UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

133 lines (132 loc) 20.2 kB
{ "1": { "1": "Avy amin\u2019i Paoly, apostolin\u2019i Kristy Jesosy, araka ny didin\u2019Andriamanitra Mpamonjy antsika sy Kristy Jesosy fanantenantsika.", "2": "Ho an\u2019i Timoty, tena zanako ao amin\u2019ny finoana, Enga anie ilay Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika mba haneho hatsaram-panahy miavaka sy famindram-po aminao, ary hanome anao fiadanana!", "3": "Nangataka anao hijanona tany Efesosy aho, taloha kelin\u2019ny hankanesako at\u1ef3 Makedonia. Ary mbola mangataka anao hijanona any aho izao, amin\u2019izay ianao afaka mandrara ny sasany tsy hampianatra zavatra hafa,", "4": "na hihaino tantara tsy marina, na handinika tetirazana. Tsy misy ilana azy izany satria mahatonga ny olona hanombantombana fotsiny, fa tsy hahazoana an\u2019izay omen\u2019Andriamanitra hanatanjahana finoana.", "5": "Ny zava-kendren\u2019izany toromarika izany, dia ny hahatonga antsika hanana fitiavana avy amin\u2019ny fo madio sy feon\u2019ny fieritreretana madio ary finoana tsy mihatsaravelatsihy.", "6": "Niala tamin\u2019izany ny sasany ka lasa nanao resadresaka tsy misy fotony.", "7": "Te ho mpampianatra lal\u00e0na izy ireo, nefa tsy azony akory ny dikan\u2019izay lazainy na izay izingizininy mafy.", "8": "Fantatsika fa tsara ny Lal\u00e0na, raha ampiharina araka ny tokony ho izy.", "9": "Haintsika mantsy hoe tsy natao ho an\u2019ny olo-marina ny lal\u00e0na, fa ho an\u2019ny olona mpandika lal\u00e0na sy mpikomy, tsy matahotra an\u2019Andriamanitra sy mpanota, mpivadika sy mpanazimbazimba zava-masina, mpamono ray sy mpamono reny, mpamono olona,", "10": "mpijangajanga, lehilahy miray amin\u2019ny lehilahy, mpaka olona an-keriny, mpandainga, mpivadika amin\u2019 ny fianianany, ary ho an\u2019izay manao zavatra hafa mifanohitra amin\u2019ny fampianarana mahasoa.", "11": "Izany fampianarana izany dia mifanaraka amin\u2019ny vaovao tsara be\u00a0voninahitr\u2019ilay Andriamanitra falifaly. Ary nankininy tamiko izany vaovao tsara izany.", "12": "Izaho dia mankasitraka an\u2019i Kristy Jesosy Tompontsika izay nanome hery ahy, satria hitany hoe mendri-pitokisana aho ka notendreny hanao fanompoana,", "13": "na dia mpanevateva an\u2019Andriamanitra aza aho taloha, sady mpanenjika no mpanambany olona. Namindrany fo anefa aho satria noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako an\u2019izany.", "14": "Fa nanehoan\u2019ny Tompontsika hatsaram-panahy miavaka be dia be aho, ary nahazo finoana sy fitiavana avy amin\u2019i Kristy Jesosy.", "15": "Tena azo atokisana sy tokony hekena tanteraka izao teny izao: Tonga teto amin\u2019izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany amin\u2019ireny.", "16": "Namindrana fo anefa aho mba ho amin\u2019ny alalako, izay tena mpanota be, no hampisehoan\u2019i Kristy Jesosy hoe manam-paharetana be izy. Izaho no nataony ohatra ho an\u2019izay olona hino azy mba hahazoana fiainana mandrakizay.", "17": "Ho an\u2019ilay Mpanjakan\u2019ny mandrakizay, izay tsy mety lo sady tsy hita maso, dia ilay Andriamanitra tokana anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.", "18": "Ankiniko aminao izany toromarika izany, ry\u00a0Timoty zanako, araka ny faminaniana nolazaina