mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
123 lines (122 loc) • 20 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Avy amin\u2019i Petera, apostolin\u2019i Jesosy Kristy. Ho an\u2019ny mpivahiny miparitaka any Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia, ary Bitynia, dia ireo voafidy",
"2": "araka ny efa fantatr\u2019Andriamanitra Ray mialoha, sy nohamasinin\u2019ny fanahy masina, mba hankat\u00f2 sy mba hofafazana ny ran\u2019i Jesosy Kristy, Enga anie ianareo hanehoana hatsaram-panahy miavaka sy hahazo fiadanana betsaka kokoa!",
"3": "Hoderaina anie Andriamanitra Rain\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika, satria be famindram-po izy ka naterany indray isika, dia lasa manana fanantenana velona noho izy nanangana an\u2019i Jesosy Kristy tamin\u2019ny maty.",
"4": "Naterany indray tokoa isika mba hanana lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra. Voatahiry any an-danitra ho anareo izany,",
"5": "dia ianareo izay arovan\u2019ny herin\u2019Andriamanitra noho ianareo manam-pinoana. Arovany toy izany ianareo mba hahazo famonjena, izay efa vonona haharihary amin\u2019ny fotoana farany.",
"6": "Faly be ianareo noho izany, na dia nalahelo aza ianareo satria tsy maintsy niaritra fitsapana samihafa vetivety.",
"7": "Amin\u2019izay dia hitondra dera sy voninahitra ary haja ho anareo ny finoanareo vita sedra, rehefa haharihary i Jesosy Kristy. Ny finoana vita sedra mantsy, dia sarobidy lavitra noho ny volamena, izay mety simba na dia efa nosedraina tamin\u2019ny afo aza.",
"8": "Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo. Ary na tsy hitanareo aza izy izao, dia mino azy ianareo sady faly be sy ravoravo ka tsy hita izay hilazana ny hafalianareo,",
"9": "satria tratranareo ny tanjonareo, dia ny hahazo famonjena, noho ianareo manam-pinoana.",
"10": "Namotopototra tsara sy nikaroka lalina momba an\u2019izany famonjena izany ireo mpaminany, izay naminany momba ny hatsaram-panahy miavaka voatokana ho anareo.",
"11": "Nanadihady foana izy ireny hoe inona no hitranga ary rahoviana no ho tanteraka izay nolazain\u2019ny fanahy masina momba an\u2019i Kristy. Ny fanahy masina tao amin\u2019izy ireny mantsy efa nanambara mialoha fa tsy maintsy hijaly i Kristy ary hahazo voninahitra aorian\u2019izany.",
"12": "Naharihary tamin\u2019izy ireny hoe tsy ho an\u2019ny tenany ny fanompoana nataony, fa ho anareo. Izay nosoratan\u2019izy ireny no ambara aminareo izao. Ireo nitory ny vaovao tsara taminareo no nanambara an\u2019izany, rehefa nahazo fanahy masina nalefa avy any an-danitra izy ireo. Ireny zavatra ireny indrindra no tena tian\u2019ny anjely hodinihina tsara.",
"13": "Koa hatanjaho ny sainareo mba ho vonona hiatrika asa, ary aoka ianareo hisaina tsara foana. Aoka koa ianareo hanantena ny hatsaram-panahy miavaka haseho aminareo rehefa haharihary i Jesosy Kristy.",
"14": "Zanaka mankat\u00f2 ianareo, ka aza manaiky intsony hovolavolain\u2019ny faniriana nanananareo taloha tamin\u2019ianareo mbola tsy nahalala an\u2019Andriamanitra.",
