UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

1,008 lines 152 kB
{
    "1": {
        "1": "Adama, Seta, Enosa,",
        "2": "Kenana, Mahalalila, Jareda,",
        "3": "Enoka, Metosela, Lameka,",
        "4": "Noa, Sema, Hama, ary Jafeta.",
        "5": "Ny zanakalahin\u2019i Jafeta dia i Gomera, Magoga, Maday, Javana, Tobala, Meseka, ary Tirasa.",
        "6": "Ny zanakalahin\u2019i Gomera dia i Askenaza sy Rifata ary Togarma.",
        "7": "Ny zanakalahin\u2019i Javana dia i Elisaha, Tarsisy, Kitima, ary Rodanima.",
        "8": "Ny zanakalahin\u2019i Hama dia i Kosy, Mizraima, Pota, ary Kanana.",
        "9": "Ny zanakalahin\u2019i Kosy dia i Seba, Havila, Sabta, Rama, ary Sabteka. Ny zanakalahin\u2019i Rama dia i Sheba sy Dedana.",
        "10": "I Kosy niteraka an\u2019i Nimroda. Io Nimroda io no lasa mpiady mahery voalohany teto an-tany.",
        "11": "I Mizraima niteraka an\u2019i Lodima, Anamima, Lehabima, Naftohima,",
        "12": "Patrosima, Kaslohima izay niavian\u2019ny Filistinina, ary Kaftorima.",
        "13": "I Kanana niteraka an\u2019i Sidona lahimatoany, sy Heta,",
        "14": "ary ny Jebosita, ny Amorita, ny Girgasita,",
        "15": "ny Hivita, ny Arkita, ny Sinita,",
        "16": "ny Arvadita, ny Zemarita, ary ny Hamatita.",
        "17": "Ny zanakalahin\u2019i Sema dia i Elama, Asyra, Arpaksada, Loda, ary Arama. Teo koa ry Oza, Hola, Gatera, ary Masy.",
        "18": "I Arpaksada niteraka an\u2019i Sela, ary Sela niteraka an\u2019i Ebera.",
        "19": "Niteraka roa lahy i Ebera: Palega no anaran\u2019ny iray, satria tamin\u2019ny androny no voazarazara ny tany. Ary Joktana no anaran\u2019ny rahalahiny.",
        "20": "I Joktana niteraka an\u2019i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera,",
        "21": "Hadorama, Ozala, Dikla,",
        "22": "Obala, Abimaela, Sheba,",
        "23": "Ofira, Havila, ary Jobaba. Ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019i Joktana.",
        "24": "Sema, Arpaksada, Sela,",
        "25": "Ebera, Palega, Reo,",
        "26": "Seroga, Nahora, Tera,",
        "27": "Abrama, izany hoe Abrahama.",
        "28": "Ny zanakalahin\u2019i Abrahama dia i Isaka sy Ismaela.",
        "29": "Ireto no fianakaviana nipoiran\u2019izy ireo: I Nebaiota no lahimatoan\u2019i Ismaela, ary nanarakaraka azy i Kedara, Adbela, Mibsama,",
        "30": "Misma, Doma, Masa, Hadada, Tema,",
        "31": "Jetora, Nafisy, ary Kedema. Ireo no zanakalahin\u2019i Ismaela.",
        "32": "Ny zanakalahin\u2019i Ketora, vadikelin\u2019i Abrahama, dia i Zimrana, Joksana, Medana, Midianina, Jisbaka, ary Soaha. Ny zanakalahin\u2019i Joksana dia i Sheba sy Dedana.",
        "33": "Ny zanakalahin\u2019i Midianina dia i Efaha, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak\u2019i Ketora.",
        "34": "I Abrahama niteraka an\u2019i Isaka. Ary ny zanakalahin\u2019i Isaka dia i Esao sy Israely.",
        "35": "Ny zanakalahin\u2019i Esao dia i Elifaza, Regoela, Jeosy, Jalama, ary Kora.",
        "36": "Ny zanakalahin\u2019i Elifaza dia i Temana, Omara, Zefo, Gatama, Kenaza, Timna, ary Amaleka.",
        "37": "Ny zanakalahin\u2019i Regoela dia i Nahata, Zera, Sama, ary Miza.",
        "38": "Ireto avy ny taranak\u2019i Seira: Lotana, Sobala, Zibona, Ana, Disona, Ezera, ary Disana.",
        "39": "Ny zanakalahin\u2019i Lotana dia i Hory sy Homama. Ary i Timna no anabavin\u2019i Lotana.",
        "40": "Ny zanakalahin\u2019i Sobala dia i Alvana, Manahata, Ebala, Sefo, ary Onama. Ary ny zanakalahin\u2019i Zibona dia i Aia sy Ana.",
        "41": "Ny zanakalahin\u2019i Ana dia i Disona. Ary ny zanakalahin\u2019i Disona dia i Hemdana, Esbana, Jitrana, ary Kerana.",
        "42": "Ny zanakalahin\u2019i Ezera dia i Bilana sy Zavana ary Akana. Ary ny zanakalahin\u2019i Disana dia i Oza sy Arana.",
        "43": "Ireto no mpanjaka nitondra tany Edoma, tamin\u2019ny mbola tsy nisy mpanjaka teo amin\u2019ny Israelita: I Bela zanakalahin\u2019i Beora, ary Dinaba no anaran\u2019ny tan\u00e0nany.",
        "44": "Rehefa maty i Bela, dia i Jobaba zanakalahin\u2019i Zera avy any Bozra no nanjaka nandimby azy.",
        "45": "Rehefa maty i Jobaba, dia i Hosama avy any amin\u2019ny tanin\u2019ny Temanita no nanjaka nandimby azy.",
        "46": "Rehefa maty i Hosama, dia i Hadada zanakalahin\u2019i Bedada no nanjaka nandimby azy. Nandresy ny Midianita teo amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba i Hadada, ary Avita no anaran\u2019ny tan\u00e0nany.",
        "47": "Rehefa maty i Hadada, dia i Samla avy any Masreka no nanjaka nandimby azy.",
        "48": "Rehefa maty i Samla, dia i Saoly avy any Rehobota eo amoron\u2019ny Renirano no nanjaka nandimby azy.",
        "49": "Rehefa maty i Saoly, dia i Bala-hanana zanakalahin\u2019i Akbora no nanjaka nandimby azy.",
        "50": "Rehefa maty i Bala-hanana, dia i Hadada no nanjaka nandimby azy, ary Pao no anaran\u2019ny tan\u00e0nany. Ary ny anaran\u2019ny vadiny dia Mehetebela zanakavavin\u2019i Matreda, izay zanakavavin\u2019i Mezahaba.",
        "51": "Dia maty i Hadada avy\u00a0eo. Ny lehibem-pokon\u2019i Edoma dia i Timna Lehibem-poko, Alva Lehibem-poko, Jeteta Lehibem-poko,",
        "52": "Oholibama Lehibem-poko, Elaha Lehibem-poko, Pinona Lehibem-poko,",
        "53": "Kenaza Lehibem-poko, Temana Lehibem-poko, Mibzara Lehibem-poko,",
        "54": "Magdiela Lehibem-poko, Irama Lehibem-poko. Ireo no lehibem-pokon\u2019i Edoma."
    },
    "2": {
        "1": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019i Israely: Robena, Simeona, Levy, Joda, Isakara, Zebolona,",
        "2": "Dana, Josefa, Benjamina, Naftaly, Gada, ary Asera.",
        "3": "Ny zanakalahin\u2019i Joda dia i Era sy Onana ary Sela. Ireo telo ireo no naterak\u2019ilay zanakavavin\u2019i Soa, ilay Kananita vadiny, taminy. Tsy faly tamin\u2019i Era lahimatoan\u2019i Joda anefa i Jehovah, ka novonoiny ho faty izy.",
        "4": "Niteraka an\u2019i Pereza sy Zera tamin\u2019i Joda i Tamara vinantovaviny. Dimy lahy ny zanak\u2019i Joda rehetra.",
        "5": "Ny zanakalahin\u2019i Pereza dia i Hezrona sy Hamola.",
        "6": "Ny zanakalahin\u2019i Zera dia i Zimry, Etana, Hemana, Kalkola, ary Dara. Dimy izy rehetra.",
        "7": "Ny zanakalahin\u2019i Karmy dia i Akara, ilay nahatonga loza tamin\u2019ny Israely. Nivadika tamin\u2019Andriamanitra mantsy izy, satria tsy nankat\u00f2 an\u2019ilay didy momba ny zavatra voatokana haringana.",
        "8": "Ny zanak\u2019i Etana dia i Azaria.",
        "9": "Ny zanakalahy naterak\u2019i Hezrona dia i Jeramela sy Rama ary Kelobay.",
        "10": "I Rama niteraka an\u2019i Aminadaba, ary Aminadaba niteraka an\u2019i Nasona, ilay mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Joda.",
        "11": "I Nasona niteraka an\u2019i Salma, ary Salma niteraka an\u2019i Boaza.",
        "12": "I Boaza niteraka an\u2019i Obeda, ary Obeda niteraka an\u2019i Jese.",
        "13": "Ireto avy no naterak\u2019i Jese: I Eliaba no lahimatoany, Abinadaba no lahy faharoa, Simea no fahatelo,",
        "14": "Netanela no fahefatra, Raday no fahadimy,",
        "15": "Ozema no fahenina, ary Davida no fahafito.",
        "16": "I Zeroia sy Abigaila no anabavin\u2019izy ireo. Telo ny zanakalahin\u2019i Zeroia, dia i Abisay sy Joaba ary Asahela.",
        "17": "I Abigaila niteraka an\u2019i Amasa, ary i Jatera Ismaelita no rain\u2019i Amasa.",
        "18": "I Kaleba zanakalahin\u2019i Hezrona niteraka an\u2019i Jasera sy Sobaba ary Ardona tamin\u2019i Azoba vadiny sy tamin\u2019i Jeriota.",
        "19": "Rehefa maty i Azoba, dia nanambady an\u2019i Efrata indray i Kaleba. Ary niteraka an\u2019i Hora taminy i Efrata.",
        "20": "I Hora niteraka an\u2019i Ory, ary Ory niteraka an\u2019i Bezalila.",
        "21": "Nanambady ny zanakavavin\u2019i Makira rain\u2019i Gileada i Hezrona, tamin\u2019izy 60\u00a0taona. Dia nanao firaisana taminy i Hezrona, ka niteraka an\u2019i Segoba taminy ilay vehivavy.",
        "22": "I Segoba niteraka an\u2019i Jaira, izay nanana tan\u00e0na 23 tany Gileada.",
        "23": "Ary nalain\u2019i Gesora sy Syria tamin\u2019ny mponina tao amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo i Havota-jaira sy Kenata ary ireo tan\u00e0na niankina taminy, dia tan\u00e0na 60. Ireo rehetra ireo no taranak\u2019i Makira rain\u2019i Gileada.",
        "24": "Rehefa maty tany Kaleba-efrata i Hezrona, dia niteraka an\u2019i Asora taminy i Abia vadiny. Ary i Asora no rain\u2019i Tekoa.",
        "25": "Ny zanakalahin\u2019i Jeramela lahimatoan\u2019i Hezrona, dia i Rama, izay lahimatoany, Bona, Orena, Ozema, ary Ahia.",
        "26": "Nanana vady hafa i Jeramela. Atara no anarany, ary izy no renin\u2019i Onama.",
        "27": "Ny zanakalahin\u2019i Rama lahimatoan\u2019i Jeramela, dia i Maza sy Jamina ary Ekera.",
        "28": "Ny zanakalahin\u2019i Onama dia i Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin\u2019i Samay dia i Nadaba sy Abisora.",
        "29": "Ny anaran\u2019ny vadin\u2019i Abisora dia Abihaila, izay niteraka an\u2019i Abana sy Molida taminy.",
        "30": "Ny zanakalahin\u2019i Nadaba dia i Saleda sy Apaima. Maty tsy niteraka anefa i Saleda.",
        "31": "Ny zanakalahin\u2019i Apaima dia i Jisy. Ny zanakalahin\u2019i Jisy dia i Sesana. Ary ny zanakalahin\u2019i Sesana dia i Ahelay.",
        "32": "Ny zanakalahin\u2019i Jada rahalahin\u2019i Samay dia i Jatera sy Jonatana. Maty tsy niteraka anefa i Jatera.",
        "33": "Ny zanakalahin\u2019i Jonatana dia i Peleta sy Zaza. Ireo no taranak\u2019i Jeramela.",
        "34": "Tsy nanana zanakalahy i Sesana, fa zanakavavy ihany. Ary nanana mpanompo ejipsianina atao hoe Jara izy.",
        "35": "Dia nomen\u2019i Sesana ho vadin\u2019i Jara mpanompony ny zanany vavy. Niteraka an\u2019i Atahy tamin\u2019i Jara izy io.",
        "36": "I Atahy niteraka an\u2019i Natana, Natana niteraka an\u2019i Zabada,",
        "37": "Zabada niteraka an\u2019i Eflala, Eflala niteraka an\u2019i Obeda,",
        "38": "Obeda niteraka an\u2019i Jeho, Jeho niteraka an\u2019i Azaria,",
        "39": "Azaria niteraka an\u2019i Heleza, Heleza niteraka an\u2019i Elasa,",
        "40": "Elasa niteraka an\u2019i Sismay, Sismay niteraka an\u2019i Saloma,",
        "41": "Saloma niteraka an\u2019i Jekamia, ary Jekamia niteraka an\u2019i Elisama.",
        "42": "Ny zanakalahin\u2019i Kaleba rahalahin\u2019i Jeramela, dia i Mesa, izay lahimatoany sady rain\u2019i Zifa. Anisany koa ny zanak\u2019i Maresa rain\u2019i Hebrona.",
        "43": "Ny zanakalahin\u2019i Hebrona dia i Kora, Tapoa, Rekema, ary Sema.",
        "44": "I Sema niteraka an\u2019i Rahama rain\u2019i Jorkeama, ary Rekema niteraka an\u2019i Samay.",
        "45": "Ny zanakalahin\u2019i Samay dia i Maona, ary i Maona no rain\u2019i Beti-zora.",
        "46": "Niteraka an\u2019i Harana sy Moza ary Gazeza i Efaha vadikelin\u2019i Kaleba. Ary i Harana niteraka an\u2019i Gazeza.",
        "47": "Ny zanakalahin\u2019i Jeday dia i Ragema, Jotama, Gesana, Peleta, Efaha, ary Safa.",
        "48": "Niteraka an\u2019i Sabera sy Tirana i Maka vadikelin\u2019i Kaleba,",
        "49": "ary tat\u1ef3 aoriana izy dia niteraka an\u2019i Safa rain\u2019i Madmana, sy Seva rain\u2019i Makbena sy Gibea. Ary i Aksa no zanakavavin\u2019i Kaleba.",
        "50": "Ireo no taranak\u2019i Kaleba. Dia ireto avy ny zanakalahin\u2019i Hora lahimatoan\u2019i Efrata: I Sobala rain\u2019i Kiriata-jearima,",
        "51": "Salma rain\u2019i Betlehema, ary Harefa rain\u2019i Beti-gadera.",
        "52": "Nanan-janakalahy i Sobala rain\u2019i Kiriata-jearima, dia i Horea. I Sobala koa no razamben\u2019ny antsasaky ny Menokota.",
        "53": "Ary ny fianakaviana tao Kiriata-jearima dia ny Jitrita, ny Potita, ny Somatita, ary ny Misraita. Avy tamin\u2019ireo no niavian\u2019ny Zoraita sy ny Estaolita.",
        "54": "Ny zanakalahin\u2019i Salma dia i Betlehema, ny Netofatita, Atrota-beti-joaba, ny antsasaky ny Manahatita, ary ny Zorita.",
        "55": "Ary ny fianakavian\u2019ny mpitan-tsoratra nipetraka tao Jabeza dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin\u2019i Hamata razamben\u2019ny taranak\u2019i Rekaba."
    },
    "3": {
        "1": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019i Davida naterany tany Hebrona: I Amnona zanak\u2019i Ahinoama Jezirelita no lahimatoa, Daniela zanak\u2019i Abigaila Karmelita no faharoa,",
        "2": "Absaloma zanak\u2019i Maka, zanakavavin\u2019i Talmay mpanjakan\u2019i Gesora no fahatelo, Adonia zanak\u2019i Hagita no fahefatra,",
        "3": "Sefatia zanak\u2019i Abitala no fahadimy, ary Jitreama no fahenina. Zanak\u2019i Davida tamin\u2019i Egla vadiny i Jitreama.",
        "4": "Ireo enina ireo no naterak\u2019i Davida tao Hebrona. Nanjaka 7\u00a0taona sy tapany tao izy, fa 33\u00a0taona kosa tao Jerosalema.",
        "5": "Ireto avy no naterany tany Jerosalema: Simea, Sobaba, Natana, ary Solomona. I Batseba zanakavavin\u2019i Amiela no niteraka an\u2019ireo efatra ireo.",
        "6": "Nanan-janakalahy sivy hafa izy, dia i Jibara, Elisama, Elifeleta,",
        "7": "Noga, Nafega, Jafia,",
        "8": "Elisama, Eliada, ary Elifeleta.",
        "9": "Izy rehetra ireo no zanakalahin\u2019i Davida, ankoatra an\u2019ireo zanaky ny vadikeliny. Ary i Tamara no anabavin\u2019izy ireo.",
        "10": "I Solomona niteraka an\u2019i Rehoboama, Rehoboama niteraka an\u2019i Abia, Abia niteraka an\u2019i Asa, Asa niteraka an\u2019i Josafata,",
        "11": "Josafata niteraka an\u2019i Jorama, Jorama niteraka an\u2019i Ahazia, Ahazia niteraka an\u2019i Joasy,",
        "12": "Joasy niteraka an\u2019i Amazia, Amazia niteraka an\u2019i Azaria, Azaria niteraka an\u2019i Jotama,",
        "13": "Jotama niteraka an\u2019i Ahaza, Ahaza niteraka an\u2019i Hezekia, Hezekia niteraka an\u2019i Manase,",
        "14": "Manase niteraka an\u2019i Amona, ary Amona niteraka an\u2019i Josia.",
        "15": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019i Josia: I Johanana no lahimatoa, Joiakima no faharoa, Zedekia no fahatelo, ary Saloma no fahefatra.",
        "16": "I Joiakima niteraka an\u2019i Jekonia, ary Jekonia niteraka an\u2019i Zedekia.",
        "17": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019i Jekonia tamin\u2019izy nigadra: Sealtiela,",
        "18": "Malkirama, Pedaia, Senazara, Jekamia, Hosama, ary Nedabia.",
        "19": "Ny zanakalahin\u2019i Pedaia dia i Zerobabela sy Simey. Ary ny zanakalahin\u2019i Zerobabela dia i Mesolama sy Hanania. I Selomita no anabavin\u2019izy ireo.",
        "20": "Nanan-janakalahy dimy hafa koa izy dia i Hasoba, Ohela, Berekia, Hasadia, ary Josaba-heseda.",
        "21": "Ny zanakalahin\u2019i Hanania dia i Pelatia sy Jesaia. Ny zanakalahin\u2019i Jesaia dia i Refaia. Ny zanakalahin\u2019i Refaia dia i Arnana. Ny zanakalahin\u2019i Arnana dia i Obadia. Ary ny zanakalahin\u2019i Obadia dia i Sekania.",
        "22": "Ny zanakalahin\u2019i Sekania dia i Semaia. Ary ny zanakalahin\u2019i Semaia dia i Hatosy, Jigala, Baria, Nearia, ary Safata. Enina izy rehetra.",
        "23": "Ny zanakalahin\u2019i Nearia dia i Elioenay sy Hizkia ary Azrikama. Telo izy ireo.",
        "24": "Ary ny zanakalahin\u2019i Elioenay dia i Hodavia, Eliasiba, Pelaia, Akoba, Johanana, Delaia, ary Anany. Fito izy ireo."
