mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
75 lines (74 loc) • 13.3 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Avy amin\u2019i Simona Petera, mpanompo sy apostolin\u2019i Jesosy Kristy. Ho an\u2019izay efa nahazo finoana sarobidy hoatran\u2019ny anay, tamin\u2019ny alalan\u2019ny fahamarinan\u2019ny Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy,",
"2": "Enga anie ianareo hanehoana hatsaram-panahy miavaka sy hahazo fiadanana betsaka kokoa, noho ianareo mahalala tsara an\u2019Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika!",
"3": "Ny herin\u2019Andriamanitra mantsy no nanome antsika ny zavatra rehetra izay manampy antsika hahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra eo amin\u2019ny fiainantsika, noho isika mahalala tsara an\u2019Ilay niantso antsika tamin\u2019ny alalan\u2019ny voninahiny sy ny hatsaran-toetrany.",
"4": "Tamin\u2019ny alalan\u2019ireo no nanomezany antsika fampanantenana sarobidy sady tena lehibe, mba ho amin\u2019ny alalan\u2019izany fampanantenana izany no hahatongavanareo ho fanahy tahaka an\u2019Andriamanitra. Fa efa nandosiranareo ny ratsy fanaon\u2019izao tontolo izao, izay avy amin\u2019ny fanirian-dratsy.",
"5": "Noho izany \u00e0ry, dia ataovy izay rehetra azonareo atao, ka ny finoanareo ampio hatsaran-toetra, ary ny hatsaran-toetranareo ampio fahalalana,",
"6": "ny fahalalanareo ampio fifehezan-tena, ny fifehezan-tenanareo ampio fiaretana, ny fiaretanareo ampio fahafoizan-tena ho an\u2019Andriamanitra,",
"7": "ny fahafoizanareo tena ho an\u2019Andriamanitra ampio fitiavan-drahalahy, ary ny fitiavanareo ny rahalahy ampio fitiavana ny olona rehetra.",
"8": "Fa raha anananareo ireo toetra ireo sady anananareo betsaka, dia tsy havelan\u2019ireo hipetra-potsiny na tsy hahavokatra ianareo, fa hampihatra ny fahalalana tsara azonareo momba an\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika.",
"9": "Fa izay tsy manana an\u2019ireo toetra ireo, dia jamba ka manakimpy ny masony mba tsy hahita ny mazava, sady manadino fa efa nodiovina ho afaka tamin\u2019ny fahotana nataony taloha izy.",
"10": "Vao mainka \u00e0ry ianareo, ry\u00a0rahalahy, tokony hazoto hanao izay rehetra azonareo atao mba ho azo antoka foana hoe voantso sy voafidy ianareo. Tsy ho lavo mihitsy ianareo, raha manao an\u2019ireo zavatra ireo foana.",
"11": "Raha manao an\u2019ireo ianareo, dia havela hiditra amim-boninahitra ao amin\u2019ilay Fanjakana mandrakizay, dia ny Fanjakan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika.",
"12": "Izany no mahatonga ahy ho vonona hampahatsiahy anareo foana an\u2019izany zavatra izany, na dia efa fantatrareo aza izany ary na dia efa miorina tsara amin\u2019ny fahamarinana nianaranareo aza ianareo.",
"13": "Raha mbola ato amin\u2019ity tranolay ity anefa aho, dia heveriko fa mety ny mampahatsiahy anareo an\u2019izany mba hanaitaitra anareo.",
"14": "Fantatro mantsy fa tsy ho ela dia hesorina ny tranolaiko, araka ny nampahafantarin\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko.",
"15": "Hanao an\u2019izay rehetra azoko atao foana aho mba hampahatsiahivana an\u2019izany zavatra izany aminareo, amin\u2019izay dia ho tadidinareo izany rehefa lasa aho.",
"16": "Tsy nanaraka tantara tsy marina noforonina tamin-kafetsena izahay, rehefa nampahafantatra anareo ny hery sy ny fanatrehan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny voninahiny kosa.",
"17": "Nomen\u2019Andriamanitra Ray haja amam-boninahitra mantsy izy rehefa nilaza taminy an\u2019ireto teny ireto ilay be\u00a0voninahitra: \u201cIo no Zanako malalako, ilay ankasitrahako.\u201d",
"18": "Naheno an\u2019izany teny avy any an-danitra izany izahay, tamin\u2019izahay niaraka taminy tany an-tendrombohitra masina.",
"19": "Lasa azontsika antoka kokoa \u00e0ry ny teny faminaniana. Koa tsara raha mandinika azy io ianareo, toy ny fandinika jiro mamirapiratra ao amin\u2019ny toerana maizina, izany hoe ao am-ponareo, mandra-pahazavan\u2019ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro.",
"20": "Fa fantatrareo voalohany indrindra fa tsy avy amin\u2019ny hevitr\u2019olombelona ny faminaniana rehetra ao amin\u2019ny Soratra Masina.",
"21": "Tsy noho ny sitrapon\u2019olombelona na oviana na oviana mantsy no nampisy ny faminaniana, fa teny avy amin\u2019Andriamanitra kosa no nolazain\u2019ny olona, araka izay nitarihan\u2019ny fanahy masina azy."