momba anao, mba ho ireny faminaniana ireny no hoentinao manohy ny ady tsara.", "19": "Miezaha foana koa hanana finoana sy feon\u2019ny fieritreretana madio, izay efa narian\u2019ny sasany ka lasa rendrika toy ny sambo ny finoan\u2019izy ireo.", "20": "Anisan\u2019izy ireny i Hymeneo sy Aleksandra. Efa natolotro an\u2019i Satana izy ireo, amin\u2019izay ny famaizana azon\u2019izy ireo hampianatra azy ireo tsy hanevateva an\u2019Andriamanitra." }, "2": { "1": "Voalohany indrindra \u00e0ry, dia mampirisika aho hoe manaova fitalahoana sy vavaka sy fangatahana ary fisaorana ho an\u2019ny karazan\u2019olona rehetra,", "2": "anisan\u2019izany ny mpanjaka sy izay rehetra mitana toerana ambony. Amin\u2019izay isika hanana fiainana milamina foana sy tsy ho voahelingelina, sady hahafoy tena tanteraka ho an\u2019Andriamanitra sy ho matotra tsara.", "3": "Tsara sady ankasitrahana eo imason\u2019Andriamanitra Mpamonjy antsika izany.", "4": "Ary sitrapon\u2019Andriamanitra ny hamonjena ny karazan\u2019olona rehetra sy ny hahalalan\u2019izy ireo tsara ny fahamarinana.", "5": "Fa iray ny Andriamanitra ary iray ny mpanelanelana amin\u2019Andriamanitra sy ny olona, dia olona iray atao hoe Kristy Jesosy,", "6": "izay nanolotra ny tenany ho vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra. Izany no hotorina amin\u2019ny fotoana voatondro hanaovana an\u2019izany.", "7": "Ary ny hitory an\u2019izany no nanendrena ahy ho mpitory sy apostoly,\u2014milaza ny marina aho, fa tsy mandainga\u2014ho mpampianatra an\u2019ireo hafa firenena momba ny finoana sy ny fahamarinana.", "8": "Tiako \u00e0ry raha mivavaka foana ny lehilahy, any amin\u2019izay toerana rehetra ivorianareo, ka hanandratra tanana madio rehefa manao an\u2019izany, sady tsy ho tezitra na hiady hevitra.", "9": "Ny vehivavy koa rehefa mihaingo, dia tokony hanao akanjo mendrika sy maotina, sady tokony hisaina tsara, ary tsy hanao randrana miavaka be, na hiravaka volamena na perla na hanao akanjo tena lafo be.", "10": "Tokony hifanentana kosa amin\u2019ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin\u2019Andriamanitra ny haingon\u2019izy ireo, ka ny asa tsara ataony no haingony.", "11": "Aoka ny vehivavy hangina sy hanaiky tsara rehefa ampianarina.", "12": "Tsy avelako hampianatra na hanana fahefana amin\u2019ny lehilahy ny vehivavy, fa tokony hangina kosa.", "13": "I Adama mantsy no natao voalohany, vao i Eva.", "14": "Tsy i Adama koa no voafitaka fa ilay vehivavy no voafitaka tanteraka, ka lasa mpandika lal\u00e0na.", "15": "Ho voaro ihany anefa ny vehivavy rehefa manan-janaka, raha miezaka foana hanana finoana sy fitiavana ary ho masina sy hahay hisaina." }, "3": { "1": "Azo atokisana izao teny izao: Raha misy olona miezaka ho lasa mpiandraikitra, dia maniry hanao asa tsara izy.", "2": "Ny mpiandraikitra \u00e0ry dia tokony ho olona tsy misy hokianina, manambady tokana, mahay mandanjalanja amin\u2019izay zavatra fanaony, misaina tsara, tia filaminana, tia mandray vahiny, mahay mampianatra,", "3": "tsy mamo lava, tsy mahery setra, fa mpandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola,", "4": "mahay mitondra tsara ny ankohonany, sady manana zanaka mankat\u00f2 sy manaja azy tsara", "5": "\u2014fa raha misy lehilahy tsy mahay mitondra ny ankohonany, dia ho hainy ve ny hikarakara ny fiangonan\u2019Andriamanitra?