mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
880 lines • 175 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Nisy lehilahy efraimita atao hoe Elkana tao Ramataima-zofima, any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima. Zanak\u2019i Jerohama, zanak\u2019i Eliho, zanak\u2019i Toho, zanak\u2019i Zofa izy io.",
"2": "Nanana vady roa izy: Hana no anaran\u2019ny iray, ary Penina no anaran\u2019ny iray. Nanan-janaka i Penina, fa i Hana kosa tsy nanana.",
"3": "Niakatra avy tao an-tan\u00e0nany isan-taona io lehilahy io, mba hivavaka amin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika sy hanao sorona ho azy, tany Silo. Mpisoron\u2019i Jehovah tany ny zanak\u2019i Ely roa lahy, dia i Hofinia sy Finehasa.",
"4": "Rehefa nanao sorona i Elkana indray andro, dia nomeny anjara maromaro i Penina vadiny sy ny zanak\u2019izy io rehetra, na lahy na vavy.",
"5": "I Hana kosa nomeny anjara manokana satria i Hana no tena tiany, saingy tsy nomen\u2019i Jehovah zanaka izy.",
"6": "Ary nanesoeso azy foana ilay rafivaviny, amin\u2019izay izy malahelo be satria hoe tsy nomen\u2019i Jehovah zanaka.",
"7": "Hoatr\u2019izany foana isan-taona no nataon\u2019ilay rafivaviny. Isaky ny niakatra nankany an-tranon\u2019i Jehovah i Hana, dia nanesoeso be azy ilay rafivaviny, ka nitomany sy tsy nahahinan-kanina izy.",
"8": "Fa i Elkana vadiny kosa niteny taminy hoe: \u201cHana\u00a0a, maninona ianao no mitomany sady tsy mihinan-kanina? Fa maninona ianao no malahelo be? Izaho ange eto\u00a0e! Tsy tsara kokoa noho ny zanaka folo lahy ve aho?\u201d",
"9": "Ary nitsangana i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Nipetraka teo amin\u2019ny sezany teo amin\u2019ny fidirana mankao amin\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah i Ely mpisorona tamin\u2019izay.",
"10": "Nalahelo be mihitsy i Hana, ka nivavaka tamin\u2019i Jehovah sady nigogogogo nitomany.",
"11": "Dia nivoady izy hoe: \u201cRy Jehovah Tompon\u2019ny tafika\u00a0\u00f4, raha mba jerenao ny fahorian\u2019ny mpanomponao ka tsaroanao aho, ary tsy hadinoinao ny mpanomponao fa omenao zanakalahy, dia homeko an\u2019i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany ary tsy hotapahina mihitsy ny volon-dohany!\u201d",
"12": "Nivavaka ela teo anatrehan\u2019i Jehovah i Hana, ary nodinihin\u2019i Ely ny vavany tamin\u2019izay.",
"13": "Niteny anakampo i Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa tsy heno ny feony. Noheverin\u2019i Ely fa mamo \u00e0ry izy.",
"14": "Dia hoy i Ely taminy: \u201cDia mandra-pahoviana izany ianao no ho mamo hoatr\u2019izao? Ajan\u00f2ny amin\u2019izay ny fisotroana divay.\u201d",
"15": "Fa hoy ny navalin\u2019i Hana: \u201cTsy izany mihitsy, tompoko, fa vehivavy miady saina be aho! Tsy nisotro divay na toaka aho, fa mamboraka ny ato am-poko amin\u2019i Jehovah.",
"16": "Aza heverina ho vehivavy tsy misy ilana azy re ny mpanomponao\u00a0e! Fa be loatra ny fahoriako sy ny fijaliako, dia izany no mahatonga ahy hivavaka hatramin\u2019izao.\u201d",
"17": "Dia hoy i Ely: \u201cMirary soa ho anao \u00e0ry aho! Homen\u2019ilay Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy!\u201d",
"18": "Dia namaly i Hana hoe: \u201cEnga anie ka hahazo sitraka aminao ny mpanomponao!\u201d Dia lasa nandeha tany amin\u2019izay nalehany izy ary nihinan-kanina, ka hita tamin\u2019ny endriny fa tsy nalahelo be intsony izy.",
"19": "Dia nifoha maraina izy ireo ka niankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah, ary nandeha nody tany an-tranony tany Rama avy eo. Ary nanao firaisana tamin\u2019i Hana vadiny i Elkana. Dia nahatsiaro an\u2019i Hana i Jehovah.",
"20": "Koa bevohoka i Hana ka tera-dahy rehefa afaka herintaona teo ho eo. Nataony hoe Samoela ny anarany, satria hoy izy: \u201cTamin\u2019i Jehovah no nangatahako azy.\u201d",
"21": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niara-niakatra tamin\u2019ny ankohonany manontolo i Elkana, mba hanao ny sorona fanao isan-taona ho an\u2019i Jehovah, sy hanolotra fanatitra fanefana voady.",
"22": "I Hana kosa tsy niakatra, fa hoy izy tamin\u2019ny vadiny: \u201cRaha vao misara-nono ny zaza, dia hoentiko hiseho eo anatrehan\u2019i Jehovah, ary hijanona any foana izy aorian\u2019izay.\u201d",
"23": "Dia hoy i Elkana vadiny: \u201cAtaovy izay hitanao fa mety. Mijan\u00f2na ato an-trano mandra-pahatongan\u2019ny fotoana hampisarahanao nono azy. Hanatanteraka an\u2019izay nolazainao anie i Jehovah!\u201d Dia nijanona tao an-trano nampinono an-janany i Hana mandra-pahatongan\u2019ny fotoana nampisarahany nono azy.",
"24": "Raha vao nosarahi-nono ilay zaza, dia nentiny niakatra tany Silo, niaraka tamin\u2019ny ombilahy telo taona sy lafarinina iray efaha ary divay eran\u2019ny siny lehibe. Dia nankao an-tranon\u2019i Jehovah tao Silo izy, ary nentiny niaraka taminy ilay zazalahikely.",
"25": "Dia novonoina ilay omby, ary ilay zaza kosa nentina tany amin\u2019i Ely.",
"26": "Ary hoy i Hana: \u201cAzafady tompoko! Raha mbola velona koa ianao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy niara-nijoro taminao teto amin\u2019ity toerana ity, mba hivavaka tamin\u2019i Jehovah.",
"27": "Ny hahazoako an\u2019ity zazalahy ity no nivavahako, dia nomen\u2019i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.",
"28": "Izaho indray kosa izao no mampindrana azy an\u2019i Jehovah. Ampindramina an\u2019i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany.\u201d Dia niankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah teo izy."
},
"2": {
"1": "Dia nivavaka i Hana ka nilaza hoe: \u201cFaly ny foko noho i Jehovah; Asandratr\u2019i Jehovah ny tandroko. Misokatra be hamaly ny fahavaloko ny vavako, Satria faly aho noho ny asa famonjena nataonao.",
"2": "Tsy misy masina toa an\u2019i Jehovah, Tsy misy hoatr\u2019anao, Ary tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.",
"3": "Aza manao teny an\u2019avona intsony; Aza avela hisy fireharehana ny teny havoakan\u2019ny vavanareo, Fa Andriamanitry ny fahalalana i Jehovah, Ary izay atao dia tsarainy ara-drariny.",
"4": "Tapatapahina ny tsip\u00eckan\u2019ny lehilahy matanjaka, Fa omena hery kosa izay mitady ho lavo.",
"5": "Tsy maintsy mikarama ireo zatra nisakafo be mba hahazoana sakafo, Fa ny noana kosa tsy noana intsony. Miteraka fito ny vehivavy tsy niteraka, Fa izay maro anaka kosa lasa manirery.",
"6": "I Jehovah no mamono mahafaty sy mitsimbina ny aina; Izy no mampidina any amin\u2019ny Fasana, sy mampiakatra avy any.",
"7": "I Jehovah no mampahantra sy mampanan-karena; Izy no mampietry sy manandratra.",
"8": "Izy no manangana ny olona ambany hiala amin\u2019ny vovoka, Ary ampiakariny avy eo amin\u2019ny lavenona misavovona ny mahantra, Mba hametrahany azy miaraka amin\u2019ny andriana, Sy hanomezany azy toeram-boninahitra. An\u2019i Jehovah ny andry manohana ny tany, Ary apetrany eo ambonin\u2019izy ireny ny tany lonaka.",
"9": "Arovany ny dian\u2019ny olona tsy mivadika aminy, Fa ny ratsy fanahy kosa hataony mangina ao anaty haizina, Satria tsy ny herin\u2019ny tenany no ahafahan\u2019ny olona mandresy.",
"10": "Hopotipotehin\u2019i Jehovah izay miady aminy; Hampirefotra kotroka avy any an-danitra izy mba hamelezana azy ireny. Hitsara hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany i Jehovah, Hanome fahefana ny mpanjakany izy, Ary hanandratra ny tandroky ny voahosotra notendreny.\u201d",
"11": "Dia nandeha nody tany an-tranony tany Rama i Elkana, fa ilay zaza kosa lasa mpanompon\u2019i Jehovah teo anatrehan\u2019i Ely mpisorona.",
"12": "Ary ny zanakalahin\u2019i Ely dia olona ratsy fanahy. Tsy niraharaha an\u2019i Jehovah izy ireo.",
"13": "Izao no nataon\u2019izy ireo tamin\u2019izay tokony ho anjaran\u2019ny mpisorona avy tamin\u2019ny vahoaka: Isaky ny nisy nanao sorona, dia tonga ny mpanompon\u2019ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana. Rehefa nandrahoina ny hena,",
"14": "dia nalainy ilay fitrebika ka natsindrony tao anaty vilany, na tao anaty vilany misy tahony roa, na vilanibe, na vilany misy tahony iray. Izay azon\u2019ny fitrebika dia nalain\u2019ny mpisorona ho azy. Izany no nataon\u2019izy ireo tao Silo, tamin\u2019izay Israelita rehetra tonga tao.",
"15": "Mbola tsy vitan\u2019ilay olona nanao sorona akory ny nandoro ny tavin-kena mba hidona-tsetroka, dia efa nisy mpanompon\u2019ny mpisorona tonga niteny taminy hoe: \u201cOmeo hena hatsatsika ny mpisorona. Tsy mila hena nandrahoina avy aminao izy, fa hena manta ihany.\u201d",
"16": "Ary raha niteny taminy ilay olona hoe: \u201cAleo aloha hodorana mba hidona-tsetroka ny tavin-kena, vao haka an\u2019izay tianao ianao\u201d, dia hoy izy: \u201cTsy misy an\u2019izany fa tonga dia omeo ahy izao dia izao ilay izy. Raha tsy izany dia halaiko an-keriny!\u201d",
"17": "Tena lehibe teo anatrehan\u2019i Jehovah \u00e0ry ny fahotana nataon\u2019ireo mpanompo ireo, satria nanao tsinontsinona ny fanatitra ho an\u2019i Jehovah ireo lehilahy ireo.",
"18": "I Samoela kosa nanompo teo anatrehan\u2019i Jehovah. Nanao efoda vita tamin\u2019ny kofehy rongony izy, na dia mbola zaza aza.",
"19": "Nanjairan-dreniny akanjo kely tsy misy tanany koa izy isan-taona. Ary nentiny tany amin\u2019i Samoela izany, rehefa niara-niakatra tamin\u2019ny vadiny izy mba hanolotra ny sorona fanao isan-taona.",
"20": "Dia nitso-drano an\u2019i Elkana sy ny vadiny i Ely, ka niteny hoe: \u201cHomen\u2019i Jehovah zanaka avy amin\u2019ity vehivavy ity anie ianao, ho solon\u2019ilay nampindramina an\u2019i Jehovah!\u201d Dia lasa nody izy ireo.",
"21": "Ary nangoraka an\u2019i Hana i Jehovah ka nanan-janaka izy. Dia niteraka telo lahy sy roa vavy izy. Ary nihalehibe teo anatrehan\u2019i Jehovah i Samoela kely.",
"22": "Efa antitra be i Ely, ary efa henony daholo ny zavatra nataon\u2019ny zanany lahy tamin\u2019ny Israely rehetra. Henony koa hoe nanao firaisana tamin\u2019ireo vehivavy nanompo teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana izy ireo.",
"23": "Izao foana no noteneniny tamin\u2019ireo zanany ireo: \u201cFa maninona ianareo no manao an\u2019izany foana? Ratsy ny zavatra henoko resahin\u2019ny olon-drehetra momba anareo.",
"24": "Tsy tsara mihitsy, anaka, ny zavatra henoko resadresahin\u2019ny vahoakan\u2019i Jehovah momba anareo.",
"25": "Raha misy olona manota amin\u2019ny olona anankiray, dia mbola misy olona afaka mangataka amin\u2019i Jehovah mba hanampy azy. Fa raha amin\u2019i Jehovah kosa ny olona iray no manota, dia iza no hivavaka ho azy?\u201d Tsy nety nihaino an-drainy anefa izy ireo, satria i Jehovah efa tapa-kevitra ny hamono azy ireo ho faty.",
"26": "Ary nihalehibe i Samoela kely nandritra izany fotoana izany, sady nahazo sitraka tamin\u2019i Jehovah sy ny olona.",
"27": "Nisy lehilahin\u2019Andriamanitra tonga tany amin\u2019i Ely, ka niteny hoe: \u201cIzao no nolazain\u2019i Jehovah: \u2018Tsy efa nampahafantatra tsara ny tenako tamin\u2019ny ankohonan-drainao ve aho, tamin\u2019izy ireo andevon\u2019ny ankohonan\u2019i Farao tany Ejipta?",
"28": "Ary nofidina avy teo amin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely izy mba ho mpisorona ho ahy, sy hiakatra eo amin\u2019ny alitarako ka hanao sorona sy hanolotra emboka manitra ary hanao efoda eo anatrehako. Nomeko ho an\u2019ny ankohonan\u2019ny razambenao koa ny fanatitra rehetra atao anaty afo, izay atolotry ny Israelita.",
"29": "Koa nahoana ianareo no dia manao tsinontsinona ny sorona sy ny fanatitra, izay nandidiako hoe hatolotra ho ahy ao an-tranoko? Fa maninona ianao no manome voninahitra foana ny zanakao mihoatra noho izaho, ka ny tsara indrindra amin\u2019ny fanatitry ny Israely vahoakako no hanatavezanareo ny tenanareo?",
"30": "\u201c\u2018Noho izany, dia hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u201cMarina fa efa niteny aho hoe handeha eo anatrehako foana ny ankohonanao sy ny ankohonan\u2019ny razambenao.\u201d Ankehitriny anefa, dia izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cTsy avelako hitranga intsony izany. Fa izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra, ary izay maniratsira ahy kosa hatao tsinontsinona.\u201d",
"31": "Ho avy ny andro hanafoanako ny herinao sy ny herin\u2019ny ankohonan-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra ao amin\u2019ny ankohonanao.",
"32": "Hahita fahavalo ao an-tranoko ianao rehefa manao soa amin\u2019ny Israely aho. Ary tsy hisy lehilahy ho tratrantitra intsony mihitsy ao amin\u2019ny ankohonanao.",
"33": "Ny lehilahy anisan\u2019ny taranakao izay havelako hanompo eo amin\u2019ny alitarako dia handreraka ny masonao sy hitondra alahelo ho anao. Fa ny ankamaroan\u2019ny olona ao amin\u2019ny ankohonanao kosa hovonoin\u2019ny olona amin\u2019ny sabatra.",
"34": "Ary ho famantarana ho anao izao zavatra hanjo an\u2019i Hofinia sy Finehasa zanakao roa lahy izao: Andro iray ihany no hahafatesan\u2019izy roa lahy.",
"35": "Dia hifidy mpisorona mendri-pitokisana ho an\u2019ny tenako aho. Hifanaraka amin\u2019izay ao am-poko ny zavatra hataony. Hataoko izay hananany taranaka maharitra, ary ho mpisorona ho an\u2019ny voahosotro foana izy.",
"36": "Ary izay sisa tavela amin\u2019ny ankohonanao, dia ho avy hiankohoka eo anatrehany mba hahazoana vola sy mofo. Dia hiteny izy ireo hoe: \u201cAmpanaovy asan\u2019ny mpisorona re aho, mba hahazoako mofo kely hohaniko\u00a0e!\u201d\u2019\u201d"
},
"3": {
"1": "Nanompo an\u2019i Jehovah teo anatrehan\u2019i Ely i Samoela kely, nandritra izany fotoana izany. Nahalana anefa ny teny avy tamin\u2019i Jehovah tamin\u2019izany andro izany, sady tsy dia nisy firy ny fahitana.",
"2": "Natory tao amin\u2019ny toerana nahazatra azy i Ely indray andro. Efa nanjavozavo ny masony tamin\u2019izany, ka tsy nahita izy.",
"3": "Mbola tsy novonoina ny jiron\u2019Andriamanitra tamin\u2019izay, ary i Samoela natory tao amin\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah, izay nisy ny Vata masin\u2019Andriamanitra.",
"4": "Ary nantsoin\u2019i Jehovah i Samoela, ka namaly hoe: \u201cAhoana tompoko?\u201d",
"5": "Dia nihazakazaka nankao amin\u2019i Ely izy ka niteny hoe: \u201cInt\u1ef3 aho, tompoko, fa niantso ahy ianao.\u201d Fa hoy i Ely: \u201cTsy niantso anao aho, fa mandehana miverina matory.\u201d Dia lasa natory izy.",
"6": "Ary niantso indray i Jehovah hoe: \u201cSamoela!\u201d Dia nitsangana i Samoela ka nankao amin\u2019i Ely, ary niteny hoe: \u201cInt\u1ef3 aho, tompoko, fa niantso ahy ianao.\u201d Fa hoy i Ely: \u201cTsy niantso anao aho, anaka, fa mandehana miverina matory.\u201d",
"7": "Mbola tsy nahalala tsara an\u2019i Jehovah i Samoela tamin\u2019izany, sady mbola tsy nampahafantarina azy ny tenin\u2019i Jehovah.",
"8": "Niantso fanintelony \u00e0ry i Jehovah hoe: \u201cSamoela!\u201d Dia nitsangana izy ka nankao amin\u2019i Ely, ary niteny hoe: \u201cInt\u1ef3 aho, tompoko, fa niantso ahy ianao.\u201d Dia fantatr\u2019i Ely fa i Jehovah no niantso an\u2019ilay zazalahy.",
"9": "Hoy \u00e0ry i Ely tamin\u2019i Samoela: \u201cMandehana matory, ka raha mbola miantso anao izy, dia izao lazaina: \u2018Mitenena, Jehovah\u00a0\u00f4, fa mihaino ny mpanomponao!\u2019\u201d Dia lasa natory tao amin\u2019izay nisy azy i Samoela.",
"10": "Tonga i Jehovah ka nijoro teo, sady niantso toy ny teo aloha hoe: \u201cSamoela! Samoela!\u201d Dia hoy i Samoela: \u201cMitenena fa mihaino ny mpanomponao.\u201d",
"11": "Ary hoy i Jehovah taminy: \u201cHanao zavatra eo amin\u2019ny Israely aho, ka izay maheno an\u2019izany dia hangorintsina ny sofiny roa.",
"12": "Amin\u2019izany andro izany, dia hotanterahiko hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany ny zava-drehetra nolazaiko momba an\u2019i Ely sy ny ankohonany.",
"13": "Dia lazao aminy fa homelohiko ny ankohonany noho ny fahadisoana efa fantany, ary tsy hiova intsony izany. Manozona an\u2019Andriamanitra mantsy ny zanany lahy nefa tsy nanariny mafy.",
"14": "Izany no nahatonga ahy hianiana tamin\u2019ny ankohonan\u2019i Ely hoe tsy ho voarakotra mihitsy ny fahadisoany, na dia misy sorona sy fanatitra atao aza.\u201d",
"15": "Natory mandra-paharainan\u2019ny andro i Samoela. Dia nanokatra ny varavaran\u2019ny tranon\u2019i Jehovah izy. Ary natahotra izy hilaza an\u2019ilay fahitana tamin\u2019i Ely.",
"16": "Niantso azy anefa i Ely hoe: \u201cRy Samoela zanako\u00a0\u00f4!\u201d Dia hoy izy: \u201cAhoana tompoko?\u201d",
"17": "Ary nanontany i Ely hoe: \u201cInona ny hafatra nolazainy taminao? Aza afenina ahy re\u00a0e! Hofaizin\u2019Andriamanitra anie ianao, raha misy afeninao ahy na iray aza izay rehetra nolazainy taminao!\u201d",
"18": "Nolazain\u2019i Samoela taminy \u00e0ry ny zava-drehetra, fa tsy nisy nafeniny. Dia hoy i Ely: \u201cIzy no Jehovah, ka aleo izy hanao izay hitany fa mety.\u201d",
"19": "Ary nihalehibe i Samoela. Nanampy azy i Jehovah ary tsy nisy tsy notanterahiny ny teniny rehetra.",
"20": "Dia fantatry ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, fa tena mpaminanin\u2019i Jehovah tokoa i Samoela.",
"21": "Ary mbola niseho tao Silo i Jehovah. Nampahafantatra ny tenany tamin\u2019i Samoela mantsy i Jehovah tao Silo, tamin\u2019ny alalan\u2019ny tenin\u2019i Jehovah."
},
"4": {
"1": "Dia nampitaina tamin\u2019ny Israely rehetra ny tenin\u2019i Samoela. Ary nivoaka hiady tamin\u2019ny Filistinina ny Israely, ka nitoby teo akaikin\u2019i Ebenezera. Ny Filistinina kosa nitoby tao Afeka.",
"2": "Ary nilahatra hiady tamin\u2019ny Israely ny Filistinina. Ratsy anefa ny fandehan\u2019ny ady ary resin\u2019ny Filistinina ny Israely, ka lehilahy 4\u00a0000 teo ho eo no matin\u2019izy ireo, teo amin\u2019ilay toerana nitrangan\u2019ilay ady.",
"3": "Rehefa niverina tao an-toby ny olona, dia hoy ny anti-panahin\u2019ny Israely: \u201cNahoana no navelan\u2019i Jehovah ho resin\u2019ny Filistinina isika androany? Andao halaintsika any Silo ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, mba ho eto amintsika ka hamonjy antsika amin\u2019ny fahavalontsika.\u201d",
"4": "Naniraka olona hankany Silo \u00e0ry ny vahoaka, ka nentina avy any ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany, eo ambonin\u2019ny kerobima. Niaraka tamin\u2019ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019ilay tena Andriamanitra koa izy mirahalahy zanak\u2019i Ely, dia i Hofinia sy Finehasa.",
"5": "Raha vao tonga tao an-toby ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, dia nihorakoraka mafy ny Israelita rehetra, ka nihovotrovotra mihitsy ny tany.",
"6": "Rehefa henon\u2019ny Filistinina ilay horakoraka, dia hoy izy ireo: \u201cFa maninona no misy horakoraka be hoatr\u2019izany ao amin\u2019ny tobin\u2019ny Hebreo?\u201d Fantatr\u2019izy ireo ihany tamin\u2019ny farany fa tonga tao ny Vata masin\u2019i Jehovah.",
"7": "Dia natahotra ny Filistinina satria \u201ctonga ao amin\u2019ilay toby Andriamanitra!\u201d, araka ny resaka nifanaovan\u2019izy ireo. Hoy \u00e0ry izy ireo: \u201cHidiran-doza isika fa mbola tsy nisy hoatr\u2019izao mihitsy hatramin\u2019izay!",
"8": "Hidiran-doza isika! Iza no hamonjy antsika eo an-tanan\u2019izany Andriamanitra heni-kaja izany? Izy ilay Andriamanitra namely an\u2019i Ejipta tamin\u2019ny loza isan-karazany tany an-tany efitra.",
"9": "Man\u00e0na herim-po, ry Filistinina, ary asehoy hoe tena lehilahy ianareo, sao ianareo hanompo ny Hebreo hoatran\u2019ny efa nanompoany anareo. Asehoy hoe tena lehilahy ianareo, ka miadia!\u201d",
"10": "Niady tokoa ny Filistinina, dia resy ny Israely ka samy nandositra tany amin\u2019ny tranolainy avy. Ary be dia be no maty tamin\u2019izay. Miaramila 30\u00a0000 mpandeha an-tongotra no maty tamin\u2019ny Israely.",
"11": "Lasa babo koa ny Vata masin\u2019Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak\u2019i Ely, dia i Hofinia sy Finehasa.",
"12": "Ary nisy lehilahy benjaminita nihazakazaka avy tany an\u2019ady, ka tonga tao Silo ny androtr\u2019iny ihany. Rovidrovitra ny akanjony, ary nihosim-bovoka ny lohany.",
"13": "Tamin\u2019ilay lehilahy tonga, dia efa nipetraka nitazantazana teo amin\u2019ny seza teo amoron-dalana i Ely, satria nitaintaina be izy hoe nanao ahoana ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Ary nankao an-tan\u00e0na ilay lehilahy mba hilaza vaovao, dia nisahotaka ny iray tan\u00e0na.",
"14": "Rehefa henon\u2019i Ely ilay sahotaka, dia hoy izy: \u201cFa inona izany tabataba be henoko izany?\u201d Dia nandeha haingana nankeo amin\u2019i Ely ilay lehilahy, ary nilaza an\u2019ilay vaovao taminy.",
"15": "Efa 98\u00a0taona i Ely tamin\u2019izay. Nidiridiry fotsiny ny masony ary tsy nahita izy.",
"16": "Ary hoy ilay lehilahy taminy: \u201cIzaho ilay avy tany an\u2019ady. Vao androany aho no nandositra avy any.\u201d Dia hoy i Ely: \u201cFa inona no nitranga, anaka?\u201d",
"17": "Koa nitantara ilay mpilaza vaovao hoe: \u201cNandositra an\u2019ireo Filistinina ny Israely, ary resy tanteraka ny olona. Maty koa i Hofinia sy Finehasa zanakao mirahalahy, ary lasa babo ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra.\u201d",
"18": "Vao niteny momba ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra ilay lehilahy, dia nianjera avy teo amin\u2019ny sezany teo akaikin\u2019ny vavahady i Ely ary nidaboka nankany aoriana ka tapaka ny hatony, dia maty izy. Efa antitra mantsy izy sady ngeza. Nitsara ny Israely nandritra ny 40\u00a0taona izy.",
"19": "Ary bevohoka efa ho teraka ny vinantovaviny, vadin\u2019i Finehasa. Rehefa henon\u2019ilay vehivavy fa lasa babo ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra, ary maty ny rafozandahiny sy ny vadiny, dia nitambonkina izy ka nihetsi-jaza tampoka dia teraka.",
"20": "Rehefa niala aina izy, dia hoy ireo vehivavy nijoro teo akaikiny: \u201cAza matahotra fa tera-dahy ianao.\u201d Tsy namaly anefa izy, sady tsy noraharahiany akory izany.",
"21": "Ary nataony hoe Ikaboda ny anaran\u2019ilay zaza, fa hoy izy: \u201cNatao sesitany ny voninahitry ny Israely.\u201d Lasa babo mantsy ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra, ary teo koa ny nanjo ny rafozandahiny sy ny vadiny.",
"22": "Hoy izy: \u201cNatao sesitany ny voninahitry ny Israely, satria lasa babo ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra.\u201d"
},
"5": {
"1": "Rehefa azon\u2019ny Filistinina ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra, dia nentin\u2019izy ireo avy tao Ebenezera nankany Asdoda.",
"2": "Dia nalain\u2019izy ireo ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra, ka nampidiriny tao an-tranon\u2019i Dagona ary nataony teo akaikin\u2019i Dagona.",
"3": "Rehefa nifoha maraina ny Asdodita ny ampitson\u2019iny, dia io fa efa nianjera nihohoka tamin\u2019ny tany, teo anoloan\u2019ny Vata masin\u2019i Jehovah, i Dagona. Nobatain\u2019izy ireo \u00e0ry ilay izy ka naveriny teo amin\u2019ny toerany.",
"4": "Rehefa nifoha maraina indray izy ireo ny ampitson\u2019iny, dia io fa nianjera nihohoka tamin\u2019ny tany, teo anoloan\u2019ny Vata masin\u2019i Jehovah, i Dagona. Tapaka ny lohany sy ny felatanany roa, ka nipitika teo an-tokonam-baravarana. Ny tapany toy ny trondro sisa tavela.",
"5": "Izany no mahatonga ny mpisoron\u2019i Dagona sy izay rehetra mankao an-tranon\u2019i Dagona, tsy hanitsaka ny tokonam-baravaran\u2019i Dagona ao Asdoda, hatramin\u2019izao.",
"6": "Nosazin\u2019i Jehovah ny Asdodita, ka nataony nahita faisana. Nataony voan\u2019ny hemoroida mantsy ny mponina tao Asdoda sy ny faritra manodidina azy.",
"7": "Rehefa nahita an\u2019izay nitranga ny olona tao Asdoda, dia niteny hoe: \u201cAza ajanona eto amintsika ny Vata masin\u2019ny Andriamanitry ny Israely, fa ny tanany efa namely mafy antsika sy Dagona andriamanitsika.\u201d",
"8": "Naniraka olona ho any amin\u2019ny mpitondra rehetra teo amin\u2019ny Filistinina \u00e0ry izy ireo, dia novoriny izy ireny ary nanontaniany hoe: \u201cHataontsika ahoana ny Vata masin\u2019ny Andriamanitry ny Israely?\u201d Dia namaly ireo hoe: \u201cAleo afindra any Gata ny Vata masin\u2019ny Andriamanitry ny Israely.\u201d Nafindran\u2019izy ireo nankany \u00e0ry ilay Vata masin\u2019ny Andriamanitry ny Israely.",
"9": "Rehefa nafindra tany ilay Vata, dia namely an\u2019ilay tan\u00e0na ny tanan\u2019i Jehovah ka nihorohoro izy ireo. Nosaziny ny olona tao an-tan\u00e0na ka voan\u2019ny hemoroida, na ny kely na ny lehibe.",
"10": "Nalefan\u2019izy ireo nankany Ekrona \u00e0ry ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Raha vao tonga tao Ekrona anefa ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra, dia nitaraina mafy ny Ekronita hoe: \u201cNentin-dry zareo at\u1ef3 aminay ny Vata masin\u2019ny Andriamanitry ny Israely, mba hahafaty anay sy ny vahoakanay!\u201d",
"11": "Dia naniraka olona ho any amin\u2019ny mpitondra rehetra teo amin\u2019ny Filistinina izy ireo, dia novoriny izy ireny ary noteneniny hoe: \u201cAlefaso any io Vata masin\u2019ny Andriamanitry ny Israely io! Avereno any amin\u2019ny toerany any io, mba tsy hahafaty anay sy ny vahoakanay.\u201d Fa natahotra be ny iray tan\u00e0na sao ho faty. Nanasazy mafy azy ireo mantsy ilay tena Andriamanitra,",
"12": "ka izay olona tsy maty dia voan\u2019ny hemoroida. Ary tonga hatrany an-danitra ny antso vonjy nataon\u2019ilay tan\u00e0na."