"15": "Aoka kosa ianareo ho masina amin\u2019ny fitondran-tenanareo rehetra, hoatran\u2019Ilay Masina izay niantso anareo.",
"16": "Fa voasoratra hoe: \u201cTsy maintsy masina ianareo, satria masina aho.\u201d",
"17": "Mpitsara tsy miangatra ny Ray ary mitsara ny tsirairay araka izay ataony. Koa raha izy no antsoinareo dia asehoy amin\u2019ny ataonareo, mandritra ny fotoana maha mpivahiny anareo, hoe matahotra azy ianareo.",
"18": "Fantatrareo mantsy fa tsy tamin\u2019ny zavatra mety simba, toy ny volafotsy na volamena, no nanafahana anareo tamin\u2019ny fomba fiaina tsy mahasoa nolovanareo tamin\u2019ny razambenareo,",
"19": "fa tamin\u2019ny ra sarobidy kosa, dia ny ran\u2019i Kristy, izay toy ny ran\u2019ny zanak\u2019ondry tsy misy tsininy sy tsy misy pentina.",
"20": "Marina fa efa voafidy mialoha i Kristy, talohan\u2019ny nanorenana an\u2019izao tontolo izao. Naseho anefa izy tamin\u2019izao fotoana farany izao, noho ny aminareo.",
"21": "Tamin\u2019ny alalany no nahatonga anareo ho mpino an\u2019Andriamanitra, dia ilay nanangana azy tamin\u2019ny maty sy nanome voninahitra azy, mba hinoanareo sy hanantenanareo an\u2019Andriamanitra.",
"22": "Efa nanadio ny tenanareo ianareo rehefa nankat\u00f2 ny fahamarinana, ka ny vokatr\u2019izany, dia fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy. Koa mifankatiava lalina amin\u2019ny fo.",
"23": "Nateraka indray mantsy ianareo, tsy tamin\u2019ny alalan\u2019ny voa mety lo, fa tamin\u2019ny tsy mety lo, dia tamin\u2019ny alalan\u2019ny tenin\u2019ilay Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay.",
"24": "Fa \u201choatran\u2019ny ahitra ny olombelona rehetra, ary hoatran\u2019ny voninkazo eny an-tsaha ny voninahiny rehetra. Malazo ny ahitra, ary mihintsana ny voniny,",
"25": "fa ny tenin\u2019i Jehovah kosa maharitra mandrakizay.\u201d Ary izany \u201cteny\u201d izany ilay vaovao tsara nambara taminareo."
},
"2": {
"1": "Esory \u00e0ry ny faharatsiana rehetra, ny fitaka, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana, ary ny fanaratsiana rehetra.",
"2": "Toy ny zaza menavava, dia ataovy izay haniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony, dia ny ronono ao amin\u2019ny tenin\u2019Andriamanitra, mba hitombo ianareo ka hahazo famonjena,",
"3": "raha efa nandramanareo fa tsara fanahy ny Tompo.",
"4": "Toy ny vato velona tsy tian\u2019ny olona izy, nefa nofidin\u2019Andriamanitra sy sarobidy aminy. Rehefa manatona azy ianareo,",
"5": "izay vato velona koa, dia aorina ho trano ara-panahy mba ho mpisorona masina. Amin\u2019izay dia hanolotra sorona ara-panahy ankasitrahan\u2019Andriamanitra ianareo, amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy.",
"6": "Hoy mantsy ny Soratra Masina: \u201cMametraka vato voafidy ao Ziona aho, dia vato fehizoro sady vato fototra sarobidy. Tsy hisy ho diso fanantenana mihitsy izay rehetra maneho finoana azy io.\u201d",
"7": "Aminareo \u00e0ry no sarobidy izy, satria mpino ianareo. Fa amin\u2019ny tsy mpino kosa, dia \u201cny vato tsy tian\u2019ny mpanao trano no lasa vato fehizoro lehibe indrindra\u201d,",
