UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

777 lines 169 kB
{
    "1": {
        "1": "Rehefa maty i Ahaba, dia nikomy tamin\u2019ny Israely i Moaba.",
        "2": "Indray andro, dia nianjera avy teo amin\u2019ny makarakara tamin\u2019ny efitranony tany an-tampon-trano tao Samaria i Ahazia, ka naratra. Naniraka olona \u00e0ry izy, ka niteny tamin\u2019izy ireo hoe: \u201cMandehana anontanio i Bala-zeboba andriamanitr\u2019i Ekrona raha ho sitrana amin\u2019ity ratrako ity aho na tsia.\u201d",
        "3": "Niteny tamin\u2019i Elia Tisbita anefa ny anjelin\u2019i Jehovah hoe: \u201cMitsang\u00e0na, dia mandehana mihaona amin\u2019ireo olona nirahin\u2019ny mpanjakan\u2019i Samaria. Lazao amin\u2019izy ireo hoe: \u2018Fa angaha dia tsy misy Andriamanitra eto amin\u2019ny Israely no handeha hanontany an\u2019i Bala-zeboba andriamanitr\u2019i Ekrona ianareo?",
        "4": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cTsy hiala eo amin\u2019io fandriana atorianao io intsony ianao, fa tsy maintsy ho faty.\u201d\u2019\u201d Dia lasa i Elia.",
        "5": "Raha vao tonga tany amin\u2019ny mpanjaka ireo olona nirahiny, dia nanontaniany hoe: \u201cFa maninona ianareo no niverina?\u201d",
        "6": "Namaly izy ireo hoe: \u201cNisy lehilahy niakatra hihaona taminay, dia niteny taminay hoe: \u2018Mandehana miverina any amin\u2019ny mpanjaka naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Fa angaha dia tsy misy Andriamanitra eto amin\u2019ny Israely no maniraka olona hanontany an\u2019i Bala-zeboba andriamanitr\u2019i Ekrona ianao? Koa tsy hiala eo amin\u2019io fandriana atorianao io intsony ianao, fa tsy maintsy ho faty.\u2019\u201d\u2019\u201d",
        "7": "Dia nanontany azy ireo ny mpanjaka hoe: \u201cHoatran\u2019ny ahoana ilay lehilahy niakatra nitsena anareo sy nilaza an\u2019izany teny izany taminareo?\u201d",
        "8": "Hoy \u00e0ry izy ireo: \u201cLehilahy nanao akanjo volom-biby, ary nisy fehikibo hoditra teo amin\u2019ny andilany.\u201d Tonga\u00a0dia nilaza ny mpanjaka hoe: \u201cI Elia Tisbita izany.\u201d",
        "9": "Koa naniraka lehiben\u2019ny 50 niaraka tamin\u2019ny miaramilany 50 ny mpanjaka, mba ho any amin\u2019i Elia. Dia niakatra nankany amin\u2019i Elia ilay lehilahy. Nipetraka teo an-tampon\u2019ny tendrombohitra i Elia tamin\u2019izay. Hoy ilay lehiben\u2019ny 50 taminy: \u201cRy lehilahin\u2019Andriamanitra, \u2018mid\u00ecna ianao!\u2019, hoy ny mpanjaka.\u201d",
        "10": "Hoy anefa i Elia tamin\u2019ilay lehiben\u2019ny 50: \u201cRaha lehilahin\u2019Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramilanao 50!\u201d Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra, ka nandevona azy sy ny miaramilany 50.",
        "11": "Naniraka lehiben\u2019ny 50 hafa niaraka tamin\u2019ny miaramilany 50 indray \u00e0ry ny mpanjaka. Dia nandeha izy ka niteny tamin\u2019i Elia hoe: \u201cRy lehilahin\u2019Andriamanitra, \u2018mid\u00ecna haingana ianao\u2019, hoy ny mpanjaka.\u201d",
        "12": "Hoy anefa i Elia tamin\u2019izy ireo: \u201cRaha lehilahin\u2019Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramilanao 50!\u201d Dia nisy afon\u2019Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra, ka nandevona azy sy ny miaramilany 50.",
        "13": "Naniraka lehiben\u2019ny 50 fanintelony, niaraka tamin\u2019ny miaramilany 50, indray ny mpanjaka. Dia niakatra nankany amin\u2019i Elia ilay lehiben\u2019ny 50. Nandohalika anefa izy rehefa teo anatrehany sady nitalaho taminy hoe: \u201cRy lehilahin\u2019Andriamanitra\u00a0\u00f4, mba tsimbino re ny aiko sy ny ain\u2019ireto 50 lahy mpanomponao ireto\u00a0e!",
        "14": "Efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra, ka nandevona an\u2019ireo roa lahy lehiben\u2019ny 50 teo aloha sy ny miaramilany 50 avy. Fa mba tsimbino kosa re ny aiko\u00a0e!\u201d",
        "15": "Dia hoy ilay anjelin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Elia: \u201cMid\u00ecna miaraka aminy, ary aza matahotra azy.\u201d Koa nitsangana i Elia, ka nidina niaraka taminy ho any amin\u2019ny mpanjaka.",
        "16": "Ary hoy izy tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: Naniraka olona hanontany an\u2019i Bala-zeboba andriamanitr\u2019i Ekrona ianao. Fa angaha dia tsy misy Andriamanitra eto amin\u2019ny Israely? Fa maninona ianao no tsy nanontany azy? Koa tsy hiala eo amin\u2019io fandriana atorianao io intsony ianao, fa tsy maintsy ho faty.\u2019\u201d",
        "17": "Dia maty tokoa izy, araka ny tenin\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Elia. Tsy nanan-janakalahy izy, ka i Jorama no nanjaka nandimby azy, tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Jorama zanak\u2019i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "18": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Ahazia, izany hoe ny zavatra nataony?"
    },
    "2": {
        "1": "Rehefa hitondra an\u2019i Elia hiakatra ho eny amin\u2019ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Jehovah, dia niainga avy tany Gilgala i Elia sy Elisa.",
        "2": "Hoy i Elia tamin\u2019i Elisa: \u201cMijan\u00f2na eto, azafady, fa izaho nirahin\u2019i Jehovah ho any Betela.\u201d Hoy anefa i Elisa: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy handao anao aho.\u201d Nidina nankany Betela \u00e0ry izy ireo.",
        "3": "Dia nankany amin\u2019i Elisa ireo zanaky ny mpaminany tao Betela, ka nilaza taminy hoe: \u201cMba fantatrao moa fa androany i Jehovah no haka ny tomponao, ka tsy ho tomponao intsony izy?\u201d Dia hoy izy: \u201cEfa fantatro izany fa mang\u00ecna ianareo.\u201d",
        "4": "Hoy i Elia taminy: \u201cMijan\u00f2na eto ianao, ry Elisa, azafady, fa izaho nirahin\u2019i Jehovah ho any Jeriko.\u201d Hoy anefa i Elisa: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy handao anao aho.\u201d Dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.",
        "5": "Dia nanatona an\u2019i Elisa ireo zanaky ny mpaminany tao Jeriko, ka nilaza taminy hoe: \u201cMba fantatrao moa fa androany i Jehovah no haka ny tomponao, ka tsy ho tomponao intsony izy?\u201d Dia hoy i Elisa: \u201cEfa fantatro izany fa mang\u00ecna ianareo.\u201d",
        "6": "Ary hoy i Elia taminy: \u201cMijan\u00f2na eto, azafady, fa izaho nirahin\u2019i Jehovah ho any Jordana.\u201d Hoy anefa i Elisa: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy handao anao aho.\u201d Nanohy ny diany \u00e0ry izy roa lahy.",
        "7": "Ary nisy 50 lahy zanaky ny mpaminany, nanaraka an\u2019i Elia sy Elisa. Nijanona nitazana azy roa lahy izy ireo, tamin\u2019izy roa lahy nijoro teo amoron\u2019i Jordana.",
        "8": "Nesorin\u2019i Elia avy eo ilay akanjona mpaminany nanaovany, ary nahorongorony ka nokapohiny tamin\u2019iny ny rano. Dia nisaraka roa ilay rano, ka niampita tamin\u2019ny tany maina izy roa lahy.",
        "9": "Raha vao tonga teny ampita izy ireo, dia hoy i Elia tamin\u2019i Elisa: \u201cAngataho izay tianao hataoko ho anao, alohan\u2019ny hakana ahy hiala aminao.\u201d Dia hoy i Elisa: \u201cMba afaka mahazo anjaran\u2019olon-droa amin\u2019ny fanahy miasa aminao ve aho?\u201d",
        "10": "Namaly i Elia hoe: \u201cSarotra izany zavatra angatahinao izany. Fa ho azonao ihany anefa izany, raha hitanao ny hakana ahy hiala aminao. Raha tsy izany kosa, dia tsy ho azonao izany.\u201d",
        "11": "Raha mbola nandeha izy ireo sady niresaka, dia nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka tampoka azy roa lahy. Ary niakatra ho eny amin\u2019ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Elia.",
        "12": "Sady nijery an\u2019izany rehetra izany i Elisa no niantsoantso hoe: \u201cRy raiko\u00a0\u00f4, ry raiko\u00a0\u00f4! Ny kalesy fitondran\u2019ny Israely miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny!\u201d Rehefa tsy nahita an\u2019i Elia intsony izy, dia noraisiny ny akanjo teny an-kodiny ka norovitiny hizara roa.",
        "13": "Avy eo dia nalainy ilay akanjona mpaminany nanaovan\u2019i Elia, izay latsaka avy teny aminy. Dia niverin-dalana izy ka nijoro teo amoron\u2019i Jordana.",
        "14": "Ary nalainy ilay akanjo nanaovan\u2019i Elia, izay latsaka avy teny aminy, ka nokapohiny tamin\u2019iny ilay rano sady niteny izy hoe: \u201cAiza i Jehovah Andriamanitr\u2019i Elia?\u201d Dia nisaraka roa ilay rano rehefa nokapohiny, ka niampita izy.",
        "15": "Rehefa nahatazana azy ny zanaky ny mpaminany tao Jeriko, dia nilaza hoe: \u201cEfa lasa ao amin\u2019i Elisa ny fanahy niasa tamin\u2019i Elia.\u201d Nitsena azy \u00e0ry izy ireo, ka niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehany.",
        "16": "Dia hoy izy ireo taminy: \u201cMisy 50\u00a0lahy mahery fo ireto, anisan\u2019ny mpanomponao. Aoka re izy ireo handeha hitady ny tomponao\u00a0e! Angamba nampiakarin\u2019ny fanahin\u2019i Jehovah izy, dia nazerany any an-tendrombohitra any, na any an-dohasaha any.\u201d Hoy anefa i Elisa: \u201cAza alefa ry zareo.\u201d",
        "17": "Niangavy an\u2019i Elisa foana anefa izy ireo, ka tsy nahazo aina i Elisa tamin\u2019ny farany. Koa niteny izy hoe: \u201cIraho \u00e0ry ry zareo\u00a0e!\u201d Dia naniraka 50\u00a0lahy izy ireo. Nitady an\u2019i Elia nandritra ny telo andro izy ireo, fa tsy nahita azy.",
        "18": "Rehefa niverina izy ireo, dia mbola tao Jeriko i Elisa. Dia hoy i Elisa: \u201cTsy efa noteneniko moa ianareo hoe: \u2018Aza mandeha\u2019?\u201d",
        "19": "Tat\u1ef3 aoriana, dia hoy ny mponina tao an-tan\u00e0na tamin\u2019i Elisa: \u201cAraka izao hitan\u2019ny tompoko izao, dia tsara toerana ity tan\u00e0na ity. Ratsy anefa ny rano ary tsy mamokatra ny tany.\u201d",
        "20": "Hoy \u00e0ry i Elisa: \u201cItondray vilia baolina kely vaovao aho, ary asio sira ao anatiny.\u201d Dia nitondran\u2019izy ireo izy.",
        "21": "Nankany amin\u2019ilay loharano izy avy eo, dia nanipy sira tao sady niteny hoe: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Efa nodioviko ity rano ity. Tsy hahafaty intsony izy ity na hahatonga ny olona tsy hiteraka.\u2019\u201d",
        "22": "Ary mbola madio ilay rano hatramin\u2019izao, araka ny tenin\u2019i Elisa.",
        "23": "Niakatra avy tany Jeriko i Elisa, ka nankany Betela. Rehefa teny an-dalana izy, dia nisy ankizilahy nivoaka avy ao an-tan\u00e0na ka naniratsira azy. Namerimberina niteny izy ireo hoe: \u201cMiakara, ry ilay sola! Miakara, ry ilay sola!\u201d",
        "24": "Nitodika nijery azy ireo i Elisa tamin\u2019ny farany, ary nanozona azy ireo tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah. Dia nisy orsavavy roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira ny 42 tamin\u2019ireo ankizy ireo.",
        "25": "Nanohy ny diany i Elisa ka nankany amin\u2019ny Tendrombohitra Karmela, ary avy eo niverina nankany Samaria."
    },
    "3": {
        "1": "Lasa mpanjakan\u2019ny Israely tany Samaria i Jorama zanak\u2019i Ahaba, tamin\u2019ny taona faha-18 nanjakan\u2019i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda. Ary nanjaka 12\u00a0taona izy.",
        "2": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, nefa tsy hoatran\u2019ny nataon\u2019ny rainy na ny reniny. Mba nesoriny mantsy ilay tsangambato masin\u2019i Bala, izay nataon-drainy.",
        "3": "Nikiry nanao ny fahotana, izay nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata, anefa izy. Tsy niala tamin\u2019izany izy.",
        "4": "Mpiompy ondry i Mesa mpanjakan\u2019i Moaba. Ary nandoa hetra ho an\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely foana izy, dia zanak\u2019ondry 100\u00a0000 sy ondrilahy 100\u00a0000 mbola tsy nohetezana.",
        "5": "Raha vao maty anefa i Ahaba, dia nikomy tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely ny mpanjakan\u2019i Moaba.",
        "6": "Niala avy tany Samaria \u00e0ry i Jorama Mpanjaka, tamin\u2019izany andro izany, ka novoriny ny Israely rehetra.",
        "7": "Naniraka olona ho any amin\u2019i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda koa izy, mba hilaza hoe: \u201cMikomy amiko ny mpanjakan\u2019i Moaba. Koa hiaraka amiko hiady amin\u2019i Moaba ve ianao?\u201d Dia hoy i Josafata: \u201cHandeha aho. Hoatr\u2019anao ihany aho! Ny vahoakako dia vahoakanao ihany, ary ny soavaliko dia soavalinao ihany.\u201d",
        "8": "Nanontany izy avy eo hoe: \u201cAvy aiza isika no hiakatra?\u201d Dia hoy i Jorama: \u201cAvy any an-tany efitr\u2019i Edoma.\u201d",
        "9": "Niainga \u00e0ry ny mpanjakan\u2019ny Israely sy ny mpanjakan\u2019ny Joda ary ny mpanjakan\u2019i Edoma. Nanodidina izy ireo, ary rehefa avy nandeha lalana fito andro, dia tsy nisy rano intsony ho an\u2019ny tafika sy ho an\u2019ny biby fiompy izay nanaraka azy ireo avy tao aoriana.",
        "10": "Koa niteny ny mpanjakan\u2019ny Israely hoe: \u201cLoza ity! Ny handresen\u2019i Moaba antsika mpanjaka telo ireto mihitsy no niantsoan\u2019i Jehovah antsika!\u201d",
        "11": "Dia hoy i Josafata: \u201cTsy misy mpaminanin\u2019i Jehovah azontsika asaina manontany an\u2019i Jehovah angaha eto?\u201d Namaly \u00e0ry ny lehilahy iray mpanompon\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely hoe: \u201cAo i Elisa zanak\u2019i Safata, ilay mpanondraka rano ny tanan\u2019i Elia.\u201d",
        "12": "Dia hoy i Josafata: \u201cIzy no itenenan\u2019i Jehovah.\u201d Nidina nankany aminy \u00e0ry ny mpanjakan\u2019ny Israely sy Josafata ary ny mpanjakan\u2019i Edoma.",
        "13": "Hoy i Elisa tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cFa inona no hankanesanao at\u1ef3 amiko? Mandehana any amin\u2019ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao.\u201d Hoy anefa ny\u00a0mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cAza miteny an\u2019izany ianao, fa i Jehovah no niantso anay mpanjaka telo ireto mba ho resin\u2019i Moaba.\u201d",
        "14": "Dia hoy i Elisa: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika izay tompoiko, dia tsy ho nijery anao na ho niraharaha anao akory aho raha tsy noho ny fanajako an\u2019i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "15": "Akao mpitendry harpa \u00e0ry aho.\u201d Raha vao nitendry harpa ilay mpitendry, dia tonga tamin\u2019i Elisa ny fanahin\u2019i Jehovah.",
        "16": "Dia hoy izy: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Asio tatatra be dia be eto amin\u2019ity lohasaha ity,",
        "17": "fa izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cTsy hahita rivotra na orana ianareo, nefa ho feno rano ity lohasaha ity, ka izay no hosotroinareo sy ny biby fiompinareo ary ny biby hafa anananareo.\u201d\u2019",
        "18": "Tsotra kely amin\u2019i Jehovah anefa ny manao an\u2019izany, satria na i Moaba koa aza hataony resinareo.",
        "19": "Tafiho ny tan\u00e0na voaro mafy rehetra sy ny tan\u00e0na tena tsara rehetra. Kapao ny hazo tsara rehetra, ary tampeno ny loharano rehetra. Anipazo vato koa ny tany tsara rehetra mba tsy hamokatra.\u201d",
        "20": "Rehefa maraina ny andro, tamin\u2019ny fotoana fanolorana fanatitra varimbazaha, dia nisy rano tonga tampoka avy any amin\u2019ny faritr\u2019i Edoma, ka feno rano ilay tany.",
        "21": "Henon\u2019ny Moabita rehetra fa niakatra hiady taminy ireo mpanjaka ireo. Novorin\u2019izy ireo \u00e0ry ny lehilahy rehetra afaka mitondra fitaovam-piadiana, dia niandry teo amin\u2019ny sisin-tany izy ireo.",
        "22": "Rehefa nifoha maraina ny Moabita teny ampita, dia efa notarafin\u2019ny masoandro ny rano, ka mena hoatran\u2019ny ra no fahitan\u2019izy ireo an\u2019ilay izy.",
        "23": "Dia hoy izy ireo: \u201cRa io! Tena nifamono tamin\u2019ny sabatra ireo mpanjaka, koa andao haka babo, ry Moaba\u00a0\u00f4!\u201d",
        "24": "Rehefa niditra tao amin\u2019ny tobin\u2019ny Israely anefa izy ireo, dia nitsangana ny Israelita ka namely azy. Nandositra azy ireo \u00e0ry ny Moabita. Ny Israelita kosa nandroso hatrany Moaba, ka sady nandeha izy ireo no namono an\u2019ireo Moabita.",
        "25": "Dia noravany ireo tan\u00e0na. Ary samy nanipy vato teny amin\u2019ny tany tsara rehetra ny olona tsirairay, ka nofenoiny vato ireny. Notampenan\u2019izy ireo koa ny loharano rehetra ary nokapainy ny hazo tsara rehetra. Ny manda vato tao Kira-haresa sisa no tsy rava, ary nohodidinin\u2019ireo mpampiasa pilotra ilay tan\u00e0na ka notafihiny.",
        "26": "Hitan\u2019ny mpanjakan\u2019i Moaba fa resy izy, ka nitondra 700 lahy mpampiasa sabatra izy mba hanavatsava hankany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Edoma. Tsy nahavita an\u2019izany anefa izy ireo.",
        "27": "Nalainy \u00e0ry ny zanany lahimatoa, izay tokony hanjaka handimby azy, ka natolony ho fanatitra dorana teo ambony manda. Ary tezitra be tamin\u2019ny Israely ny miaramila, ka tsy nanafika azy intsony fa niverina tany amin\u2019ny taniny."