},
"6": {
"1": "Fito volana ny Vata masin\u2019i Jehovah no tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina.",
"2": "Nantsoin\u2019ny Filistinina ny mpisorona sy ny mpisikidy, ka nanontaniany hoe: \u201cHataonay ahoana ny Vata masin\u2019i Jehovah? Lazao aminay hoe ahoana no hamerenanay an\u2019io any amin\u2019ny toerany.\u201d",
"3": "Dia hoy izy ireo: \u201cRaha alefanareo ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely, dia aza averina amin\u2019izao fotsiny fa asio fanatitra miaraka aminy. Tokony hanateranareo fanatitra noho ny heloka izy. Amin\u2019izay ihany ianareo vao ho sitrana, ka ho fantatrareo ny antony mbola anafaizany anareo hoatr\u2019izao.\u201d",
"4": "Hoy \u00e0ry ny Filistinina: \u201cInona no fanatitra noho ny heloka tokony halefanay any aminy?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cHemoroida volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan\u2019ireo mpitondra eo amin\u2019ny Filistinina. Mitovy ihany mantsy ny loza manjo anareo rehetra sy ny loza manjo an\u2019ireo mpitondra eo aminareo.",
"5": "Manaova sarivongana mitovy amin\u2019ny hemoroida mahazo anareo sy ny totozy manimba an\u2019ilay tany, ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Israely. Amin\u2019izay angamba izy tsy hanafay intsony anareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo.",
"6": "Nahoana ianareo no manamafy ny fonareo hoatran\u2019i Ejipta sy Farao izay nanamafy ny fony? Rehefa nofaizin\u2019Andriamanitra ry zareo, dia tsy maintsy nalefany ny Israely ka lasa nandeha.",
"7": "Manom\u00e0na sarety vaovao sy ombivavy roa mitaiza, izay mbola tsy nasiana zioga mihitsy. Dia afatory hitarika an\u2019ilay sarety ireo ombivavy, fa ny zanany kosa ento miverina mody.",
"8": "Alaivo ny Vata masin\u2019i Jehovah ka apetraho eo ambonin\u2019ilay sarety. Ary ataovy ao anaty boaty eo akaikin\u2019ilay Vata ireo sarivongana volamena, izay halefanareo any aminy mba ho fanatitra noho ny heloka. Dia alefaso handeha ilay izy.",
"9": "Jereo fa raha miakatra amin\u2019ny lalana mankany Beti-semesy, any amin\u2019ny taniny, ilay izy, dia ny Andriamanitry ny Israely no nanao an\u2019izao zava-dratsy lehibe izao tamintsika. Raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika hoe tsy ny tanany no namely antsika, fa sendra nanjo antsika fotsiny izany.\u201d",
"10": "Dia izany tokoa no nataon\u2019ny olona. Naka ombivavy roa mitaiza izy ireo dia nofatorany hitarika an\u2019ilay sarety ireo omby ireo, fa ny zanak\u2019omby kosa nohidiany tao am-bala.",
"11": "Dia napetrak\u2019izy ireo teo ambonin\u2019ilay sarety ny Vata masin\u2019i Jehovah, sy ilay boaty misy an\u2019ireo totozy volamena sy ny sarivongan\u2019ny hemoroida nahazo azy ireo.",
"12": "Tonga dia nanitsy tany amin\u2019ny lalana mankany Beti-semesy ireo ombivavy. Dia nizotra tamin\u2019ny lalambe iray ihany izy ireo ka nitrena teny an-dalana. Tsy nivily niankavanana na niankavia izy ireo. Nandeha an-tongotra nanaraka an\u2019ireo omby hatrany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Beti-semesy ireo mpitondra teo amin\u2019ny Filistinina.",
"13": "Nijinja varimbazaha teny amin\u2019ny tany lemaka ny olona tao Beti-semesy tamin\u2019izay. Rehefa nitazana izy ireo ka nahita an\u2019ilay Vata, dia faly be mihitsy.",
"14": "Tonga teo amin\u2019ny sahan\u2019i Josoa Beti-semita ilay sarety, ka nijanona teo akaikin\u2019ny vato iray ngezabe. Dia nokapakapain\u2019izy ireo ny hazon\u2019ilay sarety, ary natolony ho fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah ireo ombivavy.",
"15": "Nampidinin\u2019ny Levita ilay Vata masin\u2019i Jehovah sy ilay boaty misy an\u2019ireo sarivongana volamena, dia napetrak\u2019izy ireo teo ambonin\u2019ilay vato ngezabe. Dia nanolotra fanatitra dorana ny olona tao Beti-semesy, sady nanao sorona ho an\u2019i Jehovah tamin\u2019iny andro iny.",
"16": "Rehefa nahita an\u2019izany ireo mpitondra dimy teo amin\u2019ny Filistinina, dia niverina nankany Ekrona ny androtr\u2019iny ihany.",
"17": "Ary ireto avy ny hemoroida volamena nalefan\u2019ny Filistinina hatao fanatitra noho ny heloka ho an\u2019i Jehovah: Iray an\u2019i Asdoda, iray an\u2019i Gaza, iray an\u2019i Askelona, iray an\u2019i Gata, ary iray an\u2019i Ekrona.",
"18": "Ary ny isan\u2019ireo totozy volamena dia nitovy tamin\u2019ny isan\u2019ny tan\u00e0na rehetran\u2019ny Filistinina izay an\u2019ireo mpitondra dimy teo aminy, izany hoe ireo tan\u00e0na voaro mafy sy ireo tan\u00e0na kely teny ambanivohitra. Ary vavolombelona eo amin\u2019ny sahan\u2019i Josoa Beti-semita hatramin\u2019izao, ilay vato ngezabe nametrahan\u2019izy ireo ny Vata masin\u2019i Jehovah.",
"19": "Namely an\u2019ireo olona tao Beti-semesy anefa Andriamanitra, satria nojerijeren\u2019izy ireo ny Vata masin\u2019i Jehovah. Namely olona 50\u00a0070 teo amin\u2019ny vahoaka izy. Dia nalahelo mafy ny olona satria be dia be no novonoin\u2019i Jehovah.",
"20": "Hoy \u00e0ry ny olona tao Beti-semesy: \u201cIza no hahavita hijoro eo anatrehan\u2019i Jehovah, ilay Andriamanitra masina? Ho any amin\u2019iza izy rehefa hiala eto amintsika?\u201d",
"21": "Koa naniraka olona nankany amin\u2019ny mponin\u2019i Kiriata-jearima izy ireo mba hilaza hoe: \u201cNaverin\u2019ny Filistinina ny Vata masin\u2019i Jehovah. Mid\u00ecna at\u1ef3, dia ento miakatra miaraka aminareo ilay izy.\u201d"
},
"7": {
"1": "Dia tonga ny lehilahy avy tao Kiriata-jearima, ka nentin\u2019izy ireo niakatra nankao an-tranon\u2019i Abinadaba teny amin\u2019ny havoana ny Vata masin\u2019i Jehovah. Ary nohamasinin\u2019izy ireo hiambina an\u2019ilay Vata masin\u2019i Jehovah i Eleazara zanakalahin\u2019i Abinadaba.",
"2": "Dia nandeha teny ny fotoana, ka 20\u00a0taona no lasa hatramin\u2019ilay andro nametrahana an\u2019ilay Vata tao Kiriata-jearima. Ary nanomboka nitady an\u2019i Jehovah ny taranak\u2019Israely rehetra.",
"3": "Dia hoy i Samoela tamin\u2019ny taranak\u2019Israely rehetra: \u201cRaha tena amin\u2019ny fonareo manontolo no iverenanareo amin\u2019i Jehovah, dia esory tsy ho eo aminareo ny andriamanitry ny firenen-kafa sy ireo sarin\u2019i Astarta. Omeo an\u2019i Jehovah ny fonareo ka aza avela hiovaova, ary izy irery ihany tompoina, dia hamonjy anareo amin\u2019ny Filistinina izy.\u201d",
"4": "Narian\u2019ny Israelita \u00e0ry ireo Bala sy ireo sarin\u2019i Astarta, ka nanompo an\u2019i Jehovah irery ihany izy ireo.",
"5": "Ary hoy i Samoela: \u201cVorio ao Mizpa ny Israely rehetra, dia hivavaka amin\u2019i Jehovah ho anareo aho.\u201d",
"6": "Koa nivory tao Mizpa izy ireo, ary nantsaka rano ka nandraraka an\u2019izany teo anatrehan\u2019i Jehovah, sady nifady hanina tamin\u2019iny andro iny. Dia niteny izy ireo hoe: \u201cEfa nanota tamin\u2019i Jehovah izahay.\u201d Ary nanomboka nitsara ny Israelita tao Mizpa i Samoela.",
"7": "Rehefa henon\u2019ny Filistinina fa nivory tao Mizpa ny Israelita, dia niakatra hiady tamin\u2019ny Israely ireo mpitondra teo amin\u2019ny Filistinina. Natahotra an\u2019ireo Filistinina ny Israelita rehefa nandre an\u2019izany.",
"8": "Hoy \u00e0ry ny Israelita tamin\u2019i Samoela: \u201cAza mitsahatra miantso an\u2019i Jehovah Andriamanitsika mba hanampiany antsika sy hamonjeny antsika amin\u2019ny Filistinina.\u201d",
"9": "Dia naka zanak\u2019ondry mbola minono i Samoela, ka nanolotra an\u2019izany ho fanatitra dorana manontolo ho an\u2019i Jehovah. Ary niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah ho an\u2019ny Israely izy, ka namaly azy i Jehovah.",
"10": "Raha mbola nanolotra an\u2019ilay fanatitra dorana i Samoela, dia niroso hiady tamin\u2019ny Israely ny Filistinina. Dia nandefasan\u2019i Jehovah kotro-baratra mafy be ny Filistinina tamin\u2019iny andro iny, ary nataony nisahotaka izy ireo, ka resin\u2019ny Israely.",
"11": "Dia niala tao Mizpa ny lehilahy israelita, ka nanenjika an\u2019ireo Filistinina sady namono azy hatrany atsimon\u2019i Beti-kara.",
"12": "Ary naka vato i Samoela ka nanangana an\u2019izany teo anelanelan\u2019i Mizpa sy Jesana, dia nataony hoe Ebenezera ny anaran\u2019ilay vato. Fa hoy izy: \u201cNanampy antsika i Jehovah hatramin\u2019izao.\u201d",
"13": "Dia resy ny Filistinina, ka tsy nitsofotsofoka tao amin\u2019ny faritry ny Israely intsony. Ary nanohitra ny Filistinina foana ny tanan\u2019i Jehovah, nandritra ny androm-piainan\u2019i Samoela.",
"14": "Tafaverina tamin\u2019ny Israely koa ny tan\u00e0na nalain\u2019ny Filistinina tamin\u2019izy ireo, hatrany Ekrona ka hatrany Gata. Dia azon\u2019ny Israely indray ireo faritra nalain\u2019ny Filistinina. Tsy niady intsony koa ny Israely sy ny Amorita.",
"15": "Nitsara ny Israely foana i Samoela, nandritra ny androm-piainany.",
"16": "Nandeha nitety an\u2019i Betela sy Gilgala ary Mizpa izy isan-taona, ka nitsara ny Israely tao amin\u2019ireny toerana rehetra ireny.",
"17": "Niverina tao Rama ihany anefa izy satria tao ny tranony, ary nitsara ny Israely koa izy tao. Nanorina alitara ho an\u2019i Jehovah tao Rama izy."
},
"8": {
"1": "Rehefa antitra i Samoela, dia notendreny ho mpitsaran\u2019ny Israely ireo zanany lahy.",
"2": "Joela no anaran\u2019ny zanany lahimatoa, ary Abia kosa no anaran\u2019ny faharoa. Mpitsara tao Beri-sheba izy ireo.",
"3": "Tsy mba nanao hoatran\u2019ny nataony anefa ireo zanany ireo. Nanao ny tsy marina izy ireo mba hahazoana tombony, nandray kolikoly, ary nanao fitsarana miangatra.",
"4": "Rehefa nandeha ny fotoana, dia nivory ny anti-panahy rehetra teo amin\u2019ny Israely ka nankany amin\u2019i Samoela tao Rama.",
"5": "Hoy izy ireo taminy: \u201cEfa antitra ianao izao, nefa ny zanakao tsy mba manao hoatran\u2019ny nataonao. Koa manendre mpanjaka hitsara anay, hoatran\u2019ny any amin\u2019ny firenena hafa rehetra.\u201d",
"6": "Tsy nahafaly an\u2019i Samoela anefa ilay tenin\u2019izy ireo hoe: \u201cOmeo mpanjaka izahay hitsara anay.\u201d Nivavaka tamin\u2019i Jehovah \u00e0ry i Samoela,",
"7": "dia hoy i Jehovah taminy: \u201cHenoy izay rehetra lazain\u2019ny vahoaka aminao. Tsy ianao mantsy no laviny, fa izaho no tsy tiany ho mpanjakany.",
"8": "Nahafoy ahy foana izy ireo sady nanompo andriamani-kafa. Hoatr\u2019izany foana no nataony, hatramin\u2019ny andro nitondrako azy niakatra avy tany Ejipta ka mandraka androany. Izany koa no ataony aminao izao.",
"9": "Henoy ny tenin\u2019izy ireo. Ampitandremo tsara anefa izy ireo, ka teneno aminy ny zo hananan\u2019izay ho mpanjakany.\u201d",
"10": "Dia nolazain\u2019i Samoela tamin\u2019ilay vahoaka, izay nangataka mpanjaka taminy, ny tenin\u2019i Jehovah rehetra.",
"11": "Hoy izy: \u201cIzao no zo hananan\u2019izay ho mpanjakanareo: Halainy ny zanakareo lahy, ka hasainy hitondra ny kalesiny sy hataony mpitaingin-tsoavaliny. Ary ny sasany hasainy hihazakazaka eo alohan\u2019ny kalesiny.",
"12": "Ny sasany hotendreny ho lehiben\u2019ny arivony sy lehiben\u2019ny dimampolony. Ny sasany kosa hiasa ny taniny sy hijinja ny vokatry ny taniny, ary hanamboatra ny fitaovam-piadiany sy ny fitaovana amin\u2019ny kalesiny.",
"13": "Halainy koa ny zanakareo vavy, ka hataony mpanamboatra menaka fanosotra sy ho mpahandro ary ho mpanao mofo.",
"14": "Halainy izay tsara indrindra amin\u2019ny sahanareo sy ny tanimboalobokareo ary ny sahan\u2019olivanareo, ka homeny ho an\u2019ny mpanompony.",
"15": "Halainy koa ny ampahafolon\u2019ny vokatra avy amin\u2019ny sahanareo sy ny tanimboalobokareo, ka homeny ho an\u2019ny tandapany sy ny mpanompony.",
"16": "Halainy ny mpanompolahinareo sy ny mpanompovavinareo, sy izay tsara indrindra amin\u2019ny biby fiompinareo, ary ny ampondranareo, ka hasainy hiasa ho azy.",
"17": "Halainy koa ny ampahafolon\u2019ny ondry aman\u2019osinareo, ary ianareo ho lasa mpanompony.",
"18": "Dia hitaraina mafy ianareo indray andro any, noho ilay mpanjaka nofidinareo ho anareo, saingy tsy hamaly anareo i Jehovah amin\u2019izany andro izany.\u201d",
"19": "Tsy nety nihaino an\u2019izay nolazain\u2019i Samoela anefa ny vahoaka, fa niteny hoe: \u201cTsy mampaninona anay izany! Efa tena tapaka ny hevitray hoe aleo hisy mpanjaka hifehy anay.",
"20": "Dia ho hoatran\u2019ny firenena hafa rehetra izahay, ka hitsara sy hitarika anay ny mpanjakanay ary hiady ho anay amin\u2019izay ady hataonay.\u201d",
"21": "Rehefa avy nihaino ny teny rehetra nolazain\u2019ny vahoaka i Samoela, dia naveriny nolazaina tamin\u2019i Jehovah izany.",
"22": "Hoy i Jehovah taminy: \u201cHenoy ny tenin\u2019izy ireo, ka manendre mpanjaka hitondra azy.\u201d Dia hoy i Samoela tamin\u2019ny lehilahy israelita: \u201cSamia mody any an-tan\u00e0nany amin\u2019izay.\u201d"
},
"9": {
"1": "Nisy lehilahy avy amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina atao hoe Kisy, zanak\u2019i Abiela, zanak\u2019i Zerora, zanak\u2019i Bekorata, zanak\u2019i Afia. Benjaminita io lehilahy io sady nanan-karena be.",
"2": "Nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy. Mbola tanora i Saoly sady tsara tarehy. Tsy nisy lehilahy tsara tarehy noho izy teo amin\u2019ny Israelita. Ary lava be izy, ka tsy nisy nihoatra ny sorony ny olona rehetra.",
"3": "Very ny ampondran\u2019i Kisy rain\u2019i Saoly, ka hoy izy tamin\u2019i Saoly zanany: \u201cMba mitondr\u00e0 mpanompo iray miaraka aminao, dia mandehana tadiavo ireo ampondra.\u201d",
"4": "Dia lasa izy ireo nitety ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima sy ny faritr\u2019i Salisa, nefa tsy nahita an\u2019ireo ampondra. Ary nitety ny faritr\u2019i Salima izy ireo, nefa tsy tany koa ireo ampondra. Nitety ny tanin\u2019ny Benjaminita manontolo koa izy ireo, fa tsy nahita.",
"5": "Ary tonga tany Zofa izy ireo. Dia hoy i Saoly tamin\u2019ilay mpanompo niaraka taminy: \u201cAndao isika hiverina, sao dia isika indray no lasa mampitaintaina an\u2019i Dada fa tsy ny ampondra.\u201d",
"6": "Hoy anefa ilay mpanompo: \u201cMisy lehilahin\u2019Andriamanitra ao amin\u2019ir\u1ef3 tan\u00e0na ir\u1ef3. Hajain\u2019ny olona izy, sady tena tanteraka daholo izay lazainy. Andao ho eny, fa angamba izy afaka manoro antsika an\u2019izay lalana tokony halehantsika.\u201d",
"7": "Dia hoy i Saoly taminy: \u201cInona anefa no hoentintsika ho an\u2019ilay lehilahy, raha mankeny isika? Efa lany ny mofo tato anaty harontsika, dia tsy misy na inona na inona azontsika omena an\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra. Sa inona no ananantsika?\u201d",
"8": "Dia namaly indray ilay mpanompo hoe: \u201cMisy volafotsy ampahefatry ny sekely at\u1ef3 amiko. Andao izay no homena an\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, dia hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.\u201d",
"9": "\u2014Izao no nolazain\u2019ny olona teo amin\u2019ny Israely taloha, rehefa handeha hitady an\u2019Andriamanitra: \u201cAndao ho any amin\u2019ny mpahita.\u201d Mpahita mantsy taloha no fiantsoana ny mpaminany.\u2014",
"10": "Dia hoy i Saoly tamin\u2019ilay mpanompony: \u201cTsara izany hevitrao izany. Andao \u00e0ry ho eny.\u201d Dia nankeny amin\u2019ilay tan\u00e0na nisy an\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra izy ireo.",
"11": "Rehefa niakatra ny fiakarana mankao amin\u2019ilay tan\u00e0na izy ireo, dia nahita ankizivavy nivoaka hantsaka. Dia niteny tamin\u2019ireo izy roa lahy hoe: \u201cAo ve ilay mpahita?\u201d",
"12": "Dia hoy ireo: \u201cIe! Ao izy. Jereo fa ao aloha kely ao fotsiny izy. Mandehana haingana fa efa tonga ao an-tan\u00e0na izy izao, satria manao sorona eny amin\u2019ny toerana avo ny olona androany.",
"13": "Raha vao tafiditra ao an-tan\u00e0na ianareo, dia ho hitanareo izy. Mandehana dieny mbola tsy miakatra hisakafo eny amin\u2019ny toerana avo izy. Tsy hisakafo ny olona raha tsy efa tonga izy, satria izy no manao vavaka fisaorana alohan\u2019ny hihinanana an\u2019ilay sorona. Vita izay vao mahazo misakafo ireo nasaina. Miakara izao dia izao, dia ho hitanareo izy.\u201d",
"14": "Dia niakatra tao an-tan\u00e0na izy ireo. Rehefa tonga teo afovoan-tan\u00e0na izy ireo, dia iny i Samoela fa nivoaka hitsena azy ireo mba hiakatra teny amin\u2019ny toerana avo.",
"15": "Ny omalin\u2019ny nahatongavan\u2019i Saoly i Jehovah dia efa niteny tamin\u2019i Samoela hoe:",
"16": "\u201cRahampitso tokotokony ho hoatr\u2019izao, dia halefako at\u1ef3 aminao ny lehilahy iray avy any amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina. Hosory ho mpitarika eo amin\u2019ny Israely vahoakako izy, ary izy no hamonjy ny vahoakako eo an-tanan\u2019ny Filistinina. Efa hitako mantsy ny fahorian\u2019izy ireo ary efa tonga at\u1ef3 amiko ny fitarainany.\u201d",
"17": "Rehefa nahita an\u2019i Saoly i Samoela, dia hoy i Jehovah taminy: \u201cIo ilay lehilahy nolazaiko taminao hoe: \u2018Izy no hitondra ny vahoakako.\u2019\u201d",
"18": "Ary nanatona an\u2019i Samoela teo am-bavahady i Saoly, ka niteny hoe: \u201cMba atoroy ahy, azafady, hoe aiza ny tranon\u2019ilay mpahita.\u201d",
"19": "Dia hoy i Samoela tamin\u2019i Saoly: \u201cIzaho ilay mpahita. Andao hiakatra any amin\u2019ny toerana avo, ary mandehana eo alohako. Hiara-misakafo amiko ianareo androany. Dia halefako ianao rahampitso maraina, ary holazaiko aminao izay rehetra tianao ho fantatra.",
"20": "Aza miasa saina amin\u2019ireo ampondra very efa telo andro lasa izay, fa efa hita ireny. Sady an\u2019iza koa moa ny zava-tsarobidy rehetra eo amin\u2019ny Israely? Tsy anao sy ny ankohonan-drainao manontolo ve?\u201d",
"21": "Dia hoy i Saoly: \u201cTsy Benjaminita ve aho, avy amin\u2019ilay foko kely indrindra amin\u2019ny Israely? Ary tsy ny fianakaviako ve no tsy misy dikany indrindra amin\u2019ny fianakaviana rehetra ao amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina? Koa nahoana ianao no miteny hoatr\u2019izany amiko?\u201d",
"22": "Ary nalain\u2019i Samoela i Saoly sy ny mpanompony, dia nentiny tao amin\u2019ny efitra fisakafoana ka nomeny ny toerana mihaja indrindra teo amin\u2019ireo nasaina. Lehilahy 30 teo ho eo izy ireo no tao.",
"23": "Ary hoy i Samoela tamin\u2019ny mpahandro: \u201cEnto at\u1ef3 ilay hena nomeko anao, ilay nasaiko natokanao.\u201d",
"24": "Dia nalain\u2019ilay mpahandro ilay feny sy ny hena niaraka taminy, ka narosony teo anoloan\u2019i Saoly. Ary hoy i Samoela: \u201cIo naroso ho anao io ilay efa natokana. Hano, fa efa natokan\u2019izy ireo ho anao ho amin\u2019ity fotoana ity izy io. Efa niteny tamin-dry zareo mantsy aho hoe manam-bahiny.\u201d Dia niara-nisakafo tamin\u2019i Samoela i Saoly tamin\u2019iny andro iny.",
"25": "Niala teo amin\u2019ilay toerana avo izy ireo avy eo, ka nidina nankeny an-tan\u00e0na. Dia nentin\u2019i Samoela teny an-tampon-trano i Saoly, ary mbola niresaka taminy teny izy.",
"26": "Ary nifoha maraina izy ireo, ka vao nangiran-dratsy ny andro, dia niantso an\u2019i Saoly teo an-tampon-trano i Samoela. Hoy izy: \u201cMiom\u00e0na, fa halefako hody ianao.\u201d Dia niomana i Saoly, ary niara-nivoaka ny trano izy sy Samoela.",
"27": "Rehefa nidina ho any ivelan\u2019ny tan\u00e0na izy ireo, dia hoy i Samoela tamin\u2019i Saoly: \u201cAsaivo mialoha antsika ilay mpanompo.\u201d Dia lasa ilay mpanompo. Hoy koa i Samoela: \u201cIanao kosa mijan\u00f2na vetivety, fa holazaiko aminao ny tenin\u2019Andriamanitra.\u201d"
