UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

477 lines 73.4 kB
{
    "1": {
        "1": "Avy amin\u2019i Paoly, ilay voantso ho apostolin\u2019i Kristy Jesosy noho ny sitrapon\u2019Andriamanitra, sy Sostena rahalahintsika.",
        "2": "Ho an\u2019ny fiangonan\u2019Andriamanitra any Korinto, dia ianareo izay nohamasinina tao amin\u2019i Kristy Jesosy sady voantso ho olona masina, ary ho an\u2019izay rehetra miantso ny anaran\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika, na aiza na aiza, izay Tompon\u2019izy ireo sady Tompontsika koa,",
        "3": "Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo sady hanome anareo fiadanana!",
        "4": "Misaotra an\u2019ilay Andriamanitro foana aho noho ny aminareo, satria nanehoany hatsaram-panahy miavaka tamin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy ianareo.",
        "5": "Noho ianareo tafaray amin\u2019i Kristy mantsy, dia lasa manan-karena amin\u2019ny zava-drehetra ianareo, anisan\u2019izany ny hoe lasa mahay mitory sy manana fahalalana feno ianareo,",
        "6": "satria natao mafy orina teo aminareo ny fitoriana momba an\u2019i Kristy.",
        "7": "Noho izany, dia tsy misy mihitsy fanomezana tsy anananareo, amin\u2019izao ianareo miandry mafy izao hoe rahoviana no haharihary i Jesosy Kristy Tompontsika.",
        "8": "Hanampy anareo ho mafy\u00a0orina hatramin\u2019ny farany koa Andriamanitra, mba tsy hisy antony hiampangana anareo amin\u2019ny andron\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika.",
        "9": "Tsy mivadika amin\u2019ny teniny Andriamanitra, izay niantso anareo mba hifandray akaiky amin\u2019ny Zanany, dia i Jesosy Kristy Tompontsika.",
        "10": "Mampirisika anareo aho, ry\u00a0rahalahy, amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanara-kevitra ianareo amin\u2019izay lazainareo. Aza avela hisy fisaratsarahana eo aminareo, fa miezaha kosa hiray hina tsara ka hiray saina sy hiray hevitra.",
        "11": "Nisy olona avy amin\u2019ny ankohonan\u2019i Kloa mantsy, ry\u00a0rahalahiko, niresaka momba anareo tamiko hoe misy aminareo, hono, tsy mifanaraka.",
        "12": "Izao no tiako holazaina: Misy milaza hoe \u201cIzaho an\u2019i Paoly\u201d, na hoe \u201cIzaho an\u2019i Apolosy\u201d, ary ny hafa indray miteny hoe \u201cIzaho an\u2019i Kefasy\u201d, na \u201cIzaho an\u2019i Kristy.\u201d",
        "13": "Fa angaha voazarazara i Kristy? I Paoly angaha no novonoina teo amin\u2019ny tsato-kazo ho anareo? Sa natao batisa tamin\u2019ny anaran\u2019i Paoly ianareo?",
        "14": "Misaotra an\u2019Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo sy Gaio,",
        "15": "mba tsy hisy hilaza hoe natao batisa tamin\u2019ny anarako ianareo.",
        "16": "Eny\u00a0e! Nataoko batisa koa ny ankohonan\u2019i Stefanasy. Tsy tadidiko raha mbola nisy hafa nataoko batisa koa na tsia.",
        "17": "Fa tsy naniraka ahy hanao batisa i Kristy, fa hitory ny vaovao tsara. Tsy nampiseho fahendren\u2019olombelona anefa aho rehefa nitory, sao lasa tsy hisy hilana azy ny hazo fijalian\u2019i Kristy.",
        "18": "Fa amin\u2019ireo ho ringana, dia hadalana ny fampianarana momba ny hazo fijaliana, fa amintsika izay hovonjena kosa, dia herin\u2019Andriamanitra izany.",
        "19": "Fa voasoratra hoe: \u201cHofoanako ny fahendren\u2019ny olon-kendry, ary holaviko ny fahiratan-tsain\u2019ny mahira-tsaina.\u201d",
        "20": "Aiza \u00e0ry ny olon-kendry? Aiza ny mpanora-dal\u00e0na? Aiza ny mpiady hevitra eto amin\u2019izao tontolo izao? Tsy novan\u2019Andriamanitra ho hadalana ve ny fahendren\u2019izao tontolo izao?",
        "21": "Fa tsy mahalala an\u2019Andriamanitra izao tontolo izao satria mihevi-tena ho manam-pahendrena. Nasehon\u2019Andriamanitra anefa ny fahendreny, ka hitany hoe mety raha amin\u2019ny alalan\u2019ilay hafatra torinay, izay eritreretin\u2019ny olona hoe hadalana, no hamonjena an\u2019izay mino.",
        "22": "Fa mangataka famantarana ny Jiosy, ary mitady fahendrena ny Grika.",
        "23": "Isika kosa mitory an\u2019i Kristy novonoina teo amin\u2019ny tsato-kazo, izay zavatra manafintohina an\u2019ireo Jiosy ary hadalana amin\u2019ny hafa firenena.",
        "24": "Amin\u2019izay voantso kosa anefa, na Jiosy na Grika, dia amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy no isehoan\u2019ny herin\u2019Andriamanitra sy ny fahendren\u2019Andriamanitra.",
        "25": "Izay toa hadalana avy amin\u2019Andriamanitra mantsy dia mbola hendry noho ny olona, ary izay toa fahalemena avy amin\u2019Andriamanitra dia mbola mahery noho ny olona.",
        "26": "Ary hitanareo, ry rahalahy, fa rehefa niantso anareo izy, dia tsy betsaka taminareo no hendry araka ny nofo, tsy betsaka no mahery, ary tsy betsaka no avo razana.",
        "27": "Nifidy ny zavatra adala amin\u2019izao tontolo izao kosa Andriamanitra mba hampahamenatra ny olon-kendry. Ary nifidy ny zavatra malemy amin\u2019izao tontolo izao Andriamanitra mba hampahamenatra ny zavatra mahery.",
        "28": "Ary nifidy ny zavatra tsy misy dikany amin\u2019izao tontolo izao sy ny zavatra atao tsinontsinona Andriamanitra, dia izay zavatra tsy misy, mba hanafoanany an\u2019izay misy,",
        "29": "amin\u2019izay dia tsy hisy olona hirehareha eo imason\u2019Andriamanitra.",
        "30": "Fa izy no nahatonga anareo ho tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy, izay nampahafantatra antsika ny fahendren\u2019Andriamanitra sy ny fahamarinany, sady nahatonga antsika ho masina, ary nanafaka antsika tamin\u2019ny alalan\u2019ny vidim-panavotana,",
        "31": "mba ho araka ilay voasoratra hoe: \u201cIzay mirehareha, dia i Jehovah no tokony hataony rehareha.\u201d"
    },
    "2": {
        "1": "Koa rehefa tonga tany aminareo aho, ry\u00a0rahalahy, dia tsy nampiasa teny mipoapoaka be na niseho ho be\u00a0fahendrena rehefa nitory taminareo ny zava-miafina masin\u2019Andriamanitra.",
        "2": "Fa rehefa tany aminareo aho, dia tapa-kevitra ny tsy hiresaka zavatra hafa mihitsy, afa-tsy ny momba an\u2019i Jesosy Kristy sy ny namonoana azy teo amin\u2019ny tsato-kazo.",
        "3": "Nalemy sy natahotra ary nangovitra be aho tamin\u2019izaho tonga tany aminareo.",
        "4": "Ary rehefa niresaka sy nitory taminareo aho, dia tsy nampiasa tenim-pahendrena maharesy lahatra, fa nampiseho kosa hoe mahery ny fanahy masina.",
        "5": "Amin\u2019izay dia tsy ny fahendren\u2019olombelona no hahatonga anareo hanam-pinoana, fa ny herin\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Ary miresaka momba ny fahendrena amin\u2019izay matotra isika, saingy tsy ny fahendrena eto amin\u2019izao tontolo izao na ny an\u2019ny mpitondrany izay tsy hisy intsony.",
        "7": "Ny resahintsika kosa, dia ny momba ny fahendren\u2019Andriamanitra ao amin\u2019ny zava-miafina masina, izany hoe ilay fahendrena nafenina. Efa nomanin\u2019Andriamanitra mialoha izy io, talohan\u2019ny nisian\u2019ny tontolon\u2019ny olombelona, mba hahazoantsika voninahitra.",
        "8": "Tsy nisy nahafantatra an\u2019izany fahendrena izany ny mpitondra teto amin\u2019izao tontolo izao. Raha fantatr\u2019izy ireo mantsy izany, dia tsy ho novonoiny ny Tompo be\u00a0voninahitra.",
        "9": "Fa araka ny voasoratra hoe: \u201cMbola tsy hitan\u2019ny maso na henon\u2019ny sofina, na nitsiry tao am-pon\u2019ny olona ny zavatra nomanin\u2019Andriamanitra ho an\u2019izay tia azy.\u201d",
        "10": "Fa tamintsika no nampihariharian\u2019Andriamanitra an\u2019izany tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahiny. Ny fanahy mantsy mikaroka ao anatin\u2019ny zava-drehetra, na dia ny zava-dalin\u2019Andriamanitra aza.",
        "11": "Fa iza no mahafantatra ny mombamomba ny olona afa-tsy ny tenany ihany? Hoatr\u2019izany koa fa tsy misy mahafantatra ny mombamomba an\u2019Andriamanitra, afa-tsy ny fanahin\u2019Andriamanitra ihany.",
        "12": "Isika tsy nandray ny toe-tsain\u2019izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin\u2019Andriamanitra, mba hahafantarantsika ny zavatra nomen\u2019Andriamanitra antsika noho izy tsara fanahy.",
        "13": "Miresaka an\u2019izany zavatra izany koa isika, nefa tsy mampiasa teny ampianarin\u2019olon-kendry, fa mampiasa teny ampianarin\u2019ny fanahy. Teny araka ny fanahy mantsy no anazavantsika zavatra araka ny fanahy.",
        "14": "Ny olona araka ny nofo anefa dia tsy manaiky an\u2019izay zavatra avy amin\u2019ny fanahin\u2019Andriamanitra, satria hadalana izany aminy. Ary tsy afaka ny hahafantatra an\u2019izany izy, satria ilaina ny fanahin\u2019Andriamanitra rehefa mandinika an\u2019izany.",
        "15": "Ny olona araka ny fanahy kosa mandinika ny zava-drehetra, nefa tsy misy olona mandinika azy.",
        "16": "Fa \u201ciza no lasa mahafantatra ny sain\u2019i Jehovah, ka afaka mampianatra azy?\u201d Isika kosa anefa manana ny sain\u2019i Kristy."