    },
    "4": {
        "1": "Ary nisy vehivavy iray vadin\u2019ny zanaky ny mpaminany, tonga nitaraina tamin\u2019i Elisa hoe: \u201cMaty ny vadiko, izay mpanomponao, ary fantatrao tsara fa natahotra an\u2019i Jehovah foana izy. Tonga anefa izao ny tompon-trosa haka ny zanako roa lahy ho andevony.\u201d",
        "2": "Dia hoy i Elisa taminy: \u201cInona \u00e0ry no azoko atao ho anao? Lazao ahy izay anananao ao an-trano.\u201d Dia namaly ilay vehivavy hoe: \u201cTsy misy na inona na inona ao an-tranon\u2019ny mpanomponao, afa-tsy siny iray fasiana menaka.\u201d",
        "3": "Hoy \u00e0ry i Elisa: \u201cMankanesa any amin\u2019ny mpiray tan\u00e0na aminao rehetra, dia mangataha siny tsy misy na inona na inona. Manang\u00f2na betsaka araka izay azonao atao.",
        "4": "Dia midira ao an-trano ianao sy ny zanakao, ary hidio ny varavarana. Fenoy menaka daholo ireo siny, ka atok\u00e0ny izay feno.\u201d",
        "5": "Koa lasa nandeha ilay vehivavy. Rehefa nihidy tao an-trano izy sy ny zanany mirahalahy, dia izy roa lahy no nanome azy an\u2019ireo siny, fa izy kosa nandraraka menaka tao anatiny.",
        "6": "Rehefa feno ireo siny, dia hoy izy tamin\u2019ilay zanany anankiray: \u201cItondray siny hafa aho.\u201d Hoy anefa ilay zanany: \u201cTsisy intsony.\u201d Dia tsy nisy menaka niraraka intsony koa.",
        "7": "Nandeha nilaza an\u2019izany tamin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra \u00e0ry ilay vehivavy. Dia hoy ilay lehilahin\u2019Andriamanitra: \u201cMandehana amidio ilay menaka, dia aloavy ny trosanao. Ny ambiny kosa azonao sy ny zanakao ivelomana.\u201d",
        "8": "Nankany Sonema i Elisa, indray andro. Nisy vehivavy nanan-kaja tao, ary tsy namelany mihitsy i Elisa raha tsy nisakafo tao aminy. Nivily mba hisakafo tao \u00e0ry i Elisa isaky ny nandalo.",
        "9": "Dia niteny tamin\u2019ny vadiny ilay vehivavy hoe: \u201cFantatro fa olo-masin\u2019Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika iny.",
        "10": "Andao mba hanao efitra kely ao an-tampon-trano, dia hasiantsika fandriana, sy latabatra, sy seza, ary fitoeran-jiro ao hampiasainy. Amin\u2019izay mba afaka mipetraka ao izy isaky ny tonga eto amintsika.\u201d",
        "11": "Tonga tany i Elisa, indray andro. Dia nankao amin\u2019ilay efitra tany an-tampon-trano izy mba hatory.",
        "12": "Ary hoy izy tamin\u2019i Gehazy mpanompony: \u201cAntsoy ilay vehivavy sonemita.\u201d Dia nantsoiny ilay vehivavy, ka tonga tao aminy.",
        "13": "Ary hoy i Elisa tamin\u2019i Gehazy: \u201cLazao aminy, azafady, hoe: \u2018Nisahirana be ianao nikarakara anay. Koa inona no mba azoko atao ho anao? Misy zavatra tianao horesahiko amin\u2019ny mpanjaka na amin\u2019ny lehiben\u2019ny tafika ve?\u2019\u201d Namaly anefa ilay vehivavy hoe: \u201cTsisy ka! Izaho ange eto amin\u2019ny havako ihany\u00a0e!\u201d",
        "14": "Hoy \u00e0ry i Elisa: \u201cInona izany no azo atao ho azy?\u201d Dia niteny i Gehazy hoe: \u201cTsy manan-janaka lahy izy, sady efa antitra ny vadiny.\u201d",
        "15": "Tonga\u00a0dia hoy i Elisa: \u201cAntsoy \u00e0ry izy.\u201d Dia nantsoiny ilay vehivavy, ka nijoro teo am-baravarana.",
        "16": "Ary niteny taminy i Elisa hoe: \u201cHitrotro zanakalahy ianao amin\u2019ny herintaona hoatr\u2019izao.\u201d Hoy anefa ilay vehivavy: \u201cAiza koa no hisy an\u2019izany, tompoko\u00a0\u00f4! Aza dia mandainga amin\u2019ny mpanomponao re, ry lehilahin\u2019Andriamanitra\u00a0\u00f4!\u201d",
        "17": "Bevohoka tokoa anefa ilay vehivavy, ka tera-dahy rehefa afaka herintaona, araka ny tenin\u2019i Elisa taminy.",
        "18": "Dia nihalehibe ilay zaza. Nankany amin-drainy tany amin\u2019ireo mpijinja izy, indray andro.",
        "19": "Hoy foana izy tamin-drainy: \u201cMarary be ny lohako! Marary be ny lohako!\u201d Dia hoy ny rainy tamin\u2019ny mpanompo: \u201cEnto any amin\u2019ny reniny izy.\u201d",
        "20": "Nentin\u2019ilay mpanompo niverina tany amin-dreniny \u00e0ry ilay zazalahy. Dia nampofoin-dreniny izy mandra-pitataovovonan\u2019ny andro, ary maty avy eo.",
        "21": "Koa nentiny niakatra ilay zaza, ka nampatoriny teo amin\u2019ny fandrianan\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra. Dia nakatony ny varavarana ary lasa izy.",
        "22": "Ary nantsoiny ny vadiny, ka nilazany hoe: \u201cMba andefaso mpanompo iray sy ampondra iray aho, azafady. Ary avelao aho handeha haingana ho any amin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, dia hiverina.\u201d",
        "23": "Hoy anefa ny vadiny: \u201cFa misy inona no hankany aminy ianao androany, nefa sady tsy tsinam-bolana no tsy sabata ny andro?\u201d Ary hoy ilay vehivavy: \u201cTsy misy na inona na inona ka!\u201d",
        "24": "Nasiany lasely \u00e0ry ilay ampondra, ary hoy izy tamin\u2019ny mpanompony: \u201cMandehana haingana! Aza mandeha miadana satria hoe manahy noho ny amiko ianao, raha tsy hoe izaho angaha no miteny anao.\u201d",
        "25": "Dia nankany amin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra tany amin\u2019ny Tendrombohitra Karmela izy. Raha vao nahatazana azy ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, dia niteny tamin\u2019i Gehazy mpanompony hoe: \u201cIny ilay vehivavy sonemita!",
        "26": "Mba mandehana mihazakazaka mitsena azy, dia anontanio izy hoe: \u2018Salama ve ianao? Salama ve ny vadinao? Ary ilay zaza?\u2019\u201d Dia hoy ilay vehivavy: \u201cSalama daholo izahay!\u201d",
        "27": "Raha vao tonga teo amin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra teo an-tendrombohitra izy, dia notazoniny ny tongotr\u2019ilay lehilahy. Dia nanatona i Gehazy mba hanala azy, nefa hoy ilay lehilahin\u2019Andriamanitra: \u201cAvelao izy fa mafy ny manjo azy, saingy nafenin\u2019i Jehovah tamiko izany fa tsy nampahafantariny ahy.\u201d",
        "28": "Dia hoy ilay vehivavy: \u201cIzaho angaha nangataka zanakalahy tamin\u2019ny tompoko? Tsy efa niteny moa aho hoe: \u2018Aza mampanantena tsy misy\u2019?\u201d",
        "29": "Avy hatrany, dia hoy i Elisa tamin\u2019i Gehazy: \u201cSikino ny akanjonao, dia raiso ny tehiko, ary mandehana. Raha mifanena amin\u2019olona ianao, dia aza miarahaba azy. Ary raha misy miarahaba anao, dia aza mamaly. Mandehana apetraho eo amin\u2019ny tarehin\u2019ilay zazalahy ny tehiko.\u201d",
        "30": "Dia hoy ny renin\u2019ilay zazalahy: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy hiala eto aho raha tsy miaraka amiko ianao.\u201d Koa nitsangana i Elisa, ary lasa niaraka taminy.",
        "31": "Ary nialoha lalana azy ireo i Gehazy, ka nametraka an\u2019ilay tehina teo amin\u2019ny tarehin\u2019ilay zazalahy. Sady tsy namoaka feo anefa ilay zaza no tsy nihetsika. Dia niverina nitsena an\u2019i Elisa izy, ka nilaza hoe: \u201cTsy nifoha ilay zazalahy.\u201d",
        "32": "Tamin\u2019i Elisa tonga tao amin\u2019ilay trano, dia efa natsotra teo am-pandrianan\u2019i Elisa ilay zaza maty.",
        "33": "Niditra izy ka nihidy tao an-trano niaraka tamin\u2019ilay zaza, dia nivavaka tamin\u2019i Jehovah.",
        "34": "Niakatra teo amin\u2019ilay fandriana izy avy eo, ary nitsotra teo ambonin\u2019ilay zaza, ka nataony teo amin\u2019ny vavan\u2019ilay zaza ny vavany, teo amin\u2019ny masony ny masony, ary teo amin\u2019ny felatanany ny felatanany. Dia niondrika teo amboniny elaela izy, ka nihanafana ny vatan\u2019ilay zaza.",
        "35": "Ary nivezivezy kely tao an-trano izy, dia niakatra teo amin\u2019ilay fandriana ka niondrika teo ambonin\u2019ilay zaza indray. Dia nievina impito ilay zazalahy, ary nihiratra avy eo.",
        "36": "Ary nantsoin\u2019i Elisa i Gehazy, ka nilazany hoe: \u201cAntsoy ilay vehivavy sonemita.\u201d Dia nantsoiny ilay vehivavy. Rehefa tonga tao aminy izy, dia hoy i Elisa: \u201cRaiso ny zanakao.\u201d",
        "37": "Dia niditra ilay vehivavy, ka nandohalika teo an-tongotr\u2019i Elisa ary niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehany. Noraisiny ilay zanany avy eo, ary lasa izy.",
        "38": "Dia niverina tany Gilgala i Elisa. Nisy mosary tany tamin\u2019izay. Ary nipetraka teo anatrehany ireo zanaky ny mpaminany, ka hoy izy tamin\u2019ny mpanompony: \u201cAtaingeno ilay vilanibe, ka manaova lasopy ho an\u2019ny zanaky ny mpaminany.\u201d",
        "39": "Nankany an-tsaha \u00e0ry ny iray tamin\u2019izy ireo mba hitsongo anana. Dia nahita voantangomboalavo naniry izy ka nioty ny voany, ary nahangona eran\u2019ny akanjony. Dia niverina izy, ary notetitetehiny ilay izy ka narotsany tao anatin\u2019ilay vilanin-dasopy. Tsy fantany akory anefa hoe inona ilay izy.",
        "40": "Nandoarana avy eo ilay lasopy mba hohanin\u2019ny olona. Raha vao nihinana anefa izy ireo, dia nikiakiaka hoe: \u201cMisy zavatra mahafaty ao am-bilany, ry lehilahin\u2019Andriamanitra\u00a0\u00f4!\u201d Tsy nahavita nihinana an\u2019ilay izy \u00e0ry izy ireo.",
        "41": "Dia hoy i Elisa: \u201cAkao lafarinina aho.\u201d Ary narotsany tao am-bilany izany, dia hoy izy: \u201cAndoary amin\u2019io amin\u2019izay ny olona.\u201d Dia tsy nampaninona intsony ilay lasopy tao am-bilany.",
        "42": "Nisy lehilahy iray avy any Bala-salisa, nitondra mofo 20 vita tamin\u2019ny vary orza voaloham-bokatra. Nitondra voa vaovao iray kitapo koa izy. Nentiny ho an\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra ireo. Dia hoy i Elisa: \u201cOmeo hohanin\u2019ny olona ireo.\u201d",
        "43": "Hoy anefa ny mpanompony: \u201cIreo ve dia ho ampy ho an\u2019olona 100?\u201d Dia hoy i Elisa: \u201cOmeo hohanin\u2019ny olona ireo, fa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hihinana ny olona, ary hisy sisa tsy lany.\u2019\u201d",
        "44": "Dia narosony azy ireo izany, ka nihinana izy ireo ary nisy sisa tsy lany, araka ny tenin\u2019i Jehovah."
    },
    "5": {
        "1": "Ary nisy lehilahy atao hoe Nam\u00e0na, lehiben\u2019ny tafiky ny mpanjakan\u2019i Syria. Olo-malaza izy ary nanaja be azy ny tompony, satria izy no nampiasain\u2019i Jehovah hanomezana fandresena an\u2019i Syria. Miaramila matanjaka izy, saingy boka.",
        "2": "Nahazo babo zazavavikely iray ny Syrianina, indray mandeha, rehefa nanafika tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely. Lasa mpanompon\u2019ny vadin\u2019i Nam\u00e0na izy io.",
        "3": "Hoy izy tamin\u2019ny tompovaviny: \u201cRaha mba mankany amin\u2019ilay mpaminany any Samaria izao ny tompoko, dia hositraniny ny habokany!\u201d",
        "4": "Lasa \u00e0ry izy nitantara tamin\u2019ny tompony an\u2019izay nolazain\u2019ilay zazavavy avy any Israely.",
        "5": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019i Syria: \u201cTonga dia mandehana. Ary hampitondra taratasy ho an\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely aho.\u201d Lasa \u00e0ry izy sady nitondra volafotsy nilanja folo talenta, sy volamena 6\u00a0000 sekely, ary akanjo vaovao folo.",
        "6": "Nentiny tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely ilay taratasy izay nilaza hoe: \u201cAlefako at\u1ef3 aminao miaraka amin\u2019ity taratasy ity i Nam\u00e0na mpanompoko mba hositraninao amin\u2019ny habokany.\u201d",
        "7": "Raha vao voavakin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely ilay taratasy, dia nandrovitra ny akanjony izy, ka niteny hoe: \u201cIzaho angaha Andriamanitra ka mahay mamono na misakana olona tsy ho faty? Alefany at\u1ef3 amiko ity olona ity dia asainy sitraniko amin\u2019ny habokany! Hitanareo fa mila ady amiko mihitsy iny!\u201d",
        "8": "Raha vao henon\u2019i Elisa, lehilahin\u2019Andriamanitra, fa nandrovitra ny akanjony ny mpanjakan\u2019ny Israely, dia naniraka olona nankany aminy izy mba hiteny hoe: \u201cNahoana ianao no nandrovitra ny akanjonao? Alefaso at\u1ef3 amiko izy, azafady, mba ho fantany fa misy mpaminany eto amin\u2019ny Israely.\u201d",
        "9": "Dia tonga i Nam\u00e0na, niaraka tamin\u2019ireo soavaliny sy ny kalesy fitondrany miady, ka nijanona teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranon\u2019i Elisa.",
        "10": "Olona anefa no nirahin\u2019i Elisa nankany aminy, hilaza hoe: \u201cMandehana mandro impito ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, dia hiverina hoatran\u2019ny taloha indray ny nofonao, ka hadio ianao.\u201d",
        "11": "Dia tezitra i Nam\u00e0na, ka sady lasa izy no niteny hoe: \u201cNieritreritra aho hoe: \u2018Hivoaka hankat\u1ef3 amiko izy, dia hitsangana eto. Dia hiantso ny anaran\u2019i Jehovah Andriamaniny izy, sady hanevaheva ny tanany eo ambonin\u2019ilay habokana mba hanasitranana azy.\u2019",
        "12": "Fa angaha i Abana sy Farpara, reniranon\u2019i Damaskosy, tsy tsara noho ny rano rehetra eto Israely? Tsy afaka mandro any angaha aho dia hadio?\u201d Dia nihodina izy ka lasa nandeha sady romotry ny hatezerana.",
        "13": "Nanatona azy anefa ny mpanompony, ka niteny taminy hoe: \u201cRy raiko\u00a0\u00f4, na zavatra miavaka be aza ve no nasain\u2019ilay mpaminany nataonao, dia tsy ho nataonao? Koa mainka fa izay hoe \u2018Mandroa, dia hadio ianao\u2019?\u201d",
        "14": "Lasa nidina \u00e0ry i Nam\u00e0na ka nisitrika impito tao Jordana, araka ny tenin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra. Dia lasa hoatran\u2019ny nofon-jazalahikely indray ny nofony, ka nadio izy.",
        "15": "Niverina tany amin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra izy sy izay rehetra niaraka taminy, taorian\u2019izay. Nijoro teo anatrehan\u2019i Elisa izy sady niteny hoe: \u201cFantatro izao fa tsy misy Andriamanitra na aiza na aiza eto an-tany, afa-tsy eto amin\u2019ny Israely ihany. Koa mba raiso re ny fanomezana avy amin\u2019ny mpanomponao\u00a0e!\u201d",
        "16": "Hoy anefa i Elisa: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah izay tompoiko, dia tsy handray an\u2019io aho.\u201d Niangavy azy mafy i Nam\u00e0na, fa tsy nety nandray mihitsy izy.",
        "17": "Hoy i Nam\u00e0na tamin\u2019ny farany: \u201cRaha izany \u00e0ry, dia mba omeo tany avy amin\u2019ity tany ity ny mpanomponao, dia tany zakan\u2019ny ramole anankiroa. Tsy hanolotra fanatitra dorana na sorona ho an\u2019ny andriamani-kafa intsony mantsy ny mpanomponao, fa ho an\u2019i Jehovah ihany.",
        "18": "Kanefa, enga anie i Jehovah hamela ny mpanomponao amin\u2019izao zavatra iray izao: Rehefa miditra ao an-tranon\u2019i Rimona ny tompoko mba hiankohoka ao, dia mitehina amin\u2019ny tanako izy ka voatery miankohoka ao an-tranon\u2019i Rimona koa aho. Enga anie i Jehovah mba hamela ny heloky ny mpanomponao rehefa miankohoka ao an-tranon\u2019i Rimona aho!\u201d",
        "19": "Dia hoy i Elisa taminy: \u201cMandehana, ary mirary soa ho anao aho!\u201d Rehefa niala teo izy ka lasa lavidavitra,",
        "20": "dia nieritreritra i Gehazy mpanompon\u2019i Elisa lehilahin\u2019Andriamanitra hoe: \u2018Navelan\u2019ny tompoko handeha fotsiny i Nam\u00e0na Syrianina, fa tsy noraisiny izay zavatra nentiny. Raha mbola velona koa i Jehovah, dia hihazakazaka hanenjika azy aho ka haka zavatra avy aminy.\u2019",
        "21": "Lasa nanenjika an\u2019i Nam\u00e0na \u00e0ry i Gehazy. Rehefa nahatazana olona nihazakazaka nanenjika azy i Nam\u00e0na, dia nidina avy teo amin\u2019ny kalesiny mba hitsena azy, ka nilaza hoe: \u201cMisy olana angaha?\u201d",
        "22": "Ary hoy i Gehazy: \u201cTsisy ka! Nirahin\u2019ny tompoko aho hilaza hoe: \u2018Misy tovolahy roa, zanaky ny mpaminany, vao tonga at\u1ef3 amiko izao. Avy any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima ry zareo. Mba omeo volafotsy iray talenta sy akanjo vaovao roa re ry zareo, azafady\u00a0e!\u2019\u201d",
        "23": "Dia hoy i Nam\u00e0na: \u201cRoa talenta alaina\u00a0e!\u201d Niangavy azy mafy i Nam\u00e0na, dia nataony tao anaty kitapo roa ny volafotsy roa talenta sy ny akanjo vaovao roa. Nampitondrainy an\u2019ireo mpanompony roa lahy ilay izy, ary nandeha teo alohan\u2019i Gehazy izy ireo.",
        "24": "Nalain\u2019i Gehazy teny amin\u2019izy ireo ilay izy rehefa tonga tany Ofela izy ka napetrany tao an-trano. Ary nalefany handeha izy ireo. Rehefa lasa izy ireo,",
        "25": "dia nankao amin\u2019ny tompony i Gehazy ka nijoro teo akaikiny. Dia hoy i Elisa taminy: \u201cAvy taiza ianao, ry Gehazy?\u201d Ary hoy izy: \u201cTsy taiza tsy taiza ny mpanomponao.\u201d",
        "26": "Dia hoy i Elisa taminy: \u201cTsy fantatro angaha izay nitranga rehefa nidina avy teo amin\u2019ny kalesiny ilay lehilahy mba hitsena anao? Angaha moa izao fotoana andraisana volafotsy, na akanjo, na sahan\u2019oliva, na tanimboaloboka, na ondry, na omby, na mpanompolahy, na mpanompovavy?",
        "27": "Koa hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan\u2019i Nam\u00e0na.\u201d Dia niala teo anatrehany avy hatrany i Gehazy, ka tonga dia boka ary lasa fotsy be hoatran\u2019ny lanezy."
    },
    "6": {
        "1": "Hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin\u2019i Elisa: \u201cKely loatra ny toerana ipetrahanay miaraka aminao, ka tsy antonona antsika.",
        "2": "Koa avelao re izahay handeha ho any Jordana\u00a0e! Samy haka vatan-kazo iray any izahay, ary hanamboatra toerana hipetrahanay.\u201d Dia hoy i Elisa: \u201cMandehana \u00e0ry.\u201d",
        "3": "Niteny taminy ny anankiray tamin\u2019izy ireo hoe: \u201cHandeha hiaraka amin\u2019ny mpanomponao ve ianao?\u201d Dia hoy izy: \u201cIe, handeha aho.\u201d",
        "4": "Niaraka tamin\u2019izy ireo \u00e0ry izy. Dia tonga tany Jordana izy ireo, ary nikapa hazo.",
        "5": "Rehefa nikapa hazo anefa ny anankiray, dia nipitika tao anaty rano ny lelam-pamaky. Koa nitaraina izy hoe: \u201cLoza ity, tompoko! Famaky nindramina iny!\u201d",
        "6": "Ary hoy ilay lehilahin\u2019Andriamanitra: \u201cFa taiza ilay izy no latsaka?\u201d Dia natorony azy ilay toerana. Nanapaka rantsankazo i Elisa avy eo ka natsipiny tao, dia natsinkafony ilay lelam-pamaky.",
        "7": "Ary hoy izy: \u201cIo alaivo.\u201d Dia natsotran\u2019ilay lehilahy ny tanany, ka nalainy ilay izy.",
        "8": "Nandeha niady tamin\u2019ny Israely ny mpanjakan\u2019i Syria tamin\u2019izany. Niara-nidinika tamin\u2019ny mpanompony izy ka niteny hoe: \u201cHitoby miaraka aminareo any ananona aho.\u201d",
        "9": "Dia naniraka olona ilay lehilahin\u2019Andriamanitra hiteny tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely hoe: \u201cTandremo sao mandalo any amin\u2019izany toerana izany, fa any ny Syrianina no hidina.\u201d",
        "10": "Nandefa hafatra ho an\u2019ny olona tany amin\u2019ilay toerana nolazain\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra \u00e0ry ny mpanjakan\u2019ny Israely. Nampitandrina azy foana i Elisa, ka tsy nankany amin\u2019ireny toerana ireny izy. Imbetsaka izany no nitranga.",
        "11": "Naharomotra ny mpanjakan\u2019i Syria izany, ka niantso ny mpanompony izy ary niteny hoe: \u201cMisy naman\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely mihitsy eto amintsika. Teneno amiko hoe iza izany!\u201d",
        "12": "Dia hoy ny mpanompony anankiray: \u201cTsisy an\u2019izany, ry mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4! I Elisa mpaminany any Israely no milaza amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely izay zavatra lazainao ao amin\u2019ny efitra fatorianao.\u201d",
        "13": "Ary hoy ny mpanjaka: \u201cMandehana tadiavo izay misy azy mba hanirahako olona hisambotra azy.\u201d Nisy nitatitra tany aminy, tat\u1ef3 aoriana, hoe: \u201cAny Dotana izy.\u201d",
        "14": "Avy hatrany dia nandefa soavaly sy kalesy fitondra miady ary tafika lehibe nankany izy. Tonga alina izy ireo, ary nohodidininy ilay tan\u00e0na.",
        "15": "Rehefa nifoha maraina ny mpanompon\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra ka nankeo ivelany, dia nahita tafika nanodidina ny tan\u00e0na niaraka tamin\u2019ny soavaly sy kalesy fitondra miady. Tonga dia nilaza ilay mpanompo hoe: \u201cLoza ity, tompoko! Inona no hataontsika?\u201d",
        "16": "Hoy anefa izy: \u201cAza matahotra, fa ny miaraka amintsika dia betsaka noho ny miaraka amin\u2019izy ireo.\u201d",
        "17": "Dia nivavaka i Elisa hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, sokafy re ny masony mba hahitany\u00a0e!\u201d Avy hatrany dia nosokafan\u2019i Jehovah ny mason\u2019ilay mpanompo, ka nahita izy. Ary ireo fa feno soavaly sy kalesy afo ny faritra be tendrombohitra nanodidina an\u2019i Elisa.",