},
"2": {
"1": "Nisy mpaminany sandoka koa anefa teo amin\u2019ny vahoakan\u2019Andriamanitra, ary hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo. Ireny no hanangana mangingina antokom-pinoana mampidi-doza. Ary handa an\u2019ilay tompo nividy azy mihitsy aza izy ireny, ka ho ringana haingana noho izany zavatra ataony izany.",
"2": "Manana fitondran-tena tsy misy henatra koa izy ireny, ka maro no hanahaka azy. Ny ataon\u2019izy ireny no hahatonga ny lalan\u2019ny fahamarinana hisy hanevateva.",
"3": "Tsy mety afa-po koa izy ireny ka hanararaotra anareo amin\u2019ny teny mamitaka. Tsy mitaraikiraiky anefa ny fanamelohana azy ireny, izay efa tapaka hatry ny ela, ary tsy matoritory ny fandringanana azy.",
"4": "Tsy nisalasala mihitsy Andriamanitra nanasazy an\u2019ireo anjely nanota, fa nanipy azy ireny tany amin\u2019ny Tartara ka nanagadra azy ao amin\u2019ny haizim-pito mba hatokana hotsaraina.",
"5": "Tsy nisalasala koa izy nanasazy an\u2019ilay tontolo taloha, fa niaro an\u2019i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito hafa, tamin\u2019izy nahatonga safodrano teo amin\u2019ilay tontolo feno olona tsy natahotra an\u2019Andriamanitra.",
"6": "Ary nomelohin\u2019Andriamanitra ny tan\u00e0nan\u2019i Sodoma sy Gomora ka nataony lasa lavenona. Nataony ohatra ho an\u2019ny olona tsy matahotra an\u2019Andriamanitra izany, mba hampisehoana hoe inona no hanjo azy ireo amin\u2019ny hoavy.",
"7": "Ary novonjeny i Lota, ilay olo-marina izay nalahelo be rehefa nahita an\u2019ireo mpandika lal\u00e0na nanana fitondran-tena tsy misy henatra.",
"8": "Nahatsiaro ho nijaly mantsy io olo-marina io isan\u2019andro, noho ny fandikan-dal\u00e0na hitany sy henony tamin\u2019izy niara-nonina tamin\u2019izy ireo.",
"9": "Araka izany \u00e0ry, dia hain\u2019i Jehovah ny manafaka ny olona mahafoy tena ho Azy mba ho tafavoaka amin\u2019ny fitsapana mahazo azy. Hainy koa anefa ny manokana ny olona tsy marina mba horinganina amin\u2019ny andro fitsarana,",
"10": "indrindra fa ireo entin\u2019ny filan\u2019ny nofony ka mitady handoto ny hafa, sady tsy miraharaha an\u2019izay manana fahefana. Sahisahy sy mafy loha izy ireny, ka tsy matahotra manevateva an\u2019ireo manana voninahitra.",
"11": "Ny anjely aza anefa tsy manao teny manevateva hiampangana azy ireny, na dia mahery sy matanjaka kokoa aza, satria manaja an\u2019i Jehovah.",
"12": "Hoatran\u2019ny biby tsy misaina izay baikoin\u2019ny faniriany sy nateraka hosamborina sy hovonoina kosa ireny olona ireny, ka manazimbazimba an\u2019izay zavatra tsy fantany akory. Ho ringana izy ireny noho ny zava-dratsy ataony,",
"13": "ka hijaly ho valin\u2019ny asa ratsiny. Mahafinaritra azy ireny ny manaram-po amin\u2019ny fiainana feno fahafinaretana, na dia amin\u2019ny antoandrobenanahary aza. Toy ny pentimpentina sy tasy izy ireny, ary faly er\u1ef3 mampianatra zavatra diso mba hamitahana anareo, rehefa miara-manao fety aminareo.",