    },
    "4": {
        "1": "Ny zanakalahin\u2019i Joda dia i Pereza, Hezrona, Karmy, Hora, ary Sobala.",
        "2": "I Reaia zanak\u2019i Sobala niteraka an\u2019i Jahata, ary Jahata niteraka an\u2019i Ahomay sy Lahada. Avy tamin\u2019ireo no niavian\u2019ny fianakavian\u2019ny Zoraita.",
        "3": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019ny rain\u2019i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy \u2014ary Hazelelpony no anaran\u2019ny anabavin\u2019izy ireo\u2014,",
        "4": "ka i Penoela no rain\u2019i Gedora, ary Ezera no rain\u2019i Hosa. Ireo no zanak\u2019i Hora lahimatoan\u2019i Efrata sady rain\u2019i Betlehema.",
        "5": "Nanana vady roa i Asora rain\u2019i Tekoa, dia i Hela sy Nara.",
        "6": "Ireto avy no naterak\u2019i Nara taminy: Ahozama, Hefera, Temeny, ary Hahastary. Ireo no zanak\u2019i Nara.",
        "7": "Ny zanakalahin\u2019i Hela dia i Zareta sy Jizara ary Etnana.",
        "8": "I Koza niteraka an\u2019i Anoba sy Zobeba ary ireo fianakavian\u2019i Aharela zanak\u2019i Haroma.",
        "9": "Nahazo voninahitra kokoa noho ny rahalahiny i Jabeza. Nataon\u2019ny reniny hoe Jabeza ny anarany, satria hoy izy: \u201cNarary aho niteraka azy.\u201d",
        "10": "Niantso an\u2019ilay Andriamanitry ny Israely i Jabeza, ka niteny hoe: \u201cMba tahio re aho dia itaro ny faritry ny taniko\u00a0e! Ary enga anie ianao hanampy ahy sy hiaro ahy amin\u2019ny loza, dia amin\u2019izay tsy hisy zava-dratsy hanjo ahy!\u201d Dia nomen\u2019Andriamanitra azy izay nangatahiny.",
        "11": "I Keloba rahalahin\u2019i Soha niteraka an\u2019i Mehira, rain\u2019i Estona.",
        "12": "I Estona indray niteraka an\u2019i Beti-rafa sy Pasea ary Tehina rain\u2019i Ira-nahasa. Ireo no olona tao Reka.",
        "13": "Ny zanakalahin\u2019i Kenaza dia i Otniela sy Seraia. Ary ny zanakalahin\u2019i Otniela dia i Hatata.",
        "14": "I Meonotahy niteraka an\u2019i Ofra. I Seraia no niteraka an\u2019i Joaba rain\u2019i Ge-harasima. Izany no natao anarany satria mpanao asa tanana ny mponina tao.",
        "15": "Ny zanakalahin\u2019i Kaleba zanak\u2019i Jefone dia i Iro sy Elaha ary Nama. Ary ny zanakalahin\u2019i Elaha dia i Kenaza.",
        "16": "Ny zanakalahin\u2019i Jehalalila dia i Zifa, Zifaha, Tiria, ary Asarela.",
        "17": "Ny zanakalahin\u2019i Ezra dia i Jatera, Mareda, Efera, ary Jalona. Niteraka an\u2019i Miriama sy Samay ary Jisba rain\u2019i Estemoa izy.",
        "18": "Ary ilay vadiny jiosy dia niteraka an\u2019i Jareda rain\u2019i Gedora, sy Hebera rain\u2019i Soko, ary Jakotiela rain\u2019i Zanoa. Ireo no zanakalahin\u2019i Bitia zanakavavin\u2019i Farao. I Bitia ilay nalain\u2019i Mareda ho vadiny.",
        "19": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019ny vadin\u2019i Hodia: Ny rain\u2019i Keila Garmita sy Estemoa Makatita. Anabavin\u2019i Nahama io vadin\u2019i Hodia io.",
        "20": "Ny zanakalahin\u2019i Simona dia i Amnona, Rina, Ben-hanana, ary Tilona. Ary ny zanakalahin\u2019i Jisy dia i Zoheta sy Ben-zoheta.",
        "21": "Ny zanakalahin\u2019i Sela zanak\u2019i Joda, dia i Era rain\u2019i Leka, Lada rain\u2019i Maresa, ireo fianakavian\u2019ny mpanenona lamba tena tsara avy amin\u2019ny ankohonan\u2019i Asbea,",
        "22": "Jokima, ireo olona tao Kozeba, Joasy, sy Sarafa, izay samy nanambady vehivavy moabita, ary Jasobi-lehema. Lisitra efa taloha be ireo.",
        "23": "Mpanefy tanimanga izy ireo, ary nipetraka tao Netaima sy Gadera. Sady nipetraka tao izy ireo no niasa ho an\u2019ny mpanjaka.",
        "24": "Ny zanakalahin\u2019i Simeona dia i Nemoela, Jamina, Jariba, Zera, ary Saoly.",
        "25": "I Saoly niteraka an\u2019i Saloma, ary Saloma niteraka an\u2019i Mibsama, ary Mibsama niteraka an\u2019i Misma.",
        "26": "I Misma niteraka an\u2019i Hamoela, ary Hamoela niteraka an\u2019i Zakora, ary Zakora niteraka an\u2019i Simey.",
        "27": "Nanana zanakalahy 16 sy zanakavavy 6 i Simey, fa ny rahalahiny kosa tsy nanan-janaka firy. Tsy nisy tamin\u2019ny fianakavian\u2019izy ireo nanan-janaka be dia be hoatran\u2019ny an\u2019ny fokon\u2019i Joda.",
        "28": "Ireto avy ny tan\u00e0na nipetrahan\u2019izy ireo: Beri-sheba, Molada, Hazara-soala,",
        "29": "Bilaha, Azema, Tolada,",
        "30": "Betoela, Horma, Ziklaga,",
        "31": "Beti-markabota, Hazara-sosima, Beti-biry, ary Saraima. Ireo no tan\u00e0nany mandra-pahalasa mpanjaka an\u2019i Davida.",
        "32": "I Etama, Aina, Rimona, Tokena, ary Asana no tan\u00e0na keliny. Dimy ireo tan\u00e0na ireo,",
        "33": "miampy an\u2019ireo tan\u00e0na kely manodidina an\u2019ireo tan\u00e0na ireo hatrany Bala. Ireo no voasoratra ao amin\u2019ny tetirazany, ary tao amin\u2019ireo toerana ireo izy ireo no nipetraka.",
        "34": "I Mesobaba, Jamleka, Josa zanak\u2019i Amazia,",
        "35": "Joela, Jeho zanak\u2019i Josibia, zanak\u2019i Seraia, zanak\u2019i Asiela,",
        "36": "ary Elioenay, Jakoba, Jesohaia, Asaia, Adiela, Jesimiela, Benaia,",
        "37": "Ziza zanak\u2019i Sify, zanak\u2019i Alona, zanak\u2019i Jedaia, zanak\u2019i Simry, zanak\u2019i Semaia:",
        "38": "Ireo voatonona anarana ireo no mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviany. Dia lasa be dia be ny tao amin\u2019ny fianakaviambeny.",
        "39": "Nankany amin\u2019ny fidirana mankao Gedora hatrany amin\u2019ny ilany atsinanana amin\u2019ny lohasaha izy ireo, mba hitady kijana ho an\u2019ny ondry aman\u2019osiny.",
        "40": "Dia nahita kijana lonaka sady be vilona izy ireo tamin\u2019ny farany. Nalalaka be ilay tany sady nangingina no tsy nisy nanelingelina. Ny taranak\u2019i Hama no nipetraka tao taloha.",
        "41": "Tamin\u2019ny andron\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda no tonga ireo voasoratra anarana ireo. Noravan\u2019izy ireo ny tranolain\u2019ny Hamita sy ny Meonita hitany tao. Naringany izy ireny ka tsy hita intsony hatramin\u2019izao. Dia izy ireo indray no lasa nipetraka tao, satria nisy kijana ho an\u2019ny ondry aman\u2019osiny tao.",
        "42": "Nankany amin\u2019ny Tendrombohitra Seira ny sasany tamin\u2019ny taranak\u2019i Simeona, ary nisy 500 lahy izy ireo. Ary nitarika azy ireo i Pelatia, Nearia, Refaia, ary Oziela, izay samy zanak\u2019i Jisy.",
        "43": "Dia naringan\u2019izy ireo izay sisa tavela tamin\u2019ny Amalekita afa-nandositra. Mbola mipetraka ao izy ireo hatramin\u2019izao."
    },
    "5": {
        "1": "Voasoratra anarana etsy ambany ny zanakalahin\u2019i Robena lahimatoan\u2019i Israely. Izy no lahimatoa, saingy nandoto ny fandrianan\u2019ny rainy izy, ka nomena ny zanak\u2019i Josefa, zanak\u2019i Israely, ny zony amin\u2019ny maha lahimatoa. Tsy voasoratra ao amin\u2019ny tetirazana \u00e0ry hoe manana ny zon\u2019ny lahimatoa izy.",
        "2": "Ambony noho ny rahalahiny i Joda, ary izy no razamben\u2019ilay mpitarika. I Josefa anefa no nanana ny zon\u2019ny lahimatoa.",
        "3": "Ny zanakalahin\u2019i Robena lahimatoan\u2019i Israely dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy.",
        "4": "I Joela niteraka an\u2019i Semaia, Semaia niteraka an\u2019i Goga, Goga niteraka an\u2019i Simey,",
        "5": "Simey niteraka an\u2019i Mika, Mika niteraka an\u2019i Reaia, Reaia niteraka an\u2019i Bala,",
        "6": "ary Bala niteraka an\u2019i Bera izay nataon\u2019i Tilgato-pilnesera, mpanjakan\u2019i Asyria, sesitany. Mpiadidy teo amin\u2019ny Robenita i Bera.",
        "7": "Ireto avy ny rahalahiny, araka ny fianakaviany avy, izay voasoratra ao amin\u2019ny tetirazana, araka ny taranaka misy azy: I Jeiela no lohany, dia avy eo i Zakaria",
        "8": "sy Bela zanak\u2019i Azaza, zanak\u2019i Sema, zanak\u2019i Joela. Ary nipetraka tany Aroera ka hatrany Nebo sy Bala-meona ny taranak\u2019i Bela.",
        "9": "Nipetraka tany atsinanana koa izy ireo, hatrany amin\u2019ny sisin\u2019ny tany efitra eo amoron\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata. Lasa be dia be mantsy ny biby fiompiny tany Gileada.",
        "10": "Ary niady tamin\u2019ny Hagarita izy ireo tamin\u2019ny andron\u2019i Saoly, ka naharesy azy. Nipetraka nanerana ny faritra atsinanan\u2019i Gileada \u00e0ry izy ireo, ary tranolay no nipetrahany.",
        "11": "Ny taranak\u2019i Gada kosa no teo akaikin\u2019izy ireo, tany Basana ka hatrany Saleka.",
        "12": "I Joela no lohany tany Basana, ary Safama no faharoa. Tany koa i Janay sy Safata.",
        "13": "Ary ny rahalahiny anisan\u2019ny fianakaviambeny, dia i Mikaela, Mesolama, Sheba, Joray, Jakana, Zia, ary Ebera. Fito izy rehetra.",
        "14": "Ireo no zanakalahin\u2019i Abihaila zanak\u2019i Hory, zanak\u2019i Jaroa, zanak\u2019i Gileada, zanak\u2019i Mikaela, zanak\u2019i Jesisay, zanak\u2019i Jado, zanak\u2019i Boza.",
        "15": "Ary lohan\u2019ny fianakaviambeny i Ahia zanak\u2019i Abdiela, zanak\u2019i Gony.",
        "16": "Dia nipetraka tany Gileada sy Basana sy tany amin\u2019ireo tan\u00e0na niankina taminy izy ireo, ary tany amin\u2019ny kijana rehetra tany Sar\u00f4na hatrany amin\u2019ny sisiny indrindra.",
        "17": "Voasoratra tao amin\u2019ny tetirazana daholo izy ireo tamin\u2019ny andron\u2019i Jotama mpanjakan\u2019ny Joda, sy tamin\u2019ny andron\u2019i Jeroboama mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "18": "Nanana miaramila matanjaka 44\u00a0760 ny tafiky ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase. Nanana ampinga sy sabatra izy ireo, ary nitondra tsip\u00ecka sady efa zatra ady.",
        "19": "Niady tamin\u2019ny Hagarita sy tamin\u2019i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy ireo.",
        "20": "Nisy nanampy izy ireo rehefa niady tamin\u2019ireny, ka natao resiny ny Hagarita sy izay rehetra niaraka taminy. Niantso vonjy tamin\u2019Andriamanitra mantsy izy ireo tamin\u2019ilay ady, ka nohenoiny ny fitalahoany satria natoky azy izy ireo.",
        "21": "Nalainy ho babo ny biby fiompin\u2019izy ireny, izany hoe rameva 50\u00a0000, sy ondry 250\u00a0000, ary ampondra 2\u00a0000. Nisy olona 100\u00a0000 koa nalainy ho babo.",
        "22": "Be dia be ny olona maty, satria ilay tena Andriamanitra no niady ho azy ireo. Dia izy ireo indray no lasa nipetraka tany mandra-pahatongan\u2019ny fotoanan\u2019ny sesitany.",
        "23": "Ny taranaky ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase dia nipetraka hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary ny Tendrombohitra Hermona. Be dia be izy ireo.",
        "24": "Ireto avy ny lohan\u2019ny fianakaviambeny: Efera, Jisy, Eliela, Azriela, Jeremia, Hodavia, ary Jadiela. Miaramila matanjaka sy malaza izy ireo, sady lohan\u2019ny fianakaviambeny.",
        "25": "Nivadika tamin\u2019ilay Andriamanitry ny razambeny anefa izy ireo, ka nivavaka tamin\u2019ny andriamanitry ny mponina tao amin\u2019ilay tany. Efa naringan\u2019Andriamanitra tsy ho eo anatrehan\u2019izy ireo anefa ireny mponina ireny.",
        "26": "Nampirisihin\u2019ilay Andriamanitry ny Israely \u00e0ry i Pola mpanjakan\u2019i Asyria,\u2014dia i Tilgato-pilnesera mpanjakan\u2019i Asyria,\u2014mba hanao sesitany ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase. Dia nentin\u2019izy io nankany Hala sy Habora sy Hara ary tany amin\u2019ny reniranon\u2019i Gozana izy ireo, ka mbola any hatramin\u2019izao."
    },
    "6": {
        "1": "Ny zanakalahin\u2019i Levy dia i Gersona sy Kehata ary Merary.",
        "2": "Ny zanakalahin\u2019i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela.",
        "3": "Ny zanak\u2019i Amrama dia i Arona sy Mosesy ary Miriama. Ary ny zanakalahin\u2019i Arona dia i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara.",
        "4": "I Eleazara niteraka an\u2019i Finehasa, ary Finehasa niteraka an\u2019i Abisoa.",
        "5": "I Abisoa niteraka an\u2019i Boky, ary Boky niteraka an\u2019i Ozy.",
        "6": "I Ozy niteraka an\u2019i Zerahia, ary Zerahia niteraka an\u2019i Meraiota.",
        "7": "I Meraiota niteraka an\u2019i Amaria, ary Amaria niteraka an\u2019i Ahitoba.",
        "8": "I Ahitoba niteraka an\u2019i Zadoka, ary Zadoka niteraka an\u2019i Ahimaza.",
        "9": "I Ahimaza niteraka an\u2019i Azaria, ary Azaria niteraka an\u2019i Johanana.",
        "10": "I Johanana niteraka an\u2019i Azaria. Mpisorona tao amin\u2019ilay trano naorin\u2019i Solomona tao Jerosalema izy.",
        "11": "I Azaria niteraka an\u2019i Amaria, ary Amaria niteraka an\u2019i Ahitoba.",
        "12": "I Ahitoba niteraka an\u2019i Zadoka, ary Zadoka niteraka an\u2019i Saloma.",
        "13": "I Saloma niteraka an\u2019i Hilkia, ary Hilkia niteraka an\u2019i Azaria.",
        "14": "I Azaria niteraka an\u2019i Seraia, ary Seraia niteraka an\u2019i Jozadaka.",
        "15": "Lasa tany an-tsesitany i Jozadaka rehefa navelan\u2019i Jehovah hanao sesitany an\u2019i Joda sy Jerosalema i Nebokadnezara.",
        "16": "Ny zanakalahin\u2019i Levy dia i Gersoma sy Kehata ary Merary.",
        "17": "Ireto avy ny anaran\u2019ny zanak\u2019i Gersoma: Libny sy Simey.",
        "18": "Ny zanakalahin\u2019i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela.",
        "19": "Ny zanakalahin\u2019i Merary dia i Maly sy Mosy. Ireto avy ny fianakavian\u2019ny Levita, araka ny anaran\u2019ny razambeny:",
        "20": "I Gersoma niteraka an\u2019i Libny, Libny niteraka an\u2019i Jahata, Jahata niteraka an\u2019i Zima,",
        "21": "Zima niteraka an\u2019i Joa, Joa niteraka an\u2019i Ido, Ido niteraka an\u2019i Zera, ary Zera niteraka an\u2019i Jeateray.",
        "22": "Ny zanak\u2019i Kehata dia i Aminadaba. I Aminadaba niteraka an\u2019i Kora, ary Kora niteraka an\u2019i Asira",
        "23": "sy Elkana ary Ebiasafa. I Ebiasafa niteraka an\u2019i Asira,",
        "24": "Asira niteraka an\u2019i Tahata, Tahata niteraka an\u2019i Oriela, Oriela niteraka an\u2019i Ozia, ary Ozia niteraka an\u2019i Saoly.",
        "25": "Ny zanakalahin\u2019i Elkana dia i Amasay sy Ahimota.",
        "26": "Ireto avy ny taranak\u2019i Elkana: I Elkana niteraka an\u2019i Zofay, Zofay niteraka an\u2019i Nahata,",
        "27": "Nahata niteraka an\u2019i Eliaba, Eliaba niteraka an\u2019i Jerohama, ary Jerohama niteraka an\u2019i Elkana.",
        "28": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019i Samoela: I Joela no lahimatoa, ary Abia no faharoa.",
        "29": "Ny zanak\u2019i Merary dia i Maly, ary i Maly niteraka an\u2019i Libny, Libny niteraka an\u2019i Simey, Simey niteraka an\u2019i Oza,",
        "30": "Oza niteraka an\u2019i Simea, Simea niteraka an\u2019i Hagia, ary Hagia niteraka an\u2019i Asaia.",
        "31": "Ireto avy no notendren\u2019i Davida hitarika ny hira tao an-tranon\u2019i Jehovah, rehefa avy napetraka tao ilay Vata.",
        "32": "Niandraikitra ny hira tao amin\u2019ny tranolay izy ireo, mandra-panorin\u2019i Solomona ny tranon\u2019i Jehovah tao Jerosalema. Ary nanao ny fanompoany araka izay nasaina nataony izy ireo.",
        "33": "Ireto avy ny lehilahy nanompo niaraka tamin\u2019ny zanany: Tamin\u2019ny Kehatita, dia i Hemana mpihira zanak\u2019i Joela, zanak\u2019i Samoela,",
        "34": "zanak\u2019i Elkana, zanak\u2019i Jerohama, zanak\u2019i Eliela, zanak\u2019i Toa,",
        "35": "zanak\u2019i Zofa, zanak\u2019i Elkana, zanak\u2019i Mahata, zanak\u2019i Amasay,",
        "36": "zanak\u2019i Elkana, zanak\u2019i Joela, zanak\u2019i Azaria, zanak\u2019i Zefania,",
        "37": "zanak\u2019i Tahata, zanak\u2019i Asira, zanak\u2019i Ebiasafa, zanak\u2019i Kora,",
        "38": "zanak\u2019i Jizara, zanak\u2019i Kehata, zanak\u2019i Levy, zanak\u2019i Israely.",
        "39": "Nijoro teo ankavanan\u2019i Hemana i Asafa rahalahiny. Ary i Asafa dia zanak\u2019i Berekia, zanak\u2019i Simea,",
        "40": "zanak\u2019i Mikaela, zanak\u2019i Beseia, zanak\u2019i Malkia,",
        "41": "zanak\u2019i Etny, zanak\u2019i Zera, zanak\u2019i Adaia,",
        "42": "zanak\u2019i Etana, zanak\u2019i Zima, zanak\u2019i Simey,",
        "43": "zanak\u2019i Jahata, zanak\u2019i Gersoma, zanak\u2019i Levy.",
        "44": "Teo ankavia kosa ny taranak\u2019i Merary rahalahiny. Tao i Etana zanak\u2019i Kisy, zanak\u2019i Abdia, zanak\u2019i Maloka,",
        "45": "zanak\u2019i Hasabia, zanak\u2019i Amazia, zanak\u2019i Hilkia,",
        "46": "zanak\u2019i Amzy, zanak\u2019i Bany, zanak\u2019i Samera,",
        "47": "zanak\u2019i Maly, zanak\u2019i Mosy, zanak\u2019i Merary, zanak\u2019i Levy.",
        "48": "Voatendry hanao ny fanompoana rehetra tao amin\u2019ny tranolay, izany hoe ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, ny Levita rahalahin\u2019izy ireo.",
        "49": "I Arona sy ny zanany lahy no nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teo ambonin\u2019ny alitara fanaovana fanatitra dorana sy ny alitara fandoroana emboka manitra. Nanao ny asa nifandray tamin\u2019ireo zavatra masina indrindra izy ireo mba handrakofana ny fahotan\u2019ny Israely, araka izay rehetra nandidian\u2019i Mosesy mpanompon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "50": "Ireto avy ny taranak\u2019i Arona: I Arona niteraka an\u2019i Eleazara, Eleazara niteraka an\u2019i Finehasa, Finehasa niteraka an\u2019i Abisoa,",
        "51": "Abisoa niteraka an\u2019i Boky, Boky niteraka an\u2019i Ozy, Ozy niteraka an\u2019i Zerahia,",
        "52": "Zerahia niteraka an\u2019i Meraiota, Meraiota niteraka an\u2019i Amaria, Amaria niteraka an\u2019i Ahitoba,",
        "53": "Ahitoba niteraka an\u2019i Zadoka, ary Zadoka niteraka an\u2019i Ahimaza.",
        "54": "Ireto avy ny tan\u00e0na kelin\u2019ny Levita sy ny toerana nasiany toby tao amin\u2019ny faritra nipetrahany: Nahazo ny anjara voalohany ny taranak\u2019i Arona anisan\u2019ny fianakavian\u2019ny Kehatita rehefa natao ny antsapaka,",
        "55": "ka nomena azy ireo i Hebrona ao amin\u2019ny tanin\u2019i Joda, sy ny kijana manodidina azy.",
        "56": "Nomena an\u2019i Kaleba zanak\u2019i Jefone anefa ny faritra sy tan\u00e0na kely manodidina an\u2019i Hebrona.",
        "57": "Nomena ho an\u2019ny taranak\u2019i Arona ireo tan\u00e0na fialokalofana, izany hoe i Hebrona, Libna sy ny kijanany, Jatira, Estemoa sy ny kijanany,",
        "58": "Hilena sy ny kijanany, Debira sy ny kijanany,",
        "59": "Asana sy ny kijanany, ary Beti-semesy sy ny kijanany.",
        "60": "Nomen\u2019ny fokon\u2019i Benjamina azy koa i Geba sy ny kijanany, Alemeta sy ny kijanany, ary Anatota sy ny kijanany. Nisy 13 ny tan\u00e0na rehetra nomena ny fianakavian\u2019izy ireo.",
        "61": "Ary ny sisa tamin\u2019ny Kehatita dia nomena tan\u00e0na folo, avy tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny foko hafa sy ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase.",
        "62": "Ny taranak\u2019i Gersoma araka ny fianakaviany avy indray nomena tan\u00e0na 13 avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Isakara, sy ny fokon\u2019i Asera, sy ny fokon\u2019i Naftaly, ary ny fokon\u2019i Manase any Basana.",
        "63": "Rehefa natao ny antsapaka, dia nomena tan\u00e0na 12 ny Merarita araka ny fianakaviany avy. Avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena sy ny fokon\u2019i Gada ary ny fokon\u2019i Zebolona ireo tan\u00e0na ireo.",
        "64": "Nomen\u2019ny Israelita ho an\u2019ny Levita \u00e0ry ireo tan\u00e0na ireo sy ny kijanany.",
        "65": "Rehefa natao ny antsapaka, dia nisy tan\u00e0na hafa koa nomena azy ireo. Avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda sy ny fokon\u2019i Simeona ary ny fokon\u2019i Benjamina ireo tan\u00e0na ireo, ary notononina tamin\u2019ny anarany avy.",
        "66": "Nisy tamin\u2019ireo fianakavian\u2019ny Kehatita nahazo tan\u00e0na avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Efraima, dia ireny no faritra nipetrahany.",
        "67": "Nomena azy ireo koa ireo tan\u00e0na fialokalofana, izany hoe i Sekema sy ny kijanany eny amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, Gazera sy ny kijanany,",
        "68": "Jokmeama sy ny kijanany, Beti-horona sy ny kijanany,",
        "69": "Aialona sy ny kijanany, ary Gata-rimona sy ny kijanany.",
        "70": "Ny tan\u00e0na avy tamin\u2019ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase dia i Anera sy ny kijanany, ary Bileama sy ny kijanany. Nomena ho an\u2019ny sisa tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny Kehatita ireny.",
        "71": "Ny taranak\u2019i Gersoma indray nomena an\u2019i Golana any Basana sy ny kijanany, ary Astarota sy ny kijanany. Avy tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase ireny.",
        "72": "Ireto avy ny tan\u00e0na avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Isakara: I Kedesy sy ny kijanany, Daberata sy ny kijanany,",
        "73": "Ramota sy ny kijanany, ary Anema sy ny kijanany.",
        "74": "Ireto kosa no avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Asera: I Masala sy ny kijanany, Abdona sy ny kijanany,",
        "75": "Hokoka sy ny kijanany, ary Rehoba sy ny kijanany.",
        "76": "Ary ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly dia i Kedesy any Galilia sy ny kijanany, Hamona sy ny kijanany, ary Kiriataima sy ny kijanany.",
        "77": "Ny sisa tamin\u2019ny Merarita dia nomena an\u2019i Rimono sy ny kijanany, ary Tabara sy ny kijanany. Avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Zebolona ireo.",
        "78": "Ireto no nomena azy avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena: Ny tany amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana tany akaikin\u2019i Jeriko, tany atsinanan\u2019i Jordana, dia i Bezera any an-tany efitra sy ny kijanany, Jahaza sy ny kijanany,",
        "79": "Kedemota sy ny kijanany, ary Mefata sy ny kijanany.",
        "80": "Ary ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Gada dia i Ramota any Gileada sy ny kijanany, Mahanaima sy ny kijanany,",
        "81": "Hesbona sy ny kijanany, ary Jazera sy ny kijanany."