        "18": "Rehefa nidina nankeny amin\u2019i Elisa ny Syrianina, dia nivavaka tamin\u2019i Jehovah izy hoe: \u201cMba ataovy jamba re io firenena io\u00a0e!\u201d Nataony jamba \u00e0ry izy ireo, araka ny fangatahan\u2019i Elisa.",
        "19": "Ary hoy i Elisa tamin\u2019izy ireo: \u201cTsy ity ilay lalana, ary tsy ity ilay tan\u00e0na. Manaraha ahy, fa hoentiko any amin\u2019ilay lehilahy tadiavinareo ianareo.\u201d Nentiny tany Samaria anefa izy ireo.",
        "20": "Hoy i Elisa rehefa tonga tany Samaria izy ireo: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, sokafy ny mason\u2019ireto mba hahitany.\u201d Nosokafan\u2019i Jehovah \u00e0ry ny mason\u2019izy ireo, ka hitany fa teo afovoan\u2019i Samaria izy ireo.",
        "21": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely tamin\u2019i Elisa rehefa nahita an-dry zareo: \u201cHasiako ve ry zareo? Ry raiko\u00a0\u00f4, hasiako ve ry zareo?\u201d",
        "22": "Hoy anefa izy: \u201cAza asiana ry zareo. Izay azonao babo tamin\u2019ny sabatrao sy ny tsip\u00eckanao ve dia asianao? Rosoy sakafo hohaniny sy rano hosotroiny ry zareo, dia alefaso hiverina any amin\u2019ny tompony.\u201d",
        "23": "Nanao fanasambe ho an\u2019izy ireo \u00e0ry izy, ka nihinana sy nisotro izy ireo, dia nalefany niverina tany amin\u2019ny tompony. Koa tsy nankany amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely intsony ny Syrianina mpandroba, na indray mandeha aza.",
        "24": "Taorian\u2019izay, dia novorin\u2019i Beni-hadada mpanjakan\u2019i Syria ny tafiny manontolo, ka niakatra hanao fahirano an\u2019i Samaria izy ireo.",
        "25": "Nisy mosary mafy \u00e0ry tao Samaria. Nataon\u2019izy ireo fahirano izy io, ka lasa volafotsy 80 sekely ny vidin\u2019ny lohan\u2019ampondra iray, ary volafotsy 5\u00a0sekely ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba.",
        "26": "Rehefa nandalo teo ambonin\u2019ny manda ny mpanjakan\u2019ny Israely, dia nisy vehivavy anankiray nitaraina taminy hoe: \u201cMba ampio re izahay, ry mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4!\u201d",
        "27": "Dia hoy izy: \u201cRaha tsy manampy anao i Jehovah, dia aiza aho no tadiavinao hangataka fanampiana ho anao? Any am-pamoloana ve? Sa any amin\u2019ny toerana famiazam-boaloboka? Sa any amin\u2019ny toerana fanaovana menaka?\u201d",
        "28": "Ary nanontany azy ny mpanjaka hoe: \u201cFa maninona ianao?\u201d Dia hoy ilay vehivavy: \u201cNiteny tamiko ity vehivavy ity hoe: \u2018Ento at\u1ef3 ny zanakao hohanintsika androany, dia ny zanako no hohanintsika rahampitso.\u2019",
        "29": "Nandrahoinay \u00e0ry ny zanako dia nohaninay. Ary niteny taminy aho ny ampitso hoe: \u2018Ento at\u1ef3 ny zanakao hohanintsika\u2019, kanjo nafeniny ny zanany.\u201d",
        "30": "Nandrovitra ny akanjony ny mpanjaka raha vao naheno ny tenin\u2019ilay vehivavy. Rehefa nandalo teo ambonin\u2019ny manda izy, dia hitan\u2019ny vahoaka fa nisy lamba gony tao anaty akanjony.",
        "31": "Dia hoy izy: \u201cHofaizin\u2019Andriamanitra anie aho, raha mbola ho tavela eo ambonin\u2019i Elisa zanak\u2019i Safata ihany ny lohany androany!\u201d",
        "32": "Nipetraka tao an-tranony i Elisa, ary niaraka taminy koa ny anti-panahy. Naniraka olona ny mpanjaka mba hialoha azy. Talohan\u2019ny nahatongavan\u2019ilay olona nirahiny anefa, dia niteny tamin\u2019ireo anti-panahy i Elisa hoe: \u201cJereonareo fa naniraka olona hanapaka ny lohako ilay zanaky ny mpamono olona iny! Rehefa tonga eo ilay olona nirahiny, dia akat\u00f2ny ny varavarana ary aza avela hiditra izy. Tsy izany efa migodongodona ao aoriany ao izany ve ny tompony?\u201d",
        "33": "Raha mbola niresaka tamin\u2019izy ireo i Elisa, dia tonga ilay olona nirahin\u2019ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: \u201cLoza avy amin\u2019i Jehovah izao. Koa inona no mbola tokony hiandrasako an\u2019i Jehovah ihany?\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Dia hoy i Elisa: \u201cHenoy ny tenin\u2019i Jehovah. Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Rahampitso tokotokony ho hoatr\u2019izao, dia ho iray sekely ny vidin\u2019ny lafarinina tsara toto eran\u2019ny seh\u00e0, ary ho iray sekely koa ny vidin\u2019ny vary orza indroan\u2019ny seh\u00e0, eo am-bavahadin\u2019i Samaria.\u2019\u201d",
        "2": "Dia niteny tamin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra ny manamboninahitra lefitra natokisan\u2019ny mpanjaka hoe: \u201cIzany ve dia ho tanteraka, na dia hosokafan\u2019i Jehovah aza ny vavahadin-drano eny amin\u2019ny lanitra?\u201d Hoy \u00e0ry i Elisa: \u201cHo hitan\u2019ny masonao izany, nefa tsy hihinana amin\u2019izany ianao.\u201d",
        "3": "Nisy boka efatra teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na. Nifampiresaka izy ireo hoe: \u201cFa maninona isika no hipetra-potsiny eto mandra-pahafatintsika?",
        "4": "Raha manapa-kevitra isika hoe: \u2018Andao hiditra ao an-tan\u00e0na\u2019, dia ho faty ao isika satria misy mosary ao. Ho faty ihany koa anefa isika raha mipetraka eto. Koa andao hankany amin\u2019ny tobin\u2019ny Syrianina. Raha tsimbinin\u2019izy ireo ny aintsika, dia ho velona isika. Fa raha vonoiny ho faty isika, dia ho faty.\u201d",
        "5": "Nankany amin\u2019ny tobin\u2019ny Syrianina \u00e0ry izy ireo rehefa harivariva efa maizimaizina. Tonga teo an-tsisin\u2019ny tobin\u2019ny Syrianina izy ireo, nefa tsy nisy olona mihitsy teo.",
        "6": "Efa nataon\u2019i Jehovah nandre feona tafika lehibe mantsy ny miaramila tao amin\u2019ny tobin\u2019ny Syrianina, dia feona kalesy fitondra miady sy soavaly nirodorodo. Koa nifampiresaka izy ireo hoe: \u201cNokaramain\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely hiady amintsika ireo mpanjakan\u2019ny Hetita sy ireo mpanjakan\u2019i Ejipta!\u201d",
        "7": "Tonga dia lasa nandositra \u00e0ry izy ireo tamin\u2019ilay harivariva efa maizimaizina iny, ka nilaozany ny tranolainy sy ny soavaliny ary ny ampondrany. Navelany fotsiny teo ny tobiny manontolo, ary lasa nitsoaka namonjy ny ainy izy ireo.",
        "8": "Niditra tao amin\u2019ny tranolay anankiray ireo boka rehefa tonga teo an-tsisin\u2019ny toby, ka nihinana sy nisotro tao. Naka volafotsy sy volamena ary akanjo tao koa izy ireo, dia lasa nanafina an\u2019ireny. Ary niverina indray izy ireo, dia nankao amin\u2019ny tranolay hafa ka naka zavatra tao, ary lasa nandeha nanafina an\u2019ireny.",
        "9": "Farany, dia nifampiresaka izy ireo hoe: \u201cTsy mety izao ataontsika izao. Andro tokony hilazantsika vaovao tsara izao! Mendrika ny hosazina isika raha misalasala ka miandry mandra-pahazava ratsin\u2019ny andro. Koa andao isika hilaza an\u2019izao any an-tranon\u2019ny mpanjaka.\u201d",
        "10": "Nankany \u00e0ry izy ireo, ary niantsoantso an\u2019ireo mpiandry vavahadin\u2019ny tan\u00e0na ka nilaza hoe: \u201cNankao amin\u2019ny tobin\u2019ny Syrianina izahay, fa tsy nisy olona tao. Tsy naheno feon\u2019olona mihitsy izahay. Tsy misy afa-tsy soavaly sy ampondra mifatotra ao, ary navelany ao fotsiny ny tranolay.\u201d",
        "11": "Tonga dia niantsoantso nilaza an\u2019ilay vaovao ny mpiandry vavahady, ka nisy nitatitra an\u2019izany tany an-tranon\u2019ny mpanjaka.",
        "12": "Nifoha avy hatrany ny mpanjaka raha mbola alina ny andro, ka niteny tamin\u2019ny mpanompony hoe: \u201cAo hazavaiko aminareo ny dikan\u2019izao ataon\u2019ny Syrianina izao: Fantany tsara fa noana isika, ka nivoaka ny toby izy ireo mba hiafina any an-tsaha ary nilaza hoe: \u2018Hivoaka ny tan\u00e0na ry zareo ka hataontsika sambo-belona, dia hidirantsika ny tan\u00e0na.\u2019\u201d",
        "13": "Ary hoy ny mpanompony anankiray: \u201cMifidiana olona, azafady, dia asaivo maka soavaly dimy amin\u2019izay sisa tavela ato an-tan\u00e0na izy ireo. Fa ho toy ny Israely rehetra sisa tavela ato ihany no hiafaran\u2019izy ireo. Ho faty hoatran\u2019ny Israely rehetra efa maty ihany izy ireo, ka andao hirahina dia ho hita eo.\u201d",
        "14": "Naka kalesy roa niaraka tamin\u2019ny soavaly \u00e0ry izy ireo, ka nirahin\u2019ny mpanjaka ho any amin\u2019ny tobin\u2019ny Syrianina. Ary hoy izy: \u201cMandehana jereo izany!\u201d",
        "15": "Koa nanaraka an\u2019ireo Syrianina hatrany Jordana izy ireo. Ary ny lalana rehetra, dia feno akanjo sy fitaovana narian\u2019ny Syrianina tamin\u2019izy ireo nikoropaka nandositra. Dia niverina nitantara an\u2019izany tamin\u2019ny mpanjaka ireo olona nirahiny.",
        "16": "Dia nivoaka ny tan\u00e0na ny vahoaka ka nandroba ny tobin\u2019ny Syrianina. Nanjary iray sekely monja \u00e0ry ny vidin\u2019ny lafarinina tsara toto eran\u2019ny seh\u00e0, ary lasa iray sekely koa ny vidin\u2019ny vary orza indroan\u2019ny seh\u00e0, araka ny tenin\u2019i Jehovah.",
        "17": "Notendren\u2019ny mpanjaka hiambina ny vavahady ilay manamboninahitra lefitra natokisany. Voahitsakitsaky ny vahoaka teo am-bavahady anefa izy ka maty. Izany no efa nolazain\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, rehefa nidina tany aminy ny mpanjaka.",
        "18": "Nitranga tokoa izay efa nolazain\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny mpanjaka hoe: \u201cHo iray sekely ny vidin\u2019ny vary orza indroan\u2019ny seh\u00e0, ary ho iray sekely koa ny vidin\u2019ny lafarinina tsara toto eran\u2019ny seh\u00e0, eo am-bavahadin\u2019i Samaria, rahampitso hoatr\u2019izao.\u201d",
        "19": "Niteny tamin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra anefa ilay manamboninahitra lefitra tamin\u2019izay hoe: \u201cZavatra hoatr\u2019izany ve dia ho tanteraka, na dia hosokafan\u2019i Jehovah aza ny vavahadin-drano eny amin\u2019ny lanitra?\u201d Hoy \u00e0ry i Elisa: \u201cHo hitan\u2019ny masonao izany, nefa tsy hihinana amin\u2019izany ianao.\u201d",
        "20": "Izany tokoa no nanjo azy, satria voahitsakitsaky ny vahoaka teo am-bavahady izy ka maty."
    },
    "8": {
        "1": "Hoy i Elisa tamin\u2019ilay vehivavy, renin\u2019ilay ankizilahikely maty izay novelominy indray: \u201cMandehana ianao sy ny ankohonanao mifindra monina any amin\u2019izay azonao aleha. Fa efa nilaza i Jehovah hoe hisy mosary eto amin\u2019ity tany ity, ary haharitra fito taona izany.\u201d",
        "2": "Dia narahin\u2019ilay vehivavy ny tenin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, ka nandeha nipetraka fito taona tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina izy sy ny ankohonany.",
        "3": "Nody avy tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina ilay vehivavy, rehefa tapitra ny fito taona. Ary nandeha nitaraina tamin\u2019ny mpanjaka izy mba hamerenana ny tranony sy ny taniny.",
        "4": "Niresaka tamin\u2019i Gehazy, mpanompon\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, ny mpanjaka tamin\u2019izay. Hoy izy taminy: \u201cMba tantarao amiko hoe, azafady, ny zavatra miavaka rehetra nataon\u2019i Elisa!\u201d",
        "5": "Dia notantarain\u2019i Gehazy tamin\u2019ny mpanjaka hoe namelona zaza iray efa maty i Elisa. Tamin\u2019izay indrindra no tonga ny renin\u2019ilay zaza novelominy indray, mba hitaraina amin\u2019ny mpanjaka hoe tokony haverina aminy ny tranony sy ny taniny. Tonga dia hoy i Gehazy: \u201cIo ilay vehivavy sy ilay zanany novelomin\u2019i Elisa, ry mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4!\u201d",
        "6": "Nanontanian\u2019ny mpanjaka \u00e0ry ilay vehivavy, ka notantarainy taminy izay nitranga. Dia nisy tandapa anankiray nasain\u2019ny mpanjaka nanampy an\u2019ilay vehivavy. Hoy ny mpanjaka tamin\u2019ilay tandapa: \u201cAvereno aminy daholo izay azy sy izay vokatra rehetra avy tamin\u2019ny taniny, nanomboka tamin\u2019ny andro nialany teto ka hatramin\u2019izao.\u201d",
        "7": "Nankany Damaskosy i Elisa, ary narary i Beni-hadada mpanjakan\u2019i Syria tamin\u2019izay. Nisy nilaza taminy \u00e0ry hoe: \u201cTonga at\u1ef3 ilay lehilahin\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "8": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Hazaela: \u201cMitondr\u00e0 fanomezana, ka mandehana mitsena an\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra. Ary asaivo manontany an\u2019i Jehovah izy hoe: \u2018Ho sitrana amin\u2019izao aretina izao ve aho?\u2019\u201d",
        "9": "Koa lasa nitsena an\u2019i Elisa i Hazaela sady nitondra ny karazan-java-tsoa rehetra nisy tany Damaskosy mba hatao fanomezana. Rameva 40 no nitondra an\u2019izany. Dia tonga izy ka nitsangana teo anatrehany, ary niteny hoe: \u201cI Beni-hadada zanakao, mpanjakan\u2019i Syria, no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminao hanontany hoe: \u2018Ho sitrana amin\u2019izao aretina izao ve aho?\u2019\u201d",
        "10": "Namaly i Elisa hoe: \u201cMandehana lazao aminy hoe: \u2018Tena ho sitrana ianao.\u2019 Efa nampahafantarin\u2019i Jehovah ahy anefa fa ho faty tokoa izy.\u201d",
        "11": "Ary nandinika an\u2019i Hazaela naharitra i Elisa ka tsy nahazo aina izy tamin\u2019ny farany. Dia nitomany ilay lehilahin\u2019Andriamanitra.",
        "12": "Nanontany azy i Hazaela hoe: \u201cFa maninona ny tompoko no mitomany?\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cSatria fantatro ny ratsy hataonao amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely: Hodoranao ny toerany voaro mafy, hovonoinao amin\u2019ny sabatra ny lehilahy voafantina eo aminy, hotorotoroinao ny zanany, ary hotatahanao ny kibon\u2019ny vehivavy bevohoka eo aminy.\u201d",
        "13": "Dia niteny i Hazaela hoe: \u201cIzaho mpanomponao izay tsisy dikany hoatran\u2019ny alika ity ve dia hahavita an\u2019izany?\u201d Hoy anefa i Elisa: \u201cNampahafantarin\u2019i Jehovah ahy fa ho lasa mpanjakan\u2019i Syria ianao.\u201d",
        "14": "Dia niala teo amin\u2019i Elisa izy ka niverina tany amin\u2019ny tompony. Ary hoy ny tompony taminy: \u201cInona no notenenin\u2019i Elisa taminao?\u201d Dia hoy ny navaliny: \u201cNilaza tamiko izy hoe tena ho sitrana ianao.\u201d",
        "15": "Naka lambam-pandriana anefa i Hazaela ny ampitson\u2019iny ary natsobony tao anaty rano, dia nosaronany tamin\u2019iny ny tarehin\u2019i Beni-hadada mandra-pahafatiny. Ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.",
        "16": "Tamin\u2019ny taona fahadimy nanjakan\u2019i Jorama zanak\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely, dia lasa mpanjaka i Jorama zanak\u2019i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda. Mbola nanjaka tao Joda koa i Josafata tamin\u2019izay.",
        "17": "Ary 32\u00a0taona i Jorama tamin\u2019izy lasa mpanjaka, ary nanjaka valo\u00a0taona tany Jerosalema izy.",
        "18": "Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely izy. Hoatran\u2019izay nataon\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba no nataony, satria ny zanakavavin\u2019i Ahaba no lasa vadiny. Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy.",
        "19": "Tsy tian\u2019i Jehovah haringana anefa ny Joda, noho ny amin\u2019i Davida mpanompony. Efa nampanantena azy mantsy izy hoe hanome jiro ho azy sy ny taranany foana.",
        "20": "Tamin\u2019ny andron\u2019i Jorama i Edoma no nikomy tamin\u2019ny Joda sy nanendry olona hanjaka teo aminy.",
        "21": "Nankany Zaira niaraka tamin\u2019ny kalesiny rehetra \u00e0ry i Jorama. Dia nohodidinin\u2019ny Edomita izy sy ny lehiben\u2019ny miaramila mpitondra kalesy. Nifoha anefa izy tamin\u2019ny alina, ka resiny izy ireo. Ary nandositra tany amin\u2019ny tranolainy ny miaramila.",
        "22": "Mbola mikomy amin\u2019ny Joda anefa i Edoma hatramin\u2019izao. Nikomy koa ny tan\u00e0nan\u2019i Libna tamin\u2019izany fotoana izany.",
        "23": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Jorama, izany hoe izay rehetra nataony?",
        "24": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Jorama, ka nalevina tao amin\u2019izay nandevenana azy ireo tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Ary i Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "25": "Tamin\u2019ny taona faha-12 nanjakan\u2019i Jorama zanak\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely, no lasa mpanjaka i Ahazia zanak\u2019i Jorama mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "26": "Ary 22\u00a0taona i Ahazia tamin\u2019izy lasa mpanjaka, ary nanjaka herintaona tany Jerosalema izy. Atalia no anaran-dreniny, ary zafikelin\u2019i Omry mpanjakan\u2019ny Israely izy io.",
        "27": "Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba i Ahazia, sady nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana, toy ny nataon\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba. Havany am-panambadiana mantsy ny ankohonan\u2019i Ahaba.",
        "28": "Niaraka tamin\u2019i Jorama zanak\u2019i Ahaba \u00e0ry izy, mba hiady tamin\u2019i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria tany Ramota-gileada. Voan\u2019ny Syrianina anefa i Jorama ka naratra.",
        "29": "Niverina tany Jezirela \u00e0ry i Jorama Mpanjaka, mba hotsaboina noho ny ratra nahazo azy tamin\u2019izy nasian\u2019ny Syrianina tany Rama, rehefa niady tamin\u2019i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria. Ary nidina tany Jezirela i Ahazia zanak\u2019i Jorama mpanjakan\u2019ny Joda mba hamangy an\u2019i Jorama zanak\u2019i Ahaba, noho izy naratra."
    },
    "9": {
        "1": "Nantsoin\u2019i Elisa mpaminany ny iray tamin\u2019ireo zanaky ny mpaminany, ka nilazany hoe: \u201cSikino ny akanjonao, ary ento haingana ity jaogy kely misy menaka ity, dia mandehana any Ramota-gileada.",
        "2": "Rehefa tonga any ianao, dia tadiavo i Jeho zanak\u2019i Josafata zanak\u2019i Nimsy. Ary mankanesa ao aminy, ka antsoy hiala kely eo amin\u2019ireo rahalahiny izy, ary ento ao amin\u2019ny efitra anatiny indrindra.",
        "3": "Dia raiso ilay jaogy kely misy menaka, ka araraho eo amin\u2019ny lohany ny menaka, ary milaz\u00e0 hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHosorako ho mpanjakan\u2019ny Israely ianao.\u201d\u2019 Dia vohay ny varavarana, ka mandosira haingana.\u201d",
        "4": "Nankany Ramota-gileada \u00e0ry ny mpanompon\u2019ilay mpaminany.",
        "5": "Rehefa tonga tany izy, dia hitany nipetrapetraka ireo lehiben\u2019ny tafika. Ary hoy izy: \u201cMisy hafatra ho anao, sefo\u00a0\u00f4!\u201d Dia nanontany i Jeho hoe: \u201cHo an\u2019iza aminay ireto?\u201d Ary hoy izy: \u201cHo anao, sefo\u00a0\u00f4!\u201d",
        "6": "Nitsangana \u00e0ry i Jeho ka niditra tao an-trano. Dia nandraraka an\u2019ilay menaka teo amin\u2019ny lohany ilay mpanompo, ka niteny hoe: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Hosorako ho mpanjakan\u2019ny vahoakan\u2019i Jehovah, izany hoe ho mpanjakan\u2019ny Israely, ianao.",
        "7": "Vonoy ho faty ny ankohonan\u2019i Ahaba tomponao, dia hovaliako ny ran\u2019ireo mpaminany mpanompoko sy ny ran\u2019ny mpanompon\u2019i Jehovah rehetra nalatsak\u2019i Jezebela.",
        "8": "Dia ho faty ny ankohonan\u2019i Ahaba rehetra. Haringako ny lehilahy rehetra amin\u2019ny ankohonany, anisan\u2019izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin\u2019ny Israely.",
        "9": "Ary hataoko hoatran\u2019ny ankohonan\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata sy hoatran\u2019ny ankohonan\u2019i Basa zanak\u2019i Ahia ny ankohonan\u2019i Ahaba.",
        "10": "I Jezebela kosa hohanin\u2019ny alika ao amin\u2019ilay tany any Jezirela, ka tsy hisy handevina.\u2019\u201d Dia nosokafan\u2019ny mpanompon\u2019ilay mpaminany ny varavarana, ary lasa nandositra izy.",
        "11": "Rehefa niverina teo amin\u2019ireo mpanompon\u2019ny tompony i Jeho, dia nanontanian\u2019izy ireo hoe: \u201cMisy olana angaha? Inona no nitadiavan\u2019iny adala iny anao?\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cEfa hainareo ihany ny lehilahy hoatr\u2019ireny sy ny zavatra resahiny\u00a0e!\u201d",
        "12": "Hoy anefa izy ireo: \u201cTsy marina izany! Mba teneno anay izay nolazainy!\u201d Dia hoy izy: \u201cIzao sy izao no noresahiny tamiko. Dia nilaza koa izy hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHosorako ho mpanjakan\u2019ny Israely ianao.\u201d\u2019\u201d",
        "13": "Dia samy nanala ny akanjony haingana izy ireo ka nametraka an\u2019izany teo ambanin\u2019i Jeho, teo amin\u2019ireo zanatohatra. Ary nitsoka anjombona izy ireo, ka nilaza hoe: \u201cLasa mpanjaka i Jeho!\u201d",
