mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
107 lines (106 loc) • 15.2 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Avy amin\u2019i Paoly sy Silvano ary Timoty. Ho an\u2019ny fiangonana any Tesalonika izay tafaray amin\u2019Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo, Enga anie ianareo hanehoana hatsaram-panahy miavaka sady homena fiadanana!",
"2": "Misaotra an\u2019Andriamanitra foana izahay rehefa miresaka momba anareo rehetra amin\u2019ny vavaka.",
"3": "Tadidinay foana eo anatrehan\u2019ilay Andriamanitra Raintsika mantsy izay ataonareo noho ny finoanareo, sy ny asa mafy ataonareo amim-pitiavana, ary ny fiaretanareo noho ianareo manantena an\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika.",
"4": "Fa fantatray, ry\u00a0rahalahy tian\u2019Andriamanitra, hoe nifidy anareo izy,",
"5": "satria ilay vaovao tsara notorinay taminareo dia tsy hoe teny fotsiny, fa hafatra mafonja koa. Nampian\u2019ny fanahy masina koa izahay tamin\u2019izahay nitory taminareo, sady tena niaiky fa marina ny zavatra notorinay. Ary fantatrareo hoe lasa hoatran\u2019ny ahoana izahay teo aminareo, mba hahasoa anareo.",
"6": "Lasa nanahaka anay sy ny Tompo ianareo, satria faly nanaiky an\u2019izay notorinay noho ny fanampian\u2019ny fanahy masina, na dia niaritra fahoriana be aza.",
"7": "Dia lasa modely ho an\u2019ny mpino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.",
"8": "Tsy vitan\u2019ny hoe nampiely ny tenin\u2019i Jehovah tany Makedonia sy Akaia ianareo, fa nalaza hatraiza hatraiza koa ny finoanareo an\u2019Andriamanitra, ka tsy mila miteny na inona na inona intsony izahay.",
"9": "Mbola tantarain\u2019izy ireo foana mantsy ilay isika nihaona voalohany. Tantarainy koa ilay ianareo nitodika tamin\u2019Andriamanitra ka niala tamin\u2019ny sampy, mba hanompo an\u2019ilay Andriamanitra velona sy tena izy,",
"10": "ary hiandry an\u2019ilay Zanany avy any an-danitra, ilay natsangany tamin\u2019ny maty, dia i Jesosy. Manafaka antsika mba tsy hiharan\u2019ny fahatezeran\u2019Andriamanitra amin\u2019ny hoavy io Zanany io."
},
"2": {
"1": "Fantatrareo tsara, ry rahalahy, fa tsy very maina ny fitsidihanay anareo.",
"2": "Na dia nijaly sy nalam-baraka aza mantsy izahay tany Filipy, araka ny efa fantatrareo, dia nampian\u2019ilay Andriamanitsika ho sahy hitory ny vaovao tsara taminareo, na dia nisy nanohitra mafy aza.",
"3": "Rehefa mampirisika anareo izahay, dia tsy hoe milaza zavatra diso, na hoe ratsy saina na te hamitaka anareo.",
"4": "Efa neken\u2019Andriamanitra hoe mendrika ny hanankinana ny fitoriana ny vaovao tsara anefa izahay. Rehefa miteny \u00e0ry izahay, dia tsy olona no tianay hampifaliana, fa Andriamanitra izay mandinika ny fonay.",
"5": "Fantatrareo fa mbola tsy nandokadoka anareo mihitsy izahay, raha ny marina, na mody niseho hoe tsara fanahy mba hahazoana tombony. Andriamanitra no vavolombelona!",
"6": "Tsy nitady voninahitra avy tamin\u2019olona koa izahay, na avy taminareo izany na avy tamin\u2019olon-kafa, na dia afaka nampitondra enta-mavesatra anareo teo amin\u2019ny lafiny ara-bola aza izahay satria apostolin\u2019i Kristy.",
"7": "Fa nalemy fanahy kosa izahay rehefa teo aminareo, hoatran\u2019ny reny mampinono sy mikarakara amim-pitiavana ny zanany naterany.",
"8": "Satria tena tia anareo izahay, dia tapa-kevitra hoe tsy ny vaovao tsaran\u2019Andriamanitra ihany no homenay anareo, fa na ny ainay koa aza. Tena maminay mantsy ianareo.",
"9": "Tadidinareo tsara, ry rahalahy, hoe niasa mafy sy nikely aina aho. Niasa andro aman\u2019alina mantsy izahay rehefa nitory ny vaovao tsaran\u2019Andriamanitra taminareo, mba tsy hampitondra enta-mavesatra an\u2019iza na iza teo amin\u2019ny lafiny ara-bola.",
"10": "Ianareo sy Andriamanitra no vavolombelona fa tsy nivadika izahay, sady nanao ny marina sy tsy nisy tsiny rehefa niaraka taminareo mpino.",
"11": "Fantatrareo tsara fa nampirisika sy nampionona ary nanoro hevitra anareo tsirairay foana izahay, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny ray amin\u2019ny zanany.",
