019i Syria anefa efa nanome baiko ny lehiben\u2019ny miaramila mpitondra kalesy, hoe: \u201cAza miady amin\u2019iza na iza, na amin\u2019ny kely na amin\u2019ny lehibe, fa amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely ihany.\u201d",
        "31": "Vao hitan\u2019ireo lehiben\u2019ny miaramila mpitondra kalesy i Josafata, dia hoy izy ireo tany an-tsainy: \u201cIo mihitsy no mpanjakan\u2019ny Israely.\u201d Nivily \u00e0ry izy ireo mba hiady taminy. Dia niantso vonjy i Josafata, ka nampian\u2019i Jehovah. Dia tonga dia nataon\u2019Andriamanitra niala teo aminy ireo.",
        "32": "Vao hitan\u2019ireo lehiben\u2019ny miaramila mpitondra kalesy fa tsy ny mpanjakan\u2019ny Israely ilay izy, dia tsy nanaraka azy intsony izy ireo.",
        "33": "Nisy lehilahy nandefalefa zana-tsip\u00ecka amin\u2019izao fotsiny anefa, ka voa teo amin\u2019ny elanelan\u2019ilay akanjo mifono\u00a0vy ny mpanjakan\u2019ny Israely. Hoy \u00e0ry ny mpanjaka tamin\u2019ny mpitondra kalesiny: \u201cAndao hiverina, dia ento miala eto amin\u2019ity toeram-piadiana ity aho fa maratra be.\u201d",
        "34": "Tena nafotaka ny ady tamin\u2019iny andro iny. Ary voatery notohanana tao amin\u2019ny kalesiny ny mpanjakan\u2019ny Israely, mba ho afaka hitsangana hiatrika ny Syrianina mandra-paharivan\u2019ny andro. Dia maty izy rehefa nilentika ny masoandro."
    },
    "19": {
        "1": "Ary niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "2": "Dia nandeha nitsena an\u2019i Josafata Mpanjaka i Jeho zanak\u2019i Hanany mpahita fahitana, ka niteny taminy hoe: \u201cNy ratsy fanahy indray ve no tokony hampianao, ary izay mankahala an\u2019i Jehovah ve no tokony ho tianao? Tezitra aminao \u00e0ry i Jehovah noho izany nataonao izany.",
        "3": "Nisy zavatra tsara nataonao ihany anefa, satria nesorinao teto amin\u2019ity tany ity ny tsato-kazo masina, ary nomaninao hitady an\u2019ilay tena Andriamanitra ny fonao.\u201d",
        "4": "Mbola nipetraka tao Jerosalema i Josafata. Dia noteteziny indray ny vahoaka hatrany Beri-sheba ka hatrany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, ka nasainy niverina tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny.",
        "5": "Nanendry mpitsara nanerana an\u2019ilay tany koa izy, isaky ny tan\u00e0na rehetra voaro mafy tao Joda.",
        "6": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo mpitsara: \u201cTandremo tsara izay ataonareo, satria tsy mitsara ho an\u2019ny olona ianareo, fa ho an\u2019i Jehovah. Ary manampy anareo izy rehefa mamoaka didim-pitsarana ianareo.",
        "7": "Koa matahora an\u2019i Jehovah. Tandremo tsara izay ataonareo, fa tsy mba manao ny tsy rariny i Jehovah Andriamanitsika, sady tsy mba miangatra na mandray kolikoly.\u201d",
        "8": "Tao Jerosalema koa i Josafata no nanendry ny sasany tamin\u2019ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan\u2019ny fianakaviambe teo amin\u2019ny Israely, mba hitsara amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah sy handamina ny adin\u2019ny mponina tao.",
        "9": "Dia nomeny baiko izy ireo hoe: \u201cIzao no tokony hataonareo, nefa koa mila matahotra an\u2019i Jehovah sy mendri-pitokisana ianareo sady manao an\u2019izany amin\u2019ny fo manontolo:",
        "10": "Isaky ny misy rahalahinareo avy any amin\u2019ny tan\u00e0nany tonga milaza hoe nisy olona nandatsa-dra, na tonga manontany momba ny lal\u00e0na sy didy sy fitsipika ary didim-pitsarana, dia tokony hampitandremanareo ry zareo mba tsy ho meloka eo anatrehan\u2019i Jehovah. Sao mantsy ho tezitra aminareo sy ny rahalahinareo Izy. Izany no tokony hataonareo mba tsy ho meloka ianareo.",
        "11": "Ary i Amaria lehiben\u2019ny mpisorona no lehibenareo, ka izy no hanampy anareo hahafantatra ny sitrapon\u2019i Jehovah momba ny raharaha rehetra. I Zebadia zanak\u2019i Ismaela kosa no mpitarika ny taranak\u2019i Joda amin\u2019ny raharaha rehetra momba ny mpanjaka. Ary ny Levita no hanampy anareo amin\u2019ny andraikitrareo. Mahereza \u00e0ry dia ataovy ny asa, ary hotahin\u2019i Jehovah anie izay manao ny tsara!\u201d"
    },
    "20": {
        "1": "Taorian\u2019izany, dia tonga hiady tamin\u2019i Josafata ny Moabita sy ny Amonita, niaraka tamin\u2019ny Amonima sasany.",
        "2": "Dia nisy nilaza tamin\u2019i Josafata hoe: \u201cMisy vahoaka be avy any amin\u2019ny faritra amoron-dranomasina, avy any Edoma, tonga hanafika anao. Ary efa ao Hazazona-tamara, na En-jedy, ry zareo.\u201d",
        "3": "Dia natahotra i Josafata ka tapa-kevitra ny hitady an\u2019i Jehovah. Koa nanao antso avo izy hoe tokony hifady hanina ny Joda rehetra.",
        "4": "Nivory mba hanontany an\u2019i Jehovah \u00e0ry ny mponin\u2019i Joda. Avy any amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra tany Joda izy ireo no tonga mba hanontany an\u2019i Jehovah.",
        "5": "Dia nitsangana teo anatrehan\u2019ny fiangonan\u2019i Joda sy Jerosalema i Josafata, tao an-tranon\u2019i Jehovah, teo anoloan\u2019ny tokotany vaovao.",
        "6": "Dia hoy i Josafata: \u201cRy Jehovah Andriamanitry ny razambenay\u00a0\u00f4, tsy ianao ve no Andriamanitra any an-danitra? Tsy ianao ve no mifehy ny firenena rehetra? Eo am-pelatananao ny hery sy ny tanjaka, ka tsy misy mahatohitra anao.",
        "7": "Ry Andriamanitray\u00a0\u00f4, tsy efa noroahinao niala teo anatrehan\u2019ny Israely vahoakanao ve ny mponin\u2019ity tany ity? Ary tsy efa nomenao ho an\u2019ny taranak\u2019i Abrahama namanao ve ity tany ity mba ho fananany mandrakizay?",
        "8": "Dia nipetraka teto ry zareo, ka nanorina toerana masina ho an\u2019ny anaranao teto, ary niteny hoe:",
        "9": "\u2018Raha misy loza manjo anay, ohatra hoe sabatra, na fanamelohana, na areti-mandringana, na mosary, dia hitsangana manatrika an\u2019ity trano ity sy eto anatrehanao izahay, fa ato amin\u2019ity trano ity ny anaranao. Hiantso vonjy aminao izahay ao anatin\u2019izany fahorianay izany. Dia enga anie ianao hihaino ka hamonjy anay!\u2019",
        "10": "Ireo tonga ireo anefa izao ny miaramilan\u2019i Amona sy Moaba ary ny avy any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Seira. Tsy navelanao hanafika azy ny Israely rehefa nivoaka avy tany Ejipta. Nivily lalana izy ireo ka tsy nandringana azy.",
        "11": "Jereo anefa izao ny avaliny anay! Tonga handroaka anay hiala amin\u2019ity tany nomenao ho lovanay ity ry zareo.",
        "12": "Dia tsy hampihatra ny didim-pitsaranao amin\u2019izy ireo ve ianao, ry Andriamanitray\u00a0\u00f4? Fa tsy afa-manoatra izahay eo anatrehan\u2019io vahoaka be manafika anay io. Ary tsy fantatray izay tokony hatao, ka ianao no andrandrainay.\u201d",
        "13": "Dia nijoro teo anatrehan\u2019i Jehovah ny mponina rehetra tany Joda tamin\u2019izay, niaraka tamin\u2019ny vadiny sy ny zanany ary ny ankizikely.",
        "14": "Ary niasa tamin\u2019i Jahaziela ny fanahin\u2019i Jehovah tamin\u2019izy teo amin\u2019ny fiangonana. I Jahaziela dia zanak\u2019i Zakaria, zanak\u2019i Benaia, zanak\u2019i Jeiela, zanak\u2019i Matania, izay Levita avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Asafa.",
        "15": "Dia hoy izy: \u201cHenoy tsara aho, ry Joda rehetra sy ry mponin\u2019i Jerosalema, ary ianao koa ry Josafata Mpanjaka! Izao no tenin\u2019i Jehovah aminareo: \u2018Aza matahotra na mihorohoro noho io vahoaka be io, satria tsy anareo ny ady fa an\u2019Andriamanitra.",
        "16": "Mid\u00ecna hihaona amin\u2019izy ireo rahampitso. Eo amin\u2019ilay fiakarana Ziza ry zareo no hiakatra, ka ho hitanareo eo amin\u2019ny faran\u2019ny lohasaha tandrifin\u2019ny tany efitr\u2019i Jeroela.",
        "17": "Tsy mila miady ianareo amin\u2019ity indray mandeha ity. Samia maka ny toerany dia mijoroa tsara fotsiny, ary jereo ny hamonjen\u2019i Jehovah anareo. Aza matahotra na mihorohoro, ry Joda sy Jerosalema\u00a0\u00f4! Mivoaha hihaona amin\u2019izy ireo rahampitso, ary hanampy anareo i Jehovah.\u2019\u201d",
        "18": "Tonga dia niankohoka tamin\u2019ny tany i Josafata. Niankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah koa ny Joda rehetra sy ny mponin\u2019i Jerosalema mba hivavaka amin\u2019i Jehovah.",
        "19": "Nitsangana ny Levita taranaky ny Kehatita sy Korahita avy eo, mba hidera an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely amin\u2019ny feo mafy be.",
        "20": "Dia nifoha maraina ny olona ny ampitson\u2019iny, ka nankany amin\u2019ny tany efitr\u2019i Tekoa. Rehefa handeha izy ireo, dia nitsangana i Josafata ka niteny hoe: \u201cHenoy aho, ry Joda sy ry mponin\u2019i Jerosalema! Minoa an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo dia tsy hisy hatahoranareo. Minoa koa ny mpaminaniny dia handeha tsara ny zava-drehetra.\u201d",
        "21": "Rehefa avy nanontany ny olona i Josafata, dia nisy lehilahy notendreny hanao fiderana ho an\u2019i Jehovah. Hanao fitafiana masina izy ireo sady handeha eo alohan\u2019ny miaramila, dia hihira hoe: \u201cMisaora an\u2019i Jehovah, fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.\u201d",
        "22": "Rehefa nanomboka nihira fiderana izy ireo sady falifaly, dia nisy olona nalefan\u2019i Jehovah hiafina mba hanafika ny miaramilan\u2019i Amona sy Moaba ary ny avy any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Seira, izay niara-nanafika an\u2019i Joda. Dia nifamely izy samy izy.",
        "23": "Namely an\u2019izay avy any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Seira ny Amonita sy ny Moabita, ka nandringana sy nandripaka azy. Raha vao matiny daholo ny mponin\u2019i Seira, dia izy samy izy indray no nifandringana.",
        "24": "Ny Joda indray rehefa tonga teo amin\u2019ilay tilikambo fiambenana tany an-tany efitra ka nitazana an\u2019ilay vahoaka, dia hitany fa niampatrampatra tamin\u2019ny tany ny fatiny, ary tsy nisy niangana na iray aza.",
        "25": "Koa nankeny amin\u2019ny faty i Josafata sy ny vahoakany mba haka an\u2019izay zava-tsarobidy teny. Nahita akanjo sy zava-tsarobidy ary zavatra hafa be dia be teny izy ireo, ka nendahany daholo ireny. Tsy nijanona izy ireo raha tsy efa tsy nahazaka intsony. Telo andro izy ireo nanangona sy nitatitra ny zavatra azo babo satria be dia be ilay izy.",
        "26": "Dia nivory teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Beraka izy ireo tamin\u2019ny andro fahefatra mba hidera an\u2019i Jehovah. Izany no antony niantsoany an\u2019 ilay toerana hoe Lohasahan\u2019i Beraka hatramin\u2019izao.",
        "27": "Dia niverina nankany Jerosalema ny lehilahy rehetra avy any Joda sy Jerosalema, ka i Josafata no nitarika azy. Falifaly izy ireo niverina tany, satria nataon\u2019i Jehovah nandresy an\u2019ireo fahavalony.",
        "28": "Niditra tao Jerosalema \u00e0ry izy ireo ka nankao an-tranon\u2019i Jehovah, sady nitendry zavamaneno sy harpa ary nitsoka trompetra.",
        "29": "Rehefa henon\u2019ny fanjakana rehetra manodidina fa i Jehovah no niady tamin\u2019ny fahavalon\u2019ny Israely, dia nataon\u2019Andriamanitra natahotra be izy ireny.",
        "30": "Koa tsy nisy nanakorontana ny fanjakan\u2019i Josafata, sady tena nataon\u2019ilay Andriamaniny milamina tanteraka ny taniny.",
        "31": "Mbola nanjaka teo amin\u2019ny Joda ihany i Josafata. Lasa mpanjaka izy tamin\u2019izy 35\u00a0taona, ary nanjaka 25\u00a0taona tany Jerosalema izy. Azoba no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Sily izy io.",
        "32": "Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019i Asa rainy foana i Josafata. Tsy niala tamin\u2019izany izy, ary nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah.",
        "33": "Tsy nesorina anefa ny toerana avo. Mbola tsy nanomana ny fony hitady an\u2019ilay Andriamanitry ny razambeny koa ny vahoaka.",
        "34": "Efa voasoratra ao amin\u2019ny asa soratr\u2019i Jeho zanak\u2019i Hanany sady nampidirina tao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjakan\u2019ny Israely ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Josafata, hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany.",
        "35": "Taorian\u2019izay, dia nanao fifanarahana tamin\u2019i Ahazia mpanjaka ratsy fanahy teo amin\u2019ny Israely i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "36": "Dia lasa mpiara-miasa izy ireo ka nanao sambo halefa ho any Tarsisy. Tao Eziona-gebera izy ireo no nanao an\u2019ireo sambo.",
        "37": "Naminany loza ho an\u2019i Josafata anefa i Eliezera zanak\u2019i Dodavaho avy any Maresa, hoe: \u201cSatria ianao nanao fifanarahana tamin\u2019i Ahazia, dia horavan\u2019i Jehovah ny zava-bitanao.\u201d Dia rendrika ireo sambo, ka tsy afaka nankany Tarsisy."