        "14": "Dia nanao tetika hamelezana an\u2019i Jorama i Jeho zanak\u2019i Josafata zanak\u2019i Nimsy. Tany Ramota-gileada i Jorama sy ny tafiky ny Israely rehetra tamin\u2019izay, mba hiaro ny Israely tamin\u2019i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria.",
        "15": "Niverina tany Jezirela i Jorama Mpanjaka tat\u1ef3 aoriana, mba hotsaboina noho ilay ratra nahazo azy tamin\u2019izy nasian\u2019ny Syrianina, rehefa niady tamin\u2019i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria. Ary hoy i Jeho: \u201cRaha manohana ahy ianareo, dia aza avela hisy olona handositra hiala eto an-tan\u00e0na mba hilaza an\u2019izany any Jezirela.\u201d",
        "16": "Dia nitaingina ny kalesiny i Jeho ka nankany Jezirela. Tany mantsy i Jorama tamin\u2019izay, ary teo am-pandriana izy satria naratra. Ary efa nidina namangy azy tany i Ahazia mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "17": "Nijoro teny ambony tilikambo tany Jezirela ny mpitily, ka nahatazana olona be dia be tamy avy any, niaraka tamin\u2019i Jeho. Tonga dia niteny izy hoe: \u201cMahatazana olona be dia be aho.\u201d Ary hoy i Jorama: \u201cMandefasa mpitaingin-tsoavaly hitsena an-dry zareo, ka asaivo manontany hoe: \u2018Fihavanana ve no ahatongavanareo at\u1ef3?\u2019\u201d",
        "18": "Nisy mpitaingin-tsoavaly \u00e0ry lasa nitsena azy, ka nanontany hoe: \u201c\u2018Fihavanana ve no ahatongavanao at\u1ef3\u2019, hoy ny mpanjaka?\u201d Hoy anefa i Jeho: \u201c\u2018Fihavanana\u2019 amin\u2019ny ahoana? Mankanesa any aorianako, dia manaraha ahy!\u201d Nanao tatitra \u00e0ry ilay mpitily hoe: \u201cTonga teny amin-dry zareo ilay iraka, nefa tsy niverina.\u201d",
        "19": "Nandefa mpitaingin-tsoavaly hafa indray \u00e0ry i Jorama. Hoy izy io rehefa tonga teny amin\u2019izy ireo: \u201c\u2018Fihavanana ve no ahatongavanao at\u1ef3\u2019, hoy ny mpanjaka?\u201d Hoy anefa i Jeho: \u201c\u2018Fihavanana\u2019 amin\u2019ny ahoana? Mankanesa any aorianako, dia manaraha ahy!\u201d",
        "20": "Dia hoy ilay mpitily: \u201cTonga teny amin-dry zareo ilay iraka, nefa tsy niverina. Raha ny fitondran\u2019ilay olona kalesy aloha, dia hoatran\u2019ny fitondran\u2019i Jeho zafikelin\u2019i Nimsy mihitsy! Mirifatra hoatran\u2019ny adala mantsy izy.\u201d",
        "21": "Hoy i Jorama: \u201cOmano ny kalesy fitondra miady!\u201d Dia nomanina ny kalesiny. Ary samy nitaingina ny kalesiny avy i Jorama mpanjakan\u2019ny Israely sy Ahazia mpanjakan\u2019ny Joda, ka nandeha nitsena an\u2019i Jeho. Nifanena taminy teo amin\u2019ny tanin\u2019i Nabota Jezirelita izy ireo.",
        "22": "Raha vao nahita an\u2019i Jeho i Jorama, dia nilaza hoe: \u201cFihavanana ve no ahatongavanao at\u1ef3, ry Jeho?\u201d Hoy anefa izy: \u201cAhoana no hisian\u2019ny fihavanana raha i Jezebela reninao aza mbola mivaro-tena sy milalao ody be\u00a0mihitsy?\u201d",
        "23": "Avy hatrany i Jorama dia nanodina ny kalesiny mba handositra, sady niteny tamin\u2019i Ahazia hoe: \u201cVoafitaka isika, ry Ahazia!\u201d",
        "24": "Noraisin\u2019i Jeho ny tsip\u00eckany, dia notifiriny i Jorama ka voany teo anelanelan\u2019ny sorony. Dia nigorobaka avy teo amin\u2019ny fony ilay zana-tsip\u00ecka, ka nianjera tao amin\u2019ny kalesiny izy.",
        "25": "Hoy i Jeho tamin\u2019i Bidkara, manamboninahitra lefiny: \u201cBatao izy, ary atsipazo eo amin\u2019ny tanin\u2019i Nabota Jezirelita. Tadidio fa tamin\u2019izaho sy ianao nitaingina kalesy nanaraka an\u2019i Ahaba rainy, dia i Jehovah mihitsy no nanameloka azy hoe:",
        "26": "\u2018\u201cHitako ny ran\u2019i Nabota sy ny ran\u2019ny zanany lahy omaly\u201d, hoy i Jehovah, \u201cka eto amin\u2019ity tany ity no tsy maintsy hamaliako ny nataonao\u201d, hoy i Jehovah.\u2019 Koa batao izy, dia atsipazo eo amin\u2019ilay tany, araka ny tenin\u2019i Jehovah.\u201d",
        "27": "Rehefa nahita an\u2019izay nitranga i Ahazia mpanjakan\u2019ny Joda, dia nandositra nanaraka ny lalana mankany amin\u2019ny zaridaina lehibe. \u2014Tat\u1ef3 aoriana, dia nanenjika azy i Jeho, ka niteny hoe: \u201cAsio koa iny!\u201d Dia nasian\u2019izy ireo tao anaty kalesiny izy, teny an-dalana hiakatra tany Gora, any akaikin\u2019i Ibleama. Mbola nandositra hatrany Megido ihany anefa izy, ka tany izy no maty.",
        "28": "Dia nentin\u2019ny mpanompony tamin\u2019ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka nalevin\u2019izy ireo tao am-pasany any amin\u2019izay nisy an\u2019ireo razambeny, tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida.",
        "29": "Tamin\u2019ny taona faha-11 nanjakan\u2019i Jorama zanak\u2019i Ahaba no lasa mpanjakan\u2019ny Joda i Ahazia.\u2014",
        "30": "Tonga tany Jezirela i Jeho, ka henon\u2019i Jezebela izany. Nanao manjamaso mainty \u00e0ry izy, sady namboariny ny volony. Dia nitazana teo am-baravarankely izy.",
        "31": "Rehefa niditra teny am-bavahady i Jeho, dia hoy i Jezebela: \u201cHainao moa no niafaran\u2019i Zimry, ilay namono ny tompony?\u201d",
        "32": "Ary niandrandra nijery tany amin\u2019ilay varavarankely i Jeho, sady nilaza hoe: \u201cIza no manohana ahy? Iza?\u201d Avy hatrany dia nisy tandapa roa na telo niondrika nijery azy.",
        "33": "Hoy i Jeho: \u201cAtsipazo izy!\u201d Dia natsipin\u2019izy ireo i Jezebela, ka niporitika tamin\u2019ny rindrina sy tamin\u2019ny soavaly ny rany. Ary nohitsahin\u2019i Jeho tamin\u2019ny soavaliny izy.",
        "34": "Dia niditra tao an-trano i Jeho ka nihinana sy nisotro. Niteny izy avy eo hoe: \u201cMba karakarao ilay voaozona iny ary aleveno! Fa mba zanakavavin\u2019ny mpanjaka ihany izy iny!\u201d",
        "35": "Rehefa handeha handevina azy anefa izy ireo, dia tsy nahita afa-tsy ny karandohany sy ny tongony ary ny felatanany.",
        "36": "Niverina nilaza izany tamin\u2019i Jeho izy ireo, ka hoy izy: \u201cTanteraka ny teny nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Elia Tisbita mpanompony hoe: \u2018Ao amin\u2019ilay tany eto Jezirela no hihinanan\u2019ny alika ny nofon\u2019i Jezebela.",
        "37": "Ary ho zezika ao amin\u2019ilay saha, ao amin\u2019ilay tany eto Jezirela, ny fatin\u2019i Jezebela mba tsy hisy ho afaka hilaza hoe: \u201cI Jezebela io.\u201d\u2019\u201d"
    },
    "10": {
        "1": "Nanan-janakalahy 70 tany Samaria i Ahaba. Nanoratra taratasy \u00e0ry i Jeho ka nandefa izany tany Samaria, ho an\u2019ireo andrianan\u2019i Jezirela sy ny anti-panahy ary ny mpikarakara ny zanak\u2019i Ahaba, nanao hoe:",
        "2": "\u201cEo aminareo ny zanakalahin\u2019ny tomponareo, ny kalesy fitondra miady, ny soavaly, ny tan\u00e0na voaro mafy, ary ny fitaovam-piadiana. Koa rehefa tonga any aminareo ity taratasy ity,",
        "3": "dia fidio izay tsara sy mendrika indrindra amin\u2019ny zanakalahin\u2019ny tomponareo, ka apetraho eo amin\u2019ny seza fiandrianan-drainy. Dia miadia ho an\u2019ny ankohonan\u2019ny tomponareo.\u201d",
        "4": "Natahotra be anefa izy ireo, ka niteny hoe: \u201cMpanjaka roa aza tsy nahatohitra azy, dia isika ve dia hahatohitra azy?\u201d",
        "5": "Koa naniraka olona ho any amin\u2019i Jeho ny mpiandraikitra ny lapa, ny governoran\u2019ny tan\u00e0na, ny anti-panahy, ary ny mpikarakara, mba hilaza hoe: \u201cMpanomponao izahay, ka hataonay izay rehetra lazainao aminay. Tsy hanendry na iza na iza ho mpanjaka izahay. Ataovy izay hitanao fa mety.\u201d",
        "6": "Dia nanoratra taratasy ho azy ireo indray i Jeho, nanao hoe: \u201cRaha manohana ahy ianareo ary vonona ny hankat\u00f2 ahy, dia ento at\u1ef3 ny lohan\u2019ireo zanakalahin\u2019ny tomponareo, ary tongava at\u1ef3 amiko at\u1ef3 Jezirela, rahampitso hoatr\u2019izao.\u201d Niaraka tamin\u2019ireo olo-manan-kaja teo an-tan\u00e0na izay nitaiza azy, izy 70\u00a0lahy zanaky ny mpanjaka, tamin\u2019izay.",
        "7": "Raha vao voarain\u2019ireo olo-manan-kaja ilay taratasy, dia nalain\u2019izy ireo izy 70\u00a0lahy zanaky ny mpanjaka, ka novonoiny. Dia nataony tao anaty sobika ny lohan\u2019izy ireo, ary nalefany tany amin\u2019i Jeho tany Jezirela.",
        "8": "Dia nankao amin\u2019i Jeho ilay olona nirahina ka niteny hoe: \u201cNentin-dry zareo ao ny lohan\u2019ireo zanakalahin\u2019ny mpanjaka.\u201d Hoy \u00e0ry izy: \u201cAtaovy roa toko eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na izany, mandra-paharainan\u2019ny andro.\u201d",
        "9": "Ary nankeny ivelany izy rehefa maraina, ka nijoro teo anatrehan\u2019ny vahoaka manontolo. Dia hoy izy: \u201cTsy manan-tsiny ianareo. Izaho no nanao tetika hamelezana ny tompoko sy namono azy ho faty. Iza anefa no namono an\u2019ireto rehetra ireto?",
        "10": "Fantaro \u00e0ry fa tsy hisy tsy ho tanteraka na iray aza ny tenin\u2019i Jehovah, izay nolazain\u2019i Jehovah hanamelohana ny ankohonan\u2019i Ahaba. Efa notanterahin\u2019i Jehovah izay nolazainy tamin\u2019ny alalan\u2019i Elia mpanompony.\u201d",
        "11": "Novonoin\u2019i Jeho koa ny sisa rehetra tamin\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba tao Jezirela, sy ny olo-manan-kajany rehetra, sy ny namany, ary ny mpisorony, ka tsy nasiany niangana na iray aza.",
        "12": "Dia nandeha nankany Samaria izy. Ary nisy trano fanetezana ondry teny an-dalana.",
        "13": "Nifanena tamin\u2019ireo rahalahin\u2019i Ahazia mpanjakan\u2019ny Joda teo i Jeho, ka nanontany hoe: \u201cIza moa ianareo?\u201d Dia hoy ireo: \u201cRahalahin\u2019i Ahazia izahay, ary handeha hidina hanontany hoe manao ahoana ireo zanaky ny mpanjaka sy ny zanaky ny mpanjakavavy.\u201d",
        "14": "Koa niteny avy hatrany i Jeho hoe: \u201cAtaovy sambo-belona ireo!\u201d Dia nosamborin\u2019izy ireo izy 42\u00a0lahy, ka novonoiny teo amin\u2019ny lavaka fanangonan-drano teo amin\u2019ilay trano fanetezana ondry. Ary tsy nasiany niangana izy ireo na iray aza.",
        "15": "Rehefa niala teo izy, dia nifanena tamin\u2019i Jonadaba zanak\u2019i Rekaba, izay tamy hitsena azy. Dia niarahaba an\u2019i Jonadaba izy, ka niteny taminy hoe: \u201cManohana ahy amin\u2019ny fonao manontolo ve ianao, hoatr\u2019ahy manohana anao amin\u2019ny foko manontolo?\u201d Ary namaly i Jonadaba hoe: \u201cIe!\u201d Dia hoy i Jeho: \u201cAtolory ahy \u00e0ry ny tananao.\u201d Koa natolony azy ny tanany, ka nosintonin\u2019i Jeho hiakatra tao amin\u2019ny kalesiny niaraka taminy izy.",
        "16": "Ary hoy i Jeho: \u201cAndao hiaraka amiko, dia ho hitanao fa tsy mandefitra mihitsy amin\u2019izay mivadika amin\u2019i Jehovah aho.\u201d Nasaina nitaingina an\u2019ilay kalesy niaraka tamin\u2019i Jeho \u00e0ry izy.",
        "17": "Tonga tany Samaria i Jeho avy eo, dia novonoiny ny sisa rehetra tamin\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba tao Samaria, mandra-pandringany azy tanteraka, araka ny tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Elia.",
        "18": "Novorin\u2019i Jeho koa ny vahoaka manontolo, ka hoy izy: \u201cTsy dia nanompo an\u2019i Bala i Ahaba, fa i Jeho kosa hanompo azy bebe kokoa.",
        "19": "Koa vorio hankat\u1ef3 amiko daholo ny mpaminanin\u2019i Bala sy ny mpivavaka aminy ary ny mpisorony rehetra. Aza avela hisy tsy ho tonga na iray aza, fa hanao sorona lehibe ho an\u2019i Bala aho. Hovonoina ho faty izay tsy tonga.\u201d Hafetsena fotsiny anefa izany! Nanao an\u2019izany izy mba handringanana ny mpivavaka tamin\u2019i Bala.",
        "20": "Hoy koa i Jeho: \u201cAmpandreneso hoe hisy fivoriambe makotrokotroka ho an\u2019i Bala!\u201d Dia nampandrenesin\u2019izy ireo izany.",
        "21": "Naniraka olona hitety ny Israely rehetra i Jeho taorian\u2019izay, ka tonga daholo ny mpivavaka tamin\u2019i Bala. Tsy nisy tsy tonga na iray aza. Niditra tao an-tranon\u2019i Bala izy ireo, ka feno hipoka ilay trano.",
        "22": "Dia hoy izy tamin\u2019ny mpiandraikitra ny fitoeran\u2019akanjo: \u201cAmoahy akanjo ny mpivavaka amin\u2019i Bala rehetra.\u201d Koa namoaka akanjo ho azy ireo izy.",
        "23": "Dia nankao an-tranon\u2019i Bala i Jeho sy Jonadaba zanak\u2019i Rekaba. Ary hoy i Jeho tamin\u2019ireo mpivavaka tamin\u2019i Bala: \u201cJereo tsara dia hamarino sao misy mpivavaka amin\u2019i Jehovah ato, fa mpivavaka amin\u2019i Bala ihany no tokony ho ato.\u201d",
        "24": "Farany, dia niditra izy ireo mba hanao sorona sy fanatitra dorana. Nasian\u2019i Jeho 80\u00a0lahy niandry tany ivelany, ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cRaha misy tafatsoaka ireo lehilahy natolotro eo an-tananareo ireo, dia ny ainareo no ho solon\u2019ny ainy.\u201d",
        "25": "Raha vao vita ny fanolorana fanatitra dorana, dia niteny tamin\u2019ireo mpiambina sy manamboninahitra lefitra i Jeho hoe: \u201cMidira, ka vonoy ireo! Aza avela hisy ho tafatsoaka na iray aza.\u201d Dia namono azy ireo tamin\u2019ny sabatra ny mpiambina sy ny manamboninahitra lefitra, ka nanipy ny fatiny tany ivelany. Ary nitsofoka hatrany anatiny indrindra tamin\u2019ny tranon\u2019i Bala izy ireo.",
        "26": "Dia navoakan\u2019izy ireo ny tsato-kazo masina tao an-tranon\u2019i Bala, ka nodorany tsirairay.",
        "27": "Noravany ny tsangambato masin\u2019i Bala. Dia narodany ny tranon\u2019i Bala ka nataony kabine, ary mbola hoatr\u2019izany ilay izy hatramin\u2019izao.",
        "28": "Nofongoran\u2019i Jeho tsy ho eo amin\u2019ny Israely \u00e0ry i Bala.",
        "29": "Tsy mba nialan\u2019i Jeho anefa ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata, izany hoe ny fivavahana tamin\u2019ireo zanak\u2019omby volamena tany Betela sy tany Dana.",
        "30": "Hoy \u00e0ry i Jehovah tamin\u2019i Jeho: \u201cMety ny nataonao sady nanao izay tsara teo imasoko ianao, ka nanao an\u2019izay rehetra noeritreretiko hatao amin\u2019ny ankohonan\u2019i Ahaba. Noho izany, dia handimby anao eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny Israely ny zanakao lahy hatrany amin\u2019ny zafindohalikao.\u201d",
        "31": "Tsy nanaraka tsara ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin\u2019ny fony manontolo anefa i Jeho. Tsy niala tamin\u2019ny fahotana, izay nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama, izy.",
        "32": "Nahenan\u2019i Jehovah tsikelikely ny tanin\u2019ny Israely nanomboka tamin\u2019izany andro izany. Nanafika azy ireo foana i Hazaela, tany amin\u2019ny faritra rehetra tany Israely,",
        "33": "nanomboka teo Jordana no ho miantsinanana sy Gileada manontolo, izany hoe ny tanin\u2019ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita. Anisan\u2019izany ny faritra nanomboka tany Aroera, any akaikin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona, hatrany Gileada sy Basana.",
        "34": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Jeho, izany hoe izay rehetra nataony sy ny heriny rehetra?",
        "35": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Jeho, ka nalevina tany Samaria. Ary i Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "36": "Naharitra 28\u00a0taona ny fotoana nanjakan\u2019i Jeho teo amin\u2019ny Israely, tany Samaria."
    },
    "11": {
        "1": "Rehefa hitan\u2019i Atalia renin\u2019i Ahazia fa maty ilay zanany, dia nitsangana izy ka naripany daholo ny taranaka mpanjaka.",
        "2": "Nalain\u2019i Joseba, zanakavavin\u2019i Jorama Mpanjaka sady anabavin\u2019i Ahazia, anefa i Joasy zanak\u2019i Ahazia. Naka azy an-tsokosoko teo amin\u2019ireo zanaky ny mpanjaka efa hovonoina izy. Dia nataony tao amin\u2019ny efitra anatiny fatoriana i Joasy sy ilay mpitaiza azy. Vitan\u2019izy ireo ny nanafina an\u2019i Joasy mba tsy ho hitan\u2019i Atalia, ka tsy maty izy.",
        "3": "Niafina niaraka taminy tao an-tranon\u2019i Jehovah nandritra ny enin-taona i Joasy, tamin\u2019i Atalia nanjaka teo amin\u2019ilay tany.",
        "4": "Tamin\u2019ny taona fahafito, dia nampanantsoin\u2019i Joiada ny lehiben\u2019ny zato nifehy an\u2019ireo Karianina mpiambina ny mpanjaka sy ireo mpiambina ny lapa. Nasainy nankao aminy tao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo. Nanao fifanekena tamin\u2019izy ireo izy, ary nasainy nianiana tao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo hoe hanaja an\u2019ilay izy. Nasehony azy ireo avy eo ilay zanaky ny mpanjaka.",
        "5": "Dia nomeny baiko izy ireo hoe: \u201cIzao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miasa amin\u2019ny Sabata, dia hiambina tsara ny tranon\u2019ny mpanjaka,",
        "6": "ny ampahatelony ho eo amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Fototra, ary ny ampahatelony ambiny ho eo amin\u2019ny vavahady ao ambadik\u2019ireo mpiambina ny lapa. Hifandimby hiambina an\u2019ilay trano ianareo.",
        "7": "Ny antokony roa aminareo izay tsy tokony hiasa amin\u2019ny Sabata no hiambina tsara ny tranon\u2019i Jehovah mba hiarovana ny mpanjaka.",
        "8": "Tsy maintsy manodidina ny mpanjaka ianareo, ka samy hitana ny fitaovam-piadiany avy. Hovonoina ho faty izay rehetra mitsofotsofoka eo amin\u2019ny laharan\u2019ireo miaramila. Ary araho foana ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany.\u201d",
        "9": "Dia nanao an\u2019izay rehetra notenenin\u2019i Joiada mpisorona ny lehiben\u2019ny zato, ka samy naka an\u2019izay olom-peheziny, dia izay niasa tamin\u2019ny Sabata sy izay tsy niasa tamin\u2019ny Sabata. Dia nankao amin\u2019i Joiada mpisorona izy ireo.",
        "10": "Ary nomen\u2019ilay mpisorona an\u2019ireo lehiben\u2019ny zato ny lefon\u2019i Davida Mpanjaka sy ireo ampingany boribory, izay tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "11": "Ary naka ny toerany ny mpiambina ny lapa ka samy nitana ny fitaovam-piadiany avy. Nisy azy ireo daholo teo amin\u2019ny lafiny ankavanan\u2019ilay trano ka hatrany amin\u2019ny lafiny ankavian\u2019ilay trano, sy teo akaikin\u2019ny alitara, ary teo akaikin\u2019ilay trano. Nohodidinin\u2019izy ireo \u00e0ry ny mpanjaka.",
        "12": "Dia navoakan\u2019i Joiada ilay zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo ambony lohany ny satroboninahitra sy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona. Ary nataon\u2019izy ireo mpanjaka izy dia nohosorany. Dia nitehaka izy ireo sady nilaza hoe: \u201cHo ela velona anie ny mpanjaka!\u201d",
        "13": "Raha vao henon\u2019i Atalia nirodorodo nihazakazaka ny vahoaka, dia nankany amin\u2019izy ireo tany an-tranon\u2019i Jehovah izy.",
        "14": "Dia hitan\u2019i Atalia nitsangana teo akaikin\u2019ny andry ny mpanjaka, araka ny fomba fanao. Niaraka tamin\u2019ny mpanjaka teo koa ireo lehibe sy ny mpitsoka trompetra. Faly be ny vahoaka manontolo sady nitsoka trompetra. Dia norovitin\u2019i Atalia ny akanjony, sady niantsoantso mafy izy hoe: \u201cFikomiana! Fikomiana!\u201d",
        "15": "Nanome baiko an\u2019ireo lehiben\u2019ny zato voatendry hitari-tafika anefa i Joiada mpisorona hoe: \u201cAvoahy eny ivelan\u2019ny filaharana izy. Ary raha misy manaraka azy, dia vonoy amin\u2019ny sabatra!\u201d Efa nilaza mantsy ilay mpisorona hoe: \u201cAza vonoina ao an-tranon\u2019i Jehovah izy.\u201d",
        "16": "Nosamborin\u2019izy ireo \u00e0ry i Atalia, dia novonoiny ho faty rehefa tonga teo amin\u2019ny toerana fidiran\u2019ny soavaly teo amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka.",
        "17": "Nasain\u2019i Joiada nanao fifanekena tamin\u2019i Jehovah avy eo ny mpanjaka sy ny vahoaka hoe ho vahoakan\u2019i Jehovah foana izy ireo. Nasainy nanao fifanekena tamin\u2019ny mpanjaka koa ny vahoaka.",
        "18": "Nankany amin\u2019ny tranon\u2019i Bala ny vahoaka manontolo taorian\u2019izay, ka narodan\u2019izy ireo ny alitarany ary nopotipotehiny tanteraka ny sariny. Novonoin\u2019izy ireo teo anoloan\u2019ny alitara koa i Matana mpisoron\u2019i Bala. Dia nanendry mpiandraikitra hikarakara ny tranon\u2019i Jehovah ny mpisorona.",
        "19": "Ary nentiny niaraka taminy ireo lehiben\u2019ny zato, ny Karianina mpiambina ny mpanjaka, ny mpiambina ny lapa, ary ny vahoaka manontolo, mba hiaraka amin\u2019ny mpanjaka. Avy tao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo no nidina nankany an-tranon\u2019ny mpanjaka, ary teo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny mpiambina ny lapa no lalan\u2019izy ireo. Dia nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny mpanjaka i Joasy.",
        "20": "Koa nifaly ny vahoaka manontolo, ary nilamina ny tan\u00e0na. Efa novonoina tamin\u2019ny sabatra teo akaikin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka mantsy i Atalia.",
        "21": "Fito taona i Joasy tamin\u2019izy lasa mpanjaka."