    },
    "3": {
        "1": "Koa tsy afaka niresaka taminareo toy ny miresaka amin\u2019ny olona araka ny fanahy aho, ry\u00a0rahalahy, fa toy ny miresaka amin\u2019ny olona araka ny nofo, toy ny miresaka amin\u2019ny zaza ao amin\u2019i Kristy.",
        "2": "Ronono no nomeko ho sakafonareo, fa tsy ventin-kanina, satria mbola tsy natanjaka tsara ianareo. Mbola tsy matanjaka tsara ihany anefa ianareo izao,",
        "3": "fa mbola araka ny nofo ihany. Tsy olona araka ny nofo ve ianareo sady manao hoatran\u2019ny ataon\u2019ny olona eo amin\u2019izao tontolo izao, raha mbola mifampialona sy mifamaly?",
        "4": "Fa raha milaza ny iray hoe: \u201cIzaho an\u2019i Paoly\u201d, ary ny iray kosa hoe: \u201cIzaho an\u2019i Apolosy\u201d, tsy toy ny ataon\u2019ny olon-kafa rehetra ihany ve no ataonareo?",
        "5": "Koa inona \u00e0ry i Apolosy? Ary inona i Paoly? Mpanompo fotsiny ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, araka ny fanompoana nomen\u2019ny Tompo azy ireo tsirairay avy.",
        "6": "Izaho namboly, i Apolosy nanondraka, fa Andriamanitra kosa no tsy nitsahatra nampitombo.",
        "7": "Tsy ilay mamboly na ilay manondraka \u00e0ry no mendrika homena voninahitra, fa Andriamanitra izay mampitombo.",
        "8": "Ary iray ihany ilay mamboly sy ilay manondraka, nefa samy hahazo ny valisoany avy izy, arakaraka ny asa mafy nataony.",
        "9": "Fa mpiara-miasa amin\u2019Andriamanitra izahay, ary saha volen\u2019Andriamanitra sy trano aorin\u2019Andriamanitra ianareo.",
        "10": "Noho ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019Andriamanitra tamiko, dia nametraka fototra aho, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny mpanao trano tena mahay, fa olon-kafa kosa no manorina eo ambonin\u2019ilay fototra. Tokony hitandrina tsara foana anefa ny tsirairay hoe hoatran\u2019ny ahoana ny zavatra aoriny eo ambonin\u2019izany fototra izany.",
        "11": "Fa tsy misy afaka mametraka fototra hafa ankoatra an\u2019izay efa napetraka, dia i Jesosy Kristy.",
        "12": "Raha misy manorina amin\u2019ny volamena, volafotsy, vatosoa, hazo, bozaka, na mololo eo ambonin\u2019ilay fototra,",
        "13": "dia ho hita hoe hoatran\u2019ny ahoana ny asan\u2019ny tsirairay, rehefa tonga ny andro fisedrana. Fa hampiharihary an\u2019izany ny afo, ka hampiseho hoe hoatran\u2019ny ahoana ny asa nataon\u2019ny tsirairay.",
        "14": "Raha mbola eo ihany ny asa naorin\u2019ny olona teo ambonin\u2019ilay fototra, dia hahazo valisoa izy.",
        "15": "Fa raha may kosa ny asany, dia ho matiantoka izy. Hovonjena ihany anefa izy, saingy toy ny hoe hovonjena avy ao anaty afo.",
        "16": "Tsy fantatrareo angaha fa ianareo no tempolin\u2019Andriamanitra, ary ao anatinareo ny fanahin\u2019Andriamanitra?",
        "17": "Raha misy olona mandrava ny tempolin\u2019Andriamanitra, dia haringan\u2019Andriamanitra izy. Fa masina ny tempolin\u2019Andriamanitra, ary ianareo izany tempoly izany.",
        "18": "Aoka tsy hisy hamita-tena: Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry eto amin\u2019izao tontolo izao, dia aoka izy ho adala, mba ho lasa hendry.",
        "19": "Amin\u2019Andriamanitra mantsy dia hadalana ny fahendren\u2019izao tontolo izao, fa voasoratra hoe: \u201cNy hafetsen\u2019ny hendry ihany no amandrihany azy.\u201d",
        "20": "Ary koa hoe: \u201cFantatr\u2019i Jehovah fa tsy misy dikany ny hevitry ny olon-kendry.\u201d",
        "21": "Aoka \u00e0ry tsy hisy hanao olona ho reharehany, fa anareo daholo ny zava-drehetra:",
        "22": "Na i Paoly izany, na i Apolosy, na i Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy. Anareo daholo ny zava-drehetra.",
        "23": "Ianareo kosa an\u2019i Kristy, ary i Kristy an\u2019Andriamanitra."
    },
    "4": {
        "1": "Tokony hihevitra anay ho mpanompon\u2019i Kristy sy ho mpanompo miandraikitra ny zava-miafina masin\u2019Andriamanitra ny olona.",
        "2": "Noho izany, dia takina amin\u2019ny mpanompo ny ho mendri-pitokisana.",
        "3": "Raha izaho, dia tsy mampaninona ahy na ianareo na ny fitsaran\u2019olombelona no handinika ny momba ahy. Na izaho aza mantsy tsy manao an\u2019izany amin\u2019ny tenako.",
        "4": "Fa tsy hitako izay fahadisoako, nefa tsy midika akory izany hoe marina aho. I Jehovah no mandinika ny momba ahy.",
        "5": "Koa aza mitsara na inona na inona alohan\u2019ny fotoana voatondro, mandra-piavin\u2019ny Tompo. Izy no hampiseho eo amin\u2019ny mazava ny zava-miafina ao anaty haizina sy hampahafantatra ny fikasan\u2019ny fo. Amin\u2019izay dia samy hahazo dera avy amin\u2019Andriamanitra ny tsirairay.",
        "6": "Noraisiko ho ohatra izaho sy Apolosy, ry\u00a0rahalahy, rehefa nilaza an\u2019izany zavatra izany aho mba hahasoa anareo, ka hianaranareo an\u2019ilay fitsipika hoe: \u201cAza mihoatra an\u2019izay voasoratra.\u201d Amin\u2019izay dia tsy hirehareha ianareo, ka hihevitra ny iray ho tsara kokoa noho ny iray.",
        "7": "Fa inona no tsy mampitovy anao amin\u2019ny olon-kafa? Inona tokoa moa no anananao ka hoe tsy nomena anao? Koa raha nomena anao ilay izy, maninona ianao no mirehareha hoatran\u2019ny hoe tsy nisy nanome?",
        "8": "Efa afa-po sahady angaha ianareo? Ary efa manankarena sahady? Efa nanomboka nanjaka irery tsy nisy anay angaha ianareo? Tena tiako raha mba efa nanomboka nanjaka ianareo, amin\u2019izay koa izahay mba afaka miara-manjaka aminareo!",
        "9": "Fa amiko, dia hoatran\u2019ny hoe izahay apostoly no nataon\u2019Andriamanitra niakatra an-tsehatra farany, toy ny olona voaheloka ho faty. Naseho teny ambony sehatra mantsy izahay mba hojeren\u2019izao tontolo izao sy ny anjely ary ny olona.",
        "10": "Izahay moa adala noho ny amin\u2019i Kristy, fa ianareo kosa malina ao amin\u2019i Kristy! Izahay malemy, fa ianareo kosa matanjaka! Ianareo omem-boninahitra, fa izahay kosa alam-baraka!",
        "11": "Hatramin\u2019izao ora izao, dia mbola noana izahay, mangetaheta, zara raha mitafy, kapohina, tsy manan-kialofana,",
        "12": "ary miasa mafy amin\u2019ny tananay. Rehefa misy manambanimbany anay dia mirary soa izahay, rehefa enjehina izahay dia miaritra foana,",
        "13": "ary rehefa misy manendrikendrika dia mamaly amim-pahalemem-panahy. Lasa toy ny fakon\u2019izao tontolo izao sy faikan\u2019ny zava-drehetra izahay hatramin\u2019izao.",
        "14": "Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no anoratako an\u2019izany, fa ny hananatra anareo hoatran\u2019ny zanako malalako.",
        "15": "Fa na manana mpitaiza 10\u00a0000 ao amin\u2019i Kristy aza ianareo, dia azo antoka fa tsy be\u00a0dia\u00a0be ny rainareo. Lasa rainareo ao amin\u2019i Kristy Jesosy mantsy aho, satria nitory ny vaovao tsara taminareo.",
        "16": "Koa mampirisika anareo aho mba hanahaka ahy.",
        "17": "Izany no antony anirahako an\u2019i Timoty any aminareo, satria zanako malalako sy mendri-pitokisana ao amin\u2019ny Tompo izy. Hampahatsiahiviny anareo ny fomba fiasako amin\u2019ny fanompoana ampanaovin\u2019i Kristy Jesosy ahy, izany hoe ilay fomba fiasa ampianariko any amin\u2019ny fiangonana rehetra, na aiza na aiza.",
        "18": "Mirehareha ny sasany, satria heverin\u2019izy ireo fa tsy ho tonga any aminareo aho.",
        "19": "Ho avy tsy ho ela any aminareo anefa aho, raha sitrapon\u2019i Jehovah. Ary tsy izay tenenin\u2019ireo mirehareha no tiako hofantarina, fa ny heriny.",
        "20": "Tsy izay lazain\u2019ny olona mantsy no manaporofo hoe manaiky ny Fanjakan\u2019Andriamanitra izy, fa ny herin\u2019ny fanahin\u2019Andriamanitra eo aminy.",
        "21": "Fa inona no tianareo: Hitondra tsorakazo aho rehefa tonga any aminareo, sa ho be fitiavana sy halemy fanahy?"