"8": "sady nanjary \u201cvato mahatafintohina sy vatolampy mampianjera.\u201d Tafintohina izy ireny satria tsy mankat\u00f2 ny teny. Izany indrindra no efa voatendry hoe hanjo azy ireny.",
"9": "Ianareo kosa dia \u201cfirazanana voafidy, mpanjaka sady mpisorona, firenena masina, vahoaka nataon\u2019Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran\u2019Ilay\u201d niantso anareo hiala tamin\u2019ny haizina ho amin\u2019ny hazavany mahagaga.",
"10": "Tsy firenena mantsy ianareo taloha, fa firenen\u2019Andriamanitra kosa ianareo izao. Tsy namindrana fo ianareo taloha, fa efa nahazo famindram-po kosa izao.",
"11": "Ry malala, vahiny sy mpivahiny ianareo ka mampirisika anareo aho mba hanohitra foana ny fanirian\u2019ny nofo, izay miady aminareo.",
"12": "Miezaha foana ho tsara fitondran-tena eo amin\u2019izao tontolo izao. Amin\u2019izay izy ireo hahita ny asa tsara ataonareo, na dia manendrikendrika anareo ho mpanao ratsy aza, ka hanome voninahitra an\u2019Andriamanitra amin\u2019ny andro handinihany ny momba ny olombelona.",
"13": "Noho ny amin\u2019ny Tompo, dia ekeo izay fahefana rehetra najoron\u2019olombelona: Na mpanjaka izany, satria ambony izy,",
"14": "na governora, satria nirahin\u2019ny mpanjaka hanasazy ny mpanao ratsy ireny fa hidera an\u2019izay manao ny tsara kosa.",
"15": "Fa ny sitrapon\u2019Andriamanitra dia ny hanaovanareo an\u2019izay tsara mba hampanginanareo ny vavan\u2019ny olona tsy misaina, izay miteny zavatra tsy fantany.",
"16": "Olona afaka ianareo, nefa aza ampiasaina hanaronana ny ratsy izany fahafahanareo izany, fa ampiasao hanompoana an\u2019Andriamanitra kosa.",
"17": "Hajao ny karazan\u2019olona rehetra, tiavo ny rahalahy rehetra, matahora an\u2019Andriamanitra, hajao ny mpanjaka.",
"18": "Aoka ny mpanompo hanaiky ny tompony sady hatahotra azy araka ny tokony ho izy, tsy ny tompo tsara fanahy sy be\u00a0fandeferana ihany fa ny sarotsarotiny koa.",
"19": "Ankasitrahan\u2019Andriamanitra mantsy ny olona miaritra fahoriana sy mijaly tsy ara-drariny noho izy te hanana feon\u2019ny fieritreretana madio eo anatrehany.",
"20": "Fa inona moa ny soa azonareo raha voakapoka ianareo satria nanota ka miaritra an\u2019izany? Fa raha miaritra fijaliana kosa ianareo satria manao ny tsara, dia izany no ankasitrahan\u2019Andriamanitra.",
"21": "Izany tokoa mantsy no niantsoana anareo, satria na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.",
"22": "Tsy nanota izy, ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.",
"23": "Tsy mba nanambanimbany izy rehefa nisy nanambanimbany. Tsy mba nandrahona izy rehefa nijaly, fa nanankina ny fiainany kosa tamin\u2019Ilay mitsara araka ny rariny.",
"24": "Izy no nitondra ny fahotantsika tao amin\u2019ny vatany, teo amin\u2019ny tsato-kazo, mba ho faty isika raha ny amin\u2019ny ota, fa ho velona kosa mba hanao ny marina. Ary \u201cny ratrany no nahatonga anareo ho sitrana.\u201d",
"25": "Hoatran\u2019ny ondry nania mantsy ianareo, saingy efa niverina tamin\u2019ilay mpiandry sy mpiandraikitra anareo ianareo izao."