    },
    "12": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona fahafito nanjakan\u2019i Jeho no lasa mpanjaka i Joasy, ary nanjaka 40\u00a0taona tany Jerosalema izy. Zibia no anaran-dreniny, ary avy any Beri-sheba izy io.",
        "2": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Joasy, tamin\u2019ny andro rehetra nampianaran\u2019i Joiada mpisorona azy.",
        "3": "Tsy nesorina anefa ny toerana avo, ary mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny ihany ny vahoaka.",
        "4": "Hoy i Joasy tamin\u2019ny mpisorona: \u201cAlaivo daholo ny vola rehetra ho an\u2019ny fanatitra masina izay entina ao an-tranon\u2019i Jehovah, izany hoe ny vola tsy maintsy aloan\u2019ny tsirairay, sy ny vola omen\u2019ny olona nanao voady, ary ny vola rehetra entin\u2019ny tsirairay an-tsitrapo ao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "5": "Ny mpisorona no haka an\u2019ilay vola avy amin\u2019ireo mpanao fanomezana, dia hampiasa an\u2019izany mba hanamboarana an\u2019izay rehetra simba amin\u2019ilay trano.\u201d",
        "6": "Mbola tsy namboarin\u2019ireo mpisorona ihany anefa ny simba tamin\u2019ilay trano, tamin\u2019ny taona faha-23 nanjakan\u2019i Joasy Mpanjaka.",
        "7": "Nantsoin\u2019i Joasy Mpanjaka \u00e0ry i Joiada mpisorona sy ireo mpisorona hafa, ka nanontaniany hoe: \u201cFa maninona no tsy amboarinareo ny simba amin\u2019ilay trano? Aza alaina intsony ny vola avy amin\u2019ireo mpanao fanomezana, raha tsy hanamboarana an\u2019ilay trano ilay izy.\u201d",
        "8": "Dia nanaiky tsy haka vola amin\u2019ny olona intsony ny mpisorona, sady nanaiky hoe tsy hiandraikitra ny fanamboarana an\u2019ilay trano.",
        "9": "Naka vata i Joiada mpisorona avy eo, ka nolavahany ny sarony. Dia napetrany teo akaikin\u2019ny alitara ilay vata, izany hoe teo ankavanana amin\u2019ny fidirana tao an-tranon\u2019i Jehovah. Tao no napetraky ny mpisorona mpiandry varavarana ny vola rehetra nentina tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "10": "Isaky ny hitan\u2019izy ireo fa be dia be ny vola tao amin\u2019ilay vata, dia niakatra ny mpitan-tsoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nanangona sy nanisa an\u2019izay vola nentina tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "11": "Nomen\u2019izy ireo an\u2019ireo voatendry hiandraikitra an\u2019ilay asa tao an-tranon\u2019i Jehovah ny vola efa voaisa. Izy ireny indray avy eo no nandoa ny karaman\u2019ny mpandrafitra sy ny mpanao trano, izay niasa tao an-tranon\u2019i Jehovah,",
        "12": "ary ny karaman\u2019ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato. Nividy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba tamin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah koa izy ireo, ary nampiasa an\u2019ilay vola mba handoavana ny zavatra hafa rehetra nilaina hanamboarana an\u2019ilay trano.",
        "13": "Ny vola nentina tao an-tranon\u2019i Jehovah anefa, dia tsy nisy nampiasaina mba hanaovana kovetabe volafotsy, na famonoan-jiro, na vilia baolina, na trompetra, na zavatra vita tamin\u2019ny volamena na volafotsy hatao ao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "14": "Nomena an\u2019ireo mpiasa fotsiny ilay vola, ka nanamboaran\u2019izy ireo an\u2019izay simba tamin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "15": "Tsy nohadihadina ireo lehilahy notolorana an\u2019ilay vola homena ny mpiasa, satria mendri-pitokisana izy ireo.",
        "16": "Tsy nentina tao an-tranon\u2019i Jehovah kosa ny vola ho an\u2019ny fanatitra noho ny heloka, sy ny vola ho an\u2019ny fanatitra noho ny ota. An\u2019ny mpisorona mantsy izany.",
        "17": "Tamin\u2019izay no niakatra hiady tamin\u2019i Gata i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria, ka azony ilay tan\u00e0na. Nanapa-kevitra ny hanafika an\u2019i Jerosalema izy taorian\u2019izay.",
        "18": "Dia nalain\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Joda ny fanatitra masina rehetra, izay nohamasinin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda, dia i Josafata sy Jorama ary Ahazia razambeny. Nalainy koa ny fanatitra masina natolony, sy ny volamena rehetra tao amin\u2019ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019i Jehovah sy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka. Dia nalefany tany amin\u2019i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria izany. Tsy namely an\u2019i Jerosalema indray \u00e0ry i Hazaela.",
        "19": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Joasy, izany hoe izay rehetra nataony?",
        "20": "Niray tetika hamely an\u2019i Joasy anefa ny mpanompony, ka namono azy tao amin\u2019ilay trano teo amin\u2019ny Havoana, teo amin\u2019ny lalana midina ho any Sila.",
        "21": "I Jozakara zanak\u2019i Simata sy Jozabada zanak\u2019i Somera, ireo mpanompony namono azy ho faty. Dia nalevina tao amin\u2019izay nisy ny razambeny tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida izy. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "13": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona faha-23 nanjakan\u2019i Joasy zanak\u2019i Ahazia mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely tany Samaria i Joahaza zanak\u2019i Jeho. Ary nanjaka 17\u00a0taona izy.",
        "2": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana i Joahaza, ka tsy niala tamin\u2019ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata. Tsy niala tamin\u2019izany izy.",
        "3": "Tezitra be tamin\u2019ny Israely \u00e0ry i Jehovah, ka nataony resin\u2019i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria sy Beni-hadada zanak\u2019i Hazaela izy ireo, nandritra izany fotoana izany.",
        "4": "Nitalaho famindram-po tamin\u2019i Jehovah i Joahaza, tat\u1ef3 aoriana. Dia nihaino azy i Jehovah, satria hitany hoe nampahorin\u2019ny mpanjakan\u2019i Syria ny Israely.",
        "5": "Nomen\u2019i Jehovah mpamonjy \u00e0ry ny Israely mba hanafaka azy ireo teo ambany fahefan\u2019i Syria. Dia afaka nipetraka tao an-tranony toy ny teo aloha indray ny Israelita.",
        "6": "Tsy niala tamin\u2019ny fahotan\u2019ny ankohonan\u2019i Jeroboama anefa izy ireo, dia ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama. Nanao an\u2019izany foana izy ireo, ary na ilay tsato-kazo masina aza mbola nitsangana tany Samaria ihany.",
        "7": "Tsy nisy afa-tsy mpitaingin-tsoavaly 50 sy kalesy 10 ary miaramila 10\u00a0000 mpandeha an-tongotra tao amin\u2019ny tafik\u2019i Joahaza. Naringan\u2019ny mpanjakan\u2019i Syria mantsy ny ankamaroan\u2019ny tafiny, ka nohosihoseny toy ny vovoka eny am-pamoloana.",
        "8": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019 ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Joahaza, izany hoe izay rehetra nataony sy ny heriny?",
        "9": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Joahaza, ka nalevina tany Samaria. Ary i Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "10": "Tamin\u2019ny taona faha-37 nanjakan\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely tany Samaria i Joasy zanak\u2019i Joahaza. Ary nanjaka 16\u00a0taona izy.",
        "11": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, ka tsy niala tamin\u2019ny fahotana rehetra nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata. Nanao an\u2019izany fahotana izany foana izy.",
        "12": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Joasy, izany hoe izay rehetra nataony sy ny heriny ary ny niadiany tamin\u2019i Amazia mpanjakan\u2019ny Joda?",
        "13": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Joasy, ary i Jeroboama no nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany. Nalevina tany Samaria, tany amin\u2019izay nisy ny mpanjakan\u2019ny Israely, i Joasy.",
        "14": "Narary i Elisa ary izany aretina izany no hahafaty azy amin\u2019ny farany. Nidina tany aminy i Joasy mpanjakan\u2019ny Israely ka nitomany teo aminy, sady nilaza hoe: \u201cRy raiko\u00a0\u00f4, ry raiko\u00a0\u00f4! Ny kalesy fitondran\u2019ny Israely miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny!\u201d",
        "15": "Ary hoy i Elisa taminy: \u201cMak\u00e0 tsip\u00ecka sy zana-tsip\u00ecka.\u201d Dia naka tsip\u00ecka sy zana-tsip\u00ecka izy.",
        "16": "Ary niteny tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely i Elisa hoe: \u201cAtaovy eo amin\u2019ny tsip\u00ecka ny tananao.\u201d Dia nataony teo ny tanany, ary nataon\u2019i Elisa teo amin\u2019ny tanan\u2019ny mpanjaka ny tanany avy eo.",
        "17": "Ary hoy izy: \u201cSokafy ny varavarankely atsinanana.\u201d Dia nosokafany izany. Ary hoy i Elisa: \u201cMitifira!\u201d Dia nitifitra izy. Hoy \u00e0ry i Elisa: \u201cZana-tsip\u00eckan\u2019ny fandresen\u2019i Jehovah, dia ny zana-tsip\u00ecka handresena an\u2019i Syria! Hamely an\u2019i Syria ao Afeka ianao, mandra-pandringanao azy.\u201d",
        "18": "Hoy koa i Elisa: \u201cRaiso ny zana-tsip\u00ecka.\u201d Dia noraisiny izany. Ary niteny tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely i Elisa hoe: \u201cKapohy ny tany.\u201d Ary nokapohiny intelo ny tany, dia nijanona izy.",
        "19": "Koa tezitra taminy ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, ka niteny hoe: \u201cTokony ho nokapohinao indimy na inenina ny tany, amin\u2019izay ianao ho namely an\u2019i Syria mandra-pandringanao azy. Fa izao kosa dia intelo ihany ianao no hamely azy.\u201d",
        "20": "Ary maty i Elisa taorian\u2019izay ka nalevina. Nisy Moabita mpandroba tonga teo amin\u2019ilay tany, isaky ny fiandohan\u2019ny taona.",
        "21": "Nisy olona nandevina lehilahy iray tamin\u2019izay, ary nahatazana an\u2019ireo mpandroba izy ireo. Tonga dia natsipiny haingana tao amin\u2019ilay toerana nandevenana an\u2019i Elisa ilay faty, dia lasa izy ireo nitsoaka. Rehefa nahakasika ny taolan\u2019i Elisa ilay faty, dia velona ka nijoro.",
        "22": "Nampijalin\u2019i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria ny Israely, tamin\u2019ny andro rehetra nanjakan\u2019i Joahaza.",
        "23": "Tsara fanahy tamin\u2019izy ireo sy niantra azy anefa i Jehovah ka nikarakara azy ireo, noho ny fifanekena nataony tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Tsy tiany ho ringana izy ireo, ka tsy nariany tanteraka tsy ho eo anatrehany hatramin\u2019izao.",
        "24": "Rehefa maty i Hazaela mpanjakan\u2019i Syria, dia i Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "25": "Nalain\u2019i Joasy zanak\u2019i Joahaza indray ireo tan\u00e0na azon\u2019i Beni-hadada zanak\u2019i Hazaela, tamin\u2019i Beni-hadada niady tamin\u2019i Joahaza rain\u2019i Joasy. Namely azy intelo i Joasy, ka azony indray ireo tan\u00e0nan\u2019ny Israely."
    },
    "14": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Joasy zanak\u2019i Joahaza mpanjakan\u2019ny Israely, no lasa mpanjaka i Amazia zanak\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "2": "Tamin\u2019izy 25\u00a0taona no nanomboka nanjaka, ary nanjaka 29\u00a0taona tany Jerosalema izy. Joadina no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy io.",
        "3": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Amazia, saingy tsy toy ny nataon\u2019i Davida razambeny. Hoatran\u2019izay rehetra nataon\u2019i Joasy rainy no nataony.",
        "4": "Tsy nesorina anefa ny toerana avo, ary mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny ihany ny vahoaka.",
        "5": "Raha vao mafy orina ny fanjakany, dia novonoiny ho faty ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy.",
        "6": "Tsy novonoiny anefa ny zanak\u2019ireo mpamono olona ireo, fa narahiny izay voasoratra ao amin\u2019ny boky misy ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy. Izao mantsy ny didin\u2019i Jehovah voalaza ao: \u201cNy ray tsy tokony hovonoina ho faty noho ny ataon\u2019ny zanaka, ary ny zanaka tsy tokony hovonoina ho faty noho ny ataon\u2019ny ray. Fa ny fahotana vitan\u2019ny tsirairay ihany no tokony hamonoana azy.\u201d",
        "7": "Nahafaty lehilahy edomita 10\u00a0000 teo amin\u2019ny Lohasahan-tsira i Amazia. Azony tamin\u2019ny ady koa ny tan\u00e0nan\u2019i Sela, ka lasa hoe Joktela ny anaran\u2019izy io hatramin\u2019izao.",
        "8": "Ary nisy olona nirahin\u2019i Amazia ho any amin\u2019i Joasy zanak\u2019i Joahaza, zanak\u2019i Jeho mpanjakan\u2019ny Israely, mba hilaza hoe: \u201cTongava, andao isika hiady!\u201d",
        "9": "Dia nampitondra an\u2019izao hafatra izao ho an\u2019i Amazia mpanjakan\u2019ny Joda i Joasy mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cNampita hafatra ho an\u2019ny hazo sedera tany Lib\u00e0na ny tsilo tany Lib\u00e0na hoe: \u2018Omeo ho vadin\u2019ny zanako lahy ny zanakao vavy.\u2019 Nandalo anefa ny bibidia iray tany Lib\u00e0na, ka nanitsakitsaka an\u2019ilay tsilo.",
        "10": "Nandresy an\u2019i Edoma ianao, ka lasa nirehareha ny fonao. Mifalia amin\u2019ny voninahitrao, saingy mijan\u00f2na ihany ao an-tranonao. Maninona ianao no mitady loza ka tianao ho resy miaraka aminao ny Joda?\u201d",
        "11": "Tsy nanaiky anefa i Amazia. Niakatra \u00e0ry i Joasy mpanjakan\u2019ny Israely, ka niady tany Beti-semesy any Joda izy sy Amazia mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "12": "Dia resin\u2019ny Israely ny Joda, ka samy nandositra nankany an-tranony avy.",
        "13": "Nosamborin\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Israely tany Beti-semesy i Amazia mpanjakan\u2019ny Joda, zanak\u2019i Joasy zanak\u2019i Ahazia. Nankany Jerosalema izy ireo avy eo, ary nandrava 400\u00a0hakiho tamin\u2019ny mandan\u2019i Jerosalema, nanomboka teo amin\u2019ny Vavahadin\u2019i Efraima ka hatreo amin\u2019ny Vavahady An-jorony.",
        "14": "Dia nalainy daholo ny volamena sy ny volafotsy ary ny fitaovana rehetra tao an-tranon\u2019i Jehovah sy tao amin\u2019ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka. Naka olona hatao takalon\u2019aina koa izy, ary avy eo niverina tany Samaria.",
        "15": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Joasy, izany hoe ny nataony sy ny heriny ary ny niadiany tamin\u2019i Amazia mpanjakan\u2019ny Joda?",
        "16": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Joasy ka nalevina tany Samaria, tany amin\u2019izay nisy ny mpanjakan\u2019ny Israely. Ary i Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "17": "Mbola velona 15\u00a0taona i Amazia zanak\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Joda, taorian\u2019ny nahafatesan\u2019i Joasy zanak\u2019i Joahaza mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "18": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Amazia?",
        "19": "Nisy niray tetika hanohitra azy tany Jerosalema tat\u1ef3 aoriana, ka nandositra tany Lakisy izy. Naniraka olona hanenjika azy tany anefa izy ireo ka namono azy tany.",
        "20": "Nentina niverina tamin\u2019ny soavaly \u00e0ry ny fatiny ka nalevina tany amin\u2019izay nisy ny razambeny tany Jerosalema, tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida.",
        "21": "Dia nalain\u2019ny vahoakan\u2019i Joda rehetra i Azaria, izay 16\u00a0taona, ka nataony mpanjaka handimby an\u2019i Amazia rainy.",
        "22": "Naorin\u2019i Azaria indray i Elata dia naveriny tamin\u2019ny Joda, rehefa nodimandry any amin\u2019ny razambeny ny mpanjaka.",
        "23": "Tamin\u2019ny taona faha-15 nanjakan\u2019i Amazia zanak\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjaka tany Samaria i Jeroboama zanak\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Israely. Ary nanjaka 41\u00a0taona izy.",
        "24": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, ka tsy niala tamin\u2019ny fahotana rehetra nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata.",
        "25": "Naveriny tamin\u2019ny Israely ny sisin-taniny, nanomboka teo Lebo-hamata ka hatrany amin\u2019ny Ranomasin\u2019i Araba. Izany mantsy no teny nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin\u2019ny alalan\u2019i Jona mpanompony, zanak\u2019i Amitahy, dia ilay mpaminany avy any Gata-hefera.",
        "26": "Fa hitan\u2019i Jehovah hoe tena mangidy ny fahoriana nanjo ny Israely. Tsy nisy olona tavela mba hanampy ny Israely. Na ireo tsy nisy mpiaro sy ireo osa aza tsy nisy tavela.",
        "27": "Efa nampanantena anefa i Jehovah fa tsy hanafoana ny anaran\u2019ny Israely tsy ho et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra. Novonjeny tamin\u2019ny alalan\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Joasy \u00e0ry izy ireo.",
        "28": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Jeroboama, izany hoe izay rehetra nataony, ny heriny, ny ady nataony, ary ny namerenany an\u2019i Damaskosy sy Hamata tamin\u2019ny Joda sy Israely?",
        "29": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny, any amin\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely, i Jeroboama. Ary i Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "15": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona faha-27 nanjakan\u2019i Jeroboama mpanjakan\u2019ny Israely, no lasa mpanjaka i Azaria zanak\u2019i Amazia mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "2": "Ary 16\u00a0taona i Azaria tamin\u2019izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 52\u00a0taona tany Jerosalema izy. Jekolia no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy io.",
        "3": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Azaria, toy ny nataon\u2019i Amazia rainy.",
        "4": "Tsy nesorina anefa ny toerana avo, ary mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny ihany ny vahoaka.",
        "5": "Nataon\u2019i Jehovah boka ilay mpanjaka, ka boka mandra-pahafatiny. Koa nipetraka tao amin\u2019ny trano iray mitokana izy, ka i Jotama zanaky ny mpanjaka no niandraikitra ny trano sy nitsara ny vahoaka.",
        "6": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Azaria, izany hoe izay rehetra nataony?",
        "7": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Azaria, ka nalevina tao amin\u2019izay nandevenana azy ireo tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Ary i Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "8": "Tamin\u2019ny taona faha-38 nanjakan\u2019i Azaria mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely tany Samaria i Zakaria zanak\u2019i Jeroboama. Ary nanjaka enim-bolana izy.",
        "9": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah izy, toy ny nataon\u2019ny razambeny. Tsy niala tamin\u2019ny fahotana, izay nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata, izy.",
        "10": "Ary nanao tetika i Saloma zanak\u2019i Jabesy ka namely azy tany Ibleama. Nanjaka nandimby azy izy rehefa avy namono azy ho faty.",
        "11": "Ary efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Zakaria.",
        "12": "Tanteraka \u00e0ry izay nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeho hoe: \u201cHandimby anao eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny Israely ny zanakao lahy hatrany amin\u2019ny zafindohalikao.\u201d Dia izany tokoa no nitranga.",
        "13": "Lasa mpanjaka i Saloma zanak\u2019i Jabesy, tamin\u2019ny taona faha-39 nanjakan\u2019i Ozia mpanjakan\u2019ny Joda. Ary nanjaka iray volana katroka tany Samaria izy.",
        "14": "Dia niakatra avy any Tirza i Menahema zanak\u2019i Gady, ka tonga tany Samaria. Dia namely an\u2019i Saloma zanak\u2019i Jabesy tany Samaria izy. Nanjaka nandimby azy izy rehefa avy namono azy ho faty.",
        "15": "Ary efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Saloma sy ny teti-dratsiny.",
        "16": "Tamin\u2019izay i Menahema no tonga avy any Tirza, ka namely ny tan\u00e0nan\u2019i Tifsa sy izay rehetra tao aminy ary ny faritra manodidina azy. Tsy namoha vavahady azy mantsy ny mponina tao, ka notafihiny. Ary notatahany ny kibon\u2019ny vehivavy bevohoka tao.",
        "17": "Tamin\u2019ny taona faha-39 nanjakan\u2019i Azaria mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely i Menahema zanak\u2019i Gady. Ary nanjaka folo taona tany Samaria izy.",
        "18": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy. Tsy niala tamin\u2019ny fahotana rehetra, izay nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata, izy nandritra ny androm-piainany.",
        "19": "Tonga tao amin\u2019ilay tany i Pola mpanjakan\u2019i Asyria. Dia nomen\u2019i Menahema volafotsy 1\u00a0000 talenta i Pola, mba hanampiany azy hanamafy orina ny fanjakany.",
        "20": "Koa nanangona volafotsy avy tamin\u2019ny Israely i Menahema, ka notereny handoa volafotsy 50 sekely isan\u2019olona ny lehilahy nanan-kaja sady mpanankarena. Nomeny ho an\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria izany avy eo. Dia lasa ny mpanjakan\u2019i Asyria, fa tsy nijanona tao amin\u2019ilay tany.",
        "21": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Menahema, izany hoe izay rehetra nataony?",
        "22": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Menahema, ary i Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "23": "Tamin\u2019ny taona faha-50 nanjakan\u2019i Azaria mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely tany Samaria i Pekahia zanak\u2019i Menahema. Ary nanjaka roa taona izy.",
        "24": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, ka tsy niala tamin\u2019ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata.",
        "25": "Ary nanao tetika hamelezana azy i Peka zanak\u2019i Remalia, manamboninahitra lefiny. Dia novonoin\u2019i Peka tany Samaria izy, tao amin\u2019ny tilikambo voaro mafy teo amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka. Tao koa i Argoba sy Aria. Nisy 50\u00a0lahy avy any Gileada niaraka tamin\u2019i Peka, ary nanjaka nandimby an\u2019i Pekahia izy rehefa avy namono azy ho faty.",
        "26": "Ary efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Pekahia, izany hoe izay rehetra nataony.",
        "27": "Tamin\u2019ny taona faha-52 nanjakan\u2019i Azaria mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely tany Samaria i Peka zanak\u2019i Remalia. Ary nanjaka 20\u00a0taona izy.",
        "28": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, ka tsy niala tamin\u2019ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata.",
        "29": "Tamin\u2019ny andron\u2019i Peka mpanjakan\u2019ny Israely i Tiglato-pilesera mpanjakan\u2019i Asyria no nanafika sy naka an\u2019i Iona, Abela-beti-maka, Janoha, Kedesy, Hazora, Gileada, ary Galilia izany hoe ny tanin\u2019i Naftaly manontolo. Ary nataony sesitany tany Asyria ny mponina tao amin\u2019ireo.",
        "30": "Dia nanao tetika hamelezana an\u2019i Peka zanak\u2019i Remalia i Hosea zanak\u2019i Elaha, ka namono azy ho faty. Ary izy no nanjaka nandimby azy, tamin\u2019ny taona faha-20 nanjakan\u2019i Jotama zanak\u2019i Ozia.",
        "31": "Ary efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Peka, izany hoe izay rehetra nataony.",
        "32": "Tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Peka zanak\u2019i Remalia mpanjakan\u2019ny Israely, no lasa mpanjaka i Jotama zanak\u2019i Ozia mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "33": "Ary 25\u00a0taona i Jotama tamin\u2019izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 16\u00a0taona tany Jerosalema izy. Jerosa no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Zadoka izy io.",
        "34": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Jotama, toy ny nataon\u2019i Ozia rainy.",
        "35": "Tsy nesorina anefa ny toerana avo, ary mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny ihany ny vahoaka. Izy no nanorina ny vavahady ambony tamin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "36": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Jotama, izany hoe izay nataony?",
        "37": "Tamin\u2019izany andro izany i Jehovah no nanomboka nandefa an\u2019i Rezina mpanjakan\u2019i Syria sy Peka zanak\u2019i Remalia, mba hanafika an\u2019i Joda.",