    },
    "5": {
        "1": "Misy fijangajangana, hono, eo aminareo, ary fijangajangana tsy fahita na dia eo amin\u2019ny hafa firenena aza. Henoko hoe misy lehilahy manao tokantranomaso amin\u2019ny vadin-drainy.",
        "2": "Izany ve dia mampirehareha anareo? Tsy tokony halahelo kosa ve ianareo, ka hanala an\u2019ilay lehilahy nanao an\u2019izany zavatra izany tsy ho eo aminareo?",
        "3": "Na tsy any aminareo aza aho, dia any aminareo ny saiko, ary efa nitsara an\u2019ilay lehilahy nanao an\u2019izany aho, hoatran\u2019ny hoe any mihitsy.",
        "4": "Rehefa miara-mivory amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Tompontsika ianareo ary fantatrareo fa any aminareo ny saiko sy ny herin\u2019i Jesosy Tompontsika,",
        "5": "dia atolory ho an\u2019i Satana ilay lehilahy mba handringanana ny nofo. Amin\u2019izay dia ho voaro ny toe-tsain\u2019ny fiangonana, mandritra ny andron\u2019ny Tompo.",
        "6": "Tsy misy antony ireharehanareo. Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely fotsiny dia efa mampitombo ny koba manontolo?",
        "7": "Esory ny lalivay efa ela, mba ho koba vaovao ianareo, satria tsy tokony hisy lalivay ianareo. Fa efa natao sorona tokoa i Kristy, ilay zanak\u2019ondrin\u2019ny Paska.",
        "8": "Koa andao isika hankalaza an\u2019ilay fety, ka tsy hampiasa lalivay efa ela, dia ny faharatsiana sy ny haratsiam-panahy, fa hampiasa mofo tsy misy lalivay kosa, dia ny fahatsoram-po sy ny fahamarinana.",
        "9": "Nanoratra taminareo aho mba tsy hifaneraseranareo intsony amin\u2019ny mpijangajanga.",
        "10": "Tsy te hilaza anefa aho hoe aza mifanerasera mihitsy amin\u2019ny mpijangajanga eto amin\u2019izao tontolo izao, na amin\u2019ny olona tsy mety afa-po na mpanao an-keriny na mpanompo sampy. Raha izany mantsy, dia tena tsy maintsy miala eo amin\u2019izao tontolo izao ianareo.",
        "11": "Fa manoratra aminareo kosa aho izao mba tsy hifaneraseranareo intsony amin\u2019izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mamo lava, na mpanao an-keriny. Aza atao na dia ny miara-misakafo amin\u2019ny olona hoatr\u2019izany aza.",
        "12": "Fa inona no idirako amin\u2019izay fitsarana ny any ivelany? Tsy ianareo ve no mitsara ny ato anatiny,",
        "13": "fa Andriamanitra kosa no mitsara ny any ivelany? \u201cEsory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.\u201d"
    },
    "6": {
        "1": "Raha misy aminareo tsy mifanaraka, dia ho sahin\u2019ilay iray ve ny hitory an\u2019ilay iray any amin\u2019ny fitsarana, eo anatrehan\u2019ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan\u2019ny olona masina?",
        "2": "Sa tsy fantatrareo fa hitsara an\u2019izao tontolo izao ny olona masina? Koa raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, tsy ho hainareo koa ve ny hitsara raharaha tena madinika?",
        "3": "Tsy fantatrareo angaha fa hitsara anjely isika? Koa nahoana isika no tsy hitsara raharaha momba an\u2019izao fiainana izao?",
        "4": "Koa raha misy raharaha momba an\u2019izao fiainana izao tokony hotsaraina, dia lehilahy ataon\u2019ny fiangonana tsinontsinona ve no fidinareo ho mpitsara?",
        "5": "Ny hampahamenatra anareo no ilazako an\u2019izany. Tsy misy lehilahy hendry ve eo aminareo, na iray aza, afaka mitsara ny adin\u2019ireo rahalahiny?",
        "6": "Mifampitory any amin\u2019ny fitsarana anefa ireo rahalahy, sady amin\u2019izay indray eo anatrehan\u2019ny tsy mpino!",
        "7": "Raha ny marina, dia efa resy sahady ianareo rehefa mifampitory. Tsy aleo ve manaiky hiharan\u2019ny tsy rariny? Tsy aleo ve manaiky hambakaina?",
        "8": "Ianareo indray anefa no manao ny tsy rariny sy manambaka, sady amin\u2019izay indray ny rahalahinareo ihany no anaovanareo an\u2019izany!",
        "9": "Sa tsy fantatrareo fa tsy handova ny Fanjakan\u2019Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza manaiky ho voafitaka ianareo. Fa ny mpijangajanga, ny mpanompo sampy, ny mpanitsakitsa-bady, ny lehilahy manaiky hanaovan\u2019ny lehilahy firaisana, ny lehilahy miray amin\u2019ny lehilahy,",
        "10": "ny mpangalatra, ny olona manana faniriana tsy mety afa-po, ny mamo lava, ny mpanevateva, ary ny mpanao an-keriny, dia tsy handova ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "11": "Efa hoatr\u2019izany ihany ny sasany taminareo taloha, nefa efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina, ary efa nambara hoe olo-marina tamin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy Tompo sy tamin\u2019ny fanahin\u2019ny Andriamanitsika.",
        "12": "Azoko atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa. Azoko atao ny zava-drehetra, nefa tsy havelako hisy na inona na inona hifehy ahy.",
        "13": "Ny sakafo dia natao ho an\u2019ny kibo, ary ny kibo ho an\u2019ny sakafo, nefa samy hofoanan\u2019Andriamanitra izy roa ireo. Ary ny vatana dia tsy natao ho an\u2019ny fijangajangana, fa ho an\u2019ny Tompo, ary ny Tompo ho an\u2019ny vatana.",
        "14": "Efa natsangan\u2019Andriamanitra anefa ny Tompo ary hanangana antsika amin\u2019ny maty koa izy, amin\u2019ny alalan\u2019ny heriny.",
        "15": "Tsy fantatrareo angaha fa rantsambatan\u2019i Kristy ny vatanareo? Koa ny rantsambatan\u2019i Kristy ve no halaiko dia hakambako amin\u2019ny mpivaro-tena? Sanatria izany!",
        "16": "Tsy fantatrareo angaha fa izay miray amin\u2019ny mpivaro-tena dia vatana iray aminy? Niteny mantsy Andriamanitra hoe: \u201cHo nofo iray ihany izy roa.\u201d",
        "17": "Fa izay tafaray amin\u2019ny Tompo kosa dia iray saina aminy.",
        "18": "Andosiro ny fijangajangana! Izay fahotana hafa rehetra ataon\u2019ny olona dia eny ivelan\u2019ny vatany, fa ny mpijangajanga kosa manota amin\u2019ny vatany ihany.",
        "19": "Tsy fantatrareo angaha fa ny vatanareo no tempolin\u2019ilay fanahy masina ao anatinareo sy azonareo avy amin\u2019Andriamanitra? Ary tsy anareo intsony koa ny tenanareo,",
        "20": "fa efa voavidy ianareo. Koa ampiasao hanomezam-boninahitra an\u2019Andriamanitra ny vatanareo."
    },
    "7": {
        "1": "Izao no valin\u2019ny fanontaniana nosoratanareo tamiko: Tsara kokoa raha tsy mikasika vehivavy ny lehilahy.",
        "2": "Miely\u00a0be anefa ny fijangajangana, ka tokony samy hanana ny vadiny ny lehilahy tsirairay, ary samy hanana ny vadiny ny vehivavy tsirairay.",
        "3": "Tokony hanao ny adidiny amin\u2019ny vadiny ny lehilahy, ary tokony hanao hoatr\u2019izany amin\u2019ny vadiny koa ny vehivavy.",
        "4": "Tsy manana fahefana amin\u2019ny vatany ny vehivavy, fa ny vadiny no manana an\u2019izany fahefana izany. Toy izany koa fa tsy manana fahefana amin\u2019ny vatany ny lehilahy, fa ny vadiny no manana an\u2019izany fahefana izany.",
        "5": "Aza misy mand\u00e0 tsy hanao ny adidiny amin\u2019ny vadiny, raha tsy hoe efa nifanaraka angaha ianareo hoe tsy hanao an\u2019izany mandritra ny fotoana kelikely, mba hanokananareo fotoana hivavahana. Dia hiaraka indray ianareo avy eo, sao tsy hahafehy tena ka haka fanahy anareo foana i Satana.",
        "6": "Tsy didy anefa izany lazaiko izany, fa soso-kevitra ihany.",
        "7": "Fa tiako raha mitovy amiko ny olona rehetra. Samy nahazo fanomezana avy amin\u2019Andriamanitra anefa ny tsirairay, ka ny iray hoatr\u2019izao, ary ny iray kosa hoatr\u2019izao.",
        "8": "Izao no lazaiko amin\u2019ireo tsy manambady sy ireo vehivavy maty vady: Tsara kokoa raha mijanona hoatr\u2019ahy izy ireo.",
        "9": "Raha tsy mahafehy tena anefa izy ireo, dia afaka manambady, fa aleo manambady toy izay ho resin\u2019ny filan\u2019ny nofo.",
        "10": "Manoro hevitra ny manambady aho, nefa tsy izaho fa ny Tompo, hoe tsy tokony handao ny vadiny ny vehivavy.",
        "11": "Raha mandao ny vadiny anefa izy, dia tsy tokony hanambady na tokony hody amin\u2019ny vadiny. Ary ny lehilahy tsy tokony handao ny vadiny.",
        "12": "Izao kosa no lazaiko amin\u2019ny hafa, izaho anefa fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manambady tsy mpino, ary mbola manaiky hijanona miaraka aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy handao azy izy.",
        "13": "Ary raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka mbola manaiky hijanona miaraka aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy handao azy izy.",
        "14": "Fa hamasinina noho ny amin\u2019ny vadiny ny lehilahy tsy mpino, ary hamasinina noho ny amin\u2019ilay rahalahy ny vadiny tsy mpino. Raha tsy izany, dia tsy madio ny zanakareo, nefa masina izy ireo izao.",
        "15": "Fa raha ilay tsy mpino kosa no te hiala, dia avelao izy hiala. Raha izany no mitranga, dia tsy voatery hisisika hiaraka aminy ilay rahalahy na anabavy vadiny, fa Andriamanitra efa niantso anareo mba hanome anareo fiadanana.",
        "16": "Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, raha ho voavonjinao ny vadinao na tsia? Ary ahoana moa no ahafantaranao, ralehilahy, raha ho voavonjinao ny vadinao na tsia?",
        "17": "Na izany aza anefa, dia samia mandeha araka izay efa niantsoan\u2019Andriamanitra azy avy, arakaraka izay anjara nomen\u2019i Jehovah azy. Ary izany toromarika izany no omeko ny fiangonana rehetra.",
        "18": "Misy efa voafora ve tamin\u2019izy nantsoina? Aoka izy tsy hanafoana ny famorana natao taminy. Misy tsy voafora ve tamin\u2019izy nantsoina? Aoka izy tsy hoforana.",
        "19": "Tsy misy dikany ny hoe voafora ary tsy misy dikany ny hoe tsy voafora, fa ny mankat\u00f2 ny didin\u2019Andriamanitra no tena zava-dehibe.",
        "20": "Na hoatran\u2019ny ahoana na hoatran\u2019ny ahoana ny tsirairay tamin\u2019izy nantsoina, dia aoka izy hijanona hoatr\u2019izany foana.",
        "21": "Mpanompon\u2019olona ve ianao no nantsoina? Aza manahy ny amin\u2019izany. Raha azonao atao anefa ny ho lasa olona afaka, dia hararaoty izany.",
        "22": "Fa izay nantsoina ho ao amin\u2019ny Tompo tamin\u2019izy mpanompon\u2019olona, dia efa nafahana sady an\u2019ny Tompo. Toy izany koa fa izay nantsoina tamin\u2019izy olona afaka, dia mpanompon\u2019i Kristy.",
        "23": "Voavidy ianareo, ka aza manaiky ho lasa mpanompon\u2019olona intsony.",
        "24": "Ry\u00a0rahalahy, na hoatran\u2019ny ahoana na hoatran\u2019ny ahoana ny tsirairay tamin\u2019izy nantsoina, dia aoka izy hijanona hoatr\u2019izany foana eo anatrehan\u2019Andriamanitra.",
        "25": "Ny amin\u2019ny virjiny kosa, dia tsy nahazo didy avy amin\u2019ny Tompo aho. Manome ny hevitro anefa aho, satria nanehoan\u2019ny Tompo famindram-po ka mendri-pitokisana.",
        "26": "Raha ny hevitro \u00e0ry, dia tsara raha mijanona hoatran\u2019izy amin\u2019izao ihany ny olona tsirairay, satria ao anatin\u2019ny fotoan-tsarotra isika izao.",
        "27": "Lehilahy efa manambady ve ianao? Aza mitady hirika hisarahana. Lehilahy tsy manambady ve ianao? Aza mitady vady intsony.",
        "28": "Na hanambady aza anefa ianao, dia tsy manota. Ary raha misy virjiny manambady, dia tsy manota izy. Hanam-pahoriana amin\u2019ny nofony anefa ireo manambady, ka tsy tiako hanjo anareo izany.",
        "29": "Izao koa no lazaiko, ry\u00a0rahalahy: Efa kely sisa ny fotoana tavela. Manomboka izao, dia aoka izay manambady ho toy ny tsy manana,",
        "30": "izay mitomany ho toy ny tsy mitomany, izay mifaly ho toy ny tsy mifaly, izay mividy ho toy ny tsy manana,",
        "31": "ary izay mampiasa an\u2019izao tontolo izao, ho toy ny tsy variana mampiasa azy io tanteraka, fa miovaova ny sehatr\u2019izao tontolo izao.",
        "32": "Tena tiako raha tsy manahy mihitsy ianareo. Ny lehilahy tsy manambady dia manahy ny amin\u2019izay an\u2019ny Tompo, hoe ahoana no hahazoany sitraka amin\u2019ny Tompo.",
        "33": "Fa ny lehilahy manambady kosa manahy ny amin\u2019ny zavatra eo amin\u2019izao tontolo izao, hoe ahoana no hahazoany sitraka amin\u2019ny vadiny,",
        "34": "ka voazarazara izy. Ankoatra izany, ny vehivavy tsy manambady sy ny virjiny dia manahy ny amin\u2019izay an\u2019ny Tompo, mba ho masina ny tenany sy ny sainy. Ny vehivavy manambady kosa manahy ny amin\u2019ny zavatra eo amin\u2019izao tontolo izao, hoe ahoana no hahazoany sitraka amin\u2019ny vadiny.",
        "35": "Ny hahasoa anareo no itenenako an\u2019izany, fa tsy hoe te hifehifehy anareo aho akory. Te hampirisika anareo kosa aho mba hanaovanareo an\u2019izay mendrika sy hanompoanareo foana ny Tompo nefa tsy ho voahelingelina.",
        "36": "Raha misy anefa mieritreritra hoe hanaonao foana izy raha tsy manambady, ary raha efa tsy ao anatin\u2019ilay fotoana fivelaran\u2019ny fahatanorana intsony izy, dia aleo izy hanao izay tiany. Tsy manota izy. Aleo izy ireo hanambady.",
        "37": "Raha misy kosa tapa-kevitra ao am-pony ary tsy misy zavatra manery azy, fa mahafehy ny faniriany izy ary manapa-kevitra ao am-pony hoe tsy hanambady mihitsy, dia tsara ny ataony.",
        "38": "Noho izany, dia tsara ny manambady, saingy tsara kokoa ny tsy manambady.",
        "39": "Voafatotry ny fanambadiana ny vehivavy raha mbola velona ny vadiny. Fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka manambady izay tiany izy, nefa ao amin\u2019ny Tompo ihany.",
        "40": "Sambatra kokoa anefa izy, araka ny hevitro, raha mijanona amin\u2019izao. Matoky aho fa izaho koa manana ny fanahin\u2019Andriamanitra."