},
"10": {
"1": "Dia naka jaogy kely misy menaka i Samoela, ka nandraraka an\u2019ilay menaka teo amin\u2019ny lohan\u2019i Saoly. Nanoroka azy izy ary niteny hoe: \u201cI Jehovah mihitsy no nanosotra anao ho mpitarika eo amin\u2019ny lovany.",
"2": "Rehefa miala eto amiko ianao androany, dia hahita lehilahy roa eo akaikin\u2019ny fasan\u2019i Rahely, ao Zelza any amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina. Ary hiteny aminao izy ireo hoe: \u2018Efa hita ireo ampondra notadiavinao, dia tsy mieritreritra momba an\u2019ireo ampondra intsony ny rainao. Fa ianareo indray izao no mampitaintaina azy. Nilaza izy hoe: \u201cAhoana re no hataoko amin\u2019izay zanako izay\u00a0e?\u201d\u2019",
"3": "Mandehana hatrany amin\u2019ilay hazobe ao Tabara. Dia hisy telo lahy hifanena aminao. Hiakatra hitady an\u2019ilay tena Andriamanitra any Betela izy ireo. Ny iray mitondra zanak\u2019osy telo, ny iray mitondra mofo telo, ary ny iray mitondra divay eran\u2019ny siny lehibe.",
"4": "Hanontany ny fahasalamanao izy ireo, ary hanome anao mofo roa. Dia raiso izany.",
"5": "Ho tonga eo amin\u2019ny havoanan\u2019ilay tena Andriamanitra ianao aorian\u2019izay, eo amin\u2019ilay misy toby miaramilan\u2019ny Filistinina. Rehefa tonga ao an-tan\u00e0na ianao, dia hifanena amin\u2019ny mpaminany maromaro midina avy eny amin\u2019ny toerana avo. Hisy olona mitendry zavamaneno sy mively ampongatapaka sy mitsoka sodina ary mitendry harpa eo alohan\u2019izy ireo, raha mbola iny maminany iny izy ireo.",
"6": "Ary hanome hery anao ny fanahin\u2019i Jehovah, ka haminany miaraka amin\u2019izy ireo ianao, sady hovana ho olom-baovao.",
"7": "Rehefa mitranga ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon\u2019ny tananao atao, fa manohana anao ilay tena Andriamanitra.",
"8": "Koa tonga dia mandehana midina any Gilgala, fa hidina hanaraka anao aho mba hanolotra sorona dorana sy sorona iombonana. Dia miandrasa fito andro mandra-pahatongako any aminao. Hampahafantariko anao avy eo izay tokony hataonao.\u201d",
"9": "Vao nihodina niala teo amin\u2019i Samoela i Saoly, dia nataon\u2019Andriamanitra niova ny fony. Ary tanteraka daholo ireo famantarana ireo tamin\u2019iny andro iny.",
"10": "Dia lasa nankeny amin\u2019ilay havoana izy ireo, ka nifanena tamin\u2019ny mpaminany maromaro. Tonga dia nanome hery an\u2019i Saoly ny fanahin\u2019Andriamanitra, ka naminany niaraka tamin\u2019izy ireo izy.",
"11": "Rehefa nahita azy naminany niaraka tamin\u2019ny mpaminany izay rehetra nahafantatra azy taloha, dia nifampiresaka hoe: \u201cFa naninona ity zanak\u2019i Kisy? Mpaminany koa angaha i Saoly?\u201d",
"12": "Ary nisy olona iray teo niteny hoe: \u201cFa iza no rain\u2019ireo mpaminany hafa ireo\u00a0e?\u201d Lasa fomba fiteny \u00e0ry ilay hoe: \u201cMpaminany koa angaha i Saoly?\u201d",
"13": "Rehefa avy naminany izy, dia nankeny amin\u2019ny toerana avo.",
"14": "Ary hoy ny rahalahin-drain\u2019i Saoly taminy sy tamin\u2019ilay mpanompony: \u201cFa taiza ianareo?\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cNitady an\u2019ireo ampondra izahay, nefa tsy nahita, dia nankany amin\u2019i Samoela.\u201d",
"15": "Dia hoy ilay dadatoan\u2019i Saoly: \u201cMba lazao ahy izay notenenin\u2019i Samoela taminareo!\u201d",
"16": "Namaly azy i Saoly hoe: \u201cNiteny taminay izy hoe efa hita ireo ampondra.\u201d Tsy noresahin\u2019i Saoly taminy anefa ilay tenin\u2019i Samoela hoe ho lasa mpanjaka izy.",
"17": "Ary nantsoin\u2019i Samoela hankeo anatrehan\u2019i Jehovah tao Mizpa ny vahoaka.",
"18": "Dia hoy izy tamin\u2019ny Israelita: \u201cIzao no nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Izaho no nitondra ny Israely niakatra avy tany Ejipta, sy namonjy anareo teo an-tanan\u2019i Ejipta sy teo an-tanan\u2019ireo fanjakana rehetra nampahory anareo.",
"19": "Nolavinareo anefa androany ilay Andriamanitrareo, izay namonjy anareo tamin\u2019ny loza sy ny fahoriana rehetra nanjo anareo. Ary niteny ianareo hoe: \u201cManendre fotsiny mpanjaka ho anay\u00a0e!\u201d Mijoroa \u00e0ry eo anatrehan\u2019i Jehovah, isam-poko sy isam-pianakaviana.\u2019\u201d",
"20": "Dia nasain\u2019i Samoela nanatona ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely, ka ny fokon\u2019i Benjamina no voafidy.",
"21": "Ary nasainy nanatona isam-pianakaviana ny fokon\u2019i Benjamina, ka ny fianakavian\u2019ny Matrita no voafidy. Farany, dia i Saoly zanak\u2019i Kisy no voafidy. Rehefa nandeha nitady azy anefa ny olona, dia tsy hita izy.",
"22": "Koa nanontany an\u2019i Jehovah izy ireo hoe: \u201cEfa tonga eto angaha izany lehilahy izany?\u201d Dia namaly i Jehovah hoe: \u201cIo miafina ao amin\u2019ny entana io izy.\u201d",
"23": "Nihazakazaka naka azy avy tao \u00e0ry izy ireo. Ary rehefa nijoro teo afovoan\u2019ny olona izy, dia lava be ka tsy nisy nihoatra ny sorony ny olona rehetra.",
"24": "Dia niteny tamin\u2019ny vahoaka manontolo i Samoela hoe: \u201cHitanareo tsara ve ilay nofidin\u2019i Jehovah? Jereo fa tsy misy hoatr\u2019azy amin\u2019ny olona rehetra!\u201d Koa nihorakoraka izy rehetra hoe: \u201cHo ela velona anie ny mpanjaka!\u201d",
"25": "Dia nolazain\u2019i Samoela tamin\u2019ny vahoaka ny zo ara-dal\u00e0na ananan\u2019ny mpanjaka, ka nosoratany tao amin\u2019ny boky ary napetrany teo anatrehan\u2019i Jehovah. Ary nalefan\u2019i Samoela nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.",
"26": "Nody tany an-tranony tany Gibea koa i Saoly. Ary niaraka taminy ny miaramila sasany, izay nentanin\u2019i Jehovah ny fony.",
"27": "Nisy lehilahy tsy misy ilana azy anefa niteny hoe: \u201cAhoana koa no hamonjen\u2019io antsika?\u201d Dia nanambany an\u2019i Saoly izy ireo, ary tsy mba nitondra fanomezana ho azy. Tsy namaly mihitsy anefa i Saoly."
},
"11": {
"1": "Ary niakatra i Nahasy Amonita ka nitoby mba hiady amin\u2019i Jabesy any Gileada. Dia hoy ny olona rehetra tao Jabesy tamin\u2019i Nahasy: \u201cManaova fifanekena aminay, dia hanompo anao izahay.\u201d",
"2": "Ary hoy i Nahasy Amonita tamin\u2019izy ireo: \u201cHanao fifanekena aminareo aho raha potsirina daholo ny masonareo ankavanana, mba hanalako baraka ny Israely rehetra.\u201d",
"3": "Dia namaly azy ny anti-panahy tao Jabesy hoe: \u201cOmeo fito andro aloha izahay, mba hahafahanay haniraka olona ho any amin\u2019ny faritra rehetra any Israely. Koa raha tsy misy mamonjy izahay, dia hitolo-batana any aminao.\u201d",
"4": "Ary tonga tao Gibea tan\u00e0nan\u2019i Saoly ireo iraka, ka nilaza an\u2019ireo teny ireo tamin\u2019ny olona. Dia nidradradradra nitomany ny olona rehetra.",
"5": "Tonga avy any an-tsaha anefa i Saoly tamin\u2019izay, sady nandroaka omby. Ary hoy izy: \u201cFa misy inona? Maninona ny olona no mitomany?\u201d Dia nolazain\u2019izy ireo taminy ny tenin\u2019ny olona tao Jabesy.",
"6": "Rehefa henon\u2019i Saoly izany teny izany, dia nanome hery azy ny fanahin\u2019Andriamanitra, ka tezitra be izy.",
"7": "Dia naka omby roa izy ka norasarasainy, ary naniraka olona hitondra an\u2019izany tany amin\u2019ny faritra rehetra tany Israely izy. Ary izao no nasainy nolazain\u2019izy ireo: \u201cNa iza na iza tsy manaraka an\u2019i Saoly sy Samoela, dia hatao hoatr\u2019izao ny ombiny!\u201d Dia natahotra an\u2019i Jehovah ny olona, ka nivoaka hiady sady tena niray hina.",
"8": "Dia nisain\u2019i Saoly tao Bezeka izy ireo, ka 300\u00a0000 ny Israelita ary 30\u00a0000 ny avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda.",
"9": "Ary hoy izy ireo tamin\u2019ny olona nirahina avy any Jabesy: \u201cIzao no holazainareo amin\u2019ny olona ao Jabesy any Gileada: \u2018Hovonjena ianareo rahampitso, amin\u2019ny mitataovovonana.\u2019\u201d Dia tonga nilaza izany tamin\u2019ireo olona tao Jabesy ireo iraka, ka faly be izy ireo.",
"10": "Hoy \u00e0ry ny olona tao Jabesy tamin\u2019ny Amonita: \u201cHitolo-batana any aminareo izahay rahampitso, ka ataovy aminay izay hitanareo fa mety.\u201d",
"11": "Nozarain\u2019i Saoly ho andiany telo ny olona ny ampitso. Dia tafiditra tao an-toby izy ireo tamin\u2019ny fiambenana maraina, ka namely an\u2019ireo Amonita mandra-pahafanan\u2019ny andro. Ary niparitaka izay sisa tsy maty tamin\u2019ny Amonita ka tsy nisy tafaraka na dia olona roa aza.",
"12": "Dia hoy ny olona tamin\u2019i Samoela: \u201cIza avy ilay niteny hoe: \u2018I Saoly ve no hanjaka aminay?\u2019 Ento at\u1ef3 ireny olona ireny hovonoinay ho faty.\u201d",
"13": "Hoy anefa i Saoly: \u201cTsy tokony hisy olona hovonoina ho faty anio, satria namonjy ny Israely i Jehovah androany.\u201d",
"14": "Taorian\u2019izay, dia hoy i Samoela tamin\u2019ny olona: \u201cAndao isika ho any Gilgala mba hanamafy orina ny fanjakana.\u201d",
"15": "Nankany Gilgala \u00e0ry ny olona rehetra, ka tany i Saoly no nataon\u2019izy ireo mpanjaka teo anatrehan\u2019i Jehovah. Dia nanolotra sorona iombonana teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo tany, ary nanao fety i Saoly sy ny Israelita rehetra ka faly be mihitsy."
},
"12": {
"1": "Farany, dia niteny tamin\u2019ny Israely rehetra i Samoela hoe: \u201cEfa nataoko daholo izay nasainareo nataoko. Nanendry mpanjaka hitondra anareo aho.",
"2": "Io \u00e0ry ilay mpanjaka hitarika anareo! Izaho kosa efa antitra sy fotsy volo, ary ireo miaraka aminareo ireo ny zanako. Izaho efa nitarika anareo, hatramin\u2019ny fahazazako ka mandraka androany.",
"3": "Int\u1ef3 aho! Mijoroa ianareo ho vavolombelona hiampanga ahy eto anatrehan\u2019i Jehovah sy ny voahosotra notendreny: Ombin\u2019iza, na ampondran\u2019iza no nalaiko? Iza no nambakaiko na nampahoriko? Iza no nakako tsolotra mba hahatonga ahy hiangatra? Raha nanao an\u2019izany aho, dia honerako aminareo izany.\u201d",
"4": "Dia hoy izy ireo: \u201cTsy nanambaka anay ianao na nampahory anay, ary tsy nanaiky handray na inona na inona avy tamin\u2019iza na iza.\u201d",
"5": "Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019izy ireo: \u201cI Jehovah no vavolombelona hiampanga anareo. Ny voahosotra notendreny koa no vavolombelona androany, fa tsy mahita na inona na inona hiampangana ahy ianareo.\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cIe, vavolombelona izy.\u201d",
"6": "Hoy \u00e0ry i Samoela tamin\u2019ny vahoaka: \u201cI Jehovah, izay nampiasa an\u2019i Mosesy sy Arona sady nitondra ny razambenareo niakatra avy tany Ejipta, no vavolombelona.",
"7": "Koa mitsang\u00e0na, fa hitsara anareo eo anatrehan\u2019i Jehovah aho, satria i Jehovah efa nanao an\u2019ireny zavatra tsara rehetra ireny ho anareo sy ho an\u2019ny razambenareo.",
"8": "\u201cRaha vao tonga tany Ejipta i Jakoba, ary niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah ny razambenareo, dia naniraka an\u2019i Mosesy sy Arona i Jehovah mba hitarika ny razambenareo hivoaka avy tany Ejipta sy hanao izay hipetrahany teto amin\u2019ity toerana ity.",
"9": "Nanadino an\u2019i Jehovah Andriamaniny anefa izy ireo, ka namidin\u2019Andriamanitra tamin\u2019i Sisera lehiben\u2019ny tafik\u2019i Hazora sy tamin\u2019ny Filistinina ary tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Moaba. Ary niady tamin\u2019izy ireo ireny.",
"10": "Dia niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah izy ireo, ka niteny hoe: \u2018Efa nanota izahay, satria niala tamin\u2019i Jehovah mba hanompo an\u2019ireo Bala sy ireo sarin\u2019i Astarta. Fa izao izahay mba vonjeo amin\u2019ny fahavalonay mba hanompoanay anao.\u2019",
"11": "Dia naniraka an\u2019i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela i Jehovah, ka namonjy anareo tamin\u2019ny fahavalo manodidina, mba hahafahanareo hiaina milamina tsara.",
"12": "Ary rehefa hitanareo fa tonga hanafika anareo i Nahasy mpanjakan\u2019ny Amonita, dia niteny tamiko foana ianareo hoe: \u2018Efa tena tapaka ny hevitray hoe aleo hisy mpanjaka hifehy anay.\u2019 I Jehovah Andriamanitrareo anefa no Mpanjakanareo.",
"13": "Io \u00e0ry ilay mpanjaka nofidinareo, izay nangatahinareo. Jereo fa efa nanendry mpanjaka hifehy anareo i Jehovah.",
"14": "Raha matahotra an\u2019i Jehovah ianareo ka manompo azy sy manaraka ny teniny ary tsy manohitra ny baikon\u2019i Jehovah, sady mankat\u00f2 an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjakanareo, dia tsara izany.",
"15": "Fa raha tsy mankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah kosa ianareo ary manohitra ny baikon\u2019i Jehovah, dia hamely anareo sy ny rainareo ny tanan\u2019i Jehovah.",
"16": "Koa mitsang\u00e0na, dia jereo izao zavatra miavaka ataon\u2019i Jehovah eo imasonareo izao:",
"17": "Tsy fotoana fijinjana varimbazaha ve izao? Hiantso an\u2019i Jehovah anefa aho mba hampisy kotroka sy orana. Dia ho fantatrareo sy ho azonareo fa tena ratsy ny nataonareo teo imason\u2019i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ho anareo ianareo.\u201d",
"18": "Dia niantso an\u2019i Jehovah i Samoela, ka nampisy kotroka sy orana i Jehovah tamin\u2019iny andro iny. Koa natahotra be an\u2019i Jehovah sy Samoela ny vahoaka manontolo.",
"19": "Ary hoy izy ireo tamin\u2019i Samoela: \u201cMivavaha amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho anay mpanomponao, fa tsy te ho faty izahay. Fa nampianay zava-dratsy indray ny fahotana rehetra efa vitanay satria nangataka mpanjaka izahay.\u201d",
"20": "Dia niteny tamin\u2019ny vahoaka i Samoela hoe: \u201cAza matahotra. Marina fa nanao an\u2019izany zava-dratsy rehetra izany ianareo, fa izao fotsiny: Aza miala amin\u2019i Jehovah mihitsy, ary manompoa an\u2019i Jehovah amin\u2019ny fonareo manontolo.",
"21": "Aza mivily hanaraka zavatra tsy misy dikany izay tsy mahasoa sady tsy mahavonjy, satria tsy misy dikany ireny.",
"22": "Fa tsy hahafoy ny vahoakany i Jehovah, noho ny amin\u2019ny anarany be voninahitra. I Jehovah mihitsy mantsy no efa nifidy anareo ho vahoakany.",
"23": "Raha ny amiko kosa, dia sanatria ahy ny hanota amin\u2019i Jehovah ka hitsahatra tsy hivavaka ho anareo. Mbola hanoro anareo ny lalana tsara sy mahitsy foana aho.",
"24": "Matahora fotsiny an\u2019i Jehovah, ka manompoa azy foana amin\u2019ny fonareo manontolo. Eritrereto ange ny zavatra miavaka nataony ho anareo\u00a0e!",
"25": "Raha mikiry manao ratsy kosa ianareo, dia ho ringana ianareo sy ny mpanjakanareo.\u201d"
},
"13": {
"1": "... taona i Saoly tamin\u2019izy lasa mpanjaka. Ary efa roa taona no nanjakany teo amin\u2019ny Israely.",
"2": "Dia nifidy 3\u00a0000 lahy tamin\u2019ny Israely i Saoly, ka ny 2\u00a0000 niaraka taminy tao Mikmasy sy teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Betela, ary ny 1\u00a0000 niaraka tamin\u2019i Jonatana tao Gibea, tan\u00e0nan\u2019ny fokon\u2019i Benjamina. Ny olona sisa kosa nalefany nody tany amin\u2019ny tranolainy avy.",
"3": "Dia namely ny toby miaramilan\u2019ny Filistinina tao Geba i Jonatana, ka henon\u2019ny Filistinina izany. Ary nasain\u2019i Saoly notsofina nanerana an\u2019ilay tany ny anjombona, ka hoy izy: \u201cTokony ho fantatry ny Hebreo izany!\u201d",
"4": "Dia henon\u2019ny Israely rehetra ilay vaovao hoe: \u201cNotafihin\u2019i Saoly ny toby miaramilan\u2019ny Filistinina, ka lasa halan\u2019ny Filistinina ny Israely.\u201d Nantsoina hanaraka an\u2019i Saoly tany Gilgala \u00e0ry ny vahoaka.",
"5": "Nivondrona hiady tamin\u2019ny\u00a0Israely koa ny Filistinina: 30\u00a0000 ny kalesy fitondrany miady, 6\u00a0000 ny mpitaingin-tsoavaliny, ary maro be hoatran\u2019ny fasika eny amoron-dranomasina ny miaramilany. Niakatra izy ireo ka nitoby tao Mikmasy, eo atsinanan\u2019i Beti-avena.",
"6": "Rehefa hitan\u2019ny Israelita fa notandindomin-doza izy ireo satria latsaka an-katerena, dia niafina tany an-dava-bato sy tany an-tsefatsefaky ny harambato izy ireo, ary koa tany anaty vatolampy sy zohy ary lavaka fanangonan-drano.",
"7": "Niampita an\u2019i Jordana mihitsy aza ny Hebreo sasany, mba ho any amin\u2019ny tanin\u2019i Gada sy Gileada. Fa i Saoly kosa mbola tao Gilgala, ary tora-kovitra ny olona rehetra nanaraka azy.",
"8": "Dia niandry ihany izy nandritra ny fito andro, mandra-pahatongan\u2019ilay fotoana nolazain\u2019i Samoela. Tsy tonga tao Gilgala anefa i Samoela, ary niparitaka tsikelikely nandao an\u2019i Saoly ny olona.",
"9": "Hoy i Saoly tamin\u2019ny farany: \u201cEnto at\u1ef3 amiko ny sorona dorana sy ny sorona iombonana.\u201d Dia nanolotra ny sorona dorana izy.",
"10": "Vao vitany anefa ny fanolorana ny sorona dorana, dia tonga i Samoela. Nivoaka hitsena azy \u00e0ry i Saoly sady niarahaba azy.",
"11": "Ary hoy i Samoela: \u201cFa inona ity nataonao?\u201d Dia hoy i Saoly: \u201cHitako fa niala tsikelikely teto amiko ny olona, dia ianao koa tsy tonga tamin\u2019ilay fotoana nolazainao, nefa ny Filistinina efa tafangona ao Mikmasy.",
"12": "Dia nieritreritra aho hoe: \u2018Hidina hamely ahy eto Gilgala izao ny Filistinina, nefa izaho mbola tsy nanao izay hahazoana sitraka amin\u2019i Jehovah.\u2019 Dia voatery nanolotra ny sorona dorana aho.\u201d",
"13": "Dia hoy i Samoela taminy: \u201cTena nanao hadalana mihitsy ianao. Tsy nankatoavinao ny didy nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao. Raha nankat\u00f2 anefa ianao, dia ho nataon\u2019i Jehovah mafy orina mandrakizay teo amin\u2019ny Israely ny fanjakanao.",
"14": "Tsy haharitra anefa izao ny fanjakanao. Hifidy lehilahy sitraky ny fony i Jehovah, ary hotendren\u2019i Jehovah ho mpitarika ny vahoakany izy, satria ianao tsy nankat\u00f2 an\u2019izay nandidian\u2019i Jehovah anao.\u201d",
"15": "Ary niala tao Gilgala i Samoela, ka niakatra nankany Gibea, tan\u00e0nan\u2019ny fokon\u2019i Benjamina. Dia nisain\u2019i Saoly ny olona mbola teo aminy, ary nisy 600\u00a0lahy teo ho eo izy ireo.",
"16": "Ary nijanona tao Geban\u2019i Benjamina i Saoly sy Jonatana zanany ary ny olona mbola niaraka tamin\u2019izy ireo. Ny Filistinina kosa nitoby tao Mikmasy.",
"17": "Ary nisy andiana miaramila nivoaka avy tao amin\u2019ny tobin\u2019ny Filistinina, dia nizara telo izy ireo. Ny iray nandeha tamin\u2019ny lalana mankany Ofra ho any Soala,",
"18": "ny iray tamin\u2019ny lalan\u2019i Beti-horona, ary ny fahatelo kosa nandeha tamin\u2019ny lalana mankany amin\u2019ny sisin-tany, any amin\u2019ilay ahatazanana ny lohasahan\u2019i Zeboima, mankany an-tany efitra.",
"19": "Tsy nahitana mpanefy teo amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely manontolo tamin\u2019izany, satria hoy ny Filistinina: \u201cAmin\u2019izay ny Hebreo tsy manamboatra sabatra na lefona.\u201d",
"20": "Koa tsy maintsy nidina tany amin\u2019ny Filistinina ny Israelita rehetra rehefa handranitra lelan\u2019angadinomby na lap\u00ecka na famaky na antsy fijinjana.",
"21": "Iray pima ny saran\u2019ny fandranitana ny lelan\u2019angadinomby, na ny lap\u00ecka, na ny fitaovana telo rantsana, na ny famaky, ary toy izany koa ny fametahana lohana fanindronana omby.",
"22": "Tsy nisy nanana sabatra na lefona \u00e0ry ny olona niaraka tamin\u2019i Saoly sy Jonatana rehefa nisy ady. I Saoly sy Jonatana zanany ihany no nanana fitaovam-piadiana.",
"23": "Ary nisy andiana miaramilan\u2019ny Filistinina nivoaka avy tao an-toby ka nankeo amin\u2019ilay lalana fiampitana an\u2019ilay tevana ao Mikmasy."
