mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
123 lines (122 loc) • 18.5 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Manoratra aminareo izahay momba an\u2019ilay tenin\u2019ny fiainana, izay efa nisy hatrany am-piandohana, sy efa henonay sy hitan\u2019ny masonay, ary efa nojerenay tsara sy notsapain\u2019ny tananay.",
"2": "\u2014Efa naseho mantsy ny fiainana, ary efa hitanay ka torinay sy lazainay aminareo ny fiainana mandrakizay. Avy tamin\u2019ny Ray ny fiainana mandrakizay, ary efa naseho anay.\u2014",
"3": "Ilay tenin\u2019ny fiainana izay efa hitanay sy henonay no lazainay aminareo koa, mba ho tafaray aminay ianareo. Tafaray amin\u2019ny Ray sy Jesosy Kristy Zanany mantsy isika.",
"4": "Manoratra aminareo momba an\u2019izany \u00e0ry izahay, mba samy ho faly be isika.",
"5": "Izao no hafatra henonay taminy ka lazainay aminareo: Andriamanitra dia hazavana, ka tsy mba misy haizina mihitsy ao aminy.",
"6": "Raha miteny isika hoe: \u201cTafaray aminy isika\u201d, nefa mbola mandeha ao amin\u2019ny haizina ihany, dia mandainga isika sady tsy mampihatra ny fahamarinana eo amin\u2019ny fiainantsika.",
"7": "Fa raha mandeha ao amin\u2019ny mazava kosa isika, satria izy ao amin\u2019ny mazava, dia tena tafaray daholo isika. Ary ny ran\u2019i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin\u2019ny ota rehetra.",
"8": "Raha miteny isika hoe: \u201cTsy mpanota isika\u201d, dia mamita-tena sady tsy ao am-pontsika ny fahamarinana.",
"9": "Raha miaiky ny fahotantsika anefa isika, dia tsy mivadika amin\u2019ny teniny Andriamanitra sady marina, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin\u2019ny fanao ratsy rehetra.",
"10": "Raha miteny isika hoe: \u201cMbola tsy nanota isika\u201d, dia manao azy ho mpandainga, ary tsy ao am-pontsika ny teniny."
},
"2": {
"1": "Manoratra aminareo momba an\u2019izany aho, ry\u00a0zanako malalako, mba tsy hanotanareo. Raha misy olona sendra manota anefa, dia manana mpanampy any amin\u2019ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, ilay marina.",
"2": "Izy no sorona fampihavanana noho ny fahotantsika, nefa tsy ny antsika ihany, fa ny an\u2019izao tontolo izao manontolo koa.",
"3": "Raha mankat\u00f2 ny didiny foana isika, dia izany no ahafantarantsika fa efa mahalala azy isika.",
"4": "Mpandainga izay miteny hoe: \u201cEfa fantatro izy\u201d, nefa tsy mankat\u00f2 ny didiny. Tsy ao am-pon\u2019izany olona izany koa ny marina.",
"5": "Fa izay mankat\u00f2 ny teniny kosa, dia tena natao lavorary ao am-pony ny fitiavany an\u2019Andriamanitra. Izany no ahafantarantsika fa tafaray aminy isika.",
"6": "Izay milaza hoe tafaray aminy foana, dia tsy maintsy manahaka ny fomba fiainan\u2019i Jesosy koa.",
"7": "Ry malala, tsy didy vaovao izao soratako aminareo izao, fa didy efa ela sady efa azonareo hatrany am-piandohana. Ilay teny efa henonareo izany didy efa ela izany.",
"8": "Manoratra didy vaovao aminareo indray aho izao, dia didy nankatoavin\u2019i Jesosy sy nankatoavinareo koa. Mihalasa mantsy ny haizina, ary efa mamirapiratra sahady ilay tena hazavana.",
"9": "Izay milaza hoe ao amin\u2019ny mazava nefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin\u2019ny haizina ihany.",
"10": "Ao amin\u2019ny mazava foana izay tia ny rahalahiny, ary tsy misy mahatafintohina azy.",
"11": "Fa izay mankahala ny rahalahiny kosa, dia ao amin\u2019ny haizina sady mandeha ao amin\u2019ny haizina ka tsy fantany izay alehany. Nohajambain\u2019ny haizina mantsy ny masony.",