\u2014,", "6": "tsy zazavao amin\u2019ny finoana, sao izy hirehareha ka ho voaheloka hoatran\u2019ny nanamelohana ny Devoly.", "7": "Tokony ho tsara laza eo amin\u2019ny olona eny ivelany koa izy, mba tsy ho afa-baraka na ho latsaka ao amin\u2019ny fandriky ny Devoly.", "8": "Ny mpikarakara fiangonana koa dia tokony ho mato-tsaina, tsy mivadibadi-dela, tsy mpiboboka divay, tsy tia tombony azo amin\u2019ny tsy marina,", "9": "ary mitana mafy an\u2019ilay zava-miafina masina, izany hoe ny finoana, sady manana feon\u2019ny fieritreretana madio.", "10": "Aoka koa aloha izy ireo hozahan-toetra mba ho hita raha mendrika. Dia ho lasa mpanompo izy ireo satria tsy misy hokianina.", "11": "Tokony ho mato-tsaina koa ny vehivavy, tsy ho mpanendrikendrika, hahay handanjalanja amin\u2019izay zavatra fanaony, ary ho mendri-pitokisana amin\u2019ny zava-drehetra.", "12": "Aoka ny mpikarakara fiangonana hanambady tokana, ary hahay hitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany.", "13": "Fa izay lehilahy manao tsara ny fanompoany, dia mahazo laza tsara, sady tena sahy miresaka momba ny finoany an\u2019i Kristy Jesosy.", "14": "Soratako aminao ihany ireo zavatra ireo, na dia manantena hankany aminao tsy ho ela aza aho.", "15": "Amin\u2019izay raha sendra tara aho, dia mba efa fantatrao izay tokony hataonao ao amin\u2019ny ankohonan\u2019Andriamanitra, izany hoe ny fiangonan\u2019ilay Andriamanitra velona. Andry sy tohana ho an\u2019ny fahamarinana izany fiangonana izany.", "16": "Ary tena lehibe ny zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an\u2019Andriamanitra: \u2018Nofo i Jesosy rehefa naseho, fa fanahy kosa izy rehefa nambara hoe marina. Niseho tamin\u2019ny anjely izy, notorina teo amin\u2019ny hafa firenena, ninoana tet\u1ef3 amin\u2019izao tontolo izao, ary noraisina tamim-boninahitra tany an-danitra.\u2019" }, "4": { "1": "Milaza mazava tsara anefa ny fanahy masina fa hiala amin\u2019ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino teny mamitaka avy amin\u2019ny fanahy sy mihaino fampianaran\u2019ny demonia.", "2": "Hiala koa izy ireny noho ny lainga lazain\u2019ireo mpihatsaravelatsihy, izay toy ny hoe voatomboky ny vy mahamay ny feon\u2019ny fieritreretany.", "3": "Mandrara ny olona tsy hanambady izy ireo, ary mamoaka didy hoe tsy azo hanina ny sakafo sasany. Noforonin\u2019Andriamanitra anefa ireny mba hohanina ka ho afaka hisaotra Azy amin\u2019izany ny olona mino sy mahalala tsara ny fahamarinana.", "4": "Fa tsara daholo ny zava-drehetra noforonin\u2019Andriamanitra, ary tsy misy tokony holavina raha raisina amim-pankasitrahana.", "5": "Hamasinin\u2019ny tenin\u2019Andriamanitra sy ny vavaka mantsy izy ireny.", "6": "Raha manome an\u2019izany torohevitra izany an\u2019ireo rahalahy ianao, dia ho mpanompo tsaran\u2019i Kristy Jesosy, izany hoe ho mpanompo mivelona amin\u2019ny tenin\u2019ny finoana sy ny tenin\u2019ny fampianarana tsara izay efa arahinao akaiky.", "7": "Fa aza mihaino tantara tsy marina izay tsy manaja zava-masina, toy ireo tantara fanaon\u2019ny vaviantitra. Zaro foana kosa ny tenanao mba hahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra.", "8": "Mahasoa kely ihany mantsy ny mampiasa