},
"14": {
"1": "Indray andro, dia hoy i Jonatana zanak\u2019i Saoly tamin\u2019ilay mpanompo nitondra ny fiadiany: \u201cAndao hiampita er\u1ef3 amin\u2019ny tobin\u2019ny Filistinina, er\u1ef3 ampita er\u1ef3.\u201d Tsy niteniteny tamin-drainy anefa izy.",
"2": "Nijanona teny akaikin\u2019i Gibea i Saoly tamin\u2019izay, teo ambanin\u2019ilay ampongabendanitra naniry tao Migrona, ary nisy 600\u00a0lahy teo ho eo niaraka taminy.",
"3": "\u2014I Ahia zanak\u2019i Ahitoba, rahalahin\u2019i Ikaboda, zanak\u2019i Finehasa, zanak\u2019i Ely, mpisoron\u2019i Jehovah tao Silo, no nanao ny efoda tamin\u2019izany.\u2014Ary tsy fantatry ny olona hoe lasa i Jonatana.",
"4": "Nisy harambato miendrika nify teo amin\u2019ny lalana niezahan\u2019i Jonatana nandehanana mba hiampitana teny amin\u2019ny tobin\u2019ny Filistinina. Ny iray teo amin\u2019ny andaniny, ary ny iray teo amin\u2019ny ankilany. Bozeza no anaran\u2019ny harambato iray, ary Sene no anaran\u2019ny iray.",
"5": "Hoatran\u2019ny andry ny harambato iray, ary teo avaratra tandrifin\u2019i Mikmasy no nisy azy. Ny harambato iray kosa teo atsimo tandrifin\u2019i Geba.",
"6": "Ary hoy i Jonatana tamin\u2019ilay mpitondra ny fiadiany: \u201cAndao hiampita er\u1ef3 amin\u2019ny tobin\u2019ireo lehilahy tsy mifora ireo. Angamba hanampy antsika i Jehovah. Tsy misy mahasakana an\u2019i Jehovah tsy hamonjy mantsy, na maro isika na vitsy.\u201d",
"7": "Dia hoy ilay mpitondra ny fiadiany: \u201cAtaovy izay sitraky ny fonao. Mandehana any amin\u2019izay tianao, fa hanaraka anao aho na aiza na aiza sitraky ny fonao.\u201d",
"8": "Ary hoy i Jonatana: \u201cHiampita hankeny amin-dry zareo isika, dia hataontsika izay hahitany antsika.",
"9": "Raha milaza amintsika ry zareo hoe: \u2018Aza mihetsika mandra-pahatonganay eny aminareo!\u2019, dia hijanona eo amin\u2019izay misy antsika isika, fa tsy hiakatra hankeny aminy.",
"10": "Raha milaza kosa ry zareo hoe: \u2018Miakara hiady aminay!\u2019, dia hiakatra isika, satria hataon\u2019i Jehovah resintsika ireo. Izany no ho famantarana ho antsika.\u201d",
"11": "Dia nataon\u2019izy roa lahy nahatazana azy ireo ny Filistinina tao amin\u2019ilay tobin\u2019ny mpitily. Ary hoy ny Filistinina: \u201cIreny ny Hebreo fa nivoaka avy tany amin\u2019ny lavaka niafenany.\u201d",
"12": "Dia niteny tamin\u2019i Jonatana sy ilay mpitondra ny fiadiany ireo lehilahy tao amin\u2019ilay toby hoe: \u201cMiakara et\u1ef3 aminay, fa hataonay mahita faisana ianareo!\u201d Tonga dia niteny tamin\u2019ilay mpitondra ny fiadiany i Jonatana hoe: \u201cAraho aho, fa hataon\u2019i Jehovah resin\u2019ny Israely ireo.\u201d",
"13": "Dia nandady niakatra i Jonatana, ary nanaraka azy ilay mpitondra ny fiadiany. Nasian\u2019i Jonatana ny Filistinina ka lavo, ary ilay mpitondra ny fiadiany kosa namono azy ireo ho faty tao aoriany.",
"14": "Lehilahy 20 teo ho eo no matin\u2019i Jonatana sy ilay mpitondra ny fiadiany, tamin\u2019ilay fanafihana voalohany teo amin\u2019ny velaran-tany ampahefatry ny hektara teo ho eo.",
"15": "Dia nihorohoro ny olona tao amin\u2019ny toby teny ambanivohitra, sy ny olona rehetra tao amin\u2019ilay tobin\u2019ny mpitily. Na ireo andiana miaramila mpanafika aza natahotra be koa. Ary nanomboka nihovotrovotra ny tany, ka nataon\u2019Andriamanitra nihorohoro izy ireo.",
"16": "Dia hitan\u2019ireo mpiambina an\u2019i Saoly tao Gibea, tan\u00e0nan\u2019ny fokon\u2019i Benjamina, fa nisy sahotaka be eran\u2019ilay toby.",
"17": "Hoy i Saoly tamin\u2019ireo olona niaraka taminy: \u201cMba isao kely ny olona, ka jereo hoe iza no tsy ao.\u201d Rehefa nanisa izy ireo, dia hitany fa tsy teo i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany.",
"18": "Dia hoy i Saoly tamin\u2019i Ahia: \u201cEnto at\u1ef3 ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra!\u201d Teo amin\u2019ny Israelita mantsy ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra tamin\u2019izay fotoana izay.",
"19": "Raha mbola niresaka tamin\u2019ilay mpisorona i Saoly, dia vao mainka nisahotaka be ny tao amin\u2019ny tobin\u2019ny Filistinina. Dia hoy i Saoly tamin\u2019ilay mpisorona: \u201cAjan\u00f2ny izay ataonao!\u201d",
"20": "Nifamory \u00e0ry i Saoly sy ny olona rehetra niaraka taminy, dia nankeny amin\u2019ilay toerana nisy ady. Hitan\u2019izy ireo nifamely tamin\u2019ny sabatra ny Filistinina, ary tena nifanjevo be mihitsy.",
"21": "Ary ny Hebreo izay niandany tamin\u2019ny Filistinina ka niara-niakatra tamin\u2019izy ireo nankao an-toby, dia nanjary nanohana ny Israely notarihin\u2019i Saoly sy Jonatana.",
"22": "Ary henon\u2019ny lehilahy israelita rehetra niafina tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima fa nandositra ny Filistinina. Dia mba nanenjika azy ireny koa izy ireo ka niady taminy.",
"23": "Novonjen\u2019i Jehovah \u00e0ry ny Israely tamin\u2019iny andro iny. Ary nitohy hatrany Beti-avena ny ady.",
"24": "Reraka be anefa ireo lehilahy israelita tamin\u2019iny andro iny, satria i Saoly nampanao fianianana azy ireo hoe: \u201cVoaozona izay olona mihinan-kanina alohan\u2019ny takariva, mandra-pamitako ny valifatiko amin\u2019ny fahavaloko!\u201d Koa tsy nisy nihinan-kanina ny olona.",
"25": "Dia nankany an\u2019ala ny olona rehetra, ary nisy tantely teny amin\u2019ny tany.",
"26": "Nahita tantely nitete izy ireo rehefa tonga tao anaty ala, nefa tsy nisy na iray aza sahy nampakatra ny tanany tao am-bavany mba hanandrana an\u2019ilay izy. Natahotra an\u2019ilay fianianana mantsy izy ireo.",
"27": "I Jonatana kosa tsy nahare an\u2019ilay fianianana nasain\u2019ny rainy nataon\u2019ny olona. Natsobony tao amin\u2019ilay toho-tantely \u00e0ry ny tendron\u2019ilay tehina teny an-tanany. Rehefa nataony tao am-bavany ny tanany, dia nihiratra ny masony.",
"28": "Dia hoy ny iray tamin\u2019ny olona: \u201cNy rainao efa nanao teny hentitra tamin\u2019izy nampanao fianianana hoe: \u2018Voaozona izay olona mihinan-kanina androany!\u2019 Izany no mahatonga ny olona ho reraka be.\u201d",
"29": "Hoy anefa i Jonatana: \u201cNahatonga loza lehibe tamin\u2019ny tanintsika ny raiko. Jereo fa mihiratra er\u1ef3 ny masoko satria nanandrana an\u2019iny tantely kely iny aho.",
"30": "Mainka moa fa hoe afaka nihinana tamin\u2019ny zavatra nobaboina tamin\u2019ireo fahavalony ny olona androany! Ho betsaka lavitra ny Filistinina maty.\u201d",
"31": "Tsy nitsahatra namely an\u2019ireo Filistinina izy ireo tamin\u2019iny andro iny, hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona. Dia reraka be ny olona.",
"32": "Nifandrombaka naka ny zavatra azo babo \u00e0ry izy ireo, ka naka ondry sy omby ary zanak\u2019omby, dia namono an\u2019ireny teo amin\u2019ny tany. Ary nohanin\u2019izy ireo niaraka tamin\u2019ny rany ny hena.",
"33": "Koa nisy niteny tamin\u2019i Saoly hoe: \u201cManota amin\u2019i Jehovah ny olona, fa mihinana hena miaraka amin\u2019ny rany.\u201d Dia hoy i Saoly: \u201cEfa nivadika ianareo. Manakodiava vato lehibe manket\u1ef3 amiko izao dia izao.\u201d",
"34": "Hoy izy avy eo: \u201cMandehana tetezo ny olona ka teneno hoe: \u2018Samia mitondra ny ombiny sy ny ondriny ka vonoy eto ireny, ary hano. Aza hanina miaraka amin\u2019ny rany anefa ny hena fa fahotana amin\u2019i Jehovah izany.\u2019\u201d Dia samy nitondra ny ombiny ny tsirairay tamin\u2019iny alina iny, ary namono azy ireny teo.",
"35": "Ary nanorina alitara ho an\u2019i Jehovah i Saoly. Io no alitara voalohany naoriny ho an\u2019i Jehovah.",
"36": "Hoy i Saoly avy eo: \u201cAndao hidina hanenjika ny Filistinina anio alina, ka handroba azy mandra-pahazavan\u2019ny andro. Hataontsika tsy misy miangana ireny na iray aza.\u201d Dia hoy ny olona: \u201cAtaovy izay hitanao fa mety.\u201d Hoy ny mpisorona avy eo: \u201cAndao isika hanatona an\u2019ilay tena Andriamanitra eto.\u201d",
"37": "Ary nanontany an\u2019Andriamanitra i Saoly hoe: \u201cHidina hanenjika ny Filistinina ve aho? Hataonao resin\u2019ny Israely ve izy ireo?\u201d Tsy namaly azy anefa Andriamanitra tamin\u2019iny andro iny.",
"38": "Hoy \u00e0ry i Saoly: \u201cAvia at\u1ef3 ianareo rehetra lehiben\u2019ny vahoaka, ka fantaro hoe inona no fahotana nataon\u2019ny olona androany.",
"39": "Fa raha mbola velona koa i Jehovah, ilay namonjy ny Israely, na i Jonatana zanako aza no nanao an\u2019izany, dia tsy maintsy ho faty izy.\u201d Tsy nisy namaly azy anefa ny olona.",
"40": "Dia hoy izy tamin\u2019ny Israely rehetra: \u201cAleo ianareo ho eo amin\u2019ny andaniny iray, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho eo amin\u2019ny andaniny iray.\u201d Dia hoy ny olona tamin\u2019i Saoly: \u201cAtaovy izay hitanao fa mety.\u201d",
"41": "Ary hoy i Saoly tamin\u2019i Jehovah: \u201cRy Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4! Mba valio amin\u2019ny alalan\u2019ny Tomima izahay.\u201d Dia i Jonatana sy Saoly no voafidy, fa ny olona kosa afaka.",
"42": "Hoy i Saoly: \u201cManaova antsapaka mba hahitana hoe izaho sa Jonatana zanako no nanota.\u201d Ary i Jonatana no voafidy.",
"43": "Hoy i Saoly avy eo tamin\u2019i Jonatana: \u201cLazao ahy izay nataonao.\u201d Dia hoy i Jonatana: \u201cNanandrana tantely kely avy teo amin\u2019ny tendron\u2019ity tehina et\u1ef3 an-tanako ity fotsiny aho. Int\u1ef3 aho, vonona ho faty!\u201d",
"44": "Dia hoy i Saoly: \u201cHofaizin\u2019Andriamanitra anie aho, raha tsy ho faty tokoa ianao, ry Jonatana!\u201d",
"45": "Hoy anefa ny olona tamin\u2019i Saoly: \u201cHo faty ve i Jonatana, nefa izy no nahatonga an\u2019izao fandresena lehibe teo amin\u2019ny Israely izao? Sanatria izany! Raha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy hisy ho latsaka amin\u2019ny tany na dia ny singam-bolony iray aza. Fa noho ny fanampian\u2019Andriamanitra no nahavitany an\u2019izany androany.\u201d Toy izany no namonjen\u2019ny olona an\u2019i Jonatana, ka tsy maty izy.",
"46": "Dia tsy nanenjika ny Filistinina intsony i Saoly, ka nody tany amin\u2019ny taniny ny Filistinina.",
"47": "Nanamafy orina ny fanjakany teo amin\u2019ny Israely i Saoly, ka niady tamin\u2019ny fahavalony rehetra manodidina, dia ny Moabita, ny Amonita, ny Edomita, ireo mpanjakan\u2019i Zoba, ary ny Filistinina. Resiny izy ireny tany amin\u2019izay rehetra nalehany.",
"48": "Ary be herim-po izy rehefa niady, ka nandresy an\u2019ireo Amalekita sy namonjy ny Israely tamin\u2019ny mpandroba azy.",
"49": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019i Saoly: I Jonatana sy Jisvy ary Malkisoa. Ary nanan-janaka roa vavy izy. Meraba no anaran\u2019ny vavimatoa, ary Mikala no anaran\u2019ny zandriny.",
"50": "Ny anaran\u2019ny vadin\u2019i Saoly dia Ahinoama, zanak\u2019i Ahimaza. Ny anaran\u2019ny lehiben\u2019ny tafiny dia Abnera, zanak\u2019i Nera, dadatoan\u2019i Saoly.",
"51": "I Kisy no rain\u2019i Saoly. Ary zanak\u2019i Abiela i Nera rain\u2019i Abnera.",
"52": "Nafotaka ny ady tamin\u2019ny Filistinina, tamin\u2019ny andron\u2019i Saoly. Dia nalain\u2019i Saoly ho anisan\u2019ny miaramilany izay lehilahy hitany hoe matanjaka na mahery\u00a0fo."
},
"15": {
"1": "Dia hoy i Samoela tamin\u2019i Saoly: \u201cNirahin\u2019i Jehovah hanosotra anao ho mpanjakan\u2019ny Israely vahoakany aho. Koa henoy ny tenin\u2019i Jehovah.",
"2": "Izao no nolazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Hataoko ampamoaka ny Amalekita noho ny nataony, tamin\u2019izy ireo nanohitra ny Israely teny an-dalana rehefa niakatra avy tany Ejipta ny Israely.",
"3": "Mandehana \u00e0ry, ka asio ny Amalekita ary aringano tanteraka izy ireo sy izay rehetra ananany. Aza avela hisy hiangana izy ireo fa vonoy ho faty, na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza, na omby na ondry, na rameva na ampondra.\u2019\u201d",
"4": "Dia novorin\u2019i Saoly ny olona, ary nisainy tao Telaima: Nisy 200\u00a0000 ny miaramila mpandeha an-tongotra, ary 10\u00a0000 ny avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda.",
"5": "Dia nandroso hatrany amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Amaleka i Saoly, ka niafina teo akaikin\u2019ny lohasaha mba hanafika azy.",
"6": "Ary hoy i Saoly tamin\u2019ny Kenita: \u201cMandehana miala fa aza miaraka amin\u2019ny Amalekita, mba tsy handringanako anareo miaraka aminy. Naneho fitiavana sy tsy nivadika tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely rehetra mantsy ianareo, tamin\u2019izy ireo niakatra avy tany Ejipta.\u201d Dia niala tao Amaleka ny Kenita.",
"7": "Taorian\u2019izay dia namely an\u2019ireo Amalekita hatrany Havila ka hatrany Sora, akaikin\u2019i Ejipta, i Saoly.",
"8": "Nataony sambo-belona i Agaga mpanjakan\u2019i Amaleka, fa ny olon-kafa rehetra kosa naringany tanteraka tamin\u2019ny sabatra.",
"9": "Tsy novonoin\u2019i Saoly sy ny olona anefa i Agaga sy ny tsara indrindra tamin\u2019ny ondry aman\u2019osy, ny omby, ny biby nohatavezina, ny ondrilahy, ary izay zavatra tsara rehetra. Tsy tian\u2019izy ireo haringana tanteraka izy ireny. Naringany tanteraka kosa ny zava-drehetra tsy nisy dikany sy tsy nilaina.",
"10": "Ary niteny tamin\u2019i Samoela i Jehovah hoe:",
"11": "\u201cManenina aho noho ny nanaovako an\u2019i Saoly ho mpanjaka, satria niala tamiko izy sady tsy nanatanteraka ny teniko.\u201d Dia kivy be i Samoela, ka nitaraina mafy tamin\u2019i Jehovah izy ny alina tontolo.",
"12": "Rehefa nifoha maraina i Samoela mba hihaona tamin\u2019i Saoly, dia nisy nilaza taminy hoe: \u201cNankany Karmela i Saoly, ary nanangana tsangambato hahatsiarovana ny tenany, dia avy eo izy niverina ary nidina nankany Gilgala.\u201d",
"13": "Tonga tany amin\u2019i Saoly i Samoela tamin\u2019ny farany, dia hoy i Saoly taminy: \u201cHotahin\u2019i Jehovah anie ianao! Efa nanatanteraka ny tenin\u2019i Jehovah aho.\u201d",
"14": "Hoy anefa i Samoela: \u201cKoa inona izany feon\u2019ondry aman\u2019osy ren\u2019ny sofiko sy feon\u2019omby henoko izany?\u201d",
"15": "Dia hoy i Saoly: \u201cBiby nentin\u2019ny olona avy tany amin\u2019ny Amalekita izany. Tsy novonoin\u2019izy ireo izay tsara indrindra tamin\u2019ny ondry aman\u2019osy sy ny omby, mba hatao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Fa ny sisa kosa naringanay tanteraka.\u201d",
"16": "Ary hoy i Samoela tamin\u2019i Saoly: \u201cAoka izay! Aleo holazaiko aminao izay notenenin\u2019i Jehovah tamiko tamin\u2019ny alina.\u201d Koa niteny taminy i Saoly hoe: \u201cLazao \u00e0ry!\u201d",
"17": "Dia hoy i Samoela: \u201cTsy nihevitra ny tenanao ho tsy nisy dikany ve ianao, tamin\u2019ianao lasa lehiben\u2019ireo foko teo amin\u2019ny Israely sy nohosoran\u2019i Jehovah ho mpanjakan\u2019ny Israely?",
"18": "Naniraka anao i Jehovah tat\u1ef3 aoriana, ka nilaza hoe: \u2018Mandehana aringano tanteraka ireo Amalekita mpanota ireo. Miadia aminy mandra-pahalany tamingana azy.\u2019",
"19": "Koa maninona ianao no tsy nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah? Maika er\u1ef3 ianao nangorona ny zavatra azo babo, ka nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah!\u201d",
"20": "Hoy anefa i Saoly tamin\u2019i Samoela: \u201cIzaho ange nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah\u00a0e! Nataoko izay nanirahan\u2019i Jehovah ahy. Nentiko i Agaga mpanjakan\u2019i Amaleka, ary naringako tanteraka ny Amalekita.",
"21": "Fa ny olona no naka ondry sy omby avy tamin\u2019ny zavatra azo babo. Nalain-dry zareo ny tsara indrindra tamin\u2019ny zavatra voatokana haringana, mba hatao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao eto Gilgala.\u201d",
"22": "Dia hoy i Samoela: \u201cNy fanatitra dorana sy sorona ve no tian\u2019i Jehovah kokoa noho ny mankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah? Ny mankat\u00f2 no tsara kokoa noho ny sorona, ary ny mihaino no tsara kokoa noho ny tavin\u2019ondrilahy.",
"23": "Fa manota mitovy amin\u2019ny olona manao sikidy ihany ny olona mikomy, ary mitovy amin\u2019izay mampiasa herin\u2019ny maizina sy manompo sampy ihany izay sahisahy ratsy. Noho ianao tsy niraharaha ny tenin\u2019i Jehovah, dia tsy ekeny ho mpanjaka intsony ianao.\u201d",
"24": "Ary hoy i Saoly tamin\u2019i Samoela: \u201cEfa nanota aho, satria nandika ny baikon\u2019i Jehovah sy ny teninao. Natahotra ny olona mantsy aho, ka nihaino ny tenin-dry zareo.",
"25": "Mba avelao re ny fahotako\u00a0e, ary miverena miaraka amiko mba hiankohofako eo anatrehan\u2019i Jehovah.\u201d",
"26": "Hoy anefa i Samoela taminy: \u201cIzaho tsy hiverina hiaraka aminao, fa efa tsy niraharaha ny tenin\u2019i Jehovah ianao, ka tsy eken\u2019i Jehovah ho mpanjakan\u2019ny Israely intsony.\u201d",
"27": "Rehefa nihodina handeha i Samoela, dia notazonin\u2019i Saoly ny morontongotr\u2019ilay akanjony tsy misy tanany, ka rovitra.",
"28": "Dia hoy i Samoela: \u201cEfa norovitin\u2019i Jehovah hiala aminao ny fanjakan\u2019ny Israely androany, ka homeny ho an\u2019olona tsara kokoa noho ianao.",
"29": "Ary tsy handainga na hiova hevitra ilay Hajaina Indrindra eo amin\u2019ny Israely, satria tsy olombelona izy ka hoe tokony hiova hevitra.\u201d",
"30": "Dia hoy i Saoly: \u201cEfa nanota aho. Fa mba omeo voninahitra eo anatrehan\u2019ny anti-panahy eo amin\u2019ny vahoakako sy eo anatrehan\u2019ny Israely re aho\u00a0e! Miverena miaraka amiko, ary hiankohoka eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao aho.\u201d",
"31": "Dia niverina nanaraka an\u2019i Saoly i Samoela. Ary niankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah i Saoly.",
"32": "Dia hoy i Samoela: \u201cEnto at\u1ef3 amiko i Agaga mpanjakan\u2019i Amaleka.\u201d Niahotrahotra i Agaga nankany aminy. Efa nieritreritra mantsy izy hoe: \u201cTsy atahorana hisy hamono intsony aho.\u201d",
"33": "Hoy anefa i Samoela: \u201cNaripaky ny sabatrao ny zanaky ny vehivavy, ka mba haripaka koa ny zanaky ny reninao, ary izy no halahelo indrindra amin\u2019ny vehivavy rehetra.\u201d Dia notetitetehin\u2019i Samoela teo anatrehan\u2019i Jehovah tao Gilgala i Agaga.",
"34": "Dia lasa nankany Rama i Samoela, ary i Saoly niakatra nankany an-tranony tao Gibea tan\u00e0nan\u2019i Saoly.",
"35": "Tsy nahita an\u2019i Saoly intsony i Samoela mandra-pahafatiny. Nalahelo be mantsy izy noho ny nataon\u2019i Saoly. Ary nanenina i Jehovah noho ny nanaovany an\u2019i Saoly ho mpanjakan\u2019ny Israely."
},
"16": {
"1": "Farany, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Samoela: \u201cMandra-pahoviana ianao no halahelo be noho ny nataon\u2019i Saoly, nefa izy aza efa tsy nekeko ho mpanjakan\u2019ny Israely intsony? Fenoy menaka ilay tandroka any aminao, dia mandehana. Hirahiko hankany amin\u2019i Jese Betlehemita ianao, fa efa nifidy anankiray amin\u2019ireo zanany lahy ho mpanjaka aho.\u201d",
"2": "Fa hoy i Samoela: \u201cIzaho ve dia hankany? Raha henon\u2019i Saoly izany, dia hovonoiny ho faty aho.\u201d Dia namaly i Jehovah hoe: \u201cMitondr\u00e0 vantotr\u2019ombivavy, dia izao tenenina: \u2018Tonga hanao sorona ho an\u2019i Jehovah aho.\u2019",
"3": "Asao ho any amin\u2019ilay toerana hanaovana sorona i Jese, dia hampahafantariko anao izay tokony hataonao. Hosory ho ahy izay hatoroko anao.\u201d",
"4": "Dia nataon\u2019i Samoela izay nolazain\u2019i Jehovah. Rehefa tonga tany Betlehema izy, dia nihorohoro ny anti-panahy tao an-tan\u00e0na rehefa nihaona taminy, ka niteny hoe: \u201cFihavanana ve no ahatongavanao?\u201d",
"5": "Dia namaly izy hoe: \u201cIe, fihavanana! Tonga hanao sorona ho an\u2019i Jehovah aho. Hamasino ny tenanareo, dia andao hiaraka amiko any amin\u2019ilay toerana hanaovana sorona.\u201d Ary nohamasininy i Jese sy ireo zanany lahy, ka nantsoiny ho any amin\u2019ilay toerana hanaovana sorona.",
"6": "Dia tonga izy ireo. Rehefa nahita an\u2019i Eliaba i Samoela, dia hoy izy: \u201cTena io mijoro eo anatrehan\u2019i Jehovah io ilay voahosotra notendreny.\u201d",
"7": "Hoy anefa i Jehovah tamin\u2019i Samoela: \u201cAza mifantoka amin\u2019ny bika aman\u2019endriny sy ny halavany, fa tsy izy ilay nofidiko. Fa tsy toy ny fijerin\u2019ny olona ny fijerin\u2019Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan\u2019ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.\u201d",
"8": "Dia nantsoin\u2019i Jese i Abinadaba, ka nasainy nankeo anoloan\u2019i Samoela, nefa hoy i Samoela: \u201cTsy nifidy an\u2019io koa i Jehovah.\u201d",
"9": "Nasehon\u2019i Jese koa i Sama, nefa hoy i Samoela: \u201cTsy nifidy an\u2019io koa i Jehovah.\u201d",
"10": "Nasain\u2019i Jese nankeo anoloan\u2019i Samoela \u00e0ry ny fito tamin\u2019ny zanany lahy, nefa nilaza tamin\u2019i Jese i Samoela hoe: \u201cTsy nisy nofidin\u2019i Jehovah ireo.\u201d",
"11": "Farany, dia hoy i Samoela: \u201cIreo daholo ve ny zanakao lahy rehetra?\u201d Dia hoy i Jese: \u201cIlay faralahy sisa no tsy eo, fa mbola miandry ondry.\u201d Hoy \u00e0ry i Samoela tamin\u2019i Jese: \u201cManiraha olona haka azy, fa tsy hipetraka hisakafo isika raha tsy tonga eto izy.\u201d",
"12": "Dia naniraka olona haka azy i Jese ary nentina teo izy. Somary mena ilay zazalahy, tsara be ny masony, ary izy koa tsara tarehy. Dia hoy i Jehovah: \u201cMitsang\u00e0na ka hosory izy, fa io no izy!\u201d",
"13": "Noraisin\u2019i Samoela \u00e0ry ilay tandroka nisy menaka, ka nanosotra an\u2019i Davida teo anatrehan\u2019ireo rahalahiny izy. Ary nanome hery an\u2019i Davida ny fanahin\u2019i Jehovah, nanomboka tamin\u2019iny andro iny. Dia nitsangana i Samoela avy eo, ka lasa nankany Rama.",
"14": "Niala tamin\u2019i Saoly ny fanahin\u2019i Jehovah, ary navelan\u2019i Jehovah hikorontan-tsaina izy ka lasa nihorohoro.",
"15": "Dia hoy ny mpanompon\u2019i Saoly taminy: \u201cJereo fa lasa mihorohoro ianao satria navelan\u2019Andriamanitra hikorontan-tsaina.",
"16": "Raha sitrakao, tompoko, dia omeo baiko ny mpanomponao izay eto anatrehanao, mba hitady olona mahay mitendry harpa. Isaky ny avelan\u2019Andriamanitra hikorontan-tsaina ianao, dia hitendry harpa ilay olona, ka hilamina kokoa ny sainao.\u201d",
"17": "Koa niteny tamin\u2019ny mpanompony i Saoly hoe: \u201cMba itadiavo olona mahay mitendry \u00e0ry aho, dia ento at\u1ef3 amiko izy.\u201d",
"18": "Dia nilaza ny iray tamin\u2019ny mpanompo hoe: \u201cMisy zanak\u2019i Jese Betlehemita efa hitako nitendry harpa sady mahay be. Miaramila matanjaka sy mahery fo izy. Mahay mandaha-teny koa izy sady tsara tarehy, ary momba azy i Jehovah.\u201d",
"19": "Dia naniraka olona hankany amin\u2019i Jese i Saoly, mba hiteny hoe: \u201cAlefaso at\u1ef3 amiko i Davida zanakao, ilay miandry ondry.\u201d",
"20": "Dia naka mofo sy divay eran\u2019ny siny hoditra ary zanak\u2019osy i Jese, ka nataony teo ambony ampondra. Ary nalefany tany amin\u2019i Saoly izany, niaraka tamin\u2019i Davida zanany.",
"21": "Dia tonga tany amin\u2019i Saoly i Davida ka nanompo azy. Ary tena tian\u2019i Saoly izy, ka lasa mpitondra ny fiadiany.",
"22": "Naniraka olona nankany amin\u2019i Jese \u00e0ry i Saoly, mba hiteny hoe: \u201cMba avelao i Davida hanompo ahy at\u1ef3, fa mahafinaritra ahy izy.\u201d",
"23": "Isaky ny navelan\u2019Andriamanitra hikorontan-tsaina i Saoly, dia nandray harpa i Davida ka nitendry izany. Dia nahatsiaro ho maivamaivana i Saoly sady nilamin-tsaina kokoa, ary tsy nikorontan-tsaina intsony."