"12": "Manoratra aminareo aho, ry\u00a0zanako malalako, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.",
"13": "Manoratra aminareo ray aho, satria ianareo efa mahalala azy, dia ilay efa nisy hatrany am-piandohana. Manoratra aminareo tanora aho, satria efa naharesy an\u2019ilay ratsy ianareo. Manoratra aminareo ankizy aho, satria efa mahalala ny Ray ianareo.",
"14": "Manoratra aminareo ray aho, satria ianareo efa mahalala azy, dia izy izay efa nisy hatrany am-piandohana. Manoratra aminareo tanora aho, satria mahery ianareo, sady ao am-ponareo foana ny tenin\u2019Andriamanitra ary efa naharesy an\u2019ilay ratsy ianareo.",
"15": "Aza tia an\u2019izao tontolo izao na ny zavatra eo amin\u2019izao tontolo izao. Raha misy olona tia an\u2019izao tontolo izao, dia tsy ao anatin\u2019izany olona izany ny fitiavana ny Ray.",
"16": "Tsy avy amin\u2019ny Ray mantsy ny zava-drehetra eo amin\u2019izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian\u2019ny nofo sy ny fanirian\u2019ny maso ary ny fampideraderana fananana, fa avy amin\u2019izao tontolo izao ihany.",
"17": "Ary mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon\u2019Andriamanitra no maharitra mandrakizay.",
"18": "Izao, anaka, no ora farany. Araka ny efa henonareo, dia ho avy ny antikristy. Ary na amin\u2019izao aza dia efa betsaka ny antikristy, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.",
"19": "Niala tamintsika izy ireny, fa tsy mba namantsika. Mbola ho niaraka tamintsika ihany mantsy ireny raha namantsika. Niala anefa ireny mba ho hita hoe tsy ny olona rehetra no namantsika.",
"20": "Nohosoran\u2019Ilay Masina ny fanahiny ianareo, ary manana fahalalana daholo ianareo rehetra.",
"21": "Ny antony anoratako aminareo, dia tsy hoe satria tsy mahalala ny fahamarinana ianareo, fa satria ianareo mahalala an\u2019izany, ary satria tsy misy lainga mihitsy avy amin\u2019ny fahamarinana.",
"22": "Iza moa no mpandainga raha tsy ilay mand\u00e0 hoe i\u00a0Jesosy no Kristy? Izay mand\u00e0 ny Ray sy mand\u00e0 ny Zanaka no antikristy.",
"23": "Izay rehetra mand\u00e0 ny zanaka dia tsy mifandray amin\u2019ny Ray koa, fa izay manaiky ny Zanaka dia mifandray amin\u2019ny Ray koa.",
"24": "Fa ianareo kosa, ataovy ao am-ponareo foana izay efa henonareo hatramin\u2019ny voalohany. Raha ataonareo ao am-ponareo foana mantsy ny zavatra henonareo hatramin\u2019ny voalohany, dia ho tafaray foana amin\u2019ny Zanaka sy amin\u2019ny Ray ianareo.",
"25": "Ankoatra izany, dia izao no nampanantenainy antsika: Fiainana mandrakizay.",
"26": "Manoratra an\u2019izany aminareo aho, satria misy mitady hamitaka anareo.",
"27": "Fa ianareo kosa efa nohosorany ny fanahiny ary ao aminareo foana izany, ka tsy mila ampianarin\u2019olona ianareo. Ary izany fanahiny izany no nampiasain\u2019Andriamanitra hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary marina sy tsy misy lainga izany. Araka ny nampianarin\u2019io fanahy io anareo \u00e0ry, dia miezaha ho tafaray aminy foana.",
"28": "Izao \u00e0ry no izy, ry\u00a0zanako malalako: Miezaha ho tafaray aminy foana. Amin\u2019izay rehefa aseho izy, dia ho sahy hiteny isika ary tsy hiala aminy ka tsy ho afa-baraka mandritra ny fanatrehany.",
"29": "Raha fantatrareo fa marina izy, dia ho fantatrareo koa fa naterany daholo izay rehetra manao ny marina."