    },
    "8": {
        "1": "Raha ny amin\u2019ny sakafo atolotra ho an\u2019ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana momba an\u2019izany isika rehetra. Ny fahalalana anefa mampirehareha, fa ny fitiavana kosa mampahery.",
        "2": "Raha misy mihevitra hoe mahafantatra zavatra iray, dia mbola tsy mahafantatra an\u2019izany araka ny tokony hahafantarany azy izy.",
        "3": "Fa raha misy kosa tia an\u2019Andriamanitra, dia fantatr\u2019Andriamanitra izy.",
        "4": "Ny amin\u2019ny fihinanana sakafo atolotra ho an\u2019ny sampy, dia fantatsika fa tena tsinontsinona ny sampy, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany.",
        "5": "Fa na misy aza ireo antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra na eto an-tany, ary marina tokoa fa misy \u201candriamanitra\u201d maro sy \u201ctompo\u201d maro,",
        "6": "amintsika kosa dia tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany, dia ny Ray, izay niavian\u2019ny zava-drehetra, ary ho azy isika. Ary tokana ihany ny Tompo, dia i Jesosy Kristy. Izy no nampiasaina mba hampisy ny zava-drehetra sy hampisy antsika koa.",
        "7": "Tsy ny rehetra anefa no manana an\u2019izany fahalalana izany. Fa ny sasany, izay nanompo sampy taloha, dia mbola mieritreritra hoe zavatra natao sorona ho an\u2019ny sampy ihany no haniny rehefa mihinan-kanina izy. Koa voaloto ny feon\u2019ny fieritreretany satria malemy.",
        "8": "Tsy hanampy antsika ho akaiky kokoa an\u2019Andriamanitra anefa ny sakafo. Tsy matiantoka isika raha tsy mihinana, ary tsy mahazo tombony raha mihinana.",
        "9": "Marina fa manana zo hisafidy ianareo. Tandremo foana anefa sao ho lasa vato mahatafintohina ho an\u2019ny malemy izany.",
        "10": "Fa raha ianao izay manam-pahalalana no misy mahita misakafo ao amin\u2019ny tempolin\u2019ny sampy, moa ve ny feon\u2019ny fieritreretan\u2019ilay malemy tsy hampirisika azy ho sahy hihinana sakafo atolotra ho an\u2019ny sampy?",
        "11": "Ny fahalalanao \u00e0ry no hanimba an\u2019ilay malemy, dia ny rahalahinao izay namoizan\u2019i Kristy ny ainy.",
        "12": "Manota amin\u2019i Kristy ianareo, rehefa manota toy izany amin\u2019ny rahalahinareo ka mandratra ny feon\u2019ny fieritreretany mbola malemy.",
        "13": "Koa raha ny sakafo no manafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena intsony mihitsy aho, sao ho tafintohina ny rahalahiko."
    },
    "9": {
        "1": "Tsy olona afaka ve aho? Tsy apostoly ve aho? Tsy efa nahita an\u2019i Jesosy Tompontsika ve aho? Tsy ianareo ve no vokatry ny asako ao amin\u2019ny Tompo?",
        "2": "Na dia tsy apostoly ho an\u2019ny olon-kafa aza aho, dia tena azo antoka fa apostoly ho anareo! Fa ianareo no tombo-kase manamarina hoe apostoly aho, ao amin\u2019ny Tompo.",
        "3": "Izao \u00e0ry no fiarovan-tenako amin\u2019ireo manakiana ahy:",
        "4": "Angaha izahay tsy manan-jo hihinana sy hisotro?",
        "5": "Angaha izahay tsy manan-jo hanambady vehivavy mpino sy hitondra azy hiaraka aminay, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny apostoly hafa rehetra sy ny rahalahin\u2019ny Tompo ary Kefasy?",
        "6": "Sa izaho sy Barnabasy ihany no tsy mba manan-jo hijanona tsy hanao asa fivelomana?",
        "7": "Aiza no hisy miaramila mianto-tena? Iza no mamboly voaloboka ka tsy mihinana ny voany? Na iza no miandry andian\u2019ondry ka tsy misotro amin\u2019ny rononony?",
        "8": "Hevitr\u2019olona fotsiny ve izany lazaiko izany? Tsy izany koa angaha moa no lazain\u2019ny Lal\u00e0na?",
        "9": "Fa izao no voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy: \u201cAza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana.\u201d Ny omby ve no ahin\u2019Andriamanitra?",
        "10": "Sa noho isika mihitsy no nilazany an\u2019izany? Tena noho isika no nanoratana an\u2019izany, satria izay miasa tany sy izay miasa eny am-pamoloana dia tokony hanao an\u2019izany sady hanantena hahazo anjara.",
        "11": "Raha namafy zavatra ara-panahy teo aminareo izahay, dia manararaotra be ve izahay raha mba mijinja fanampiana avy aminareo?",
        "12": "Raha ny hafa aza manan-jo hitaky an\u2019izany aminareo, tsy mainka ve fa izahay? Tsy mampiasa an\u2019izany zo izany anefa izahay, fa miaritra ny zava-drehetra mba tsy hanakantsakananay ny fielezan\u2019ny vaovao tsara momba an\u2019i Kristy.",
        "13": "Tsy fantatrareo ve fa izay manao asa masina ao amin\u2019ny tempoly dia mihinana an\u2019izay zavatra ao, ary izay manompo tsy tapaka eo amin\u2019ny alitara dia mahazo anjara avy amin\u2019ny alitara?",
        "14": "Toy izany koa fa nanome didy ny Tompo hoe tokony hivelona amin\u2019ny vaovao tsara izay mitory ny vaovao tsara.",
        "15": "Tsy nisy nampiasaiko anefa izany zo izany. Ary tsy hoe nanoratra an\u2019ireo zavatra ireo aho mba hanaovana an\u2019izany amiko, fa aleoko aza maty toy izay... Fa tsy misy olona havelako hanafoana ny antony ireharehako!",
        "16": "Koa raha mitory ny vaovao tsara aho, dia tsy misy antony ireharehako, fa tsy maintsy manao an\u2019izany aho. Tena hahita loza aho raha tsy mitory ny vaovao tsara!",
        "17": "Raha an-tsitrapo no anaovako an\u2019izany, dia manana valisoa aho. Na tsy an-tsitrapo aza anefa no anaovako an\u2019izany, dia mbola manana asa nampiandraiketina ahy ihany aho.",
        "18": "Inona \u00e0ry no valisoa azoko? Rehefa mitory ny vaovao tsara aho, dia afaka manome an\u2019izany maimaim-poana. Tsy hanararaotra ny fahefako aho amin\u2019izay rehefa mitory ny vaovao tsara.",
        "19": "Fa na dia afaka adidy amin\u2019ny olona rehetra aza aho, dia efa nataoko ho mpanompon\u2019ny rehetra ny tenako, mba hahazoako olona be dia be araka izay azo atao.",
        "20": "Tamin\u2019ny Jiosy dia nanao hoatran\u2019ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy. Tamin\u2019izay teo ambanin\u2019ny lal\u00e0na, dia lasa hoatran\u2019izay teo ambanin\u2019ny lal\u00e0na aho, na dia tsy eo ambanin\u2019ny lal\u00e0na aza, mba hahazoako an\u2019izay eo ambanin\u2019ny lal\u00e0na.",
        "21": "Tamin\u2019izay tsy manana lal\u00e0na, dia lasa hoatran\u2019izay tsy manana lal\u00e0na aho, na dia manana ny lal\u00e0n\u2019Andriamanitra sy eo ambanin\u2019ny lal\u00e0n\u2019i Kristy aza, mba hahazoako an\u2019izay tsy manana lal\u00e0na.",
        "22": "Tamin\u2019ny malemy, dia lasa malemy aho, mba hahazoako ny malemy. Lasa zava-drehetra tamin\u2019ny karazan\u2019olona rehetra aho, mba hisy hovonjeko na amin\u2019ny fomba ahoana na amin\u2019ny fomba ahoana.",
        "23": "Fa ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin\u2019ny hafa.",
        "24": "Tsy fantatrareo ve fa mihazakazaka daholo ny mpihazakazaka rehetra manao fifaninanana, nefa iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa mba hahazoanareo loka.",
        "25": "Mifehy tena amin\u2019ny zava-drehetra koa izay rehetra mandray anjara amin\u2019ny fifaninanana. Mazava ho azy fa manao an\u2019izany izy ireo mba hahazoana satroboninahitra mety simba, fa isika kosa manao an\u2019izany mba hahazoana ny tsy mety simba.",
        "26": "Koa rehefa mihazakazaka aho, dia tsy mihazakazaka befahatany fotsiny. Ary tsy toy ny mamely rivotra aho rehefa mamely totohondry,",
        "27": "fa asiako mafy ny vatako ka andevoziko, sao izaho indray no tsy hankasitrahana kanefa efa nitory tamin\u2019ny hafa."