"14": "Tsy manan-tsaina afa-tsy ny hanitsakitsa-bady izy ireny sady tsy mahavita miala amin\u2019ny fahotana. Taominy koa ny olona malemy finoana. Manana fo efa nozarina hanana faniriana tsy mety afa-po izy ireny, sady zanaka efa voaozona.",
"15": "Niala tamin\u2019ny lala-mahitsy izy ireny ka diso lalana, ary nanaraka ny lalan\u2019i Balama zanak\u2019i Beora. Tia karama azo tamin\u2019ny fanaovan-dratsy i Balama.",
"16": "Nanarina anefa izy satria tsy nanao izay mahitsy. Niteny hoatran\u2019ny olona ilay ampondra tsy afaka miteny, ka nisakana ny hadalan\u2019ilay mpaminany.",
"17": "Loharano ritra sy zavona entin\u2019ny tafio-drivotra izy ireny, ary haizina mikitroka no atokana ho azy.",
"18": "Manao teny mipoapoaka be izy ireny nefa tsy misy dikany akory izay lazainy. Ataony izay hahatonga ny olona hanaram-po amin\u2019ny fanirian\u2019ny nofo, ary manana fitondran-tena tsy misy henatra koa izy ireny. Ireo no itaomany an\u2019ireo olona vao haingana no tsy niaraka intsony tamin\u2019ireo manao ratsy.",
"19": "Mampanantena fahafahana ho azy ireo izy, nefa ny tenany aza andevon\u2019ny fahalotoana. Andevon\u2019izay maharesy azy mantsy izay resy.",
"20": "Raha efa niala tamin\u2019ny fahalotoan\u2019izao tontolo izao izy ireny, satria nahalala tsara an\u2019i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy, kanefa tafiditra amin\u2019izany indray ka resy, dia ratsy noho ny tamin\u2019ny voalohany ny iafaran\u2019izy ireny.",
"21": "Aleo aza izy tsy nahalala tsara ny lalan\u2019ny fahamarinana, toy izay nahalala an\u2019izany kanefa miala amin\u2019ilay didy masina noraisiny.",
"22": "Tanteraka amin\u2019izy ireny tokoa ny voalazan\u2019ilay ohabolana hoe: \u201cNy alika miverina amin\u2019ny loany, ary ny kisoavavy efa nisasa mihosim-potaka indray.\u201d"
},
"3": {
"1": "Ry malala, ity no taratasy faharoa soratako aminareo. Toy ny tao amin\u2019ilay taratasiko voalohany, dia mampirisika anareo hisaina tsara aho ka mampahatsiahy anareo an\u2019izay efa fantatrareo,",
"2": "mba ho tadidinareo ny teny efa voalazan\u2019ny mpaminany masina, sy ny didin\u2019ny Tompo sady Mpamonjy izay nampitain\u2019ny apostolinareo.",
"3": "Fantaro aloha izao: Amin\u2019ny andro farany, dia hisy mpaneso hanesoeso sady hanao izay tiany fotsiny,",
"4": "ka hilaza hoe: \u201cAiza akory izay fanatrehany eo? Fampanantenana poakaty fotsiny izany! Efa hatramin\u2019ny andro nahafatesan\u2019ny razambentsika no tsy niova ny zava-drehetra, fa mbola mitovy tanteraka amin\u2019izay nisy hatramin\u2019ny namoronana an\u2019izao tontolo izao.\u201d",
"5": "Fa odian\u2019izy ireo tsy hita hoe efa nisy hatry ny ela ny lanitra, ary nisy tany mafy tsara koa nipoitra avy tao anaty rano sady teo afovoan\u2019ny rano, noho ny tenin\u2019Andriamanitra.",