},
"3": {
"1": "Eritrereto ange ny fitiavana nasehon\u2019ny Ray antsika\u00a0e! Nantsoiny hoe zanany mihitsy isika, ary izany tokoa isika. Izany no antony tsy ahalalan\u2019izao tontolo izao antsika, satria mbola tsy mahalala Azy izao tontolo izao.",
"2": "Ry\u00a0malala, zanak\u2019Andriamanitra izao isika, nefa mbola tsy aseho hoe hanao ahoana isika. Ny fantatsika dia hoe ho lasa hoatr\u2019azy isika rehefa aseho izy, satria ho hitantsika hoe hoatran\u2019ny ahoana marina izy.",
"3": "Izay manantena azy, dia manadio ny tenany mba hadio hoatr\u2019azy.",
"4": "Izay rehetra zatra manota dia zatra mandika lal\u00e0na koa, ary mandika lal\u00e0na izay manota.",
"5": "Fantatrareo koa fa naseho izy mba hanala ny fahotantsika, ary tsy misy ota ao aminy.",
"6": "Tsy zatra manota izay tafaray aminy foana. Izay zatra manota kosa dia sady tsy nahita azy no mbola tsy nahalala azy.",
"7": "Aza avela hisy hamitaka anareo, ry\u00a0zanako malalako. Izay manao ny marina no olo-marina, satria marina koa i Jesosy.",
"8": "Avy amin\u2019ny Devoly kosa izay zatra manota, satria efa nanota hatrany am-piandohana ny Devoly. Izao \u00e0ry ny antony nampisehoana ny Zanak\u2019Andriamanitra: Ny handrava ny asan\u2019ny Devoly.",
"9": "Tsy zatra manota izay rehetra naterak\u2019Andriamanitra, satria ao amin\u2019izany olona izany foana ny voa omen\u2019Andriamanitra. Tsy ho zatra manota \u00e0ry izy, satria naterak\u2019Andriamanitra.",
"10": "Izao no tena ahitana an\u2019izay zanak\u2019Andriamanitra sy izay zanaky ny Devoly: Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin\u2019Andriamanitra. Hoatr\u2019izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.",
"11": "Izao no hafatra efa henonareo hatrany am-piandohana: Tokony hifankatia isika,",
"12": "fa tsy hanao hoatran\u2019i Kaina, izay avy tamin\u2019ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Fa inona no antony namonoany azy? Satria ratsy ny nataony, fa marina kosa ny nataon\u2019ny rahalahiny.",
"13": "Aza gaga, ry rahalahy, raha halan\u2019izao tontolo izao ianareo.",
"14": "Fantatsika fa hoatran\u2019ny hoe efa maty isika taloha, nefa velona indray izao, satria tiantsika ny rahalahintsika. Izay tsy tia kosa dia hoatran\u2019ny hoe maty ihany.",
"15": "Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona hahazo fiainana mandrakizay.",
"16": "Lasa fantatsika ny atao hoe fitiavana satria nahafoy ny ainy ho antsika izy. Dia tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an\u2019ny rahalahintsika koa isika.",
"17": "Fa raha misy mba manan-katao ihany amin\u2019izao fiainana izao ka mahita hoe sahirana ny rahalahiny, nefa tsy mba mangoraka azy, dia ahoana no ilazany hoe tia an\u2019Andriamanitra izy?",
"18": "Tsy tokony ho tia amin\u2019ny teny na amin\u2019ny lela fotsiny isika, ry\u00a0zanako malalako, fa tokony ho tia amin\u2019ny fo kosa, ary tokony hasehontsika amin\u2019ny atao izany.",
"19": "Izany no hahafantarantsika hoe miandany amin\u2019ny fahamarinana isika, ary izany no hanomezantsika toky ny fontsika hoe tiany isika,",
"20": "na dia manameloka antsika aza ny fontsika. Lehibe noho ny fontsika mantsy Andriamanitra sady mahalala ny zava-drehetra.",
"21": "Ry\u00a0malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia ho sahy hiresaka amin\u2019Andriamanitra isika.",
"22": "Ary na inona na inona angatahintsika, dia azontsika avy aminy izany, satria mankat\u00f2 ny didiny isika sady manao izay mahafinaritra azy.",
"23": "Izao tokoa ny didiny: Tokony hino ny anaran\u2019i Jesosy Kristy Zanany isika sady hifankatia, araka ilay didy nomeny antsika.",
"24": "Tafaray aminy foana koa izay mankat\u00f2 ny didiny, ary izy ho tafaray amin\u2019izany olona izany. Ary ilay fanahy nomeny antsika no ahafantarantsika fa tafaray amintsika foana izy."