    },
    "10": {
        "1": "Tiako ho fantatrareo, ry\u00a0rahalahy, fa nandeha teo ambanin\u2019ny rahona daholo ny razambentsika, ary namakivaky ny ranomasina izy rehetra.",
        "2": "Ary natao batisa tamin\u2019ny rahona sy ny ranomasina izy ireo, tamin\u2019izy ireo nanaraka an\u2019i Mosesy.",
        "3": "Nihinana sakafo ara-panahy mitovy koa izy rehetra,",
        "4": "sady nisotro zava-pisotro ara-panahy mitovy daholo. Fa nisotro tamin\u2019ilay vatolampy ara-panahy nanaraka azy izy ireo, ary i Kristy izany vatolampy izany.",
        "5": "Na izany aza, dia tsy nankasitrahan\u2019Andriamanitra ny ankamaroany, fa ripaka tany an-tany efitra.",
        "6": "Anatra ho antsika izany, mba tsy haniriantsika zava-dratsy, hoatr\u2019azy ireo naniry an\u2019izany.",
        "7": "Mitandrema ianareo sao ho lasa mpanompo sampy, hoatran\u2019ny sasany taminy, araka ny voasoratra hoe: \u201cNipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka. Taorian\u2019izay dia nitsangana izy ireo mba hanao fety.\u201d",
        "8": "Ary aoka isika tsy hijangajanga, toy ny nijangajangan\u2019ny sasany tamin\u2019ireny, ka 23 000 taminy no maty tao anatin\u2019ny iray andro.",
        "9": "Ary aoka isika tsy hitsapa toetra an\u2019i Jehovah, hoatran\u2019ny sasany tamin\u2019ireny izay nitsapa toetra azy, ka matin\u2019ny bibilava.",
        "10": "Aza mimenomenona toy ny sasany tamin\u2019ireny izay nimenomenona, ka matin\u2019ny mpandringana.",
        "11": "Nanjo azy ireny izany mba ho anatra, ary nosoratana mba hampitandremana antsika, dia isika izay velona amin\u2019ny fotoana ahatongavan\u2019ny faran\u2019izao tontolo izao.",
        "12": "Koa izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.",
        "13": "Tsy misy fakam-panahy mahazo anareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona. Tsy mivadika amin\u2019ny teniny anefa Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo. Fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo an\u2019izany.",
        "14": "Koa andosiro ny fanompoan-tsampy, ry\u00a0malala.",
        "15": "Miresaka aminareo hoatran\u2019ny miresaka amin\u2019ny olona manam-pahendrena aho, ka ianareo mihitsy no aoka hitsara an\u2019izay lazaiko.",
        "16": "Tsy mandray soa amin\u2019ny ran\u2019i Kristy koa ve isika, rehefa misotro amin\u2019ilay kaopin\u2019ny fisaorana izay isaorantsika? Ary tsy mandray soa amin\u2019ny vatan\u2019i Kristy koa ve isika, rehefa mihinana ny mofo tapahintsika?",
        "17": "Koa satria tsy misy afa-tsy mofo iray ihany, dia vatana iray isika, na maro aza. Samy mihinana amin\u2019io mofo iray io mantsy isika rehetra.",
        "18": "Jereo ny Israely araka ny nofo: Tsy hoatran\u2019ny hoe miara-misakafo amin\u2019Andriamanitra ve izay mihinana sorona avy eo amin\u2019ny alitara?",
        "19": "Te hilaza ve aho hoe misy dikany izay sorona atao ho an\u2019ny sampy, na hoe misy dikany ny sampy?",
        "20": "Tsy izany, fa ny tiako holazaina dia hoe izay atolotry ny hafa firenena ho sorona dia ataony sorona ho an\u2019ny demonia, fa tsy ho an\u2019Andriamanitra. Koa tsy tiako hanan-javatra iombonana amin\u2019ny demonia ianareo.",
        "21": "Tsy azonareo atao ny misotro amin\u2019ny kaopin\u2019i Jehovah sady misotro amin\u2019ny kaopin\u2019ny demonia. Tsy azonareo atao ny mihinana amin\u2019ny \u201clatabatr\u2019i Jehovah\u201d sady mihinana amin\u2019ny latabatry ny demonia.",
        "22": "Sa \u201cmanao izay hahasaro-piaro an\u2019i Jehovah isika\u201d? Mahery noho izy angaha isika?",
        "23": "Azo atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa. Azo atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mampahery.",
        "24": "Aoka ny tsirairay hitady foana an\u2019izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany.",
        "25": "Hano izay hena amidy eny an-tsena, fa aza manontany noho ny feon\u2019ny fieritreretanareo.",
        "26": "Fa \u201can\u2019i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.\u201d",
        "27": "Raha misy tsy mpino manasa anareo ka te ho any ianareo, dia hano izay rehetra aroso eo anoloanareo, fa aza manontany sao hampikorontana ny feon\u2019ny fieritreretanareo izany.",
        "28": "Fa raha misy kosa miteny aminareo hoe: \u201cZavatra avy natao sorona ity\u201d, dia aza mihinana noho ilay olona nilaza taminareo an\u2019izany sy noho ny feon\u2019ny fieritreretana.",
        "29": "Tsy ny feon\u2019ny fieritreretanao anefa no tiako holazaina, fa ny an\u2019ilay olona. Fa nahoana ny fahafahako no tokony hotsarain\u2019ny feon\u2019ny fieritreretan\u2019olon-kafa?",
        "30": "Raha mihinana aho sady misaotra an\u2019Andriamanitra noho ilay zavatra haniko, dia nahoana moa aho no tokony homena tsiny amin\u2019ilay sakafo anaovako fisaorana?",
        "31": "Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy mba hanomezam-boninahitra an\u2019Andriamanitra ny zava-drehetra.",
        "32": "Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny Grika na ny fiangonan\u2019Andriamanitra,",
        "33": "fa manaova hoatr\u2019ahy. Miezaka aho hanao izay hahafaly ny rehetra amin\u2019ny zava-drehetra, ka tsy mitady izay hahasoa ahy fa izay hahasoa ny maro, mba ho voavonjy izy ireny."
    },
    "11": {
        "1": "Manahafa ahy, hoatran\u2019ny anahafako an\u2019i Kristy.",
        "2": "Midera anareo aho, satria tsaroanareo aho amin\u2019ny zava-drehetra sady arahinareo tsara ny fampianarana nampitaiko taminareo.",
        "3": "Tiako ho fantatrareo anefa fa i Kristy no lohan\u2019ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan\u2019ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan\u2019i Kristy.",
        "4": "Izay lehilahy mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia manao izay hahamenatra an\u2019ilay lohany.",
        "5": "Fa izay vehivavy mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha kosa, dia manao izay hahamenatra an\u2019ilay lohany, satria hoatran\u2019ny vehivavy nokakasana mihitsy izy.",
        "6": "Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia tokony hotapahina fohy kely ny volony. Raha mahamenatra azy anefa ny hoe hotapahina fohy kely ny volony na hokakasana, dia tokony hisaron-doha izy.",
        "7": "Fa tsy tokony hisaron-doha ny lehilahy satria endrika sy voninahitr\u2019Andriamanitra izy, fa ny vehivavy kosa voninahitry ny lehilahy.",
        "8": "Tsy ny lehilahy mantsy no avy tamin\u2019ny vehivavy, fa ny vehivavy no avy tamin\u2019ny lehilahy.",
        "9": "Ankoatra izany, dia tsy noforonina ho an\u2019ny vehivavy ny lehilahy, fa ny vehivavy no noforonina ho an\u2019ny lehilahy.",
        "10": "Izany no mahatonga ny vehivavy hanao saron-doha, izany hoe hanao mariky ny fanajana fahefana, noho ny amin\u2019ny anjely.",
        "11": "Eo amin\u2019ireo mpianatry ny Tompo anefa, dia tsy misy ny vehivavy raha tsy eo ny lehilahy, ary tsy misy ny lehilahy raha tsy eo ny vehivavy.",
        "12": "Hoatran\u2019ny niavian\u2019ny vehivavy avy tamin\u2019ny lehilahy mantsy no niavian\u2019ny lehilahy koa avy tamin\u2019ny vehivavy. Fa avy amin\u2019Andriamanitra kosa ny zava-drehetra.",
        "13": "Ianareo mihitsy no aoka hitsara: Mety ve raha mivavaka amin\u2019Andriamanitra ny vehivavy ka tsy misaron-doha?",
        "14": "Tsy efa voajanahary mihitsy ve ny hoe henatra ho an\u2019ny lehilahy ny lava volo,",
        "15": "fa voninahitra ho an\u2019ny vehivavy kosa ny lava volo? Ny volony mantsy no nomena azy hanaronany ny lohany.",
        "16": "Raha misy anefa tsy manaiky an\u2019izany fa te hanaraka fanao hafa, dia tsy manana fanao hafa na izahay na ny fiangonan\u2019Andriamanitra.",
        "17": "Tsy midera anareo anefa aho raha manome toromarika anareo, satria tsy mitondra soa ho anareo ny fivorianareo, fa vao mainka aza manimba anareo.",
        "18": "Voalohany aloha, dia henoko fa misy fisaratsarahana eo aminareo rehefa mivory ny fiangonanareo, ary mino aho hoe marina ihany izany.",
        "19": "Fa tsy maintsy hisy hanangana antokom-pinoana eo aminareo, mba hiharihary hoe iza aminareo no ankasitrahana.",
        "20": "Rehefa mivory ao amin\u2019ny toerana iray ianareo, dia tsy ny hihinana ny Sakafo Harivan\u2019ny Tompo no tena ahatongavanareo.",
        "21": "Fa rehefa mihinana an\u2019izany ianareo, dia efa avy nisakafo hariva ny sasany. Misy noana \u00e0ry aminareo ary misy mamo.",
        "22": "Tsy manana trano ihinanana sy isotroana angaha ianareo? Sa ataonareo tsinontsinona ny fiangonan\u2019Andriamanitra, ka ataonareo izay hahamenatra an\u2019ireo tsy mba manana na inona na inona? Inona re no holazaiko aminareo\u00a0e? Tokony hidera anareo ve aho? Tsy hidera anareo amin\u2019izany aho.",
        "23": "Fa izao no noraisiko tamin\u2019ny Tompo ka nampitaiko taminareo koa: Nandray mofo i Jesosy Tompo tamin\u2019iny alina hamadihana azy iny.",
        "24": "Ary rehefa avy nisaotra an\u2019Andriamanitra izy, dia notapahiny ilay mofo ary hoy izy: \u201cIty no vatako izay omena ho anareo. Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.\u201d",
        "25": "Toy izany koa no nataony tamin\u2019ny kaopy, rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy ireo. Dia hoy izy: \u201cIty kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin\u2019ny rako. Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy, isaky ny misotro amin\u2019izy ity ianareo.\u201d",
        "26": "Fa isaky ny mihinana an\u2019izany mofo izany sy misotro amin\u2019izany kaopy izany ianareo, dia manambara foana ny fahafatesan\u2019ny Tompo, mandra-piaviny.",
        "27": "Koa na iza na iza mihinana ny mofo na misotro amin\u2019ny kaopin\u2019ny Tompo, nefa tsy mendrika an\u2019izany akory, dia manao tsinontsinona ny vatan\u2019ny Tompo sy ny rany.",
        "28": "Aoka handini-tena tsara aloha ny tsirairay mba hahitany raha mendrika izy na tsia, izay izy vao hihinana amin\u2019ny mofo sy hisotro amin\u2019ny kaopy.",
        "29": "Fa izay mihinana sy misotro nefa tsy mamantatra tsara ny vatan\u2019ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an\u2019ny tenany.",
        "30": "Izany no mahatonga ny maro aminareo ho osa sy harary, ary betsaka koa no efa maty.",
        "31": "Fa tsy hotsaraina isika raha mamantatra tsara ny tenantsika.",
        "32": "Rehefa tsaraina anefa isika, dia faizin\u2019i Jehovah mba tsy homelohina miaraka amin\u2019izao tontolo izao.",
        "33": "Koa rehefa mivory mba hihinana an\u2019izany ianareo, ry\u00a0rahalahiko, dia aoka hifampiandry.",
        "34": "Raha misy noana, dia aoka izy hihinana any an-tranony, mba tsy homelohina ianareo rehefa mivory. Fa ny raharaha sisa kosa halamiko rehefa tonga any aho."