"12": "Amin\u2019izay ny fomba fiainanareo dia ho mendrika ny anaran\u2019ilay Andriamanitra miantso anareo ho ao amin\u2019ny Fanjakany sy ny voninahiny.",
"13": "Izany koa no mahatonga anay hisaotra an\u2019Andriamanitra foana, satria rehefa naheno ny tenin\u2019Andriamanitra notorinay ianareo, dia nekenareo hoe tenin\u2019Andriamanitra ilay izy, fa tsy hoe tenin\u2019olona, ary izay tokoa no izy. Ary misy vokany aminareo mpino koa izany tenin\u2019Andriamanitra izany.",
"14": "Fa efa nanahaka an\u2019ireo fiangonan\u2019Andriamanitra tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy any Jodia ianareo, ry\u00a0rahalahy. Nijaly noho ny nataon\u2019ny mpiray tanindrazana aminareo mantsy ianareo, hoatr\u2019azy ireo koa izay mijaly noho ny ataon\u2019ny Jiosy.",
"15": "Novonoin\u2019ny Jiosy hatramin\u2019i Jesosy Tompo sy ny mpaminany aza, ary nenjehiny koa izahay. Tsy mampifaly an\u2019Andriamanitra koa izy ireo, ary tsy mahasoa an\u2019iza na iza ny zavatra ataony.",
"16": "Fa tadiaviny hosakanana izahay tsy hitory amin\u2019ny hafa firenena hoe ahoana no hatao mba ho voavonjy. Vao mainka mampitombo ny fahotany izy ireo amin\u2019izany. Efa hihatra amin\u2019izy ireo anefa ny fahatezeran\u2019Andriamanitra.",
"17": "Izao anefa, ry rahalahy, rehefa tafasaraka vetivety taminareo izahay\u2014ny tenanay, fa tsy ny fonay,\u2014dia niezaka faran\u2019izay mafy mba hifankahita aminareo, satria tena te hahita anareo.",
"18": "Izany no nahatonga anay hoe te ho any aminareo, ka niezaka ho any izaho Paoly, tsy indray mandeha ihany, fa indroa mihitsy aza. Nosakanan\u2019i Satana anefa izahay.",
"19": "Fa inona moa ny fanantenanay na fifalianay na satroboninahitra ireharehanay eo anatrehan\u2019i Jesosy Tompontsika, mandritra ny fanatrehany? Tsy ianareo ve?",
"20": "Ianareo tokoa no voninahitray sy fifalianay."
},
"3": {
"1": "Rehefa tsy zakanay intsony \u00e0ry ny tsy naheno vaovao momba anareo, dia naleonay nijanona irery tany Atena,",
"2": "fa nirahinay i Timoty, rahalahinay sady mpanompon\u2019Andriamanitra mitory ny vaovao tsara momba an\u2019i Kristy. Nirahinay izy mba hanatanjaka sy hampahery anareo, dia hatanjaka ny finoanareo.",
"3": "Amin\u2019izay ianareo tsy hisy ho voahozongozona na eo aza ireny fahoriana ireny. Fantatrareo tsara mantsy fa tsy maintsy miaritra an\u2019ireny isika.",
"4": "Fa tamin\u2019izahay teo aminareo, dia matetika izahay no nilaza mialoha taminareo hoe tsy maintsy miaritra fahoriana isika. Izany tokoa no mitranga, araka ny efa fantatrareo.",
"5": "Rehefa tsy zakako intsony \u00e0ry, dia nirahiko ho any aminareo i Timoty mba hahafantarako raha tsy mivadika ianareo. Sao mantsy naka fanahy anareo ilay Mpaka fanahy, ka lasa very maina fotsiny ny asa mafy nataonay.",
"6": "Vao izao mihitsy anefa i Timoty no tonga at\u1ef3 aminay rehefa avy tany aminareo, ka nilaza vaovao tsara taminay hoe tsy mivadika ianareo sady be\u00a0fitiavana. Nilaza koa izy fa mbola mahatsiarotsiaro anay foana ianareo, ka te hahita mafy anay, hoatr\u2019anay te hahita mafy anareo koa.",
"7": "Izany no nahatonga anay hahazo fampiononana, ry\u00a0rahalahy, na eo aza ny zava-tsarotra sy ny fahoriana rehetra iaretanay. Fa henonay ny momba anareo sy ny tsy fivadihanareo.",
"8": "Velombelona indray mantsy izahay fa mafy orina ao amin\u2019ny Tompo ianareo.",
"9": "Faly be eo anatrehan\u2019ilay Andriamanitsika izahay izao, noho ny nataonareo. Dia ahoana re no hisaoranay an\u2019Andriamanitra noho ianareo\u00a0e?",
"10": "Vao mainka mitalaho mafy andro aman\u2019alina izahay mba hifankahita aminareo sy hameno an\u2019izay tsy ampy amin\u2019ny finoanareo.",
"11": "Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Tompontsika hanampy anay ho tonga any aminareo!",
"12": "Ary enga anie ny Tompo hampitombo be ny fitiavanareo, ka vao mainka ianareo hifankatia sady ho tia ny olona rehetra, hoatran\u2019ny itiavanay anareo ihany!",
"13": "Amin\u2019izay dia hataony matanjaka sy masina ary tsy misy tsiny eo anatrehan\u2019ilay Andriamanitra Raintsika ny fonareo, rehefa manatrika i Jesosy Tompontsika, miaraka amin\u2019ny olony masina rehetra."