        "38": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Jotama, ka nalevina tao amin\u2019izay nandevenana azy ireo tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida razambeny. Ary i Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "16": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona faha-17 nanjakan\u2019i Peka zanak\u2019i Remalia, no lasa mpanjaka i Ahaza zanak\u2019i Jotama mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "2": "Ary 20\u00a0taona i Ahaza tamin\u2019izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 16\u00a0taona tany Jerosalema izy. Tsy nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah Andriamaniny izy, tsy mba hoatran\u2019i Davida razambeny.",
        "3": "Nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely kosa izy. Nandoro ny zanany tao anaty afo mihitsy aza izy, ka nanao an\u2019ireo zava-maharikoriko fanaon\u2019ireo firenena efa noroahin\u2019i Jehovah hiala teo anatrehan\u2019ny Israelita.",
        "4": "Mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka koa izy, teny amin\u2019ny toerana avo sy ny havoana ary teny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra.",
        "5": "Tamin\u2019izay i Rezina mpanjakan\u2019i Syria sy Peka zanak\u2019i Remalia mpanjakan\u2019ny Israely, no niakatra hiady tamin\u2019i Jerosalema. Nanao fahirano an\u2019io tan\u00e0na nisy an\u2019i Ahaza io izy ireo, saingy tsy vitan\u2019izy ireo ny nandresy azy.",
        "6": "Tamin\u2019izany fotoana izany i Rezina mpanjakan\u2019i Syria no namerina an\u2019i Elata tamin\u2019i Edoma. Dia noroahiny hiala tany Elata ny Jiosy. Ary niditra tany Elata ny Edomita, ka mipetraka any hatramin\u2019izao.",
        "7": "Naniraka olona nankany amin\u2019i Tiglato-pilesera mpanjakan\u2019i Asyria \u00e0ry i Ahaza, mba hilaza hoe: \u201cMpanomponao aho sady zanakao. Koa miakara hamonjy ahy amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Syria sy ny mpanjakan\u2019ny Israely, fa manafika ahy ry zareo.\u201d",
        "8": "Dia nalain\u2019i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena tao an-tranon\u2019i Jehovah sy tao amin\u2019ireo fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka, ka nalefany tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria mba hatao kolikoly.",
        "9": "Nanaiky ny fangatahany ny mpanjakan\u2019i Asyria, ka niakatra hamely an\u2019i Damaskosy ary naka azy io. Nataony sesitany tany Kira ny vahoaka tao, ary novonoiny ho faty i Rezina.",
        "10": "Dia nandeha nitsena an\u2019i Tiglato-pilesera mpanjakan\u2019i Asyria tany Damaskosy i Ahaza Mpanjaka. Rehefa nahita an\u2019ilay alitara tany Damaskosy izy, dia nalefany tany amin\u2019i Oria mpisorona ny planin\u2019ilay alitara. Hita tao ny tsipiriany momba an\u2019ilay izy sy ny fomba nanaovana azy.",
        "11": "Nanorina alitara \u00e0ry i Oria mpisorona, araka ny toromarika rehetra nalefan\u2019i Ahaza Mpanjaka avy tany Damaskosy. Ary vitan\u2019i Oria ilay izy, talohan\u2019ny niverenan\u2019i Ahaza Mpanjaka avy tany.",
        "12": "Rehefa tafaverina avy tany Damaskosy ny mpanjaka ka nahita an\u2019ilay alitara, dia nankeo izy ka nanolotra fanatitra teo amboniny.",
        "13": "Ary nodorany mba hidona-tsetroka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha natolony. Nandraraka fanatitra zava-pisotro koa izy, ary nafafiny teo ambonin\u2019ilay alitara ny ran\u2019ny sorona iombonana natolony.",
        "14": "Dia nafindrany nankeo avaratry ny alitarany ilay alitara varahina teo anatrehan\u2019i Jehovah, izay teo anoloan\u2019ilay trano, teo anelanelan\u2019ny alitarany sy ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "15": "Nanome baiko an\u2019i Oria mpisorona i Ahaza Mpanjaka hoe: \u201cDory mba hidona-tsetroka eo ambonin\u2019ilay alitara lehibe ny fanatitra dorana amin\u2019ny maraina, ny fanatitra varimbazaha amin\u2019ny takariva, ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha avy amin\u2019ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny fanatitra zava-pisotro avy amin\u2019ny vahoaka manontolo. Ary afafazo eo ambonin\u2019io alitara io ny ra rehetra avy amin\u2019ny fanatitra dorana sy avy amin\u2019ny sorona hafa. Fa ho hitako eo ihany izay hanaovana an\u2019ilay alitara varahina.\u201d",
        "16": "Dia nataon\u2019i Oria mpisorona izay rehetra nasain\u2019i Ahaza Mpanjaka nataony.",
        "17": "Ary notapatapahin\u2019i Ahaza Mpanjaka ireo takelaka tamin\u2019ireo kalesin\u2019ny tempoly, ary nesoriny teo ambonin\u2019ireo kalesy ny kovetabe. Nampidininy avy teo ambonin\u2019ireo omby varahina koa ilay fitoeran-drano lehibe nantsoina hoe Ranomasina, ka napetrany teo amin\u2019ny tokotany vato.",
        "18": "Ary nesorin\u2019i Ahaza ny toerana mitafo fampiasa amin\u2019ny Sabata, izay tao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, sy ny varavarana ivelany fidiran\u2019ny mpanjaka mankao amin\u2019ilay trano. Noho ny amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria no nanaovany an\u2019izany.",
        "19": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Ahaza, izany hoe izay nataony?",
        "20": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Ahaza, ka nalevina tao amin\u2019izay nandevenana azy ireo tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "17": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona faha-12 nanjakan\u2019i Ahaza mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely tany Samaria i Hosea zanak\u2019i Elaha. Ary nanjaka sivy taona izy.",
        "2": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, nefa tsy dia hoatran\u2019ny nataon\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely talohany.",
        "3": "Niakatra hanafika azy i Salmanesera mpanjakan\u2019i Asyria. Lasa mpanompon\u2019i Salmanesera \u00e0ry i Hosea, ka nandoa hetra taminy.",
        "4": "Fantatry ny mpanjakan\u2019i Asyria anefa hoe nitetika ny hikomy taminy i Hosea. Naniraka olona ho any amin\u2019i So mpanjakan\u2019i Ejipta mantsy i Hosea, sady tsy niakatra nitondra hetra ho any amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria intsony, toy ny tamin\u2019ireo taona teo aloha. Nogadrain\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria \u00e0ry izy, ka nofatorany tao am-ponja.",
        "5": "Nanafika an\u2019ilay tany manontolo ny mpanjakan\u2019i Asyria. Ary nankany Samaria izy, ka nanao fahirano azy telo taona.",
        "6": "Resin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria i Samaria, tamin\u2019ny taona fahasivy nanjakan\u2019i Hosea. Dia nataony sesitany tany Asyria ny vahoakan\u2019Israely, ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin\u2019ny reniranon\u2019i Gozana, ary tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019ny Medianina.",
        "7": "Nitranga izany satria ny vahoakan\u2019Israely nanota tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany Ejipta avy teo ambany fahefan\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta. Nanompo andriamani-kafa izy ireo,",
        "8": "sady nanaraka ny fombafomban\u2019ireo firenena noroahin\u2019i Jehovah tsy ho eo anatrehan\u2019ny Israelita. Nanaraka ny fombafomba noforonin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely koa izy ireo.",
        "9": "Nanao zavatra tsy mety teo imason\u2019i Jehovah Andriamaniny ny Israelita. Nanorina toerana avo tany amin\u2019ny tan\u00e0nany rehetra izy ireo, nanomboka teo amin\u2019ny tilikambo fiambenana ka hatrany amin\u2019ny tan\u00e0na voaro mafy.",
        "10": "Nanangana tsangambato masina sy tsato-kazo masina izy ireo, teny amin\u2019ny havoana rehetra sy teny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra.",
        "11": "Nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny amin\u2019ny toerana avo rehetra koa izy ireo, toy ny nataon\u2019ireo firenena nalefan\u2019i Jehovah sesitany tsy ho eo anatrehan\u2019izy ireo. Nanao ratsy foana izy ireo mba hampahatezitra an\u2019i Jehovah.",
        "12": "Mbola nanompo sampy maharikoriko foana izy ireo, nefa i Jehovah efa niteny hoe: \u201cAza manao an\u2019izany!\u201d",
        "13": "Efa nampitandrina ny Israely sy ny Joda foana i Jehovah, tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminaniny rehetra sy ny mpahita fahitana rehetra, hoe: \u201cMial\u00e0 amin\u2019ny lalan-dratsinareo! Araho ny didiko sy ny fitsipiko, araka ny lal\u00e0na rehetra izay nandidiako ny razambenareo sy nampitaiko taminareo tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany mpanompoko.\u201d",
        "14": "Tsy nihaino anefa izy ireo fa mbola mafy\u00a0loha ihany, hoatran\u2019ireo razambeny izay tsy naneho finoana an\u2019i Jehovah Andriamaniny.",
        "15": "Nolaviny foana ny fitsipik\u2019Andriamanitra, sy ny fifanekena nataony tamin\u2019ny razambeny, ary ny fampahatsiahivana nomeny mba hampitandremana azy ireo. Ary nanompo sampy tsy misy dikany izy ireo, hoatran\u2019ireo firenena nanodidina azy, ka lasa tsy nisy dikany koa. Efa nandidy azy ireo anefa i Jehovah mba tsy hanao toa an\u2019ireny firenena ireny.",
        "16": "Tsy narahin\u2019izy ireo intsony ny didy rehetra nomen\u2019i Jehovah Andriamaniny, ary nanao sarivongana zanak\u2019omby roa tamin\u2019ny metaly izy ireo sady nanao tsato-kazo masina. Niankohoka tamin\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra koa izy ireo, ary nanompo an\u2019i Bala.",
        "17": "Nandoro ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo koa izy ireo, sady nanao sikidy sy nitady fambara. Ary tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah izy ireo, mba hampahatezitra azy.",
        "18": "Tezitra be tamin\u2019ny Israely \u00e0ry i Jehovah, ka nesoriny tsy ho eo imasony izy ireo. Tsy navelany hisy hiangana, afa-tsy ny fokon\u2019i Joda.",
        "19": "Na ny Joda koa aza tsy nankat\u00f2 ny didin\u2019i Jehovah Andriamaniny. Nanaraka ny fombafomba fanaon\u2019ny Israely izy ireo.",
        "20": "Nolavin\u2019i Jehovah ny taranak\u2019Israely manontolo, ka naetriny sady natolony teo an-tanan\u2019ny mpandroba. Nariany tanteraka tsy ho eo anatrehany izy ireo tamin\u2019ny farany.",
        "21": "Efa nendahany niala tamin\u2019ny taranak\u2019i Davida ny Israely, ka nataon\u2019izy ireo mpanjaka i Jeroboama zanak\u2019i Nebata. Nampiala ny Israely tsy hanaraka an\u2019i Jehovah anefa i Jeroboama, ka nahatonga azy ireo hanao fahotana lehibe.",
        "22": "Ary tsy nitsahatra nanao an\u2019ireo fahotana rehetra nataon\u2019i Jeroboama ny vahoakan\u2019Israely. Tsy niala tamin\u2019izany izy ireo,",
        "23": "mandra-panaisotr\u2019i Jehovah ny Israely tsy ho eo imasony, araka ny nolazainy tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany mpanompony rehetra. Koa nesorina tamin\u2019ny taniny ny Israely ka natao sesitany tany Asyria. Ary mbola any izy ireo hatramin\u2019izao.",
        "24": "Dia nitondra olona avy any Babylona, Kota, Ava, Hamata, ary Sefarvaima ny mpanjakan\u2019i Asyria, ary napetrany hisolo ny Israelita tao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Samaria ireo olona ireo. Dia lasan\u2019izy ireo i Samaria, ka nipetraka tao amin\u2019ireo tan\u00e0na tao izy ireo.",
        "25": "Tsy natahotra an\u2019i Jehovah izy ireo, tamin\u2019ny vao nipetraka tao. Nandefasan\u2019i Jehovah liona \u00e0ry izy ireo, ka novonoin\u2019ny liona ny sasany taminy.",
        "26": "Dia nisy nitatitra tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria hoe: \u201cTsy mahalala ny fivavahana amin\u2019ny Andriamanitr\u2019ilay tany ireo firenena nataonao sesitany sy napetrakao ao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Samaria. Koa andefasany liona foana ry zareo dia matin\u2019ny liona, satria tsy misy mahalala ny fivavahana amin\u2019ny Andriamanitr\u2019ilay tany.\u201d",
        "27": "Namoaka didy \u00e0ry ny mpanjakan\u2019i Asyria hoe: \u201cAsaivo miverina mipetraka any ny iray amin\u2019ny mpisorona nataonareo sesitany. Ary asaivo ampianariny azy ireo ny fivavahana amin\u2019ny Andriamanitr\u2019ilay tany.\u201d",
        "28": "Dia niverina nankany Samaria ny iray tamin\u2019ny mpisorona natao sesitany, ka nipetraka tao Betela. Ary nanomboka nampianatra azy ireo ny fomba hatahorana an\u2019i Jehovah izy.",
        "29": "Samy nanamboatra ny andriamaniny avy anefa ny firenena tsirairay, ka samy nametraka ny azy tao amin\u2019ireo trano fivavahana teny amin\u2019ny toerana avo nataon\u2019ny Samaritanina. Samy nanao an\u2019izany tao amin\u2019ny tan\u00e0na nipetrahany ny firenena tsirairay.",
        "30": "Ny olona avy any Babylona dia nanao an\u2019i Sokota-benota, ny avy any Kota nanao an\u2019i Nergala, ny avy any Hamata nanao an\u2019i Asima,",
        "31": "ary ny Avita nanao an\u2019i Nibaza sy Tartaka. Ny Sefarvita indray nandoro ny zanany tao anaty afo ho an\u2019i Adrameleka sy Anameleka andriamanitr\u2019i Sefarvaima.",
        "32": "Nanendry mpisoron\u2019ny toerana avo avy tamin\u2019ny sarambabem-bahoaka izy ireo, na dia natahotra an\u2019i Jehovah aza. Ireny no niasa ho azy ireo, ka nitarika ny fombafomba fanao tao amin\u2019ireo trano fivavahana teny amin\u2019ny toerana avo.",
        "33": "Natahotra an\u2019i Jehovah \u00e0ry izy ireo, saingy mbola nanompo an\u2019ireo andriamaniny ihany, araka ny fivavahan\u2019ireo firenena niaviany talohan\u2019ny sesitany.",
        "34": "Mbola manaraka ny fivavahany taloha ihany izy ireo hatramin\u2019izao. Tsy misy manompo an\u2019i Jehovah izy ireo, sady tsy misy manaraka ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany, na ny Lal\u00e0na sy didy nomen\u2019i Jehovah ny taranak\u2019i Jakoba, izay novany hoe Israely ny anarany.",
        "35": "Izao ny didy nomen\u2019i Jehovah ny Israelita tamin\u2019izy nanao fifanekena tamin\u2019izy ireo: \u201cAza matahotra andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy na manao sorona ho azy.",
        "36": "Fa i Jehovah izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta tamin-kery lehibe sy sandry mahery no tokony hatahoranareo. Izy no tokony hiankohofanareo, ary izy no tokony hanaovanareo sorona.",
        "37": "Tokony harahinareo tsara foana ny fitsipika, sy ny didim-pitsarana, sy ny Lal\u00e0na, ary ny didy nosoratany ho anareo. Aza matahotra andriamani-kafa.",
        "38": "Aza hadinoina ny fifanekena nataoko taminareo, ary aza matahotra andriamani-kafa.",
        "39": "I Jehovah Andriamanitrareo kosa no tokony hatahoranareo, fa izy no hamonjy anareo amin\u2019ny fahavalonareo rehetra.\u201d",
        "40": "Tsy nankat\u00f2 anefa ireny firenena ireny, fa ny fivavahany taloha ihany no narahiny.",
        "41": "Lasa natahotra an\u2019i Jehovah \u00e0ry izy ireny, nefa mbola nanompo an\u2019ireo sary sokitra nataony koa. Toy ny nataon\u2019ny razambeny ihany no ataon\u2019ny zanany sy ny zafikeliny hatramin\u2019izao."
    },
    "18": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona fahatelo nanjakan\u2019i Hosea zanak\u2019i Elaha mpanjakan\u2019ny Israely, no lasa mpanjaka i Hezekia zanak\u2019i Ahaza mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "2": "Tamin\u2019izy 25\u00a0taona no lasa mpanjaka, ary nanjaka 29\u00a0taona tao Jerosalema izy. Abia no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Zakaria izy io.",
        "3": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah foana i Hezekia, toy ny nataon\u2019i Davida razambeny.",
        "4": "Izy no nanala ny toerana avo sy namotipotika ny tsangambato masina ary nikapa ny tsato-kazo masina. Nopotipotehiny koa ilay bibilava varahina nataon\u2019i Mosesy. Mbola nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an\u2019io bibilava io mantsy ny vahoakan\u2019Israely hatramin\u2019izany fotoana izany. Nantsoina hoe sampy bibilava varahina ilay izy.",
        "5": "Natoky an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely i Hezekia. Ary tsy nisy tahaka azy ny mpanjakan\u2019ny Joda rehetra, na ny talohany na ny taoriany.",
        "6": "Nifikitra tamin\u2019i Jehovah izy, ary tsy niala taminy mihitsy. Nankatoaviny foana ireo didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "7": "Ary nanampy azy i Jehovah. Nanao zavatra tamim-pahendrena izy, na taiza na taiza nalehany. Nikomy tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria izy, ka tsy nety nanompo azy.",
        "8": "Resiny koa ny Filistinina hatrany Gaza sy ny faritra manodidina azy, nanomboka teo amin\u2019ny tilikambo fiambenana ka hatrany amin\u2019ny tan\u00e0na voaro mafy.",
        "9": "Niakatra hanafika an\u2019i Samaria i Salmanesera mpanjakan\u2019i Asyria tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakan\u2019i Hezekia Mpanjaka, izany hoe ny taona fahafito nanjakan\u2019i Hosea zanak\u2019i Elaha mpanjakan\u2019ny Israely. Ary nanao fahirano an\u2019ilay tan\u00e0na izy.",
        "10": "Dia azon\u2019izy ireo ilay tan\u00e0na rehefa hifarana ny telo taona. Tamin\u2019ny taona fahenina nanjakan\u2019i Hezekia no azon\u2019izy ireo i Samaria, izany hoe ny taona fahasivy nanjakan\u2019i Hosea mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "11": "Dia nataon\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria sesitany tany Asyria ny Israely, ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin\u2019ny reniranon\u2019i Gozana, ary tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019ny Medianina.",
        "12": "Tsy nihaino ny feon\u2019i Jehovah Andriamaniny mantsy izy ireo, fa nivadika tamin\u2019ny fifanekena nataony, dia izay rehetra nandidian\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah. Tsy nihaino izy ireo sady tsy nankat\u00f2.",
        "13": "Tamin\u2019ny taona faha-14 nanjakan\u2019i Hezekia Mpanjaka, dia niakatra hanafika an\u2019ireo tan\u00e0na voaro mafy rehetra tany Joda i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria, ka resiny ireny.",
        "14": "Koa naniraka olona nankany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria tany Lakisy i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda, mba hilaza hoe: \u201cDiso aho! Mandehana miverina fa aza mamely ahy, dia homeko anao izay rehetra takinao amiko.\u201d Nasain\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria nandoa volafotsy 300\u00a0talenta sy volamena 30 talenta \u00e0ry i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "15": "Dia nomen\u2019i Hezekia azy ny volafotsy rehetra tao an-tranon\u2019i Jehovah, sy tao amin\u2019ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka.",
        "16": "Tamin\u2019izany andro izany no nesorin\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda ny varavaran\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah sy ny tol\u00e0na izay efa nopetahany takela-bolamena. Dia nomeny ho an\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria izany.",
        "17": "Nirahin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria avy tao Lakisy ny Tartana sy Rabsarisa ary Rabsake sy ny miaramila be dia be, mba ho any amin\u2019i Hezekia Mpanjaka any Jerosalema. Niakatra nankany Jerosalema \u00e0ry izy ireo, dia nijanona teo akaikin\u2019ny lakandrano avy ao amin\u2019ny dobo ambony, teo amin\u2019ilay lalambe mankany amin\u2019ny sahan\u2019ny mpanasa lamba.",
        "18": "Dia nasain\u2019izy ireo nivoaka ho any aminy ny mpanjaka. I Eliakima zanak\u2019i Hilkia, izay niandraikitra ny ankohonan\u2019ny mpanjaka, sy Sebna mpitan-tsoratra, ary Joa zanak\u2019i Asafa, mpanoratra ny raharaham-panjakana, anefa no nivoaka nankeo amin\u2019izy ireo.",
        "19": "Dia hoy ilay Rabsake tamin\u2019izy ireo: \u201cMba lazao amin\u2019i Hezekia hoe: \u2018Izao no tenin\u2019ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan\u2019i Asyria: \u201cFa inona koa izany mba atokisanao izany?",
        "20": "Milaza ianao hoe: \u2018Izaho manana tetika sy hery hoentina miady.\u2019 Resa-be fotsiny anefa izany! Fa matoky an\u2019iza ianao no sahy mikomy amiko?",
        "21": "I Ejipta no mba atokisanao hoe hanampy anao. Bararata folaka anefa izy, ka ho voatsindrona ny tanan\u2019izay mitehina aminy dia ho loaka. Hoatr\u2019izany mihitsy i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta amin\u2019izay rehetra matoky azy.",
        "22": "Raha hilaza ianao hoe: \u2018Izahay matoky an\u2019i Jehovah Andriamanitray\u2019, fa angaha moa tsy izy no tompon\u2019ireo toerana avo sy alitara nesorinao, ry Hezekia, tamin\u2019ianao niteny tamin\u2019i Joda sy Jerosalema hoe: \u2018Mila miankohoka eto anoloan\u2019ity alitara eto Jerosalema ity ianareo\u2019?\u201d\u2019",
        "23": "Raha sahy mifaninana amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria tompoko \u00e0ry ianao, dia homeko soavaly 2\u00a0000, dia ho hita eo raha mahita mpitaingin-tsoavaly 2\u00a0000 ianao.",
        "24": "Ianao aza mila miantehitra amin\u2019i Ejipta vao manana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly. Koa na ny governora kely indrindra amin\u2019ny mpanompon\u2019ny tompoko aza ve dia ho vitanao ny hampitsoaka azy?",
        "25": "Ary angaha moa izaho tsy nahazo alalana avy tamin\u2019i Jehovah, matoa miakatra hanafika sy handrava an\u2019ity toerana ity? I Jehovah mihitsy no niteny tamiko hoe: \u2018Miakara dia tafiho io tany io, ary ravao.\u2019\u201d",
        "26": "Dia hoy i Eliakima zanak\u2019i Hilkia, sy Sebna, ary Joa tamin\u2019ilay Rabsake: \u201cMba ataovy amin\u2019ny teny aramianina re ny zavatra resahinao aminay mpanomponao\u00a0e! Azonay ihany mantsy izany. Aza mampiasa fitenin\u2019ny Jiosy fa henon\u2019ny olona eny ambony manda.\u201d",
        "27": "Hoy anefa ilay Rabsake: \u201cAngaha ianao sy ny tomponao fotsiny no nasain\u2019ny tompoko hilazana an\u2019izany, fa tsy ireo olona mipetraka eny ambony manda ireo koa? Ireo koa ange hihinana ny tsy fihinany sy hisotro ny tsy fisotrony miaraka aminareo\u00a0e!\u201d",
        "28": "Dia nitsangana ilay Rabsake, ka niteny mafy tamin\u2019ny fitenin\u2019ny Jiosy hoe: \u201cHenoy ny tenin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria, ilay mpanjaka lehibe!",
        "29": "Hoy ny mpanjaka: \u2018Aza manaiky hofitahin\u2019i Hezekia, fa tsy mahavonjy anareo eo an-tanako izy.",
        "30": "Dia aza manaiky hotaomin\u2019i Hezekia hatoky an\u2019i Jehovah, rehefa miteny izy hoe: \u201cTena hamonjy antsika i Jehovah, ary tsy havela ho resin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria ity tan\u00e0na ity.\u201d",
        "31": "Aza mihaino an\u2019i Hezekia, fa izao no tenin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria: \u201cMihav\u00e0na amiko dia aoka ianareo hitolo-batana. Dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ianareo, ary samy hisotro rano avy ao anatin\u2019ny lavaka fanangonan-dranony.",
        "32": "Avy eo dia ho tonga aho, dia hoentiko any amin\u2019ny tany mitovy amin\u2019ny taninareo ianareo, dia tany misy varimbazaha sy divay vaovao, tany misy mofo sy tanimboaloboka, ary tany misy hazo oliva sy tantely. Dia ho velona ianareo fa tsy ho faty. Aza mihaino an\u2019i Hezekia, fa mamitaka anareo izy raha milaza hoe: \u2018Hamonjy antsika i Jehovah!\u2019",
        "33": "Fa angaha nisy andriamanitry ny firenen-kafa nahavita namonjy ny taniny teo an-tanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria?",
        "34": "Aiza izao ireo andriamanitr\u2019i Hamata sy Arpada? Dia aiza ireo andriamanitr\u2019i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavita namonjy an\u2019i Samaria teo an-tanako angaha ireny?",
        "35": "Iza tamin\u2019ny andriamanitra rehetra ivavahan\u2019ireo firenena no nahavonjy ny taniny teo am-pelatanako? Dia i Jehovah ve dia hahavita hamonjy an\u2019i Jerosalema eto am-pelatanako?\u201d\u2019\u201d",
        "36": "Nangina anefa ny vahoaka, ka tsy namaly azy na indraim-bava aza, satria efa nahazo baiko tamin\u2019ny mpanjaka hoe: \u201cAza mamaly azy.\u201d",
        "37": "Nankao amin\u2019i Hezekia kosa i Eliakima zanak\u2019i Hilkia, izay niandraikitra ny ankohonan\u2019ny mpanjaka, sy Sebna mpitan-tsoratra, ary Joa zanak\u2019i Asafa, mpanoratra ny raharaham-panjakana. Samy efa nandrovitra ny akanjony izy ireo tamin\u2019izay. Dia notantarainy tamin\u2019i Hezekia ny tenin\u2019ilay Rabsake."