},
"17": {
"1": "Ary nangonin\u2019ny Filistinina ny miaramilany mba hiady. Tafangona tao Soko any Joda izy ireo, dia nitoby tao Efesa-damima, eo anelanelan\u2019i Soko sy Azeka.",
"2": "Tafangona koa i Saoly sy ny lehilahy israelita, ka nitoby teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Elaha. Dia nilahatra hiady tamin\u2019ny Filistinina izy ireo.",
"3": "Teo amin\u2019ny tendrombohitra iray ny Filistinina, ary ny Israelita kosa ter\u1ef3 ampita, teo amin\u2019ny tendrombohitra iray hafa, ka lohasaha no nanelanelana azy ireo.",
"4": "Ary nisy miaramila iray solontenan\u2019ny tafiky ny Filistinina nivoaka avy tao amin\u2019ny tobin\u2019izy ireo. Goliata no anarany. Avy any Gata izy, ary enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.",
"5": "Nanao fiarovan-doha varahina izy, ary nanao akanjo nisy takela-barahina nifanindritsindry hoatran\u2019ny kiran-trondro. Nilanja 5\u00a0000 sekely ilay akanjo varahina.",
"6": "Nisy fiarovan-dranjo varahina teo amin\u2019ny tongony, ary nisy lefom-pohy varahina tao an-damosiny.",
"7": "Toy ny voditenon\u2019ny mpanenona ny tahon\u2019ny lefony, ary vy nilanja 600 sekely ny lela lefony. Ary nandeha teo alohany ny mpitondra ny ampingany.",
"8": "Dia nijoro izy ka nivazavaza tamin\u2019ireo miaramilan\u2019ny Israely hoe: \u201cFa maninona ianareo no milahatra hiady? Izaho no Filistinina mahay miady indrindra eto, fa ianareo mpanompon\u2019i Saoly! Mifidiana lehilahy iray, dia asaivo midina et\u1ef3 izy hiady amiko.",
"9": "Raha mahavita miady amiko izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay. Fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.\u201d",
"10": "Hoy koa izy: \u201cAvia izay sahy hiady amiko ianareo miaramilan\u2019ny Israely ireo! Andefaso lehilahy iray aho hifanandrina amiko!\u201d",
"11": "Rehefa nahare an\u2019izay nolazain\u2019ilay Filistinina i Saoly sy ny Israely rehetra, dia nihorohoro sy natahotra\u00a0be.",
"12": "I Davida dia zanak\u2019ilay Efratita atao hoe Jese, avy any Betleheman\u2019i Joda. Nanan-janaka valo mirahalahy i Jese, ary efa antitra izy tamin\u2019ny andron\u2019i Saoly.",
"13": "Nanaraka an\u2019i Saoly tany an\u2019ady ny telo lahy zokiny indrindra tamin\u2019ny zanak\u2019i Jese. Ireto avy ny anaran\u2019ireo zanany telo lahy lasa tany an\u2019ady ireo: Eliaba no lahimatoa, Abinadaba no faharoa, ary Sama no fahatelo.",
"14": "I Davida no faralahy. Ary lasa nanaraka an\u2019i Saoly izy telo lahy zokiny indrindra.",
"15": "Ary nivezivezy nankany amin\u2019i Saoly sy niandry ny ondrin-drainy tany Betlehema i Davida.",
"16": "Ilay Filistinina kosa, tamin\u2019izany, nanatona ka nijoro teo anatrehan\u2019ny Israelita isa-maraina sy isan-kariva nandritra ny 40\u00a0andro.",
"17": "Ary hoy i Jese tamin\u2019i Davida zanany: \u201cMisy voam-bary natono iray efaha sy mofo folo ireto. Mba ento ireto dia atero haingana any amin\u2019ny rahalahinao any an-toby.",
"18": "Ento ho an\u2019ny lehiben\u2019ny arivo koa ireto fromazy folo ireto. Ary jereo hoe manao ahoana ny rahalahinao, ka itondrao porofo avy any amin-dry zareo aho mba hamantarako hoe tsy maninona ry zareo.\u201d",
"19": "Niaraka tamin\u2019i Saoly sy ny lehilahy israelita rehetra teo amin\u2019ilay Lohasahan\u2019i Elaha ireo zanak\u2019i Jese, mba hiady tamin\u2019ny Filistinina.",
"20": "Nifoha maraina \u00e0ry i Davida, dia nampiandraiketiny olon-kafa ny ondriny. Ary nalainy ny entana ka lasa izy, araka izay nasain\u2019i Jese nataony. Dia tonga teo amin\u2019ny sisin\u2019ny toby izy. Nivoaka nankeny an\u2019ady ny tafika tamin\u2019izay, ka nihorakoraka nanao hiakan\u2019ady.",
"21": "Dia nilahatra ny tafiky ny Israely sy ny tafiky ny Filistinina, ka nifanatrika mba hiady.",
"22": "Tonga dia navelan\u2019i Davida teo amin\u2019ny mpiambina entana ny entany, ka nihazakazaka nankeny amin\u2019ireo miaramila izy. Rehefa tonga teny izy, dia nanontany hoe manao ahoana ny rahalahiny.",
"23": "Raha mbola niresaka izy, dia iny fa tonga ilay miaramila solontenan\u2019ny Filistinina. Goliata no anarany, ary Filistinina avy any Gata izy. Nivoaka avy tao amin\u2019ny laharan\u2019ny tafiky ny Filistinina izy, ary nilaza izay efa noteneniny teo aloha ihany. Dia henon\u2019i Davida ny teniny.",
"24": "Rehefa nahita an\u2019i Goliata ny lehilahy israelita rehetra, dia nandositra sady nihorohoro.",
"25": "Ary hoy ny lehilahy israelita: \u201cHitanareo ve iny lehilahy mivoaka avy any iny? Tonga mba hila ady amin\u2019ny Israely iny. Homen\u2019ny mpanjaka harem-be, hono, izay lehilahy mahafaty an\u2019iny, dia homeny ho vadiny ny zanany vavy. Ny ankohonan-drain\u2019izany lehilahy izany koa, hono, tsy hampanaovina adidy eto amin\u2019ny Israely intsony.\u201d",
"26": "Dia hoy i Davida tamin\u2019ireo lehilahy nijoro teo akaikiny: \u201cHatao ahoana tsara hoe izay lehilahy mahafaty an\u2019io Filistinina io, ka mahavita manala an\u2019izao fahafaham-barakan\u2019ny Israely izao? Fa iza koa io Filistinina tsy mifora io no mila ady amin\u2019ny tafik\u2019ilay Andriamanitra velona?\u201d",
"27": "Dia naverin\u2019ny olona taminy ilay resaka teo aloha hoe: \u201cIzany sy izany no hatao amin\u2019izay lehilahy mahafaty azy.\u201d",
"28": "Ary nandre an\u2019i Davida nifampiresaka tamin\u2019ireo lehilahy ireo i Eliaba zokiny lahimatoa. Dia tezitra tamin\u2019i Davida izy, ka niteny hoe: \u201cManinona ianao no nidina at\u1ef3? Iza izao no nampiandrasinao an\u2019ireo ondry vitsivitsy any an-tany efitra? Fantatro tsara fa olona mirehareha sy fetsifetsy ratsy ianao. Hijery ady fotsiny no nidinanao at\u1ef3.\u201d",
"29": "Ary hoy i Davida: \u201cFa inona koa izao no nataoko teo? Mba manontany fotsiny ange aho\u00a0e!\u201d",
"30": "Niala teo aminy \u00e0ry izy, ka nankeo amin\u2019ny olon-kafa indray ary nanontany hoatran\u2019ilay teo ihany. Ary toy ny teo aloha ihany ny valin-teny azony.",
"31": "Henon\u2019ny olona ny tenin\u2019i Davida, ka nisy niresaka an\u2019izany tamin\u2019i Saoly. Nasain\u2019i Saoly nantsoina \u00e0ry izy.",
"32": "Hoy i Davida tamin\u2019i Saoly: \u201cAza avela hampiraviravy tanana na iza na iza io lehilahy io. Fa ny mpanomponao no handeha hiady amin\u2019io Filistinina io.\u201d",
"33": "Hoy anefa i Saoly tamin\u2019i Davida: \u201cTsy ho vitanao ny hiady amin\u2019io Filistinina io satria mbola kely ianao. Fa izy efa miaramila hatramin\u2019izy mbola tanora.\u201d",
"34": "Dia hoy i Davida taminy: \u201cIzaho mpanomponao no lasa mpiandry ny ondry sy osin\u2019ny dadanay, ary nisy liona tonga ka naka ondry iray tamin\u2019ny andian\u2019ondry. Dia nisy fotoana koa nisy orsa nanao hoatr\u2019izany.",
"35": "Dia lasa nanenjika azy aho ka namely azy ary namonjy an\u2019ilay ondry teny am-bavany. Rehefa nitsangana hamely ahy izy, dia notazoniko tamin\u2019ny volony, ary nasiako izy ka matiko.",
"36": "Samy novonoin\u2019ny mpanomponao na ilay liona na ilay orsa. Ho toy ny iray amin\u2019ireny koa io Filistinina tsy mifora io, noho izy nila ady tamin\u2019ny tafik\u2019ilay Andriamanitra velona.\u201d",
"37": "Hoy koa i Davida: \u201cI Jehovah, ilay namonjy ahy teo an-tanan\u2019ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy eo an-tanan\u2019io Filistinina io.\u201d Dia hoy i Saoly taminy: \u201cMandehana \u00e0ry! Hanampy anao anie i Jehovah!\u201d",
"38": "Dia nampanaovin\u2019i Saoly an\u2019i Davida ny akanjony. Nosatrohany fiarovan-doha varahina ny lohany, ary nampanaoviny akanjo varahina izy.",
"39": "Ary nafatotr\u2019i Davida teo amin\u2019ny akanjony ny sabatr\u2019i Saoly. Dia nanandrana nandeha izy nefa tsy afaka, satria tsy zatra nanao an\u2019ireny. Dia hoy i Davida tamin\u2019i Saoly: \u201cTsy afaka mandeha aho raha manao an\u2019ireto, fa mbola tsy mahazatra ahy ireto.\u201d Nesorin\u2019i Davida daholo \u00e0ry ilay izy.",
"40": "Ary naka ny tehiny izy, dia nifidy vato dimy malama teny amin\u2019ny lohasaha, ka nataony tao anaty kitapo fitondrany miandry ondry izany. Nisy pilotra koa teny an-tanany. Dia nanatona an\u2019ilay Filistinina izy.",
"41": "Nanatona tsikelikely an\u2019i Davida ilay Filistinina, ary teo alohany ilay mpitondra ny ampingany.",
"42": "Rehefa nijery izy ka nahita an\u2019i Davida, dia nanambanimbany azy satria mbola kely i Davida, sady somary mena no tsara tarehy.",
"43": "Dia hoy ilay Filistinina tamin\u2019i Davida: \u201cAlika angaha aho no tehina no entin\u2019ialahy miady amiko?\u201d Nanozona an\u2019i Davida tamin\u2019ny anaran\u2019ireo andriamaniny \u00e0ry izy.",
"44": "Hoy izy tamin\u2019i Davida: \u201cAvia ialahy et\u1ef3, fa homeko ho an\u2019ny voro-manidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon\u2019ialahy.\u201d",
"45": "Hoy i Davida taminy: \u201cIanao hiady amiko amin\u2019ny sabatra sy lefona ary lefom-pohy, fa izaho kosa hiady aminao amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely izay nilanao ady.",
"46": "Androany no hataon\u2019i Jehovah resiko ianao, ka hovonoiko ianao ary hotapahiko ny lohanao. Androany koa no homeko ho an\u2019ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin\u2019izay ao an-tobin\u2019ny Filistinina. Dia ho fantatry ny olona eran-tany fa manana Andriamanitra ny Israely.",
"47": "Ary ho fantatr\u2019izay rehetra tafangona eto fa tsy sabatra na lefona no amonjen\u2019i Jehovah, satria an\u2019i Jehovah ny ady. Ary hataony resinay ianareo rehetra.\u201d",
"48": "Dia nihananatona an\u2019i Davida ilay Filistinina mba hifanandrina taminy. I Davida kosa nihazakazaka haingana nankeo amin\u2019ny tafiky ny fahavalo mba hifanandrina tamin\u2019ilay Filistinina.",
"49": "Natsofok\u2019i Davida tao anaty kitapony ny tanany, ka naka vato iray tao izy. Dia nandefa izany tamin\u2019ny pilotra izy ka nahavoa an\u2019ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Ary nilentika teo amin\u2019ny handrin\u2019ilay Filistinina ilay vato, ka nianjera nihohoka tamin\u2019ny tany izy.",
"50": "Resin\u2019i Davida \u00e0ry ilay Filistinina. Pilotra sy vato no nampiasainy mba hamelezana azy. Vitan\u2019i Davida ny namono azy ho faty, nefa tsy nisy sabatra teny an-tanany.",
"51": "Mbola nihazakazaka ihany i Davida ka nitsangana teo akaikiny. Ary nalainy ny sabatr\u2019ilay Filistinina ka notsoahany tamin\u2019ny tranony, dia notapahiny tamin\u2019iny ny lohany mba ho azo antoka hoe tena maty izy. Rehefa hitan\u2019ireo Filistinina hoe maty ilay miaramilany matanjaka, dia nitsoaka nandositra izy ireo.",
"52": "Dia nihorakoraka ny lehilahy israelita sy ny lehilahy avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda, sady nanenjika an\u2019ireo Filistinina, nanomboka teo amin\u2019ilay lohasaha ka hatrany amin\u2019ny vavahadin\u2019i Ekrona. Ary niampatrampatra teny an-dalana ny fatin\u2019ny Filistinina, nanomboka teo Saraima ka hatrany Gata sy Ekrona.",
"53": "Rehefa avy nanenjika akaiky an\u2019ireo Filistinina ny Israelita, dia niverina ary nandroba ny tobiny.",
"54": "Ary nalain\u2019i Davida ny lohan\u2019ilay Filistinina ka nentiny tany Jerosalema. Ny fitaovam-piadian\u2019ilay Filistinina kosa nataony tao amin\u2019ny tranolainy.",
"55": "Tamin\u2019i Saoly nahita an\u2019i Davida nivoaka hiady tamin\u2019ilay Filistinina, dia hoy izy tamin\u2019i Abnera, lehiben\u2019ny tafika: \u201cZanak\u2019iza iny ankizilahy iny, ry Abnera?\u201d Dia hoy i Abnera: \u201cMianiana aminao aho, ry mpanjaka, fa tena tsy fantatro!\u201d",
"56": "Ary hoy ny mpanjaka: \u201cAnontanio hoe zanak\u2019iza iny tovolahy iny.\u201d",
"57": "Vao niverina avy namono an\u2019ilay Filistinina i Davida, dia nentin\u2019i Abnera teo anatrehan\u2019i Saoly. Ary teny an-tanan\u2019i Davida ny lohan\u2019ilay Filistinina.",
"58": "Dia hoy i Saoly taminy: \u201cZanak\u2019iza ianao, anaka?\u201d Ary hoy i Davida: \u201cZanak\u2019i Jese Betlehemita mpanomponao.\u201d"
},
"18": {
"1": "Vao avy niresaka tamin\u2019i Saoly i Davida, dia lasa mpinamana be i Davida sy Jonatana. Tia azy hoatran\u2019ny tenany mihitsy i Jonatana.",
"2": "Notazonin\u2019i Saoly tany aminy i Davida nanomboka tamin\u2019iny andro iny, fa tsy navelany hiverina tany an-tranon-drainy intsony.",
"3": "Ary nanao fifanekena i Jonatana sy Davida, satria tia azy hoatran\u2019ny tenany mihitsy i Jonatana.",
"4": "Dia nesorin\u2019i Jonatana ilay akanjo tsy misy tanany nanaovany, ka nomeny an\u2019i Davida. Nomeny azy koa ny akanjo fitondrany miady, ny sabany, ny tsip\u00eckany, ary ny fehikibony.",
"5": "Dia nanomboka nivoaka niady i Davida, ary nandresy foana izy na taiza na taiza nandefasan\u2019i Saoly azy. Nasain\u2019i Saoly niandraikitra an\u2019ireo lehilahy mpiady \u00e0ry izy. Dia nahafaly ny olona rehetra sy ny mpanompon\u2019i Saoly izany.",
"6": "Rehefa tafaverina avy namely an\u2019ireo Filistinina i Davida sy ny olona niaraka taminy, dia nisy vehivavy nivoaka avy tany amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra teo amin\u2019ny Israely mba hitsena an\u2019i Saoly Mpanjaka. Falifaly be izy ireo ary nihira sy nandihy tamin\u2019ny feon\u2019ampongatapaka sy mand\u00f4linina.",
"7": "Ary izao ny hiran\u2019ireo vehivavy nandihindihy ireo: \u201cI Saoly nahafaty an\u2019arivoarivony, Fa i Davida kosa nahafaty an\u2019alinaliny.\u201d",
"8": "Dia tezitra be i Saoly. Tsy tiany ilay hira ka hoy izy: \u2018Ny an\u2019i Davida nataony an\u2019alinaliny, nefa ny ahy nataony an\u2019arivoarivony. Ny fanjakana ihany sisa no tsy nomena azy!\u2019",
"9": "Dia niahiahy an\u2019i Davida foana i Saoly nanomboka tamin\u2019iny andro iny, ka hita tamin\u2019ny fijeriny azy izany.",
"10": "Navelan\u2019Andriamanitra hikorontan-tsaina i Saoly ny ampitson\u2019iny, ka lasa nanao fihetsika hafahafa izy tao an-trano. Teo am-pitendrena harpa toy ny fanaony i Davida tamin\u2019izay. Ary nisy lefona teny an-tanan\u2019i Saoly,",
"11": "dia natorany ilay lefona sady niteny anakampo izy hoe: \u2018Hataoko mifantsika amin\u2019ny rindrina i Davida!\u2019 Nahay niala indroa anefa i Davida.",
"12": "Dia natahotra an\u2019i Davida i Saoly satria nanampy azy i Jehovah, fa i Saoly kosa efa nialany.",
"13": "Nasain\u2019i Saoly niala tao aminy \u00e0ry i Davida, ka notendreny ho lehiben\u2019ny arivo. Ary nitarika ny miaramila tany an\u2019ady i Davida.",
"14": "Nahomby foana izy tamin\u2019izay rehetra nataony, ary nanampy azy i Jehovah.",
"15": "Rehefa hitan\u2019i Saoly fa tena nahomby i Davida, dia lasa natahotra azy izy.",
"16": "Tia an\u2019i Davida anefa ny Israely sy ny Joda rehetra, satria izy no nitarika azy ireo rehefa nisy ady.",
"17": "Tat\u1ef3 aoriana, dia hoy i Saoly tamin\u2019i Davida: \u201cIo i Meraba zanako vavimatoa, homeko ho vadinao. Mbola tokony hahery fo foana anefa ianao rehefa manompo ahy ka hiady ny adin\u2019i Jehovah.\u201d Hoy mantsy i Saoly tany an-tsainy tany: \u201cAleo tsy ny tanako no hamely azy, fa ny tanan\u2019ny Filistinina.\u201d",
"18": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Saoly: \u201cMba inona moa izay izaho, ary mba inona eto amin\u2019ny Israely moa ny fianakavian\u2019ny raiko, no ho lasa vinanton\u2019ny mpanjaka aho?\u201d",
"19": "Rehefa tonga anefa ny fotoana hanomezana an\u2019i Meraba zanakavavin\u2019i Saoly ho an\u2019i Davida, dia efa nomena ho vadin\u2019i Adriela Meholatita izy.",
"20": "Ary raiki-pitia tamin\u2019i Davida i Mikala zanakavavin\u2019i Saoly. Nisy nitatitra tany amin\u2019i Saoly izany, ka faly izy.",
"21": "Dia hoy i Saoly: \u2018Homeko azy i Mikala mba hamandrihana azy, ka hamelezan\u2019ny Filistinina azy.\u2019 Niteny fanindroany tamin\u2019i Davida \u00e0ry i Saoly hoe: \u201cHo lasa vinantolahiko ianao androany.\u201d",
"22": "Nanome baiko ny mpanompony koa i Saoly hoe: \u201cResaho mangingina i Davida hoe: \u2018Tian\u2019ny mpanjaka ianao, ary tia anao daholo ny mpanompony rehetra. Meteza ho lasa vinantolahin\u2019ny mpanjaka.\u2019\u201d",
"23": "Rehefa nilaza an\u2019izany tamin\u2019i Davida ny mpanompon\u2019i Saoly, dia hoy i Davida: \u201cHeverinareo fa zavatra moramora angaha izany hoe lasa vinantolahin\u2019ny mpanjaka izany? Izaho ange lehilahy mahantra sady tsy dia asian\u2019ny olona vidiny\u00a0e!\u201d",
"24": "Dia nitantara tamin\u2019i Saoly ny mpanompony hoe: \u201cIzany sy izany no tenin\u2019i Davida.\u201d",
"25": "Hoy \u00e0ry i Saoly: \u201cIzao no holazainareo amin\u2019i Davida: \u2018Tsy vodiondry no tadiavin\u2019ny mpanjaka, fa tsitsy esorina amin\u2019ny lehilahy filistinina 100, mba hamaliana faty an\u2019ireo fahavalon\u2019ny mpanjaka ireo.\u2019\u201d Ny hamonoan\u2019ny Filistinina an\u2019i Davida anefa no tetik\u2019i Saoly.",
"26": "Dia nolazain\u2019ny mpanompon\u2019i Saoly tamin\u2019i Davida izany, ka tian\u2019i Davida ny ho lasa vinantolahin\u2019ny mpanjaka. Raha mbola tsy tonga ilay fotoana nomena,",
"27": "dia niainga i Davida sy ny olony ka lasa namono Filistinina 200 lahy. Dia nentin\u2019i Davida tany amin\u2019ny mpanjaka ny tsitsy nesorina tamin\u2019ireo Filistinina ireo, mba hahatonga azy ho vinantolahin\u2019ny mpanjaka. Nomen\u2019i Saoly ho vadin\u2019i Davida \u00e0ry i Mikala zanany vavy.",
"28": "Dia hitan\u2019i Saoly fa nanampy an\u2019i Davida i Jehovah. Hitany koa fa tia an\u2019i Davida i Mikala zanany vavy.",
"29": "Vao mainka \u00e0ry natahotra an\u2019i Davida i Saoly, ka lasa fahavalon\u2019i Davida izy mandra-pahafatiny.",
"30": "Ary nivoaka hiady tamin\u2019ny Israely ireo andrianan\u2019ny Filistinina. Isaky ny nanao an\u2019izany izy ireo, dia i Davida no nahomby kokoa noho ny mpanompon\u2019i Saoly rehetra. Lasa nomena voninahitra be \u00e0ry ny anaran\u2019i Davida."