vatana, fa ny mahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra kosa no mahasoa amin\u2019ny zava-drehetra. Ahazoana fitahiana amin\u2019izao fiainana izao sy amin\u2019ilay fiainana ho avy mantsy izany, araka ny efa nampanantenaina.", "9": "Tena azo atokisana sy tokony hekena tanteraka izany teny izany.", "10": "Izany no mahatonga antsika hiasa mafy sy hikely aina, satria isika manantena an\u2019Andriamanitra velona, Mpamonjy ny karazan\u2019olona rehetra, indrindra fa ireo tsy mivadika.", "11": "Resaho amin\u2019izy ireo foana izany didy izany, sady ampianaro foana.", "12": "Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao satria hoe tanora ianao. Miezaha kosa ho modely ho an\u2019ny olona tsy mivadika, amin\u2019ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovana.", "13": "Mandra-pahatongako, dia miezaha mafy foana hahay hamaky teny ampahibemaso sy handrisika ny hafa ary hampianatra.", "14": "Aza atao tsinontsinona izay nomena anao tamin\u2019ny alalan\u2019ny faminaniana, dia izay nomena anao rehefa nametra-tanana taminao ny anti-panahy rehetra.", "15": "Eritrereto tsara ireo zavatra ireo, ary mifantoha tanteraka amin\u2019izany, mba ho hitan\u2019ny olona rehetra ny fandrosoanao.", "16": "Tandremo tsara foana ny tenanao sy izay zavatra ampianarinao. Ataovy foana ireo zavatra ireo, fa raha manao an\u2019izany ianao, dia ho voavonjy ianao sy izay mihaino anao." }, "5": { "1": "Aza dia kianina mafy loatra ny lehilahy zokiolona, fa iangavio toy ny ray. Ary ny lehilahy tanora iangavio toy ny rahalahy,", "2": "ny vehivavy zokiolona toy ny reny, ary ny vehivavy tanora toy ny anabavy, amin\u2019ny fahadiovana tanteraka.", "3": "Karakarao ny vehivavy mpitondratena, izay tena mpitondratena.", "4": "Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, dia ireo aloha no tokony hianatra haneho fahafoizan-tena ho an\u2019Andriamanitra ka hikarakara ny ankohonany, ary hamaly babena an\u2019ireo ray aman-dreniny sy ny dadabe sy bebeny. Ankasitrahana eo imason\u2019Andriamanitra mantsy izany.", "5": "Fa izay vehivavy tena mpitondratena sady tsy manana na inona na inona, dia manantena an\u2019Andriamanitra ka mitalaho sy mivavaka foana, na andro na alina.", "6": "Izay mpitondratena manaram-po amin\u2019ny fahafinaretan\u2019ny nofo kosa, dia efa maty na dia mbola velona aza.", "7": "Resaho amin\u2019izy ireo foana \u00e0ry ireo toromarika ireo, mba tsy hisy hokianina izy ireo.", "8": "Ary raha misy tsy manome izay ilain\u2019ny olona tokony ho adidiny, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.", "9": "Tokony hampidirina ao amin\u2019ny lisitry ny vehivavy mpitondratena izay maty vady, raha toa izy ka 60\u00a0taona no ho miakatra, nanambady tokana,", "10": "malaza ho nanao asa tsara, ohatra hoe nitaiza tsara an\u2019ireo zanany, tia nandray vahiny, nanasa ny tongotry ny olona masina, nanampy olona nijaly, ary nazoto tamin\u2019ny asa tsara rehetra.", "11": "Aza ampidirina ao amin\u2019ilay lisitra kosa ny vehivavy mpitondratena tanora, satria te hanambady izy ireny rehefa manakantsakana ny fifandraisany amin\u2019i Kristy ny faniriany hanao firaisana.", "12": "Dia homelohina izy ireny, satria tsy notanterahiny ny fampanantenany tamin\u2019ny voalohany.", "13": "Lasa zatra tsy manao