    },
    "19": {
        "1": "Raha vao henon\u2019i Hezekia Mpanjaka izany, dia norovitiny ny akanjony. Ary nitafy lamba gony izy ka nankao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "2": "Dia nirahiny ho any amin\u2019i Isaia mpaminany zanak\u2019i Amoza, i Eliakima izay niandraikitra ny ankohonan\u2019ny mpanjaka, sy Sebna mpitan-tsoratra, ary ireo anti-panahy mpisorona. Ary nitafy lamba gony daholo ireo.",
        "3": "Hoy izy ireo tamin\u2019i Isaia: \u201cIzao no tenin\u2019i Hezekia: \u2018Andro fahoriana sy fanaovana teny henjana ary fanalam-baraka ity andro ity, satria efa ho latsaka ny zaza, fa ny hery hiterahana azy no tsy misy.",
        "4": "Angamba ho henon\u2019i Jehovah Andriamanitrao daholo ny tenin\u2019ilay Rabsake, ilay nirahin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria tompony mba hila ady amin\u2019ilay Andriamanitra velona. Dia hosazin\u2019i Jehovah Andriamanitrao izy noho izany teniny izany. Koa mba mivavaha ho an\u2019izay sisa mbola velona.\u2019\u201d",
        "5": "Nankany amin\u2019i Isaia \u00e0ry ny mpanompon\u2019i Hezekia Mpanjaka.",
        "6": "Dia hoy i Isaia tamin\u2019izy ireo: \u201cLazao amin\u2019ny tomponareo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAza matahotra na dia naheno an\u2019izany teny izany aza ianao, dia izay notenenin\u2019ny mpanompon\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria tamin\u2019izy ireo nanevateva ahy.",
        "7": "Fa misy hevitra hampidiriko ao an-tsainy, dia hody any amin\u2019ny taniny izy rehefa avy maheno tatitra. Dia hataoko matin\u2019ny sabatra any amin\u2019ny taniny ihany izy.\u201d\u2019\u201d",
        "8": "Henon\u2019ilay Rabsake fa efa niala tany Lakisy ny mpanjakan\u2019i Asyria. Dia niverina tany amin\u2019ny mpanjaka izy ka nahita azy niady tamin\u2019i Libna.",
        "9": "Ary nisy niteny tamin\u2019ny mpanjaka hoe nivoaka hiady aminy i Tiraka mpanjakan\u2019i Etiopia. Naniraka olona nankany amin\u2019i Hezekia indray \u00e0ry izy, sady niteny hoe:",
        "10": "\u201cIzao no holazainareo amin\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda: \u2018Aza manaiky hofitahin\u2019ilay Andriamanitrao izay itokisanao ka hiteny hoe: \u201cTsy ho resin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria i Jerosalema.\u201d",
        "11": "Efa henonao ny nataon\u2019ireo mpanjakan\u2019i Asyria, dia ny nandravany ny tany rehetra. Dia ianao irery ve no ho voavonjy?",
        "12": "Tamin\u2019ireny firenena naringan\u2019ny razambeko ireny, mba nisy nahavita namonjy azy angaha ny andriamaniny? Aiza izao i Gozana sy Harana sy Rezefa ary ny mponin\u2019i Edena tao Tela-asara?",
        "13": "Dia aiza ny mpanjakan\u2019i Hamata, ny mpanjakan\u2019i Arpada, ny mpanjakan\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Sefarvaima, ary ny mpanjakan\u2019i Hena sy Iva?\u2019\u201d",
        "14": "Nalain\u2019i Hezekia teny an-tanan\u2019ireo iraka ny taratasy ka novakiny. Dia niakatra tao an-tranon\u2019i Jehovah izy avy eo, ka namelatra an\u2019ireny teo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "15": "Ary nivavaka teo anatrehan\u2019i Jehovah i Hezekia hoe: \u201cRy Jehovah Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4! Mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandriananao eo ambonin\u2019ny kerobima ianao. Ianao irery no tena Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany. Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.",
        "16": "Jehovah\u00a0\u00f4, aoka ianao mba hanongilan-tsofina ka hihaino! Mba sokafy ny masonao, Jehovah\u00a0\u00f4, ka mijere! Henoy ny teny nampitondrain\u2019i Sankeriba, fa mila ady amin\u2019ilay Andriamanitra velona izy.",
        "17": "Jehovah\u00a0\u00f4, efa noravan\u2019ireo mpanjakan\u2019i Asyria tokoa ireo firenena sy ny taniny.",
        "18": "Ary nodorany ny andriamanitr\u2019izy ireny, satria tsy andriamanitra fa vato aman-kazo sady asa tanan\u2019olona ihany. Izany no nahatonga azy ireo ho afaka namotika an\u2019ireny.",
        "19": "Fa mba vonjeo eo an-tanany re izahay izao, ry Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4! Amin\u2019izay dia ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany, Jehovah\u00a0\u00f4, fa ianao irery ihany no Andriamanitra.\u201d",
        "20": "Dia naniraka olona nankany amin\u2019i Hezekia i Isaia zanak\u2019i Amoza, hilaza hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Efa henoko ny vavaka nataonao tamiko momba an\u2019i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria.",
        "21": "Koa izao no nolazain\u2019i Jehovah mba hanamelohana azy: \u201cManao tsinontsinona anao i Ziona zanakavavy virjiny, sady maneso anao. Mihivingivin-doha i Jerosalema zanakavavy mahita anao.",
        "22": "Mila ady amin\u2019iza ianao, ary maniratsira an\u2019iza? Iza no tabatabainao, Ary mianjonanjona amin\u2019iza ianao? Tsy amin\u2019iza fa amin\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely!",
        "23": "Ny iraka nalefanao no nirahinao hila ady amin\u2019i Jehovah, ka hoy ianao: \u2018Hoentiko ny kalesy be dia be fitondra miady Dia hiakatra eny amin\u2019ny tendrombohitra avo indrindra aho, Any amin\u2019ny faritra lavitra indrindra ao Lib\u00e0na. Hokapaiko ny hazo sedera avo sy ny hazo zenevrie tsara indrindra any. Dia hiditra ao amin\u2019ny toerana fiafenana faran\u2019izay lavitra aho, any amin\u2019ny alany faran\u2019izay mikitroka.",
        "24": "Handavaka lava-drano aho ary hisotro rano avy any an-tany hafa. Hataoko ritra ny renirano rehetra any Ejipta ka ny faladiako no hanaovako an\u2019izany.\u2019",
        "25": "Angaha tsy efa henonao fa izany no efa tapaka hatry ny ela be? Efa hatramin\u2019ny taloha aho no nanomana an\u2019izany, Dia hotanterahiko izany izao. Hataonao tsy misy mponina intsony ny tan\u00e0na voaro mafy ka ho korontam-bato sisa.",
        "26": "Tsy ho afa-manoatra ny mponina\u00a0ao. Hatahotra be sy ho menatra izy ireo. Ho lasa hoatran\u2019ny zavamaniry eny an-tsaha sy ny ahitra maitso izy ireo, Ary ho lasa hoatran\u2019ny ahitra eny amin\u2019ny tafo, dia ahitra mainan\u2019ny rivotra avy any atsinanana.",
        "27": "Fantatro tsara anefa ianao na rehefa mipetraka, na rehefa miditra, na rehefa mivoaka. Fantatro tsara koa rehefa tezitra be amiko ianao,",
        "28": "Satria efa tonga at\u1ef3 am-poto-tsofiko ny teninao tamin\u2019ianao tezitra be tamiko sy nitabataba\u00a0be. Dia hasiako faraingo ny oronao, ary hasiako lamboridy eo amin\u2019ny vavanao, Ka hotaritiko hiverina any amin\u2019ny lalana niavianao ianao.\u201d",
        "29": "\u201c\u2018Ary izao no ho famantarana ho anao: Izay zavatra maniry ho azy no hataonareo sakafo amin\u2019ity taona ity. Dia izay vokatra avy amin\u2019izany indray no hohaninareo amin\u2019ny herintaona. Amin\u2019ny taona fahatelo kosa dia hamafy voa ianareo ka hijinja, ary hamboly voaloboka, dia hihinana ny vokatra avy amin\u2019izany.",
        "30": "Ary hisy fakany lalina sy hamoa ireo tafavoaka velona amin\u2019ny taranak\u2019i Joda, dia izay sisa tavela.",
        "31": "Fa hisy sisa hiangana avy ao Jerosalema, ary hisy ho tafavoaka velona avy any amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona. Ny hafanam-pon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no hanatanteraka an\u2019izany.",
        "32": "\u201c\u2018Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah momba ny mpanjakan\u2019i Asyria: \u201cTsy ho tafiditra ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity izy, Na handefa zana-tsip\u00ecka ato, Na hiady amin\u2019ity tan\u00e0na ity miaraka amin\u2019ny ampinga, Na hampiakatra dongon-tany hanaovana fahirano azy.",
        "33": "Ny lalana niaviany ihany no hiverenany. Tsy ho tafiditra ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity izy\u201d, hoy i Jehovah.",
        "34": "\u201cFa hiaro an\u2019ity tan\u00e0na ity aho, ka hamonjy azy noho ny anarako, Sy noho ny amin\u2019i Davida mpanompoko.\u201d\u2019\u201d",
        "35": "Ny alin\u2019iny dia tonga ilay anjelin\u2019i Jehovah ka nandripaka lehilahy 185\u00a0000 tao amin\u2019ny tobin\u2019ny Asyrianina. Rehefa nifoha maraina \u00e0ry ny olona, dia hitany ny fatin\u2019izy rehetra.",
        "36": "Dia lasa niverina tany Ninive i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria ary nijanona tany.",
        "37": "Ary namono azy tamin\u2019ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy, tamin\u2019izy niankohoka tao amin\u2019ny tranon\u2019i Nisroka andriamaniny. Dia nandositra tany Ararata izy roa lahy. Ary i Esara-hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy."
    },
    "20": {
        "1": "Tamin\u2019izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia. Ary tonga tao aminy i Isaia mpaminany zanak\u2019i Amoza, ka niteny hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Mamel\u00e0 hafatra amin\u2019ny ankohonanao, satria ho faty ianao fa tsy ho sitrana.\u2019\u201d",
        "2": "Dia nitodika tany amin\u2019ny rindrina i Hezekia ka nivavaka tamin\u2019i Jehovah hoe:",
        "3": "\u201cMitalaho aminao aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Mba tsarovy re aho fa tsy nivadika taminao\u00a0e, sady nanompo anao tamin\u2019ny foko manontolo! Nanao izay tsara teo imasonao koa aho.\u201d Dia nitomany be izy.",
        "4": "Mbola tsy tafavoaka teny amin\u2019ny tokotany afovoany akory i Isaia, dia niteny taminy i Jehovah hoe:",
        "5": "\u201cMiverena any amin\u2019i Hezekia mpitarika ny vahoakako, dia lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah, Andriamanitr\u2019i Davida razambenao: \u201cEfa henoko ny vavaka nataonao, ary efa hitako ny ranomasonao. Koa hanasitrana anao aho, dia hiakatra any an-tranon\u2019i Jehovah ianao rahafakampitso.",
        "6": "Hampiako 15\u00a0taona ny andro hiainanao. Ary hovonjeko eo an-tanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria ianao sy ity tan\u00e0na ity, ka harovako ity tan\u00e0na ity noho ny amin\u2019ny anarako sy noho ny amin\u2019i Davida mpanompoko.\u201d\u2019\u201d",
        "7": "Dia hoy i Isaia: \u201cMitondr\u00e0 mofo vita amin\u2019ny aviavy maina noporetina.\u201d Koa nitondran\u2019izy ireo izy, ka napetany teo amin\u2019ilay fery izany. Dia nihasitrana i Hezekia.",
        "8": "Efa nanontany an\u2019i Isaia i Hezekia talohan\u2019izay hoe: \u201cInona no famantarana fa hositranin\u2019i Jehovah aho, ka hiakatra any an-tranon\u2019i Jehovah rahafakampitso?\u201d",
        "9": "Dia hoy i Isaia: \u201cIzao no famantarana avy amin\u2019i Jehovah mba hahalalanao fa hotanterahin\u2019i Jehovah ny teniny: Tianao hiroso zanatohatra folo ve ny aloka, sa hihemotra zanatohatra folo?\u201d",
        "10": "Dia hoy i Hezekia: \u201cMora amin\u2019ny aloka ny mandroso zanatohatra folo noho ny mihemotra zanatohatra folo.\u201d",
        "11": "Niantso an\u2019i Jehovah \u00e0ry i Isaia mpaminany, ka nataony nihemotra zanatohatra folo ny aloka izay efa nidina teo amin\u2019ny zanatohatr\u2019i Ahaza.",
        "12": "Tamin\u2019izany andro izany, dia nandefa taratasy sy fanomezana ho an\u2019i Hezekia i Berodaka-baladana mpanjakan\u2019i Babylona, zanak\u2019i Baladana. Henony mantsy hoe narary i Hezekia.",
        "13": "Nandray an\u2019ireo iraka i Hezekia, ka nasehony azy ireo ny zava-drehetra tao amin\u2019ny fitehirizan-karenany, dia ny volafotsy, ny volamena, ny menaka balsama, ny menaka sarobidy hafa, ny fitaovam-piadiany, ary izay rehetra tao amin\u2019ny fitehirizan-karenany. Tsy nisy tsy nasehon\u2019i Hezekia azy ny tao an-tranony sy ny tao amin\u2019ny fanjakany manontolo.",
        "14": "Taorian\u2019izay, dia nankao amin\u2019i Hezekia Mpanjaka i Isaia mpaminany, ka nanontany hoe: \u201cInona no nolazain\u2019ireny olona ireny, ary avy aiza, hono, ry zareo?\u201d Dia hoy i Hezekia: \u201cAvy any an-tany lavitra ry zareo, avy any Babylona.\u201d",
        "15": "Nanontany indray i Isaia hoe: \u201cInona no hitan-dry zareo tato an-tranonao?\u201d Dia hoy i Hezekia: \u201cHitany daholo izay rehetra ato an-tranoko. Tsy nisy tsy nasehoko azy ny tao amin\u2019ny fitehirizan-karenako.\u201d",
        "16": "Dia hoy i Isaia tamin\u2019i Hezekia: \u201cHenoy ny tenin\u2019i Jehovah:",
        "17": "\u2018Ho avy ny andro hitondrana an\u2019izay rehetra ato an-tranonao any Babylona. Hoentina any koa izay rehetra notehirizin\u2019ny razambenao hatramin\u2019izao. Tsy hisy na inona na inona ho tavela\u2019, hoy i Jehovah.",
        "18": "\u2018Hisy hoentina any koa ny zanakao lahy izay haterakao, ka ho lasa tandapa any amin\u2019ny lapan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona.\u2019\u201d",
        "19": "Dia hoy i Hezekia tamin\u2019i Isaia: \u201cMety izany tenin\u2019i Jehovah nolazainao izany.\u201d Hoy koa izy: \u201cTsara raha mba misy fiadanana sy filaminana mandritra ny androm-piainako.\u201d",
        "20": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Hezekia, izany hoe ny heriny rehetra sy ny nanaovany an\u2019ilay dobo sy lakandrano nitarihany rano nankao an-tan\u00e0na?",
        "21": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Hezekia, ary i Manase zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "21": {
        "1": "Lasa mpanjaka i Manase tamin\u2019izy 12\u00a0taona, ary nanjaka 55\u00a0taona tao Jerosalema izy. Hefziba no anaran-dreniny.",
        "2": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah i Manase, ka nanao an\u2019ireo zava-maharikoriko fanaon\u2019ireo firenena efa noroahin\u2019i Jehovah hiala teo anatrehan\u2019ny vahoakan\u2019Israely.",
        "3": "Naoriny indray ireo toerana avo efa noravan\u2019i Hezekia rainy. Nanangana alitara ho an\u2019i Bala sy nanao tsato-kazo masina koa izy, hoatran\u2019ny nataon\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely. Dia niankohoka tamin\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra izy, ka nanompo an\u2019ireny.",
        "4": "Nanorina alitara tao an-tranon\u2019i Jehovah koa izy. Io trano io anefa ilay efa notenenin\u2019i Jehovah hoe: \u201cAo Jerosalema no hametrahako ny anarako.\u201d",
        "5": "Dia nanorina alitara ho an\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra izy, teo amin\u2019ny tokotany roa amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "6": "Ary nandoro ny zanany lahy tao anaty afo izy. Nampiasa herin\u2019ny maizina sy nitady fambara koa izy, ary nanendry mpamoha angatra sy mpilaza ny hoavy. Nanao zava-dratsy be dia be teo imason\u2019i Jehovah izy mba hampahatezitra azy.",
        "7": "Napetrany tao amin\u2019ilay trano ilay sary sokitra nataony, izany hoe ilay tsato-kazo masina. Io trano io anefa ilay efa notenenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Davida sy Solomona zanany hoe: \u201cAto amin\u2019ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely, no hametrahako foana ny anarako.",
        "8": "Ary tsy havelako hirenireny hiala eo amin\u2019ny tany nomeko ny razambeny intsony ny tongotry ny Israely, raha arahin\u2019izy ireo tsara ny didy rehetra nomeko, dia ny Lal\u00e0na rehetra nandidian\u2019i Mosesy mpanompoko azy.\u201d",
        "9": "Tsy nankat\u00f2 anefa izy ireo. Ary notaomin\u2019i Manase hanao ratsy foana izy ireo, ka ny ratsy vitan\u2019izy ireo dia mbola mihoatra noho ny nataon\u2019ireo firenena naringan\u2019i Jehovah tsy ho eo anatrehan\u2019ny Israelita.",
        "10": "Hoy foana i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany mpanompony:",
        "11": "\u201cNanao an\u2019ireo zava-maharikoriko rehetra ireo i Manase mpanjakan\u2019ny Joda. Nahavita zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra vitan\u2019ny Amorita talohany izy, sady nahatonga ny Joda hanota satria nanao sampy maharikoriko.",
        "12": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Hahatonga loza lehibe amin\u2019i Jerosalema sy Joda aho, ka izay maheno momba an\u2019izany dia hangorintsina ny sofiny roa.",
        "13": "Ary hohenjaniko eo amin\u2019i Jerosalema ny tady fandrefesana nampiasaina tamin\u2019i Samaria. Hampiasa fitaovana fijerena an\u2019izay tsy mitovy tantana koa aho, hoatran\u2019ny nampiasaina tamin\u2019ny taranak\u2019i Ahaba. Dia hodioviko i Jerosalema, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny olona manadio vilia baolina, ka fafany ilay izy dia ahohony.",
        "14": "Hafoiko ny sisa amin\u2019ny lovako ka hataoko resin\u2019ny fahavalony. Dia hobaboin\u2019ny fahavalony rehetra sy horobainy izy ireo,",
        "15": "satria nanao izay ratsy teo imasoko. Nampahatezitra ahy foana koa izy ireo, hatramin\u2019ny andro nivoahan\u2019ny razambeny avy tany Ejipta ka hatramin\u2019izao.\u2019\u201d",
        "16": "Ary nandatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny be dia be i Manase ka nofenoiny ra i Jerosalema. Efa nahatonga ny Joda hanota koa izy, ka nanjary nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "17": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Manase, izany hoe izay rehetra nataony sy ny fahotana vitany?",
        "18": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Manase, ka nalevina tao amin\u2019ny zaridainan\u2019ny tranony, tao amin\u2019ny zaridainan\u2019i Oza. Ary i Amona zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "19": "Lasa mpanjaka i Amona tamin\u2019izy 22\u00a0taona, ary nanjaka roa taona tao Jerosalema izy. Mesolemeta no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Haroza avy any Jotba izy io.",
        "20": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana i Amona, toy ny nataon\u2019i Manase rainy.",
        "21": "Nanao hoatran\u2019izay rehetra nataon-drainy foana izy, sady nanompo an\u2019ireo sampy maharikoriko notompoin-drainy, ary niankohoka teo anatrehan\u2019ireny.",
        "22": "Niala tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny \u00e0ry izy, sady tsy nandeha tamin\u2019ny lalan\u2019i Jehovah.",
        "23": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niray tetika hamely an\u2019i Amona Mpanjaka ny mpanompony, ka namono azy ho faty tao an-tranony ihany.",
        "24": "Novonoin\u2019ny vahoaka anefa izay rehetra niray tetika hamono an\u2019i Amona Mpanjaka, ary i Josia zanany no nataon\u2019izy ireo mpanjaka nandimby azy.",
        "25": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Amona, izany hoe izay nataony?",
        "26": "Dia nalevin\u2019izy ireo tao amin\u2019ny fasany, tao amin\u2019ny zaridainan\u2019i Oza, izy. Ary i Josia zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "22": {
        "1": "Lasa mpanjaka i Josia tamin\u2019izy valo taona, ary nanjaka 31\u00a0taona tao Jerosalema izy. Jedida no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Adaia avy any Bozkata izy io.",
        "2": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah i Josia, sady nanao hoatran\u2019izay rehetra nataon\u2019i Davida razambeny. Tsy niala tamin\u2019izany izy, na nivily niankavanana na niankavia.",
        "3": "Tamin\u2019ny taona faha-18 nanjakan\u2019i Josia Mpanjaka, dia nirahiny ho any an-tranon\u2019i Jehovah i Safana mpitan-tsoratra, zanak\u2019i Azalia zanak\u2019i Mesolama. Nilaza taminy izy hoe:",
        "4": "\u201cMiakara any amin\u2019i Hilkia mpisoronabe, ary asaivo angoniny daholo ny vola nentin\u2019ny olona tao an-tranon\u2019i Jehovah, izany hoe ny vola voangon\u2019ny mpiandry varavarana.",
        "5": "Dia asaivo omeny an\u2019ireo voatendry hiandraikitra ny asa ao an-tranon\u2019i Jehovah ilay vola. Ireo indray no hanome izany an\u2019ireo mpiasa ao an-tranon\u2019i Jehovah, izay hanamboatra ny simba amin\u2019ilay trano,",
        "6": "dia ny mpanao asa tanana sy ny mpanao trano ary ny mpandatsa-biriky. Io vola io no hividianan-dry zareo hazo sy vato voapaika hanamboarana an\u2019ilay trano.",
        "7": "Tsy tokony hanontaniana azy ireo anefa ny fomba hampiasany an\u2019ilay vola nomena azy, satria mendri-pitokisana izy ireo.\u201d",
        "8": "Tat\u1ef3 aoriana, dia hoy i Hilkia mpisoronabe tamin\u2019i Safana mpitan-tsoratra: \u201cHitako tao an-tranon\u2019i Jehovah ny boky misy ny Lal\u00e0na.\u201d Dia nomeny an\u2019i Safana ilay boky, ka novakin\u2019i Safana.",
        "9": "Ary nankao amin\u2019ny mpanjaka i Safana mpitan-tsoratra, ka niteny taminy hoe: \u201cEfa nangonin\u2019ny mpanomponao ny vola azo tao an-tranon\u2019i Jehovah, ka nomeny an\u2019ireo voatendry hanao ny asa ao amin\u2019ilay trano.\u201d",
        "10": "Hoy koa i Safana mpitan-tsoratra tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cMisy boky nomen\u2019i Hilkia mpisorona ahy ity!\u201d Dia novakin\u2019i Safana teo anatrehan\u2019ny mpanjaka ilay izy.",
        "11": "Vao naheno an\u2019izay voalaza tao amin\u2019ilay boky misy ny Lal\u00e0na ny mpanjaka, dia norovitiny ny akanjony.",
        "12": "Dia nomen\u2019ny mpanjaka an\u2019izao baiko izao i Hilkia mpisorona, Ahikama zanak\u2019i Safana, Akbora zanak\u2019i Mikaia, Safana mpitan-tsoratra, ary Asaia mpanompon\u2019ny mpanjaka:",
        "13": "\u201cMandehana misolo tena ahy sy ny vahoaka ary ny Joda rehetra, ka anontanio i Jehovah momba an\u2019ireo teny ao amin\u2019io boky vao hita io. Fa tezitra be i Jehovah, satria tsy nankat\u00f2 ny teny voalaza ao amin\u2019io boky io ny razambentsika. Tsy narahin\u2019 izy ireo izay rehetra voasoratra momba antsika.\u201d",
        "14": "Nankany amin\u2019i Holda mpaminanivavy \u00e0ry i Hilkia mpisorona, Ahikama, Akbora, Safana, ary Asaia. Vadin\u2019i Saloma zanak\u2019i Tikva zanak\u2019i Harasa i Holda, ary mpikarakara ny fitoeran\u2019akanjo i Saloma. Nipetraka tao amin\u2019ny tan\u00e0na vaovao tao Jerosalema i Holda, ka tao izy ireo no niresaka taminy.",
        "15": "Dia hoy i Holda: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Lazao amin\u2019ilay lehilahy naniraka anareo ho at\u1ef3 amiko hoe:",
        "16": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Hahatonga loza amin\u2019ity toerana ity sy ny mponina eo aminy aho, araka ny teny rehetra ao amin\u2019ilay boky novakin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "17": "Niala tamiko izy ireo ka nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an\u2019andriamani-kafa, mba hampahatezitra ahy amin\u2019ny asan\u2019ny tanany rehetra. Ho tezitra amin\u2019ity toerana ity \u00e0ry aho ka ho toy ny afo tsy mety maty ny hatezerako.\u2019\u201d",
        "18": "Izao kosa lazaina amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda, izay naniraka anareo hanontany an\u2019i Jehovah: \u201cIzao no nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba an\u2019izay henonao:",
        "19": "\u2018Mora nandray anatra ny fonao ka nanetry tena teo anatrehan\u2019i Jehovah ianao, rehefa nandre ny nanamelohako an\u2019ity toerana ity sy ny mponina ao aminy.\u2014Nilaza mantsy aho hoe hihorohoro ny olona hahita an\u2019izay hanjo azy ireo ary ho voaozona izy ireo.\u2014Ary nandrovitra ny akanjonao ianao ka nitomany teo anatrehako. Noho izany, dia nihaino anao koa aho, hoy i Jehovah.",
        "20": "Koa hangoniko any amin\u2019ny razambenao ianao, ary halevina any amin\u2019ny fasanao amin\u2019ny fotoana mampilamina ny tany, ka tsy ho hitan\u2019ny masonao ny loza rehetra hamelezako an\u2019ity toerana ity.\u2019\u201d\u2019\u201d Dia nolazain\u2019izy ireo tamin\u2019ny mpanjaka izany valin-teny izany."