},
"19": {
"1": "Nilaza tamin\u2019i Jonatana zanany sy ny mpanompony rehetra i Saoly tat\u1ef3 aoriana, fa tiany hovonoina ho faty i Davida.",
"2": "Tia be an\u2019i Davida anefa i Jonatana zanak\u2019i Saoly, ka hoy izy tamin\u2019i Davida: \u201cMitady hamono anao i Saoly raiko. Mba mitandrema tsara re ianao rahampitso maraina\u00a0e! Mandehana any amin\u2019ny toerana tsy misy mahalala ary miafena any.",
"3": "Izaho kosa handeha hijoro eo akaikin\u2019i Dada any amin\u2019ilay saha izay hisy anao. Dia hiresaka aminy momba anao aho. Ho hitako eo izay heviny dia holazaiko anao.\u201d",
"4": "Zavatra tsara momba an\u2019i Davida \u00e0ry no noresahin\u2019i Jonatana tamin\u2019i Saoly rainy. Hoy izy: \u201cTsy tokony hanisy ratsy an\u2019i Davida mpanompony ny mpanjaka, satria izy tsy nanisy ratsy anao ary nahasoa anao izay nataony ho anao.",
"5": "Fa nanao vivery ny ainy izy mba hamonoana an\u2019ilay Filistinina, ka nataon\u2019i Jehovah nahazo fandresena lehibe ny Israely rehetra. Ary faly be ianao nahita an\u2019izany. Koa nahoana ianao no hanota ka handatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny, dia hamono an\u2019i Davida tsy amin\u2019antony?\u201d",
"6": "Nihaino an\u2019i Jonatana i Saoly ka nianiana hoe: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy hovonoina ho faty izy.\u201d",
"7": "Nantsoin\u2019i Jonatana i Davida avy eo, ka nilazany an\u2019izany rehetra izany. Dia nentiny teo amin\u2019i Saoly i Davida, ka nanompo azy toy ny teo aloha indray.",
"8": "Nipoaka indray ny ady tat\u1ef3 aoriana. Dia nivoaka hiady tamin\u2019ny Filistinina i Davida ary namely azy, ka be dia be no maty. Ary nandositra azy ny Filistinina.",
"9": "Ary navelan\u2019i Jehovah hikorontan-tsaina i Saoly tamin\u2019izy nipetraka tao an-tranony, ary teny an-tanany ny lefony. Teo am-pitendrena harpa i Davida tamin\u2019izay.",
"10": "Notorahan\u2019i Saoly tamin\u2019ny lefona izy, ary saika hataony mifantsika amin\u2019ny rindrina. Nahay niala anefa i Davida, ka ny rindrina no voany tamin\u2019ny lefona. Dia nandositra i Davida tamin\u2019iny alina iny ka tsy niharan-doza.",
"11": "Ary nisy olona nirahin\u2019i Saoly taorian\u2019izay mba hanao andry maso ny tranon\u2019i Davida, sy hamono azy ho faty ny ampitso maraina. Nilaza tamin\u2019i Davida anefa i Mikala vadiny hoe : \u201cRaha tsy mandositra izao alina izao ianao, dia ho faty rahampitso.\u201d",
"12": "Dia nampidinin\u2019i Mikala avy teo am-baravarankely avy hatrany i Davida, mba ho afaka handositra ka tsy hiharan-doza.",
"13": "Dia naka sarivongana terafima i Mikala ka nataony teo am-pandriana izany, ary nasiany lamba volon\u2019osy makarakara teo amin\u2019izay tokony hisy ny lohan\u2019i Davida. Dia norakofany lamba ilay sarivongana.",
"14": "Naniraka olona hisambotra an\u2019i Davida i Saoly, nefa hoy i Mikala: \u201cMarary izy.\u201d",
"15": "Naniraka olona hijery an\u2019i Davida indray \u00e0ry i Saoly, sady hoy izy: \u201cEnto at\u1ef3 amiko eo ambony fandrianany izy, mba hovonoina ho faty.\u201d",
"16": "Rehefa niditra ireo olona nirahiny, dia nahita an\u2019ilay sarivongana terafima teo am-pandriana, sy ilay lamba volon\u2019osy makarakara teo amin\u2019izay tokony hisy ny lohan\u2019i Davida.",
"17": "Ary hoy i Saoly tamin\u2019i Mikala: \u201cFa maninona aho no nofitahinao hoatr\u2019izao, dia nalefanao ilay fahavaloko? Izao izy izao afaka nandositra!\u201d Dia hoy i Mikala tamin\u2019i Saoly: \u201cIzy no niteny tamiko hoe: \u2018Avelao aho handeha, fa raha tsy izany dia hovonoiko ianao!\u2019\u201d",
"18": "Nitsoaka nandositra i Davida ka tonga tany amin\u2019i Samoela tao Rama. Ary notantarainy tamin\u2019i Samoela daholo ny zavatra nataon\u2019i Saoly taminy. Dia lasa izy sy Samoela ka nipetraka tao Naiota.",
"19": "Nisy nilaza tamin\u2019i Saoly tat\u1ef3 aoriana hoe: \u201cAo Naiota any Rama i Davida!\u201d",
"20": "Tonga dia naniraka olona hisambotra an\u2019i Davida i Saoly. Rehefa nahita an\u2019ireo mpaminany zokiolona naminany ny olona nirahin\u2019i Saoly, sady nahita an\u2019i Samoela nitsangana nitarika an\u2019ireo mpaminany ireo, dia niasa tamin\u2019izy ireo ny fanahin\u2019Andriamanitra. Lasa nanao hoatran\u2019ny mpaminany koa izy ireo.",
"21": "Rehefa nisy nilaza an\u2019izany tamin\u2019i Saoly, dia naniraka olon-kafa avy hatrany izy, nefa nanao hoatran\u2019ny mpaminany koa izy ireo. Nandefa andiany fahatelo indray \u00e0ry i Saoly, nefa mbola nanao toy izany koa izy ireo.",
"22": "Farany, dia izy mihitsy no nankany Rama. Rehefa tonga teo amin\u2019ilay lavaka lehibe fanangonan-drano tao Seko izy, dia nanontany hoe: \u201cAiza i Samoela sy Davida?\u201d Dia hoy ny olona: \u201cAo Naiota, any Rama.\u201d",
"23": "Rehefa nanohy ny diany nankany Naiota any Rama i Saoly, dia niasa taminy koa ny fanahin\u2019Andriamanitra. Sady nandeha izy no nanao hoatran\u2019ny mpaminany, mandra-pahatongany tao Naiota any Rama.",
"24": "Nesoriny koa ny akanjony sady nanao hoatran\u2019ny mpaminany teo anatrehan\u2019i Samoela izy. Ary nidaboka teo izy sady nitanjaka, nandritra iny andro iny sy ny alina manontolo. Izany no nahatonga ny olona hiteny hoe: \u201cMpaminany koa angaha i Saoly?\u201d"
},
"20": {
"1": "Dia nandositra niala tao Naiota any Rama i Davida. Nankany amin\u2019i Jonatana anefa izy ka nilaza taminy hoe: \u201cFa inona no nataoko? Inona no fahadisoako, ary inona no ratsy nataoko tamin\u2019ny dadanao no mitady hamono ahy izy?\u201d",
"2": "Dia hoy i Jonatana: \u201cSanatria izany! Tsy ho faty izany ianao! Lazain\u2019i Dada amiko daholo ange izay zavatra hataony\u00a0e, na kely na lehibe. Inona moa no antony hanafenany an\u2019izany amiko? Tsy hitranga mihitsy izany!\u201d",
"3": "Mbola nianiana ihany anefa i Davida ary niteny hoe: \u201cFantatry ny dadanao tsara fa mahazo sitraka aminao aho, dia mety ho nilaza izy hoe: \u2018Aza atao fantatr\u2019i Jonatana izany, sao ho tezitra izy.\u2019 Raha mbola velona koa anefa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsoriko aminao fa indray mandingana sisa no manelanelana ahy amin\u2019ny fahafatesana!\u201d",
"4": "Hoy \u00e0ry i Jonatana tamin\u2019i Davida: \u201cHataoko ho anao daholo izay teneninao.\u201d",
"5": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Jonatana: \u201cTsinam-bolana rahampitso dia tokony hiara-misakafo amin\u2019ny mpanjaka aho. Fa izao: Avelao aho handeha, dia hiafina any an-tsaha hatramin\u2019ny rahafakampitso hariva.",
"6": "Ary raha tsikaritry ny dadanao fa tsy eo aho, dia lazao hoe: \u2018Niera tamiko i Davida mba handeha vetivety ho any an-tan\u00e0nany any Betlehema, satria misy sorona fanao isan-taona hataon\u2019izy mianakavy any.\u2019",
"7": "Raha miteny izy hoe: \u2018Tsara izany!\u2019, dia midika izany hoe tsy misy tokony hatahoran\u2019ny mpanomponao. Fa raha tezitra kosa izy, dia minoa ianao fa efa masaka ao an-tsainy ny hanisy ratsy ahy.",
"8": "Koa aza mivadika fa tiavo foana izaho mpanomponao, satria efa nampanaovinao fifanekena taminao teo anatrehan\u2019i Jehovah ny mpanomponao. Raha meloka anefa aho, dia aleo ianao no hamono ahy ho faty. Fa maninona aho no hoentinao any amin\u2019ny dadanao?\u201d",
"9": "Hoy \u00e0ry i Jonatana: \u201cTsy hanao an\u2019izany aminao aho! Raha fantatro fa ny hanisy ratsy anao no efa masaka ao an-tsain\u2019i Dada, dia tsy holazaiko aminao ve izany?\u201d",
"10": "Ary hoy i Davida tamin\u2019i Jonatana: \u201cDia iza no hilaza amiko hoe tezitra na tsia ny dadanao rehefa namaly anao?\u201d",
"11": "Hoy i Jonatana tamin\u2019i Davida: \u201cAndao ho any an-tsaha.\u201d Dia nivoaka nankany an-tsaha izy roa lahy.",
"12": "Ary hoy i Jonatana taminy: \u201cI Jehovah Andriamanitry ny Israely anie no ho vavolombelona fa hofantariko tsara izay ao an-tsain\u2019i Dada, rahampitso tokotokony ho hoatr\u2019izao na rahafakampitso. Raha vonona hanisy soa an\u2019i Davida izy, izaho ve dia tsy haniraka olona hampahafantatra an\u2019izany anao?",
"13": "Raha mitady hanisy ratsy anao kosa i Dada, dia hofaizin\u2019i Jehovah anie aho, raha tsy mampahafantatra an\u2019izany anao sy mandefa anao soa aman-tsara. Hanampy anao anie i Jehovah, toy ny nataony tamin\u2019i Dada!",
"14": "Enga anie ianao ho tia ahy foana sy tsy hivadika amiko, hoatran\u2019ny ataon\u2019i Jehovah, raha mbola velona koa aho ary na dia rehefa maty aza.",
"15": "Ho tianao foana koa anie ny ankohonako ary tsy hivadika aminy mihitsy ianao, na dia rehefa haringan\u2019i Jehovah tsy ho et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany aza ny fahavalon\u2019i Davida rehetra.\u201d",
"16": "Nanao fifanekena tamin\u2019ny taranak\u2019i Davida \u00e0ry i Jonatana, ary nilaza hoe: \u201cHosazin\u2019i Jehovah sy hataony ampamoaka ny fahavalon\u2019i Davida.\u201d",
"17": "Koa nasain\u2019i Jonatana nianiana indray i Davida noho ny fitiavany azy. Tiany toy ny tenany mihitsy mantsy izy.",
"18": "Ary hoy i Jonatana taminy: \u201cTsinam-bolana rahampitso, ka ho hitan-dry zareo hoe tsy eo ianao satria ho banga ny toeranao.",
"19": "Ary vao mainka ho hita be rahafakampitso hoe tsy eo ianao. Tongava eto, eto amin\u2019ity toerana ity, ilay niafenanao tamin\u2019ilay indray\u00a0mandeha iny, ary mijan\u00f2na eto akaikin\u2019ity vato ity.",
"20": "Handefa zana-tsip\u00ecka telo eo akaikin\u2019io aho, ka ho hoatran\u2019ny hoe mikendry zavatra.",
"21": "Ary haniraka mpanompo aho ka hiteny hoe: \u2018Mandehana tadiavo ireo zana-tsip\u00ecka.\u2019 Raha milaza aminy aho hoe: \u2018Jereo fa eny akaikinao eny ny zana-tsip\u00ecka, ka alaivo\u2019, dia afaka miverina ianao. Raha mbola velona koa mantsy i Jehovah, dia midika ho fiadanana ho anao izany ary tsy misy atahorana.",
"22": "Fa raha milaza amin\u2019ilay ankizilahy kosa aho hoe: \u2018Jereo fa any alohanao any ireo zana-tsip\u00ecka\u2019, dia mandehana fa efa nandefa anao i Jehovah.",
"23": "Ary raha ny momba an\u2019ilay fianianana nifanaovantsika sy ianao, dia enga anie i Jehovah no ho vavolombelona eo amintsika mandrakizay!\u201d",
"24": "Niafina tany an-tsaha \u00e0ry i Davida. Rehefa tsinana ny volana, dia naka toerana mba hisakafo ny mpanjaka.",
"25": "Ary nipetraka teo amin\u2019ny seza fipetrahany teo akaikin\u2019ny rindrina ny mpanjaka. I Jonatana no nifanatrika taminy, ary i Abnera no nipetraka teo akaikin\u2019i Saoly, fa banga kosa ny toeran\u2019i Davida.",
"26": "Ary tsy niteny na inona na inona mihitsy i Saoly tamin\u2019iny andro iny, fa hoy izy anakampo: \u2018Nisy zavatra nitranga angamba, dia tsy madio izy. Ie, tena izay mihitsy! Tsy madio izy.\u2019",
"27": "Mbola banga ihany ny toeran\u2019i Davida ny ampitson\u2019ny tsinam-bolana, tamin\u2019ny andro faharoa. Dia hoy i Saoly tamin\u2019i Jonatana zanany: \u201cFa maninona no tsy tonga nisakafo ny zanak\u2019i Jese, na omaly na androany?\u201d",
"28": "Namaly an\u2019i Saoly i Jonatana hoe: \u201cNiera tamiko i Davida hoe hankany Betlehema.",
"29": "Niteny tamiko izy hoe: \u2018Mba avelao aho handeha, fa misy sorona ataon\u2019ny fianakavianay any an-tan\u00e0na, ary ny rahalahiko mihitsy no niantso ahy ho any. Raha mahazo sitraka aminao aho, dia mba avelao aho hitsoriaka kely hijery ny rahalahiko.\u2019 Izany no antony tsy nahatongavany teto amin\u2019ny latabatry ny mpanjaka.\u201d",
"30": "Dia tezitra be tamin\u2019i Jonatana i Saoly, ka hoy izy taminy: \u201cIlay zanaky ny vehivavy mpikomy ity! Heverin\u2019ialahy fa tsy fantatro angaha hoe iny zanak\u2019i Jese iny no tohanan\u2019ialahy? Ho afa-baraka amin\u2019izany ialahy sy ny renin\u2019ialahy!",
"31": "Raha mbola velona eto an-tany koa iny zanak\u2019i Jese iny, dia tsy haharitra ialahy sy ny fanjakan\u2019ialahy. Maniraha olona haka azy ary ento at\u1ef3 amiko izy, fa tsy maintsy hovonoina ho faty.\u201d",
"32": "Niteny tamin\u2019i Saoly rainy anefa i Jonatana hoe: \u201cFa maninona izy no tokony hovonoina ho faty? Fa inona no nataony?\u201d",
"33": "Dia notorahan\u2019i Saoly lefona i Jonatana mba hamelezana azy. Fantatr\u2019i Jonatana \u00e0ry fa efa masaka tao an-tsain-drainy ny hamono an\u2019i Davida ho faty.",
"34": "Tonga dia nitsangana avy teo an-databatra i Jonatana sady tezitra be. Ary tsy nihinan-kanina izy tamin\u2019iny andro iny, satria nalahelo be an\u2019i Davida sady nalain\u2019ny rainy baraka.",
"35": "Nivoaka nankany an-tsaha i Jonatana ny ampitso maraina, mba hamonjy an\u2019ilay fotoana nifanaovany tamin\u2019i Davida. Ary nisy mpanompo tanora iray niaraka taminy.",
"36": "Hoy izy tamin\u2019ilay mpanompony: \u201cMihazakazaha dia mba tadiavo izay zana-tsip\u00ecka halefako.\u201d Dia nihazakazaka ilay mpanompo, ary nalefan\u2019i Jonatana tany alohany ny zana-tsip\u00ecka.",
"37": "Rehefa tonga teny amin\u2019ilay toerana nisy ny zana-tsip\u00ecka nalefan\u2019i Jonatana ilay mpanompo, dia niantsoantso i Jonatana hoe: \u201cTsy mbola any alohanao any ve ilay zana-tsip\u00ecka?\u201d",
"38": "Mbola niantsoantso an\u2019ilay mpanompo ihany i Jonatana hoe: \u201cHaingana ianao! Mandehana haingana! Aza mitaraikiraiky!\u201d Dia nalain\u2019ilay mpanompon\u2019i Jonatana ireo zana-tsip\u00ecka ary nentiny nankeny amin\u2019ny tompony.",
"39": "Tsy naharaka ny dikan\u2019izay nitranga ilay mpanompo, fa i Jonatana sy Davida ihany no nahalala an\u2019izany.",
"40": "Dia nomen\u2019i Jonatana an\u2019ilay mpanompony ny fitaovam-piadiany, ary hoy izy taminy: \u201cMandehana, ento any an-tan\u00e0na ireto.\u201d",
"41": "Rehefa lasa ilay mpanompo dia nipoitra avy teo atsimo, tsy lavitra teo, i Davida. Ary nandohalika izy ka niankohoka tamin\u2019ny tany intelo. Dia nifanoroka izy roa lahy ary samy nitomany, fa i Davida no tena nitomany be.",
"42": "Ary hoy i Jonatana tamin\u2019i Davida: \u201cMandehana ary mirary soa ho anao aho, fa efa samy nianiana tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah isika hoe: \u2018Enga anie i Jehovah no ho vavolombelona amiko sy aminao, ary amin\u2019ny taranako sy ny taranakao, mandrakizay!\u2019\u201d Dia nitsangana i Davida ary lasa nandeha, fa i Jonatana kosa niverina tao an-tan\u00e0na."
},
"21": {
"1": "Nankany amin\u2019i Ahimeleka mpisorona tany Noba i Davida, tat\u1ef3 aoriana. Dia natahotra i Ahimeleka rehefa nahita an\u2019i Davida, ka niteny hoe: \u201cManinona ianao no mandeha irery, fa tsy misy miaraka aminao?\u201d",
"2": "Hoy i Davida tamin\u2019i Ahimeleka mpisorona: \u201cNisy zavatra nasain\u2019ny mpanjaka nataoko, nefa nanafatrafatra izy hoe: \u2018Aza atao fantatr\u2019olona izao asa anirahako anao izao sy ny toromarika nomeko anao.\u2019 Nanao fotoana any ananona izaho sy ireo tovolahy miaraka amiko.",
"3": "Fa raha misy mofo dimy ao aminao, dia mba omeo ahy. Na izay misy ao omena.\u201d",
"4": "Hoy anefa ilay mpisorona: \u201cTsy misy mofo tsotra ao, fa mofo masina ihany. Izay no homeko raha tsy nikasi-behivavy ireo tovolahy.\u201d",
"5": "Ary hoy i Davida tamin\u2019ilay mpisorona: \u201cTsy nikasi-behivavy mihitsy izahay hoatran\u2019ny efa fanaonay teo aloha rehefa nivoaka hiady. Efa masina ireo tovolahy ireo na dia asa tsotsotra aza no anirahana azy. Koa tsy vao mainka tokony ho masina ve ry zareo androany?\u201d",
"6": "Nomen\u2019ilay mpisorona azy \u00e0ry ny mofo masina. Tsy nisy mofo mantsy tao afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anatrehan\u2019i Jehovah ka nosoloana mofo vaovao tamin\u2019ny andro nanesorana azy.",
"7": "Ary teo ny iray tamin\u2019ny mpanompon\u2019i Saoly tamin\u2019iny andro iny, fa voatery nijanona teo anatrehan\u2019i Jehovah izy. Doega no anarany, Edomita izy, ary lehiben\u2019ny mpiandry ondrin\u2019i Saoly.",
"8": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Ahimeleka: \u201cSao dia mba misy lefona na sabatra ato aminao? Tsy voaraiko mantsy ny sabatro sy ny fitaovam-piadiako, fa maika be ilay asa nanirahan\u2019ny mpanjaka ahy.\u201d",
"9": "Dia hoy ilay mpisorona: \u201cAo ny sabatr\u2019i Goliata Filistinina, ilay novonoinao teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Elaha. Mifono lamba ao ambadiky ny efoda ilay izy. Raha tianao hoentina ilay izy, dia ento satria tsy misy afa-tsy iny ato.\u201d Ary hoy i Davida: \u201cAiza indray no hisy hoatran\u2019iny, fa iny omena ahy!\u201d",
"10": "Dia lasa i Davida tamin\u2019iny andro iny, ary mbola nandositra an\u2019i Saoly ihany izy. Tonga tany amin\u2019i Akisy mpanjakan\u2019i Gata izy tamin\u2019ny farany.",
"11": "Hoy ny mpanompon\u2019i Akisy: \u201cTsy io ve ilay Davida mpanjakan\u2019ilay tany? Tsy izy ve no nanaovan\u2019ny olona dihy sy hira hoe: \u2018I Saoly nahafaty an\u2019arivoarivony, Fa i Davida kosa nahafaty an\u2019alinaliny\u2019?\u201d",
"12": "Nandray am-po an\u2019izany teny izany i Davida, ka lasa natahotra be an\u2019i Akisy mpanjakan\u2019i Gata.",
"13": "Mody adala teo anatrehan\u2019izy ireo \u00e0ry izy sady nanao very saina, tamin\u2019izy teo amin\u2019izy ireo. Nosoratsoratany ny vavahady, ary navelany hiraraka tamin\u2019ny volombavany ny iviny.",
"14": "Ary hoy i Akisy tamin\u2019ny mpanompony: \u201cEfa hitanareo fa adala io lehilahy io, koa maninona no entinareo at\u1ef3 amiko?",
"15": "Tsy ampy olona adala angaha eto amiko no mbola mila an\u2019ity iray ity koa aho mba hanondrana eto anatrehako? Io ve dia avela hiditra ny tranoko?\u201d"
},
"22": {
"1": "Niala tao \u00e0ry i Davida, ka nandositra nankany amin\u2019ilay lava-bato ao Adolama. Rehefa naheno an\u2019izany ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy manontolo, dia nidina nankany aminy.",
"2": "Ary nankany aminy izay rehetra nanana olana, sy bokan-trosa, ary niharan\u2019ny tsy rariny. Dia lasa lehiben\u2019izy ireo i Davida. Lehilahy 400 teo ho eo no niaraka taminy.",
"3": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niala tao i Davida ka nankany Mizpe any Moaba. Ary hoy izy tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Moaba: \u201cMba avelao re ny raiko sy ny reniko hipetraka at\u1ef3 aminareo\u00a0e, mandra-pahafantatro hoe inona no hataon\u2019Andriamanitra ho ahy.\u201d",
"4": "Dia najanony tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Moaba izy ireo. Nipetraka tany amin\u2019ny tanin\u2019io mpanjaka io izy ireo, nandritra ny fotoana rehetra nijanonan\u2019i Davida tany amin\u2019ilay toerana niafenany.",
"5": "Tat\u1ef3 aoriana, dia hoy i Gada mpaminany tamin\u2019i Davida: \u201cAza mijanona any amin\u2019ilay toerana niafenanao. Mial\u00e0 any, dia mankanesa any Joda.\u201d Dia lasa i Davida, ka nankany amin\u2019ny alan\u2019i Hareta.",
"6": "Henon\u2019i Saoly fa nisy nahita i Davida sy ny olona niaraka taminy. Nipetraka teo ambanin\u2019ny hazo tamariska teny amin\u2019ny toerana avo tany Gibea i Saoly tamin\u2019izay. Teny an-tanany ny lefony ary nanodidina azy ny mpanompony rehetra.",
"7": "Dia hoy i Saoly tamin\u2019ireo mpanompony nanodidina azy: \u201cMba henoy kely izao, ry Benjaminita: Ny zanak\u2019i Jese ve dia hanao hoatr\u2019ahy, ka hanome anareo rehetra saha sy tanimboaloboka? Izy ve dia hanendry anareo rehetra ho lehiben\u2019ny arivo sy ho lehiben\u2019ny zato?",
"8": "Niray tetika hanohitra ahy ianareo mianakavy! Tsy mba nisy nilaza tamiko hoe nanao fifanekena tamin\u2019ilay zanak\u2019i Jese iny ny zanako! Tsy nisy nangoraka ahy koa ianareo, na nilaza tamiko hoe ny zanako mihitsy no nampirisika ny mpanompoko hanohitra ahy sy hiafina mba hanafika ahy, hoatran\u2019izao mitranga izao.\u201d",
"9": "Dia hoy i Doega Edomita izay teo koa sady niandraikitra an\u2019ireo mpanompon\u2019i Saoly: \u201cHitako tany Noba, tao amin\u2019i Ahimeleka zanak\u2019i Ahitoba, ny zanak\u2019i Jese.",
"10": "Ary nisolo tena azy nanontany an\u2019i Jehovah i Ahimeleka, sady nanome vatsy azy. Nomeny azy mihitsy aza ny sabatr\u2019i Goliata Filistinina.\u201d",
"11": "Nampanantsoin\u2019ny mpanjaka avy hatrany \u00e0ry i Ahimeleka mpisorona zanak\u2019i Ahitoba sy ny mpisorona rehetra anisan\u2019ny ankohonan-drainy, izay tany Noba. Dia tonga teo amin\u2019ny mpanjaka izy rehetra.",
"12": "Ary hoy i Saoly: \u201cMba henoy, azafady, ry zanak\u2019i Ahitoba!\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cAhoana izay, tompoko?\u201d",
"13": "Ary hoy i Saoly: \u201cFa maninona ianao sy ny zanak\u2019i Jese no niray tetika hanohitra ahy? Nomenao mofo sy sabatra izy, ary nisolo tena azy nanontany an\u2019Andriamanitra ianao. Izy ange manohitra ahy sady miafina mba hanafika ahy\u00a0e, hoatran\u2019izao mitranga izao!\u201d",
"14": "Dia namaly an\u2019ilay mpanjaka i Ahimeleka hoe: \u201cIza amin\u2019ny mpanomponao rehetra moa no azo atokisana hoatran\u2019i Davida? Izy ange vinantolahin\u2019ny mpanjaka\u00a0e, sady lehiben\u2019ny mpiambina anao ary manaja azy ny ao an-tranonao.",
"15": "Angaha moa vao tamin\u2019iny andro iny aho no nisolo tena azy nanontany an\u2019Andriamanitra? Tsy izaho mihitsy no hanao an\u2019izany zavatra teneninao izany! Aoka ny mpanjaka tsy hiampanga ny mpanompony sy ny ankohonan-draiko manontolo, na amin\u2019inona na amin\u2019inona. Fa tsy misy fantatry ny mpanomponao ny amin\u2019izany rehetra izany, na ny kely aza.\u201d",
"16": "Hoy anefa ny mpanjaka: \u201cTsy maintsy hovonoina ho faty ianao sy ny ankohonan-drainao manontolo, ry Ahimeleka!\u201d",
"17": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019ireo mpiambina nanodidina azy: \u201cMandehana vonoy ho faty ireo mpisoron\u2019i Jehovah ireo, fa manohana an\u2019i Davida! Fantatr\u2019izy ireo hoe nandositra izy, nefa tsy nolazainy tamiko izany!\u201d Tsy nety nanainga ny tanany hamely an\u2019ireo mpisoron\u2019i Jehovah anefa ny mpanompon\u2019ny mpanjaka.",
"18": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Doega: \u201cMandehana vonoy ireo mpisorona ireo!\u201d Tonga dia lasa i Doega Edomita ka namely an\u2019ireo mpisorona. Lehilahy 85 nanao efoda vita tamin\u2019ny kofehy rongony no matiny tamin\u2019iny andro iny.",
"19": "Notafihiny tamin\u2019ny sabatra koa i Noba, tan\u00e0nan\u2019ny mpisorona. Nasiany tamin\u2019ny sabatra na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza, na omby na ampondra na ondry.",
"20": "Tafatsoaka anefa i Abiatara, iray tamin\u2019ny zanakalahin\u2019i Ahimeleka zanak\u2019i Ahitoba. Nandositra izy ka nanaraka an\u2019i Davida.",
"21": "Hoy i Abiatara tamin\u2019i Davida: \u201cNovonoin\u2019i Saoly ny mpisoron\u2019i Jehovah.\u201d",
"22": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Abiatara: \u201cEfa fantatro mihitsy tamin\u2019iny andro iny, rehefa nahita an\u2019i Doega Edomita teo aho, fa tsy maintsy hiteny amin\u2019i Saoly izy. Izaho no tompon\u2019andraikitra tamin\u2019ny nahafatesan\u2019ny ankohonan-drainao manontolo.",
"23": "Mijan\u00f2na miaraka amiko. Ary aza matahotra, fa izay mifofo ny ainao dia mifofo ny aiko koa. Izaho no hiaro anao.\u201d"
},
"23": {
"1": "Ary nisy nilaza tamin\u2019i Davida hoe: \u201cMiady amin\u2019i Keila ny Filistinina, sady robainy ny eny am-pamoloana.\u201d",
"2": "Nanontany an\u2019i Jehovah \u00e0ry i Davida hoe: \u201cTokony handeha hamely an\u2019izany Filistinina izany ve aho?\u201d Dia hoy i Jehovah taminy: \u201cMandehana asio ny Filistinina ka vonjeo i Keila.\u201d",
"3": "Hoy anefa ny olon\u2019i Davida: \u201cEto Joda aza izahay matahotra, koa mainka fa raha ho any Keila mba hiady amin\u2019ny tafiky ny Filistinina!\u201d",
"4": "Nanontany an\u2019i Jehovah indray \u00e0ry i Davida. Dia hoy ny navalin\u2019i Jehovah azy: \u201cMandehana midina any Keila, fa hataoko resinao ny Filistinina.\u201d",
"5": "Dia nankany Keila i Davida sy ny olony, ka niady tamin\u2019ny Filistinina. Ary nalainy ny biby fiompin\u2019ny Filistinina, fa izy ireo kosa novonoiny ka be dia be no maty. Dia novonjen\u2019i Davida ny mponina tao Keila.",
"6": "Nitondra efoda i Abiatara zanak\u2019i Ahimeleka, tamin\u2019izy nandositra nankany amin\u2019i Davida tany Keila.",
"7": "Ary nisy nilaza tamin\u2019i Saoly hoe: \u201cTonga ao Keila i Davida.\u201d Dia hoy i Saoly: \u201cEfa natolotr\u2019Andriamanitra eo an-tanako izy, satria niditra ao amin\u2019ny tan\u00e0na misy vavahady sy bara hidiny ka namandrika ny tenany.\u201d",
"8": "Nantsoin\u2019i Saoly \u00e0ry ny olona rehetra mba hiady, ka hidina any Keila dia hanao fahirano an\u2019i Davida sy ny olony.",
"9": "Rehefa fantatr\u2019i Davida fa nitetika ny hanisy ratsy azy i Saoly, dia hoy izy tamin\u2019i Abiatara mpisorona: \u201cEnto et\u1ef3 ilay efoda.\u201d",
"10": "Hoy i Davida avy eo: \u201cRy Jehovah Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4, efa henon\u2019ny mpanomponao fa mitady hankat\u1ef3 Keila i Saoly mba handrava ny tan\u00e0na noho ny amiko.",
"11": "Dia hanolotra ahy eo an-tanany ve ireo mpitarika eto Keila? Hidina tokoa ve i Saoly, araka ny henon\u2019ny mpanomponao? Mba lazao amin\u2019ny mpanomponao re, ry Jehovah Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4!\u201d Dia hoy i Jehovah: \u201cHidina izy.\u201d",
"12": "Nanontany \u00e0ry i Davida hoe: \u201cHanolotra ahy sy ny olona miaraka amiko eo an-tanan\u2019i Saoly ve ireo mpitarika eto Keila?\u201d Dia hoy i Jehovah: \u201cHanolotra anareo izy.\u201d",
"13": "Niainga avy hatrany \u00e0ry i Davida sy ny olony 600 lahy teo ho eo, ka niala tao Keila, ary nandeha tany amin\u2019izay azony naleha. Rehefa nisy nilaza tamin\u2019i Saoly hoe efa nandositra niala tao Keila i Davida, dia tsy nandeha nisambotra azy tany indray izy.",
"14": "Ary i Davida nijanona tany an-tany efitra, teny amin\u2019ny toerana sarotra aleha, teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra tany an-tany efitr\u2019i Zifa. Nitady azy foana i Saoly, nefa tsy natolotr\u2019i Jehovah teo an-tanany izy.",
"15": "Ary fantatr\u2019i Davida, tamin\u2019izy tao Horesa tany an-tany efitr\u2019i Zifa, fa nivoaka hifofo ny ainy i Saoly.",
"16": "Nankany amin\u2019i Davida tao Horesa i Jonatana zanak\u2019i Saoly, ary nanampy azy hatoky kokoa an\u2019i Jehovah izy.",
"17": "Hoy izy taminy: \u201cAza matahotra fa tsy hahita anao i Saoly raiko. Ianao no ho mpanjakan\u2019ny Israely, ary izaho no hanarakaraka anao. Mahafantatra an\u2019izany koa i Saoly raiko.\u201d",
"18": "Dia nanao fifanekena teo anatrehan\u2019i Jehovah izy roa lahy. Ary mbola nijanona tao Horesa i Davida, fa i Jonatana kosa lasa nody.",
"19": "Niakatra nankany amin\u2019i Saoly tao Gibea ny lehilahy tao Zifa tat\u1ef3 aoriana, ka niteny hoe: \u201cMiafina any akaikinay i Davida, eny amin\u2019ny toerana sarotra aleha ao Horesa, eny amin\u2019ny havoanan\u2019i Hakila, eo atsimon\u2019i Jesimona.",
"20": "Rehefa te hidina ianao, ry mpanjaka, na rahoviana na rahoviana, dia tongava fa hatolotray eo an-tanan\u2019ny mpanjaka izy.\u201d",
"21": "Dia hoy i Saoly: \u201cHitahy anareo anie i Jehovah satria mangoraka ahy ianareo!",
"22": "Mandehana, azafady, ary fantaro tsara hoe aiza ny toerana misy azy ary iza ny olona efa nahita azy tany. Nisy nilaza tamiko mantsy hoe fetsy be, hono, izy iny.",
"23": "Fantaro tsara daholo izay toeram-piafenany, ary mitondr\u00e0 porofo miverina at\u1ef3 amiko. Dia hiaraka aminareo aho avy eo, fa raha mbola eto amin\u2019ity tany ity izy, dia hataoko savahao ny fokon\u2019i Joda rehetra mba hahitako azy.\u201d",
"24": "Lasa \u00e0ry izy ireo ary nankany Zifa hialoha an\u2019i Saoly. I Davida sy ny olony kosa tany an-tany efitr\u2019i Maona any Araba, eo atsimon\u2019i Jesimona.",
"25": "Ary tonga mba hitady azy i Saoly sy ny olony. Nisy nilaza an\u2019izany tamin\u2019i Davida, ka nidina avy hatrany nankeny amin\u2019ny harambato izy ary nijanona tany an-tany efitr\u2019i Maona. Rehefa henon\u2019i Saoly izany, dia nanenjika azy tany an-tany efitr\u2019i Maona izy.",
"26": "Tonga teo amin\u2019ny andaniny iray tamin\u2019ny tendrombohitra i Saoly, fa i Davida sy ny olony kosa teo amin\u2019ny ankilany. Dia niala teo haingana i Davida mba tsy ho azon\u2019i Saoly. I Saoly sy ny olony kosa nihananatona an\u2019i Davida sy ny olony mba hisambotra azy ireo.",
"27": "Nisy iraka anefa tonga nilaza tamin\u2019i Saoly hoe: \u201cAndao haingana fa manafika ny tanintsika ny Filistinina!\u201d",
"28": "Dia tsy nanenjika an\u2019i Davida intsony i Saoly, fa lasa nifanandrina tamin\u2019ny Filistinina. Izany no antony niantsoana an\u2019ilay toerana hoe Harambaton\u2019ny Fisarahana.",
"29": "Ary niala teo i Davida ka niakatra teny amin\u2019ny toerana sarotra aleha tany En-jedy, ary nijanona tany."