na inona na inona koa izy ireny, ka mitety tranon\u2019olona. Tsy vitan\u2019ny hoe tsy manao na inona na inona izy ireny, fa mpifosafosa sy midikiditra amin\u2019ny fiainan\u2019olona koa, ka miresaka zavatra tsy tokony horesahiny.", "14": "Tiako hanambady \u00e0ry ny vehivavy mpitondratena tanora, ka hiteraka sy hitondra tokantrano, amin\u2019izay tsy hahita hirika hanakianana antsika ny mpanohitra.", "15": "Efa nisy mpitondratena nivily lalana, raha ny marina, ka lasa nanaraka an\u2019i Satana.", "16": "Raha misy vehivavy mpino manana havana mpitondratena, dia izy no hanampy azy ireo mba tsy ho enta-mavesatra ho an\u2019ny fiangonana izy ireo. Amin\u2019izay dia ho afaka hanampy an\u2019ireo tena mpitondratena ny fiangonana.", "17": "Aoka hatao mendrika hahazo fanajana avo roa heny ny anti-panahy mahay mitondra, indrindra fa izay mikely aina amin\u2019ny firesahana ny tenin\u2019Andriamanitra sy amin\u2019ny fampianarana.", "18": "Milaza mantsy ny Soratra Masina hoe: \u201cAza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana\u201d, sy hoe: \u201cMendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.\u201d", "19": "Aza ekena izay zavatra iampangana ny anti-panahy, raha tsy misy porofo avy amin\u2019ny vavolombelona roa na telo.", "20": "Anaro eo imason\u2019ny rehetra ny olona zatra manota, mba hampitandremana ny sisa.", "21": "Mampirisika mafy anao eo anatrehan\u2019Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy aho, mba hanaraka an\u2019ireo toromarika ireo ary tsy hitsara an-tendrony na hiangatra mihitsy rehefa manao an\u2019izany.", "22": "Aza maika hametra-tanana amin\u2019iza na iza. Ary aza miray tsikombakomba amin\u2019olona amin\u2019 izay fahotana ataony. Miezaha foana hadio fitondran-tena.", "23": "Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely, noho ny vavoninao sy noho ianao tsy salama matetika.", "24": "Fantatry ny rehetra ny fahotan\u2019ny olona sasany, ka avy hatrany dia tsaraina izy. Ny an\u2019ny sasany kosa any aoriana vao miharihary.", "25": "Fantatry ny rehetra koa ny asa tsara, ary na izay tsy misy mahafantatra aza dia tsy ho azo afenina foana." }, "6": { "1": "Aoka izay mpanompo mitondra zioga hihevitra foana ny tompony ho mendrika hahazo fanajana feno, mba tsy hisy hanazimbazimba mihitsy ny anaran\u2019Andriamanitra sy ny fampianarany.", "2": "Ary raha mpino ny tompon\u2019izy ireo, dia aoka tsy hataony tsinontsinona, satria rahalahiny ihany izy. Vao mainka kosa aza izy ireo tokony ho vonona hanompo, satria mpiray finoana aminy sady rahalahy malalany ihany no mandray soa amin\u2019ny fanompoana tsara ataony. Aza mitsahatra mampianatra sy mandrisika ny hafa hanao an\u2019izany.", "3": "Raha misy olona mampianatra zavatra hafa, ka tsy manaiky ny fampianarana mahasoa avy amin\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika, na tsy manaiky ny fampianarana izay mampirisika antsika hahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra,", "4": "dia olona mieboebo izy, ary tsy misy zavatra takatry ny sainy. Tsy manan-tsaina afa-tsy ny handresy lahatra sy ny hiady hevitra momba ny teny izy. Ireo zavatra ireo no mahatonga ny olona hialona, hifamaly, hanendrikendrika, hifampiahiahy,", "5": "ary hiady lava momba ny zavatra tsy misy dikany toy