    },
    "23": {
        "1": "Naniraka olona \u00e0ry ny mpanjaka mba hiantso ny anti-panahy rehetra tao Joda sy Jerosalema.",
        "2": "Niakatra nankao an-tranon\u2019i Jehovah avy eo ny mpanjaka niaraka tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda, ny mponina rehetra tao Jerosalema, ny mpisorona, ary ny mpaminany, izany hoe ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe. Dia novakin\u2019ny mpanjaka tamin\u2019izy ireo ny teny rehetra tao amin\u2019ilay bokin\u2019ny fifanekena hita tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "3": "Nijoro teo akaikin\u2019ny andry ny mpanjaka, ary nanao fifanekena teo anatrehan\u2019i Jehovah hoe hankat\u00f2 an\u2019i Jehovah sady hanaraka ny didiny sy ny fampahatsiahivany ary ny lal\u00e0ny amin\u2019ny fony manontolo sy ny tenany manontolo, ka hanatanteraka an\u2019izay voalazan\u2019ilay fifanekena voasoratra tao amin\u2019ilay boky. Dia nanaiky an\u2019ilay fifanekena ny vahoaka rehetra.",
        "4": "Ary nomen\u2019ny mpanjaka baiko i Hilkia mpisoronabe sy ny mpisorona hafa ary ny mpiandry varavarana, mba hamoaka avy tao amin\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah ny fitaovana rehetra natao ho an\u2019i Bala sy ho an\u2019ny tsato-kazo masina ary ho an\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra. Dia nodoran\u2019ny mpanjaka teny ivelan\u2019i Jerosalema ireny, teny amin\u2019ny tanimboly mikitohatohatr\u2019i Kidrona, ary nentiny tany Betela ny lavenony.",
        "5": "Nesoriny tamin\u2019ny asany \u00e0ry ireo mpisoron\u2019ny andriamani-kafa, izay notendren\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda handoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny amin\u2019ny toerana avo tao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda sy ny manodidina an\u2019i Jerosalema. Nesoriny koa ireo nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an\u2019i Bala, ho an\u2019ny masoandro, ny volana, ireo antokon-kintana fijerena tononandro, ary ho an\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra.",
        "6": "Navoakany avy tao an-tranon\u2019i Jehovah ny tsato-kazo masina ka nentiny teny ivelan\u2019i Jerosalema, teny amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kidrona. Dia nodorany izany ka notorotoroiny ho lasa vovoka, ary nafafiny teny amin\u2019ny fasam-bahoaka ilay vovoka.",
        "7": "Noravany koa ny tranon\u2019ireo lehilahy mpivaro-tenan\u2019ny tempoly, tao an-tranon\u2019i Jehovah. Tao amin\u2019ireny trano ireny ny vehivavy no nanenona tranolay masina fitoeran\u2019ny tsato-kazo masina.",
        "8": "Nasain\u2019ny mpanjaka nivoaka avy tao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Joda avy\u00a0eo ny mpisorona rehetra. Ary nozimbazimbainy ny toerana avo nandoroan\u2019ny mpisorona fanatitra mba hidona-tsetroka, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba, amin\u2019izay dia tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. Noravany koa ny toerana avo teny amin\u2019ireo vavahady teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019i Josoa lehiben\u2019ny tan\u00e0na, izay eo ankavia raha miditra avy eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na.",
        "9": "Tsy nanompo teo amin\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah tany Jerosalema ny mpisoron\u2019ny toerana avo, nefa nihinana mofo tsy misy lalivay niaraka tamin\u2019ny rahalahiny ihany.",
        "10": "Nozimbazimbainy koa i Tofeta, izay eo amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. Amin\u2019izay dia tsy misy afaka mandoro ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo ho an\u2019i Moleka intsony eo.",
        "11": "Ary tsy navelany hiditra tao an-tranon\u2019i Jehovah avy teo amin\u2019ny efitr\u2019i Natana-meleka tandapa, teo amin\u2019ny lala-mitafo, ny soavaly natokan\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ho an\u2019ny masoandro. Nodorany koa ireo kalesin\u2019ny masoandro.",
        "12": "Ary narodany ny alitara nataon\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda teo ambonin\u2019ny tafon\u2019ilay efitra tany an-tampon-tranon\u2019i Ahaza, sy ny alitara nataon\u2019i Manase teo amin\u2019ny tokotany roa amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Notorotoroiny izy ireny, ary nafafiny teny amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kidrona ny vovony.",
        "13": "Ary nozimbazimbain\u2019ny mpanjaka ireo toerana avo tandrifin\u2019i Jerosalema, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. Teo atsimon\u2019ny Tendrombohitry ny Faharavana no nisy an\u2019ireo toerana avo ireo, izay naorin\u2019i Solomona mpanjakan\u2019ny Israely ho an\u2019i Astarta, ilay andriamanibavy maharikoriko notompoin\u2019ny Sidonianina, sy ho an\u2019i Kemosy, ilay andriamanitra maharikoriko notompoin\u2019ny Moabita, ary ho an\u2019i Milkoma, ilay andriamanitra maharikoriko notompoin\u2019ny Amonita.",
        "14": "Nopotipotehin\u2019ny mpanjaka ny tsangambato masina ary nokapainy ny tsato-kazo masina, ka nofenoiny taolam-paty ny toerana nisy an\u2019ireny.",
        "15": "Narodany koa ilay alitara tao Betela sy ilay toerana avo nataon\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata, izay nahatonga ny Israely hanota. Rehefa avy narodany ilay alitara sy ilay toerana avo, dia nodorany ilay toerana avo ka notorotoroiny ho lasa vovoka. Nodorany koa ny tsato-kazo masina.",
        "16": "Dia nitodika i Josia ka nahita an\u2019ireo fasana teny an-tendrombohitra. Nasainy nalaina \u00e0ry ny taolam-paty tao amin\u2019izy ireny, ka nodorany teo ambonin\u2019 ilay alitara, mba tsy ho mendrika hampiasaina amin\u2019ny fivavahana intsony ilay alitara. Dia tanteraka ny tenin\u2019i Jehovah nambaran\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, izay nilaza mialoha fa hitranga izany.",
        "17": "Ary hoy i Josia: \u201cFasan\u2019iza ir\u1ef3 misy tsangambato tazako ir\u1ef3?\u201d Dia hoy ny olona tao an-tan\u00e0na: \u201cFasan\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra avy any Joda io. Izy ilay nilaza mialoha an\u2019izao zavatra nataonao tamin\u2019ilay alitara teto Betela izao.\u201d",
        "18": "Hoy \u00e0ry izy: \u201cAvelao izy. Aza avela hisy hikitikitika ny taolambalony.\u201d Dia tsy nokitihin\u2019izy ireo ny taolambalony sy ny an\u2019ilay mpaminany avy any Samaria.",
        "19": "Nesorin\u2019i Josia koa ny trano fivavahana rehetra teny amin\u2019ny toerana avo tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Samaria, izany hoe ny trano naorin\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely mba hampahatezitra an\u2019Andriamanitra. Hoatran\u2019ilay nataony tany Betela ihany no nataony tamin\u2019izy ireny.",
        "20": "Ary nataony sorona teo ambonin\u2019ireo alitara ny mpisorona rehetra teo amin\u2019ireo toerana avo ireo. Nandoro taolam-paty teo ambonin\u2019ireo alitara ireo koa izy. Dia niverina tany Jerosalema izy avy\u00a0eo.",
        "21": "Dia nomen\u2019ny mpanjaka baiko ny vahoaka manontolo hoe: \u201cMankalaz\u00e0 Paska ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, araka izay voasoratra ato amin\u2019ity bokin\u2019ny fifanekena ity.\u201d",
        "22": "Mbola tsy nisy Paska nankalazaina toy izany hatramin\u2019ny andron\u2019ireo mpitsara izay nitsara ny Israely, na tamin\u2019ny andro rehetra nanjakan\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely sy mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "23": "Tamin\u2019ny taona faha-18 nanjakan\u2019i Josia Mpanjaka no nankalazaina tany Jerosalema izany Paska ho an\u2019i Jehovah izany.",
        "24": "Nesorin\u2019i Josia koa ny mpamoha angatra, ny mpilaza ny hoavy, ny sarivongana terafima, ny sampy maharikoriko, ary ny zava-maharikoriko rehetra hita tany Joda sy Jerosalema, mba hanatanterahana an\u2019izay voalazan\u2019ny Lal\u00e0na voasoratra ao amin\u2019ilay boky hitan\u2019i Hilkia mpisorona tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "25": "Tsy nisy mpanjaka hoatr\u2019azy talohany, izay niverina tamin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny fony manontolo sy ny tenany manontolo ary ny heriny manontolo, araka ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy rehetra. Ary tsy nisy tahaka azy intsony koa taoriany.",
        "26": "Tsy nitony mihitsy anefa ny fahatezeran\u2019i Jehovah, fa mbola tezitra be tamin\u2019ny Joda foana izy noho ny zava-drehetra manafintohina nataon\u2019i Manase mba hampahatezitra azy.",
        "27": "Hoy i Jehovah: \u201cHesoriko tsy ho eo imasoko koa ny Joda, toy ny nanesorako ny Israely. Ary holaviko ity tan\u00e0nan\u2019i Jerosalema nofidiko ity, sy ilay trano izay nolazaiko hoe: \u2018Ho ao foana ny anarako.\u2019\u201d",
        "28": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Josia, izany hoe izay rehetra nataony?",
        "29": "Tamin\u2019ny andron\u2019i Josia Mpanjaka i Farao Neko mpanjakan\u2019i Ejipta no nandeha nankany amoron\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata mba hihaona tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria. Ary nandeha niady tamin\u2019i Neko i Josia, kanjo novonoin\u2019i Neko ho faty tao Megido izy rehefa hitany.",
        "30": "Dia nentin\u2019ny mpanompony tamin\u2019ny kalesy niala tao Megido nankany Jerosalema ny fatiny, ka nalevin\u2019izy ireo tao amin\u2019ny fasany. Ary nalain\u2019ny vahoaka i Joahaza zanak\u2019i Josia, ka nohosorany ho mpanjaka handimby an-drainy.",
        "31": "Lasa mpanjaka i Joahaza tamin\u2019izy 23\u00a0taona, ary nanjaka telo volana tany Jerosalema izy. Hamotala no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Jeremia avy any Libna izy io.",
        "32": "Nanomboka nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah i Joahaza, hoatran\u2019izay rehetra nataon\u2019ny razambeny.",
        "33": "Nogadrain\u2019i Farao Neko tao Ribla any Hamata izy, mba tsy hanjaka tany Jerosalema. Ary nampandoavin\u2019i Farao sazy ilay tany, dia volafotsy 100 talenta sy volamena iray talenta.",
        "34": "Ankoatra izany, dia nataon\u2019i Farao Neko ho mpanjaka handimby an\u2019i Josia rainy i Eliakima zanak\u2019i Josia Mpanjaka, ka novany hoe Joiakima ny anarany. Nalainy kosa i Joahaza ka nentiny tany Ejipta, ary maty tany.",
        "35": "Ary nomen\u2019i Joiakima an\u2019i Farao ny volafotsy sy ny volamena. Tsy maintsy nampandoaviny hetra anefa ny taniny, mba hanomezana ny volafotsy notakin\u2019i Farao. Arakaraka izay nananan\u2019ny tsirairay ny volafotsy sy ny volamena notakiny tamin\u2019ny vahoaka mba homena an\u2019i Farao Neko.",
        "36": "Lasa mpanjaka i Joiakima tamin\u2019izy 25\u00a0taona, ary nanjaka 11\u00a0taona tany Jerosalema izy. Zebida no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Pedaia avy any Romaha izy io.",
        "37": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana i Joiakima, hoatran\u2019izay rehetra nataon\u2019ny razambeny."
    },
    "24": {
        "1": "Tonga nanafika an\u2019ilay tany i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona tamin\u2019ny andron\u2019i Joiakima. Koa lasa mpanompon\u2019i Nebokadnezara nandritra ny telo taona i Joiakima. Nikomy taminy anefa izy tamin\u2019ny farany.",
        "2": "Dia nalefan\u2019i Jehovah hamely an\u2019i Joiakima ny mpandroba avy tamin\u2019ny Kaldeanina, ny Syrianina, ny Moabita, ary ny Amonita. Nandefa azy ireny foana izy mba hamely ny Joda sy handrava azy, araka ny teny nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019ireo mpaminany mpanompony.",
        "3": "Ny baiko nomen\u2019i Jehovah mihitsy no nahatonga ny Joda hiharan\u2019izany, mba hanesorana azy ireo tsy ho eo imasony noho ny fahotana rehetra nataon\u2019i Manase,",
        "4": "sy noho ny ran\u2019olona tsy manan-tsiny nalatsany. Nofenoiny ran\u2019olona tsy manan-tsiny mantsy i Jerosalema, ka tsy nety namela heloka i Jehovah.",
        "5": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Joiakima, izany hoe izay rehetra nataony?",
        "6": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Joiakima, ary i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "7": "Tsy sahy nivoaka avy tao amin\u2019ny taniny intsony ny mpanjakan\u2019i Ejipta, satria nalain\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona daholo izay rehetra an\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta, nanomboka teo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Ejipta ka hatrany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata.",
        "8": "Lasa mpanjaka i Joiakina tamin\u2019izy 18\u00a0taona, ary nanjaka telo volana tany Jerosalema izy. Nehosta no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Elnatana avy any Jerosalema izy io.",
        "9": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana i Joiakina, hoatran\u2019izay rehetra nataon-drainy.",
        "10": "Nandritra izany fotoana izany, dia niakatra hamely an\u2019i Jerosalema ny mpanompon\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona. Ary nataon\u2019izy ireo fahirano ilay tan\u00e0na.",
        "11": "Tonga teo amin\u2019ilay tan\u00e0na i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, raha mbola nanao fahirano azy io ny mpanompony.",
        "12": "Nivoaka ho any amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona i Joiakina mpanjakan\u2019ny Joda, niaraka tamin\u2019ny reniny, ny mpanompony, ny andrianany, ary ny tandapany. Dia nalain\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ho babo i Joiakina, tamin\u2019ny taona fahavalo nanjakany.",
        "13": "Dia navoakan\u2019i Nebokadnezara daholo ny zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019i Jehovah sy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka. Nopotipotehiny ny fitaovana volamena rehetra nataon\u2019i Solomona mpanjakan\u2019ny Israely tao amin\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah. Izay efa nolazain\u2019i Jehovah mihitsy no nitranga.",
        "14": "Nataon\u2019i Nebokadnezara sesitany i Jerosalema manontolo, ny andriana rehetra, ny miaramila matanjaka rehetra, ary ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy rehetra. Nahatratra 10\u00a0000 ny isan\u2019ireo natao sesitany. Tsy nisy navelany afa-tsy ireo mahantra faraidiny teo amin\u2019ny vahoaka.",
        "15": "Nataony sesitany tany Babylona \u00e0ry i Joiakina. Nentiny avy any Jerosalema koa ny renin\u2019ny mpanjaka, ireo vadin\u2019ny mpanjaka, ny tandapany, ary ny olona ambony teo amin\u2019ilay tany, mba hatao sesitany tany Babylona.",
        "16": "Nentin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona natao sesitany tany Babylona daholo koa ny miaramila 7\u00a0000, ary ny mpanao asa tanana sy mpanefy niisa 1\u00a0000, izay samy lehilahy matanjaka sady voaofana hiady.",
        "17": "Nataon\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ho mpanjaka handimby an\u2019i Joiakina i Matania rahalahin-drainy, ary novany hoe Zedekia ny anarany.",
        "18": "Lasa mpanjaka i Zedekia tamin\u2019izy 21\u00a0taona, ary nanjaka 11\u00a0taona tany Jerosalema izy. Hamotala no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Jeremia avy any Libna izy io.",
        "19": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana i Zedekia, hoatran\u2019izay rehetra nataon\u2019i Joiakima.",
        "20": "Nanjo an\u2019i Jerosalema sy Joda izany, satria tezitra tamin\u2019izy ireo i Jehovah. Nesoriny tsy ho eo imasony \u00e0ry izy ireo tamin\u2019ny farany. Ary nikomy tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona i Zedekia."
    },
    "25": {
        "1": "Tamin\u2019ny andro fahafolon\u2019ny volana fahafolo tamin\u2019ny taona fahasivy nanjakan\u2019i Zedekia, dia tonga hanafika an\u2019i Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sy ny tafiny manontolo. Dia nitoby teo akaikin\u2019i Jerosalema izy, ka nanangana manda nanodidina azy.",
        "2": "Ary natao fahirano ilay tan\u00e0na, hatramin\u2019ny taona faha-11 nanjakan\u2019i Zedekia Mpanjaka.",
        "3": "Tena mafy ny mosary tao amin\u2019ilay tan\u00e0na tamin\u2019ny andro fahasivin\u2019ny volana fahefatra, ka tsy nanan-kohanina intsony ny vahoaka.",
        "4": "Voagorobaka ny mandan\u2019ilay tan\u00e0na, ka nitsoaka teo amin\u2019ilay vavahady teo anelanelan\u2019ny manda roa sosona, teo akaikin\u2019ny zaridainan\u2019ny mpanjaka, ny miaramila rehetra raha mbola alina ny andro. Mbola nanodidina ny tan\u00e0na ny Kaldeanina tamin\u2019izay. Dia nandeha tamin\u2019ny lalana mankany Araba ny mpanjaka.",
        "5": "Nenjehin\u2019ny miaramila kaldeanina anefa izy, ka tratrany teny amin\u2019ny lemaka karakaina any Jeriko. Dia lasa niparitaka nandao azy daholo ny miaramilany.",
        "6": "Dia nosamborin\u2019ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka nentiny niakatra tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona tao Ribla. Ary nisy didim-pitsarana navoakan\u2019izy ireo momba azy.",
        "7": "Dia novonoin\u2019izy ireo teo imason\u2019i Zedekia ireo zanany lahy. Ary nopotsirin\u2019i Nebokadnezara ny mason\u2019i Zedekia avy eo. Dia nofatorany tamin\u2019ny gadra varahina izy, ary nentiny tany Babylona.",
        "8": "Tamin\u2019ny andro fahafiton\u2019ny volana fahadimy, izany hoe tamin\u2019ny taona faha-19 nanjakan\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, dia tonga tao Jerosalema i Nebozaradana lehiben\u2019ny mpiambina ny mpanjakan\u2019i Babylona sady mpanompony.",
        "9": "Dia nodorany ny tranon\u2019i Jehovah sy ny tranon\u2019ny mpanjaka ary ny trano rehetra tao Jerosalema. Nodorany koa ny tranon\u2019ny olona ambony rehetra.",
        "10": "Ary narodan\u2019ny tafiky ny Kaldeanina manontolo, izay niaraka tamin\u2019ilay lehiben\u2019ny mpiambina, ny manda manodidina an\u2019i Jerosalema.",
        "11": "Dia nentin\u2019i Nebozaradana, lehiben\u2019ny mpiambina, ny vahoaka sisa tao an-tan\u00e0na, sy ireo efa nitolo-batana tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona, ary ny mponina sisa tavela, ka nataony sesitany.",
        "12": "Navelan\u2019ilay lehiben\u2019ny mpiambina tao amin\u2019ilay tany kosa ny sasany tamin\u2019ireo mahantra faraidiny, mba hikarakara tanimboaloboka sy hanao asa an-terivozona.",
        "13": "Ary nopotipotehin\u2019ny Kaldeanina ireo andry varahina teo amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, sy ireo kalesy, ary ilay Ranomasina varahina tao an-tranon\u2019i Jehovah. Dia nentin\u2019izy ireo tany Babylona ny varahina tamin\u2019ireny.",
        "14": "Nalainy koa ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ny famonoan-jiro, ny kaopy, ary ny fitaovana varahina rehetra nampiasaina tamin\u2019ny fanompoana tao amin\u2019ny tempoly.",
        "15": "Nalain\u2019ilay lehiben\u2019ny mpiambina ny fitondrana afo sy ny vilia baolina, izay tena volamena sy tena volafotsy daholo.",
        "16": "Efa tsy voalanja intsony ny varahina tamin\u2019ny fitaovana rehetra, izany hoe tamin\u2019ny andry roa sy tamin\u2019ilay Ranomasina ary tamin\u2019ireo kalesy nataon\u2019i Solomona ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "17": "Nirefy 18\u00a0hakiho ny haavon\u2019ny andry tsirairay. Varahina ny loha andry teo amboniny, ary telo hakiho ny haavon\u2019ny loha andry. Varahina daholo ny haingony hoatran\u2019ny harato sy ny ampongabendanitra nanodidina ny loha andry. Hoatr\u2019izany koa ilay andry faharoa sy ny harato teo aminy.",
        "18": "Nalain\u2019ilay lehiben\u2019ny mpiambina koa i Seraia lehiben\u2019ny mpisorona, sy Zefania mpisorona lefitra, ary ireo olona telo mpiandry varavarana.",
        "19": "Ary ireto no nalainy avy tao an-tan\u00e0na: Tandapa iray nifehy ny miaramila; olona dimy mpiara-miasa akaiky tamin\u2019ny mpanjaka, izay hita tao an-tan\u00e0na; ny mpitan-tsoratry ny lehiben\u2019ny tafika, izany hoe ilay mpanangona vahoaka; ary 60\u00a0lahy teo amin\u2019ny sarambabem-bahoaka izay mbola hita tao an-tan\u00e0na.",
        "20": "Nalain\u2019i Nebozaradana, lehiben\u2019ny mpiambina, izy ireo ka nentiny tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona tao Ribla.",
        "21": "Dia namely azy ireo ny mpanjakan\u2019i Babylona, ka namono azy ho faty tao Ribla, tany Hamata. Koa nesorina tao amin\u2019ny taniny ny Joda ka natao sesitany.",
        "22": "Notendren\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona hiandraikitra ny vahoaka navelany tany Joda i Gedalia zanak\u2019i Ahikama zanak\u2019i Safana.",
        "23": "Raha vao henon\u2019ny lehiben\u2019ny tafika rehetra sy ny miaramilany fa nanendry an\u2019i Gedalia ny mpanjakan\u2019i Babylona, dia nankany amin\u2019i Gedalia tany Mizpa izy ireo. Ireto avy izany: I Ismaela zanak\u2019i Netania, Johanana zanak\u2019i Karea, Seraia zanak\u2019i Tanometa Netofatita, ary Jazania zanak\u2019ilay Makatita, niaraka tamin\u2019ny miaramilany avy.",
        "24": "Dia nianiana tamin\u2019izy ireo sy ny miaramilany i Gedalia, ary nilaza hoe: \u201cAza matahotra ny ho mpanompon\u2019ny Kaldeanina. Mipetraha eto amin\u2019ity tany ity ary manompoa ny mpanjakan\u2019i Babylona, dia hahita soa ianareo.\u201d",
        "25": "Tamin\u2019ny volana fahafito, dia tonga tany Mizpa i Ismaela zanak\u2019i Netania zanak\u2019i Elisama, izay anisan\u2019ny taranaka mpanjaka, ary nisy folo lahy niaraka taminy. Ary namely an\u2019i Gedalia izy ireo, ka maty izy sy ny Jiosy ary ny Kaldeanina niaraka taminy tany.",
        "26": "Dia niainga ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, anisan\u2019izany ireo lehiben\u2019ny tafika, ka nankany Ejipta, noho izy ireo natahotra ny Kaldeanina.",
        "27": "Ary tamin\u2019ny taona faha-37 nanaovana sesitany an\u2019i Joiakina mpanjakan\u2019ny Joda, tamin\u2019ny andro faha-27 amin\u2019ny volana faha-12, tamin\u2019ny taona naha lasa mpanjaka an\u2019i Evila-merodaka mpanjakan\u2019i Babylona, dia navoakany avy tao am-ponja i Joiakina mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "28": "Tsara fanahy taminy i Evila-merodaka, ary nomeny toerana ambony noho ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babylona i Joiakina.",
        "29": "Nosoloan\u2019i Joiakina \u00e0ry ny fitafiana nanaovany tao am-ponja, ary niara-nisakafo tamin\u2019ny mpanjaka foana izy, nandritra ny androm-piainany.",
        "30": "Ary nomena anjara sakafo tsy tapaka avy tamin\u2019ny mpanjaka izy isan\u2019andro, nandritra ny androm-piainany."
    },
    "meta": {
        "name": "2 Mpanjaka",
        "order": 11,
        "chapter_number": 25
    }
}