},
"24": {
"1": "Raha vao tafaverina avy nanenjika ny Filistinina i Saoly, dia nisy nilaza taminy hoe: \u201cAny an-tany efitr\u2019i En-jedy i Davida.\u201d",
"2": "Koa naka 3\u00a0000\u00a0lahy voafantina teo amin\u2019ny Israely rehetra i Saoly, ka nandeha nitady an\u2019i Davida sy ny olony teny amin\u2019ireo harambato nisy osidia.",
"3": "Dia tonga teo amin\u2019ny valan\u2019ondry vita tamin\u2019ny vato, izay teo amoron-dalana, i Saoly. Nisy lava-bato tao amin\u2019ireo vala ireo, dia nankao izy fa te hivoaka. Efa nipetrapetraka tany anatiny indrindra tao amin\u2019ilay lava-bato anefa i Davida sy ny olony tamin\u2019izay.",
"4": "Dia hoy ny olon\u2019i Davida taminy: \u201cTonga ity ny andro ilazan\u2019i Jehovah aminao hoe: \u2018Atolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy aminy izay hitanao fa mety.\u2019\u201d Dia nitsangana i Davida, ka notapahiny moramora ny morontongotry ny akanjo ivelany nanaovan\u2019i Saoly.",
"5": "Nanameloka an\u2019i Davida foana anefa ny fony taorian\u2019izay, noho izy nanapaka an\u2019ilay morontongotr\u2019akanjon\u2019i Saoly.",
"6": "Hoy izy tamin\u2019ny olony: \u201cSanatria ahy ny hikasi-tanana ny tompoko izay voahosotr\u2019i Jehovah, satria tsy ankasitrahan\u2019i Jehovah izany. Tsy hanao an\u2019izany aho, fa voahosotr\u2019i Jehovah izy.\u201d",
"7": "Izany no nolazain\u2019i Davida mba hisakanana ny olony tsy hamely an\u2019i Saoly. I Saoly kosa nitsangana ka niala tao amin\u2019ilay lava-bato, ary nanohy ny diany.",
"8": "Dia nitsangana i Davida ka nivoaka avy tao amin\u2019ilay lava-bato, ary niantsoantso avy tao aorian\u2019i Saoly hoe: \u201cRy mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4!\u201d Rehefa nitodika i Saoly, dia niondrika i Davida ka niankohoka tamin\u2019ny tany.",
"9": "Hoy i Davida tamin\u2019i Saoly: \u201cFa maninona ianao no mihaino ny vavan\u2019ny olona miteny hoe: \u2018Mitady hanisy ratsy anao i Davida\u2019?",
"10": "Ny masonao mihitsy androany no nahita hoe natolotr\u2019i Jehovah teo an-tanako ianao tao an-dava-bato. Nisy nanome hevitra ahy hamono anao, nefa niantra anao aho ka niteny hoe: \u2018Tsy hikasi-tanana ny tompoko aho, fa voahosotr\u2019i Jehovah izy.\u2019",
"11": "Ry raiko\u00a0\u00f4, jereo ange\u00a0e! Jereo fa ity an-tanako ity ny morontongotr\u2019iny akanjonao iny! Fa tsy namono anao aho tamin\u2019izaho nanapaka ny morontongotr\u2019akanjonao. Hitanao sady azonao izao fa tsy mieritreritra ny hanisy ratsy anao aho na hikomy aminao. Tsy nanota taminao aho, na dia manao haza lambo ahy aza ianao mba hamonoana ahy.",
"12": "I Jehovah anie hitsara ahy sy ianao! Ary enga anie i Jehovah hamaly anao noho izay nataonao tamiko, fa ny tanako kosa tsy hamely anao!",
"13": "Misy fomba fitenin\u2019ny olona fahiny hoe: \u2018Avy amin\u2019ny ratsy fanahy ny faharatsiana\u2019, ka tsy hamely anao ny tanako.",
"14": "Nivoaka hitady an\u2019iza ny mpanjakan\u2019ny Israely? Iza no enjehinao? Alika maty ve? Parasy iray ve?",
"15": "Enga anie i Jehovah no ho mpitsara ka hitsara ahy sy ianao! Dia handinika izy ka hiaro ahy, ary hitsara ahy sy hamonjy ahy eo an-tananao.\u201d",
"16": "Vao avy niteny an\u2019izany tamin\u2019i Saoly i Davida, dia hoy i Saoly: \u201cFeonao ve izany, ry Davida zanako?\u201d Ary nigogogogo nitomany i Saoly.",
"17": "Hoy izy tamin\u2019i Davida: \u201cMarina kokoa noho izaho ianao, satria nanisy soa ahy ianao nefa ratsy no navaliko anao.",
"18": "Nasehonao tamiko androany ny soa nataonao. Natolotr\u2019i Jehovah teo an-tananao aho, nefa tsy novonoinao.",
"19": "Raha tratran\u2019ny olona iray ve ny fahavalony dia havelany handeha fotsiny amin\u2019izao? Hamaly soa anao anie i Jehovah noho ny zavatra nataonao tamiko androany!",
"20": "Fantatro izao fa tsy maintsy ho lasa mpanjaka ianao, ary haharitra eo an-tananao ny fanjakan\u2019ny Israely.",
"21": "Manaova \u00e0ry fianianana amiko amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah fa tsy handringana ny taranako ianao rehefa maty aho, ary tsy hanafoana ny anarako ao amin\u2019ny ankohonan-draiko.\u201d",
"22": "Dia nianiana tamin\u2019i Saoly i Davida. Lasa nody i Saoly taorian\u2019izay, fa i Davida sy ny olony kosa niakatra nankeny amin\u2019ny toerana niafenany."
},
"25": {
"1": "Ary maty i Samoela tat\u1ef3 aoriana. Dia nivory ny Israely rehetra mba hisaona sy handevina azy teny akaikin\u2019ny tranony, tao Rama. Ary nidina nankany an-tany efitr\u2019i Parana i Davida.",
"2": "Nisy lehilahy iray tao Maona, ary niasa tany Karmela izy. Mpanankarem-be ilay lehilahy. Nanana ondry 3\u00a0000 sy osy 1\u00a0000 izy. Dia nanety ny ondriny tao Karmela izy.",
"3": "Kalebita ilay lehilahy, Nabala no anarany, ary Abigaila no anaran\u2019ny vadiny. Malina sady tsara tarehy ilay vadiny, fa ilay lehilahy kosa masiaka sady ratsy toetra.",
"4": "Ary henon\u2019i Davida tany an-tany efitra fa nanety ny ondriny i Nabala.",
"5": "Naniraka tovolahy folo ho any aminy \u00e0ry i Davida, dia niteny tamin\u2019izy ireo hoe: \u201cMiakara any Karmela, any amin\u2019i Nabala. Miresaha aminy amin\u2019ny anarako dia anontanio hoe manao ahoana izy.",
"6": "Ary lazao aminy hoe: \u2018Ho ela velona anie ianao, ary ho salama tsara anie ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anao!",
"7": "Henoko fa manety ondry ianao. Rehefa tafaraka taminay ny mpiandry ondrinao, dia tsy nihetraketraka taminy izahay. Hitan\u2019izy ireo hoe tsy nisy na inona na inona very nandritra ny fotoana rehetra nijanonany teto Karmela.",
"8": "Anontanio ny tovolahy mpanomponao fa hilaza izany aminao izy. Enga anie hahazo sitraka aminao ireo tovolahy irahiko, satria fotoana fifaliana izao ahatongavanay izao. Mba omeo izay azonao omena re ny mpanomponao sy Davida zanakao\u00a0e!\u2019\u201d",
"9": "Lasa \u00e0ry ireo tovolahy nirahin\u2019i Davida, dia nolazainy tamin\u2019i Nabala ny tenin\u2019i Davida rehetra. Rehefa tapitra ny tenin\u2019izy ireo,",
"10": "dia hoy i Nabala: \u201cFa i Davida moa no iza, ary iza moa ny zanak\u2019i Jese? Efa betsaka izao ny mpanompo mitsoaka miala ao amin\u2019ny tompony.",
"11": "Dia ahoana mihitsy moa izaho no handeha haka ny mofoko sy ny ranoko ary ny hena notetitetehiko ho an\u2019ny mpanety ondriko, dia hanome an\u2019izany ho an\u2019olona tsy fanta-piaviana?\u201d",
"12": "Dia lasa niverina ireo tovolahy nirahin\u2019i Davida, ary nolazainy taminy izany teny rehetra izany.",
"13": "Avy hatrany dia hoy i Davida tamin\u2019ny olony: \u201cSamia mandray ny sabany!\u201d Dia samy nanao ny sabany teo amin\u2019ny fehikibony izy ireo, ary nanao toy izany koa i Davida. Ary lehilahy 400 teo ho eo no niakatra nanaraka an\u2019i Davida, fa ny 200 kosa niandry entana.",
"14": "Nandritra izany fotoana izany, dia nilaza tamin\u2019i Abigaila vadin\u2019i Nabala ny iray tamin\u2019ny mpanompony hoe: \u201cNaniraka olona avy tany an-tany efitra i Davida mba hirary soa ho an\u2019ny tompontsika, kanjo nanambanimbany an-dry zareo izy sady nivazavaza taminy.",
"15": "Tsara fanahy be taminay anefa ireo lehilahy ireo. Tsy mba nihetraketraka taminay ry zareo, sady tsy nisy zavatray very na iray aza nandritra ny fotoana rehetra niarahanay tany an-tsaha.",
"16": "Hoatran\u2019ny manda niaro anay izy ireo, na andro na alina, nandritra ny fotoana rehetra niarahanay, tamin\u2019izahay niandry ny andian\u2019ondry.",
"17": "Tapaho ny hevitra hoe inona no hataonao, fa tena hahita loza ny tompontsika sy ny ankohonany manontolo. Olona tena tsisy ilana azy mantsy izy ka tsy azo ifampiresahana mihitsy.\u201d",
"18": "Koa lasa haingana i Abigaila naka mofo 200, siny lehibe roa feno divay, ondry dimy efa voakarakara, voam-bary natono indimin\u2019ny seh\u00e0, mofo 100 vita tamin\u2019ny voaloboka maina, ary mofo 200 vita tamin\u2019ny aviavy noporetina. Ary napetrany teo ambony ampondra izany rehetra izany.",
"19": "Dia hoy izy tamin\u2019ny mpanompony: \u201cTonga dia mandehana, fa hanaraka anareo aho.\u201d Tsy niteny na inona na inona tamin\u2019i Nabala vadiny anefa izy.",
"20": "Rehefa teny ambony ampondra izy ary nidina tao ambadiky ny tendrombohitra, dia ireny koa i Davida sy ny olony fa nidina nanatona azy. Dia nifanena izy ireo.",
"21": "Ary i Davida efa niteny hoe: \u201cNiasa maina fotsiny aho niambina an\u2019izay rehetra ananan\u2019ilay rangahy iny tany an-tany efitra. Tsy nisy very na iray aza ny fananany, nefa ratsy no avaliny ny soa nataoko.",
"22": "Hanafay an\u2019izay fahavalon\u2019i Davida anie Andriamanitra, raha avelako hisy hiangana na iray aza ny lehilahy ao amin\u2019ny ankohonany, mandra-paharainan\u2019ny andro!\u201d",
"23": "Rehefa nahita an\u2019i Davida i Abigaila, dia nidina haingana avy teo amin\u2019ny ampondra ka niondrika teo anatrehan\u2019i Davida sady niankohoka tamin\u2019ny tany.",
"24": "Ary niankohoka teo an-tongony izy ka niteny hoe: \u201cAleo ho ahy ny fahadisoana, tompoko. Ary mba avelao ny mpanompovavinao hiteny kely aminao, dia henoy ny tenin\u2019ny mpanompovavinao.",
"25": "Aza miraharaha an\u2019iny Nabala tsisy ilana azy iny re, tompoko\u00a0\u00f4, fa araka ny anarany ihany ny toetrany! Nabala no anarany, ary adala mihitsy izy. Fa izaho mpanompovavinao, tompoko, tsy nahita an\u2019ireo tovolahy nirahinao.",
"26": "Fa izao re, tompoko \u00f4: Raha mbola velona koa i Jehovah ary raha mbola velona koa ianao, dia i Jehovah no nisakana anao tsy ho meloka ho nandatsa-dra sy tsy hamaly faty. Ho sahala amin\u2019i Nabala anie ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy ny tompoko!",
"27": "Mba omeo an\u2019ireo tovolahy manaraka ny tompoko ity fanomezana ity, izay nentin\u2019ny mpanompovavinao ho an\u2019ny tompoko.",
"28": "Avelao re ny heloky ny mpanompovavinao\u00a0e! Fa tsy maintsy hataon\u2019i Jehovah izay hampaharitra ny taranaky ny tompoko, satria miady ny adin\u2019i Jehovah ny tompoko. Ary tsy nanao ratsy mihitsy ianao nandritra ny andro rehetra niainanao.",
"29": "Rehefa misy olona manenjika anao ka mitady hamono anao, dia harovan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka ho toy ny hoe fonosiny tsara ao anaty kitapo ny ain\u2019ny tompoko. Fa ny ain\u2019ny fahavalonao kosa hatsipiny lavitra, hoatran\u2019ny vato atoraka amin\u2019ny pilotra.",
"30": "Rehefa ataon\u2019i Jehovah amin\u2019ny tompoko ny zavatra tsara rehetra nampanantenainy, ary rehefa manendry anao ho mpitarika ny Israely izy,",
"31": "dia tsy hanenina ianao ao am-ponao, satria tsy ho nandatsa-dra tsy amin\u2019antony sady tsy ho namaly faty. Ary mba tsarovy ny mpanompovavinao, rehefa manome zava-tsoa ho an\u2019ny tompoko i Jehovah.\u201d",
"32": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Abigaila: \u201cHoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, ilay naniraka anao androany mba hihaona amiko!",
"33": "Hotahina anie ianao noho ny fahendrenao! Ary hotahina anie ianao, satria nosakananao aho androany mba tsy ho meloka ho nandatsa-dra sy tsy hamaly faty!",
"34": "Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitry ny Israely izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, dia tsy ho nisy niangana intsony ny lehilahy rehetra ao amin\u2019ny ankohonan\u2019i Nabala mandra-paharainan\u2019ny andro, raha tsy tonga haingana nihaona tamiko ianao.\u201d",
"35": "Dia noraisin\u2019i Davida ny zavatra nentiny ho azy, ary hoy izy taminy: \u201cMiakara soa aman-tsara any an-tranonao. Efa nihaino anao aho ary ekeko ny fangatahanao.\u201d",
"36": "Dia niverina tany amin\u2019i Nabala i Abigaila. Nanao fanasambe tao an-tranony, hoatran\u2019ny fanaon\u2019ny mpanjaka, i Nabala tamin\u2019izay. Falifaly izy sady mamo be. Tsy nilaza na inona na inona taminy \u00e0ry i Abigaila, mandra-paharainan\u2019ny andro.",
"37": "Rehefa tsy mamo intsony i Nabala ny marainan\u2019iny, dia notantarain\u2019ny vadiny taminy daholo izany zavatra izany. Dia lasa hoatran\u2019ny fon\u2019ny olona efa maty ny fon\u2019i Nabala, ary tsy afa-nihetsika intsony hoatran\u2019ny vato izy.",
"38": "Rehefa afaka folo andro teo ho eo, dia nasian\u2019i Jehovah i Nabala ka maty.",
"39": "Rehefa ren\u2019i Davida fa maty i Nabala, dia hoy izy: \u201cHoderaina anie i Jehovah, izay niaro ahy taorian\u2019ilay fanalam-baraka nataon\u2019i Nabala tamiko, sady nisakana ny mpanompony tsy hanao ratsy! Novalian\u2019i Jehovah tamin\u2019i Nabala ny ratsy nataony.\u201d Dia naniraka olona tany amin\u2019i Abigaila i Davida mba hilaza taminy fa te haka azy ho vady izy.",
"40": "Tonga tany amin\u2019i Abigaila tao Karmela \u00e0ry ny mpanompon\u2019i Davida, ka niteny hoe: \u201cNirahin\u2019i Davida at\u1ef3 aminao izahay mba haka anao ho vadiny.\u201d",
"41": "Tonga\u00a0dia nitsangana i Abigaila ary niankohoka tamin\u2019ny tany, ka niteny hoe: \u201cInt\u1ef3 aho mpanomponao, ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon\u2019ny tompoko.\u201d",
"42": "Dia nitsangana haingana i Abigaila ka nitaingina ny ampondrany, ary nisy mpanompovavy dimy nanaraka azy. Ary niaraka tamin\u2019ireo olona nirahin\u2019i Davida izy, ka lasa vadiny.",
"43": "Efa nanambady an\u2019i Ahinoama avy any Jezirela koa i Davida, ka izy roa vavy no lasa vadiny.",
"44": "Nomen\u2019i Saoly ho vadin\u2019i Palty, zanak\u2019i Laisy avy any Galima, kosa i Mikala zanany vavy, izay vadin\u2019i Davida."
},
"26": {
"1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia tonga tany amin\u2019i Saoly tany Gibea ireo lehilahy tao Zifa, ka niteny hoe: \u201cMiafina any amin\u2019ny havoanan\u2019i Hakila, tandrifin\u2019i Jesimona, i Davida.\u201d",
"2": "Dia niainga i Saoly ka nidina nankany an-tany efitr\u2019i Zifa mba hitady an\u2019i Davida tany. Ary nisy 3\u00a0000\u00a0lahy tena nahay niady, nofantenana teo amin\u2019ny Israely, niaraka taminy.",
"3": "Ary nitoby teo amoron-dalana i Saoly, teo amin\u2019ny havoanan\u2019i Hakila, tandrifin\u2019i Jesimona. I Davida kosa tamin\u2019izay nipetraka tany an-tany efitra, ary henony hoe nanenjika azy tany i Saoly.",
"4": "Nandefa mpitsikilo \u00e0ry i Davida mba hanamarina raha tonga tokoa i Saoly.",
"5": "Nankany amin\u2019ny toerana nitobian\u2019i Saoly izy, taorian\u2019izay. Dia hitany ny toerana natorian\u2019i Saoly sy Abnera zanak\u2019i Nera, lehiben\u2019ny tafiny. Natory tao amin\u2019ny toby i Saoly, ary nitoby nanodidina azy ny miaramilany.",
"6": "Ary hoy i Davida tamin\u2019i Abisay rahalahin\u2019i Joaba, zanak\u2019i Zeroia, sy Ahimeleka Hetita: \u201cIza no hidina hiaraka amiko hankeny amin\u2019i Saoly ao an-toby?\u201d Dia hoy i Abisay: \u201cHiaraka aminao aho.\u201d",
"7": "Nankeny amin\u2019izy ireo \u00e0ry i Davida sy Abisay, tamin\u2019ny alina. Hitan\u2019izy ireo natory tao amin\u2019ny toby i Saoly, ary nitsatoka tamin\u2019ny tany teo akaikin\u2019ny lohany ny lefony. I Abnera sy ny miaramila kosa natory nanodidina azy.",
"8": "Dia hoy i Abisay tamin\u2019i Davida: \u201cEfa natolotr\u2019Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao androany. Mba avelao aho handefona azy hifantsika amin\u2019ny tany indray mandeha tsy miverina.\u201d",
"9": "Notenenin\u2019i Davida anefa i Abisay hoe: \u201cAza mamono azy, fa iza no mikasi-tanana ny voahosotr\u2019i Jehovah ka tsy ho meloka?\u201d",
"10": "Hoy koa i Davida: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, dia i Jehovah ihany no hamely azy, na ho faty fotsiny hoatran\u2019ny olon-drehetra izy, na ho any an\u2019ady izy dia ho faty any.",
"11": "Fa sanatria ahy ny hikasi-tanana ny voahosotr\u2019i Jehovah, satria tsy ankasitrahan\u2019i Jehovah izany! Koa alaivo, azafady, ny lefona eo akaikin\u2019ny lohany sy ny jaogy fasiany rano, dia andao handeha.\u201d",
"12": "Nalain\u2019i Davida \u00e0ry ilay lefona sy ilay jaogy fasiana rano teo akaikin\u2019ny lohan\u2019i Saoly, dia lasa izy ireo nandeha. Tsy nisy nahita na nahatsikaritra izy ireo. Tsy nisy taitra koa fa natory daholo izy rehetra, satria nataon\u2019i Jehovah renoky ny torimaso.",
"13": "Dia nankeny ampita i Davida, ka nijoro teo an-tampon\u2019ny tendrombohitra ter\u1ef3 lavidavitra. Nisinisy ihany ny elanelan\u2019izy ireo.",
"14": "Niantsoantso an\u2019ireo miaramila sy Abnera zanak\u2019i Nera i Davida hoe: \u201c\u00d4 ry Abnera\u00a0a! Valio aho!\u201d Dia namaly i Abnera hoe: \u201cFa iza moa ianao no manabataba ny mpanjaka hoatr\u2019izany?\u201d",
"15": "Dia hoy i Davida: \u201cFa ianao ve tsy mba lehilahy\u00a0e? Tsy misy hoatr\u2019anao eo amin\u2019ny Israely. Koa maninona ianao no tsy niambina tsara ny mpanjaka tomponao? Fa tonga teo ny iray tamin\u2019ireo miaramila mba hamono ny mpanjaka tomponao.",
"16": "Tsy mety mihitsy izany nataonao izany! Raha mbola velona koa i Jehovah, dia mendrika ny ho faty ianareo, satria tsy nambenanareo ny tomponareo, izay voahosotr\u2019i Jehovah. Jereo ange ny manodidina anao\u00a0e! Aiza izao ny lefon\u2019ny mpanjaka sy ilay jaogy fasiana rano teo akaikin\u2019ny lohany?\u201d",
"17": "Dia fantatr\u2019i Saoly ny feon\u2019i Davida, ka hoy izy: \u201cFeonao ve izany, ry Davida zanako?\u201d Ary hoy i Davida: \u201cFeoko izany, ry mpanjaka tompoko.\u201d",
"18": "Hoy koa izy: \u201cNahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Fa inona no nataoko ary inona no fahadisoako?",
"19": "Mba henoy ny tenin\u2019ny mpanomponao, ry mpanjaka tompoko: Raha i Jehovah no nampirisika anao hamely ahy, dia aoka izy hankasitraka ny fanatitra varimbazaha atolotro. Fa raha olona kosa no nampirisika anao, dia ho voaozona eo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo. Efa nandroaka ahy tsy ho anisan\u2019ny vahoakan\u2019i Jehovah mantsy izy ireo androany, ka hoatran\u2019ny nilaza hoe: \u2018Mandehana manompo andriamani-kafa!\u2019",
"20": "Ary ankehitriny, aza avela ho latsaka amin\u2019ny tany lavitra an\u2019i Jehovah ny rako. Fa efa nivoaka hitady parasy iray ny mpanjakan\u2019ny Israely, hoatran\u2019ireny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra ireny.\u201d",
"21": "Dia hoy i Saoly: \u201cNanota aho. Miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho satria sarobidy taminao ny aiko androany. Nanao hadalana mihitsy aho sady tena diso tanteraka.\u201d",
"22": "Ary hoy i Davida: \u201cInt\u1ef3 ny lefon\u2019ny mpanjaka! Asaivo misy tovolahy iray maka azy et\u1ef3.",
"23": "I Jehovah no hamaly ny tsirairay araka ny fahamarinany sy ny tsy fivadihany avy. Nanolotra anao teo an-tanako mantsy i Jehovah androany, nefa izaho tsy nety nikasi-tanana ny voahosotr\u2019i Jehovah.",
"24": "Sarobidy tamiko ny ainao androany, ka enga anie mba ho sarobidy eo imason\u2019i Jehovah koa ny aiko! Ary enga anie izy hamonjy ahy amin\u2019ny fahoriana rehetra!\u201d",
"25": "Dia hoy i Saoly tamin\u2019i Davida: \u201cHotahina anie ianao, ry Davida zanako! Tsy maintsy hanao zavatra miavaka ianao, ary tsy maintsy hahomby.\u201d Dia lasa nandeha i Davida, fa i Saoly kosa niverina nody."