    },
    "7": {
        "1": "Ny zanakalahin\u2019i Isakara dia i Tola, Poha, Jasoba, ary Simrona. Efatra izy ireo.",
        "2": "Ny zanakalahin\u2019i Tola dia i Ozy, Refaia, Jeriela, Jamay, Jibsama, ary Semoela, izay samy lohan\u2019ny fianakaviambeny. Nisy miaramila matanjaka tamin\u2019ny taranak\u2019i Tola, ka 22\u00a0600 ny isany tamin\u2019ny andron\u2019i Davida.",
        "3": "Ary ny taranak\u2019i Ozy dia i Jizrahia sy ireto zanakalahin\u2019i Jizrahia ireto: Mikaela, Obadia, Joela, ary Jisia. Samy lehiben\u2019ny fianakaviany izy dimy ireo.",
        "4": "Nanana vady aman-janaka be dia be izy ireo sy ny taranany. Nisy 36\u00a0000 \u00e0ry ny miaramila vonona handeha hiady tao amin\u2019ny tafiny, avy amin\u2019ny fianakaviambeny.",
        "5": "Ary miaramila matanjaka ireo rahalahiny ao amin\u2019ireo fianakavian\u2019i Isakara, ka 87\u00a0000 izy ireo no voasoratra ao amin\u2019ny tetirazana.",
        "6": "Ny zanakalahin\u2019i Benjamina dia i Bela sy Bekera ary Jediaela. Telo izy ireo.",
        "7": "Ny zanakalahin\u2019i Bela dia i Ezbona, Ozy, Oziela, Jerimota, ary Iry. Dimy izy ireo, ary lohan\u2019ny fianakaviambeny sady miaramila matanjaka. Nisy 22\u00a0034 izy ireo no voasoratra ao amin\u2019ny tetirazany.",
        "8": "Ny zanakalahin\u2019i Bekera dia i Zemira, Joasy, Eliezera, Elioenay, Omry, Jeremota, Abia, Anatota, ary Alemeta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019i Bekera.",
        "9": "Nisy 20\u00a0200 ny miaramila matanjaka, araka ny lisitry ny lohan\u2019ny fianakaviambeny sy ny taranany voasoratra ao amin\u2019ny tetirazany.",
        "10": "Ary ny taranak\u2019i Jediaela dia i Bilana sy ireto zanakalahin\u2019i Bilana ireto: I Jeosy, Benjamina, Ehoda, Kenana, Zetana, Tarsisy, ary Ahisahara.",
        "11": "Taranak\u2019i Jedaiela izy rehetra ireo. Tamin\u2019izy ireo, dia nisy miaramila matanjaka 17\u00a0200 izay vonona hiditra tao amin\u2019ny tafika mba ho any an\u2019ady, araka ny lisitry ny lohan\u2019ny fianakaviambeny.",
        "12": "Taranak\u2019i Iry ny fianakavian\u2019i Sopima sy Hopima. Taranak\u2019i Ahera kosa ny fianakavian\u2019i Hosima.",
        "13": "Ny zanakalahin\u2019i Naftaly dia i Jaziela, Gony, Jezera, ary Saloma. Taranak\u2019i Bilaha izy ireo.",
        "14": "Ny zanak\u2019i Manase dia i Asriela, izay naterak\u2019ilay vadikeliny syrianina taminy.\u2014Niteraka an\u2019i Makira rain\u2019i Gileada koa izy io.",
        "15": "Naka vady ho an\u2019i Hopima sy Sopima i Makira, ary Maka no anaran\u2019ny anabaviny.\u2014Zelofada no anaran\u2019ny zanak\u2019i Manase faharoa. Tsy niteraka afa-tsy zanakavavy anefa i Zelofada.",
        "16": "Nitera-dahy i Maka vadin\u2019i Makira, ka nataony hoe Paresy ny anarany. Saresy no anaran\u2019ny rahalahiny, ary i Olama sy Rekema no zanany.",
        "17": "Ny zanakalahin\u2019i Olama dia i Bedana. Ireo no taranak\u2019i Gileada, zanak\u2019i Makira, zanak\u2019i Manase.",
        "18": "I Hamoleketa no anabaviny. Niteraka an\u2019i Isehoda sy Abi-ezera ary Mahala izy io.",
        "19": "Ny zanakalahin\u2019i Semida dia i Ahiana, Sekema, Liky, ary Aniama.",
        "20": "Ny zanakalahin\u2019i Efraima dia i Sotela. I Sotela niteraka an\u2019i Bareda, Bareda niteraka an\u2019i Tahata, Tahata niteraka an\u2019i Elada, ary Elada niteraka an\u2019i Tahata.",
        "21": "I Tahata niteraka an\u2019i Zabada, ary Zabada niteraka an\u2019i Sotela. Zanak\u2019i Efraima koa i Ezera sy Elada. Nidina hangalatra ny biby fiompin\u2019izy ireo ny olona teratany tao Gata, dia namono azy ireo.",
        "22": "Dia nisaona nandritra ny andro maromaro i Efraima rainy, ka tonga nampionona azy ny rahalahiny.",
        "23": "Nanao firaisana tamin\u2019ny vadiny izy, taorian\u2019izay. Dia bevohoka ilay vadiny ka nitera-dahy. Nataon\u2019i Efraima hoe Beria anefa ny anarany, satria nisy fahoriana tao amin\u2019ny fianakaviany tamin\u2019ny fotoana niterahan\u2019ny vadiny.",
        "24": "Ary ny zanany vavy dia i Sera, ilay nanorina an\u2019i Beti-horona Ambany sy Ambony ary Ozena-sera.",
        "25": "Niteraka an\u2019i Refa sy Rasefa izy. Ary i Rasefa niteraka an\u2019i Tela, ary Tela niteraka an\u2019i Tahana,",
        "26": "ary Tahana niteraka an\u2019i Ladana, ary Ladana niteraka an\u2019i Amihoda, ary Amihoda niteraka an\u2019i Elisama,",
        "27": "ary Elisama niteraka an\u2019i Nona, ary Nona niteraka an\u2019i Josoa.",
        "28": "Ary ny taniny sy ny tan\u00e0na keliny dia i Betela sy ny tan\u00e0na niankina taminy. Ary ny tany atsinanana dia i Narana, ary ny tany andrefana dia i Gazera sy ny tan\u00e0na niankina taminy. Teo koa i Sekema sy ny tan\u00e0na niankina taminy, hatrany Aiha sy ny tan\u00e0na niankina taminy.",
        "29": "Ary ny teo akaikin\u2019ny tanin\u2019ny taranak\u2019i Manase dia i Beti-sana sy ny tan\u00e0na niankina taminy, Tan\u00e0ka sy ny tan\u00e0na niankina taminy, Megido sy ny tan\u00e0na niankina taminy, ary Dora sy ny tan\u00e0na niankina taminy. Tany amin\u2019ireo ny taranak\u2019i Josefa zanak\u2019i Israely no nipetraka.",
        "30": "Ny zanakalahin\u2019i Asera dia i Jimna, Jisva, Jisvy, ary\u00a0Beria. I\u00a0Sera no anabavin\u2019izy ireo.",
        "31": "Ny zanakalahin\u2019i Beria dia i Hebera sy Malkiela rain\u2019i Birzavita.",
        "32": "I Hebera niteraka an\u2019i Jafleta, Somera, Hotama, ary Soa anabavin\u2019ireo.",
        "33": "Ny zanakalahin\u2019i Jafleta dia i Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin\u2019i Jafleta.",
        "34": "Ny zanakalahin\u2019i Samera dia i Ahia, Rohaga, Hoba, ary Arama.",
        "35": "Ny zanakalahin\u2019i Helema rahalahiny dia i Zofa, Jimna, Selesy, ary Amala.",
        "36": "Ary ny zanakalahin\u2019i Zofa dia i Soha, Harnefera, Soala, Bery, Jimra,",
        "37": "Bezera, Hoda, Sama, Silsa, Jitrana, ary Bera.",
        "38": "Ny zanakalahin\u2019i Jatera dia i Jefone sy Pispa ary Ara.",
        "39": "Ny zanakalahin\u2019i Ola dia i Ara sy Haniela ary Rizia.",
        "40": "Ireo rehetra ireo no taranak\u2019i Asera, izay samy lohan\u2019ny fianakaviambeny. Miaramila voafantina sy matanjaka koa izy ireo, sady lohan\u2019ny mpiadidy. Nisy 26\u00a0000 ny isan\u2019izy ireo, araka ny voasoratra tao amin\u2019ny tetirazana. Tao amin\u2019ny tafika izy ireo ary vonona handeha hiady."
    },
    "8": {
        "1": "Ireto avy no naterak\u2019i Benjamina: I Bela no lahimatoa, Asbela no faharoa, Ahara no fahatelo,",
        "2": "Noha no fahefatra, ary Rafa no fahadimy.",
        "3": "Ny zanakalahin\u2019i Bela dia i Adara, Gera, Abihoda,",
        "4": "Abisoa, Nam\u00e0na, Ahoa,",
        "5": "Gera, Sefofana, ary Horama.",
        "6": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019i Ehoda, izay samy lohan\u2019ireo fianakaviamben\u2019ny mponina tao Geba, sady natao sesitany tany Manahata:",
        "7": "I Nam\u00e0na sy Ahia ary Gera. I Gera no nitondra azy ireny tany an-tsesitany. Izy no niteraka an\u2019i Oza sy Ahihoda.",
        "8": "Niteraka tany amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba i Saharaima rehefa avy nandroaka an\u2019ireny. Ary i Hosima sy Bara no vadiny.",
        "9": "Ilay vadiny atao hoe Hodesy kosa no niterahany an\u2019i Jobaba, Ziba, Mesa, Malkama,",
        "10": "Jeoza, Sakia, ary Mirma. Ireo no zanakalahiny, izay samy lohan\u2019ny fianakaviambe.",
        "11": "I Hosima indray no niterahany an\u2019i Abitoba sy Elpala.",
        "12": "Ary ny zanakalahin\u2019i Elpala dia i Ebera sy Misama ary Samada izay nanorina an\u2019i Ono sy Loda ary ireo tan\u00e0na niankina taminy,",
        "13": "Beria, ary Sema. Lohan\u2019ireo fianakaviamben\u2019ny mponina tao Aialona izy ireo, ary nandroaka ny mponina tao Gata.",
        "14": "I Ahio, Sasaka, Jeremota,",
        "15": "Zebadia, Arada, Edera,",
        "16": "Mikaela, Jispa, ary Joha no zanakalahin\u2019i Beria.",
        "17": "I Zebadia, Mesolama, Hizky, Hebera,",
        "18": "Jismeray, Jizlia, ary Jobaba no zanakalahin\u2019i Elpala.",
        "19": "I Jakima, Zikry, Zabdy,",
        "20": "Elienay, Ziletahy, Eliela,",
        "21": "Adaia, Beraia, ary Simrata no zanakalahin\u2019i Simey.",
        "22": "I Jispana, Ebera, Eliela,",
        "23": "Abdona, Zikry, Hanana,",
        "24": "Hanania, Elama, Antotia,",
        "25": "Jifdia, ary Penoela no zanakalahin\u2019i Sasaka.",
        "26": "I Samseray, Seharia, Atalia,",
        "27": "Jaresia, Elia, ary Zikry no zanakalahin\u2019i Jerohama.",
        "28": "Lohan\u2019ny fianakaviambe izy ireo, araka ny voasoratra tao amin\u2019ny tetirazana. Nipetraka tao Jerosalema izy ireo.",
        "29": "Nipetraka tao Gibeona i Jeiela rain\u2019i Gibeona, ary Maka no anaran\u2019ny vadiny.",
        "30": "I Abdona no zanany lahimatoa, ary nanarakaraka azy i Zora, Kisy, Bala, Nadaba,",
        "31": "Gedora, Ahio, ary Zakera.",
        "32": "I Miklota niteraka an\u2019i Simea. Nipetraka teny akaikin\u2019ny rahalahiny tao Jerosalema daholo izy ireo, niaraka tamin\u2019ny rahalahiny hafa.",
        "33": "I Nera niteraka an\u2019i Kisy, ary Kisy niteraka an\u2019i Saoly. I Saoly indray niteraka an\u2019i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, ary Esbala.",
        "34": "Ny zanakalahin\u2019i Jonatana dia i Meri-bala, ary i Meri-bala niteraka an\u2019i Mika.",
        "35": "Ny zanakalahin\u2019i Mika dia i Pitona, Meleka, Tarea, ary Ahaza.",
        "36": "I Ahaza niteraka an\u2019i Joada, ary Joada niteraka an\u2019i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry. I Zimry niteraka an\u2019i Moza,",
        "37": "Moza niteraka an\u2019i Binea, Binea niteraka an\u2019i Rafa, Rafa niteraka an\u2019i Elasa, ary Elasa niteraka an\u2019i Azela.",
        "38": "Nanan-janakalahy enina i Azela ka ireto avy ny anarany: Azrikama, Bokero, Ismaela, Searia, Obadia, ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019i Azela.",
        "39": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019i Eseka rahalahiny: I Olama no lahimatoa, Jeosy no faharoa, ary Elifeleta no fahatelo.",
        "40": "Miaramila matanjaka ny zanakalahin\u2019i Olama sady nahay nampiasa tsip\u00ecka. Nanana zanaka aman-jafy be dia be izy ireo, ka 150 ny isany. Ireo rehetra ireo no taranak\u2019i Benjamina."
    },
    "9": {
        "1": "Voasoratra tao amin\u2019ny tetirazana daholo ny Israelita, sady voasoratra ao amin\u2019ny Boky Momba ny Mpanjakan\u2019ny Israely. Ary natao sesitany tany Babylona ny Joda, satria nivadika.",
        "2": "Ary ny Israelita sasany sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly no mponina voalohany tafaverina teo amin\u2019ny taniny tao amin\u2019ny tan\u00e0nany.",
        "3": "Nisy nipetraka tao Jerosalema ny taranak\u2019i Joda sy Benjamina sy Efraima ary Manase. Ireto avy izy ireo:",
        "4": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Pereza zanak\u2019i Joda dia i Otahy zanak\u2019i Amihoda, zanak\u2019i Omry, zanak\u2019i Imry, zanak\u2019i Bany.",
        "5": "Ary ny avy tamin\u2019ny Silonita dia i Asaia sy ny zanany hafa, ary i Asaia no lahimatoa.",
        "6": "Ary ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Zera, dia i Jeoela sy ny rahalahiny 690.",
        "7": "Ary ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Benjamina dia i Salo zanak\u2019i Mesolama, zanak\u2019i Hodavia, zanak\u2019i Hasenoa,",
        "8": "sy Jibnia zanak\u2019i Jerohama, sy Elaha zanak\u2019i Ozy, zanak\u2019i Mikry, ary Mesolama zanak\u2019i Sefatia, zanak\u2019i Regoela, zanak\u2019i Jibnia.",
        "9": "Ary 956 ny rahalahiny, araka ny voasoratra tao amin\u2019ny tetirazana. Lohan\u2019ny fianakaviambeny daholo ireo lehilahy rehetra ireo.",
        "10": "Ary ny avy tamin\u2019ny mpisorona dia i Jedaia, Joiariba, Jakina,",
        "11": "sy Azaria zanak\u2019i Hilkia, zanak\u2019i Mesolama, zanak\u2019i Zadoka, zanak\u2019i Meraiota, zanak\u2019i Ahitoba mpitarika tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra,",
        "12": "sy Adaia, zanak\u2019i Jerohama, zanak\u2019i Pasora, zanak\u2019i Malkia, sy Masay zanak\u2019i Adiela, zanak\u2019i Jazera, zanak\u2019i Mesolama, zanak\u2019i Mesilemita, zanak\u2019i Imera,",
        "13": "ary ireo rahalahiny, samy lohan\u2019ny fianakaviambeny, dia lehilahy matanjaka 1\u00a0760. Nahay tsara izy ireo sady afaka nanompo tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "14": "Ary ny avy tamin\u2019ny Levita dia i Semaia zanak\u2019i Hasoba, zanak\u2019i Azrikama, zanak\u2019i Hasabia, avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Merary,",
        "15": "sy Bakbakara, Haresy, Galala, sy Matania zanak\u2019i Mika, zanak\u2019i Zikry, zanak\u2019i Asafa,",
        "16": "sy Obadia zanak\u2019i Semaia, zanak\u2019i Galala, zanak\u2019i Jedotona, ary Berekia zanak\u2019i Asa, zanak\u2019i Elkana. Nipetraka tany amin\u2019ny tan\u00e0na kelin\u2019ny Netofatita i Elkana.",
        "17": "Ny mpiandry vavahady dia i Saloma, Akoba, Talmona, ary Ahimana. I Saloma rahalahin\u2019ireo no lohany.",
        "18": "Teo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny mpanjaka teo atsinanana izy talohan\u2019izay. Ireo no mpiandry vavahadin\u2019ny tobin\u2019ny Levita.",
        "19": "Ary i Saloma zanak\u2019i Kore, zanak\u2019i Ebiasafa, zanak\u2019i Kora, sy ireo rahalahiny anisan\u2019ny fianakaviambeny, izany hoe ny Korahita, no niandraikitra ny asa fanompoana, sady mpiandry varavarana tao amin\u2019ny tranolay. Niandraikitra ny tobin\u2019i Jehovah koa ny razambeny, ka mpiambina teo amin\u2019ny fidirana no asany.",
        "20": "I Finehasa zanak\u2019i Eleazara no mpitarika teo amin\u2019izy ireo taloha, ary nampian\u2019i Jehovah izy.",
        "21": "I Zakaria zanak\u2019i Meselemia no mpiandry vavahady teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "22": "Nisy 212 ny olona rehetra voafidy ho mpiandry vavahady teo amin\u2019ny fidirana. Napetraka tany amin\u2019ny tan\u00e0na keliny izy ireo, araka ny nanoratana azy tao amin\u2019ny tetirazany. Notendren\u2019i Davida sy Samoela mpahita hanao an\u2019izany andraikitra izany izy ireo, satria mendri-pitokisana.",
        "23": "Ireo sy ny taranany no niandraikitra ny fiambenana ny vavahadin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, izany hoe ny tranolay.",
        "24": "Teo amin\u2019ny lafiny efatra ireo mpiandry vavahady, izany hoe teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.",
        "25": "Indraindray dia tsy maintsy tonga mba hiaraka hanompo amin\u2019izy ireo nandritra ny fito andro ny rahalahiny nipetraka teny amin\u2019ny tan\u00e0na keliny.",
        "26": "Efa-dahy no lehiben\u2019ny mpiandry vavahady nanao an\u2019ilay andraikitra. Levita izy ireo ary mendri-pitokisana, ka niandraikitra an\u2019ireo efitrefitra sy ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "27": "Samy nijanona teny amin\u2019ny toerany, nanodidina ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra izy ireo nandritra ny alina, satria anjarany ny niambina. Andraikiny koa ny lakile, ka izy ireo no nanokatra an\u2019ilay trano isa-maraina.",
        "28": "Ny sasany tamin\u2019izy ireo indray niandraikitra ny fitaovana nampiasaina tamin\u2019ny fanompoana. Nisainy ireny rehefa nampidiriny, ary nisainy koa rehefa navoakany.",
        "29": "Ny sasany kosa notendrena hiandraikitra ny fitaovana hafa sy ny fitaovana masina rehetra, ny lafarinina tsara toto, ny divay, ny menaka, ny ditin-kazo manitra, ary ny menaka balsama.",
        "30": "Ny sasany tamin\u2019ny taranaky ny mpisorona indray nanamboatra menaka fanosotra vita tamin\u2019ny balsama.",
        "31": "Ary i Matitia anisan\u2019ny Levita, lahimatoan\u2019i Saloma Korahita, no niandraikitra ny zavatra nandrahoina tao anaty vilia fisaka. Izany no andraikiny satria mendri-pitokisana izy.",
        "32": "Ary ny sasany tamin\u2019ny taranaky ny Kehatita rahalahin\u2019ireo kosa no niandraikitra ny mofo mifanaingina, ka nanomana an\u2019izany isaky ny sabata.",
        "33": "Ireo no mpihira sady lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Levita tao amin\u2019ny efitrefitra. Tsy nomena andraikitra hafa izy ireo, satria efa nanao ny andraikiny andro aman\u2019alina.",
        "34": "Ireo no lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Levita, araka ny voasoratra tao amin\u2019ny tetirazana. Ary nipetraka tao Jerosalema izy ireo.",
        "35": "Nipetraka tao Gibeona i Jeiela rain\u2019i Gibeona, ary Maka no anaran\u2019ny vadiny.",
        "36": "I Abdona no zanany lahimatoa, dia nanarakaraka azy i Zora, Kisy, Bala, Nera, Nadaba,",
        "37": "Gedora, Ahio, Zakaria, ary Miklota.",
        "38": "I Miklota niteraka an\u2019i Simeama. Nipetraka teny akaikin\u2019ny rahalahiny tao Jerosalema daholo izy ireo, niaraka tamin\u2019ny rahalahiny hafa.",
        "39": "I Nera niteraka an\u2019i Kisy, ary Kisy niteraka an\u2019i Saoly, ary Saoly niteraka an\u2019i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, ary Esbala.",
        "40": "Ary ny zanakalahin\u2019i Jonatana dia i Meri-bala, ary i Meri-bala niteraka an\u2019i Mika.",
        "41": "Ny zanakalahin\u2019i Mika dia i Pitona, Meleka, Tarea, ary Ahaza.",
        "42": "I Ahaza niteraka an\u2019i Jara, ary Jara niteraka an\u2019i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry. I Zimry niteraka an\u2019i Moza,",
        "43": "Moza niteraka an\u2019i Binea, Binea niteraka an\u2019i Refaia, Refaia niteraka an\u2019i Elasa, ary Elasa niteraka an\u2019i Azela.",
        "44": "Nanan-janakalahy enina i Azela ka ireto avy ny anarany: Azrikama, Bokero, Ismaela, Searia, Obadia, ary Hanana. Ireo no zanakalahin\u2019i Azela."