    },
    "12": {
        "1": "Tiako ho fantatrareo tsara, ry\u00a0rahalahy, ny momba an\u2019ireo fanomezana avy amin\u2019ny fanahy.",
        "2": "Fantatrareo fa tamin\u2019ianareo mbola olon\u2019izao tontolo izao, dia voatarika hanompo an\u2019ireo sampy moana ianareo, ka nandeha tany amin\u2019izay nitondrana anareo.",
        "3": "Ampahafantariko anareo fa tsy misy olona tarihin\u2019ny fanahin\u2019Andriamanitra ka milaza hoe: \u201cVoaozona i Jesosy!\u201d Ary tsy misy afaka milaza hoe: \u201cI Jesosy no Tompo!\u201d, raha tsy tarihin\u2019ny fanahy masina.",
        "4": "Misy fanomezana maro samihafa, nefa iray ihany ny fanahy.",
        "5": "Ary misy fanompoana maro samihafa, nefa iray ihany ny Tompo.",
        "6": "Misy asa maro samihafa, nefa iray ihany ny Andriamanitra manatontosa azy rehetra amin\u2019ny alalan\u2019ny olona rehetra.",
        "7": "Miharihary eo amin\u2019ny tsirairay ny fomba fiasan\u2019ny fanahy mba handraisan-tsoa.",
        "8": "Fa ny iray nomena tenim-pahendrena tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy, ary ny iray tenim-pahalalana tamin\u2019ny alalan\u2019io fanahy io ihany.",
        "9": "Ny iray nahazo finoana tamin\u2019ny alalan\u2019io fanahy io, ary ny iray kosa nampian\u2019io fanahy io hahay hanasitrana,",
        "10": "ny iray hanao fahagagana, ny iray hahay haminany, ny iray hahay hamantatra ny fanambarana avy amin\u2019ny fanahy, ny iray hiteny amin\u2019ny fiteny samihafa, ary ny iray kosa handika teny.",
        "11": "Fanahy iray ihany anefa no manao an\u2019izany asa rehetra izany, ka mizara an\u2019izany amin\u2019ny tsirairay avy, araka izay tiany.",
        "12": "Fa iray ny vatana nefa misy rantsany maro, ary na maro aza izany rantsambatana rehetra izany, dia vatana iray ihany. Dia hoatr\u2019izany koa i Kristy.",
        "13": "Fa fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika, na Jiosy na Grika, na mpanompo na olona afaka. Ary nampisotroina fanahy iray ihany isika rehetra.",
        "14": "Fa tsy rantsambatana iray fotsiny ny vatana, fa rantsambatana maro.",
        "15": "Raha hoy ny tongotra hoe: \u201cTsy anisan\u2019ny vatana aho satria tsy tanana\u201d, dia tsy izany akory no tsy maha anisan\u2019ny vatana azy.",
        "16": "Ary raha miteny ny sofina hoe: \u201cTsy anisan\u2019ny vatana aho satria tsy maso\u201d, dia tsy izany akory no tsy maha anisan\u2019ny vatana azy.",
        "17": "Raha maso iray ny vatana manontolo, dia ahoana no handrenesany? Raha sofina izy manontolo, dia inona no amantarany fofona?",
        "18": "Fa nataon\u2019Andriamanitra eo amin\u2019ny toerany avy ny rantsana tsirairay ao amin\u2019ny vatana, araka izay nitiavany azy.",
        "19": "Raha rantsambatana iray ihany izy rehetra, dia aiza ny vatana?",
        "20": "Rantsana maro anefa izy ireo, saingy vatana iray ihany.",
        "21": "Ny maso tsy afaka miteny amin\u2019ny tanana hoe: \u201cTsy mila anao aho.\u201d Ary ny loha tsy afaka milaza amin\u2019ny tongotra hoe: \u201cTsy mila anareo aho.\u201d",
        "22": "Fa vao mainka aza ilaina ny rantsambatana izay toa malemy kokoa.",
        "23": "Ary izay faritra amin\u2019ny vatana heverintsika ho tsy dia mendri-kaja, dia omentsika voninahitra bebe kokoa. Hajaintsika kokoa \u00e0ry ny faritra tsy dia manintona eo amin\u2019ny vatantsika.",
        "24": "Fa tsy mila na inona na inona kosa ny faritra efa mendri-kaja amin\u2019ny vatantsika. Rehefa natambatr\u2019Andriamanitra anefa ny vatana, dia nomeny voninahitra bebe kokoa ny faritra tsy nanana voninahitra,",
        "25": "mba tsy hisy fisaratsarahana eo amin\u2019ny vatana, fa mba hifampiahy ireo rantsany.",
        "26": "Raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly aminy ny rantsambatana rehetra, ary raha misy rantsambatana omem-boninahitra, dia miara-mifaly aminy ny rantsambatana rehetra.",
        "27": "Vatan\u2019i Kristy ianareo, ary rantsambatana ny tsirairay aminareo.",
        "28": "Ary izao avy no nanendren\u2019Andriamanitra ny tsirairay eo anivon\u2019ny fiangonana: Voalohany, apostoly; faharoa, mpaminany; fahatelo, mpampianatra; avy eo, ireo manao fahagagana, ireo mahay manasitrana, ireo manampy olona, ireo mahay mitarika, ary ireo mahay fiteny samihafa.",
        "29": "Fa angaha izy rehetra no apostoly? Angaha izy rehetra no mpaminany? Angaha izy rehetra no mpampianatra? Angaha izy rehetra no mpanao fahagagana?",
        "30": "Angaha izy rehetra no mahay manasitrana? Angaha izy rehetra no miteny amin\u2019ny fiteny samihafa? Angaha izy rehetra no mpandika teny?",
        "31": "Miezaha mafy foana anefa hahazo an\u2019ireo fanomezana lehibe kokoa. Zavatra tsara lavitra noho ireo kosa no hasehoko anareo."
    },
    "13": {
        "1": "Raha miteny amin\u2019ny fitenin\u2019olona sy fitenin\u2019anjely aho nefa tsy manam-pitiavana, dia lasa hoatran\u2019ny takela-barahina maneno na kipantsona mikarantsana.",
        "2": "Ary raha mahay maminany aho sady mahazo tsara ny zava-miafina masina rehetra sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra ka mahafindra tendrombohitra, nefa tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona aho.",
        "3": "Ary raha manome ny fananako rehetra aho mba hahazoan\u2019ny hafa sakafo, ary manao sorona ny tenako mba hisy hireharehako, nefa tsy manam-pitiavana, dia tsy mahasoa ahy mihitsy izany.",
        "4": "Ny fitiavana manam-paharetana sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,",
        "5": "tsy manao zavatra tsy mendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo,",
        "6": "tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa,",
        "7": "mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, ary miaritra ny zava-drehetra.",
        "8": "Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana. Fa na misy aza ny fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ny fitenenana amin\u2019ny fiteny samihafa, dia hitsahatra izany, ary na misy aza ny fahalalana, dia hofoanana izany.",
        "9": "Fa ampahany ihany ny fahalalantsika, ary ampahany ihany ny faminaniana ambarantsika.",
        "10": "Rehefa feno anefa izany, dia hofoanana ilay ampahany.",
        "11": "Tamin\u2019izaho mbola zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, ary nisaina toy ny zaza. Fa amin\u2019izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.",
        "12": "Manjavozavo izao ny zavatra hitantsika, hoatran\u2019ny hoe mijery amin\u2019ny fitaratra metaly, fa amin\u2019izany kosa dia hazava tsara, hoatran\u2019ny hoe mifanatrika. Ampahany ihany ny fahalalako amin\u2019izao, fa amin\u2019izany kosa aho dia hanana fahalalana marina tsara hoatran\u2019ny ahafantarana ahy tsara.",
        "13": "Mbola ho eo foana kosa ireto telo ireto: Finoana sy fanantenana ary fitiavana. Ny fitiavana anefa no lehibe indrindra amin\u2019ireo."