},
"27": {
"1": "Hoy anefa i Davida anakampo: \u201cHo fatin\u2019ny tanan\u2019i Saoly ihany aho indray andro any. Ny mandositra any amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina no tena mety amiko. Amin\u2019izay dia tsy hitady ahy manerana ny faritry ny Israely intsony i Saoly, ka tsy ho azon\u2019ny tanany aho.\u201d",
"2": "Dia niainga i Davida sy ny 600 lahy niaraka taminy ka nankany amin\u2019i Akisy mpanjakan\u2019i Gata, zanak\u2019i Maoka.",
"3": "Ary nijanona tany amin\u2019i Akisy tao Gata i Davida sy ny olony, izay samy niaraka tamin\u2019ny ankohonany avy. Niaraka tamin\u2019i Davida ireo vadiny roa, dia i Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay vady navelan\u2019i Nabala.",
"4": "Rehefa nisy nilaza tamin\u2019i Saoly hoe nandositra nankany Gata i Davida, dia tsy nandeha nitady azy intsony izy.",
"5": "Ary hoy i Davida tamin\u2019i Akisy: \u201cRaha ankasitrahanao aho, dia mba omeo toerana ao amin\u2019iray amin\u2019ireo tan\u00e0na any ambanivohitra aho hipetrahako. Fa nahoana ny mpanomponao no hipetraka miaraka aminao eto amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny mpanjaka?\u201d",
"6": "Dia nomen\u2019i Akisy azy i Ziklaga tamin\u2019izay andro izay. Izany no nahatonga an\u2019i Ziklaga ho fananan\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda hatramin\u2019izao.",
"7": "Herintaona sy efa-bolana ny fotoana nipetrahan\u2019i Davida tany ambanivohitry ny Filistinina.",
"8": "Ary niakatra i Davida sy ny olony mba hanafika ny Gesorita sy ny Girzita ary ny Amalekita. Nanomboka teo Telama ka hatrany Sora mantsy ny tany nisy azy ireo, ary tonga hatrany Ejipta.",
"9": "Rehefa nanafika an\u2019ilay tany i Davida, dia tsy nasiany niangana na lehilahy na vehivavy. Nalainy ny ondry, ny omby, ny ampondra, ny rameva, ary ny akanjo, dia niverina tany amin\u2019i Akisy izy.",
"10": "Rehefa nanontany i Akisy hoe: \u201cTaiza ianareo no nanafika androany?\u201d, dia namaly i Davida hoe: \u201cTany atsimon\u2019i Joda\u201d, na hoe: \u201cTany atsimon\u2019ny tanin\u2019ny Jeramelita\u201d, na hoe: \u201cTany atsimon\u2019ny tanin\u2019ny Kenita.\u201d",
"11": "Tsy nasian\u2019i Davida niangana na lehilahy na vehivavy, mba tsy hisy hoentina any Gata izy ireo. Fa hoy izy: \u201cSao hitantara momba antsika ry zareo hoe: \u2018Izao no nataon\u2019i Davida.\u2019\u201d Ary izany foana no fanaony nandritra ny fotoana rehetra nipetrahany tany ambanivohitry ny Filistinina.",
"12": "Nino an\u2019i Davida i Akisy, ka hoy izy tany an-tsainy: \u2018Lasa halan\u2019ny Israely vahoakany tokoa izy, ka ho mpanompoko foana.\u2019"
},
"28": {
"1": "Nangonin\u2019ny Filistinina ny miaramilany tamin\u2019izany andro izany, mba hiady tamin\u2019ny Israely. Hoy \u00e0ry i Akisy tamin\u2019i Davida: \u201cMino aho fa efa fantatrao hoe hiaraka amiko handeha hiady ianao sy ny olonao.\u201d",
"2": "Dia hoy i Davida: \u201cHainao tsara izay hataon\u2019ny mpanomponao.\u201d Ary hoy i Akisy: \u201cIzany no antony hanendreko anao ho mpiambina ahy, ary ho mpiambina ahy foana ianao.\u201d",
"3": "Efa maty i Samoela tamin\u2019izay, ary efa nisaona azy ny Israely rehetra ka nandevina azy tao an-tan\u00e0nany tao Rama. Ary efa nesorin\u2019i Saoly tsy ho eo amin\u2019ilay tany ny mpamoha angatra sy ny mpilaza ny hoavy.",
"4": "Dia tafangona ny Filistinina, ary nandeha nanangana toby tao Sonema. Koa nangonin\u2019i Saoly ny Israely rehetra, ary nanangana toby tao Gilboa izy ireo.",
"5": "Rehefa nahita ny tobin\u2019ny Filistinina i Saoly, dia natahotra ka nidobodoboka be ny fony.",
"6": "Dia nanontany an\u2019i Jehovah i Saoly, nefa tsy namaly azy mihitsy i Jehovah, na tamin\u2019ny nofy na tamin\u2019ny Orima, na tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany.",
"7": "Farany, dia hoy i Saoly tamin\u2019ny mpanompony: \u201cItadiavo vehivavy mpamoha angatra aho. Dia handeha ho any aminy aho hanontany azy.\u201d Ary hoy ny mpanompony: \u201cMisy vehivavy mpamoha angatra ao En-dora.\u201d",
"8": "Mody nanao olon-kafa \u00e0ry i Saoly ka akanjo hafa no nanaovany. Dia lasa nankany amin\u2019ilay vehivavy izy ny alin\u2019iny, ary nisy lehilahy roa niaraka taminy. Dia hoy i Saoly: \u201cManaova sikidy, azafady, ka ampiasao ny fahaizanao mamoha angatra, dia ampiakaro hanketo amiko izay holazaiko aminao.\u201d",
"9": "Hoy anefa ilay vehivavy: \u201cFantatrao tsara ny nataon\u2019i Saoly. Nesoriny tsy ho eto amin\u2019ity tany ity ny mpamoha angatra sy ny mpilaza ny hoavy. Koa maninona ianao no mitady hamandrika ahy mba hamonoana ahy ho faty?\u201d",
"10": "Nianiana tamin\u2019ilay vehivavy tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah \u00e0ry i Saoly hoe: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy ho meloka ianao amin\u2019ity raharaha ity!\u201d",
"11": "Dia hoy ilay vehivavy: \u201cIza \u00e0ry no hampiakariko hanketo aminao?\u201d Ary hoy izy: \u201cI Samoela ampiakarina.\u201d",
"12": "Rehefa nahita an\u2019i \u201cSamoela\u201d ilay vehivavy, dia nikiakiaka faran\u2019izay mafy. Dia hoy izy tamin\u2019i Saoly: \u201cFa maninona aho no nofitahinao? Hay i Saoly ianao!\u201d",
"13": "Hoy ny mpanjaka: \u201cAza matahotra, fa inona no hitanao?\u201d Dia hoy ilay vehivavy: \u201cMahita hoatran\u2019ny andriamanitra miakatra avy amin\u2019ny tany aho.\u201d",
"14": "Tonga dia nanontany an\u2019ilay vehivavy izy hoe: \u201cHoatran\u2019ny ahoana ilay hitanao?\u201d Dia namaly ilay vehivavy hoe: \u201cLehilahy efa antitra manao akanjo ivelany tsy misy tanany.\u201d Dia fantatr\u2019i Saoly hoe i \u201cSamoela\u201d izany, ka niondrika izy ary niankohoka tamin\u2019ny tany.",
"15": "Dia hoy i \u201cSamoela\u201d tamin\u2019i Saoly: \u201cNahoana ianao no manelingelina ahy ka mampiakatra ahy?\u201d Dia hoy i Saoly: \u201cMafy ny manjo ahy. Miady amiko ny Filistinina, nefa Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly ahy intsony, na amin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany na amin\u2019ny nofy. Izany no antony iantsoako anao mba hampahafantatra ahy an\u2019izay tokony hataoko.\u201d",
"16": "Ary hoy i \u201cSamoela\u201d: \u201cKoa nahoana ianao no manontany ahy, nefa i Jehovah aza efa nahafoy anao ka lasa fahavalonao?",
"17": "Izay efa nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalako no hataony: Hesorin\u2019i Jehovah eo an-tananao ny fanjakana ka homeny olon-kafa. Tsy iza izany fa i Davida.",
"18": "Tsy nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah ianao ary tsy naringanao ny Amalekita izay tena nampahatezitra azy, ka izany no antony anaovan\u2019i Jehovah an\u2019izany zavatra izany aminao androany.",
"19": "Hataon\u2019i Jehovah resin\u2019ny Filistinina koa ianao sy ny Israely, ka ho at\u1ef3 amiko ianao sy ireo zanakao lahy rahampitso. Ary hataon\u2019i Jehovah resin\u2019ny Filistinina koa ny tafiky ny Israely.\u201d",
"20": "Tonga dia nianjera nitsirara tamin\u2019ny tany i Saoly sady raiki-tahotra mafy noho ny tenin\u2019i \u201cSamoela.\u201d Tsy nanana hery intsony koa izy, satria efa tsy nihinan-kanina izy tontolo andro sy ny alina manontolo.",
"21": "Rehefa nankeo amin\u2019i Saoly ilay vehivavy ka nahita azy nivarahontsana, dia hoy izy taminy: \u201cEfa nanao an\u2019izay nolazainao ny mpanomponao, ary efa nanao vivery ny aiko aho ka nanao an\u2019izay nasainao nataoko.",
"22": "Dia mba henoy izao ny tenin\u2019ny mpanomponao. Avelao aho handroso mofo kely ho anao, dia mihin\u00e0na, amin\u2019izay ianao hahazo hery handehanana any amin\u2019izay halehanao.\u201d",
"23": "Tsy nety anefa i Saoly fa niteny hoe: \u201cTsy hihinana aho.\u201d Nampirisika azy foana anefa ny mpanompony sy ilay vehivavy. Nanaraka ny tenin\u2019izy ireo izy tamin\u2019ny farany, ka niarina avy teo amin\u2019ny tany ary nipetraka teo am-pandriana.",
"24": "Nanana zanak\u2019omby mifahy ilay vehivavy tao an-trano, ka novonoiny haingana ilay izy. Naka lafarinina koa izy ka namolavola koba, dia nanao mofo tsy misy lalivay ary nandrahoiny tao anaty lafaoro izany.",
"25": "Dia narosony ho an\u2019i Saoly sy ny mpanompony izany, ka nihinana izy ireo. Nitsangana izy ireo avy eo, ary lasa nandeha iny alina iny ihany."
},
"29": {
"1": "Nangonin\u2019ny Filistinina tao Afeka ny miaramilany rehetra, fa ny Israelita kosa nitoby teo akaikin\u2019ilay loharano tao Jezirela.",
"2": "Dia nandroso niaraka tamin\u2019ireo andia-miaramilany ny mpitondra teo amin\u2019ny Filistinina, ary nisy miaramila 100 na 1\u00a0000 ny andiany tsirairay. I Davida sy ny olony kosa nanaraka avy ao aoriana niaraka tamin\u2019i Akisy.",
"3": "Hoy anefa ireo andrianan\u2019ny Filistinina: \u201cFa inona koa no ataon\u2019ireo Hebreo ireo at\u1ef3?\u201d Dia hoy i Akisy: \u201cI Davida mpanompon\u2019i Saoly mpanjakan\u2019ny Israely io. Efa herintaona na mihoatra izao no niarahany tamiko. Ary tsy mahita hokianina aminy aho hatramin\u2019ny andro nitsoahany ho at\u1ef3 amiko ka hatramin\u2019izao.\u201d",
"4": "Tezitra taminy anefa ireo andrianan\u2019ny Filistinina ka niteny taminy hoe: \u201cAsaivo miverina any io! Avereno any amin\u2019izay toerana nametrahanao azy izy, fa aza avela hiara-midina amintsika ho any an\u2019ady, sao hivadihany eo isika. Tsy hoentiny any amin\u2019ny tompony fotsiny ve ny lohan\u2019ireto miaramilantsika ireto, dia hahazo sitraka aminy izy?",
"5": "Tsy io ve ilay Davida nanaovan\u2019ny olona dihy sy hira hoe: \u2018I Saoly nahafaty an\u2019arivoarivony, Fa i Davida kosa nahafaty an\u2019alinaliny\u2019?\u201d",
"6": "Niantso an\u2019i Davida \u00e0ry i Akisy ka niteny taminy hoe: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, dia olo-marina ianao, ary faly aho fa nanaiky hiaraka amin\u2019ny miaramilako handeha hiady ianao. Fa tsy mahita hokianina aminao aho hatramin\u2019ny andro nahatongavanao tat\u1ef3 amiko ka hatramin\u2019izao. Tsy matoky anao anefa ireo mpitondra hafa.",
"7": "Koa mandehana miverina soa aman-tsara, ary aza manao zavatra mampahatezitra an\u2019ireo mpitondra eo amin\u2019ny Filistinina.\u201d",
"8": "Hoy anefa i Davida tamin\u2019i Akisy: \u201cFa inona no nataoko? Ary inona no tsy nety hitanao nataon\u2019ny mpanomponao hatramin\u2019ny andro nahatongavako teo aminao ka hatramin\u2019izao? Fa nahoana aho no tsy mahazo mandeha miaraka aminao, ka hiady amin\u2019ny fahavalon\u2019ny mpanjaka tompoko?\u201d",
"9": "Dia hoy ny navalin\u2019i Akisy: \u201cRaha ny hevitro dia olona tsara ianao, tsara hoatran\u2019ny anjelin\u2019Andriamanitra. Fa ireo andrianan\u2019ny Filistinina no niteny hoe: \u2018Aza avela hiara-miakatra amintsika ho any an\u2019ady izy.\u2019",
"10": "Koa mifohaza maraina ianao sy ny mpanompon\u2019ny tomponao izay miaraka aminao. Mifohaza dia mandehana raha vao mangiran-dratsy.\u201d",
"11": "Nifoha maraina \u00e0ry i Davida sy ny olony, mba handeha hiverina any amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina. Ny Filistinina kosa niakatra nankany Jezirela."
},
"30": {
"1": "Rehefa tonga tany Ziklaga i Davida sy ny olony tamin\u2019ny andro fahatelo, dia hitany fa notafihin\u2019ny Amalekita ny faritra atsimo sy Ziklaga. Nanafika an\u2019i Ziklaga izy ireo, dia nandoro azy.",
"2": "Ary nobaboin\u2019izy ireo ny vehivavy sy izay rehetra tao an-tan\u00e0na, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra. Tsy nisy novonoiny ho faty anefa ny olona, fa nalainy dia lasa izy ireo nandeha.",
"3": "Rehefa tonga tao an-tan\u00e0na i Davida sy ny olony, dia efa main\u2019ny afo ny tan\u00e0na ary efa lasa babo ny vadin\u2019izy ireo sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy.",
"4": "Dia nigogogogo nitomany i Davida sy ny olona niaraka taminy, ka rehefa tsy nanan-kery hitomaniana intsony izy ireo vao nangina.",
"5": "Lasa babo koa ny vadin\u2019i Davida anankiroa, dia i Ahinoama Jezirelita sy Abigaila vady navelan\u2019i Nabala Karmelita.",
"6": "Nalahelo be i Davida satria nifampiresaka ny olona hoe hitora-bato azy. Tezitra be daholo mantsy izy ireo fa tsy teo intsony ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Niantehitra tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny anefa i Davida ka nahazo hery.",
"7": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Abiatara mpisorona, zanak\u2019i Ahimeleka: \u201cMba ento et\u1ef3, azafady, ilay efoda!\u201d Koa nentin\u2019i Abiatara teo amin\u2019i Davida ilay efoda.",
"8": "Ary nanontany an\u2019i Jehovah i Davida hoe: \u201cHanenjika an\u2019ireo mpandroba ve aho? Ho tratrako ve ry zareo?\u201d Dia hoy izy taminy: \u201cMandehana enjeho ry zareo, fa tsy maintsy ho tratranao, ary hanafaka an\u2019ireo babo ianao.\u201d",
"9": "Tonga dia niainga i Davida sy ny 600 lahy niaraka taminy, ka nandeha hatrany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Besora. Dia nijanona teo ny sasany tamin\u2019izy ireo.",
"10": "Ary nanohy nanenjika an\u2019ireo mpandroba i Davida sy ny 400\u00a0lahy, fa ny 200 lahy kosa nijanona satria reraka loatra ka tsy vitan\u2019izy ireo ny niampita ny Lohasahan\u2019i Besora.",
"11": "Nahita lehilahy ejipsianina iray tany an-tsaha izy ireo. Dia nentiny tany amin\u2019i Davida ilay lehilahy, ka nomeny sakafo sy rano hosotroina,",
"12": "sy sila-mofo vita tamin\u2019ny aviavy noporetina, ary mofo roa vita tamin\u2019ny voaloboka maina. Koa nahazo hery izy rehefa avy nihinana. Efa telo andro sy telo alina mantsy izy no tsy nihinan-kanina sady tsy nisotro rano.",
"13": "Ary nanontany azy i Davida hoe: \u201cMpanompon\u2019iza ianao, ary avy aiza?\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cEjipsianina aho, ary andevon\u2019ny lehilahy amalekita iray. Nilaozan\u2019ny tompoko anefa aho satria narary, telo andro lasa izay.",
"14": "Nanafika ny faritra atsimon\u2019ny tanin\u2019ny Keretita sy ny faritry ny tanin\u2019i Joda ary ny faritra atsimon\u2019ny tanin\u2019ny taranak\u2019i Kaleba izahay. Ary nodoranay i Ziklaga.\u201d",
"15": "Hoy \u00e0ry i Davida taminy: \u201cAzonao entina midina mankany amin\u2019izany mpandroba izany ve aho?\u201d Dia hoy izy: \u201cHoentiko midina mankany amin\u2019ireo mpandroba ianao, raha mianiana amiko amin\u2019ny anaran\u2019Andriamanitra fa tsy hamono ahy ho faty, sady tsy hanolotra ahy amin\u2019ny tompoko.\u201d",
"16": "Koa nentiny nidina tany amin\u2019izay nisy ny Amalekita i Davida. Niparitaka nanerana an\u2019ilay faritra izy ireo, sady nihinana sy nisotro ary nanao fety. Be dia be mantsy ny zavatra azon\u2019izy ireo tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina sy ny tanin\u2019i Joda.",
"17": "Ary namely azy ireo i Davida, nanomboka tamin\u2019ny mazava ratsy ka hatramin\u2019ny hariva. Tsy nisy afa-nandositra afa-tsy lehilahy 400 nitsoaka nitaingina rameva.",
"18": "Dia azon\u2019i Davida daholo izay nalain\u2019ny Amalekita, ary navotany koa ny vadiny anankiroa.",
"19": "Ary azon\u2019izy ireo daholo ny fananany rehetra, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra. Tafaverina taminy na ny zanany lahy na ny zanany vavy na ny zavatra voababo. Azon\u2019i Davida indray ny zava-drehetra nalain\u2019ny mpandroba.",
"20": "Koa nalain\u2019i Davida daholo ny ondry sy ny omby, ka noroahin\u2019ny olony teo alohan\u2019ny biby fiompiny. Ary hoy izy ireo: \u201cItony ny zavatra nobaboin\u2019i Davida.\u201d",
"21": "Dia tonga teo amin\u2019ireo 200\u00a0lahy, izay nijanona teo akaikin\u2019ny Lohasahan\u2019i Besora, i Davida. Tsy niaraka taminy mantsy izy ireo satria reraka loatra. Ary nitsena an\u2019i Davida sy ny olona niaraka taminy izy ireo. Rehefa tonga teo amin\u2019izy ireo i Davida, dia nanontany hoe nanao ahoana izy ireo.",
"22": "Fa hoy kosa ireo olona ratsy fanahy sy tsy misy ilana azy, anisan\u2019ny niaraka tamin\u2019i Davida: \u201cTsy homentsika na inona na inona avy amin\u2019ny zavatra babo azontsika ireo, satria tsy nandeha niaraka tamintsika. Ny vady aman-janany ihany no azony alaina, dia aleo izy handeha.\u201d",
"23": "Hoy anefa i Davida: \u201cAza manao an\u2019izany amin\u2019ny zavatra nomen\u2019i Jehovah antsika, ry rahalahiko. Izy no niaro antsika sy nanao izay handresentsika an\u2019ireo mpandroba nanafika antsika.",
"24": "Koa iza koa no hanaiky an\u2019izany hevitrareo izany? Hitovy ihany ny anjaran\u2019izay nidina tany an\u2019ady sy ny an\u2019izay niandry entana. Samy hahazo anjara ny rehetra.\u201d",
"25": "Nanomboka tamin\u2019izay andro izay ka hatramin\u2019izao, dia napetrany ho fitsipika sy lal\u00e0na ho an\u2019ny Israely izany.",
"26": "Rehefa tafaverina tany Ziklaga i Davida, dia nandefasany tamin\u2019ny zavatra azo babo ireo anti-panahy namany tao Joda. Hoy izy: \u201cIny misy fanomezana ho anareo, avy amin\u2019ny zavatra azo babo tamin\u2019ny fahavalon\u2019i Jehovah.\u201d",
"27": "Nandefasany ny anti-panahy tany Betela, tany Ramota any Negeba, tany Jatira,",
"28": "tany Aroera, tany Sifmota, tany Estemoa,",
"29": "tany Rakala, tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019ny Jeramelita, tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019ny Kenita,",
"30": "tany Horma, tany Borasana, tany Ataka,",
"31": "tany Hebrona, ary tany amin\u2019ny toerana rehetra efa nalehan\u2019i Davida sy ny olony."
},
"31": {
"1": "Niady tamin\u2019ny Israely ny Filistinina. Ary nandositra azy ireo ny lehilahy israelita, ka be dia be no maty niampatrampatra teny amin\u2019ny Tendrombohitra Gilboa.",
"2": "Narahin\u2019ny Filistinina akaiky dia akaiky i Saoly sy ny zanany lahy, ka matin\u2019izy ireo ny zanak\u2019i Saoly, dia i Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa.",
"3": "Ary vao mainka nihamafy ny fanafihana an\u2019i Saoly. Dia hitan\u2019ireo mpandefa zana-tsip\u00ecka izy, ka voan\u2019izy ireo ary naratra mafy.",
"4": "Dia hoy i Saoly tamin\u2019ny mpitondra ny fiadiany: \u201cTsoahy ny sabatrao dia atsatohy amiko, sao dia ho avy hamely ahy ireo tsy mifora ireo ka hampijalijaly ahy sy tsy hiantra ahy.\u201d Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana, satria natahotra be. Nalain\u2019i Saoly \u00e0ry ny sabatra, dia nianjerany mba ho voatrobaka izy.",
"5": "Rehefa hitan\u2019ilay mpitondra fiadiana fa maty i Saoly, dia nianjerany koa ny sabany ka niara-maty taminy izy.",
"6": "Niara-maty tamin\u2019iny andro iny \u00e0ry i Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny mpanompony rehetra niaraka taminy.",
"7": "Tazan\u2019ny vahoakan\u2019Israely teny amin\u2019ny lohasaha sy teny amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana fa nandositra ny tafiky ny Israely, ary maty i Saoly sy ny zanany. Nandao ny tan\u00e0nany \u00e0ry izy ireo ka nandositra. Dia tonga ny Filistinina ka nipetraka tao amin\u2019ireny tan\u00e0na ireny.",
"8": "Rehefa tonga haka an\u2019izay zavatra teny amin\u2019ireo faty ny Filistinina ny ampitson\u2019iny, dia nahita ny fatin\u2019i Saoly sy ny zanany telo lahy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Gilboa.",
"9": "Koa notapahin\u2019izy ireo ny lohan\u2019i Saoly, dia nalainy ny fiadiany. Ary naniraka olona handeha eran\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina izy ireo, mba hilaza an\u2019ilay vaovao tany amin\u2019ireo tranon\u2019ny sampiny sy tamin\u2019ny vahoaka.",
"10": "Dia napetrak\u2019izy ireo tao amin\u2019ny trano nisy an\u2019ireo sarin\u2019i Astarta ny fiadian\u2019i Saoly, fa ny fatiny kosa nahantony teo amin\u2019ny mandan\u2019i Beti-sana.",
"11": "Rehefa henon\u2019ny mponin\u2019i Jabesi-gileada izay nataon\u2019ny Filistinina tamin\u2019i Saoly,",
"12": "dia niainga ny miaramila rehetra ka nandeha nandritra ny alina. Dia nalain\u2019izy ireo teo amin\u2019ny mandan\u2019i Beti-sana ny fatin\u2019i Saoly sy ny fatin\u2019ny zanany. Ary niverina tany Jabesy izy ireo, ka nodorany tany ireo faty.",
"13": "Nentin\u2019izy ireo ny taolambalony avy eo, ka naleviny tao ambanin\u2019ilay hazo tamariska tany Jabesy. Ary nifady hanina fito andro izy ireo."
},
"meta": {
"name": "1 Samoela",
"order": 8,
"chapter_number": 31
}
}