},
"4": {
"1": "Ry malala, aza mino an\u2019izay fanambarana lazain\u2019ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin\u2019Andriamanitra tokoa ireny fanambarana ireny na tsia. Be dia be mantsy ny mpaminany sandoka eo amin\u2019izao tontolo izao.",
"2": "Izao no ahafantaranareo fa avy amin\u2019Andriamanitra ilay fanambarana lazain\u2019ny fanahy: Izay fanambarana rehetra manaiky hoe nofo aman-dra i Jesosy Kristy tamin\u2019izy tonga teto an-tany, dia avy amin\u2019Andriamanitra.",
"3": "Izay fanambarana rehetra tsy manaiky an\u2019i Jesosy kosa tsy avy amin\u2019Andriamanitra. Fanambaran\u2019ny antikristy izany, ilay efa henonareo hoe ho avy, ary efa eo amin\u2019izao tontolo izao sahady izao.",
"4": "Avy amin\u2019Andriamanitra ianareo, ry\u00a0zanako malalako, ary efa naharesy an\u2019ireny olona ireny, satria lehibe noho ilay tafaray amin\u2019izao tontolo izao ilay tafaray aminareo.",
"5": "Avy amin\u2019izao tontolo izao izy ireny, ka izany no antony ilazany zavatra avy amin\u2019izao tontolo izao, ary mihaino azy izao tontolo izao.",
"6": "Avy amin\u2019Andriamanitra kosa isika. Izay efa mahalala an\u2019Andriamanitra dia mihaino antsika, fa izay tsy avy amin\u2019Andriamanitra kosa tsy mihaino antsika. Izany \u00e0ry no ahaizantsika manavaka raha marina na diso ilay fanambarana lazain\u2019ny fanahy.",
"7": "Ry malala, andao isika hifankatia foana, satria avy amin\u2019Andriamanitra ny fitiavana. Izay rehetra tia koa dia naterak\u2019Andriamanitra sady mahalala an\u2019Andriamanitra.",
"8": "Izay tsy tia kosa mbola tsy mahalala an\u2019Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.",
"9": "Izao no nampisehoana ny fitiavan\u2019Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho et\u1ef3 amin\u2019izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin\u2019ny alalany.",
"10": "Ary izao izany fitiavana izany: Tsy hoe isika no tia an\u2019Andriamanitra, fa izy no tia antsika ka naniraka ny Zanany ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.",
"11": "Ry malala, raha hoatr\u2019izany no nitiavan\u2019Andriamanitra antsika, dia tsy maintsy mifankatia koa isika.",
"12": "Mbola tsy nisy nahita an\u2019Andriamanitra mihitsy. Raha mifankatia foana anefa isika, dia ao amintsika foana Andriamanitra ary natao lavorary ao am-pontsika ny fitiavany.",
"13": "Izao no ahafantarantsika fa tafaray aminy foana isika, ary izy koa tafaray amintsika: Nomeny antsika ny fanahiny.",
"14": "Izahay mihitsy koa no efa nahita sady mijoro ho vavolombelona hoe efa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an\u2019izao tontolo izao ny Ray.",
"15": "Izay manaiky hoe Zanak\u2019Andriamanitra i Jesosy, dia tafaray aminy foana Andriamanitra, ary izy koa tafaray amin\u2019Andriamanitra.",
"16": "Lasa fantatsika hoe tia antsika Andriamanitra, dia mino an\u2019izany isika. Andriamanitra dia fitiavana. Tafaray amin\u2019Andriamanitra foana izay tsy mitsahatra maneho fitiavana, ary tafaray aminy foana koa Andriamanitra.",
"17": "Noho izany, dia natao lavorary ao am-pontsika ny fitiavana, dia amin\u2019izay isika ho sahy hiteny, amin\u2019ny andro fitsarana, satria hoatran\u2019i Kristy isika eto amin\u2019izao tontolo izao.",
"18": "Tsy misy tahotra ny fitiavana, satria mandroaka tahotra ny fitiavana lavorary. Manakantsakana antsika mantsy ny tahotra. Matoa ny olona iray matahotra, dia mbola tsy natao lavorary ny fitiavany.",
"19": "Isika tia satria izy no tia antsika voalohany.",
"20": "Raha misy miteny hoe: \u201cTia an\u2019Andriamanitra aho\u201d, nefa izy mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga. Fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an\u2019Andriamanitra izay tsy hitany.",
"21": "Ary izao no didy azontsika avy aminy: Tsy maintsy tia ny rahalahiny koa izay tia an\u2019Andriamanitra."