    },
    "14": {
        "1": "Miezaha mafy foana hifankatia, nefa miezaha mafy koa hahazo ny fanomezana avy amin\u2019ny fanahy, indrindra fa ny haminany.",
        "2": "Fa izay miteny amin\u2019ny fiteny samihafa dia tsy miteny amin\u2019olona, fa amin\u2019Andriamanitra. Tsy misy mahazo mantsy izay lazainy, na dia ny fanahy aza no mahatonga azy hilaza zava-miafina masina.",
        "3": "Fa izay maminany kosa dia milaza teny mampahery sy manatanjaka ary mampionona ny olona.",
        "4": "Izay miteny amin\u2019ny fiteny samihafa dia mampahery ny tenany, fa izay maminany kosa mampahery ny fiangonana.",
        "5": "Tiako hiteny amin\u2019ny fiteny samihafa ianareo rehetra, nefa aleoko ihany ianareo maminany. Fa tsara kokoa ny maminany noho ny miteny amin\u2019ny fiteny samihafa, raha tsy hoe adikany angaha izay lazainy, mba hahazoan\u2019ny fiangonana fampaherezana.",
        "6": "Raha izao aho, ry\u00a0rahalahy, no tonga any aminareo ka miteny amin\u2019ny fiteny samihafa, dia hahasoa anareo ve izany? Hahasoa anareo izany raha mampiharihary zavatra tsy fantatrareo aho, na mampita fahalalana na faminaniana na fampianarana aminareo.",
        "7": "Hoatr\u2019izany koa ny zavamaneno, toy ny sodina na harpa. Raha tsy mamoaka feo samy hafa ireo, dia ahoana no hanavahana ny feon-kira avy amin\u2019ilay sodina na avy amin\u2019ilay harpa?",
        "8": "Raha tsy mazava tsara ny feo avoakan\u2019ny trompetra, dia iza no hiomana hiady?",
        "9": "Hoatr\u2019izany koa fa raha tsy mora azo ny teny lazainareo, dia ahoana no hahafantaran\u2019ny olona an\u2019izay lazainareo? Hiteny amin\u2019ny rivotra fotsiny ianareo, raha ny marina.",
        "10": "Mety hisy fiteny maro samihafa eo amin\u2019izao tontolo izao, ary samy misy heviny daholo izy ireny.",
        "11": "Fa raha tsy azoko ilay fiteny, dia ho vahiny amin\u2019ilay miteny aho, ary ilay miteny koa ho vahiny amiko.",
        "12": "Dia hoatr\u2019izany koa ianareo: Satria te hahazo mafy ny fanomezan\u2019ny fanahy ianareo, dia miezaha hanana be dia be amin\u2019izany mba hampaherezana ny fiangonana.",
        "13": "Aoka \u00e0ry izay miteny amin\u2019ny fiteny samihafa hivavaka mba hahay handika teny.",
        "14": "Raha mivavaka amin\u2019ny fiteny hafa mantsy aho, dia ny fanomezan\u2019ny fanahy izay noraisiko no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahazo an\u2019izay lazaiko.",
        "15": "Inona \u00e0ry no tokony hatao? Hampiasa ny fanomezan\u2019ny fanahy aho rehefa mivavaka, nefa koa hampiasa ny saiko mba ho azo izay lazaiko. Hampiasa ny fanomezan\u2019ny fanahy aho rehefa mihira fiderana, nefa koa hampiasa ny saiko mba ho azo izay lazaiko.",
        "16": "Fa raha mampiasa ny fanomezan\u2019ny fanahy ianao rehefa midera an\u2019Andriamanitra, dia ahoana no hilazan\u2019ny olon-tsotra eo aminareo hoe \u201cAmena\u201d rehefa manao fisaorana ianao, nefa izy aza tsy mahazo an\u2019izay lazainao akory?",
        "17": "Marina fa tsara ny fisaorana ataonao, saingy tsy mahazo fampaherezana ny hafa.",
        "18": "Misaotra an\u2019Andriamanitra aho fa miteny fiteny samihafa betsaka kokoa noho ianareo rehetra.",
        "19": "Aleoko anefa milaza teny\u00a0dimy azon\u2019ny saiko mba hampianarako ny hafa rehefa eo anivon\u2019ny fiangonana, toy izay hilaza teny iray\u00a0alina amin\u2019ny fiteny samihafa.",
        "20": "Ry rahalahy, aoka ianareo tsy ho zaza raha ny amin\u2019ny fahiratan-tsaina. Aoka kosa ianareo ho zaza raha ny amin\u2019ny faharatsiana, ary ho olon-dehibe raha ny amin\u2019ny fahiratan-tsaina.",
        "21": "Izao no voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0na: \u201c\u2018Hiteny amin\u2019ity vahoaka ity amin\u2019ny fitenin\u2019ny hafa firenena sy ny fitenin\u2019ny vahiny aho. Mbola tsy hety hihaino ahy ihany anefa izy ireo\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
        "22": "Famantarana ho an\u2019ny tsy mpino \u00e0ry ny fitenenana amin\u2019ny fiteny samihafa, fa tsy ho an\u2019ny mpino, ary ho an\u2019ny mpino kosa ny faminaniana, fa tsy ho an\u2019ny tsy mpino.",
        "23": "Koa raha mivory eo amin\u2019ny toerana iray ny fiangonana manontolo ka samy miteny amin\u2019ny fiteny samihafa daholo, ary miditra ny olon-tsotra na ny tsy mpino, tsy holazainy fa adala ve ianareo?",
        "24": "Fa raha samy maminany kosa ianareo rehetra ary misy tsy mpino na olon-tsotra miditra, dia hananatra azy sy handrisika azy handini-tena tsara ny zavatra rehetra henony.",
        "25": "Dia hiharihary izay miafina ao am-pony ka hiankohoka izy ary hivavaka amin\u2019Andriamanitra, sady hilaza hoe: \u201cTena eo aminareo Andriamanitra!\u201d",
        "26": "Inona \u00e0ry no tokony hatao, ry\u00a0rahalahy? Rehefa mivory ianareo, dia misy mihira fiderana, misy mampianatra, misy milaza ny zavatra naharihary taminy, misy miteny amin\u2019ny fiteny samihafa, ary misy mandika teny. Ataovy mba hampaherezana ny zava-drehetra.",
        "27": "Ary raha misy miteny amin\u2019ny fiteny samihafa, dia hoferana ho roa na telo izany, raha be indrindra. Ary hifandimby izy ireo, dia tsy maintsy hadika izay lazainy.",
        "28": "Raha tsy misy mpandika teny anefa, dia tokony hangina izy eo anivon\u2019ny fiangonana ka hiteny amin\u2019ny tenany ihany sy amin\u2019Andriamanitra.",
        "29": "Raha misy mpaminany, dia ho roa na telo no hiteny, fa ny hafa kosa hamantatra ny hevitr\u2019izay lazainy.",
        "30": "Raha misy amin\u2019izay mipetraka eo anefa nampihariharian\u2019Andriamanitra zavatra, dia hangina aloha ilay niteny.",
        "31": "Fa samy afaka maminany ianareo rehetra, saingy mandeha tsirairay, mba handraisan\u2019ny rehetra fampianarana sy hahazoan\u2019ny rehetra fampaherezana.",
        "32": "Ary tokony ho hain\u2019ny mpaminany ny mifehy ny fanomezan\u2019ny fanahy.",
        "33": "Fa Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana. Toy ny any amin\u2019ny fiangonan\u2019ny olona masina rehetra,",
        "34": "dia hangina ny vehivavy rehefa eo anivon\u2019ny fiangonana, fa tsy mahazo miteny. Aoka kosa izy ireo hanaiky, fa izany koa no lazain\u2019ny Lal\u00e0na.",
        "35": "Raha misy zavatra tiany ho fantatra, dia hanontany ny vadiny izy rehefa any an-trano, fa mahamenatra raha miteny eo anivon\u2019ny fiangonana ny vehivavy.",
        "36": "Avy taminareo angaha no nivoahan\u2019ny tenin\u2019Andriamanitra? Sa ianareo ihany no nomena azy io?",
        "37": "Raha misy aminareo mieritreritra fa mpaminany izy na hoe manana ny fanomezan\u2019ny fanahy, dia tokony hanaiky izy hoe didin\u2019ny Tompo izay soratako aminareo.",
        "38": "Fa raha misy tsy miraharaha an\u2019izany, dia tsy horaharahiana koa izy.",
        "39": "Koa miezaha mafy foana haminany, ry\u00a0rahalahiko, nefa koa aza rarana ny hafa tsy hiteny amin\u2019ny fiteny samihafa.",
        "40": "Ataovy amin\u2019ny fomba mendrika sy milamina tsara anefa ny zava-drehetra."
    },
    "15": {
        "1": "Ampahatsiahiviko anareo, ry\u00a0rahalahy, ny vaovao tsara notoriko taminareo, izay nekenareo koa sady ifikiranareo.",
        "2": "Ho voavonjy koa ianareo noho izany vaovao tsara izany, raha mino foana an\u2019ilay vaovao tsara notoriko taminareo. Fa raha tsy izany kosa, dia ho very maina fotsiny ny nahatonga anareo ho mpino.",
        "3": "Fa anisan\u2019ny zavatra voalohany nianarako koa ka\u00a0nampitaiko taminareo ny hoe: Maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina,",
        "4": "ary nalevina izy dia natsangana tamin\u2019ny maty tamin\u2019ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina.",
        "5": "Niseho tamin\u2019i Kefasy izy, ary avy eo tamin\u2019izy 12\u00a0Lahy.",
        "6": "Taorian\u2019izany, dia niseho tamin\u2019ny rahalahy maherin\u2019ny 500 indray\u00a0niaraka izy, ary mbola eto amintsika ny ankamaroany, fa ny sasany kosa efa nodimandry.",
        "7": "Dia niseho tamin\u2019i Jakoba izy avy eo, ary tamin\u2019ny apostoly rehetra taorian\u2019izay.",
        "8": "Ary farany indrindra, dia mba niseho tamiko koa izy, toy ny hoe niseho tamin\u2019ny zaza teraka tsy tonga volana.",
        "9": "Fa izaho no kely indrindra amin\u2019ny apostoly, ary tsy mendrika ny hantsoina hoe apostoly aho, satria nanenjika ny fiangonan\u2019Andriamanitra.",
        "10": "Ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019Andriamanitra anefa no nahatonga ahy ho hoatr\u2019izao. Ary tsy very maina ny hatsaram-panahy miavaka nasehony tamiko, fa niasa mafy mihoatra noho izy rehetra aho. Tsy izaho anefa no tena niasa mafy, fa ilay hatsaram-panahy miavaka naseho tamiko.",
        "11": "Koa izany no torinay, na izaho na izy ireo, ary izany no ninoanareo.",
        "12": "Raha torina hoe efa natsangana tamin\u2019ny maty i Kristy, dia ahoana no ilazan\u2019ny sasany aminareo fa tsy misy fitsanganan\u2019ny maty?",
        "13": "Raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy ho natsangana i Kristy.",
        "14": "Raha tsy natsangana anefa i Kristy, dia tena very maina ny fitoriantsika, ary very maina koa ny finoanareo.",
        "15": "Ho hita koa fa vavolombelona milaza lainga momba an\u2019Andriamanitra isika, satria manambara fa nanangana an\u2019i Kristy tamin\u2019ny maty izy. Tsy ho natsangany anefa izy raha tsy hatsangana tokoa ny maty.",
        "16": "Fa raha tsy hatsangana ny maty, na i Kristy aza tsy ho natsangana.",
        "17": "Ary raha tsy natsangana i Kristy, dia tsy misy dikany ny finoanareo, ary tsy afaka amin\u2019ny fahotanareo ianareo.",
        "18": "Dia very koa izay nodimandry tao amin\u2019i Kristy.",