    },
    "10": {
        "1": "Dia niady tamin\u2019ny Israely ny Filistinina. Ary nandositra azy ireo ny lehilahy israelita, ka be dia be no maty niampatrampatra teny amin\u2019ny Tendrombohitra Gilboa.",
        "2": "Narahin\u2019ny Filistinina akaiky dia akaiky i Saoly sy ny zanany lahy, ka matin\u2019izy ireo ny zanak\u2019i Saoly, dia i Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa.",
        "3": "Ary vao mainka nihamafy ny fanafihana an\u2019i Saoly. Dia hitan\u2019ireo mpandefa zana-tsip\u00ecka izy, ka voan\u2019izy ireo ary naratra.",
        "4": "Dia hoy i Saoly tamin\u2019ny mpitondra ny fiadiany: \u201cTsoahy ny sabatrao dia atsatohy amiko, sao dia ho avy hamely ahy ireo tsy mifora ireo ka tsy hiantra ahy.\u201d Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana, satria natahotra be. Nalain\u2019i Saoly \u00e0ry ny sabatra, dia nianjerany mba ho voatrobaka izy.",
        "5": "Rehefa hitan\u2019ilay mpitondra fiadiana fa maty i Saoly, dia nianjerany koa ny sabany ka maty izy.",
        "6": "Maty \u00e0ry i Saoly sy ny zanany telo lahy, ary niara-maty daholo izay anisan\u2019ny ankohonany niaraka taminy.",
        "7": "Tazan\u2019ny vahoakan\u2019Israely rehetra teny amin\u2019ny lohasaha fa nandositra daholo ny olona, ary maty i Saoly sy ny zanany. Nandao ny tan\u00e0nany \u00e0ry izy ireo ka nandositra. Dia tonga ny Filistinina ka nipetraka tao amin\u2019ireny tan\u00e0na ireny.",
        "8": "Rehefa tonga haka an\u2019izay zavatra teny amin\u2019ireo faty ny Filistinina ny ampitson\u2019iny, dia nahita ny fatin\u2019i Saoly sy ny zanany lahy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Gilboa.",
        "9": "Nalain\u2019izy ireo \u00e0ry ny zavatra teny amin\u2019ny fatin\u2019i Saoly, dia notapahiny ny lohany, ary nalainy ny fiadiany. Ary naniraka olona handeha eran\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina izy ireo, mba hilaza an\u2019ilay vaovao tany amin\u2019ny tranon\u2019ny sampiny sy tamin\u2019ny vahoaka.",
        "10": "Dia napetrak\u2019izy ireo tao amin\u2019ny trano nisy ny andriamaniny ny fiadian\u2019i Saoly, fa ny karandohany kosa nahantony tao an-tranon\u2019i Dagona.",
        "11": "Rehefa henon\u2019ny olona rehetra tany Jabesy any Gileada ny zava-drehetra nataon\u2019ny Filistinina tamin\u2019i Saoly,",
        "12": "dia niainga ny miaramila rehetra ka naka ny fatin\u2019i Saoly sy ny fatin\u2019ny zanany. Dia nentin\u2019izy ireo tany Jabesy ny taolambalony, ka naleviny tao ambanin\u2019ilay hazobe tany Jabesy. Ary nifady hanina fito andro izy ireo.",
        "13": "Dia maty i Saoly satria nivadika tamin\u2019i Jehovah. Tsy nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah mantsy izy sady nanontany mpamoha angatra,",
        "14": "fa tsy nanontany an\u2019i Jehovah. Novonoin\u2019Andriamanitra \u00e0ry izy, ka i Davida zanak\u2019i Jese indray no nataony mpanjaka."
    },
    "11": {
        "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nivory tany amin\u2019i Davida tao Hebrona ny Israelita rehetra, ka niteny hoe: \u201cIray ra aminao ihany izahay.",
        "2": "Ianao foana taloha no nitarika ny Israely rehefa nisy ady, tamin\u2019i Saoly mbola mpanjaka. Ary nilaza taminao i Jehovah Andriamanitrao hoe: \u2018Ianao no ho mpiandry ny Israely vahoakako, ary ianao koa no ho mpitarika ny Israely vahoakako.\u2019\u201d",
        "3": "Tonga tany amin\u2019ny mpanjaka tao Hebrona daholo \u00e0ry ny anti-panahin\u2019ny Israely. Ary nanao fifanekena tamin\u2019izy ireo teo anatrehan\u2019i Jehovah tao Hebrona i Davida. Dia nohosoran\u2019izy ireo ho mpanjakan\u2019ny Israely i Davida, araka ny teny nasain\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Samoela.",
        "4": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nandeha nankany Jerosalema, izany hoe Jebosa, i Davida sy ny Israely rehetra. Ny Jebosita no nipetraka tao tamin\u2019izany.",
        "5": "Nanesoeso an\u2019i Davida ny mponin\u2019i Jebosa hoe: \u201cTsy ho tafiditra eto mihitsy ianao!\u201d Azon\u2019i Davida ihany anefa i Ziona, ilay tan\u00e0na voaro mafy, ilay lasa nantsoina hoe Tan\u00e0nan\u2019i Davida.",
        "6": "Dia hoy i Davida: \u201cIzay mamely voalohany an\u2019ireo Jebosita ireo, dia ho lehiben\u2019ny tafika sy ho andriana.\u201d I Joaba zanak\u2019i Zeroia no niakatra voalohany, ka izy no lasa lehiben\u2019ny tafika.",
        "7": "Dia nanorim-ponenana tao amin\u2019ilay tan\u00e0na voaro mafy i Davida. Izany no antony niantsoana azy io hoe Tan\u00e0nan\u2019i Davida.",
        "8": "Ary nanorina manda sy trano hafa tao amin\u2019ilay tan\u00e0na izy, nanomboka teo amin\u2019ilay Havoana ka hatreny amin\u2019ny manodidina. Naverin\u2019i Joaba hoatran\u2019ny taloha koa ny sisa tamin\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "9": "Dia vao mainka nihanahery i Davida, sady nampian\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
        "10": "Ireto avy ny lehiben\u2019ireo miaramila matanjaka tao amin\u2019ny tafik\u2019i Davida, izay tena nanohana ny fanjakany, niaraka tamin\u2019ny Israely rehetra. Nataon\u2019izy rehetra ireo mpanjaka izy, araka ny nampanantenain\u2019i Jehovah ny Israely.",
        "11": "Izao no lisitr\u2019ireo miaramila matanjaka tao amin\u2019ny tafik\u2019i Davida: I Jasobeama, taranak\u2019i Hakmony, lehiben\u2019izy telo lahy. Nampiasa ny lefony izy, indray mandeha, dia nahafaty 300 lahy.",
        "12": "Ary manarakaraka azy i Eleazara zanak\u2019i Dodo Ahohita. Anisan\u2019ireo miaramila matanjaka telo izy.",
        "13": "Niaraka tamin\u2019i Davida tao Pasy-damima izy, ary tonga tao ny Filistinina mba hiady tamin\u2019ny Israelita. Nisy saha feno vary orza naniry tao tamin\u2019izay. Dia lasa nitsoaka ny olona satria natahotra an\u2019ireo Filistinina ireo.",
        "14": "Fa izy kosa nijoro teo afovoan\u2019ilay saha ka niaro an\u2019ilay izy, ary namono an\u2019ireo Filistinina. Nanome fandresena miezinezina i Jehovah tamin\u2019izay.",
        "15": "Nidina nankany amin\u2019ny harambato ny 3 tamin\u2019ireo 30\u00a0lahy lehiben\u2019ny tafika, ka tonga tany amin\u2019i Davida tao amin\u2019ilay lava-bato tao Adolama. Efa nisy Filistinina nitoby teny amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Refaima tamin\u2019izay.",
        "16": "I Davida kosa tao amin\u2019ilay toerana niafenany. Ary nisy toby miaramilan\u2019ny Filistinina tao Betlehema.",
        "17": "Nangetaheta be i Davida ka hoy izy: \u201cRaha izao aho izao no mba afaka misotro rano avy ao amin\u2019ilay lavaka fanangonan-drano eo akaikin\u2019ny vavahadin\u2019i Betlehema\u00a0a!\u201d",
        "18": "Dia niditra an-keriny tao amin\u2019ny tobin\u2019ny Filistinina izy telo lahy. Nanovo rano tao amin\u2019ilay lavaka fanangonan-drano teo akaikin\u2019ny vavahadin\u2019i Betlehema izy ireo, ary nitondra an\u2019ilay izy tany amin\u2019i Davida. Tsy nety nisotro anefa izy, fa nararany ho an\u2019i Jehovah ilay rano.",
        "19": "Ary hoy izy: \u201cSanatria ahy ny hanao an\u2019izany! Izaho ange matahotra an\u2019Andriamanitra\u00a0e! Izaho ve dia hisotro ny ran\u2019ireo lehilahy nanao vivery ny ainy ireo? Ry zareo aza nanao vivery ny ainy mba hitondrana an\u2019ilay rano at\u1ef3 amiko.\u201d Tsy nety nisotro an\u2019ilay rano \u00e0ry izy. Izany no nataon\u2019ireo miaramila matanjaka telo ireo.",
        "20": "Lasa lehiben\u2019ny miaramila telo hafa i Abisay rahalahin\u2019i Joaba. Nampiasa ny lefony izy, ka nahafaty 300 lahy. Ary nalaza hoatran\u2019ireo telo lahy ihany izy.",
        "21": "Tamin\u2019izy telo lahy hafa, dia i Abisay no niavaka kokoa noho izy roa lahy. Izy koa no lehiben\u2019izy ireo, saingy mbola tsy nitovy tamin\u2019ireo telo lahy voalohany izy.",
        "22": "Lehilahy be herim-po i Benaia zanak\u2019i Joiada, ary nahavita zavatra niavaka maro tao Kabzela izy. Nahafaty an\u2019ireo roa lahy zanak\u2019i Ariela avy any Moaba izy, ary nidina tao anaty lavaka fanangonan-drano tamin\u2019ny andro nisy lanezy, dia namono liona iray.",
        "23": "Namono lehilahy ejipsianina iray goavam-be koa izy. Nirefy dimy hakiho ilay lehilahy. Nitana lefona hoatran\u2019ny voditenon\u2019ny mpanenona ilay Ejipsianina. Niady taminy anefa i Benaia na dia kibay ihany aza no teny aminy. Nosintoniny teny an-tanan\u2019ilay Ejipsianina ilay lefona, ka iny ihany no namonoany azy.",
        "24": "Izany no nataon\u2019i Benaia zanak\u2019i Joiada, ary nalaza hoatran\u2019ireo miaramila matanjaka telo ihany izy.",
        "25": "Niavaka kokoa izy raha oharina amin\u2019ireo 30\u00a0lahy, saingy tsy nahavita ny vitan\u2019ireo telo lahy. Notendren\u2019i Davida ho lehiben\u2019ny mpiambina azy anefa izy.",
        "26": "Ireto avy ireo miaramila matanjaka tao amin\u2019ny tafika: Asahela rahalahin\u2019i Joaba, Elanana zanak\u2019i Dodo avy any Betlehema,",
        "27": "Samota Harorita, Heleza Pelonita,",
        "28": "Ira zanak\u2019i Ikesy Tekoita, Abi-ezera Anatotita,",
        "29": "Sibekay Hosatita, Ely Ahohita,",
        "30": "Maharay Netofatita, Heleda zanak\u2019i Bana Netofatita,",
        "31": "Itahy zanak\u2019i Ribay avy any Gibea tan\u00e0nan\u2019ny Benjaminita, Benaia Piratonita,",
        "32": "Horay avy any amin\u2019ny lohasahan\u2019i Gasa, Abiela Arbatita,",
        "33": "Azmaveta Baharomita, Eliaba Salbonita,",
        "34": "ny zanak\u2019i Hasema Gizonita, Jonatana zanak\u2019i Sage Hararita,",
        "35": "Ahiama zanak\u2019i Sakara Hararita, Elifala zanak\u2019i Ora,",
        "36": "Hefera Mekeratita, Ahia Pelonita,",
        "37": "Hezro Karmelita, Naray zanak\u2019i Ezbay,",
        "38": "Joela rahalahin\u2019i Natana, Mibara zanak\u2019i Hagry;",
        "39": "Zaleka Amonita, Naharay Berotita mpitondra ny fiadian\u2019i Joaba zanak\u2019i Zeroia,",
        "40": "Ira Jitrita, Gareba Jitrita,",
        "41": "Oria Hetita, Zabada zanak\u2019i Ahelay,",
        "42": "Adina zanak\u2019i Siza Robenita, lehiben\u2019ny tafiky ny Robenita, ary 30 lahy no niaraka taminy;",
        "43": "Hanana zanak\u2019i Maka, Josafata Mitnita,",
        "44": "Ozia Asteratita, Sama sy Jeiela zanak\u2019i Hotama Aroerita,",
        "45": "Jediaela zanak\u2019i Simry, Joha Tizita rahalahiny,",
        "46": "Eliela Mahavita, Jeribay sy Josavia zanak\u2019i Elnama, Jitma Moabita,",
        "47": "Eliela, Obeda, ary Jasiela Mezobaita."
    },
    "12": {
        "1": "Ireto avy ny lehilahy tonga tany amin\u2019i Davida tany Ziklaga, tamin\u2019izy mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin\u2019i Saoly zanak\u2019i Kisy. Anisan\u2019ny miaramila matanjaka izy ireo, ary nanampy azy tamin\u2019ny ady.",
        "2": "Nitondra tsip\u00ecka izy ireo. Sady nahay nampiasa ny tanany ankavanana izy ireo no nahay nampiasa ny ankavia rehefa nitoraka vato tamin\u2019ny pilotra na nandefa zana-tsip\u00ecka. Rahalahin\u2019i Saoly izy ireo, izany hoe avy amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina.",
        "3": "I Ahiezera no lehiben\u2019ny tafika, ary manarakaraka azy i Joasy. Samy zanak\u2019i Sema Gibeatita izy ireo. Teo koa i Jeziela sy Peleta zanak\u2019i Azmaveta, Beraka, Jeho Anatotita,",
        "4": "Jismaia Gibeonita, izay miaramila matanjaka anisan\u2019ireo 30\u00a0lahy sady lehiben\u2019izy ireo, Jeremia, Jahaziela, Johanana, Jozabada Gaderatita,",
        "5": "Elozay, Jerimota, Bealia, Semaria, Sefatia Harifita,",
        "6": "Elkana, Jisia, Azarela, Joezera, ary Jasobeama, izay samy Korahita,",
        "7": "ary Joela sy Zebadia zanak\u2019i Jerohama avy any Gedora.",
        "8": "Lasa niandany tamin\u2019i Davida ny Gadita sasany, ka nankany amin\u2019ilay toerana niafenany tany an-tany efitra. Miaramila matanjaka izy ireo, sady voaofana hiady, ary efa vonona foana hampiasa ampinga lehibe sy lefona. Hoatran\u2019ny tarehina liona ny tarehiny, ary mahery mandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra izy ireo.",
        "9": "I Ezera no lehibeny, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,",
        "10": "Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,",
        "11": "Atahy no fahenina, Eliela no fahafito,",
        "12": "Johanana no fahavalo, Elzabada no fahasivy,",
        "13": "Jeremia no fahafolo, ary Makbanay no fahiraika ambin\u2019ny folo.",
        "14": "Ireo no Gadita, sady lehiben\u2019ny tafika. Ny kely indrindra aminy dia nahavita ny vitan\u2019ny miaramila 100, ary ny lehibe indrindra nahavita ny vitan\u2019ny 1\u00a0000.",
        "15": "Ireo no lehilahy niampita an\u2019i Jordana tamin\u2019ny volana voalohany. Tondraka be izy io tamin\u2019izay, ka difotra ny morony rehetra. Dia noroahin\u2019izy ireo daholo ny olona nipetraka teny amin\u2019ny toerana iva, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana.",
        "16": "Nankany amin\u2019i Davida tao amin\u2019ilay toerana niafenany koa ny lehilahy sasany tamin\u2019ny taranak\u2019i Benjamina sy Joda.",
        "17": "Nivoaka nankeny amin\u2019izy ireo i Davida avy eo, dia niteny hoe: \u201cRaha ny hihavana amiko sy hanampy ahy no ahatongavanareo at\u1ef3, dia ho lasa mpinamana isika. Fa raha hamadika ahy kosa ianareo ka hanolotra ahy any amin\u2019ny fahavaloko, nefa izaho tsy nanao ratsy akory, dia aleo hijery an\u2019izany ilay Andriamanitry ny razambentsika dia izy no hitsara.\u201d",
        "18": "Ary niasa tamin\u2019i Amasay lehiben\u2019ireo 30 lahy ny fanahin\u2019Andriamanitra. Dia hoy izy: \u201cAnao izahay, ry Davida\u00a0\u00f4, ary manohana anao izahay, ry zanak\u2019i Jese\u00a0\u00f4! Fiadanana, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho an\u2019izay manampy anao! Fa manampy anao ilay Andriamanitrao.\u201d Dia noraisin\u2019i Davida izy ireo, ka notendreny ho anisan\u2019ny lehiben\u2019ny andia-miaramila.",
        "19": "Nisy tamin\u2019ny taranak\u2019i Manase koa nivadika tamin\u2019i Saoly ka niandany tamin\u2019i Davida, tamin\u2019izy niaraka tamin\u2019ny Filistinina mba hiady tamin\u2019i Saoly. Tsy nanampy an\u2019ireo Filistinina anefa izy. Rehefa nifampidinika mantsy ny andrianan\u2019ny Filistinina, dia nandroaka azy sady niteny hoe: \u201cHivadihany eo isika dia hiandany amin\u2019i Saoly tompony izy, dia ho tapaka ny lohantsika!\u201d",
        "20": "Rehefa nankany Ziklaga i Davida, dia nisy tamin\u2019ny taranak\u2019i Manase nivadika tamin\u2019i Saoly ka niaraka taminy. Ireto avy izy ireo: Adna, Jozabada, Jediaela, Mikaela, Jozabada, Eliho, ary Ziletahy. Samy mpifehy ny arivo izy ireo, ary avy amin\u2019ny fokon\u2019i Manase.",
        "21": "Nanampy an\u2019i Davida hiady tamin\u2019ny mpandroba izy ireo, satria lehilahy matanjaka sy be herim-po daholo, ka lasa lehiben\u2019ny tafika.",
        "22": "Dia nisy olona tonga tany amin\u2019i Davida isan\u2019andro mba hanampy azy, ka lasa tafika lehibe hoatran\u2019ny tafik\u2019Andriamanitra izy ireo tamin\u2019ny farany.",
        "23": "Izao ny isan\u2019ny miaramila nitondra fitaovam-piadiana sady vonona handeha hiady, ka tonga tany amin\u2019i Davida tao Hebrona mba hamindra ny fanjakan\u2019i Saoly amin\u2019i Davida, araka ny didin\u2019i Jehovah.",
        "24": "Nisy 6\u00a0800 ny lehilahy avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda, izay nitondra ampinga lehibe sy lefona. Vonona handeha hiady izy ireo.",
        "25": "Ny avy amin\u2019ny Simeonita, dia nisy 7\u00a0100 ny miaramila matanjaka sy be herim-po.",
        "26": "Ny avy amin\u2019ny Levita dia 4\u00a0600.",
        "27": "I Joiada no mpitarika ny taranak\u2019i Arona, ary nisy 3\u00a0700 niaraka taminy.",
        "28": "Teo koa i Zadoka, tovolahy matanjaka sady be herim-po, sy ny lehiben\u2019ny tafika 22 avy amin\u2019ny fianakaviambeny.",
        "29": "Ny avy amin\u2019ny Benjaminita, izany hoe ireo rahalahin\u2019i Saoly, dia 3\u00a0000. Niambina ny fananan\u2019ny ankohonan\u2019i Saoly ny ankamaroan\u2019izy ireo talohan\u2019izay.",
        "30": "Ny avy amin\u2019ny Efraimita dia 20\u00a0800. Lehilahy matanjaka sy be herim-po izy ireo sady olo-malaza teo amin\u2019ireo fianakaviambeny.",
        "31": "Ny avy amin\u2019ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, dia 18\u00a0000 no voafidy mba ho avy hanao an\u2019i Davida ho mpanjaka.",
        "32": "Ny avy amin\u2019ny taranak\u2019i Isakara dia nisy lehiben\u2019ny tafika 200 lahy, izay nibaiko ny rahalahiny rehetra. Nahafantatra ny fotoana mety ireo lehiben\u2019ny tafika ireo, ka nahalala izay tokony hataon\u2019ny Israely.",
        "33": "Ny avy amin\u2019ny fokon\u2019i Zebolona, dia nisy 50\u00a0000 ny lehilahy afaka niditra tao amin\u2019ny tafika. Vonona hiady izy ireo sady nitondra ny fiadiany rehetra. Niandany tamin\u2019i Davida izy rehetra ireo sady tsy nivadika taminy mihitsy.",
        "34": "Ny avy amin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly dia nisy lehiben\u2019ny tafika 1\u00a0000 lahy. Nisy 37\u00a0000, nitondra ampinga lehibe sy lefona, niaraka taminy.",
        "35": "Ny avy amin\u2019ny Danita dia nisy 28\u00a0600 no vonona hiady.",
        "36": "Ary ny avy amin\u2019ny fokon\u2019i Asera dia 40\u00a0000 no afaka niditra tao amin\u2019ny tafika sady vonona hiady.",
        "37": "Ny tany ampitan\u2019i Jordana, izany hoe ny avy amin\u2019ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, dia nisy miaramila 120\u00a0000 nitondra ny karazana fitaovam-piadiana rehetra.",
        "38": "Lehilahy mpiady daholo izy rehetra ireo sady niara-nilahatra toy ny miaramila vonona hiady. Tonga tao Hebrona izy ireo sady tapa-kevitra ny hanao an\u2019i Davida ho mpanjakan\u2019ny Israely rehetra. Samy te hanao an\u2019i Davida ho mpanjaka koa ny sisa tamin\u2019ny Israely.",
        "39": "Dia nijanona telo andro tany amin\u2019i Davida izy ireo, ka nihinana sy nisotro an\u2019izay efa nomanin\u2019ny rahalahiny ho azy ireo.",
        "40": "Nitondra sakafo be dia be teo ambony ampondra sy rameva sy ramole ary omby koa ny olona teny akaikin\u2019izy ireo, ary na dia ny avy any amin\u2019ny tanin\u2019i Isakara sy Zebolona ary Naftaly aza. Ireto avy izany: Lafarinina, mofo vita tamin\u2019ny aviavy noporetina sy tamin\u2019ny voaloboka maina, divay, menaka, omby, ary ondry. Faly be mantsy ny Israely."