    },
    "21": {
        "1": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Josafata, ka nalevina tao amin\u2019izay nandevenana ny razambeny tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Ary i Jorama zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "2": "Ireto avy ny rahalahiny, izay zanak\u2019i Josafata koa: Azaria, Jehiela, Zakaria, Azaria, Mikaela, ary Sefatia. Zanak\u2019i Josafata mpanjakan\u2019ny Israely daholo ireo.",
        "3": "Samy nomen\u2019ny rainy fanomezana be dia be izy ireo, dia volafotsy sy volamena sy zava-tsarobidy ary tan\u00e0na voaro mafy tany Joda. Ny fanjakana kosa nomeny an\u2019i Jorama satria izy no lahimatoa.",
        "4": "Rehefa lasan\u2019i Jorama anefa ny fanjakan\u2019ny rainy, dia nanamafy orina ny toerany izy, ka novonoiny tamin\u2019ny sabatra ny rahalahiny rehetra sy ny andriana sasany teo amin\u2019ny Israely.",
        "5": "Lasa mpanjaka i Jorama tamin\u2019izy 32\u00a0taona, ary nanjaka valo\u00a0taona tany Jerosalema izy.",
        "6": "Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely izy. Hoatran\u2019izay nataon\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba no nataony, satria ny zanakavavin\u2019i Ahaba no lasa vadiny. Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy.",
        "7": "Tsy tian\u2019i Jehovah haringana anefa ny taranak\u2019i Davida, noho ilay fifanekena nataony tamin\u2019i Davida. Efa nampanantena mantsy izy hoe hanome jiro ho azy sy ny taranany foana.",
        "8": "Tamin\u2019ny andron\u2019i Jorama i Edoma no nikomy tamin\u2019ny Joda sy nanendry olona hanjaka teo aminy.",
        "9": "Nankany Edoma \u00e0ry i Jorama sy ny mpitari-tafiny, niaraka tamin\u2019ny kalesiny rehetra. Dia nihodidina azy sy ny lehiben\u2019ny miaramila mpitondra kalesy ny Edomita. Nifoha anefa izy tamin\u2019ny alina ka resiny ny Edomita.",
        "10": "Mbola mikomy amin\u2019ny Joda anefa i Edoma hatramin\u2019izao. Nikomy koa ny tan\u00e0nan\u2019i Libna tamin\u2019izany fotoana izany, satria nahafoy an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny i Jorama.",
        "11": "Nanao toerana avo teny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Joda koa izy mba hahatonga ny mponin\u2019i Jerosalema hivaro-tena amin\u2019ny andriamani-kafa. Dia voafitany ny Joda.",
        "12": "Tat\u1ef3 aoriana dia nisy taratasy avy tamin\u2019i Elia mpaminany tonga tany amin\u2019i Jorama, nilaza hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitr\u2019i Davida razambenao: \u2018Tsy nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019i Josafata rainao ianao, na hoatran\u2019izay nataon\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "13": "Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely kosa ianao, ka nitaona ny Joda sy ny mponin\u2019i Jerosalema mba hivaro-tena amin\u2019ny andriamani-kafa, toy ny nataon\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba. Novonoinao mihitsy aza ireo rahalahinao anisan\u2019ny ankohonan-drainao sady tsara noho ianao.",
        "14": "Noho izany, dia handefa loza lehibe amin\u2019ny vahoakanao sy ny vady aman-janakao ary ny fanananao rehetra i Jehovah.",
        "15": "Ary ho voan\u2019ny aretina be dia be ianao. Ho voan\u2019ny aretin-tsinay, ohatra, ianao ka hihombo isan\u2019andro ilay izy mandra-pipotsaky ny tsinainao.\u2019\u201d",
        "16": "Dia nentanin\u2019i Jehovah hanafika an\u2019i Jorama ny Filistinina sy ny Arabo izay tany akaikin\u2019ny Etiopianina.",
        "17": "Ary nanafika ny Joda izy ireo, ka niditra an-keriny tany. Dia nentin\u2019izy ireo daholo ny fananana tao an-tranon\u2019ny mpanjaka sy ny vady aman-janany, ka i Joahaza zanany faralahy sisa no navelany tao.",
        "18": "Taorian\u2019izany rehetra izany, dia nataon\u2019i Jehovah voan\u2019ny aretin-tsinay tsy mety sitrana i Jorama.",
        "19": "Rehefa afaka roa taona katroka, dia nipotsaka ny tsinainy noho ilay aretiny, ka maty izy rehefa avy nijalijaly be. Tsy mba nandoro zava-manitra ny vahoakany tamin\u2019izay, tsy mba hoatran\u2019ny natao tamin\u2019ny razambeny.",
        "20": "Lasa mpanjaka izy tamin\u2019izy 32\u00a0taona, ary nanjaka valo taona tao Jerosalema. Tsy nisy nalahelo azy rehefa maty izy. Dia nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida izy, fa tsy tao amin\u2019ny fasan\u2019ny mpanjaka."
    },
    "22": {
        "1": "Ary nataon\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema mpanjaka nandimby an\u2019i Jorama i Ahazia zanany faralahy. Ny zokiny rehetra mantsy efa tapitra novonoin\u2019ireo mpandroba tonga niaraka tamin\u2019ny Arabo tao an-toby. Dia lasa mpanjakan\u2019ny Joda i Ahazia zanak\u2019i Jorama.",
        "2": "Lasa mpanjaka i Ahazia tamin\u2019izy 22\u00a0taona, ary nanjaka herintaona tany Jerosalema izy. Atalia no anaran-dreniny, ary zafikelin\u2019i Omry izy\u00a0io.",
        "3": "Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba koa izy, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy.",
        "4": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, hoatran\u2019izay nataon\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba. Izy ireo mantsy no mpanolo-tsaina azy taorian\u2019ny nahafatesan\u2019ny rainy, ka nitondra loza ho azy.",
        "5": "Izay torohevitr\u2019izy ireo no narahiny, ka niaraka tamin\u2019i Jorama zanak\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely izy mba hiady tamin\u2019i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria, tany Ramota-gileada. Voan\u2019ny mpandefa zana-tsip\u00ecka i Jorama tamin\u2019izay ka naratra.",
        "6": "Dia niverina tany Jezirela izy mba hotsaboina noho ny ratra nahazo azy tamin\u2019izy nasian\u2019ny Syrianina tany Rama, rehefa niady tamin\u2019i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria. Ary nidina tany Jezirela i Ahazia zanak\u2019i Jorama mpanjakan\u2019ny Joda mba hamangy an\u2019i Jorama zanak\u2019i Ahaba, noho izy naratra.",
        "7": "Nahatonga loza tamin\u2019i Ahazia anefa Andriamanitra, tamin\u2019izy nankany amin\u2019i Jorama. Rehefa tonga tany izy, dia niara-nivoaka tamin\u2019i Jorama mba hitsena an\u2019i Jeho zafikelin\u2019i Nimsy, izay notendren\u2019i Jehovah mba handringana ny ankohonan\u2019i Ahaba.",
        "8": "Tamin\u2019i Jeho nanomboka nampihatra didim-pitsarana tamin\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba, dia hitany ny andrianan\u2019ny Joda sy ny zana-drahalahin\u2019i Ahazia izay samy mpanompon\u2019i Ahazia, ka novonoiny.",
        "9": "Dia notadiavin\u2019i Jeho i Ahazia avy eo, ka tratran\u2019ny mpanompony niafina tany Samaria. Ary nentin\u2019izy ireo tany amin\u2019i Jeho izy ka novonoiny ho faty. Dia naleviny izy, satria hoy izy ireo: \u201cZafikelin\u2019i Josafata, ilay nitady an\u2019i Jehovah tamin\u2019ny fony manontolo, izy.\u201d Ary tsy nisy nahavita nitondra ny fanjakana ny tao amin\u2019ny ankohonan\u2019i Ahazia.",
        "10": "Rehefa hitan\u2019i Atalia renin\u2019i Ahazia fa maty ilay zanany, dia naripany daholo ny tarana-mpanjaka avy amin\u2019ny Joda.",
        "11": "Nalain\u2019i Josebata, zanakavavin\u2019ny mpanjaka, anefa i Joasy zanak\u2019i Ahazia. Naka azy an-tsokosoko teo amin\u2019ireo zanaky ny mpanjaka efa hovonoina izy. Dia nataony tao amin\u2019ny efitra anatiny fatoriana i Joasy sy ilay mpitaiza azy. Vitan\u2019i Josebata zanakavavin\u2019i Jorama Mpanjaka ny nanafina an\u2019i Joasy mba tsy ho hitan\u2019i Atalia, ka tsy matiny izy. Vadin\u2019i Joiada mpisorona io Josebata io, sady anabavin\u2019i Ahazia.",
        "12": "Niafina niaraka taminy tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra nandritra ny enin-taona i Joasy, tamin\u2019i Atalia nanjaka teo amin\u2019ilay tany."
    },
    "23": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona fahafito, dia nisikina herim-po i Joiada ka nanao fifanekena tamin\u2019ireo lehiben\u2019ny zato, izany hoe tamin\u2019i Azaria zanak\u2019i Jerohama, sy Ismaela zanak\u2019i Johanana, sy Azaria zanak\u2019i Obeda, sy Mahaseia zanak\u2019i Adaia, ary Elisafata zanak\u2019i Zikry.",
        "2": "Dia lasa nitety an\u2019i Joda izy ireo. Koa novoriny ny Levita avy any amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra tany Joda sy ny lohan\u2019ny fianakaviambe teo amin\u2019ny Israely. Rehefa tonga tao Jerosalema izy ireo,",
        "3": "dia nanao fifanekena tamin\u2019ny mpanjaka tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra ny fiangonana manontolo. Ary hoy i Joiada: \u201cHanjaka ny zanaky ny mpanjaka, araka ny efa nampanantenain\u2019i Jehovah momba ny taranak\u2019i Davida.",
        "4": "Izao \u00e0ry no hataonareo: Ny ampahatelony amin\u2019ny mpisorona sy ny Levita izay miasa amin\u2019ny Sabata, dia ho mpiandry varavarana,",
        "5": "ary ny ampahatelony ho\u00a0eo amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka, ary ny ampahatelony ambiny ho eo amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Fototra. Fa ny olona rehetra kosa ho eo an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "6": "Dia aza avela hisy hiditra ao an-tranon\u2019i Jehovah, afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita manao fanompoana ihany. Ireo no mahazo miditra ao satria masina izy ireo. Ny olona rehetra kosa hanao ny adidiny amin\u2019i Jehovah.",
        "7": "Ary tsy maintsy manodidina ny mpanjaka ny Levita, ka samy hitana ny fitaovam-piadiany avy. Hovonoina ho faty izay mitsofotsofoka ao an-trano. Ary araho foana ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany.\u201d",
        "8": "Dia nanao an\u2019izay rehetra notenenin\u2019i Joiada mpisorona ny Levita sy ny Joda rehetra, ka samy naka an\u2019izay olom-peheziny, dia izay niasa tamin\u2019ny Sabata sy izay tsy niasa tamin\u2019ny Sabata. Tsy nalefan\u2019i Joiada mpisorona nody mantsy izay tokony hiasa tamin\u2019izay, na inona na inona fizarana nisy azy.",
        "9": "Nomen\u2019i Joiada mpisorona an\u2019ireo lehiben\u2019ny zato avy eo ny lefon\u2019i Davida Mpanjaka sy ny ampinga keliny ary ny ampingany boribory, izay tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "10": "Ary nalahatr\u2019i Joiada ny olona rehetra, ka samy nitana ny fitaovam-piadiany avy. Nisy azy ireo daholo teo amin\u2019ny lafiny ankavanan\u2019ilay trano ka hatrany amin\u2019ny lafiny ankavian\u2019ilay trano, sy teo akaikin\u2019ny alitara, ary teo akaikin\u2019ilay trano. Nohodidinin\u2019izy ireo \u00e0ry ny mpanjaka.",
        "11": "Navoakan\u2019izy ireo ilay zanaky ny mpanjaka avy eo, ka nataony teo ambony lohany ny satroboninahitra sy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona. Ary nataon\u2019izy ireo mpanjaka izy, dia nanosotra azy ho mpanjaka i Joiada sy ny zanany lahy. Dia niteny izy ireo hoe: \u201cHo ela velona anie ny mpanjaka!\u201d",
        "12": "Vao henon\u2019i Atalia nirodorodo nihazakazaka sy nidera ny mpanjaka ny vahoaka, dia nankany amin\u2019izy ireo tany an-tranon\u2019i Jehovah izy.",
        "13": "Dia hitan\u2019i Atalia nitsangana teo akaikin\u2019ny andry teo amin\u2019ny fidirana ny mpanjaka. Niaraka tamin\u2019ny mpanjaka teo koa ny andriana sy ny mpitsoka trompetra. Faly be ny vahoaka manontolo sady nitsoka trompetra, ary ny mpihira nitendry zavamaneno no nitarika ny hira fiderana. Dia norovitin\u2019i Atalia ny akanjony, sady niantsoantso mafy izy hoe: \u201cFikomiana! Fikomiana!\u201d",
        "14": "Nirahin\u2019i Joiada mpisorona anefa ireo lehiben\u2019ny zato voatendry hitari-tafika, ka nilazany hoe: \u201cAvoahy eny ivelan\u2019ny filaharana izy. Ary raha misy manaraka azy, dia vonoy amin\u2019ny sabatra!\u201d Efa nilaza mantsy ilay mpisorona hoe: \u201cAza vonoina ao an-tranon\u2019i Jehovah izy.\u201d",
        "15": "Nosamborin\u2019izy ireo \u00e0ry i Atalia, ka tonga dia novonoiny ho faty rehefa tonga teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny Vavahadin-tsoavaly teo amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka.",
        "16": "Nanao fifanekena avy eo i Joiada sy ny vahoaka manontolo ary ny mpanjaka hoe ho vahoakan\u2019i Jehovah foana izy ireo.",
        "17": "Taorian\u2019izay, dia nankany amin\u2019ny tranon\u2019i Bala ny vahoaka manontolo, ka narodany ilay trano. Dia nopotipotehiny ny alitaran\u2019i Bala sy ny sariny. Novonoin\u2019izy ireo teo anoloan\u2019ny alitara koa i Matana mpisoron\u2019i Bala.",
        "18": "Dia nasain\u2019i Joiada niandraikitra ny tao an-tranon\u2019i Jehovah ny mpisorona sy ny Levita. Efa notendren\u2019i Davida hanompo tao an-tranon\u2019i Jehovah araka ny fizarany avy mantsy ny mpisorona sy ny Levita, mba hanolotra ny fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah, araka izay voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy. Hifalifaly sy hihira izy ireo rehefa manao an\u2019izany, araka ny toromarika nomen\u2019i Davida.",
        "19": "Dia nasian\u2019i Joiada mpiandry vavahady koa teo am-bavahadin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, amin\u2019izay tsy hisy afaka hiditra ao ny olona maloto, na inona na inona nandoto azy.",
        "20": "Ary nentiny niaraka taminy ireo lehiben\u2019ny zato, sy ny olona ambony, sy ny mpitondra vahoaka, ary ny vahoaka manontolo. Avy tao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo no nidina niaraka tamin\u2019ny mpanjaka, ary nandalo teo amin\u2019ny vavahady ambony, dia tonga tao an-tranon\u2019ny mpanjaka. Dia napetrany teo amin\u2019ny seza fiandrianana ny mpanjaka.",
        "21": "Nifaly \u00e0ry ny vahoaka manontolo, ary nilamina ny tan\u00e0na. Efa novonoina tamin\u2019ny sabatra mantsy i Atalia."