},
"4": {
"1": "Farany, ry rahalahy, efa nahazo toromarika taminay ianareo hoe ahoana no tokony hataonareo mba hampifaly an\u2019Andriamanitra ny fiainanareo, ary efa izany no ataonareo izao. Mangataka sy miangavy anareo amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Tompo \u00e0ry izahay hoe tohizo foana izany ary ataovy bebe kokoa.",
"2": "Fantatrareo mantsy ny toromarika nomenay anareo avy tamin\u2019i Jesosy Tompo.",
"3": "Fa izao no sitrapon\u2019Andriamanitra: Tokony ho masina ianareo ary hifady ny fijangajangana.",
"4": "Tokony hahay hifehy tena ianareo tsirairay, mba ho masina sy mendrika foana ny vatanareo,",
"5": "fa tsy hanao hoatran\u2019ny hafa firenena tsy mahalala an\u2019Andriamanitra. Manaram-po amin\u2019ny filan\u2019ny nofo tsy voafehy mantsy izy ireny, sady tsy mety afa-po mihitsy.",
"6": "Tsy tokony hisy hihoa-pefy ianareo, ka hanararaotra ny rahalahiny amin\u2019izany zavatra izany, satria manasazy an\u2019izay manao an\u2019izany rehetra izany i Jehovah, araka ny efa nolazainay taminareo teo aloha sy nampitandremanay mafy anareo.",
"7": "Fa tsy niantso antsika hanaraka fanao maloto Andriamanitra, fa niantso antsika mba ho masina.",
"8": "Izay tsy miraharaha an\u2019izany \u00e0ry, dia tsy olona no tsy raharahiany, fa ilay Andriamanitra manome anareo ny fanahiny masina.",
"9": "Raha ny amin\u2019ny fitiavana ny rahalahy kosa, dia tsy mila manoratra aminareo izahay, satria ianareo efa ampianarin\u2019Andriamanitra hifankatia.",
"10": "Efa manao an\u2019izany amin\u2019ny rahalahy rehetra eran\u2019i Makedonia ianareo, raha ny marina. Ampirisihinay ihany anefa ianareo, ry\u00a0rahalahy, mba hanao an\u2019izany bebe kokoa aza.",
"11": "Ataovy tanjona ny ho tia filaminana, sy tsy hidikiditra amin\u2019ny fiainan\u2019olona, ary hiasa amin\u2019ny tananareo, araka ny efa natoronay anareo.",
"12": "Amin\u2019izay ianareo hitondra tena tsara eo imason\u2019ny olona eny ivelany, ary tsy hisy hahory anareo.",
"13": "Tianay ho fantatrareo koa, ry rahalahy, ny momba ny olona nodimandry, dia amin\u2019izay ianareo tsy halahelo hoatran\u2019ny olona tsy mba manana fanantenana.",
"14": "Fa raha mino isika hoe maty i Jesosy ary efa nitsangana, dia mino koa isika hoe hovelomin\u2019Andriamanitra izay mpanara-dia an\u2019i Jesosy efa nodimandry, mba ho tafaraka aminy.",
"15": "Fa izao no lazainay aminareo araka ny tenin\u2019i Jehovah: Isika izay velona ka mbola ho eo, amin\u2019ny fanatrehan\u2019ny Tompo, dia tsy hatsangana alohan\u2019izay efa nodimandry,",
"16": "fa ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra, ka hanome baiko mafy amin\u2019ny feon\u2019arkanjely sy ny feon\u2019ny trompetran\u2019Andriamanitra. Ary izay maty ao amin\u2019i Kristy no hitsangana voalohany.",
"17": "Aorian\u2019izay, dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina miaraka amin\u2019izy ireo ao anaty rahona, mba hihaona amin\u2019ny Tompo eny amin\u2019ny habakabaka. Dia hiaraka amin\u2019ny Tompo foana isika.",
"18": "Miezaha foana \u00e0ry hifampionona, ka ireo teny ireo no ampiasao amin\u2019izany."