    },
    "13": {
        "1": "Niara-nidinika tamin\u2019ny lehiben\u2019ny arivo sy ny lehiben\u2019ny zato ary ny mpitarika rehetra i Davida.",
        "2": "Dia hoy i Davida tamin\u2019ny fiangonan\u2019Israely manontolo: \u201cRaha mety aminareo sy eken\u2019i Jehovah Andriamanitsika, dia andao isika haniraka olona hilaza amin\u2019ny rahalahintsika mbola tavela any amin\u2019ny faritra rehetra manerana ny Israely, sy amin\u2019ny mpisorona sy ny Levita any amin\u2019ny tan\u00e0nany misy kijana, mba ho tonga at\u1ef3 hiaraka amintsika.",
        "3": "Dia andao hoentintsika at\u1ef3 ny Vata masin\u2019ilay Andriamanitsika.\u201d Tsy niraharaha azy io mantsy ny vahoaka, tamin\u2019ny andron\u2019i Saoly.",
        "4": "Dia nanaiky hanao an\u2019izany ny fiangonana manontolo, satria hitan\u2019ny olona rehetra fa tsara ilay hevitra.",
        "5": "Novorin\u2019i Davida \u00e0ry ny Israely rehetra, hatrany amin\u2019ny reniranon\u2019i Ejipta ka hatrany Lebo-hamata, mba haka ny Vata masin\u2019Andriamanitra any Kiriata-jearima.",
        "6": "Dia niakatra nankany Balaha, na Kiriata-jearima any Joda, i Davida sy ny Israely rehetra mba haka ny Vata masin\u2019i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ilay mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana eo ambonin\u2019ny kerobima, dia eo amin\u2019izay iantsoana ny anarany.",
        "7": "Nataon\u2019izy ireo teo ambony sarety vaovao anefa ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra, rehefa avy nalain\u2019izy ireo tao an-tranon\u2019i Abinadaba. I Oza sy Ahio no nandroaka an\u2019ilay sarety tamin\u2019izay.",
        "8": "Dia nanao fety teo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra i Davida sy ny Israely rehetra, ka nanao an\u2019izany tamin\u2019ny fony manontolo. Sady nihira izy ireo no nampiasa harpa, zavamaneno fitendry, ampongatapaka, kipantsona, ary trompetra.",
        "9": "Rehefa tonga teo amin\u2019ny famoloan\u2019i Kidona anefa izy ireo, dia nanatsotra ny tanany i Oza ka notazoniny ilay Vata. Saika nazeran\u2019ny omby mantsy ilay izy.",
        "10": "Dia tezitra be tamin\u2019i Oza i Jehovah, ka novonoiny izy satria nanatsotra ny tanany mba hitazona an\u2019ilay Vata. Dia maty teo anatrehan\u2019Andriamanitra teo izy.",
        "11": "Sosotra anefa i Davida noho i Jehovah tezitra be tamin\u2019i Oza. Dia antsoina hoe Pereza-oza io toerana io hatramin\u2019izao.",
        "12": "Natahotra an\u2019ilay tena Andriamanitra \u00e0ry i Davida tamin\u2019iny andro iny, ka nilaza hoe: \u201cDia hataoko ahoana izany ny hitondra ny Vata masin\u2019Andriamanitra ho any amiko?\u201d",
        "13": "Tsy nentin\u2019i Davida tany aminy, tany amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida, indray \u00e0ry ilay Vata, fa nasainy nentina nankany an-tranon\u2019i Obeda-edoma Gatita.",
        "14": "Nijanona telo volana tao an-tranon\u2019ny ankohonan\u2019i Obeda-edoma ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Dia notahin\u2019i Jehovah foana ny ankohonan\u2019i Obeda-edoma sy izay rehetra nananany."
    },
    "14": {
        "1": "Naniraka olona ho any amin\u2019i Davida i Hirama mpanjakan\u2019i Tyro, sady nandefa hazo sedera sy mpanao vato ary mpandrafitra, mba hanorina trano ho azy.",
        "2": "Ary fantatr\u2019i Davida fa efa nataon\u2019i Jehovah mafy orina tsara teo amin\u2019ny Israely ny fanjakany. Nataony lasa matanjaka be mantsy ny fanjakany, noho ny amin\u2019ny Israely vahoakany.",
        "3": "Naka vady hafa tao Jerosalema i Davida, ka mbola niteraka zazalahy sy zazavavy hafa.",
        "4": "Ireto avy ny anaran\u2019ny zaza naterany tany Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona,",
        "5": "Jibara, Elisoa, Elipeleta,",
        "6": "Noga, Nafega, Jafia,",
        "7": "Elisama, Beliada ary Elifeleta.",
        "8": "Rehefa henon\u2019ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan\u2019ny Israely rehetra i Davida, dia niakatra hitady an\u2019i Davida izy rehetra. Henon\u2019i Davida izany, ka nivoaka hiady tamin\u2019izy ireo izy.",
        "9": "Ary tonga nanafika teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Refaima ny Filistinina.",
        "10": "Dia nanontany an\u2019Andriamanitra i Davida hoe: \u201cHiakatra hiady amin\u2019ny Filistinina ve aho? Hataonao resiko ve ireo?\u201d Ary hoy i Jehovah taminy: \u201cMiakara fa tena hataoko resinao ireo.\u201d",
        "11": "Niakatra nankany Bala-perazima \u00e0ry i Davida, ka tany izy no namely azy ireo. Ary hoy i Davida: \u201cAndriamanitra efa nampiasa ny tanako, ka toy ny rano vaky nandravarava ny laharan\u2019ny fahavaloko izy.\u201d Izany no antony niantsoany an\u2019io toerana io hoe Bala-perazima.",
        "12": "Dia navelan\u2019ny Filistinina teo ny sampiny, ary nasain\u2019i Davida nodorana ireny.",
        "13": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nanafika teo amin\u2019ilay lohasaha indray ny Filistinina.",
        "14": "Dia nanontany an\u2019ilay tena Andriamanitra indray i Davida, nefa hoy Izy: \u201cAza tonga dia miakatra manaraka an-dry zareo, fa mandehana aloha mihodidina mankany aorianany. Dia asio izy rehefa tandrifin\u2019ireo hazo bak\u00e0.",
        "15": "Rehefa maheno olona mirodorodo ianao, dia tonga dia tafiho ry zareo satria ho efa nivoaka hialoha anao ilay tena Andriamanitra, mba hamely ny tafiky ny Filistinina.\u201d",
        "16": "Nataon\u2019i Davida \u00e0ry izay nasain\u2019Andriamanitra nataony. Dia nasian\u2019izy ireo ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gibeona ka hatrany Gazera.",
        "17": "Dia lasa nalaza hatraiza hatraiza i Davida. Ary nataon\u2019i Jehovah natahotra be azy ny firenena rehetra."
    },
    "15": {
        "1": "Ary mbola nanao trano hafa ho an\u2019ny tenany i Davida tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Nanomana toerana ho an\u2019ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra koa izy, ka nanangana tranolay ho an\u2019ilay izy.",
        "2": "Hoy i Davida tamin\u2019izay: \u201cTsy misy mahazo milanja an\u2019ilay Vata masin\u2019Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany. Ry zareo mantsy no nofidin\u2019i Jehovah hilanja ny Vata masin\u2019i Jehovah sy hanompo Azy foana.\u201d",
        "3": "Dia novorin\u2019i Davida tany Jerosalema ny Israely rehetra, mba hampiakatra ny Vata masin\u2019i Jehovah ho any amin\u2019ilay toerana efa nomaniny hasiana azy.",
        "4": "Novorin\u2019i Davida ny taranak\u2019i Arona sy ny Levita:",
        "5": "Tamin\u2019ny Kehatita, dia i Oriela mpiadidy sy ny rahalahiny 120;",
        "6": "tamin\u2019ny Merarita, dia i Asaia mpiadidy sy ny rahalahiny 220;",
        "7": "tamin\u2019ny Gersomita, dia i Joela mpiadidy sy ny rahalahiny 130;",
        "8": "tamin\u2019ny taranak\u2019i Elizafana, dia i Semaia mpiadidy sy ny rahalahiny 200;",
        "9": "tamin\u2019ny taranak\u2019i Hebrona, dia i Eliela mpiadidy sy ny rahalahiny 80;",
        "10": "ary tamin\u2019ny taranak\u2019i Oziela, dia i Aminadaba mpiadidy sy ny rahalahiny 112.",
        "11": "Nantsoin\u2019i Davida koa i Zadoka sy Abiatara mpisorona, Oriela, Asaia, Joela, Semaia, Eliela, ary Aminadaba, izay samy Levita.",
        "12": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cIanareo no lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Levita. Hamasino ny tenanareo sy ny rahalahinareo, dia ampiakaro any amin\u2019ilay toerana efa nomaniko ho azy ny Vata masin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "13": "Tsy nentinareo ilay izy tamin\u2019ny voalohany ka tezitra be tamintsika i Jehovah Andriamanitsika. Tsy mba nofantarintsika mantsy hoe ahoana no tokony hatao.\u201d",
        "14": "Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita, mba hampiakatra ny Vata masin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "15": "Avy eo dia nentin\u2019ny Levita tamin\u2019ny bao filanjana ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra, ka nataony teo an-tsorony. Izany mantsy no baikon\u2019i Mosesy, araka ny tenin\u2019i Jehovah.",
        "16": "Notenenin\u2019i Davida ny mpiadidy teo amin\u2019ny Levita mba hanendry ny rahalahiny mpihira. Nasaina nihira tamin\u2019ny fo izy ireo, sady hampiaraka ny hirany amin\u2019ny zavamaneno, dia zavamaneno fitendry sy harpa ary kipantsona.",
        "17": "Dia notendren\u2019ny Levita i Hemana zanak\u2019i Joela. Ny avy amin\u2019ny fokony dia i Asafa zanak\u2019i Berekia. Ny avy amin\u2019ny Merarita rahalahin\u2019izy ireo indray dia i Etana zanak\u2019i Kosaia no voatendry.",
        "18": "Ary niaraka tamin\u2019izy ireo ny rahalahiny tao amin\u2019ny fizarana faharoa, dia i Zakaria, Bena, Jaziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Benaia, Mahaseia, Matitia, Elifeleho, Mikneia, ary Obeda-edoma sy Jeiela izay samy mpiandry vavahady.",
        "19": "I Hemana sy Asafa ary Etana mpihira no nasaina nampaneno ny kipantsona varahina.",
        "20": "I Zakaria, Aziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Mahaseia, ary Benaia kosa no nitendry zavamaneno natao Alamota.",
        "21": "I Matitia, Elifeleho, Mikneia, Obeda-edoma, Jeiela, ary Azazia indray no nitendry harpa natao Seminita, ary izy ireo no mpitarika.",
        "22": "I Kenania, mpiadidy teo amin\u2019ny Levita, no niandraikitra ny filanjana ny Vata, satria hainy tsara izany.",
        "23": "I Berekia sy Elkana no mpiandry vavahadin\u2019ny toerana nisy ny Vata.",
        "24": "I Sebania, Josafata, Netanela, Amasay, Zakaria, Benaia, ary Eliezera, izay samy mpisorona no nitsoka mafy ny trompetra teo anoloan\u2019ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Mpiandry vavahadin\u2019ny toerana nisy ny Vata koa i Obeda-edoma sy Jehia.",
        "25": "Dia nankany an-tranon\u2019i Obeda-edoma i Davida sy ny anti-panahin\u2019ny Israely ary ny lehiben\u2019ny arivo sady falifaly be, fa haka an\u2019ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah ka hampiakatra an\u2019ilay izy avy any.",
        "26": "Nampian\u2019ilay tena Andriamanitra ny Levita nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, ka nanao sorona vantotr\u2019ombilahy fito sy ondrilahy fito.",
        "27": "Nanao akanjo tsy misy tanany vita tamin\u2019ny lamba tena tsara i Davida sy ny Levita rehetra nilanja ny Vata, sy ny mpihira, ary Kenania lehiben\u2019ny mpihira mpilanja an\u2019ilay Vata. Nanao efoda vita tamin\u2019ny kofehy rongony koa i Davida.",
        "28": "Dia nampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah ny Israelita rehetra, ka faly sy nihorakoraka\u00a0be sady nitsoka anjombona sy trompetra ary nampaneno kipantsona. Notendren\u2019izy ireo mafy be koa ny zavamaneno fitendry sy ny harpa.",
        "29": "Rehefa tonga tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida anefa ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, dia nitazana avy teo am-baravarankely i Mikala zanakavavin\u2019i Saoly. Dia nahita an\u2019i Davida Mpanjaka nandihindihy sy nifalifaly be izy, ka nanambany azy tao am-pony."
    },
    "16": {
        "1": "Nampidirina tao amin\u2019ny tranolay \u00e0ry ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra ka napetraka tao. Natsangan\u2019i Davida ho an\u2019ilay Vata io tranolay io. Dia nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana teo anatrehan\u2019Andriamanitra ny olona.",
        "2": "Rehefa avy nanolotra ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana i Davida, dia nitso-drano ny vahoaka tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah.",
        "3": "Samy nizarany mofo boribory sy mofo antrendry ary mofo vita tamin\u2019ny voaloboka maina koa ny Israelita rehetra, na lahy na vavy.",
        "4": "Avy eo dia nisy Levita notendreny hanompo eo anoloan\u2019ny Vata masin\u2019i Jehovah, mba hanome voninahitra sy hisaotra ary hidera an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "5": "I Asafa no mpitarika ny mpihira, ary nanarakaraka azy i Zakaria. I Jeiela, Semiramota, Jehiela, Matitia, Eliaba, Benaia, Obeda-edoma, ary Jeiela no nitendry zavamaneno sy harpa. I Asafa kosa no nampaneno kipantsona.",
        "6": "Fa i Benaia sy Jahaziela mpisorona foana no nitsoka trompetra teo anoloan\u2019ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "7": "Namorona hira fisaorana an\u2019i Jehovah i Davida tamin\u2019izay andro izay, ary sambany ilay izy no nasainy nohirain\u2019i Asafa sy ny rahalahiny, hoe:",
        "8": "\u201cMisaora an\u2019i Jehovah, ary miantsoa ny anarany. Ampahafantaro an\u2019ireo firenena ny zavatra nataony!",
        "9": "Mihir\u00e0 ho azy, manaova hira fiderana ho azy! Saintsaino ny zavatra mahatalanjona rehetra nataony.",
        "10": "Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina, Ary enga anie ho faly ny fon\u2019izay mitady an\u2019i Jehovah!",
        "11": "Mitadiava an\u2019i Jehovah ary miantehera amin\u2019ny heriny. Mitadiava sitraka aminy foana.",
        "12": "Tsarovy ny zavatra mahatalanjona nataony, Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana nolazainy,",
        "13": "Ry taranak\u2019i Israely mpanompony, Ry taranak\u2019i Jakoba, dia ianareo olom-boafidiny.",
        "14": "Izy no Jehovah Andriamanitsika. Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.",
        "15": "Tsarovy mandrakizay ny fifanekena nataony, Ary tsarovy hatrany amin\u2019ny taranaka arivo mifandimby ny fampanantenana nataony,",
        "16": "Dia ilay fifanekena nataony tamin\u2019i Abrahama, Sy ilay fianianana nataony tamin\u2019i Isaka.",
        "17": "Nataony fitsipika ho an\u2019i Jakoba io fianianana io, Sady fifanekena maharitra ela be ho an\u2019i Israely.",
        "18": "Fa hoy izy: \u2018Homeko anao ny tany Kanana, Ho anjara lovanao.\u2019",
        "19": "Mbola vitsy izy ireo tamin\u2019izany, Tena vitsy kely sady vahiny tao amin\u2019ilay tany.",
        "20": "Nifindrafindra tany amin\u2019ny firenena samihafa izy ireo, Ary nifindrafindra tany amin\u2019ny fanjakana samihafa.",
        "21": "Tsy nisy olona navelan\u2019Andriamanitra hampijaly azy ireo, Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin\u2019izy ireo,",
        "22": "Ka niteny hoe: \u2018Aza mikasika ny voahosotro, Ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.\u2019",
        "23": "Mihir\u00e0 ho an\u2019i Jehovah, ry tany manontolo! Ambarao isan\u2019andro ny famonjeny!",
        "24": "Lazao amin\u2019ireo firenena hoe be voninahitra izy, Ary lazao amin\u2019ny vahoaka rehetra ny zavatra mahatalanjona nataony.",
        "25": "Fa tena miavaka i Jehovah ka izy no mendrika hoderaina indrindra. Mendrika hatahorana mihoatra noho ny andriamanitra rehetra izy.",
        "26": "Andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitry ny firenena, Fa i Jehovah kosa no nanao ny lanitra.",
        "27": "Haja amam-boninahitra no eo anatrehany, Ary hery sy fifaliana no ao amin\u2019izay misy azy.",
        "28": "Omeo an\u2019i Jehovah izay tokony homena azy, ry foko eo amin\u2019ireo firenena. Omeo an\u2019i Jehovah izay tokony homena azy, satria be voninahitra sady matanjaka izy.",
        "29": "Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an\u2019izany ny anarany. Mitondr\u00e0 fanomezana ho azy ka midira mankeo anatrehany. Manaova fitafiana masina dia miankohofa eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "30": "Mangovita eo anatrehany, ry tany manontolo! Mafy orina ny tany, ka tsy ho voahozongozona.",
        "31": "Aoka hiravoravo ny lanitra, ary aoka hifaly ny tany. Lazao any amin\u2019ireo firenena hoe: \u2018Lasa Mpanjaka i Jehovah!\u2019",
        "32": "Aoka hihoby ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ary aoka hifaly ny saha sy izay rehetra eo aminy.",
        "33": "Aoka hihoby eo anatrehan\u2019i Jehovah koa ny hazo any an\u2019ala, Fa iny tamy iny izy hitsara ny tany.",
        "34": "Misaora an\u2019i Jehovah fa tsara izy. Be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay izy.",
        "35": "Dia lazao hoe: \u2018Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay\u00a0\u00f4! Angony izahay ka vonjeo avy any amin\u2019ireo firenena, Mba ho afaka hisaotra ny anaranao masina, Sy ho faly hidera anao.",
        "36": "Enga anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely Hoderaina mandrakizay doria!\u2019\u201d Dia hoy ny olona rehetra: \u201cAmena!\u201d Ary nidera an\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "37": "Dia navelan\u2019i Davida teo anoloan\u2019ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah i Asafa sy ny rahalahiny, mba hanompo foana eo anoloan\u2019ilay Vata, araka ny fanao isan\u2019andro.",
        "38": "Nisy 68 ry Obeda-edoma sy ny rahalahiny. Ary mpiandry vavahady i Obeda-edoma zanak\u2019i Jedotona, sy Hosa.",
        "39": "Navelan\u2019i Davida teo anoloan\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah teo amin\u2019ny toerana avo tany Gibeona koa i Zadoka mpisorona sy ny mpisorona hafa,",
        "40": "mba hanolotra fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah tsy tapaka eo amin\u2019ny alitara fanaovana fanatitra dorana, amin\u2019ny maraina sy hariva, ary mba hanao an\u2019izay rehetra voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah nandidiany ny Israely.",
        "41": "Niaraka tamin\u2019izy ireo koa i Hemana sy Jedotona ary izay sisa tavela tamin\u2019ny lehilahy voafantina sy voatonona anarana mba hisaotra an\u2019i Jehovah, satria \u201cbe fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay izy.\u201d",
        "42": "Niaraka tamin\u2019izy ireo i Hemana sy Jedotona mba hitsoka ny trompetra sy hampaneno ny kipantsona ary hampiasa ny zavamaneno natao hiderana an\u2019ilay tena Andriamanitra. Teo am-bavahady kosa ny zanakalahin\u2019i Jedotona.",
        "43": "Dia samy nody tany an-tranony ny olona rehetra. Lasa nody koa i Davida mba hitso-drano ny ankohonany."