    },
    "24": {
        "1": "Lasa mpanjaka i Joasy tamin\u2019izy fito taona, ary nanjaka 40\u00a0taona tany Jerosalema izy. Zibia no anaran-dreniny, ary avy any Beri-sheba izy io.",
        "2": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Joasy, nandritra ny androm-piainan\u2019i Joiada mpisorona.",
        "3": "Nakan\u2019i Joiada vady roa izy, ka niteraka zazalahy sy zazavavy.",
        "4": "Tat\u1ef3 aoriana dia nirin\u2019ny fon\u2019i Joasy ny hanavao ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "5": "Novoriny \u00e0ry ny mpisorona sy ny Levita ka nilazany hoe: \u201cMankanesa any amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda, dia manang\u00f2na vola avy amin\u2019ny Israely rehetra, mba hanamboarana ny simba amin\u2019ny tranon\u2019Andriamanitrareo, isan-taona. Ary karakarao haingana izany.\u201d Tsy rototra tamin\u2019ilay izy anefa ny Levita.",
        "6": "Koa nantsoin\u2019ny mpanjaka i Joiada lehiben\u2019ny mpisorona, ka hoy izy taminy: \u201cNahoana no tsy nasainao nentin\u2019ny Levita ny hetra masina avy amin\u2019i Joda sy Jerosalema? Izany hetra izany ilay efa nasain\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah nomen\u2019ny fiangonan\u2019Israely ho an\u2019ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona.",
        "7": "Efa norobain\u2019ny zanakalahin\u2019i Atalia, ilay vehivavy ratsy\u00a0fanahy iny, mantsy ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, ary efa nampiasainy hivavahana tamin\u2019i Bala ny zava-masina rehetra tao an-tranon\u2019i Jehovah.\u201d",
        "8": "Nanome baiko \u00e0ry ny mpanjaka dia nampanamboatra vata, ka napetraka teo ivelan\u2019ny vavahadin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah ilay izy.",
        "9": "Avy eo dia nanao antso avo nanerana an\u2019i Joda sy Jerosalema izy ireo, mba ho avy hanatitra ny hetra masina ho an\u2019i Jehovah ny olona. Izany ilay hetra nasain\u2019i Mosesy mpanompon\u2019ilay tena Andriamanitra nomen\u2019ny Israely, tamin\u2019izy ireo tany an-tany efitra.",
        "10": "Ary faly ny andriana rehetra sy ny vahoaka manontolo, ka nitondra vola sy nandrotsaka an\u2019izany tao amin\u2019ilay vata. Tsy nijanona izy rehetra raha tsy efa feno ilay izy.",
        "11": "Isaky ny hitan\u2019ny Levita fa be dia be ny vola tao amin\u2019ilay vata, dia nateriny tany amin\u2019ny mpanjaka ilay izy. Ary tonga ny mpitan-tsoratry ny mpanjaka sy ny solontenan\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona, ka navoakany daholo ny vola rehetra tao. Dia naveriny teny amin\u2019ny toerany indray ilay vata avy eo. Hoatr\u2019izany foana no nataon\u2019izy ireo isan\u2019andro, ka nahangona vola be izy ireo.",
        "12": "Avy eo ilay vola dia nomen\u2019ny mpanjaka sy Joiada an\u2019ireo mpanara-maso ny asa fanompoana tao an-tranon\u2019i Jehovah. Ireo indray avy eo no nanakarama mpipai-bato sy mpanao asa tanana mba hanavao ny tranon\u2019i Jehovah. Nanakarama mpanao asa vy sy varahina koa ireo, mba hanamboatra ny simba tamin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "13": "Dia nasain\u2019ireo mpanara-maso natomboka ilay asa. Nanara-maso an\u2019ilay asa koa izy ireo ka nandroso tsara ilay izy. Dia nohavaozin\u2019izy ireo ho lasa hoatran\u2019ny taloha indray ilay tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, sady nataony mafy tsara.",
        "14": "Vao vitan\u2019izy ireo ilay izy, dia nateriny tany amin\u2019ny mpanjaka sy Joiada ny ambim-bola, ka nanamboarany an\u2019ireto zavatra ireto: Fitaovana ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah sy ny fanompoana, fitaovana fanaovana fanatitra, kaopy, ary fitaovana vita tamin\u2019ny volamena sy volafotsy. Ary nanao fanatitra dorana tao an-tranon\u2019i Jehovah foana ny olona, nandritra ny androm-piainan\u2019i Joiada.",
        "15": "Rehefa antitra sady efa ela niainana i Joiada, dia maty izy. Efa 130\u00a0taona izy tamin\u2019izay.",
        "16": "Nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida niaraka tamin\u2019ireo mpanjaka izy, satria nanao zavatra tsara ho an\u2019ny Israely sy ho an\u2019ilay tena Andriamanitra sy ny tranony.",
        "17": "Rehefa maty i Joiada, dia tonga niankohoka teo anatrehan\u2019ny mpanjaka ireo andrianan\u2019ny Joda. Dia nihaino azy ireo ny mpanjaka.",
        "18": "Ary nafoin\u2019izy ireo ny tranon\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny, ka nanompo tsato-kazo masina sy sampy izy ireo. Dia tezitra tamin\u2019i Joda sy Jerosalema Andriamanitra noho ny helok\u2019izy ireo.",
        "19": "Naniraka mpaminany nankany amin\u2019izy ireo foana i Jehovah mba hampirisika azy ireo hiverina aminy. Nampitandrina azy ireo foana koa ny mpaminany, nefa tsy nety nihaino ireo.",
        "20": "Ary niasa tamin\u2019i Zakaria zanak\u2019i Joiada mpisorona ny fanahin\u2019Andriamanitra. Dia nitsangana teo amin\u2019ny toerana avo kokoa noho izay nisy ny vahoaka izy, ka niteny hoe: \u201cIzao ny tenin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u2018Nahoana ianareo no mandika ny didin\u2019i Jehovah? Tsy hahomby ianareo amin\u2019izany. Nahafoy an\u2019i Jehovah ianareo, ka mba hafoiny koa.\u2019\u201d",
        "21": "Niray tetika hanohitra an\u2019i Zakaria anefa izy ireo, ka nitora-bato azy teo an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, satria izay no baikon\u2019ny mpanjaka.",
        "22": "Tsy mba tsaroan\u2019i Joasy Mpanjaka fa tena tia azy sy tsy nivadika taminy i Joiada rain\u2019i Zakaria. Dia novonoiny io zanak\u2019i Joiada io. Ary hoy i Zakaria rehefa ho faty: \u201cHo hitan\u2019i Jehovah anie izao ka hosaziny ianao!\u201d",
        "23": "Ary niakatra hiady tamin\u2019i Joasy ny tafik\u2019i Syria tamin\u2019ny fiandohan\u2019ny taona, ka notafihin\u2019izy ireo i Joda sy Jerosalema. Novonoin\u2019izy ireo daholo ny andrianan\u2019ny vahoaka, ary nalefany tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Damaskosy daholo ny zavatra nobaboiny.",
        "24": "Miaramila vitsy kely fotsiny anefa no nentin\u2019ny tafika syrianina nanafika tany, nefa nataon\u2019i Jehovah resin\u2019izy ireo ny tafika lehibe tao Joda. Nahafoy an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny mantsy ny mponin\u2019i Joda. Nampihatra didim-pitsarana tamin\u2019i Joasy \u00e0ry izy ireo.",
        "25": "Dia lasa ny Syrianina, ka navelany teo i Joasy rehefa naratra be. Ary niray tetika hamono azy ny mpanompony, noho izy nandatsaka ny ran\u2019ireo zanak\u2019i Joiada mpisorona. Koa novonoin\u2019izy ireo teo am-pandriana izy ka maty. Dia nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida izy, saingy tsy tao amin\u2019ny fasan\u2019ny mpanjaka.",
        "26": "Ireto no niray tetika hamono an\u2019i Joasy: Zabada zanak\u2019i Simata vehivavy amonita, sy Jozabada zanak\u2019i Simrita vehivavy moabita.",
        "27": "Efa voasoratra ao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjaka daholo izay rehetra momba ny zanany, sy ny fanamelohana be dia be nolazaina taminy, ary ny fanavaozana ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "25": {
        "1": "Lasa mpanjaka i Amazia tamin\u2019izy 25\u00a0taona, ary nanjaka 29\u00a0taona tany Jerosalema izy. Joadana no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy io.",
        "2": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Amazia, saingy tsy tamin\u2019ny fony manontolo.",
        "3": "Raha vao mafy orina ny fanjakany, dia novonoiny ho faty ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy.",
        "4": "Tsy novonoiny anefa ny zanak\u2019ireo, fa narahiny izay voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0na ao amin\u2019ny bokin\u2019i Mosesy. Izao mantsy ny didin\u2019i Jehovah ao: \u201cTsy tokony ho faty noho ny ataon\u2019ny zanany ny ray, ary tsy tokony ho faty noho ny ataon\u2019ny rainy ny zanaka. Ny fahotana vitan\u2019ny tsirairay ihany no tokony hamonoana azy.\u201d",
        "5": "Dia novorin\u2019i Amazia isaky ny fianakaviambeny ny Joda, ka ny lehiben\u2019ny arivo sy ny lehiben\u2019ny zato no nitarika azy ireo. Hoatr\u2019izany no nataony tamin\u2019ny Joda sy Benjamina rehetra. Dia nosoratany anarana izay 20\u00a0taona no ho miakatra, ka hitany fa miaramila 300\u00a0000 efa zatra ady no azo alefa ao amin\u2019ny tafika, sady mahavita mitana lefona sy ampinga lehibe.",
        "6": "Ary nisy miaramila matanjaka 100\u00a0000 avy tamin\u2019ny Israely koa nokaramainy volafotsy 100 talenta.",
        "7": "Nisy lehilahin\u2019Andriamanitra anefa tonga teo aminy, ka niteny hoe: \u201cAza avela hiaraka aminao ny tafiky ny Israely, ry mpanjaka\u00a0\u00f4, fa i Jehovah tsy miaraka amin\u2019ny Israely, sady tsy miaraka amin\u2019ny Efraimita na iza izy na iza.",
        "8": "Fa aleo ianao ihany no mandeha, dia manaova zavatra, ary man\u00e0na herim-po rehefa hiady. Raha tsy izany, dia hataon\u2019ilay tena Andriamanitra resin\u2019ny fahavalo ianao, satria vitany ny manampy anao handresy, na mahatonga anao ho resy.\u201d",
        "9": "Ary hoy i Amazia taminy: \u201cDia ahoana izany ny amin\u2019ireny volafotsy 100 talenta efa nomeko ny miaramilan\u2019ny Israely ireny?\u201d Hoy ilay lehilahin\u2019Andriamanitra: \u201cAfaka manome anao mihoatra lavitra noho izany i Jehovah.\u201d",
        "10": "Koa nalefan\u2019i Amazia nody ireo miaramila avy tany Efraima tonga hiaraka aminy. Tezitra be tamin\u2019ny Joda anefa izy ireo, ka romotra be rehefa nody.",
        "11": "Nisikina herim-po i Amazia avy eo, ka notarihiny ho any amin\u2019ny Lohasahan-tsira ny miaramilany. Dia namono miaramila 10\u00a0000 avy\u00a0any Seira izy.",
        "12": "Ary nisy 10\u00a0000 koa azon\u2019ny miaramilan\u2019i Joda sambo-belona. Koa nentiny teny an-tampon\u2019ny harambato ireo ka navariny avy teny, dia potipotika daholo.",
        "13": "Fa ireo miaramila nalefan\u2019i Amazia nody fa tsy nandeha niady niaraka taminy kosa, dia nanafika an\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona. Dia nahafaty olona 3\u00a0000 izy ireo tany, ary nandroba zavatra be dia\u00a0be.",
        "14": "Rehefa avy namely ny Edomita anefa i Amazia ka niverina nody, dia nentiny ny andriamanitry ny miaramila avy any Seira ka nataony andriamaniny. Dia niankohoka teo anatrehan\u2019ireny izy, ka nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an\u2019ireny.",
        "15": "Tezitra be tamin\u2019i Amazia \u00e0ry i Jehovah, dia naniraka mpaminany hilaza taminy hoe: \u201cFa maninona ianao no manompo ny andriamanitry ny firenen-kafa, nefa ireny aza tsy nahavonjy ny vahoakany teo am-pelatananao akory?\u201d",
        "16": "Mbola tsy tapitra akory ny tenin\u2019ilay mpaminany, dia hoy ny mpanjaka: \u201cAngaha izahay nanendry anao ho mpanolo-tsain\u2019ny mpanjaka? Aoka izay, sao matin\u2019ny olona eo ianao!\u201d Dia tsy niteny intsony ilay mpaminany, fa hoy fotsiny izy: \u201cFantatro fa efa tapa-kevitra ny handringana anao Andriamanitra, satria nanao an\u2019izany ianao sady tsy nihaino ny torohevitro.\u201d",
        "17": "Rehefa avy nanontany ny mpanolo-tsainy i Amazia mpanjakan\u2019ny Joda, dia nampitondra hafatra ho an\u2019i Joasy zanak\u2019i Joahaza, zanak\u2019i Jeho mpanjakan\u2019ny Israely, hoe: \u201cTongava, andao isika hiady!\u201d",
        "18": "Dia nampitondra an\u2019izao hafatra izao ho an\u2019i Amazia mpanjakan\u2019ny Joda i Joasy mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cNampita hafatra ho an\u2019ny hazo sedera tany Lib\u00e0na ny tsilo tany Lib\u00e0na hoe: \u2018Omeo ho vadin\u2019ny zanako lahy ny zanakao vavy.\u2019 Nandalo anefa ny bibidia iray tany Lib\u00e0na ka nanitsakitsaka an\u2019ilay tsilo.",
        "19": "Nilaza ianao hoe: \u2018Nandresy an\u2019i Edoma aho.\u2019 Dia lasa nirehareha ny fonao ka te hoderaina ianao. Mijan\u00f2na ihany anefa ao an-tranonao. Maninona ianao no mitady loza, ka tianao ho resy miaraka aminao ny Joda?\u201d",
        "20": "Tsy nanaiky anefa i Amazia. Ilay tena Andriamanitra mantsy no nahatonga an\u2019izany, satria tiany ho resin\u2019ny fahavalo izy ireo, fa nanompo ny andriamanitr\u2019i Edoma.",
        "21": "Niakatra \u00e0ry i Joasy mpanjakan\u2019ny Israely, ka niady tany Beti-semesy any Joda izy sy Amazia mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "22": "Dia resin\u2019ny Israely ny Joda, ka samy nandositra nankany an-tranony avy.",
        "23": "Nosamborin\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Israely tany Beti-semesy i Amazia mpanjakan\u2019ny Joda, zanak\u2019i Joasy, zanak\u2019i Joahaza. Nentin\u2019i Joasy tany Jerosalema izy avy eo. Ary nandrava 400\u00a0hakiho tamin\u2019ny mandan\u2019i Jerosalema i Joasy, nanomboka teo amin\u2019ny Vavahadin\u2019i Efraima ka hatreo amin\u2019ny Vavahady An-jorony.",
        "24": "Dia nalainy daholo ny volamena sy ny volafotsy ary ny fitaovana rehetra niandraiketan\u2019i Obeda-edoma tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra. Nalainy koa ny tao amin\u2019ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka. Naka olona hatao takalon\u2019aina koa izy, ary avy eo niverina tany Samaria.",
        "25": "Mbola velona 15\u00a0taona i Amazia zanak\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Joda, taorian\u2019ny nahafatesan\u2019i Joasy zanak\u2019i Joahaza mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "26": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjakan\u2019ny Joda sy Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Amazia, hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany?",
        "27": "Nisy niray tetika hanohitra an\u2019i Amazia tany Jerosalema, nanomboka tamin\u2019izy niala tamin\u2019i Jehovah. Nandositra tany Lakisy \u00e0ry izy, nefa naniraka olona hanenjika azy tany izy ireo ka namono azy tany.",
        "28": "Nentina niverina tamin\u2019ny soavaly \u00e0ry ny fatiny ka nalevina tany amin\u2019izay nandevenana ny razambeny, tao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Joda."
