UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

23 lines (22 loc) 2.31 kB
{ "1": { "1": "Izaho, ilay zokiolona, no manoratra ho an\u2019ilay vehivavy voafidy sy ny zanany. Tena tia anareo aho, ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra efa mahalala ny fahamarinana koa.", "2": "Tianay ianareo noho ilay fahamarinana efa ao am-pontsika ary mbola ho ao am-pontsika mandrakizay.", "3": "Haneho hatsaram-panahy miavaka sy hamindra fo amintsika ilay Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Zanaky ny Ray, sady hanome fiadanana antsika. Hampianatra antsika ny fahamarinana koa izy ireo sady ho tia antsika.", "4": "Tena faly be mihitsy aho nahafantatra fa manaraka ny fahamarinana ny zanakao sasany, araka ny didy azontsika tamin\u2019ny Ray.", "5": "Izao \u00e0ry no angatahiko aminao, ry vehivavy voafidy: Andao isika rehetra hifankatia.\u2014Tsy didy vaovao anefa izao soratako aminao izao, fa didy efa azontsika hatramin\u2019ny voalohany.\u2014", "6": "Ny atao hoe tia dia mankat\u00f2 ny didin\u2019ny Ray foana. Izao ilay didy efa henonareo hatramin\u2019ny voalohany: Tokony hifankatia foana ianareo.", "7": "Be dia be mantsy ny mpamitaka eto amin\u2019izao tontolo izao, izany hoe ny olona tsy manaiky hoe nofo aman-dra i Jesosy Kristy tamin\u2019izy tonga teto an-tany. Ireo no mpamitaka sy antikristy.", "8": "Tandremo sao lasa very maina ny vokatry ny ezaka nataonay, fa ataovy kosa izay hahazoanareo ny valisoa rehetra.", "9": "Izay rehetra mihoa-pefy ka tsy manaraka an\u2019izay nampianarin\u2019i Kristy intsony, dia tsy manaiky an\u2019Andriamanitra. Izay manaraka an\u2019izany fampianarana izany foana kosa no manaiky ny Ray sy ny Zanaka.", "10": "Raha misy tonga eo aminareo ka tsy mampianatra an\u2019izany fampianarana izany, dia aza mampiantrano na miarahaba azy akory.", "11": "Lasa manohana ny ratsy ataony mantsy izay miarahaba azy.", "12": "Be dia be ny zavatra tiako hosoratana aminareo. Tsy tiako hosoratana amin\u2019ny taratasy sy ranomainty anefa izany, fa manantena aho hoe ho tonga any dia hiresaka mivantana aminareo, mba ho faly be mihitsy ianareo.", "13": "Mampamangy, hono, ianao, hoy ny zanak\u2019ilay rahavavinao, dia ilay rahavavinao voafidy." }, "meta": { "name": "2 Jaona", "order": 62, "chapter_number": 1 } }