    },
    "17": {
        "1": "Raha vao tafapetraka tsara tao amin\u2019ny tranony i Davida, dia hoy izy tamin\u2019i Natana mpaminany: \u201cIzaho ity mipetraka ato amin\u2019ny trano sedera, nefa ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah mipetraka ao anaty tranolay!\u201d",
        "2": "Dia hoy i Natana taminy: \u201cAtaovy izay rehetra ao am-ponao, fa manohana anao ilay tena Andriamanitra.\u201d",
        "3": "Ny alin\u2019iny ihany, dia niteny tamin\u2019i Natana Andriamanitra hoe:",
        "4": "\u201cMandehana lazao amin\u2019i Davida mpanompoko hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cTsy ianao no hanorina trano hipetrahako.",
        "5": "Fa tsy nipetraka tao anaty trano aho, hatramin\u2019ny andro nitondrako ny Israely nivoaka avy tany Ejipta ka hatramin\u2019izao. Nifindrafindra tranolay foana aho, ary nifindrafindra toerana.",
        "6": "Nandritra ny fotoana nandehanako niaraka tamin\u2019ny Israely rehetra, izaho ve mba efa niteny tamin\u2019ny mpitsaran\u2019ny Israely, izay notendreko hiandry ny vahoakako, hoe: \u2018Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho ahy?\u2019\u201d\u2019",
        "7": "\u201cIzao tenenina amin\u2019i Davida mpanompoko: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cNaka anao avy teny amin\u2019ny kijana teny am-piandrasana ondry aho mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.",
        "8": "Ary hanampy anao aho na aiza na aiza alehanao, ka haringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra. Dia hataoko malaza ny anaranao, toy ny anaran\u2019ny olo-malaza eny ambonin\u2019ny tany.",
        "9": "Ary hanokana toerana hametrahako ny Israely vahoakako aho. Dia hipetraka ao izy ireo, ka tsy hisy hanakorontana intsony. Tsy hampijaly azy ireo intsony koa ny olona ratsy fanahy, hoatran\u2019ny nataon\u2019izy ireny taloha,",
        "10": "tamin\u2019ny fotoana nanendreko mpitsara hitondra ny Israely vahoakako. Ary hataoko eo ambany fahefanao ny fahavalonao rehetra. Izao koa no lazaiko aminao: \u2018Hanao trano ho anao i Jehovah.\u2019",
        "11": "\u201c\u2018\u201cRehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin\u2019ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny iray amin\u2019ny zanakao lahy. Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.",
        "12": "Izy no hanorina trano ho ahy. Ary hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany.",
        "13": "Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mihitsy aho, fa tsy hanao hoatran\u2019ny nataoko tamin\u2019ilay talohanao.",
        "14": "Hataoko mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianako mandrakizay izy, ary haharitra mandrakizay ny fanjakany sy ny taranany.\u201d\u2019\u201d",
        "15": "Noresahin\u2019i Natana tamin\u2019i Davida \u00e0ry izany teny rehetra izany sy ilay fahitana manontolo.",
        "16": "Dia nipetraka teo anatrehan\u2019i Jehovah i Davida Mpanjaka, ka niteny hoe: \u201cFa mba iza moa aho, ry Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4? Ary mba inona ny ankohonako no nataonao lasa hoatr\u2019izao aho?",
        "17": "Ary toy ny hoe tsy ampy izany efa nataonao izany, Andriamanitra\u00a0\u00f4, fa mbola nilazanao koa aho hoe haharitra hatrany aoriana lavitra any ny taranaky ny mpanomponao. Dia nijery ahy ianao Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4, hoatran\u2019ny hoe olona ambony aho.",
        "18": "Inona intsony moa no azon\u2019i Davida mpanomponao lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy? Ianao aza efa mahafantatra tsara ny mpanomponao.",
        "19": "Fa noho ny mpanomponao sady araka ny sitraponao, Jehovah\u00a0\u00f4, no nanaovanao an\u2019izany zavatra miavaka rehetra izany ka nampahafantaranao fa tena miavaka ianao.",
        "20": "Fa tsy misy hoatr\u2019anao, Jehovah\u00a0\u00f4! Ary tsy misy Andriamanitra ankoatra anao. Manamarina an\u2019izany ny zava-drehetra henonay.",
        "21": "Ary iza amin\u2019ny firenena eto an-tany moa no hoatran\u2019ny Israely vahoakanao? Navotan\u2019ilay tena Andriamanitra izy ireo mba ho lasa vahoakany. Nataonao nalaza ny anaranao rehefa nanao zavatra miavaka sy mahagaga ianao. Nandroaka firenena hiala eo anatrehan\u2019ilay vahoakanao navotanao avy tany Ejipta ianao.",
        "22": "Nataonao lasa vahoakanao mandrakizay ny Israely. Ary ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no lasa Andriamanitr\u2019izy ireo.",
        "23": "Dia enga anie, Jehovah\u00a0\u00f4, ka hotanterahinao mandrakizay izay nampanantenainao momba ny mpanomponao sy ny taranany! Ary enga anie ianao ka hanao an\u2019izay efa nampanantenainao!",
        "24": "Haharitra sy hankalazaina mandrakizay anie ny anaranao, mba ho afaka hilaza ny olona hoe: \u2018I Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely, no Andriamanitra ho an\u2019ny Israely.\u2019 Haharitra eo anatrehanao koa anie ny taranak\u2019i Davida mpanomponao!",
        "25": "Fa ianao, Andriamanitro\u00a0\u00f4, no nampahafantatra ny mpanomponao ny fikasanao hoe hanao trano ho ahy. Izany no mahatonga ny mpanomponao tsy hisalasala hanao an\u2019izao vavaka izao aminao.",
        "26": "Ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no tena Andriamanitra, ary nampanantena an\u2019izany zavatra tsara izany ho an\u2019ny mpanomponao ianao.",
        "27": "Dia enga anie hahafinaritra anao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao, ary enga anie haharitra mandrakizay eo anatrehanao izany taranany izany! Fa ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no efa nitahy azy ka tahina mandrakizay izy.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia notafihin\u2019i Davida ny Filistinina, ka resiny. Dia nalainy teo an-tanan\u2019izy ireo i Gata sy ny tan\u00e0na niankina taminy.",
        "2": "Resiny koa i Moaba. Dia lasa mpanompon\u2019i Davida ny Moabita ka nandoa hetra taminy.",
        "3": "Resin\u2019i Davida teny akaikin\u2019i Hamata i Hadadezera mpanjakan\u2019i Zoba, tamin\u2019izy io nankany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata mba hanamafy orina ny fahefany.",
        "4": "Ireto ny babo azon\u2019i Davida avy taminy: Kalesy 1\u00a0000, mpitaingin-tsoavaly 7\u00a0000, ary miaramila 20\u00a0000 mpandeha an-tongotra. Dia notapahiny ny hoza-tongotry ny soavaly rehetra mpitarika kalesy, fa soavaly 100 sisa no tsy nataony an\u2019izany.",
        "5": "Dia tonga nanampy an\u2019i Hadadezera mpanjakan\u2019i Zoba ny Syrianina avy any Damaskosy, kanjo 22\u00a0000 tamin\u2019izy ireo no matin\u2019i Davida.",
        "6": "Nasian\u2019i Davida toby miaramila \u00e0ry tany Damaskosy, any Syria. Dia lasa mpanompony ny Syrianina, ka nandoa hetra taminy. Nataon\u2019i Jehovah nandresy i Davida, na taiza na taiza nalehany.",
        "7": "Nalain\u2019i Davida koa ny ampinga volamena boribory teny amin\u2019ireo mpanompon\u2019i Hadadezera, ka nentiny tany Jerosalema.",
        "8": "Ary naka varahina be dia be avy tany Tibata sy Kona, tan\u00e0nan\u2019 i Hadadezera, i Davida. Ireny no nanamboaran\u2019i Solomona an\u2019ilay Ranomasina varahina, sy ny andry, ary ny fanaka varahina.",
        "9": "Vao henon\u2019i Toy mpanjakan\u2019i Hamata fa resin\u2019i Davida ny tafik\u2019i Hadadezera mpanjakan\u2019i Zoba manontolo,",
        "10": "dia nirahiny ho any amin\u2019i Davida Mpanjaka i Hadorama zanany lahy, mba hanontany ny fahasalamany sy hiarahaba azy noho izy niady tamin\u2019i Hadadezera dia nandresy azy. Niady matetika tamin\u2019i Toy mantsy i Hadadezera. Ary nitondra zavatra isan-karazany vita tamin\u2019ny volamena sy volafotsy ary varahina i Hadorama.",
        "11": "Dia nohamasinin\u2019i Davida Mpanjaka ho an\u2019i Jehovah ireny, hoatran\u2019ny efa nataony tamin\u2019ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tany amin\u2019ny firenena rehetra, dia i Edoma sy Moaba, ny Amonita, ny Filistinina, ary ny Amalekita.",
        "12": "Ary nahafaty Edomita 18\u00a0000 i Abisay zanak\u2019i Zeroia, teo amin\u2019ny Lohasahan-tsira.",
        "13": "Nasiany toby miaramila tany Edoma, ka lasa mpanompon\u2019i Davida ny Edomita rehetra. Dia nataon\u2019i Jehovah nandresy i Davida, na taiza na taiza nalehany.",
        "14": "Nanjaka teo amin\u2019ny Israely rehetra i Davida, ary nanao ny rariny sy hitsiny teo amin\u2019ny vahoakany manontolo izy.",
        "15": "I Joaba zanak\u2019i Zeroia no lehiben\u2019ny tafika, Josafata zanak\u2019i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana,",
        "16": "Zadoka zanak\u2019i Ahitoba sy Ahimeleka zanak\u2019i Abiatara no mpisorona, ary Saosa no mpitan-tsoratra.",
        "17": "I Benaia zanak\u2019i Joiada no lehiben\u2019ny Keretita sy ny Peletita. Ary ny zanakalahin\u2019i Davida no manam-pahefana ambony indrindra nanarakaraka ny mpanjaka."
    },
    "19": {
        "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia maty i Nahasy mpanjakan\u2019ny Amonita, ka ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.",
        "2": "Dia hoy i Davida: \u201cHo tsara fanahy amin\u2019i Hanona zanak\u2019i Nahasy aho, satria tsara fanahy tamiko ny rainy.\u201d Naniraka olona \u00e0ry i Davida, mba hampionona azy noho ny nahafatesan-drainy. Rehefa tonga tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Amonita anefa ny mpanompon\u2019i Davida, mba hampionona an\u2019i Hanona,",
        "3": "dia hoy ny andrianan\u2019ny Amonita tamin\u2019i Hanona: \u201cIanao ve dia mieritreritra hoe ny hanome voninahitra ny dadanao no nanirahan\u2019i Davida ny mpanompony at\u1ef3 hampionona anao, fa tsy hoe handeha hamantatra sy hitsikilo an\u2019ity tany ity, dia handresy anao?\u201d",
        "4": "Nosamborin\u2019i Hanona \u00e0ry ny mpanompon\u2019i Davida ka nesoriny ny volombavany, ary notapahiny hatreo amin\u2019ny fitombenany ny akanjony, dia nalefany izy ireo.",
        "5": "Vao henon\u2019i Davida izany, dia naniraka olona hitsena an\u2019ireo lehilahy ireo izy. Afa-baraka tanteraka mantsy izy ireo. Ary hoy ny mpanjaka: \u201cMijan\u00f2na aloha any Jeriko, dia rehefa maniry indray ny volombavanareo vao modia.\u201d",
        "6": "Dia hitan\u2019ny Amonita fa lasa halan\u2019i Davida izy ireo. Naniraka olona hitondra volafotsy 1\u00a0000 talenta \u00e0ry i Hanona sy ny Amonita, mba hanofa kalesy fitondra miady sy hanakarama mpitaingin-tsoavaly avy any Mezopotamia sy Arama-maka ary Zoba.",
        "7": "Dia nanofa kalesy fitondra miady 32\u00a0000 izy ireo, ary nokaramainy koa ny mpanjakan\u2019i Maka sy ny vahoakany. Dia tonga ireny ka nitoby tandrifin\u2019i Medeba. Nifamory avy any an-tan\u00e0nany koa ny Amonita ka nivoaka hiady.",
        "8": "Rehefa henon\u2019i Davida izany, dia nirahiny i Joaba sy ny tafika manontolo, anisan\u2019izany ireo miaramilany matanjaka indrindra.",
        "9": "Ary nivoaka avy tao an-tan\u00e0na ny Amonita, ka nilahatra hiady teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay tan\u00e0na. Nitokana teny an-tsaha kosa ireo mpanjaka tonga hanampy.",
        "10": "Hitan\u2019i Joaba fa avy any aloha sy avy any aoriana ny fahavalo. Dia nifidy tamin\u2019ireo miaramila voafantina teo amin\u2019ny Israely izy, ka nasainy nilahatra hiady tamin\u2019ny Syrianina izy ireo.",
        "11": "Ny sisa kosa nasainy notarihin\u2019i Abisay rahalahiny, mba hilahatra hiady amin\u2019ny Amonita.",
        "12": "Dia hoy izy: \u201cRaha matanjaka loatra ny Syrianina ka tsy resiko, dia tongava mamonjy ahy. Fa raha matanjaka loatra kosa ny Amonita ka tsy resinao, dia hovonjeko ianao.",
        "13": "Tsy maintsy matanjaka sy be herim-po isika, satria hiady ho an\u2019ny vahoakantsika sy ho an\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ilay Andriamanitsika. I Jehovah koa tsy maintsy hanao ny anjarany.\u201d",
        "14": "Ary nandroso i Joaba sy ny miaramilany, ka niady tamin\u2019ny Syrianina. Dia nandositra azy izy ireo.",
        "15": "Rehefa hitan\u2019ny Amonita fa nandositra ny Syrianina, dia nandositra an\u2019i Abisay rahalahin\u2019i Joaba koa izy ireo, ka niditra tao an-tan\u00e0na. Dia niverina tany Jerosalema i Joaba.",
        "16": "Rehefa hitan\u2019ny Syrianina fa resin\u2019ny Israely izy ireo, dia naniraka olona izy hampiantso ny Syrianina tany amin\u2019ny faritry ny Renirano. Ary i Sof\u00e0ka lehiben\u2019ny tafik\u2019i Hadadezera no nitarika azy ireo.",
        "17": "Raha vao henon\u2019i Davida izany, dia nangoniny ny Israely rehetra. Dia niampita ny Reniranon\u2019i Jordana izy ireo ka tonga tany amin\u2019ny Syrianina, ary nilahatra hiady tamin\u2019ireo. Dia nandeha niady tamin\u2019ny Syrianina i Davida, ka nifanandrina taminy koa izy ireo.",
        "18": "Nandositra ny Israely anefa ny Syrianina. Ary mpitondra kalesy 7\u00a0000 sy miaramila 40\u00a0000 mpandeha an-tongotra no matin\u2019i Davida. Novonoiny ho faty koa i Sof\u00e0ka lehiben\u2019ny tafika.",
        "19": "Rehefa hitan\u2019ny mpanompon\u2019i Hadadezera fa resin\u2019ny Israely izy ireo, dia nihavana haingana tamin\u2019i Davida ireo ka nanompo azy. Ary tsy te hanampy ny Amonita intsony i Syria."
    },
    "20": {
        "1": "Fiandohan\u2019ny taona tamin\u2019izay, sady fotoana fandehanan\u2019ny mpanjaka hiady. Nitarika miaramila \u00e0ry i Joaba dia noravany ny tanin\u2019ny Amonita. Nanao fahirano an\u2019i Raba izy tamin\u2019izay, fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema. Notafihin\u2019i Joaba i Raba avy eo, dia noravany.",
        "2": "Taorian\u2019izay dia nesorin\u2019i Davida ilay satroboninahitra volamena teny an-dohan\u2019i Malkama, ary hitany fa iray talenta no lanjan\u2019izy io, ary nisy vatosoa ilay izy. Dia natao teo amin\u2019ny lohan\u2019i Davida ilay izy. Naka zavatra be dia be avy tao amin\u2019ilay tan\u00e0na koa izy.",
        "3": "Nentiny koa ny olona tao, ka nampiasainy mba hanatsofa vato, sy hiasa amin\u2019ny fitaovana vy maranitra sy famaky. Nataon\u2019i Davida hoatr\u2019izany daholo ny tan\u00e0nan\u2019ny Amonita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny miaramila rehetra.",
        "4": "Taorian\u2019izay, dia raikitra ny ady tamin\u2019ny Filistinina, tao Gazera. Tamin\u2019izay i Sibekay Hosatita no nahafaty an\u2019i Sipay, taranaky ny Refaima, ka resy ny Filistinina.",
        "5": "Ary raikitra indray ny ady tamin\u2019ny Filistinina. Dia novonoin\u2019i Elanana zanak\u2019i Jaira i Lamy, rahalahin\u2019i Goliata Gatita, ilay nanana tahon-defona hoatran\u2019 ny voditenon\u2019ny mpanenona.",
        "6": "Raikitra indray ny ady tany Gata, ary nisy lehilahy iray goavam-be tao. Enina avy ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ka 24 ny fitambarany. Taranaky ny Refaima koa izy.",
        "7": "Nila ady tamin\u2019ny Israely foana izy, ka novonoin\u2019i Jonatana zanak\u2019i Simea rahalahin\u2019i Davida.",
        "8": "Ireo no taranaky ny Refaima tany Gata, ary ny tanan\u2019i Davida sy ny mpanompony no namono azy ireo."
    },
    "21": {
        "1": "Dia tapa-kevitra ny hanisy ratsy ny Israely i Satana, ka nampirisika an\u2019i Davida hanisa an\u2019ilay vahoaka.",
        "2": "Hoy \u00e0ry i Davida tamin\u2019i Joaba sy ny lehiben\u2019ny vahoaka: \u201cMandehana isao ny Israely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana. Dia teneno ahy avy eo mba hahafantarako ny isany.\u201d",
        "3": "Hoy anefa i Joaba: \u201cHampitomboin\u2019i Jehovah avo 100 heny anie ny isan\u2019ny vahoakany! Angaha moa tsy efa mpanomponao daholo izy rehetra, ry mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4? Fa maninona ianao, tompoko, no te hanao an\u2019izany? Maninona no dia ataonao izay hahatonga ny Israely hanota?\u201d",
        "4": "Tsy naharesy lahatra ny mpanjaka anefa i Joaba. Lasa nitety ny tanin\u2019ny Israely manontolo \u00e0ry izy, ary tafaverina tany Jerosalema avy eo.",
        "5": "Dia nomen\u2019i Joaba an\u2019i Davida ny isan\u2019ny olona voasoratra anarana. Nisy 1\u00a0100\u00a0000 ny lehilahy mpitan-tsabatra teo amin\u2019ny Israely rehetra, ary 470\u00a0000 kosa ny teo amin\u2019ny Joda.",
        "6": "Tsy voasoratra anarana niaraka tamin\u2019ireo anefa ny fokon\u2019i Levy sy Benjamina. Tsy tian\u2019i Joaba mihitsy mantsy ny tenin\u2019ny mpanjaka.",
        "7": "Dia tena tsy faly tamin\u2019izany ilay tena Andriamanitra, ka nosaziny ny Israely.",
        "8": "Niteny tamin\u2019ilay tena Andriamanitra \u00e0ry i Davida hoe: \u201cTena nanao fahotana lehibe aho tamin\u2019iny zavatra nataoko iny. Mba avelao re ny fahadisoan\u2019ny mpanomponao\u00a0e! Fa nanao hadalana be mihitsy aho.\u201d",
        "9": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Gada, ilay mpahita fahitana ho an\u2019i Davida:",
        "10": "\u201cMandehana lazao amin\u2019i Davida hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cOmeko safidy telo ianao, dia fidio izay iray tianao hataoko aminao.\u201d\u2019\u201d",
        "11": "Nankao amin\u2019i Davida \u00e0ry i Gada, ka niteny taminy hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Mifidiana ianao amin\u2019ireto:",
        "12": "Mosary telo\u00a0taona ve? Sa haripaky ny fahavalonao telo\u00a0volana ka hasiany amin\u2019ny sabatra? Sa hasian\u2019i Jehovah amin\u2019ny sabatra mandritra ny telo\u00a0andro, izany hoe handefasany areti-mandringana eto amin\u2019ny taninao, ka hisy anjelin\u2019i Jehovah handringana manerana ny faritry ny Israely?\u2019 Eritrereto tsara hoe inona no havaliko an\u2019Ilay naniraka ahy.\u201d",
        "13": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Gada: \u201cSahiran-tsaina be aho. Aleoko anefa azon\u2019ny tanan\u2019i Jehovah, toy izay azon\u2019ny tanan\u2019olona. Tena be famindram-po mantsy izy.\u201d",
        "14": "Nandefa areti-mandringana teo amin\u2019ny Israely \u00e0ry i Jehovah, ka Israelita 70\u00a0000 no maty.",
        "15": "Ankoatra izany, dia nisy anjely nirahin\u2019Andriamanitra handringana ny tao Jerosalema. Vao saika handringana anefa ilay anjely, dia hitan\u2019i Jehovah izany, ka nanenina izy noho ilay loza. Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019ilay anjely nandringana: \u201cAmpy izay! Ampidino amin\u2019izay ny tananao.\u201d Nijoro teo akaikin\u2019ny famoloan\u2019i Ornana Jebosita ilay anjelin\u2019i Jehovah tamin\u2019izay.",
        "16": "Rehefa nitraka i Davida, dia nahita an\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah nijoro teo anelanelan\u2019ny tany sy ny lanitra, sady nitana sabatra nanondro an\u2019i Jerosalema, dia sabatra voatsoaka tao anaty tranony. Tonga dia niankohoka tamin\u2019ny tany i Davida sy ny anti-panahy, izay samy niakanjo gony.",
        "17": "Dia hoy i Davida tamin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u201cFa angaha tsy izaho no naniraka hoe isao ny vahoaka? Izaho no nanota ary izaho no nanao ratsy. Fa inona moa no nataon\u2019ireo ondry ireo? Izaho sy ny ankohonan-draiko re asiana, Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4! Fa aza mandefa loza amin\u2019ireto vahoakanao ireto.\u201d",
        "18": "Dia nasain\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah nilaza tamin\u2019i Davida i Gada mba hiakatra, ka hanangana alitara ho an\u2019i Jehovah eo amin\u2019ny famoloan\u2019i Ornana Jebosita.",
        "19": "Dia nataon\u2019i Davida izay nolazain\u2019i Gada tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah, ka niakatra izy.",
        "20": "I Ornana indray tamin\u2019izay nanosihosy varimbazaha teny am-pamoloana. Dia niherika izy ka nahita an\u2019ilay anjely, fa ny zanany efa-dahy niaraka taminy kosa niafina.",
        "21": "Rehefa nankeo amin\u2019i Ornana i Davida, dia nitazana i Ornana ka nahita azy. Tonga dia niala teo am-pamoloana \u00e0ry i Ornana ka niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehany.",
        "22": "Hoy i Davida tamin\u2019i Ornana: \u201cMba amidio amiko ity tany misy ny famoloana ity, fa te hanorina alitara ho an\u2019i Jehovah eto aho. Amidio amiko araka izay tena vidiny ilay izy. Amin\u2019izay mba mitsahatra ilay loza mahazo ny vahoaka.\u201d",
        "23": "Hoy anefa i Ornana tamin\u2019i Davida: \u201cAlaivo ho anao ny famoloana, dia ataovy izay hitan\u2019ny mpanjaka tompoko fa mety. Ireo fa omeko ny omby hatao fanatitra dorana. Dia ireo koa ny fitaovana fanosihosena varimbazaha hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra. Omeko daholo izy rehetra.\u201d",
        "24": "Hoy anefa i Davida Mpanjaka tamin\u2019i Ornana: \u201cTsy mety izany, fa tsy maintsy hovidiko amin\u2019izay tena vidiny ireo. Tsy ny fanananao mantsy no homeko an\u2019i Jehovah, ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hatolotro ho sorona dorana.\u201d",
        "25": "Nomen\u2019i Davida volamena 600 sekely \u00e0ry i Ornana ho vidin\u2019ilay tany.",
        "26": "Ary nanorina alitara ho an\u2019i Jehovah teo i Davida, ka nanolotra sorona dorana sy sorona iombonana. Niantso an\u2019i Jehovah koa izy. Dia novaliany izy, ka nisy afo avy any an-danitra nalatsany teo ambonin\u2019ilay alitara fanaovana fanatitra dorana.",
        "27": "Dia nasain\u2019i Jehovah namerina ny sabany tao anaty tranony ilay anjely.",
        "28": "Rehefa hitan\u2019i Davida \u00e0ry tamin\u2019izay hoe teo amin\u2019ilay famoloan\u2019i Ornana Jebosita i Jehovah no namaly azy, dia teo foana izy no nanao sorona.",
        "29": "Teo amin\u2019ny toerana avo tany Gibeona anefa tamin\u2019izany andro izany ilay tranolain\u2019i Jehovah nataon\u2019i Mosesy tany an-tany efitra, sy ilay alitara fanaovana fanatitra dorana,",
        "30": "saingy tsy nankany i Davida mba hanontany an\u2019Andriamanitra. Natahotra be mantsy izy nahita ny sabatr\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah."