    },
    "26": {
        "1": "Dia nalain\u2019ny vahoakan\u2019i Joda rehetra i Ozia, izay 16\u00a0taona tamin\u2019izay, ka nataony mpanjaka handimby an\u2019i Amazia rainy.",
        "2": "Naoriny indray i Elota dia naveriny tamin\u2019ny Joda, rehefa nodimandry any amin\u2019ny razambeny ny mpanjaka.",
        "3": "Lasa mpanjaka i Ozia tamin\u2019izy 16\u00a0taona, ary nanjaka 52\u00a0taona tany Jerosalema izy. Jekolia no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy io.",
        "4": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Ozia, toy ny nataon\u2019i Amazia rainy.",
        "5": "Dia nitady an\u2019Andriamanitra foana izy tamin\u2019ny andron\u2019i Zakaria, ilay nampianatra azy hatahotra an\u2019ilay tena Andriamanitra. Koa nataon\u2019i Jehovah nandeha tsara ny fiainany nandritra ny fotoana nitadiavany an\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "6": "Ary nivoaka hiady tamin\u2019ny Filistinina izy, ka nogorobahany ny mandan\u2019i Gata sy ny mandan\u2019i Jabne ary ny mandan\u2019i Asdoda. Dia avy eo izy nanorina tan\u00e0na tany amin\u2019ny faritr\u2019i Asdoda sy tany amin\u2019ny Filistinina.",
        "7": "Nanampy azy foana ilay tena Andriamanitra tamin\u2019izy niady tamin\u2019ny Filistinina, sy ny Arabo nipetraka tao Gorabala, ary ny Meonita.",
        "8": "Nandoa hetra tamin\u2019i Ozia koa ny Amonita. Nalaza hatrany Ejipta izy tat\u1ef3 aoriana, satria lasa nahery be.",
        "9": "Nanorina tilikambo tao Jerosalema koa i Ozia, teo akaikin\u2019ny Vavahady An-jorony, sy teo akaikin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Lohasaha, ary teo akaikin\u2019ny Andry Manohana ny Manda, sady nataony mafy tsara ireny.",
        "10": "Nanorina tilikambo tany an-tany efitra koa izy. Nihady lavaka be\u00a0dia be fanangonan-drano izy, satria nanana biby fiompy maro be. Nanao hoatr\u2019izany koa izy tany Sefela sy teny amin\u2019ny lemaka. Ary nanana mpamboly sy mpikarakara tanimboaloboka teny an-tendrombohitra sy tany Karmela izy, satria tia namboly.",
        "11": "Lasa nanana tafika vonona hiady koa i Ozia. Nandeha niady izy ireo ary notsinjaraina arakaraka ny fizarany. Nanisa sy nanoratra ny anaran\u2019izy ireo i Jeiela mpitan-tsoratra sy Mahaseia mpiadidy lefitra. Ary i Hanania, izay anisan\u2019ny andriana teo amin\u2019ny fanjakana, no nifehy azy roa lahy ireo.",
        "12": "Nisy 2\u00a0600 ny lehilahy rehetra lohan\u2019ny fianakaviambe niandraikitra an\u2019ireo miaramila matanjaka ireo.",
        "13": "Miaramila 307\u00a0500 no teo ambany fifehezan\u2019izy ireo. Tafika mahery ireo miaramila ireo sady vonona hiady sy hanohana ny mpanjaka rehefa misy fahavalo.",
        "14": "Ireto avy no nomen\u2019i Ozia an\u2019ilay tafika manontolo: Ampinga, lefona, fiarovan-doha, akanjo mifono vy, tsip\u00ecka ary vatom-pilotra.",
        "15": "Ankoatra izany, dia nampanamboatra milina natao fitaovam-piadiana tao Jerosalema izy, ka lehilahy mahay no nasainy nanao an\u2019ireny. Afaka nandefa zana-tsip\u00ecka sy vatobe ireny, ary natao teo amin\u2019ny tilikambo sy teny amin\u2019ny zoron\u2019ny manda. Dia niely hatraiza hatraiza ny lazan\u2019i Ozia, satria nampian\u2019Andriamanitra izy ka lasa natanjaka.",
        "16": "Vao natanjaka anefa izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra loza ho azy izany. Koa nivadika tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny izy, dia niditra tao amin\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah mba handoro emboka manitra teo amin\u2019ny alitara fandoroana emboka manitra.",
        "17": "Tonga dia niditra nanaraka azy i Azaria mpisorona sy ny mpisoron\u2019i Jehovah 80\u00a0lahy be herim-po.",
        "18": "Dia nanohitra an\u2019i Ozia Mpanjaka izy ireo, ka niteny taminy hoe: \u201cTsy mety, ry Ozia, raha ianao no mandoro emboka manitra ho an\u2019i Jehovah. Ny mpisorona ihany no tokony handoro emboka manitra, satria ry zareo no taranak\u2019i Arona sady efa nohamasinina. Mivoaha ato amin\u2019ity toerana masina ity fa nivadika tamin\u2019Andriamanitra ianao, ary tsy hahazo voninahitra avy amin\u2019i Jehovah Andriamanitra amin\u2019izao ataonao izao.\u201d",
        "19": "Tezitra be anefa i Ozia, ary mbola teny an-tanany ny fitaovana fandoroana emboka manitra. Raha iny izy mbola tezitra tamin\u2019ny mpisorona iny, dia nisy habokana nipoitra teo amin\u2019ny handriny, tamin\u2019izy teo anatrehan\u2019ny mpisorona teo akaikin\u2019ny alitara fandoroana emboka manitra, tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "20": "Rehefa nitodika tany aminy i Azaria lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpisorona rehetra, dia hitan\u2019izy ireo hoe io fa efa boka ny handriny! Navoakan\u2019izy ireo haingana \u00e0ry izy, ary izy koa aza nivoaka haingana satria efa nofaizin\u2019i Jehovah.",
        "21": "Dia boka mandra-pahafatiny i Ozia Mpanjaka. Nipetraka tao amin\u2019ny trano iray mitokana \u00e0ry izy satria boka. Tsy nahazo niditra tao an-tranon\u2019i Jehovah intsony koa izy. Ary i Jotama zanany no niandraikitra ny tranon\u2019ny mpanjaka, sy nitsara ny vahoaka.",
        "22": "Efa nosoratan\u2019i Isaia mpaminany zanak\u2019i Amoza ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Ozia, hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany.",
        "23": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Ozia, ka nalevina tao amin\u2019izay nandevenana azy ireo, saingy teo amin\u2019ny saha teo ivelany. Nilaza mantsy ny olona hoe: \u201cBoka izy.\u201d Ary i Jotama zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "27": {
        "1": "Lasa mpanjaka i Jotama tamin\u2019izy 25\u00a0taona, ary nanjaka 16\u00a0taona tany Jerosalema izy. Jerosa no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Zadoka izy io.",
        "2": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Jotama, toy ny nataon\u2019i Ozia rainy, fa izy fotsiny tsy nitsofotsofoka tao amin\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah. Mbola nanao ratsy ihany anefa ny vahoaka.",
        "3": "Ary nanorina ny vavahady ambony tamin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah i Jotama. Nanao fanorenana be dia be teo amin\u2019ny mandan\u2019i Ofela koa izy.",
        "4": "Nanorina tan\u00e0na tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Joda koa izy, ary nanorina toerana voaro mafy sy tilikambo tany anaty ala.",
        "5": "Ary niady tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Amonita izy, ka resiny ihany ireny tamin\u2019ny farany. Ireto \u00e0ry no nomen\u2019ny Amonita azy tamin\u2019iny taona iny: Volafotsy 100\u00a0talenta, sy varimbazaha 10\u00a0000 kora, ary vary orza 10\u00a0000\u00a0kora. Hoatr\u2019izany koa no naloan\u2019izy ireo taminy, tamin\u2019ny taona faharoa sy fahatelo.",
        "6": "Koa nihanahery foana i Jotama, satria tapa-kevitra ny handeha tamin\u2019ny lalana natoron\u2019i Jehovah Andriamaniny.",
        "7": "Efa voasoratra ao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjakan\u2019ny Israely sy Joda ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Jotama sy ny ady rehetra nataony ary ny zava-bitany rehetra.",
        "8": "Lasa mpanjaka izy tamin\u2019izy 25\u00a0taona, ary nanjaka 16\u00a0taona tany Jerosalema izy.",
        "9": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Jotama, ka nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Ary i Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "28": {
        "1": "Lasa mpanjaka i Ahaza tamin\u2019izy 20\u00a0taona, ary nanjaka 16\u00a0taona tany Jerosalema izy. Tsy nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah izy, tsy mba hoatran\u2019i Davida razambeny.",
        "2": "Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely kosa izy, ka nanao sarivongana metaly mihitsy aza, dia ny sarin\u2019ireo Bala.",
        "3": "Nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma koa izy, dia nandoro ny zanany lahy tao anaty afo. Nanao an\u2019ireo zava-maharikoriko fanaon\u2019ny firenena efa noroahin\u2019i Jehovah hiala teo anatrehan\u2019ny Israelita izy.",
        "4": "Nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka foana koa izy, teny amin\u2019ny toerana avo sy ny havoana ary teny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra.",
        "5": "Koa natolotr\u2019i Jehovah Andriamaniny teo an-tanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Syria izy. Dia naharesy azy ny Syrianina, ka naka babo be dia be ary nitondra an\u2019ireny tany Damaskosy. Nataon\u2019Andriamanitra resin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely koa izy, ka be dia be tamin\u2019ny vahoakany no matin\u2019io mpanjaka io.",
        "6": "Nahafaty lehilahy 120\u00a0000 tany Joda mantsy i Peka zanak\u2019i Remalia tao anatin\u2019ny iray andro, satria nahafoy an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny izy ireo. Lehilahy mahery fo daholo ireo maty ireo.",
        "7": "Novonoin\u2019i Zikry miaramila efraimita koa i Mahaseia zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama mpiandraikitra ny lapan\u2019ny mpanjaka, ary Elkana izay nanarakaraka ny mpanjaka.",
        "8": "Ary zaza amam-behivavy 200\u00a0000 no nalain\u2019ny Israelita ho babo avy tamin\u2019ny rahalahiny. Nandroba zavatra be dia be koa izy ireo, dia nentiny tany Samaria ireny.",
        "9": "Nisy mpaminanin\u2019i Jehovah atao hoe Odeda anefa nitsena an\u2019ilay tafika tonga tao Samaria, ka niteny hoe: \u201cTezitra tamin\u2019ny Joda i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ka nataony resinareo ry zareo. Tezitra loatra anefa ianareo dia novonoinareo ry zareo, ka tonga hatrany am-poto-tsofin\u2019Andriamanitra mihitsy izany nataonareo izany.",
        "10": "Izao indray dia tadiavinareo hatao mpanompolahy sy mpanompovavy ny taranak\u2019i Joda sy Jerosalema. Fa ianareo koa angaha moa tsy mba meloka eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo?",
        "11": "Henoy \u00e0ry aho. Avereno ireo babo nalainareo avy tamin\u2019ny rahalahinareo ireo, fa tena tezitra be aminareo i Jehovah.\u201d",
        "12": "Koa nanohitra an\u2019ireo olona avy nanafika ireo i Azaria zanak\u2019i Johanana sy Berekia zanak\u2019i Mesilemota sy Jehizkia zanak\u2019i Saloma ary Amasa zanak\u2019i Hadlay, izay anisan\u2019ny lehiben\u2019ny Efraimita,",
        "13": "ka niteny tamin\u2019izy ireo hoe: \u201cAza entina at\u1ef3 ireo babo ireo, sao dia ho meloka eo anatrehan\u2019i Jehovah isika. Angaha tadiavinareo hampiana indray ny fahotantsika sy ny helotsika? Efa be izay heloka vitantsika izay, sady tezitra be amin\u2019ny Israely Andriamanitra.\u201d",
        "14": "Koa natolotry ny miaramila an\u2019ireo andriana sy ny fiangonana manontolo ny olona babo sy ny zavatra norobainy.",
        "15": "Avy eo dia naka an\u2019ireo babo ireo ny olona voatonona anarana. Dia nomeny akanjo tamin\u2019ny zavatra azo babo izay rehetra tsy niakanjo. Nomeny akanjo sy kapa izy ireo, sady nomeny sakafo sy rano hosotroina ary menaka hahosony amin\u2019ny hoditra. Dia nampitaingeniny ampondra izay kely\u00a0aina, ka nateriny tany amin\u2019ny rahalahiny tany Jeriko, tan\u00e0na be hazo palmie. Niverina tany Samaria izy ireo taorian\u2019izay.",
        "16": "Tamin\u2019izay fotoana izay, dia nila vonjy tamin\u2019ireo mpanjakan\u2019i Asyria i Ahaza Mpanjaka.",
        "17": "Tonga indray mantsy ny Edomita ka nanafika ny Joda ary naka babo.",
        "18": "Nanafika an\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Sefela sy Negeba tany Joda koa ny Filistinina, ka azon\u2019izy ireo i Beti-semesy, Aialona, Gederota, Soko sy ireo tan\u00e0na niankina taminy, Timna sy ireo tan\u00e0na niankina taminy, ary Gimzo sy ireo tan\u00e0na niankina taminy. Dia nipetraka tao amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo ny Filistinina.",
        "19": "Fa nataon\u2019i Jehovah nietry ny Joda noho ny nataon\u2019i Ahaza mpanjakan\u2019ny Israely. Navelan\u2019i Ahaza hanaram-po hanao ratsy mantsy ny Joda, ka tena nivadika tamin\u2019i Jehovah.",
        "20": "Tamin\u2019ny farany, dia nanafika azy i Tilgato-pilnesera mpanjakan\u2019i Asyria, ka nampijaly azy fa tsy nanampy azy akory.",
        "21": "Efa nalain\u2019i Ahaza anefa ny zava-drehetra tao an-tranon\u2019i Jehovah sy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka sy ny andriana, ka nataony fanomezana ho an\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria, saingy tsy nahavonjy azy izany.",
        "22": "Na dia efa nijaly aza i Ahaza Mpanjaka, dia vao mainka nivadika tamin\u2019i Jehovah ihany.",
        "23": "Dia nanao sorona ho an\u2019ireo andriamanitr\u2019i Damaskosy naharesy azy izy, ka niteny hoe: \u201cManampy an\u2019ireo mpanjakan\u2019i Syria ny andriamaniny, ka mba hanao sorona ho an\u2019ireny koa aho, amin\u2019izay mba hampiany.\u201d Lasa nitondra loza ho azy sy ny Israely rehetra anefa ireny.",
        "24": "Nangonin\u2019i Ahaza koa ny fitaovana tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra dia nopotipotehiny, ary nohidiany ny varavaran\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Nanamboatra alitara ho an\u2019ny andriamani-kafa koa izy, ka nataony teny amin\u2019ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema ireny.",
        "25": "Ary nasiany toerana avo tany amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Joda rehetra, mba handoroana fanatitra hidona-tsetroka ho an\u2019andriamani-kafa. Koa nampahatezitra an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny izy.",
        "26": "Efa voasoratra ao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjakan\u2019ny Joda sy Israely ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Ahaza sy izay rehetra nataony, hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany.",
        "27": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Ahaza, ka nalevina tao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Jerosalema, fa tsy nampidirina tao amin\u2019ny fasan\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely. Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "29": {
        "1": "Ary 25\u00a0taona i Hezekia tamin\u2019izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 29\u00a0taona tany Jerosalema izy. Abia no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Zakaria izy io.",
        "2": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Hezekia, toy ny nataon\u2019i Davida razambeny.",
        "3": "Nosokafany ireo varavaran\u2019ny tranon\u2019i Jehovah dia namboariny ny simba tamin\u2019ireo, tamin\u2019ny volana voalohany, tamin\u2019ny taona voalohany nanjakany.",