},
"3": {
"1": "Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo. Amin\u2019izay raha misy amin\u2019izy ireo tsy mankat\u00f2 ny teny masina, dia ho voataonan\u2019ny fitondran-tenanareo izy, fa tsy ny teny lazainareo.",
"2": "Ho hitany mantsy ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.",
"3": "Tsy tokony ho zavatra ivelany fotsiny ny haingonareo\u2014toy ny randram-bolo sy firavaka volamena na akanjo tsara\u2014",
"4": "fa tokony ho ilay toetra miafina ao am-po kosa, izay toy ny haingo tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy\u00a0paika, izay tena sarobidy eo imason\u2019Andriamanitra.",
"5": "Fa toy izany ny haingo fanaon\u2019ireo vehivavy masina taloha izay nanantena an\u2019Andriamanitra. Nanaiky ny vadiny izy ireny,",
"6": "hoatran\u2019i Saraha izay nankat\u00f2 an\u2019i Abrahama, ka niantso azy hoe tompo. Zanak\u2019i Saraha ianareo, raha manao ny tsara foana sady tsy resin\u2019ny tahotra.",
"7": "Toy izany koa ianareo lehilahy, miaraha mitoetra foana amin\u2019ny vadinareo, ka\u00a0miezaha hahazo tsara ny fihetseham-pony. Omeo voninahitra ny vehivavy, toy ny atao amin\u2019ny fanaka malemy kokoa, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo. Izy ireo koa mantsy mpiara-mandova aminareo an\u2019ilay fanomezana miavaka, dia ny fiainana.",
"8": "Farany, miraisa saina ianareo rehetra, miaraha ory, mifankatiava hoatran\u2019ny mpirahalahy, man\u00e0na fangorahana, ary manetre tena.",
"9": "Aza mamaly ratsy ny ratsy na manambanimbany rehefa misy manambanimbany. Aleo kosa mirary soa, satria izany no niantsoana anareo, mba handovanareo fitahiana.",
"10": "\u201cIzay tia ny fiainana sy te ho sambatra, dia tsy maintsy mitandrina ny lelany mba tsy hilaza zava-dratsy, ary ny molony mba tsy hiteny fitaka.",
"11": "Aoka izy hiala amin\u2019ny ratsy ka hanao ny tsara, ary hitady fihavanana ka hitandro an\u2019izany.",
"12": "Fa ny mason\u2019i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany. Manohitra an\u2019izay manao ratsy kosa i Jehovah.\u201d",
"13": "Iza tokoa no hanisy ratsy anareo raha mafana fo manao ny tsara ianareo?",
"14": "Fa na mijaly aza ianareo satria manao ny marina, dia sambatra ianareo. Aza atahorana anefa izay atahoran\u2019izy ireo ary aza mitebiteby.",
"15": "Manamas\u00ecna kosa an\u2019i Kristy ho Tompo ao am-ponareo, ka aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan\u2019izay manontany ny anton\u2019ny fanantenanareo. Tokony halemy fanahy sy ho feno fanajana anefa ianareo rehefa manao an\u2019izany.",
"16": "Miezaha hanana feon\u2019ny fieritreretana madio foana, mba ho afa-baraka ireo manohitra anareo, na inona na inona teneniny, noho ianareo tsara fitondran-tena satria mpanara-dia an\u2019i Kristy.",
"17": "Fa tsara kokoa ny hoe mijaly satria manao ny tsara, raha sitrapon\u2019Andriamanitra ny hamela an\u2019izany hitranga, noho ny hoe mijaly satria manao ratsy.",
"18": "Fa i Kristy aza mantsy maty indray mandeha fotsiny noho ny ota, izany hoe olo-marina ho solon\u2019ny tsy marina, mba hitondrany anareo ho amin\u2019Andriamanitra. Nofo izy rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.",
"19": "Tamin\u2019izay izy no nandeha nitory tamin\u2019ireo fanahy ao am-ponja,",
"20": "izay tsy nankat\u00f2 tany aloha tany, tamin\u2019Andriamanitra naharitra niandry tamin\u2019ny andron\u2019i Noa, raha mbola namboarina ny sambofiara. Olona vitsy ihany, izany hoe olona valo no nentin\u2019izy io teny ambony rano ka avotra soa aman-tsara.",
"21": "Misy mifanitsy amin\u2019izany koa amin\u2019izao, dia ny batisa\u2014tsy fanesorana ny fahalotoan\u2019ny nofo anefa, fa fangatahana amin\u2019Andriamanitra feon\u2019ny fieritreretana madio.\u2014Mamonjy anareo ny batisa, noho ianareo mino ny nananganana an\u2019i Jesosy Kristy tamin\u2019ny maty.",
"22": "Eo ankavanan\u2019Andriamanitra izy, satria nankany an-danitra, ary nasaina nanaiky azy ny anjely sy ireo manana fahefana ary ireo manana hery."