    },
    "22": {
        "1": "Dia hoy i Davida: \u201cEto no hasiana ny tranon\u2019i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ary eto no hasiana alitara hanoloran\u2019ny Israely fanatitra dorana.\u201d",
        "2": "Ary nasain\u2019i Davida novorina ny vahiny tao amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely ka notendreny ho mpipai-bato. Hikapa sy hanefy vato hanorenana ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra izy ireo.",
        "3": "Nanomana vy be dia be i Davida mba hanaovana fantsika ho an\u2019ny vavahady sy vy fametahan-javatra. Nanomana varahina be dia be efa tsy voalanja intsony koa izy,",
        "4": "ary hazo sedera tsy hita isa. Nitondra hazo sedera be dia be ho an\u2019i Davida mantsy ny olona avy any Sidona sy Tyro.",
        "5": "Dia hoy i Davida: \u201cMbola kely sady tsy dia nahita fiainana i Solomona zanako. Trano faran\u2019izay kanto anefa no haorina ho an\u2019i Jehovah, mba ho fantatry ny olona any amin\u2019ny tany rehetra ny lazan\u2019ilay trano sy ny hatsaran-tarehiny. Hanomana an\u2019izay ilain\u2019i Solomona \u00e0ry aho.\u201d Dia nanomana fitaovana be dia be i Davida talohan\u2019ny nahafatesany.",
        "6": "Nampiantso an\u2019i Solomona zanany koa izy, ka nilaza taminy mba hanorina trano ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "7": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Solomona zanany: \u201cMba nirin\u2019ny foko ny hanorina trano ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitro.",
        "8": "Niteny tamiko anefa i Jehovah hoe: \u2018Efa betsaka ny ra nalatsakao sy ny ady nataonao. Tsy hanorina trano ho an\u2019ny anarako ianao, satria be loatra ny ra nalatsakao tamin\u2019ny tany teo anatrehako.",
        "9": "Hiteraka lahikely ianao, ary hiadana izy. Hovonjeko amin\u2019ny fahavalo rehetra manodidina azy izy ka hataoko milamin-tsaina. Hantsoina hoe Solomona mantsy izy, ary hataoko miadana sy milamina ny Israely amin\u2019ny androny.",
        "10": "Izy ilay hanorina trano ho an\u2019ny anarako. Ho zanako izy ary izaho ho rainy. Dia hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany sy ny fanjakany eo amin\u2019ny Israely.\u2019",
        "11": "\u201cIzao \u00e0ry, anaka: Enga anie hanampy anao i Jehovah, dia hahomby ianao rehefa manorina ny tranon\u2019i Jehovah Andriamanitrao, araka izay efa nolazainy momba anao.",
        "12": "Hanampy anao ho malina sy hahira-tsaina anie i Jehovah, rehefa omeny fahefana hitondra ny Israely ianao! Amin\u2019izay ianao dia hanaraka ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah Andriamanitrao.",
        "13": "Dia hahomby ianao raha manaraka tsara ny fitsipika sy ny didim-pitsarana nasain\u2019i Jehovah nampitain\u2019i Mosesy tamin\u2019ny Israely. Man\u00e0na herim-po ary mahereza! Aza matahotra na mihorohoro.",
        "14": "Tsy nitandro hasasarana aho nanomana volamena 100\u00a0000 talenta, sy volafotsy 1\u00a0000\u00a0000 talenta, ary varahina sy vy be dia be izay tsy voalanja intsony ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Efa nanomana hazo sy vato koa aho, nefa mbola mila ampianao ireo.",
        "15": "Efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpipai-bato, mpanao vato, mpandrafitra, ary mpiasa mahay isan-karazany.",
        "16": "Tsy voalanja intsony koa ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ary ny vy. Atombohy \u00e0ry ny asa, ary hanampy anao anie i Jehovah!\u201d",
        "17": "Dia nasain\u2019i Davida nanampy an\u2019i Solomona zanany ny andriana rehetra teo amin\u2019ny Israely, ka hoy izy:",
        "18": "\u201cAngaha moa tsy ampian\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, sady efa nataony milamina tanteraka ny taninareo? Fa efa natolony teo am-pelatanako ny mponina teto amin\u2019ity tany ity, ary resin\u2019i Jehovah sy ny vahoakany ity tany ity.",
        "19": "Miezaha mafy \u00e0ry hitady an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo amin\u2019ny fonareo manontolo sy ny herinareo manontolo. Dia atombohy ny fanorenana ny toerana masin\u2019i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Amin\u2019izay dia ho azo entina ao amin\u2019ilay trano haorina ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, sy ny fitaovana masin\u2019ilay tena Andriamanitra.\u201d"
    },
    "23": {
        "1": "Rehefa antitra i Davida sady efa akaiky ho faty, dia nataony mpanjakan\u2019ny Israely i Solomona zanany.",
        "2": "Novoriny daholo avy eo ny andrianan\u2019ny Israely sy ny mpisorona ary ny Levita.",
        "3": "Nisaina tsirairay \u00e0ry ny Levita 30\u00a0taona no ho miakatra, ka 38\u00a0000 ny isan\u2019izy ireo.",
        "4": "Mpanara-maso ny asa ao an-tranon\u2019i Jehovah ny 24\u00a0000 tamin\u2019ireo, mpifehy sy mpitsara ny 6\u00a0000,",
        "5": "mpiandry vavahady ny 4\u00a0000, ary mpidera an\u2019i Jehovah amin\u2019ny zavamaneno ny 4\u00a0000. Ireo zavamaneno ireo ilay nolazain\u2019i Davida hoe: \u201cNamboariko hiderana an\u2019Andriamanitra ireto.\u201d",
        "6": "Dia nalamin\u2019i Davida ho fizarana maromaro izy ireo, arakaraka izay niaviany amin\u2019ireto zanak\u2019i Levy ireto: I Gersona sy Kehata ary Merary.",
        "7": "I Ladana sy Simey no avy amin\u2019ny Gersonita.",
        "8": "Ny zanak\u2019i Ladana dia i Jehiela lohan\u2019ny fianakaviambe sy Zetama ary Joela. Telo izy ireo.",
        "9": "Ny zanak\u2019i Simey dia i Selomota sy Haziela ary Harana. Telo izy ireo. Ireo no lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019i Ladana.",
        "10": "Ary ny zanak\u2019i Simey dia i Jahata, Zina, Jeosy, ary Beria. Izy efa-dahy ireo no zanak\u2019i Simey.",
        "11": "I Jahata no lohany, ary Ziza no faharoa. Tsy nanan-janakalahy firy anefa i Jeosy sy Beria, ka nisaina ho fianakaviambe iray ihany ary nomena andraikitra iray ihany.",
        "12": "Ny zanak\u2019i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela. Efatra izy ireo.",
        "13": "Ny zanak\u2019i Amrama dia i Arona sy Mosesy. I Arona anefa no voatokana mandrakizay hanamasina ny Masina Indrindra. Izy sy ny taranany no voatokana mba hanao sorona eo anatrehan\u2019i Jehovah, hanompo azy, ary hanao tsodrano amin\u2019ny anarany foana.",
        "14": "Nisaina ho anisan\u2019ny fokon\u2019i Levy koa ny zanakalahin\u2019i Mosesy, lehilahin\u2019Andriamanitra.",
        "15": "I Gersoma sy Eliezera no zanak\u2019i Mosesy.",
        "16": "Ny avy amin\u2019ny taranak\u2019i Gersoma dia i Seboela no lohan\u2019ny fianakaviambe.",
        "17": "Ny avy amin\u2019ny taranak\u2019i Eliezera dia i Rehabia no lohan\u2019ny fianakaviambe. Tsy nanan-janakalahy hafa intsony i Eliezera, fa be dia be kosa ny zanakalahin\u2019i Rehabia.",
        "18": "Ny avy amin\u2019ny taranak\u2019i Jizara dia i Selomita no lohan\u2019ny fianakaviambe.",
        "19": "Ny taranak\u2019i Hebrona dia i Jeria no lohan\u2019ny fianakaviambe, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no fahefatra.",
        "20": "Ary ny taranak\u2019i Oziela dia i Mika no lohan\u2019ny fianakaviambe, ary Jisia no faharoa.",
        "21": "I Maly sy Mosy no zanak\u2019i Merary. Ary ny zanak\u2019i Maly dia i Eleazara sy Kisy.",
        "22": "Maty i Eleazara nefa tsy nitera-dahy fa vavy ihany. Nanambady an\u2019ireo zazavavy ireo \u00e0ry ny zanak\u2019i Kisy havan\u2019izy ireo.",
        "23": "Ny zanak\u2019i Mosy dia i Maly sy Edera ary Jeremota. Telo izy ireo.",
        "24": "Ireo no taranak\u2019i Levy araka ny fianakaviambeny, araka ny lohan\u2019ireo fianakaviambe. Voasoratra anarana izy ireo ary nisaina sy nalahatra araka ny anarany. Nanao ny asa fanompoana tao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo, dia izay 20\u00a0taona no ho miakatra.",
        "25": "Fa hoy i Davida: \u201cNataon\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely milamina ny fiainan\u2019ny vahoakany, ary hipetraka ao Jerosalema mandrakizay Izy.",
        "26": "Tsy hitondra ny tranolay intsony koa ny Levita, na hitondra an\u2019izay fitaovana ampiasaina amin\u2019ny fanompoana ao.\u201d",
        "27": "Nisaina ny Levita 20\u00a0taona no ho miakatra, araka ny toromarika farany nomen\u2019i Davida.",
        "28": "Nanampy ny taranak\u2019i Arona tamin\u2019ny fanompoana tao an-tranon\u2019i Jehovah no asan\u2019izy ireo. Ireto avy izany: Niandraikitra ny tokotany sy ny efitra fisakafoana, nanadio ny zava-masina rehetra, ary nanao ny asa rehetra ilaina amin\u2019ny fanompoana ao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "29": "Nanampy tamin\u2019ny fikarakarana an\u2019ireto koa izy ireo: Ny mofo mifanaingina, ny lafarinina tsara toto atao fanatitra varimbazaha, ny mofo fisaka tsy misy lalivay, ny mofo atao anaty lasitra, ny koba mifangaro menaka, ary ny karazana vatomizana sy famarana rehetra.",
        "30": "Tsy maintsy tonga isa-maraina mba hisaotra sy hidera an\u2019i Jehovah koa izy ireo, ary hoatr\u2019izany koa amin\u2019ny takariva.",
        "31": "Nanampy foana koa izy ireo rehefa natolotra ny sorona dorana ho an\u2019i Jehovah amin\u2019ny Sabata sy ny tsinam-bolana ary ny fotoanan\u2019ny fety. Araka ny fitsipika momba an\u2019ireny ny isan\u2019ny nanaovan\u2019izy ireo an\u2019izany. Ary nanao an\u2019izany foana teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "32": "Dia nataon\u2019izy ireo ny andraikiny momba ny tranolay fihaonana sy ny toerana masina. Nampian\u2019izy ireo koa ny rahalahiny, dia ny taranak\u2019i Arona nanompo tao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah."
    },
    "24": {
        "1": "Ireto avy ny fizarana nisy ny taranak\u2019i Arona: Ny zanakalahin\u2019i Arona dia i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara.",
        "2": "Maty talohan-drainy anefa i Nadaba sy Abiho, ary samy tsy nitera-dahy. I Eleazara sy Itamara kosa mbola mpisorona ihany.",
        "3": "Nizara azy ireo araka ny fanompoana hiandraiketany avy i Davida, sy Zadoka avy amin\u2019ny taranak\u2019i Eleazara, ary Ahimeleka avy amin\u2019ny taranak\u2019i Itamara.",
        "4": "Maro kokoa noho ny an\u2019ny taranak\u2019i Itamara anefa ny lohan\u2019ireo fianakaviambe teo amin\u2019ny taranak\u2019i Eleazara. Nozaraina hoatr\u2019izao \u00e0ry izy ireo: Nisy 16 ny lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny taranak\u2019i Eleazara, ary 8 kosa ny an\u2019ireo fianakaviamben\u2019ny taranak\u2019i Itamara.",
        "5": "Natao antsapaka ny taranak\u2019i Eleazara sy ny taranak\u2019i Itamara, satria avy amin\u2019ireo antokony roa ireo ny mpiandraikitra ny toerana masina sy ireo lehibe nanompo an\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "6": "Ary i Semaia zanak\u2019i Netanela sady mpitan-tsoratry ny Levita, no nanoratra ny anaran\u2019izy ireo teo anatrehan\u2019ny mpanjaka, sy ny andriana, sy Zadoka mpisorona, sy Ahimeleka zanak\u2019i Abiatara, sy ny lohan\u2019ireo fianakaviamben\u2019ny mpisorona, ary ny lohan\u2019ireo fianakaviamben\u2019ny Levita. Dia nisy fianakaviambe iray voafidy ho an\u2019ny taranak\u2019i Eleazara, ary iray koa ho an\u2019ny taranak\u2019i Itamara.",
        "7": "Rehefa natao ny antsapaka, dia i Joiariba no voalohany, Jedaia no faharoa,",
        "8": "Harima no fahatelo, Seorima no fahefatra,",
        "9": "Malkia no fahadimy, Miamina no fahenina,",
        "10": "Hakoza no fahafito, Abia no fahavalo,",
        "11": "Jesoa no fahasivy, Sekania no fahafolo,",
        "12": "Eliasiba no faha-11, Jakima no faha-12,",
        "13": "Hopa no faha-13, Jesebaba no faha-14,",
        "14": "Bilga no faha-15, Imera no faha-16,",
        "15": "Hezira no faha-17, Hafizeza no faha-18,",
        "16": "Petahia no faha-19, Jehezekela no faha-20,",
        "17": "Jakina no faha-21, Gamola no faha-22,",
        "18": "Delaia no faha-23, ary Mahazia no faha-24.",
        "19": "Hoatr\u2019izany no nandaminana ny fanompoana niandraiketan\u2019izy ireo rehefa nankao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah izy ireo. Izany mantsy no fomba fiasa natoron\u2019i Arona razambeny, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely azy.",
        "20": "Ireto no sisa tavela tamin\u2019ny Levita: I Sobaela no tamin\u2019 ny taranak\u2019i Amrama, Jedaia no tamin\u2019ny taranak\u2019i Sobaela,",
        "21": "Jisia lohan\u2019ny fianakaviambe no avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Rehabia,",
        "22": "Selomota no tamin\u2019ny taranak\u2019i Jizara, Jahata no tamin\u2019ny taranak\u2019i Selomota,",
        "23": "ary tamin\u2019ny taranak\u2019i Hebrona dia i Jeria no lohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no fahefatra,",
        "24": "Mika no tamin\u2019ny taranak\u2019i Oziela, ary Samira no tamin\u2019ny taranak\u2019i Mika.",
        "25": "I Jisia no rahalahin\u2019i Mika, ary Zakaria no tamin\u2019ny taranak\u2019i Jisia.",
        "26": "I Maly sy Mosy no zanakalahin\u2019i Merary, ary Beno no avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Jazia.",
        "27": "Ireto avy ny tamin\u2019ny taranak\u2019i Merary: I Beno, Sohama, Zakora, ary Ibry, izay avy tamin\u2019i Jazia.",
        "28": "Ny avy tamin\u2019i Maly dia i Eleazara, izay tsy nitera-dahy.",
        "29": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Kisy dia i Jeramela.",
        "30": "Ary ny zanakalahin\u2019i Mosy dia i Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranak\u2019i Levy, araka ny fianakaviambeny avy.",
        "31": "Ary nanao antsapaka hoatran\u2019ireo rahalahiny taranak\u2019i Arona koa izy ireo, teo anatrehan\u2019i Davida Mpanjaka, sy Zadoka, sy Ahimeleka, sy ny lohan\u2019ireo fianakaviamben\u2019ny mpisorona, ary ny lohan\u2019ireo fianakaviamben\u2019ny Levita. Nitovy ihany ny nitondrana ny lohan\u2019ireo fianakaviambe, na zokiny izy na zandriny."
    },
    "25": {
        "1": "Ary natokan\u2019i Davida sy ny lehiben\u2019ny antoko-mpanompo ny sasany tamin\u2019ny taranak\u2019i Asafa sy Hemana ary Jedotona, mba hanao fanompoana ka sady haminany izy ireo no hampiasa harpa sy zavamaneno fitendry ary kipantsona. Ireto avy ireo lehilahy voatendry hanao fanompoana ireo:",
        "2": "Ny avy amin\u2019ny taranak\u2019i Asafa dia i Zakora, Josefa, Netania, ary Asarela. Zanak\u2019i Asafa ireo, ka i Asafa no niandraikitra azy. Naminany teo ambany fiandraiketan\u2019ny mpanjaka i Asafa.",
        "3": "Ny avy amin\u2019i Jedotona dia i Gedalia, Zery, Jesaia, Simey, Hasabia, ary Matitia. Zanak\u2019i Jedotona izy enina ireo. I Jedotona rainy no niandraikitra azy ireo. Sady naminany i Jedotona no nampiasa harpa rehefa nisaotra sy nidera an\u2019i Jehovah.",
        "4": "Ny avy amin\u2019i Hemana dia i Bokia, Matania, Oziela, Seboela, Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty, Romamti-ezera, Josbekasa, Maloty, Hotira, ary Mahaziota. Zanak\u2019i Hemana izy ireo.",
        "5": "Ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019i Hemana. I Hemana no nampita tamin\u2019ny mpanjaka ny fahitana hitany, dia ny hafatr\u2019ilay tena Andriamanitra mba hiderana Azy. Dia nomen\u2019Andriamanitra zanakalahy 14 sy zanakavavy 3 izy.",
        "6": "Izy rehetra ireo dia teo ambany fiandraiketan\u2019ny rainy rehefa nihira tao an-tranon\u2019i Jehovah, ary nampiarahina tamin\u2019ny kipantsona sy ny zavamaneno fitendry ary ny harpa ny hirany. Izany no fanompoana nataony tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra. Ny mpanjaka no niandraikitra an\u2019i Asafa sy Jedotona ary Hemana.",
        "7": "Ary 288 ny isan\u2019izy ireo sy ny rahalahiny, izay nampianarina hihira ho an\u2019i Jehovah, ka efa tena mahay izy rehetra.",
        "8": "Dia nanao antsapaka izy ireo hizarana ny andraikiny, na ho an\u2019ny kely sy ny lehibe, na ho an\u2019ny efa tena mahay sy ny vao mianatra.",
        "9": "Rehefa natao ny antsapaka dia i Josefa avy amin\u2019ny taranak\u2019i Asafa no voalohany, ary Gedalia no faharoa.\u2014Nisy 12 izy sy ny rahalahiny ary ny zanany lahy.\u2014",
        "10": "I Zakora sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny kosa no fahatelo: 12 izy ireo.",
        "11": "I Jizry sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahefatra: 12 izy ireo.",
        "12": "I Netania sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahadimy: 12 izy ireo.",
        "13": "I Bokia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahenina: 12 izy ireo.",
        "14": "I Jesarela sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahafito: 12 izy ireo.",
        "15": "I Jesaia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahavalo: 12 izy ireo.",
        "16": "I Matania sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahasivy: 12 izy ireo.",
        "17": "I Simey sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahafolo: 12 izy ireo.",
        "18": "I Azarela sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-11: Nisy 12 izy ireo.",
        "19": "I Hasabia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-12: Nisy 12 izy ireo.",
        "20": "I Sobaela sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-13: Nisy 12 izy ireo.",
        "21": "I Matitia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-14: Nisy 12 izy ireo.",
        "22": "I Jeremota sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-15: Nisy 12 izy ireo.",
        "23": "I Hanania sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-16: Nisy 12 izy ireo.",
        "24": "I Josbekasa sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-17: Nisy 12 izy ireo.",
        "25": "I Hanany sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-18: Nisy 12 izy ireo.",
        "26": "I Maloty sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-19: Nisy 12 izy ireo.",
        "27": "I Eliata sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-20: Nisy 12 izy ireo.",
        "28": "I Hotira sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-21: Nisy 12 izy ireo.",
        "29": "I Gidalty sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-22: Nisy 12 izy ireo.",
        "30": "I Mahaziota sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-23: Nisy 12 izy ireo.",
        "31": "I Romamti-ezera sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-24: Nisy 12 izy ireo."
    },
    "26": {
        "1": "Nozaraina hoatr\u2019izao ny mpiandry vavahady: Ny avy tamin\u2019ny Korahita dia i Meselemia zanak\u2019i Kore, taranak\u2019i Asafa.",
        "2": "Nanan-janakalahy i Meselemia: I Zakaria no lahimatoa, Jediaela no faharoa, Zebadia no fahatelo, Jatniela no fahefatra,",
        "3": "Elama no fahadimy, Johanana no fahenina, ary Eliho-enay no fahafito.",
        "4": "Ary nanan-janakalahy i Obeda-edoma: I Semaia no lahimatoa, Jozabada no faharoa, Joa no fahatelo, Sakara no fahefatra, Netanela no fahadimy,",
        "5": "Amiela no fahenina, Isakara no fahafito, ary Peoletahy no fahavalo. Notahin\u2019Andriamanitra mantsy i Obeda-edoma.",
        "6": "Ary nanan-janakalahy i Semaia zanany. Samy lohan\u2019ny fianakaviambeny izy ireo, satria lehilahy natanjaka sady nahay.",
        "7": "Ireto avy ny zanak\u2019i Semaia: Otny, Refaela, Obeda, ary Elzabada. Samy lehilahy nahay koa i Eliho sy Semakia rahalahin\u2019i Elzabada.",
        "8": "Taranak\u2019i Obeda-edoma daholo izy ireo. Samy lehilahy nahay sy nahafeno fepetra hanao an\u2019ilay fanompoana izy ireo sy ny zanak\u2019izy ireo ary ny rahalahiny. Nisy 62 ny avy tamin\u2019i Obeda-edoma.",
        "9": "Ary nanan-janakalahy sy rahalahy i Meselemia. Nisy 18 izy ireo, sady lehilahy nahay daholo.",
        "10": "Nanan-janakalahy i Hosa taranak\u2019i Merary. I Simry no lohan\u2019ny fianakaviambe, satria notendren\u2019ny rainy ho lohany izy na dia tsy lahimatoa aza,",
        "11": "Hilkia no faharoa, Tebalia no fahatelo, ary Zakaria no fahefatra. Nisy 13 ny zanak\u2019i Hosa sy ny rahalahiny rehetra.",
        "12": "Rehefa nozaraina hoatr\u2019izany ny mpiandry vavahady, dia nahazo andraikitra hoatran\u2019ny rahalahiny koa ny lohan\u2019ny fianakaviambe, mba hanompo tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "13": "Nanaovana antsapaka \u00e0ry na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviambeny, mba hahafantarana an\u2019izay vavahady hambenany.",
        "14": "Dia azon\u2019i Selemia ny vavahady tany atsinanana. Ary rehefa natao ny antsapaka ho an\u2019i Zakaria zanany, izay mpanolo-tsaina hendry, dia azony ny vavahady tany avaratra.",
        "15": "Azon\u2019i Obeda-edoma ny tany atsimo, ary ny zanany lahy no notendrena hiandraikitra ny trano fitehirizana entana.",
        "16": "Azon\u2019i Sopima sy Hosa kosa ny tany andrefana, teny akaikin\u2019ny Vavahady Saleketa, teny amin\u2019ny lalambe miakatra, ka nifanakaiky ireo antokona mpiambina.",
        "17": "Ary ny tany atsinanana dia Levita enina, ny tany avaratra efatra isan\u2019andro, ny tany atsimo efatra isan\u2019andro, ary tsiroaroa ny tany amin\u2019ny trano fitehirizana entana.",
        "18": "Ary ho an\u2019ny lala-mitafo tany andrefana dia efatra ny teo amin\u2019ny lalambe, ary roa ny teo amin\u2019ny lala-mitafo.",
        "19": "Ireo no avy tamin\u2019ny taranaky ny Korahita sy ny Merarita, rehefa natao ny fizarana ny mpiandry vavahady.",
        "20": "Ary tamin\u2019ny Levita dia i Ahia no niandraikitra ny fitehirizana ny zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra sy ny zava-tsarobidy efa nohamasinina.",
        "21": "Tamin\u2019ny taranak\u2019i Ladana, izany hoe ny taranaky ny Gersonita, dia i Jehiela, izay anisan\u2019ny lohan\u2019ireo fianakaviambe avy tamin\u2019i Ladana,",
        "22": "sy ny zanak\u2019i Jehiela, Zetama, ary Joela rahalahiny. Izy ireo no niandraikitra ny fitehirizana ny zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "23": "Ny avy tamin\u2019ny Amramita, ny Jizarita, ny Hebronita, ary ny Ozielita,",
        "24": "dia i Seboela taranak\u2019i Gersoma zanak\u2019i Mosesy no lehibe niandraikitra ny trano fitehirizana entana.",
        "25": "Ireto avy ny rahalahiny, taranak\u2019i Eliezera: Rehabia, Jesaia, Jorama, Zikry, ary Selomota.",
        "26": "Io Selomota io sy ny rahalahiny no niandraikitra ny fitehirizana ny zava-tsarobidy rehetra efa nohamasinin\u2019i Davida Mpanjaka, sy ny lohan\u2019ireo fianakaviambe, sy ny lehiben\u2019ny arivo, sy ny lehiben\u2019ny zato, ary ny lehiben\u2019ny tafika.",
        "27": "Nisy nohamasinin\u2019izy ireo ny zavatra azo babo tany an\u2019ady, mba hikojakojana ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "28": "Teo koa ny zava-drehetra nohamasinin\u2019i Samoela mpahita, sy Saoly zanak\u2019i Kisy, sy Abnera zanak\u2019i Nera, ary Joaba zanak\u2019i Zeroia. Nasaina nokarakarain\u2019i Selomita sy ny rahalahiny ny zavatra rehetra nohamasinina.",
        "29": "Ny avy tamin\u2019ny Jizarita, dia i Kenania sy ireo zanany no voatendry hiandraikitra ny tany ivelan\u2019ny tranon\u2019Andriamanitra, ka izy ireo no mpifehy sy mpitsara teo amin\u2019ny Israely.",
        "30": "Ny avy tamin\u2019ny Hebronita, dia i Hasabia sy ny rahalahiny no niandraikitra ny fitantanan-draharahan\u2019ny Israely, tany amin\u2019ny faritra andrefan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana. Niandraikitra ny asa rehetra ho an\u2019i Jehovah sy ny mpanjaka \u00e0ry izy ireo. Lehilahy mahay izy ireo, ary 1\u00a0700 ny isany.",
        "31": "Ny avy tamin\u2019ny Hebronita dia i Jerija no lohan\u2019ireo fianakaviana sy fianakaviamben\u2019ny Hebronita. Tamin\u2019ny taona faha-40 nanjakan\u2019i Davida, dia notadiavina izay lehilahy matanjaka sady mahay teo amin\u2019ny Hebronita, ka tany Jazera any Gileada no nahitana azy ireo.",
        "32": "Nisy 2\u00a0700 ny isan\u2019ny rahalahin\u2019i Jerija, dia lehilahy mahay sady lohan\u2019ireo fianakaviambe. Notendren\u2019i Davida Mpanjaka \u00e0ry izy ireo mba hifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, ka hiandraikitra ny raharaha rehetra momba an\u2019ilay tena Andriamanitra sy ny mpanjaka."