        "19": "Raha amin\u2019izao fiainana izao ihany isika no manantena an\u2019i Kristy, dia isika no mampalahelo indrindra amin\u2019ny olona rehetra.",
        "20": "Efa natsangana tamin\u2019ny maty anefa i Kristy, izay voaloham-bokatra amin\u2019ireo nodimandry.",
        "21": "Koa satria avy amin\u2019ny olona iray ny fahafatesana, dia avy amin\u2019ny olona iray koa ny fitsanganan\u2019ny maty.",
        "22": "Fa toy ny ahafatesan\u2019ny rehetra noho ny nataon\u2019i Adama, no hamelomana ny rehetra kosa noho ny nataon\u2019i Kristy.",
        "23": "Samy araka ny filaharany avy anefa: I Kristy no voaloham-bokatra, ary avy eo izay an\u2019i Kristy, mandritra ny fanatrehany.",
        "24": "Ary amin\u2019ny farany, dia hanolotra ny Fanjakana amin\u2019Andriamanitra Rainy izy, rehefa avy nofoanany ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.",
        "25": "Fa tsy maintsy manjaka izy, mandra-panaon\u2019Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony.",
        "26": "Ary ny fahavalo farany hofoanana dia ny fahafatesana.",
        "27": "Fa \u2018nasain\u2019Andriamanitra nanaiky azy ny zava-drehetra ka nataony eo ambany tongony.\u2019 Rehefa voalaza anefa hoe: \u2018Nasaina nanaiky azy ny zava-drehetra\u2019, dia mazava ho azy fa tsy anisan\u2019izany Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy.",
        "28": "Fa rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an\u2019Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an\u2019ny rehetra.",
        "29": "Raha tsy izany, dia inona no soa ho azon\u2019ireo atao batisa mba ho faty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana no atao batisa koa izy ireo mba ho faty?",
        "30": "Nahoana koa isika no manao vivery ny aintsika foana?",
        "31": "Tandindomin-doza isan\u2019andro ny aiko. Tena marina izany, ry\u00a0rahalahiko, ary tena mirehareha ny aminareo koa aho ao amin\u2019i Kristy Jesosy Tompontsika.",
        "32": "Fa raha niady tamin\u2019ny bibidia tany Efesosy hoatran\u2019ny sasany aho, inona no soa azoko amin\u2019izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia \u201candao isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.\u201d",
        "33": "Aza manaiky ho voafitaka ianareo. Manimba ny fahazarana mahasoa ny naman-dratsy.",
        "34": "Mb\u00e0 tonga saina ka manaova ny marina, ary aza zatra manota. Tsy mahalala an\u2019Andriamanitra mantsy ny sasany. Ny hampahamenatra anareo no ilazako an\u2019izany.",
        "35": "Na izany aza, dia hisy hilaza hoe: \u201cAhoana no hananganana ny maty? Vatana hoatran\u2019ny ahoana no hananany rehefa atsangana izy?\u201d",
        "36": "Ry\u00a0tsy misaina, tsy hovelomina izay afafinao raha tsy maty aloha.",
        "37": "Ary tsy ilay zavamaniry hipoitra no afafinao, fa voa fotsiny ihany, na voam-barimbazaha izany na voa hafa.",
        "38": "Omen\u2019Andriamanitra vatana araka izay tiany anefa ilay voa, ary samy omeny vatana avy ny voa tsirairay.",
        "39": "Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an\u2019ny olombelona, hafa ny nofon\u2019ny omby, hafa ny nofon\u2019ny vorona, ary hafa ny an\u2019ny trondro.",
        "40": "Hafa ny vatan\u2019izay any an-danitra ary hafa ny vatan\u2019izay et\u1ef3 an-tany. Hafa ny voninahitry ny vatan\u2019ny any an-danitra, ary hafa ny an\u2019ny vatan\u2019ny et\u1ef3 an-tany.",
        "41": "Hafa ny voninahitry ny masoandro, hafa ny an\u2019ny volana, ary hafa ny an\u2019ny kintana. Raha ny marina aza, dia samy manana ny voninahiny ny kintana.",
        "42": "Toy izany koa ny fitsanganan\u2019ny maty. Vatana mety lo izy rehefa afafy, fa tsy mety lo kosa rehefa atsangana.",
        "43": "Alam-baraka izy rehefa afafy, fa be\u00a0voninahitra rehefa atsangana. Malemy izy rehefa afafy, fa mahery rehefa atsangana.",
        "44": "Vatana ara-nofo izy rehefa afafy, fa vatana ara-panahy rehefa atsangana. Raha misy vatana ara-nofo, dia misy koa vatana ara-panahy.",
        "45": "Fa izao no voasoratra: \u201cLasa zavamananaina i Adama, ilay lehilahy voalohany.\u201d Ary i Adama farany kosa lasa fanahy ahazoana fiainana.",
        "46": "Tsy izay ara-panahy anefa no voalohany. Izay ara-nofo no voalohany, vao ny ara-panahy.",
        "47": "Ilay lehilahy voalohany dia avy amin\u2019ny tany sady natao tamin\u2019ny vovoka, fa ilay lehilahy faharoa kosa avy any an-danitra.",
        "48": "Toy ilay natao tamin\u2019ny vovoka ireo natao tamin\u2019ny vovoka, ary toy ilay avy any an-danitra ireo any an-danitra.",
        "49": "Hoatran\u2019ny itovizantsika endrika amin\u2019ilay natao tamin\u2019ny vovoka no hitovizantsika endrika amin\u2019ilay avy any an-danitra.",
        "50": "Izao anefa no lazaiko, ry\u00a0rahalahy: Tsy afaka mandova ny Fanjakan\u2019Andriamanitra ny nofo aman-dra, ary izay mety lo tsy afaka mandova ny tsy mety lo.",
        "51": "Zava-miafina masina izao lazaiko aminareo izao: Tsy hodimandry daholo isika rehetra, fa isika rehetra dia hovana",
        "52": "ao anatin\u2019ny fotoana fohy dia fohy, ao anatin\u2019ny indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany. Fa haneno ny trompetra, dia hatsangana ny maty ka ho lasa tsy mety lo, ary hovana isika.",
        "53": "Fa tsy maintsy hitafy ny tsy mety lo ity mety lo ity, ary tsy maintsy hitafy ny tsy mety maty ity mety maty ity.",
        "54": "Rehefa lasa tsy mety lo anefa ity mety lo ity ary lasa tsy mety maty ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: \u201cHo foana tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.\u201d",
        "55": "\u201cRy fahafatesana\u00a0\u00f4, aiza koa ianao izay mandresy eo? Ry fahafatesana\u00a0\u00f4, aiza koa ianao izay manindrona eo?\u201d",
        "56": "Ny ota no fanindronana mahatonga ny fahafatesana, ary ny herin\u2019ny ota dia avy amin\u2019ny Lal\u00e0na.",
        "57": "Fa isaorana Andriamanitra, satria manome antsika fandresena amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika!",
        "58": "Noho izany, ry rahalahy malalako, dia aza manaiky ho voahozongozona ary aza miovaova mihitsy. Miezaha ho be atao foana amin\u2019ny asan\u2019ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asa mafy ataonareo ho an\u2019ny Tompo."
    },
    "16": {
        "1": "Mahakasika an\u2019ilay fanangonam-bola ho an\u2019ny olona masina, dia azonareo arahina ny toromarika nomeko ho an\u2019ireo fiangonana any Galatia.",
        "2": "Tokony hanokana vola arakaraka izay anananareo\u00a0avy ianareo, isaky ny andro voalohany amin\u2019ny herinandro. Amin\u2019izay dia tsy hisy fanangonam-bola intsony rehefa tonga aho.",
        "3": "Fa rehefa tonga any aho, dia hirahiko hitondra ny fanomezanareo ho any Jerosalema izay olona nolazainareo tao amin\u2019ny taratasinareo hoe ekenareo hitondra an\u2019ilay izy.",
        "4": "Raha ilaina koa anefa ny handehanako any, dia hiaraka amiko izy ireo.",
        "5": "Fa ho any aminareo aho rehefa avy mandalo an\u2019i Makedonia, satria efa handalo an\u2019i Makedonia aho izao.",
        "6": "Ary angamba hijanona kelikely any aminareo aho na hijanona any mandritra ny ririnina mihitsy aza, mba hanateranareo ahy lavidavitra any amin\u2019izay halehako.",
        "7": "Fa tsy tiako raha mandalo fotsiny aho any aminareo, satria manantena ny hijanona elaela any aho, raha avelan\u2019i Jehovah.",
        "8": "Hijanona eto Efesosy kosa aho mandra-pahatongan\u2019ny Fetin\u2019ny Pentekosta,",
        "9": "satria misy varavarana lehibe nosokafana mba hahafahako manao fanompoana. Be dia be anefa ny mpanohitra.",
        "10": "Raha tonga any aminareo i Timoty, dia ataovy izay hahatonga azy tsy hatahotahotra, satria manao ny asan\u2019i Jehovah hoatr\u2019ahy koa izy.",
        "11": "Koa aoka tsy hisy hanao tsinontsinona azy. Atero lavidavitra izy, dia alefaso mandeha soa aman-tsara mba ho tonga at\u1ef3 amiko, fa miandry azy izaho sy ireo rahalahy.",
        "12": "Raha ny amin\u2019i Apolosy rahalahintsika, dia niangavy mafy azy aho hiaraka amin\u2019ireo rahalahy ho any aminareo. Tsy mieritreritra ny ho any anefa izy izao, fa ho tonga any ihany izy rehefa afaka.",
        "13": "Miambena foana, miorena tsara amin\u2019ny finoana, ary miezaha ho be herim-po sy hatanjaka.",
        "14": "Ataovy amim-pitiavana izay rehetra ataonareo.",
        "15": "Fantatrareo fa ny ankohonan\u2019i Stefanasy no voaloham-bokatra tany Akaia ary nahafoy tena nikarakara an\u2019ireo olona masina izy ireo. Koa mampirisika anareo aho, ry\u00a0rahalahy,",
        "16": "mba hanaiky foana ny olona toy ireny sy izay rehetra miara-miasa sy miasa mafy!",
        "17": "Faly anefa aho fa eto amiko i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko, satria manonitra ny tsy maha eto anareo izy ireo.",
        "18": "Fa mamelombelona ahy sy mamelombelona anareo izy ireo. Koa ankasitraho ny olona toy ireny.",
        "19": "Mampamangy, hono, ianareo, hoy ireo fiangonana at\u1ef3 Azia. Mampamangy indrindra, hono, ianareo ao amin\u2019ny Tompo, hoy i Akoila sy Priska ary ny fiangonana mivory ao an-tranony.",
        "20": "Manao mampamangy anareo ny rahalahy rehetra. Mifampiarahab\u00e0 amin\u2019ny oroka masina.",
        "21": "Ity no veloma nosoratan\u2019ny tanako, izaho Paoly.",
        "22": "Raha misy tsy miraiki-po amin\u2019ny Tompo, dia ho voaozona izy. Avia, ry\u00a0Tomponay\u00a0\u00f4!",
        "23": "Enga anie ianareo hanehoan\u2019i Jesosy Tompo hatsaram-panahy miavaka!",
        "24": "Tiako daholo ianareo rehetra izay tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy!"
    },
    "meta": {
        "name": "1 Korintianina",
        "order": 45,
        "chapter_number": 16
    }
}