        "4": "Dia novoriny teo amin\u2019ny tany malalaka teo atsinanana ny mpisorona sy ny Levita.",
        "5": "Ary hoy izy: \u201cHenoy aho, ry Levita! Hamasino ny tenanareo ary hamasino koa ny tranon\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo. Dia esory ao amin\u2019ny toerana masina ny zavatra tsy madio.",
        "6": "Fa efa nivadika tamin\u2019Andriamanitsika ireo raintsika, sady nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah Andriamanitsika. Nahafoy azy ry zareo, sady nihodina tsy hijery ny tranolain\u2019i Jehovah intsony ka niala taminy.",
        "7": "Nohidiany koa ny varavaran\u2019ny tilikambo fidirana, ary novonoiny ny jiro. Tsy nandoro emboka manitra intsony izy ireo, sady tsy nanolotra sorona dorana ho an\u2019ilay Andriamanitry ny Israely tao amin\u2019ny toerana masina intsony.",
        "8": "Koa tezitra tamin\u2019i Joda sy Jerosalema i Jehovah, ka nataony nihorohoro sy gaga ary nisioka izay olona nahita ny nanjo azy ireo, araka izao hitan\u2019ny masonareo izao.",
        "9": "Dia matin\u2019ny sabatra ny razambentsika, ary lasa babo ny vady aman-janatsika.",
        "10": "Irin\u2019ny foko anefa izao ny hanao fifanekena amin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely, mba tsy ho tezitra be amintsika intsony izy.",
        "11": "Tsy izao \u00e0ry, ry rahalahiko, no fotoana tokony hanaovanareo tsirambina ny asanareo. Fa efa nofidin\u2019i Jehovah hijoro eo anatrehany ianareo, mba hanompo azy sy handoro fanatitra mba hidona-tsetroka.\u201d",
        "12": "Dia nanomboka niasa ireto Levita ireto: I Mahata zanak\u2019i Amasay sy Joela zanak\u2019i Azaria, avy tamin\u2019ny Kehatita; Kisy zanak\u2019i Abdia sy Azaria zanak\u2019i Jehalalila, avy tamin\u2019ny Merarita; Joa zanak\u2019i Zima sy Edena zanak\u2019i Joa, avy tamin\u2019ny Gersonita;",
        "13": "Simry sy Jeoela avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Elizafana; Zakaria sy Matania avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Asafa;",
        "14": "Jehiela sy Simey avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Hemana; ary Semaia sy Oziela avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Jedotona.",
        "15": "Dia novoriny ny rahalahiny, ka nanamasina ny tenany izy ireo ary tonga hanadio ny tranon\u2019i Jehovah, araka ny didin\u2019ny mpanjaka sy ny tenin\u2019i Jehovah.",
        "16": "Avy eo dia nankao an-tranon\u2019i Jehovah ny mpisorona mba hanadio. Dia navoakan\u2019izy ireo ny zavatra maloto rehetra hitany tao amin\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah, ka nentiny teny an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Nalain\u2019ny Levita ireny avy eo dia nentiny tany ivelany, tany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kidrona.",
        "17": "Nanomboka nanamasina ny tempoly izy ireo, tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana voalohany. Ary tonga teo amin\u2019ny tilikambo fidirana amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah izy ireo, tamin\u2019ny andro fahavalon\u2019ny volana. Nohamasinin\u2019izy ireo nandritra ny valo andro ny tranon\u2019i Jehovah. Dia vitany izany tamin\u2019ny andro faha-16 amin\u2019ny volana voalohany.",
        "18": "Dia nankao amin\u2019i Hezekia Mpanjaka izy ireo, ka niteny hoe: \u201cEfa voadionay ny tranon\u2019i Jehovah manontolo, sy ny alitaran\u2019ny fanatitra dorana sy ny fitaovany rehetra, ary ny latabatry ny mofo mifanaingina sy ny fitaovany rehetra.",
        "19": "Efa nomaninay sy nohamasininay koa ny fitaovana rehetra tsy nampiasain\u2019i Ahaza Mpanjaka intsony tamin\u2019izy nanjaka, tamin\u2019izy nivadika tamin\u2019Andriamanitra. Eo anoloan\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah ireny izao.\u201d",
        "20": "Ary nifoha maraina i Hezekia Mpanjaka, ka novoriny ny andrianan\u2019ny tan\u00e0na. Dia niakatra nankany an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "21": "Nitondra ombilahy fito, ondrilahy fito, ondrilahy kely fito, ary osilahy fito izy ireo mba hatao fanatitra noho ny ota. Ho an\u2019ny fanjakana sy ny toerana masina ary ny Joda no nanaovana an\u2019izany. Dia nasain\u2019i Hezekia natolotry ny mpisorona taranak\u2019i Arona teo amin\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah ireny.",
        "22": "Novonoin\u2019izy ireo ny omby avy eo, dia nalain\u2019ny mpisorona ny ra ka nafafiny teo amin\u2019ny alitara. Novonoiny koa ny ondrilahy dia nafafiny teo amin\u2019ny alitara ny ra. Novonoiny koa ny ondrilahy kely dia nafafiny teo amin\u2019ny alitara ny ra.",
        "23": "Avy eo dia nentiny teo anatrehan\u2019ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy hatao fanatitra noho ny ota, dia nametraka ny tanany teo amin\u2019ireny izy ireo.",
        "24": "Ary novonoin\u2019ny mpisorona ireo osilahy ka nataony fanatitra noho ny ota, dia nataony teo amin\u2019ny alitara ny rany, mba handrakofana ny fahotan\u2019ny Israely rehetra. Nilaza mantsy ny mpanjaka hoe tokony ho an\u2019ny Israely rehetra no hanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.",
        "25": "Nasain\u2019i Hezekia nankao an-tranon\u2019i Jehovah koa ny Levita tamin\u2019izay. Nitondra kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa izy ireo, araka ny didin\u2019i Davida sy Gada mpahita fahitana ho an\u2019ny mpanjaka ary Natana mpaminany. I Jehovah mantsy no nanome an\u2019izany didy izany tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminaniny.",
        "26": "Dia nijoro ireo Levita nitondra ny zavamaneno namboarin\u2019i Davida, sy ireo mpisorona nitondra ny trompetra.",
        "27": "Dia nasain\u2019i Hezekia natolotra teo amin\u2019ny alitara ny fanatitra dorana. Raha vao natolotra ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny hira ho an\u2019i Jehovah. Notsofina koa ny trompetra, ka natao nifanaraka tamin\u2019ny feon\u2019ireo zavamaneno namboarin\u2019i Davida mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "28": "Dia niankohoka ny fiangonana manontolo, raha mbola nohiraina ilay hira sady notsofina ny trompetra. Tsy nijanona izany rehetra izany mandra-pahavitan\u2019ny fanatitra dorana.",
        "29": "Raha vao avy nanao fanatitra izy ireo, dia niondrika sy niankohoka ny mpanjaka sy ny olona rehetra niaraka taminy.",
        "30": "Avy eo dia ny tononkira nataon\u2019i Davida sy Asafa mpahita fahitana indray no nasain\u2019i Hezekia Mpanjaka sy ny andriana nideran\u2019ny Levita an\u2019i Jehovah. Faly be izy ireo sady nanao fiderana, ary nandohalika sy niankohoka.",
        "31": "Hoy i Hezekia avy eo: \u201cNatokana ho an\u2019i Jehovah ianareo izao, ka andao hitondra sorona sy fanatitra fisaorana ao an-tranon\u2019i Jehovah.\u201d Dia nitondra sorona sy fanatitra fisaorana ny fiangonana, ary nitondra fanatitra dorana koa izay rehetra natosiky ny fony.",
        "32": "Omby 70 sy ondrilahy 100 ary ondrilahy kely 200 ny fanatitra dorana nentin\u2019ny fiangonana,\u2014natao fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah daholo ireo\u2014",
        "33": "ary omby 600 sy ondry 3\u00a0000 ny fanatitra masina.",
        "34": "Tsy ampy anefa ny mpisorona nanendaka ny hoditry ny fanatitra dorana rehetra, ka nampian\u2019ny Levita rahalahiny izy ireo. Tsy nijanona ny Levita raha tsy efa vita ilay asa ary raha tsy efa nanamasina ny tenany ny mpisorona. Fa nazoto kokoa nanamasina ny tenany ny Levita raha noharina tamin\u2019ny mpisorona.",
        "35": "Be dia be koa ny fanatitra dorana sy ny tavin\u2019ny fanatitra iombonana ary ny fanatitra zava-pisotro nampiarahina tamin\u2019ny fanatitra dorana. Hoatr\u2019izany \u00e0ry no namerenana tamin\u2019ny laoniny ny fanompoana tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "36": "Koa nifaly i Hezekia sy ny vahoaka manontolo noho izay nataon\u2019ilay tena Andriamanitra ho azy ireo, sady tampoka ihany no nitrangan\u2019izany rehetra izany."
    },
    "30": {
        "1": "Naniraka olona nankany amin\u2019ny Israely rehetra sy ny Joda i Hezekia, sady nanoratra taratasy ho an\u2019ny fokon\u2019i Efraima sy Manase mihitsy aza, mba hanasa azy ireo ho ao an-tranon\u2019i Jehovah any Jerosalema. Te hanasa azy ireo hankalaza ny Paska ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely mantsy izy.",
        "2": "Nanapa-kevitra anefa ny mpanjaka sy ny andrianany ary ny fiangonana manontolo tao Jerosalema fa amin\u2019ny volana faharoa no hankalazana ny Paska.",
        "3": "Tsy afaka nankalaza an\u2019ilay izy tamin\u2019ny fotoana mahazatra mantsy izy ireo, satria tsy ampy ny mpisorona nanamasina ny tenany, sady mbola tsy tafavory tany Jerosalema ny vahoaka.",
        "4": "Ary hitan\u2019ny mpanjaka sy ny fiangonana manontolo hoe tsara izay hevitra izay.",
        "5": "Dia nanapa-kevitra izy ireo fa hampandrenesina ny vahoaka eran\u2019i Israely, hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana, hoe tokony hankany Jerosalema izy ireo mba hankalaza ny Paska ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Tsy mba niaraka nankalaza an\u2019ilay izy araka ny voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0na mantsy izy ireo talohan\u2019izay.",
        "6": "Araka ny didin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry, dia lasa nitety ny Israely sy ny Joda ireo mpitondra hafatra. Nitondra taratasy avy tamin\u2019ny mpanjaka sy ny andrianany izy ireo, ary niteny hoe: \u201cRy vahoakan\u2019Israely, miverena amin\u2019i Jehovah Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Isaka ary Israely, dia amin\u2019izay Izy hiverina amin\u2019ireo sisa afaka nandositra ny mpanjakan\u2019i Asyria.",
        "7": "Aza manahaka ny razambenareo sy ny rahalahinareo. Nivadika tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny mantsy izy ireo, ka nataon\u2019Andriamanitra nihorohoro ny olona nahita an\u2019izay nanjo azy ireo, toy izao hitanareo izao.",
        "8": "Dia aza mafy loha hoatran\u2019ny razambenareo. Ekeo kosa i Jehovah dia mankanesa any amin\u2019ny toerany masina, izay efa nohamasininy mba ho masina mandrakizay. Ary manompoa an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, mba tsy ho tezitra\u00a0be aminareo intsony izy.",
        "9": "Raha miverina amin\u2019i Jehovah mantsy ianareo, dia hamindra fo amin\u2019ny rahalahinareo sy ny zanakareo ny olona naka azy ho babo, ka havelany hiverina eto amin\u2019ity tany ity ry zareo. Fa mangoraka sy mamindra fo i Jehovah Andriamanitrareo, ka tsy ho izy indray no handa anareo, raha miverina aminy ianareo.\u201d",
        "10": "Dia lasa nitety ny tan\u00e0na nanerana ny tanin\u2019i Efraima sy Manase hatrany Zebolona ireo mpitondra hafatra. Nihomehezan\u2019ny olona sy nesoesoiny anefa izy ireo.",
        "11": "Na izany aza, dia nisy mba nanetry tena ihany tamin\u2019ny fokon\u2019i Asera sy Manase ary Zebolona, ka tonga tany Jerosalema.",
        "12": "Nanampy ny Joda koa ny tanan\u2019ilay tena Andriamanitra, mba hahatonga azy ireo hiray hina hanatanteraka ny baikon\u2019ny mpanjaka sy ny andriana, araka ny tenin\u2019i Jehovah.",
        "13": "Be dia be ny olona nivory tany Jerosalema tamin\u2019ny volana faharoa, mba hankalaza ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Fiangonana lehibe mihitsy izy ireo.",
        "14": "Dia nesoriny ny alitara tany Jerosalema. Nesoriny koa ny alitara rehetra fandoroana emboka manitra, ka nariany tany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kidrona.",
        "15": "Novonoin\u2019izy ireo avy eo ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, tamin\u2019ny andro faha-14 amin\u2019ny volana faharoa. Ary menatra ny mpisorona sy ny Levita, ka nanamasina ny tenany, dia nitondra fanatitra dorana tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "16": "Dia nankeo amin\u2019ny toerana tokony hisy azy izy ireo, araka ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy lehilahin\u2019Andriamanitra. Ary nafafin\u2019ny mpisorona ny ra noraisiny avy teny an-tanan\u2019ny Levita.",
        "17": "Betsaka tamin\u2019ny olona anisan\u2019ny fiangonana anefa no tsy mba nanamasina ny tenany. Ny Levita \u00e0ry no namono ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an\u2019izay rehetra tsy nadio, mba hanamasinana azy ireo ho an\u2019i Jehovah.",
        "18": "Be dia be mantsy ny olona tsy nanadio ny tenany, indrindra ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Efraima sy Manase sy Isakara ary Zebolona. Mbola nihinana ny Paska ihany izy ireo, na dia nifanohitra tamin\u2019izay voasoratra aza izany. Nivavaka ho azy ireo anefa i Hezekia hoe: \u201cRy Jehovah tsara toetra\u00a0\u00f4! Enga anie ianao hamindra fo",
        "19": "amin\u2019izay rehetra nanomana ny fony hitady an\u2019ilay tena Andriamanitra, dia i Jehovah Andriamanitry ny razambeny, na dia tsy madio araka izay takina amin\u2019ny fankalazana masina aza izy ireo!\u201d",
        "20": "Dia nihaino an\u2019i Hezekia i Jehovah, ka namela ny fahadisoan\u2019ny vahoaka.",
        "21": "Dia nankalaza ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay nandritra ny fito andro ny Israelita tany Jerosalema. Faly be izy ireo nanao an\u2019izany. Ary nidera an\u2019i Jehovah isan\u2019andro ny Levita sy ny mpisorona, ka nataony nanakoako be ny feon\u2019ny zavamaneno nampiasainy hiderana an\u2019i Jehovah.",
        "22": "Dia nampaherezin\u2019i Hezekia izay Levita rehetra nanompo an\u2019i Jehovah tamim-pahendrena. Dia nisakafo tao amin\u2019ilay fety izy ireo nandritra ny fito andro, sady nanao sorona iombonana ary nisaotra an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny.",
        "23": "Ary nanapa-kevitra ny fiangonana manontolo fa hankalaza an\u2019ilay fety mandritra ny fito andro fanampiny. Koa nankalaza an\u2019ilay izy nandritra ny fito andro fanampiny izy ireo sady falifaly.",
        "24": "Dia nanome ombilahy 1\u00a0000 sy ondry 7\u00a0000 ho an\u2019ny fiangonana i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda. Ny andriana kosa nanome ombilahy 1\u00a0000 sy ondry 10\u00a0000. Ary be dia be ny mpisorona nanamasina ny tenany.",
        "25": "Dia nifaly foana ny fiangonan\u2019ny Joda manontolo, ny mpisorona, ny Levita, ny fiangonana manontolo avy tany amin\u2019ny Israely, ary ny vahiny avy any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely sy izay nipetraka tany Joda.",
        "26": "Ary faly be ny tany Jerosalema, satria mbola tsy nisy hoatr\u2019izany tany, hatramin\u2019ny andron\u2019i Solomona zanak\u2019i Davida mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "27": "Farany, dia nitsangana ireo Levita mpisorona ka nitso-drano ny vahoaka. Dia henon\u2019Andriamanitra ny feon\u2019izy ireo, ary tonga tany amin\u2019ny fonenany masina tany an-danitra ny vavaka nataony."