    },
    "27": {
        "1": "Nisy 24\u00a0000 ny Israelita tao amin\u2019ny antoko-miaramila tsirairay. Anisan\u2019izy ireo ny lohan\u2019ireo fianakaviambe, ny lehiben\u2019ny arivo, ny lehiben\u2019ny zato, ary ny mpifehy izay nanompo ny mpanjaka ka nikarakara ny raharaha rehetra momba an\u2019ireo antoko-miaramila. Nifandimby isam-bolana ireo antoko-miaramila ireo nandritra ny volana rehetra amin\u2019ny taona.",
        "2": "I Jasobeama, zanak\u2019i Zabdiela, no nifehy ny antoko-miaramila voalohany ho an\u2019ny volana voalohany. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "3": "Taranak\u2019i Pereza izy, ary izy no lohan\u2019ny lehiben\u2019ny antoko-mpanompo rehetra voatendry hanompo tamin\u2019ny volana voalohany.",
        "4": "I Doday Ahotita no nifehy ny antoko-miaramila ho an\u2019ny volana faharoa, ary i Miklota no mpitarika. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "5": "I Benaia, zanak\u2019i Joiada lehiben\u2019ny mpisorona, no lehiben\u2019ny antoko-mpanompo fahatelo voatendry hanompo tamin\u2019ny volana fahatelo. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "6": "Miaramila matanjaka anisan\u2019ireo 30\u00a0lahy io Benaia io sady niandraikitra an\u2019ireo. Ary i Amizabada zanany no nifehy ny antoko-miaramilany.",
        "7": "I Asahela rahalahin\u2019i Joaba, sy Zebadia zanany nandimby azy no lehibe fahefatra ho an\u2019ny volana fahefatra. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "8": "I Samihota Jizrahita no lehibe fahadimy ho an\u2019ny volana fahadimy. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "9": "I Ira zanak\u2019i Ikesy Tekoita no fahenina ho an\u2019ny volana fahenina. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "10": "I Heleza Pelonita avy amin\u2019ny Efraimita no fahafito ho an\u2019ny volana fahafito. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "11": "I Sibekay Hosatita avy amin\u2019ny Zerita no fahavalo ho an\u2019ny volana fahavalo. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "12": "I Abi-ezera Anatotita avy amin\u2019ny Benjaminita no fahasivy ho an\u2019ny volana fahasivy. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "13": "I Maharay Netofatita avy amin\u2019ny Zerita no fahafolo ho an\u2019ny volana fahafolo. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "14": "I Benaia Piratonita avy amin\u2019ny taranak\u2019i Efraima no faha-11 ho an\u2019ny volana faha-11. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "15": "Ary i Helday Netofatita avy amin\u2019ny taranak\u2019i Otniela no faha-12 ho an\u2019ny volana faha-12. Nisy 24\u00a0000 ny tao amin\u2019ny antoko-miaramilany.",
        "16": "Ireto avy ny mpitarika ny fokon\u2019ny Israely: I Eliezera zanak\u2019i Zikry no mpitarika ny Robenita, Sefatia zanak\u2019i Maka no an\u2019ny Simeonita,",
        "17": "Hasabia zanak\u2019i Kemoela no an\u2019ny fokon\u2019i Levy, Zadoka no an\u2019ny taranak\u2019i Arona,",
        "18": "Eliho, anisan\u2019ny rahalahin\u2019i Davida, no an\u2019ny fokon\u2019i Joda, Omry zanak\u2019i Mikaela no an\u2019ny fokon\u2019i Isakara,",
        "19": "Jismaia zanak\u2019i Obadia no an\u2019ny fokon\u2019i Zebolona, Jerimota zanak\u2019i Azriela no an\u2019ny fokon\u2019i Naftaly,",
        "20": "Hosea zanak\u2019i Azazia no an\u2019ny Efraimita, Joela zanak\u2019i Pedaia no an\u2019ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase,",
        "21": "Ido zanak\u2019i Zakaria no an\u2019ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase any Gileada, Jasiela zanak\u2019i Abnera no an\u2019ny fokon\u2019i Benjamina,",
        "22": "ary Azarela zanak\u2019i Jerohama no an\u2019ny fokon\u2019i Dana. Ireo no andrianan\u2019ny fokon\u2019ny Israely.",
        "23": "Tsy nisain\u2019i Davida ny 20\u00a0taona no ho midina, satria efa nampanantena i Jehovah fa hataony be dia be hoatran\u2019ny kintana eny amin\u2019ny lanitra ny Israely.",
        "24": "Efa nanomboka nanisa ihany i Joaba zanak\u2019i Zeroia, saingy tsy nahavita hatramin\u2019ny farany. Dia tezitra tamin\u2019ny Israely Andriamanitra noho izany fanisana izany, ka tsy nampidirina tao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019i Davida Mpanjaka ilay isa.",
        "25": "I Azmaveta zanak\u2019i Adiela no niandraikitra ny fitehirizana ny zava-tsarobidin\u2019ny mpanjaka. I Jonatana zanak\u2019i Ozia no niandraikitra ny trano fitehirizana ny entana tany an-tsaha, sy tao amin\u2019ireo tan\u00e0na sy tan\u00e0na kely, ary tany amin\u2019ireo tilikambo.",
        "26": "I Ezry zanak\u2019i Keloba no niandraikitra an\u2019ireo niasa tany an-tsaha.",
        "27": "I Simey Ramatita no niandraikitra ny tanimboaloboka, ary Zabdy Sifmita no niandraikitra ny toerana nasiana ny tahirin-divay.",
        "28": "I Bala-hanana Gaderita no niandraikitra ny sahan\u2019oliva sy ny aviavidia tany Sefela, ary Joasy no niandraikitra ny tahiri-menaka.",
        "29": "I Sitray Sar\u00f4nita no niandraikitra ny omby niraoka ahitra tany Sar\u00f4na, ary Safata zanak\u2019i Adlay no niandraikitra ny omby tany amin\u2019ny tany lemaka.",
        "30": "I Obila Ismaelita no niandraikitra ny rameva, ary Jedaia Meronotita no niandraikitra ny ampondra.",
        "31": "Ary i Jaziza Hagarita no niandraikitra ny ondry aman\u2019osy. Ireo rehetra ireo no mpiadidy ny fananan\u2019i Davida Mpanjaka.",
        "32": "Mpanolo-tsaina sady mpitan-tsoratra i Jonatana zana-drahalahin\u2019i Davida, ary lehilahy nahira-tsaina. I Jehiela zanak\u2019i Hakmony no nikarakara ny zanaky ny mpanjaka.",
        "33": "Mpanolo-tsain\u2019ny mpanjaka i Ahitofela, ary i Hosay Arkita no naman\u2019ny mpanjaka.",
        "34": "I Joiada zanak\u2019i Benaia, sy Abiatara no nandimby an\u2019i Ahitofela. Ary i Joaba no lehiben\u2019ny tafiky ny mpanjaka."
    },
    "28": {
        "1": "Novorin\u2019i Davida tao Jerosalema daholo ireto andrianan\u2019ny Israely ireto: Ny andrianan\u2019ireo foko, ny lehiben\u2019ireo antoko-miaramila nanompo ny mpanjaka, ny lehiben\u2019ny arivo, ny lehiben\u2019ny zato, ny mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetran\u2019ny mpanjaka sy ny an\u2019ny zanany, ary ny tandapa sy ny lehilahy matanjaka sady mahay rehetra.",
        "2": "Dia nitsangana i Davida Mpanjaka, ka niteny hoe: \u201cMihainoa ahy, ry rahalahiko sy vahoakako! Efa nirin\u2019ny foko ny hanorina trano hipetrahan\u2019ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, sy ho fitoeran-tongotr\u2019ilay Andriamanitsika. Efa nanomana an\u2019izay ilaina mba hanorenana an\u2019ilay izy aho,",
        "3": "saingy hoy ilay tena Andriamanitra tamiko: \u2018Tsy hanorina trano ho an\u2019ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sady efa nandatsa-dra.\u2019",
        "4": "Tamin\u2019ny fianakaviamben\u2019ny raiko iray manontolo anefa, dia izaho no nofidin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely ho mpanjakan\u2019ny Israely mandrakizay. Nifidy an\u2019i Joda ho mpitarika mantsy izy, ary tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda, dia ny ankohonan-draiko no nofidiny. Tamin\u2019ny zanaky ny raiko kosa, dia izaho no nankasitrahany ka nataony mpanjakan\u2019ny Israely rehetra.",
        "5": "Ary tamin\u2019ny zanako rehetra\u2014fa be dia be ny zanaka nomen\u2019i Jehovah ahy\u2014dia i Solomona zanako no nofidiny mba hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny fanjakan\u2019i Jehovah eo amin\u2019ny Israely.",
        "6": "\u201cHoy izy tamiko: \u2018I Solomona zanakao no hanorina ny tranoko sy hanao ny tokotaniko. Nifidy azy ho zanako mantsy aho, ary izaho ho rainy.",
        "7": "Hataoko mafy orina mandrakizay ny fanjakany, raha tena tapa-kevitra ny hankat\u00f2 ny didiko sy ny didim-pitsarako izy, hoatr\u2019izao ataony izao.\u2019",
        "8": "Izao \u00e0ry no lazaiko eto imason\u2019ny Israely rehetra izay fiangonan\u2019i Jehovah, sy eo anatrehan\u2019Andriamanitsika: Fantaro tsara sy karohy daholo ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo. Amin\u2019izay ianareo hipetraka foana eto amin\u2019ity tany tsara ity, dia ho afaka handova an\u2019ilay izy foana koa ny taranaka mandimby anareo.",
        "9": "\u201cAry ianao, ry Solomona zanako, fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin\u2019ny fo manontolo sy amin\u2019ny fo falifaly. Mandinika ny fo rehetra mantsy i Jehovah, ary fantany daholo ny eritreritra sy ny faniriana. Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy. Raha mahafoy azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.",
        "10": "Efa nifidy anao i Jehovah mba hanorina trano ho toerana masina. Man\u00e0na herim-po \u00e0ry, dia ataovy ilay asa.\u201d",
        "11": "Dia nomen\u2019i Davida an\u2019i Solomona zanany ny planin\u2019ny tilikambo fidirana sy ny efitra isan-karazany, ny efitra fitehirizana entana, ny efitra any an-tampon-trano, ny efitra anatiny, ary ny trano misy ny sarony fampihavanana.",
        "12": "Dia nomeny azy ny planin\u2019ny zava-drehetra azony avy tamin\u2019ny fanahy masina, izany hoe ny planin\u2019ny tokotanin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, ny efitra fisakafoana rehetra manodidina an\u2019ilay trano, ny fitehirizana ny zava-tsarobidy ao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, ary ny fitehirizana ny zava-tsarobidy efa nohamasinina.",
        "13": "Nanome toromarika momba an\u2019ireto koa izy: Ny fizarana misy ny mpisorona sy ny Levita, ny asa fanompoana rehetra ao an-tranon\u2019i Jehovah, ny fitaovana rehetra hampiasaina amin\u2019ny fanompoana ao an-tranon\u2019i Jehovah,",
        "14": "ny lanjan\u2019ny volamena hanaovana ny fitaovana rehetra ho an\u2019ny fanompoana isan-karazany, ny lanjan\u2019ny volafotsy hanaovana ny fitaovana volafotsy rehetra ho an\u2019ny fanompoana isan-karazany,",
        "15": "ny lanjan\u2019ny fitoeran-jiro volamena sy ny jirony volamena, ny lanjan\u2019ny fitoeran-jiro samy hafa sy ny jirony, ny lanjan\u2019ny fitoeran-jiro volafotsy sy ny jirony, arakaraka izay hampiasana ny fitoeran-jiro sy ny jiro tsirairay,",
        "16": "ny lanjan\u2019ny volamena ho an\u2019ny latabatra misy ny mofo mifanaingina sy ho an\u2019ny latabatra tsirairay, ny volafotsy ho an\u2019ny latabatra volafotsy,",
        "17": "ny fitrebika sy ny vilia baolina ary ny zinga izay samy volamena tsy misy fangarony, ny lanjan\u2019ny vilia baolina kely volamena tsirairay, ary ny lanjan\u2019ny vilia baolina kely volafotsy tsirairay.",
        "18": "Nomeny koa ny lanjan\u2019ny volamena voadio ho an\u2019ny alitara fandoroana emboka manitra sy ho an\u2019ireo kerobima izay sary fanehoana ny kalesy, izany hoe ireo kerobima volamena mamelatra ny elany ka manaloka ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah.",
        "19": "Ary hoy i Davida: \u201cNitarika ahy ny tanan\u2019i Jehovah, ary nomeny fahendrena aho ka lasa haiko ny nanoratra ny tsipiriany rehetra amin\u2019ilay planina.\u201d",
        "20": "Hoy koa i Davida tamin\u2019i Solomona zanany: \u201cMan\u00e0na herim-po ary mahereza, ka ataovy ilay asa. Aza matahotra na mihorohoro, fa manampy anao i Jehovah Andriamanitra, ilay Andriamanitro. Tsy handao anao izy ary tsy hahafoy anao mihitsy, fa hanampy anao mandra-pahavitan\u2019ny asa rehetra momba ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "21": "Ary ireo daholo ny fizarana misy ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra. Manana mpanao asa tanana mahay koa ianao, ary efa vonona izy ireo hamita ny fanompoana isan-karazany. Eo koa ny andriana sy ny vahoaka manontolo mba hanatanteraka an\u2019izay toromarika rehetra omenao.\u201d"
    },
    "29": {
        "1": "Ary hoy i Davida Mpanjaka tamin\u2019ny fiangonana manontolo: \u201cMbola kely sady tsy dia nahita fiainana i Solomona zanako, ilay nofidin\u2019Andriamanitra. Asa goavana koa no hatao, satria tsy ho an\u2019olombelona ilay tempoly fa ho an\u2019i Jehovah Andriamanitra.",
        "2": "Dia nanao an\u2019izay fara heriko aho mba hanomanana an\u2019izay ilaina ho an\u2019ny tranon\u2019Andriamanitro, ka nanome volamena ho an\u2019izay zavatra ilana volamena, volafotsy ho an\u2019izay ilana volafotsy, varahina ho an\u2019izay ilana varahina, vy ho an\u2019izay ilana vy, hazo ho an\u2019izay ampiasana hazo, vato oniksa, vato voatefy araikitra amin\u2019ny rihitra, vato madinika samihafa loko, vatosoa isan-karazany, ary vatosanga be dia be.",
        "3": "Tiako koa ny tranon\u2019Andriamanitro, ka hanome volamena sy volafotsy avy amin\u2019ny harenako ho an\u2019ny tranon\u2019Andriamanitro aho, ankoatra izay rehetra efa nomaniko ho an\u2019ilay trano masina.",
        "4": "Anisan\u2019izany ny volamena 3\u00a0000 talenta avy any Ofira sy ny volafotsy efa voadio 7\u00a0000 talenta, mba handrakofana ny rindrin\u2019ireo efitra,",
        "5": "sy ny volamena ho an\u2019izay zavatra ilana volamena, sy ny volafotsy ho an\u2019izay ilana volafotsy, ary ho an\u2019izay rehetra hataon\u2019ny mpanao asa tanana. Iza \u00e0ry izao no vonona hanao fanomezana an-tsitrapo ho an\u2019i Jehovah?\u201d",
        "6": "Dia nirotsaka an-tsitrapo ny andrianan\u2019ireo fianakaviambe, ny andrianan\u2019ny fokon\u2019ny Israely, ny lehiben\u2019ny arivo, ny lehiben\u2019ny zato, ary ireo mpiandraikitra ny raharahan\u2019ny mpanjaka,",
        "7": "ka nanome an\u2019ireto ho an\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra: Volamena 5\u00a0000 talenta, 10\u00a0000 dar\u00ecka, volafotsy 10\u00a0000 talenta, varahina 18\u00a0000 talenta, ary vy 100\u00a0000 talenta.",
        "8": "Ary izay rehetra nanana vatosoa dia nanome an\u2019izany mba hatao ao amin\u2019ny fitehirizana ny zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019i Jehovah, ka i Jehiela Gersonita no nikarakara an\u2019izany.",
        "9": "Faly ny vahoaka nanome an\u2019ireny fanatitra an-tsitrapo ireny, satria tamin\u2019ny fony manontolo no nanomezany an\u2019ireny ho an\u2019i Jehovah. Faly be koa i Davida Mpanjaka.",
        "10": "Dia nidera an\u2019i Jehovah teo anatrehan\u2019ny fiangonana manontolo i Davida, ka hoy izy: \u201cRy Jehovah Andriamanitr\u2019i Israely razambenay\u00a0\u00f4, hoderaina mandrakizay doria anie ianao!",
        "11": "Anao Jehovah\u00a0\u00f4, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny hatsarana ary ny haja amam-boninahitra, fa anao ny zava-drehetra any an-danitra sy et\u1ef3 an-tany. Anao ny fanjakana, Jehovah\u00a0\u00f4, ary ianao Ilay misandratra ho ambonin\u2019ny zava-drehetra.",
        "12": "Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary ianao no manjaka amin\u2019ny zava-drehetra. Eo am-pelatananao ny hery sy ny tanjaka, ary vitanao ny manandratra sy manatanjaka ny olon-drehetra.",
        "13": "Misaotra anao \u00e0ry izahay, ry Andriamanitray\u00a0\u00f4, ary derainay ny anaranao kanto dia kanto.",
        "14": "\u201cFa inona moa izay izaho ary inona moa izay vahoakako no hahavita hanao fanatitra an-tsitrapo hoatr\u2019izao? Avy aminao ny zava-drehetra, ka ny avy amin\u2019ny tananao ihany no nomenay anao.",
        "15": "Fa mpivahiny sy mpiavy izahay eo anatrehanao, hoatran\u2019ny razambenay ihany. Toy ny aloka fotsiny mantsy ny andronay et\u1ef3 an-tany, ka tsy misy antenaina.",
        "16": "Ry Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4, avy amin\u2019ny tananao sady anao daholo izao harena nomaninay hanorenana trano ho an\u2019ny anaranao masina izao.",
        "17": "Ary fantatro tsara fa mandinika ny fo ianao, ry Andriamanitro\u00a0\u00f4, sady mahafinaritra anao ny olona tsy mivadika. Tamin\u2019ny fo madio no nanomezako an-tsitrapo an\u2019ireo zavatra rehetra ireo. Tena faly koa aho mahita an\u2019ireto vahoakanao ireto manao fanatitra an-tsitrapo ho anao.",
        "18": "Ry Jehovah Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Isaka ary Israely razambenay\u00a0\u00f4! Ampio ity vahoaka ity mba ho tia manome foana sady hanompo anao amin\u2019ny fony manontolo foana.",
        "19": "Ary ampio i Solomona zanako mba hankat\u00f2 amin\u2019ny fo manontolo ny didinao sy ny fampahatsiahivanao ary ny fitsipikao. Ampio koa izy mba hanao an\u2019ireo zava-drehetra ireo sy hanorina an\u2019ilay tempoly, fa efa nomaniko izay ilaina amin\u2019izany.\u201d",
        "20": "Dia hoy i Davida tamin\u2019ny fiangonana manontolo: \u201cDerao i Jehovah Andriamanitrareo.\u201d Dia nidera an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny ny fiangonana manontolo, ka niondrika sy niankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah sy ny mpanjaka.",
        "21": "Nanao sorona ho an\u2019i Jehovah izy ireo tamin\u2019io andro io, ary nanolotra fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah ny ampitson\u2019iny. Ireto avy izany: Vantotr\u2019ombilahy 1\u00a0000 sy ondrilahy 1\u00a0000 ary ondrilahy kely 1\u00a0000, izay samy nampiarahina tamin\u2019ny fanatitra zava-pisotro. Nanao fanatitra hafa be dia be koa izy ireo, fa izy ireo no solontenan\u2019ny Israely rehetra.",
        "22": "Dia nihinana sy nisotro teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo tamin\u2019iny andro iny sady faly be. Ary nambaran\u2019izy ireo fanindroany hoe mpanjaka i Solomona, zanak\u2019i Davida Mpanjaka, ka nohosoran\u2019izy ireo indray teo anatrehan\u2019i Jehovah mba ho mpitarika. Nohosoran\u2019izy ireo ho mpisorona koa i Zadoka.",
        "23": "Dia nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Jehovah i Solomona ho mpanjaka handimby an\u2019i Davida rainy, ary nahomby izay nataony. Dia nankat\u00f2 azy ny Israelita rehetra.",
        "24": "Samy nanaiky an\u2019i Solomona Mpanjaka daholo ny andriana sy ny miaramila matanjaka ary ny zanak\u2019i Davida Mpanjaka rehetra.",
        "25": "Nataon\u2019i Jehovah nisandratra faran\u2019izay ambony teo anatrehan\u2019ny Israely rehetra i Solomona, ary nataony mpanjaka be\u00a0voninahitra izy ka tsy nisy hoatr\u2019azy ny mpanjakan\u2019ny Israely rehetra teo alohany.",
        "26": "Nanjaka teo amin\u2019ny Israely rehetra \u00e0ry i Davida zanak\u2019i Jese.",
        "27": "Naharitra 40\u00a0taona ny fotoana nanjakany teo amin\u2019ny Israely, ka 7\u00a0taona tao Hebrona ary 33\u00a0taona tao Jerosalema.",
        "28": "Maty izy rehefa tratrantitra sy afa-po tamin\u2019ny fiainana sady nanan-karem-be ary be voninahitra. Dia i Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "29": "Ary ny tantaran\u2019i Davida Mpanjaka, hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany, dia voasoratra ao amin\u2019ny asa soratr\u2019i Samoela mpahita sy Natana mpaminany ary Gada mpahita fahitana.",
        "30": "Voasoratra ao koa ny zava-drehetra momba ny fanjakany sy ny heriny, ary izay nitranga tamin\u2019izany ka nahakasika azy sy ny Israely ary ny fanjakana rehetra manodidina."
    },
    "meta": {
        "name": "1 Tantara",
        "order": 12,
        "chapter_number": 29
    }
}