},
"4": {
"1": "Nijaly tao amin\u2019ny nofo i Kristy, ka ataovy koa izay hanananareo toe-tsaina toy ny azy. Efa tsy manao fahotana intsony mantsy ny olona nijaly tao amin\u2019ny nofo,",
"2": "amin\u2019izay izy dia tsy ho velona mba hanatanteraka ny fanirian\u2019olombelona intsony, fa ho velona hanao ny sitrapon\u2019Andriamanitra, amin\u2019ny andro sisa hiainany ao amin\u2019ny nofo.",
"3": "Ampy izay ny fotoana nanaovanareo ny sitrapon\u2019izao tontolo izao, tamin\u2019ianareo nanana fitondran-tena tsy misy henatra, nanaram-po tamin\u2019ny filan\u2019ny nofo, nisotro tafahoatra, nanao fety tsy voafehy, nifaninana nisotro, ary nanao fanompoan-tsampy maharikoriko.",
"4": "Gaga izy ireo fa tsy miara-mihazakazaka aminy intsony ianareo, izany hoe tsy miaraka aminy manaram-po amin\u2019ny ratsy intsony, dia manevateva anareo izy.",
"5": "Mbola hanao ampamoaka an\u2019ireny olona ireny anefa ilay vonona hitsara ny velona sy ny maty.",
"6": "Raha ny marina, dia nitoriana ny vaovao tsara koa ny maty mba ho velona araka ny fanahy, araka ny fomba fihevitr\u2019Andriamanitra, na dia tsaraina araka ny nofo, araka ny fomba fihevitr\u2019olombelona aza.",
"7": "Efa manakaiky anefa ny faran\u2019ny zava-drehetra. Aoka \u00e0ry ianareo hisaina tsara sy ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.",
"8": "Ambonin\u2019ny zavatra rehetra, dia mifankatiava lalina, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.",
"9": "Samia miezaka ho tia mandray vahiny ary aza mimenomenona rehefa manao an\u2019izany.",
"10": "Ampiasao mba hifanompoana izay nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy. Ianareo mantsy no mpanompo tsara izay manampy ny hafa handray soa amin\u2019ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra amin\u2019ny fomba maro samihafa.",
"11": "Raha misy miteny, dia aoka izy ho toy ny milaza hafatra avy amin\u2019Andriamanitra. Raha misy manompo, dia aoka izy hanompo sady hiantehitra amin\u2019ny hery omen\u2019Andriamanitra. Amin\u2019izay dia homem-boninahitra amin\u2019ny zava-drehetra Andriamanitra, amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy. Azy mandrakizay mandrakizay ny voninahitra sy ny hery! Amena.",
"12": "Ry malala, aza gaga amin\u2019ny fitsapana mivaivay mahazo anareo, toy ny hoe zavatra hafahafa no manjo anareo.",
"13": "Fa mifalia foana kosa arakaraka ny ijalianareo hoatran\u2019i Kristy, mba hifalianareo sy hiravoravoanareo mandritra ny fampiharihariana ny voninahiny.",
"14": "Sambatra ianareo raha haratsiratsin\u2019ny olona noho ny anaran\u2019i Kristy, satria ianareo manana ny fanahin\u2019ny voninahitra, dia ny fanahin\u2019Andriamanitra.",
"15": "Aoka anefa tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpidikiditra amin\u2019ny fiainan\u2019olona.",
"16": "Fa raha misy mijaly satria Kristianina, dia aoka tsy ho menatra izy, fa hankalaza foana an\u2019Andriamanitra kosa sady hitondra an\u2019izany anarana izany.",
"17": "Izao mantsy no fotoana voatondro hanombohan\u2019ny fitsarana eo amin\u2019ny ankohonan\u2019 Andriamanitra. Koa raha manomboka amintsika izany, hanao ahoana no hiafaran\u2019ireo tsy mankat\u00f2 ny vaovao tsaran\u2019Andriamanitra?",
"18": "\u201cRaha ny olo-marina aza sarotra ny hahavoavonjy azy, dia inona no hanjo ny olona tsy matahotra an\u2019Andriamanitra sy ny mpanota?\u201d",
"19": "Aoka \u00e0ry ireo mijaly noho ny fanaovana ny sitrapon\u2019Andriamanitra hiantehitra foana amin\u2019ilay Mpamorona mendri-pitokisana, sady hanohy hanao ny tsara."