    },
    "31": {
        "1": "Raha vao vitan\u2019izy ireo izany rehetra izany, dia lasa nankany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda ny Israelita rehetra tonga teo, ka nopotipotehiny ny tsangambato masina ary nokapainy ny tsato-kazo masina. Noravany koa ny toerana avo sy ny alitara nanerana an\u2019i Joda sy Benjamina sy Efraima ary Manase, ka tsy nijanona izy ireo raha tsy efa rava tanteraka ireny. Samy nody tany amin\u2019ny tan\u00e0nany avy ny Israelita rehetra avy\u00a0eo.",
        "2": "Ary nalamin\u2019i Hezekia araka ny fizarana nisy azy ny mpisorona sy ny Levita, mba ho afaka hanatontosa tsara ny fanompoany. Nanolotra ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana izy ireo, ary nanao ny fanompoany sy nanolotra fisaorana sy fiderana teny amin\u2019ireo vavahadin\u2019ny tokotanin\u2019i Jehovah.",
        "3": "Nanome tamin\u2019ny fananany koa ny mpanjaka mba hanaovana fanatitra dorana, anisan\u2019izany ny fanatitra amin\u2019ny maraina sy hariva, sy ny fanatitra dorana rehefa Sabata sy tsinam-bolana ary fety, araka izay voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah.",
        "4": "Nomen\u2019ny mpanjaka baiko koa ny vahoaka nipetraka tao Jerosalema mba hanome an\u2019izay tokony ho anjaran\u2019ny mpisorona sy ny Levita, amin\u2019izay izy ireo ho afaka hanaraka tsara ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah.",
        "5": "Raha vao nivoaka izany baiko izany, dia nanome voaloham-bokatra be dia be ny Israelita, izany hoe voaloham-bokatra tamin\u2019ny varimbazaha, divay vaovao, menaka, tantely, ary tamin\u2019ny vokatra rehetra teny an-tsaha. Nitondra ny ampahafolon\u2019ny zava-drehetra nananany koa izy ireo, ary be dia be no nomeny.",
        "6": "Nitondra ny ampahafolon\u2019ny omby aman\u2019ondriny koa ny vahoakan\u2019Israely sy ny taranak\u2019 i Joda nipetraka tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda, sady nitondra ny ampahafolon\u2019ny zava-masina, izay efa nohamasinina ho an\u2019i Jehovah Andriamaniny. Dia nahangona fanomezana be dia be izy ireo.",
        "7": "Tamin\u2019ny volana fahatelo izy ireo no nanomboka nanangona an\u2019ireo fanomezana rehetra nentin\u2019ny olona ireo. Dia vitany izany tamin\u2019ny volana fahafito.",
        "8": "Rehefa tonga i Hezekia sy ny andriana ka nahita an\u2019ireo fanomezana niavosa be, dia nidera an\u2019i Jehovah sy nitso-drano ny Israely vahoakany izy ireo.",
        "9": "Dia nanontany an\u2019ireo mpisorona sy Levita momba an\u2019ireo fanomezana niavosa ireo i Hezekia,",
        "10": "ka hoy i Azaria lehiben\u2019ny mpisorona, taranak\u2019i Zadoka: \u201cNanomboka tamin\u2019izy ireo nitondra an\u2019ireny fanomezana ireny tao an-tranon\u2019i Jehovah, dia nihinana ny olona ka voky, ary mbola misy ambiny be dia be. Notahin\u2019i Jehovah mantsy ny vahoakany, ka ireo be dia be ireo ny ambiny.\u201d",
        "11": "Dia nasain\u2019i Hezekia nanomana efitra fitehirizana entana tao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo. Koa nomanin\u2019izy ireo izany.",
        "12": "Mendri-pitokisana izy ireo ka nampidiriny tao daholo ny fanomezana sy ny ampahafolon-karena ary ny zava-masina. I Konania Levita no niandraikitra sy nanara-maso an\u2019ireny rehetra ireny, ary i Simey rahalahiny no nanarakaraka azy.",
        "13": "I Jehiela, Azazia, Nahata, Asahela, Jerimota, Jozabada, Eliela, Jismakia, Mahata, ary Benaia no mpiadidy nanampy an\u2019i Konania sy Simey rahalahiny, araka ny didin\u2019i Hezekia Mpanjaka. I Azaria kosa no mpanara-maso ny tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "14": "Ary i Kore zanak\u2019i Jimna, ilay Levita mpiandry vavahady teo atsinanana, no niandraikitra ny fanatitra an-tsitrapo ho an\u2019ilay tena Andriamanitra. Izy no nizara ny fanomezana natolotra ho an\u2019i Jehovah sy ny zavatra masina indrindra.",
        "15": "Izy koa no niandraikitra an\u2019i Edena, Miniamina, Jesoa, Semaia, Amaria, ary Sekania tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019ny mpisorona. Mendri-pitokisana izy ireo rehefa nizara ny anjaran\u2019ireo rahalahiny tao amin\u2019ny fizarana tsirairay, ka nataony mitovy tsara ny an\u2019ny kely sy ny an\u2019ny lehibe.",
        "16": "Izy ireo koa no nanome ny anjaran\u2019ny lehilahy telo taona no ho miakatra izay voasoratra anarana tao amin\u2019ny tetirazana. Tonga isan\u2019andro tao an-tranon\u2019i Jehovah mantsy ireo lehilahy ireo mba hanao ny fanompoany sy ny andraikiny araka ny fizarana nisy azy.",
        "17": "Nosoratana tao amin\u2019ny tetirazana araka ny fianakaviambeny, sy araka ny andraikiny isaky ny fizarana nisy azy avy ny mpisorona sy ny Levita 20\u00a0taona no ho miakatra.",
        "18": "Nosoratana tao koa ny vady aman-janany rehetra, dia ny fiangonany manontolo. Nanamasina ny tenany foana izy ireo mba ho afaka hanao fanompoana masina. Nanankinana andraikitra masina mantsy izy ireo satria mendri-pitokisana.",
        "19": "Nosoratana anarana koa ny mpisorona taranak\u2019i Arona nipetraka tany amin\u2019ny kijana manodidina ny tan\u00e0nany. Nisy lehilahy vitsivitsy nofidina tany amin\u2019ireo tan\u00e0na rehetra ireo, mba hizara sakafo ho an\u2019ny lehilahy mpisorona sy ny olona rehetra voasoratra tao amin\u2019ny tetirazan\u2019ny Levita.",
        "20": "Izany no nataon\u2019i Hezekia nanerana an\u2019i Joda. Nanao izay tsara sy mety foana izy, sady tsy nivadika mihitsy teo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamaniny.",
        "21": "Nataony tamin\u2019ny fony manontolo ny zavatra rehetra nataony mba hitadiavana an\u2019ilay Andriamaniny, izany hoe ny fanompoana tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Lal\u00e0na sy ny didy. Dia nahomby izy tamin\u2019izany."
    },
    "32": {
        "1": "Nasehon\u2019i Hezekia tamin\u2019izany rehetra izany fa tsy nivadika tamin\u2019Andriamanitra izy. Taorian\u2019izay, dia tonga i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria, ka notafihiny ny tanin\u2019i Joda. Nataony fahirano ireo tan\u00e0na voaro mafy, satria tiany hogorobahana ny mandan\u2019ireny tan\u00e0na ireny, sady tiany halaina ireny.",
        "2": "Rehefa hitan\u2019i Hezekia fa tonga i Sankeriba ary te hanafika an\u2019i Jerosalema,",
        "3": "dia nanontaniany ny andrianany sy ny miaramilany, ka nanapa-kevitra izy avy eo hoe hotampenana ireo loharano tany ivelan\u2019ny tan\u00e0na. Dia nanohana azy izy ireo.",
        "4": "Ary be dia be ny olona niaraka nanentsina ny loharano rehetra sy ny rano nikoriana namakivaky an\u2019ilay tany. Hoy mantsy izy ireo: \u201cAleo tsy avela hahita rano be dia be ny mpanjakan\u2019i Asyria rehefa tonga.\u201d",
        "5": "Dia tena vonona hanohy an\u2019ilay asa koa izy, ka nanorina indray an\u2019izay rava rehetra tamin\u2019ilay manda, sy nanisy tilikambo teny amboniny. Nanao manda hafa teny ivelany koa izy, sady nanamboatra an\u2019izay simba tamin\u2019ilay Havoana teo amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Nanao fitaovam-piadiana sy ampinga be dia be koa izy.",
        "6": "Nanendry mpitari-tafika hifehy ny vahoaka izy avy eo. Dia novoriny teny amin\u2019ny tany malalaka teo akaikin\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na izy ireo. Ary nampahery an\u2019ireo izy hoe:",
        "7": "\u201cMan\u00e0na herim-po ary mahereza! Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria sy ireo olona be dia be miaraka aminy ireo. Fa betsaka ny miaraka amintsika noho ny miaraka aminy.",
        "8": "Herin\u2019olombelona no ianteherany, fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no ianteherantsika mba hanampy antsika sy hiady ho antsika.\u201d Dia nankahery ny vahoaka ny tenin\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "9": "Taorian\u2019izay, raha mbola tany Lakisy i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria sy ny tafi-panjakany manontolo, dia naniraka ny mpanompony ho any Jerosalema izy mba hilaza tamin\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda sy ny Jodianina rehetra tao Jerosalema hoe:",
        "10": "\u201cIzao no tenin\u2019i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria: \u2018Fa inona moa no itokisanareo no mbola mijanona eto Jerosalema ihany ianareo nefa misy manao fahirano?",
        "11": "Angaha tsy hamitaka anareo sy hamela anareo ho fatin\u2019ny mosary sy ny hetaheta fotsiny i Hezekia matoa miteny hoe: \u201cHamonjy antsika eo am-pelatanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria i Jehovah Andriamanitsika\u201d?",
        "12": "Tsy i Hezekia ihany anefa ve no nanaisotra an\u2019ireo toerana avon\u2019ny Andriamanitrareo sy ny alitarany, ka niteny tamin\u2019i Joda sy Jerosalema hoe: \u201cEo anoloan\u2019ny alitara iray ihany ianareo no tokony hiankohoka sy handoro fanatitra mba hidona-tsetroka\u201d?",
        "13": "Tsy fantatrareo angaha ny zavatra efa nataoko sy nataon\u2019ny razambeko tamin\u2019ny mponina rehetra manodidina? Angaha ny andriamanitr\u2019ireny firenena ireny nahavita namonjy ny taniny teo am-pelatanako?",
        "14": "Iza tamin\u2019ny andriamanitra rehetra ivavahan\u2019ireny firenena naringan\u2019ny razambeko ireny, no nahavita namonjy ny vahoakany teo am-pelatanako? Koa ny Andriamanitrareo ve dia hahavita hamonjy anareo eto am-pelatanako?",
        "15": "Aza avela hanambaka na hamitaka anareo hoatr\u2019izao i Hezekia! Aza mino azy, fa mbola tsy nisy andriamanitry ny firenena na fanjakana nahavita namonjy ny vahoakany teo am-pelatanako sy teo am-pelatanan\u2019ny razambeko. Koa ny Andriamanitrareo indray ve no hahavita hamonjy anareo eto am-pelatanako?\u2019\u201d",
        "16": "Ary vao mainka nanambanimbany an\u2019i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony ny mpanompon\u2019i Sankeriba.",
        "17": "Nanoratra taratasy koa izy, ka nanao tsinontsinona sy nanambanimbany an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely, nanao hoe: \u201cTsy hahavita hamonjy ny vahoakany eto am-pelatanako ny Andriamanitr\u2019i Hezekia, hoatran\u2019ny andriamanitr\u2019ireo firenena manodidina ihany. Tsy nahavita namonjy ny vahoakany teo am-pelatanako ireny.\u201d",
        "18": "Ary niteny mafy be foana izy ireo sady nanao fitenin\u2019ny Jiosy tamin\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema teny ambony manda, satria te hampitahotra sy hampisahotaka azy, amin\u2019izay ho azon\u2019izy ireo ilay tan\u00e0na.",
        "19": "Nanambanimbany an\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Jerosalema izy ireo, toy ny nataony tamin\u2019ny andriamanitr\u2019ireo firenena eto an-tany, izay asa tanan\u2019olona ihany.",
        "20": "Nivavaka momba an\u2019izany foana anefa i Hezekia Mpanjaka sy Isaia mpaminany zanak\u2019i Amoza, sady niantso vonjy tamin\u2019ny lanitra.",
        "21": "Dia naniraka anjely i Jehovah, ka novonoiny daholo ny miaramila matanjaka sy ny mpitarika ary ny lehiben\u2019ny miaramila tao an-tobin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria. Dia nody tany amin\u2019ny taniny ny mpanjakan\u2019i Asyria sady afa-baraka. Tat\u1ef3 aoriana, dia niditra tao an-tranon\u2019ny andriamaniny izy, ary tao ny zanany sasany no namono azy tamin\u2019ny sabatra.",
        "22": "Koa novonjen\u2019i Jehovah teo am-pelatanan\u2019i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria sy ny fahavalony hafa rehetra i Hezekia sy ny mponin\u2019i Jerosalema. Dia nataony nilamina tanteraka ny tanin\u2019izy ireo.",
        "23": "Be dia be koa no nitondra fanomezana ho an\u2019i Jehovah tany Jerosalema, sy nitondra zava-tsarobidy ho an\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda. Dia lasa nanaja be an\u2019i Hezekia ny firenena rehetra taorian\u2019izay.",
        "24": "Tamin\u2019izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia ka nivavaka tamin\u2019i Jehovah. Dia namaly azy Izy, ka nanome azy famantarana.",
        "25": "Tsy mba nankasitraka ny soa natao taminy anefa i Hezekia, fa lasa nirehareha ny fony. Dia tezitra taminy sy tamin\u2019i Joda sy Jerosalema Andriamanitra.",
        "26": "Nanetry tena anefa i Hezekia sy ny mponin\u2019i Jerosalema ka tsy nirehareha intsony. Koa tsy niharan\u2019ny fahatezeran\u2019i Jehovah izy ireo tamin\u2019ny andron\u2019i Hezekia.",
        "27": "Ary lasa nanana harem-be sy nahazo voninahitra be i Hezekia. Nanao trano fitehirizana entana izy hametrahany volafotsy, volamena, vatosoa, menaka balsama, ampinga, ary zava-tsarobidy maro isan-karazany.",
        "28": "Nanao trano fitehirizam-bokatra koa izy hasiana varimbazaha sy divay vaovao ary menaka. Ary nanao tranom-biby izy, ho an\u2019ny biby fiompy isan-karazany sy ny ondry.",
        "29": "Nahazo tan\u00e0na maro koa izy, ary nahazo biby fiompy sy ondry ary omby be dia be. Nomen\u2019Andriamanitra fananana be dia be mantsy izy.",
        "30": "I Hezekia no nanentsina ny loharano ambony tao Gihona, sy namily an\u2019ilay rano hidina hiankandrefana nankany amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Ary nahomby izy tamin\u2019izay rehetra nataony.",
        "31": "Rehefa nirahina hanontany azy momba ilay famantarana tao amin\u2019ny taniny anefa ny mpitondra tenin\u2019ny andrianan\u2019i Babylona, dia navelan\u2019ilay tena Andriamanitra hanapa-kevitra irery izy mba hitsapana azy sy hahafantarana an\u2019izay rehetra tao am-pony.",
        "32": "Efa voasoratra ao amin\u2019ny fahitan\u2019i Isaia mpaminany zanak\u2019i Amoza, ao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjakan\u2019ny Joda sy Israely, ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Hezekia sy ny zavatra nataony noho izy be fitiavana sy tsy mivadika.",
        "33": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Hezekia, ka nalevina teo amin\u2019ny fiakarana mankany amin\u2019ny fasan\u2019ny taranak\u2019i Davida. Dia nanome voninahitra azy ny Joda rehetra sy ny mponin\u2019i Jerosalema tamin\u2019izy maty. Ary i Manase zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "33": {
        "1": "Lasa mpanjaka i Manase tamin\u2019izy 12\u00a0taona, ary nanjaka 55\u00a0taona tao Jerosalema izy.",
        "2": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah izy, ka nanao an\u2019ireo zava-maharikoriko fanaon\u2019ny firenena efa noroahin\u2019i Jehovah hiala teo anatrehan\u2019ny vahoakan\u2019Israely.",