ny ataon\u2019ny olona ratsy saina sy niala tamin\u2019ny fahamarinana, izay mieritreritra fa natao hakana tombony ny fahafoizan-tena ho an\u2019Andriamanitra.", "6": "Mahazo tombony be tokoa ny olona raha mahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra sady mahay mianina amin\u2019izay ananany.", "7": "Fa tsy nitondra na inona na inona teto amin\u2019izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala eto.", "8": "Koa rehefa manana sakafo sy fitafiana isika, dia hianina amin\u2019izany.", "9": "Izay tapa-kevitra ny ho lasa mpanankarena kosa, dia latsaka ao amin\u2019ny fakam-panahy sy ny fandrika, sady resin\u2019ny faniriana maro tsy misy dikany sy manimba, izay mandentika ny olona ao amin\u2019ny fandringanana sy ny loza.", "10": "Fitiavam-bola mantsy no anisan\u2019ny fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra. Ary nifofotra nitady vola ny sasany satria tia vola, ka voavily niala tamin\u2019ny finoana, sy nanindrona ny tenany manontolo tamin\u2019ny zavatra maro mampanaintaina.", "11": "Fa ianao kosa, ry\u00a0lehilahin\u2019Andriamanitra, andosiro izany zavatra izany. Miezaha foana kosa hanao ny marina, hahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra, hanana finoana sy fitiavana ary fiaretana, ary halemy fanahy.", "12": "Tohizo foana ilay ady tsara iarovana ny finoana. Fikiro mafy ny fiainana mandrakizay, fa ny hahazo an\u2019izany no niantsoana anao sy nanomezanao fanazavana tena tsara teo anatrehan\u2019ny vavolombelona maro.", "13": "Izao no didy omeko anao eo anatrehan\u2019Andriamanitra, izay mahatonga ny zava-drehetra ho mbola velona, sy eo anatrehan\u2019i Kristy Jesosy, izay vavolombelona nanazava tsara ny zavatra ninoany teo anatrehan\u2019i Pontio Pilato:", "14": "Ankatoavy ny didy ary ataovy tsy misy pentina sy tsy misy hokianina ny fankatoavanao an\u2019izany, mandra-pahatongan\u2019ny fotoana hisehoan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika,", "15": "ilay Tompom-pahefana falifaly sady tokana, izay hiseho amin\u2019ny fotoana voatondro. Izy no Mpanjakan\u2019ny mpanjaka sy Tompon\u2019ny tompo,", "16": "izy irery ihany no tsy mety maty. Mipetraka ao amin\u2019ny hazavana tsy hay hatonina izy, ary tsy misy olona mahita azy na mahajery azy. Ho azy anie ny voninahitra sy ny hery mandrakizay! Amena.", "17": "Anaro ny manankarena eto amin\u2019izao tontolo izao mba tsy hirehareha, na hatoky ny harena tsy azo antoka, fa hanantena an\u2019Andriamanitra, izay manome be dia be an\u2019ireo zavatra rehetra mahafaly antsika.", "18": "Teneno izy ireo mba hanao soa, hanan-karena amin\u2019ny asa tsara, ho tia manome, ho vonon-kizara,", "19": "ka hanana harena tsara tahiry ho an\u2019ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin\u2019ny hoavy. Amin\u2019izay izy ireo dia hifikitra mafy amin\u2019ny tena fiainana.", "20": "Ry Timoty, arovy izay nankinina taminao, ka ialao ny resaka tsy misy dikany izay manazimbazimba zava-masina, sy ireo hevitra mifanohitra avy amin\u2019izay atao hoe \u201cfahalalana\u201d nefa tsy izy.", "21": "Nampideradera fahalalana toy izany ny sasany, ka nivily niala tamin\u2019ny finoana. Enga anie ianareo hanehoana hatsaram-panahy miavaka!" }, "meta": { "name": "1 Timoty", "order": 53, "chapter_number": 6 } }