"6": "Tamin\u2019ny alalan\u2019ireo no nandravana an\u2019ilay tontolo nisy tamin\u2019izany, rehefa safotry ny rano ny tany.",
"7": "Atokana mba haringana amin\u2019ny afo amin\u2019ny alalan\u2019izany teny izany koa anefa ny lanitra sy ny tany misy amin\u2019izao, ka tehirizina mandra-pahatongan\u2019ny andro hitsarana sy handringanana an\u2019ireo tsy matahotra an\u2019Andriamanitra.",
"8": "Aza hadinoina anefa izao, ry\u00a0malala: Ny iray andro amin\u2019i Jehovah dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny iray andro.",
"9": "Tsy mba ela i Jehovah manatanteraka ny fampanantenany, araka ny fiheveran\u2019ny sasany azy, fa manam-paharetana aminareo kosa izy, satria tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.",
"10": "Ho avy toy ny mpangalatra anefa ny andron\u2019i Jehovah. Amin\u2019izany andro izany dia handalo haingana ny lanitra, ka ho toy ny feon-javatra mirodorodo be ny fandalovany. Ho levona kosa ireo singan-javatra efa mahamay be, ary haharihary ny tany sy ny asa eo aminy.",
"11": "Koa satria ho levona toy izany ireo zavatra rehetra ireo, dia diniho hoe olona tokony hanao ahoana ianareo! Tokony hanana fitondran-tena masina sy hahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra ianareo,",
"12": "sady hiandry sy hanao an-tsaina foana ny fahatongavan\u2019ny andron\u2019i Jehovah. Noho io andro io, dia ho levon\u2019ny afo ny lanitra ary hitsonika noho ny hafanana mandoro ireo singan-javatra eo aminy.",
"13": "Araka ny nampanantenainy anefa, dia hisy lanitra vaovao sy tany vaovao hanjakan\u2019ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika.",
"14": "Noho ianareo miandry an\u2019izany zavatra izany, ry\u00a0malala, dia ataovy izay rehetra azonareo atao mba ho hitan\u2019Andriamanitra hoe tsy misy pentina sy tsy misy tsininy ary mihavana tsara aminy ianareo, amin\u2019ny farany.",
"15": "Ankoatra izany, dia hevero ho famonjena ny faharetan\u2019ny Tompontsika. Nanoratra taminareo momba an\u2019izany koa i Paoly rahalahy malalantsika, araka ny fahendrena nomena azy.",
"16": "Niresaka momba an\u2019izany zavatra izany izy tao amin\u2019ny taratasy rehetra nosoratany. Sarotra azo anefa ny zavatra sasany ao amin\u2019ireny, ka aolan\u2019ny olona tsy mahatakatra na inona na inona sy tsy miorina tsara, hoatran\u2019ny ataon\u2019izy ireo amin\u2019ny andininy hafa ao amin\u2019ny Soratra Masina. Ho ringana izy ireo noho izany.",
"17": "Koa satria fantatrareo mialoha izany, ry\u00a0malala, dia mitandrema sao ho voataona hiaraka amin\u2019ireny ianareo noho ny hevi-dison\u2019ireo mpandika lal\u00e0na, ka ho lavo ianareo fa tsy hiorina tsara intsony.",
"18": "Ataovy foana kosa izay hahatonga anareo hanehoana hatsaram-panahy miavaka, sy izay hahalalanareo an\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho azy anie ny voninahitra ankehitriny sy ho mandrakizay! Amena!"
},
"meta": {
"name": "2 Petera",
"order": 60,
"chapter_number": 3
}
}