        "3": "Naoriny indray ireo toerana avo efa noravan\u2019i Hezekia rainy. Nanangana alitara ho an\u2019ireo Bala sy nanao tsato-kazo masina koa izy. Dia niankohoka tamin\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra izy, ka nanompo an\u2019ireny.",
        "4": "Nanorina alitara tao an-tranon\u2019i Jehovah koa izy. Io trano io anefa ilay efa notenenin\u2019i Jehovah hoe: \u201cHo ao Jerosalema mandrakizay ny anarako.\u201d",
        "5": "Dia nanorina alitara ho an\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra izy, teo amin\u2019ny tokotany roa amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "6": "Ary nandoro ny zanany lahy tao anaty afo teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma izy. Nampiasa herin\u2019ny maizina sy nanao sikidy sy nilalao ody koa izy, ary nanendry mpamoha angatra sy mpilaza ny hoavy. Nanao zava-dratsy be dia be teo imason\u2019i Jehovah mihitsy izy mba hampahatezitra azy.",
        "7": "Napetrany tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra ilay sary sokitra nataony. Io trano io anefa ilay efa notenenin\u2019Andriamanitra tamin\u2019i Davida sy Solomona zanany hoe: \u201cAto amin\u2019ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely, no hametrahako foana ny anarako.",
        "8": "Ary tsy hesoriko eo amin\u2019ny tany nomeko ny razambeny intsony ny tongotry ny Israely, raha arahin\u2019izy ireo tsara ny didy rehetra nomeko azy, dia ny Lal\u00e0na rehetra, izany hoe ny fitsipika sy ny didim-pitsarana nomeko tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy.\u201d",
        "9": "Notaomin\u2019i Manase hanao ratsy foana ny Joda sy ny mponin\u2019i Jerosalema, ka ny ratsy vitan\u2019izy ireo dia mbola mihoatra noho ny nataon\u2019ireo firenena naringan\u2019i Jehovah tsy ho eo anatrehan\u2019ny Israelita.",
        "10": "Notenenin\u2019i Jehovah foana i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nihaino izy ireo.",
        "11": "Koa nasain\u2019i Jehovah notafihin\u2019ny lehiben\u2019ny tafiky ny mpanjakan\u2019i Asyria izy ireo. Dia nosamborin\u2019ireny sy nasiany faraingo i Manase. Nasiany gadra varahina roa koa ny tongony, dia nentiny tany Babylona izy.",
        "12": "Rehefa nijaly anefa izy, dia nitalaho tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny mba hamindra fo aminy. Nanetry tena be teo anatrehan\u2019ilay Andriamanitry ny razambeny koa izy.",
        "13": "Ary nivavaka tamin\u2019Andriamanitra foana izy. Dia lasa nangoraka azy Andriamanitra noho izy niangavy azy foana, ka nihaino ny fitalahoany famindram-po. Koa naveriny ho mpanjaka tany Jerosalema indray izy. Lasa fantatr\u2019 i Manase \u00e0ry fa i Jehovah no tena Andriamanitra.",
        "14": "Taorian\u2019izay, dia nanorina manda ivelany ho an\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida izy, teo andrefan\u2019i Gihona, teo amin\u2019ny lohasaha, ka hatrany amin\u2019ny Vavahadin-trondro. Ary nataony nihodidina hatrany Ofela ilay manda, sady nataony avo be. Nanendry lehiben\u2019ny tafika tany amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra voaro mafy tany Joda koa izy.",
        "15": "Avy eo dia nesoriny tao an-tranon\u2019i Jehovah ireo andriamani-kafa sy ilay sampy. Nesoriny daholo koa ny alitara naoriny teo amin\u2019ny tendrombohitra nisy ny tranon\u2019i Jehovah sy tao Jerosalema, ka nasainy nariana tany ivelan\u2019ny tan\u00e0na.",
        "16": "Ary namboariny indray ny alitaran\u2019i Jehovah, ka teo ambonin\u2019izy io izy no nanolotra sorona iombonana sy sorona fisaorana. Dia nasainy nanompo an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely ny Joda.",
        "17": "Mbola nanao sorona teny amin\u2019ny toerana avo ihany anefa ny olona, fa ho an\u2019i Jehovah Andriamaniny.",
        "18": "Ary efa voasoratra ao amin\u2019ny tantaran\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Manase, sy ny vavaka nataony tamin\u2019ilay Andriamaniny, ary ny tenin\u2019ireo mpahita fahitana niresaka taminy tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "19": "Efa voasoratra ao amin\u2019ny asa soratr\u2019ireo lehilahy nahita fahitana ho an\u2019i Manase koa ny vavak\u2019i Manase, ny nihainoana ny fitalahoany, ny fahotana rehetra vitany sy ny nivadihany tamin\u2019Andriamanitra, ary ireo faritra nasiany toerana avo sy tsato-kazo masina ary sary sokitra, tamin\u2019izy mbola tsy nanetry tena.",
        "20": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Manase, ka nalevina teo akaikin\u2019ny tranony. Ary i Amona zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "21": "Lasa mpanjaka i Amona tamin\u2019izy 22\u00a0taona, ary nanjaka roa taona tao Jerosalema izy.",
        "22": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, toy ny nataon\u2019i Manase rainy. Dia nanao sorona ho an\u2019ny sary sokitra rehetra nataon\u2019i Manase rainy izy, sady nanompo an\u2019ireny foana.",
        "23": "Tsy mba nanetry tena teo anatrehan\u2019i Jehovah anefa i Amona, tsy mba hoatran\u2019i Manase rainy, fa vao mainka aza izy nampitombo ny helony.",
        "24": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niray tetika hamely azy ny mpanompony, ka namono azy ho faty tao an-tranony ihany.",
        "25": "Novonoin\u2019ny vahoaka anefa izay rehetra niray tetika hamono an\u2019i Amona Mpanjaka, ary i Josia zanany no nataon\u2019izy ireo mpanjaka nandimby azy."
    },
    "34": {
        "1": "Lasa mpanjaka i Josia tamin\u2019izy valo taona, ary nanjaka 31\u00a0taona tao Jerosalema izy.",
        "2": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah izy, sady nanao hoatran\u2019izay rehetra nataon\u2019i Davida razambeny. Tsy niala tamin\u2019izany izy, na nivily niankavanana na niankavia.",
        "3": "Nanomboka nitady an\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Davida razambeny izy, tamin\u2019ny taona faha-8 nanjakany. Mbola ankizilahy izy tamin\u2019izay. Dia nanomboka nanadio an\u2019i Joda sy Jerosalema izy tamin\u2019ny taona faha-12, ka nesoriny ny toerana avo, ny tsato-kazo masina, ny sary sokitra, ary ny sarivongana metaly.",
        "4": "Noravana teo imasony koa ny alitaran\u2019ireo Bala. Dia narodany ny fandoroana emboka manitra teny ambonin\u2019ireny. Nopotipotehiny ho lasa vovoka koa ny tsato-kazo masina sy ny sary sokitra ary ireo sarivongana metaly, ka nafafiny teny amin\u2019ny fasan\u2019ireo nanao sorona ho an\u2019ireny.",
        "5": "Ny taolan\u2019ny mpisorona koa nodorany teo ambonin\u2019ny alitaran\u2019ireny mpisorona ireny ihany. Izany no nataon\u2019i Josia tamin\u2019izy nanadio an\u2019i Joda sy Jerosalema.",
        "6": "Ary tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Manase sy Efraima ary Simeona ka hatrany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Naftaly, sy tany amin\u2019ny toerana rava rehetra nanodidina azy,",
        "7": "dia noravany ny alitara, ary notorotoroiny ho lasa vovoka ny tsato-kazo masina sy ny sary sokitra. Dia narodany daholo ny fandoroana emboka manitra nanerana ny tanin\u2019ny Israely. Niverina tany Jerosalema izy avy\u00a0eo.",
        "8": "Tamin\u2019ny taona faha-18 nanjakan\u2019i Josia, dia nirahiny hanamboatra an\u2019izay simba tamin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah Andriamaniny i Safana zanak\u2019i Azalia, sy Mahaseia lehiben\u2019ny tan\u00e0na, ary Joa mpanoratra ny raharaham-panjakana, ilay zanak\u2019i Joahaza. Efa avy nanadio an\u2019ilay tany sy ny tempoly i Josia tamin\u2019izay.",
        "9": "Dia nankany amin\u2019i Hilkia mpisoronabe izy ireo, ka nomeny azy ny vola nentina tao an-tranon\u2019Andriamanitra. Io ilay vola voangon\u2019ny Levita mpiandry varavarana avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Manase sy Efraima, sy avy tamin\u2019ny sisa rehetra tamin\u2019ny Israely, sy avy tamin\u2019ny Joda sy ny Benjamina ary ny mponin\u2019i Jerosalema.",
        "10": "Dia nomeny an\u2019ireo voatendry hiandraikitra an\u2019ilay asa tao an-tranon\u2019i Jehovah ilay vola. Ireo mpiasa tao an-tranon\u2019i Jehovah indray nampiasa an\u2019ilay izy mba hanatsarana an\u2019ilay trano sy hanamboarana ny simba.",
        "11": "Nomeny ny mpanao asa tanana sy mpanao trano ilay vola, mba hividianana vato voapaika, sy hazo hatao tohana, ary hazo lehibe hanorenana an\u2019ireo trano navelan\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda hirodana.",
        "12": "Dia nataon\u2019ireo lehilahy ireo an-tsakany sy an-davany ilay asa. Ary voatendry ho mpiandraikitra azy ireo i Jahata sy Obadia, izay samy Levita avy tamin\u2019ny Merarita, ary Zakaria sy Mesolama avy tamin\u2019ny Kehatita. Ary izay Levita rehetra tena nahay nitendry zavamaneno",
        "13": "no niandraikitra ny mpiasa sady nanara-maso an\u2019izay rehetra nanao fanompoana isan-karazany. Mpitan-tsoratra sy mpifehy ary mpiandry vavahady koa ny Levita sasany.",
        "14": "Ary tamin\u2019izy ireo namoaka an\u2019ilay vola nentina tao an-tranon\u2019i Jehovah, dia hitan\u2019i Hilkia mpisorona ny boky misy ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah izay nomena tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy.",
        "15": "Dia hoy i Hilkia tamin\u2019i Safana mpitan-tsoratra: \u201cHitako tao an-tranon\u2019i Jehovah ny boky misy ny Lal\u00e0na.\u201d Ary nomeny an\u2019i Safana ilay boky.",
        "16": "I Safana indray nitondra an\u2019ilay boky tany amin\u2019ny mpanjaka, sady niteny hoe: \u201cManao an\u2019izay rehetra nampanaovina azy ny mpanomponao.",
        "17": "Efa nangonin\u2019izy ireo ny vola azo tao an-tranon\u2019i Jehovah, ka nomeny an\u2019ireo lehilahy voatendry ho mpiandraikitra sy izay hanao an\u2019ilay asa.\u201d",
        "18": "Hoy koa i Safana mpitan-tsoratra tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cMisy boky nomen\u2019i Hilkia mpisorona ahy ity!\u201d Dia novakin\u2019i Safana teo anatrehan\u2019ny mpanjaka ilay izy.",
        "19": "Vao naheno an\u2019izay voalazan\u2019ny Lal\u00e0na ny mpanjaka, dia norovitiny ny akanjony.",
        "20": "Dia nomen\u2019ny mpanjaka an\u2019izao baiko izao i Hilkia, sy Ahikama zanak\u2019i Safana, sy Abdona zanak\u2019i Mikaia, sy Safana mpitan-tsoratra, ary Asaia mpanompon\u2019ny mpanjaka:",
        "21": "\u201cMandehana misolo tena ahy sy ny sisa amin\u2019ny Israely sy Joda, ka anontanio i Jehovah momba an\u2019izay voalaza ao amin\u2019io boky vao hita io. Fa ho tezitra be amintsika i Jehovah, satria tsy nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah ny razambentsika, ka tsy nanaraka an\u2019izay rehetra voasoratra ao amin\u2019io boky io.\u201d",
        "22": "Nankany amin\u2019i Holda mpaminanivavy \u00e0ry i Hilkia sy ny olona nirahin\u2019ny mpanjaka. Vadin\u2019i Saloma zanak\u2019i Tikva zanak\u2019i Harasa i Holda, ary mpikarakara ny fitoeran\u2019akanjo i Saloma. Nipetraka tao amin\u2019ny tan\u00e0na vaovao tao Jerosalema i Holda, ka tao izy ireo no niresaka taminy.",
        "23": "Dia hoy i Holda: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Lazao amin\u2019ilay lehilahy naniraka anareo ho at\u1ef3 amiko hoe:",
        "24": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Hahatonga loza amin\u2019ity toerana ity sy ny mponina eo aminy aho, ka ho tanteraka ny ozona rehetra ao amin\u2019ilay boky novakiny teo anatrehan\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "25": "Fa niala tamiko izy ireo ka nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an\u2019andriamani-kafa, mba hampahatezitra ahy amin\u2019izay rehetra nataony. Hanampatra ny hatezerako eto amin\u2019ity toerana ity \u00e0ry aho, ka ho toy ny afo tsy mety vonoina ny hatezerako.\u2019\u201d",
        "26": "Izao kosa lazaina amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda, izay naniraka anareo hanontany an\u2019i Jehovah: \u201cIzao no nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba an\u2019izay henonao:",
        "27": "Mora nandray anatra ny fonao ka nanetry tena teo anatrehan\u2019Andriamanitra ianao, rehefa nandre ny teniny momba an\u2019ity toerana ity sy ny mponina eo aminy. Dia nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandrovitra ny akanjonao ary nitomany teo anatrehako. Noho izany, dia nihaino anao koa aho, hoy i Jehovah.",
        "28": "Koa hangoniko any amin\u2019ny razambenao ianao, ary halevina any amin\u2019ny fasanao amin\u2019ny fotoana mampilamina ny tany, ka tsy ho hitan\u2019ny masonao ny loza rehetra hamelezako an\u2019ity toerana ity sy ny mponina eo aminy.\u2019\u201d\u2019\u201d Dia nolazain\u2019izy ireo tamin\u2019ny mpanjaka izany valin-teny izany.",
        "29": "Naniraka olona \u00e0ry ny mpanjaka mba hiantso ny anti-panahy rehetra tao Joda sy Jerosalema.",
        "30": "Niakatra nankao an-tranon\u2019i Jehovah avy eo ny mpanjaka niaraka tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda, ny mponina tao Jerosalema, ny mpisorona, ary ny Levita, izany hoe ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe. Dia novakin\u2019ny mpanjaka tamin\u2019izy ireo ny teny rehetra tao amin\u2019ilay bokin\u2019ny fifanekena hita tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "31": "Nijoro teo amin\u2019ny toerany ny mpanjaka, ary nanao fifanekena teo anatrehan\u2019i Jehovah hoe hankat\u00f2 an\u2019i Jehovah sady hanaraka ny didiny sy ny fampahatsiahivany ary ny fitsipiny amin\u2019ny fony manontolo sy ny tenany manontolo, ka hanatanteraka an\u2019izay voalazan\u2019ilay fifanekena voasoratra tao amin\u2019ilay boky.",
        "32": "Nasainy nanaiky an\u2019izay voalazan\u2019ilay fifanekena koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy tany amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina. Ary ny mponin\u2019i Jerosalema dia nanaraka an\u2019izay voalazan\u2019ilay fifanekena nataon\u2019Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny razambeny.",
        "33": "Nesorin\u2019i Josia daholo avy eo ny zava-maharikoriko tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Israelita rehetra, ary nasainy nanompo an\u2019i Jehovah Andriamaniny ny olona rehetra tany Israely. Tsy niala tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny izy ireo, nandritra ny androm-piainan\u2019i Josia."