},
"5": {
"1": "Raha ny amin\u2019ny fotoana sy ny vanim-potoana, ry\u00a0rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratanay aminareo.",
"2": "Fantatrareo tsara mantsy fa ho avy hoatran\u2019 ny mpangalatra amin\u2019ny alina ny andron\u2019i Jehovah.",
"3": "Rehefa miteny izy ireo hoe: \u201cFandriampahalemana sy filaminana!\u201d, dia ho tratran\u2019ny fandringanana tampoka izy ireo, hoatran\u2019ny vehivavy manaintaina tampoka rehefa mihetsi-jaza. Ary tsy ho afaka handositra mihitsy izy ireo.",
"4": "Fa tsy ao amin\u2019ny haizina kosa ianareo, ry\u00a0rahalahy, ka hoe ho tampoka aminareo izany andro izany, hoatran\u2019ny mpangalatra tsy nanampo ny ho tratran\u2019ny maraina.",
"5": "Fa zanaky ny mazava sy zanaky ny andro daholo ianareo. Tsy zanaky ny alina isika sady tsy zanaky ny haizina.",
"6": "Andao \u00e0ry isika tsy hatory hoatran\u2019ny olon-kafa, fa hiambina foana sady hisaina tsara foana.",
"7": "Fa amin\u2019ny alina no fotoana atorian\u2019izay matory, ary amin\u2019ny alina koa ny mpimamo no manao mamo.",
"8": "Fa zanaky ny andro kosa isika, ka aoka hisaina tsara foana, ary andao hatao fiarovan-tratra ny finoana sy ny fitiavana, ary hatao fiarovan-doha ny fanantenana famonjena.",
"9": "Tsy nofidin\u2019Andriamanitra mba hiharan\u2019ny hatezerany mantsy isika, fa mba hovonjena amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika.",
"10": "Maty ho antsika izy, mba ho velona miaraka aminy isika, na mifoha na matory.",
"11": "Miezaha \u00e0ry hifampahery sy hifanampy foana, hoatr\u2019izao efa ataonareo izao.",
"12": "Ary izao no angatahinay aminareo, ry\u00a0rahalahy: Mba hajao izay miasa mafy eo aminareo, sy mitarika anareo eo amin\u2019ny asan\u2019ny Tompo, ary mananatra anareo.",
"13": "Angatahinay koa ianareo mba ho tsara fanahy\u00a0be amin\u2019izy ireny sady ho tia azy ireny, noho izay ataony. Mihav\u00e0na tsara koa ianareo samy ianareo.",
"14": "Ampirisihinay koa ianareo, ry\u00a0rahalahy, mba hampitandrina an\u2019izay tsy laitra fehezina, hampahery ny kivy, hanohana an\u2019izay malemy, ary hanam-paharetana amin\u2019ny olona rehetra.",
"15": "Tandremo sao misy mamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha foana kosa hifanao soa sy hanao soa amin\u2019ny olona rehetra.",
"16": "Mifalia foana.",
"17": "Aza mitsahatra mivavaka.",
"18": "Mahaiza misaotra amin\u2019ny zava-drehetra, fa izany no sitrapon\u2019Andriamanitra ho anareo mpanara-dia an\u2019i Kristy Jesosy.",
"19": "Aza vonoina ny afon\u2019ny fanahy.",
"20": "Ary aza atao tsinontsinona ny faminaniana.",
"21": "Hamarino tsara daholo ny zava-drehetra, ary aza miala amin\u2019izay tsara mihitsy.",
"22": "Fadio daholo izay zava-dratsy rehetra.",
"23": "Enga anie ilay Andriamanitry ny fiadanana mihitsy no hanamasina tanteraka anareo! Ry\u00a0rahalahy, enga anie ilay toe-tsaina sy fiainana ary vatana iraisanareo ka samy tsy hisy kilema amin\u2019ny lafiny rehetra, sady tsy hisy tsiny mihitsy amin\u2019ny fanatrehan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika!",
"24": "Tsy mba mivadika amin\u2019ny teniny ilay miantso anareo, ka tena hanao an\u2019izany rehetra izany izy.",
"25": "Mivavaha foana ho anay, ry rahalahy.",
"26": "Arahabao amin\u2019ny oroka masina ny rahalahy rehetra.",
"27": "Miangavy anareo amin\u2019ny anaran\u2019ny Tompo aho mba hovakina amin\u2019ny rahalahy rehetra ity taratasy ity.",
"28": "Enga anie ianareo hanehoan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika hatsaram-panahy miavaka!"
},
"meta": {
"name": "1 Tesalonianina",
"order": 51,
"chapter_number": 5
}
}