},
"5": {
"1": "Koa satria izaho anti-panahy koa, sy vavolombelona nahita ny fijalian\u2019i Kristy sady anisan\u2019ny hahazo an\u2019ilay voninahitra efa haharihary, dia miangavy an\u2019ireo anti-panahy eo aminareo aho hoe:",
"2": "Andraso ny andian\u2019ondrin\u2019Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, ka ataovy ny asan\u2019ny mpiandraikitra. Tsy an-tery anefa no tokony hanaovana an\u2019izany, fa an-tsitrapo eo anatrehan\u2019Andriamanitra, tsy noho ny fitiavana tombony azo amin\u2019ny tsy marina, fa noho ny fahazotoana,",
"3": "ary tsy ho mpanjakazaka amin\u2019ny lovan\u2019Andriamanitra, fa ho modely ho an\u2019ny andian\u2019ondry.",
"4": "Dia hahazo satroboninahitra tsy mety malazo ianareo rehefa aseho ilay lehiben\u2019ny mpiandry.",
"5": "Ary ianareo tanora koa, maneke ny zokiolona. Fa ianareo rehetra kosa mitafia fanetren-tena rehefa mifandray ianareo samy ianareo, satria manohitra ny manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy miavaka amin\u2019ny manetry tena.",
"6": "Koa manetre tena eo ambanin\u2019ny tana-maherin\u2019Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin\u2019ny fotoana voatondrony,",
"7": "ary apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.",
"8": "Aoka ianareo hisaina tsara foana sy hiambina! Ny Devoly fahavalonareo mantsy mandehandeha hoatran\u2019ny liona mierona, mitady olona harapaka.",
"9": "Tohero anefa izy ka man\u00e0na finoana matanjaka, satria fantatrareo fa ampijalina toy izany koa ny rahalahinareo rehetra, eran\u2019izao tontolo izao.",
"10": "Rehefa avy nijaly vetivety anefa ianareo, dia hamita ny fampiofanana anareo ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy miavaka rehetra, izay niantso anareo ho amin\u2019ny voninahiny mandrakizay, noho ianareo tafaray amin\u2019i Kristy. Hanampy anareo ho mafy orina izy, sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.",
"11": "Ho azy mandrakizay anie ny hery! Amena.",
"12": "Nanoratra teny vitsivitsy ho anareo aho, tamin\u2019ny alalan\u2019i Silvano, izay hitako hoe rahalahy mendri-pitokisana. Nanoratra aho mba hampaherezana anareo sy hanomezana toky anareo fa tena izy ilay hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra aminareo. Aza miala amin\u2019izany hatsaram-panahiny izany mihitsy.",
"13": "Mampamangy, hono, ianareo, hoy ilay eto Babylona, ilay voafidy hoatr\u2019anareo. Mampamangy koa, hono, ianareo, hoy i Marka zanako.",
"14": "Mifampiarahab\u00e0 amin\u2019ny oroka fanehoam-pitiavana. Enga anie hahazo fiadanana ianareo rehetra tafaray amin\u2019i Kristy!"
},
"meta": {
"name": "1 Petera",
"order": 59,
"chapter_number": 5
}
}