    },
    "35": {
        "1": "Nankalaza Paska ho an\u2019i Jehovah tao Jerosalema i Josia. Dia namono ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska izy ireo, tamin\u2019ny andro faha-14 amin\u2019ny volana voalohany.",
        "2": "Notendren\u2019i Josia hanao ny andraikiny ny mpisorona, ka nampahereziny hanao ny fanompoana tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "3": "Hoy izy avy eo tamin\u2019ireo Levita mpampianatra ny Israely rehetra, dia ireo masina amin\u2019i Jehovah: \u201cAtaovy ao amin\u2019ilay trano naorin\u2019i Solomona zanak\u2019i Davida mpanjakan\u2019ny Israely ilay Vata masina. Tsy mila milanja an\u2019ilay izy amin\u2019ny sorokareo intsony ianareo. Koa manompoa an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Israely vahoakany.",
        "4": "Samia miomana isaky ny fianakaviambenareo avy, araka ny fizarana misy anareo, ka araho izay nosoratan\u2019i Davida mpanjakan\u2019ny Israely sy Solomona zanany.",
        "5": "Dia mijoroa ao amin\u2019ny toerana masina, araka ny fianakaviamben\u2019ny rahalahinareo, izany hoe ny vahoaka. Tokony hisy antokona Levita mantsy hikarakara ny fianakaviambe tsirairay.",
        "6": "Vonoy ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, ary hamasino ny tenanareo ka miom\u00e0na hanompo ny rahalahinareo. Amin\u2019izay ianareo dia hanatanteraka ny tenin\u2019i Jehovah nomeny tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy.\u201d",
        "7": "Nanome ondrilahy kely sy osilahy kely ho an\u2019ny vahoaka i Josia mba hatao sorona hankalazana ny Paska ho an\u2019izay rehetra tonga teo, ka 30\u00a0000 izany raha atambatra. Nanome omby 3\u00a0000 koa izy. Avy tamin\u2019ny fananan\u2019ny mpanjaka daholo ireo.",
        "8": "Nanome fanomezana koa ny andriana mba hatao fanatitra an-tsitrapo ho an\u2019ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. Ireto koa no nomen\u2019i Hilkia sy Zakaria ary Jehiela, izay samy mpiandraikitra ny tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra: Ondry aman\u2019osy 2\u00a0600 hatao sorona hankalazana ny Paska, ary omby 300. Dia nomeny ny mpisorona ireo rehetra ireo.",
        "9": "Ary nanome biby 5\u00a0000 ho an\u2019ny Levita mba hatao sorona hankalazana ny Paska i Konania sy ny rahalahiny, izany hoe i Semaia sy Netanela, niaraka tamin\u2019i Hasabia sy Jeiela ary Jozabada, izay samy mpiadidy teo amin\u2019ny Levita. Nanome omby 500 koa izy ireo.",
        "10": "Dia vita daholo ny fiomanana. Samy nijoro teo amin\u2019ny toerany avy ny mpisorona, fa ny Levita kosa nijoro teo amin\u2019ny fizarana nisy azy avy, araka ny didin\u2019ny mpanjaka.",
        "11": "Novonoin\u2019izy ireo ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska. Dia namafy ny ra noraisiny avy teny amin\u2019ny Levita ny mpisorona, fa ny Levita indray nanendaka ny hoditr\u2019ireo biby.",
        "12": "Avy eo dia nomanin\u2019ny Levita ny fanatitra dorana, izay homena ny vahoaka araka ny sokajy misy ny fianakaviambeny avy. Amin\u2019izay azo atolotra ho an\u2019i Jehovah ilay fanatitra, araka ny voasoratra ao amin\u2019ny bokin\u2019i Mosesy. Nataon\u2019izy ireo hoatr\u2019izany koa ny omby.",
        "13": "Ary nandrahoin\u2019izy ireo teo ambony afo araka ny fanao ny fanatitra atao amin\u2019ny Paska. Ny fanatitra efa nohamasinina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary vilany fisaka. Dia nateriny haingana teny amin\u2019ny vahoaka rehetra izany.",
        "14": "Avy eo dia nanomana ny sakafon\u2019ny Paska ho an\u2019ny tenany sy ho an\u2019ny mpisorona koa ny Levita. Ny mpisorona taranak\u2019i Arona mantsy mbola nanolotra ny fanatitra dorana sy ny tavin\u2019ireo sorona, mandra-pahalin\u2019ny andro. Koa nanomana ny sakafon\u2019ny Paska ho an\u2019ny tenany sy ho an\u2019ny mpisorona taranak\u2019i Arona ny Levita.",
        "15": "Samy teo amin\u2019ny toerany daholo ny mpihira taranak\u2019i Asafa, araka ny didin\u2019i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona mpahita fahitana ho an\u2019ny mpanjaka. Ny mpiandry vavahady kosa teny amin\u2019ny vavahady samy hafa. Tsy voatery niala teny izy ireo, satria ny Levita rahalahiny no nanomana ny sakafon\u2019ny Paska ho azy.",
        "16": "Efa vonona tamin\u2019izay andro izay daholo ny zava-drehetra nasain\u2019i Jehovah natao, mba hankalazana ny Paska sy hanolorana ny fanatitra dorana eo amin\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah, araka ny baikon\u2019i Josia Mpanjaka.",
        "17": "Dia nankalaza ny Paska tamin\u2019izay fotoana izay ny Israelita tonga teo, sady nankalaza ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay nandritra ny fito andro.",
        "18": "Mbola tsy nisy Paska nankalazaina hoatran\u2019ilay nankalazain\u2019i Josia mihitsy teo amin\u2019ny Israely, hatramin\u2019ny andron\u2019i Samoela mpaminany. Mbola tsy nisy mihitsy koa mpanjakan\u2019ny Israely nankalaza Paska hoatr\u2019izany, hoatran\u2019ilay nankalazain\u2019i Josia, sy ny mpisorona, sy ny Levita, sy ny Joda sy ny Israely rehetra tonga teo, ary ny mponin\u2019i Jerosalema.",
        "19": "Tamin\u2019ny taona faha-18 nanjakan\u2019i Josia no nankalazana an\u2019izany Paska izany.",
        "20": "Taorian\u2019izany rehetra izany, rehefa voakarakaran\u2019i Josia ny tempoly, dia niakatra hiady tany Karkemisy teo amoron\u2019i Eofrata i Neko mpanjakan\u2019i Ejipta. Dia nivoaka hiady taminy i Josia.",
        "21": "Naniraka olona nankany amin\u2019i Josia \u00e0ry i Neko, nanao hoe: \u201cInona moa no idiranao amin\u2019izao, ry mpanjakan\u2019ny Joda? Tsy tonga hiady aminao aho androany, fa amin\u2019ny firenena hafa, sady nilaza Andriamanitra hoe tsy tokony hitaraikiraiky aho. Koa aza manohitra an\u2019Andriamanitra satria manohana ahy izy, sao dia hahita loza ianao, dia haringany.\u201d",
        "22": "Tsy nety niverina anefa i Josia, fa mody nanao olon-kafa mba hiady taminy. Tsy nihaino ny tenin\u2019i Neko izy nefa avy tamin\u2019Andriamanitra izany teniny izany. Dia tonga hiady teo amin\u2019ny Lemak\u2019i Megido izy.",
        "23": "Dia voatifitry ny mpandefa zana-tsip\u00ecka i Josia Mpanjaka, ka niteny tamin\u2019ny mpanompony hoe: \u201cEnto miala eto aho, fa maratra be.\u201d",
        "24": "Koa nentin\u2019ny mpanompony niala teo amin\u2019ny kalesy izy, ka nampitaingenin\u2019izy ireo ny kalesy faharoa fitondrany miady, ary nentiny nankany Jerosalema. Dia maty i Josia ka nalevina tao amin\u2019ny fasan-drazany. Ary nisaona azy daholo i Joda sy Jerosalema.",
        "25": "Dia nanao hira fisaonana an\u2019i Josia i Jeremia. Ary mbola mihira momba an\u2019i Josia foana ny mpihira lahy sy vavy rehetra hatramin\u2019izao, rehefa manao hira fisaonana. Lasa natao fanao koa ny nihira an\u2019ireny hira ireny teo amin\u2019ny Israely, ka nosoratana ho anisan\u2019ny hira fisaonana ireny.",
        "26": "Ary ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Josia, sy ny zavatra nataony noho izy be fitiavana sy tsy nivadika, ka nankat\u00f2 foana an\u2019izay voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah,",
        "27": "ary izay nataony hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany, dia efa voasoratra ao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjakan\u2019ny Israely sy Joda."
    },
    "36": {
        "1": "Ary nalain\u2019ny vahoaka i Joahaza zanak\u2019i Josia, ka nataony mpanjaka handimby an-drainy, tany Jerosalema.",
        "2": "Lasa mpanjaka i Joahaza tamin\u2019izy 23\u00a0taona, ary nanjaka telo volana tany Jerosalema izy.",
        "3": "Nesorin\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta tamin\u2019ny toerany tao Jerosalema anefa izy, ary nampandoaviny sazy ilay tany, dia volafotsy 100 talenta sy volamena iray talenta.",
        "4": "Ankoatra izany, dia nataon\u2019i Neko mpanjakan\u2019i Ejipta ho mpanjakan\u2019i Joda sy Jerosalema i Eliakima rahalahin\u2019i Joahaza, ka novany hoe Joiakima ny anarany. Nalainy kosa i Joahaza rahalahiny, ka nentiny tany Ejipta.",
        "5": "Lasa mpanjaka i Joiakima tamin\u2019izy 25\u00a0taona, ary nanjaka 11\u00a0taona tany Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah Andriamaniny foana izy.",
        "6": "Dia niakatra hanafika azy i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, mba hamatotra azy ka hanisy gadra varahina roa amin\u2019ny tongony, ary hitondra azy any Babylona.",
        "7": "Ary nentin\u2019i Nebokadnezara tany Babylona ny fitaovana sasany tao an-tranon\u2019i Jehovah, ka nataony tao an-dapany tany Babylona.",
        "8": "Efa voasoratra ao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjakan\u2019ny Israely sy Joda ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Joiakima sy ny zava-maharikoriko nataony ary ny laza ratsiny. Ary i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "9": "Lasa mpanjaka i Joiakina tamin\u2019izy 18\u00a0taona, ary nanjaka telo volana sy folo andro tany Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy.",
        "10": "Rehefa niandoha ny taona, dia nasain\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka nentina tany Babylona i Joiakina, niaraka tamin\u2019ny zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019i Jehovah. Ary i Zedekia rahalahin-drain\u2019i Joiakina no nataony mpanjakan\u2019i Joda sy Jerosalema.",
        "11": "Lasa mpanjaka i Zedekia tamin\u2019izy 21\u00a0taona, ary nanjaka 11\u00a0taona tany Jerosalema izy.",
        "12": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah Andriamaniny foana izy, ary tsy mba nanetry tena rehefa notenenin\u2019i Jeremia mpaminany araka ny baikon\u2019i Jehovah.",
        "13": "Nikomy tamin\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka koa izy, nefa izy aza efa nasain\u2019i Nebokadnezara nianiana tamin\u2019ny anaran\u2019Andriamanitra hoe hanaiky azy. Dia mbola mafy loha sy mafy fo ihany izy, ka tsy nety niverina tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "14": "Ary nivadika tanteraka tamin\u2019Andriamanitra ny lehiben\u2019ny mpisorona rehetra sy ny vahoaka, sady nanao ny zava-maharikoriko rehetra fanaon\u2019ny firenena hafa. Nolotoin\u2019izy ireo koa ny tranon\u2019i Jehovah, izay efa nohamasininy tao Jerosalema.",
        "15": "Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany.",
        "16": "Nesoin\u2019izy ireo foana anefa ny irak\u2019ilay tena Andriamanitra, ary tsy noraharahiany ny tenin\u2019Andriamanitra, sady nihomehezany ny mpaminaniny. Tezitra be tamin\u2019ny vahoakany \u00e0ry i Jehovah tamin\u2019ny farany, ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.",
        "17": "Koa nentin\u2019Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan\u2019ny Kaldeanina. Dia novonoiny tamin\u2019ny sabatra tao amin\u2019ny toerana masina ny tovolahin\u2019izy ireo. Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo. Natolotr\u2019Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.",
        "18": "Nentiny tany Babylona daholo ny fitaovana tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, na lehibe na kely, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon\u2019i Jehovah, ary ny zava-tsarobidin\u2019ny mpanjaka sy ny andrianany.",
        "19": "Dia nodorany ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, ary noravany ny mandan\u2019i Jerosalema. Nodorany koa ny tilikambo voaro mafy rehetra teo aminy, ary nopotehiny ny zava-tsarobidy rehetra.",
        "20": "Dia nentiny ho babo tany Babylona izay sisa tsy matin\u2019ny sabatra, ka lasa nanompo azy sy ny taranany, mandra-pahatongan\u2019ny fotoana nitondran\u2019ny fanjakan\u2019i Persa.",
        "21": "Nitranga izany mba ho tanteraka ny tenin\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Jeremia. Tsy nisy mponina intsony ilay tany, raha tsy efa voaonitra ireo sabata tsy notandreman\u2019izy ireo. Dia niala sasatra ilay tany mandra-pahatapitry ny 70\u00a0taona.",
        "22": "Tamin\u2019ny taona voalohany nanjakan\u2019i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa, dia nampirisihin\u2019i Jehovah hanao fanambarana nanerana ny fanjakany i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa, mba ho tanteraka ny tenin\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Jeremia. Nataony an-tsoratra koa ilay fanambarana, hoe:",
        "23": "\u201cIzao no tenin\u2019i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa: \u2018Efa nanome ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany i Jehovah Andriamanitry ny lanitra, ary naniraka ahy hanorina trano ho azy any Jerosalema, any Joda. Iza aminareo \u00e0ry no anisan\u2019ny vahoakany? Enga anie hanampy azy i Jehovah Andriamaniny! Dia aleo izy hiakatra.\u2019\u201d"
    },
    "meta": {
        "name": "2 Tantara",
        "order": 13,
        "chapter_number": 36
    }
}