},
"5": {
"1": "Izay rehetra mino fa i Jesosy no Kristy, dia naterak\u2019Andriamanitra. Ary izay rehetra tia an\u2019ilay Ray dia tia an\u2019izay naterany koa.",
"2": "Izao no ahafantarantsika hoe tia an\u2019ireo zanak\u2019Andriamanitra isika: Tia an\u2019Andriamanitra isika, ary manaraka ny didiny.",
"3": "Fa izao no atao hoe tia an\u2019Andriamanitra: Mankat\u00f2 ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny.",
"4": "Mandresy an\u2019izao tontolo izao mantsy izay rehetra naterak\u2019Andriamanitra. Ary ny ahafahantsika mandresy an\u2019izao tontolo izao dia ny finoantsika.",
"5": "Iza moa no afaka mandresy an\u2019izao tontolo izao? Izay mino hoe i Jesosy no Zanak\u2019Andriamanitra.",
"6": "Tamin\u2019ny alalan\u2019ny rano sy ny ra no nahatongavan\u2019i Jesosy Kristy. Tsy tamin\u2019ny alalan\u2019ny rano ihany, fa tamin\u2019ny alalan\u2019ny rano sy ny ra. Ary ny fanahy no mijoro ho vavolombelona, satria ny fahamarinana.",
"7": "Ireto telo ireto mantsy no vavolombelona:",
"8": "Ny fanahy sy ny rano ary ny ra. Ary mifanaraka tsara izy telo ireo.",
"9": "Manaiky an\u2019izay lazain\u2019ny olona isika, nefa izay lazain\u2019Andriamanitra no mbola ambony kokoa. Ny zavatra lazain\u2019Andriamanitra mantsy dia izay nolazainy momba ny Zanany.",
"10": "Izay mino ny Zanak\u2019Andriamanitra dia manaiky ao am-pony ny teny nolazain\u2019Andriamanitra taminy. Izay tsy mino an\u2019Andriamanitra kosa dia manao an\u2019Andriamanitra ho mpandainga, satria tsy mino an\u2019izay nolazainy momba ny Zanany.",
"11": "Izao ilay teny nolazain\u2019Andriamanitra: Nanome antsika fiainana mandrakizay Izy, ary amin\u2019ny alalan\u2019ny Zanany no hahazoantsika an\u2019izany fiainana izany.",
"12": "Izay manaiky ny Zanaka no hahazo an\u2019io fiainana io, fa izay tsy manaiky ny Zanak\u2019Andriamanitra kosa tsy hahazo an\u2019io fiainana io.",
"13": "Manoratra an\u2019izany aminareo aho mba ho fantatrareo fa hahazo fiainana mandrakizay ianareo, dia ianareo izay mino ny anaran\u2019ny Zanak\u2019Andriamanitra.",
"14": "Izao ny toky ananantsika momba an\u2019Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika aminy ka mifanaraka amin\u2019ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.",
"15": "Ary raha fantatsika fa mihaino antsika izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika fa tena ho azontsika izay angatahintsika, satria nangatahintsika taminy.",
"16": "Izay mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia tokony hangataka ho an\u2019ilay rahalahiny. Ary homen\u2019Andriamanitra fiainana ilay rahalahiny, dia izay tsy manao ota mahafaty. Misy ota mahafaty mantsy. Tsy mampirisika na iza na iza hivavaka momba an\u2019izany ota izany aho.",
"17": "Ota daholo izay zavatra tsy marina ataon\u2019ny olona, kanefa misy ota tsy mahafaty.",
"18": "Fantatsika fa tsy zatra manota izay rehetra naterak\u2019Andriamanitra. Miaro azy ilay naterak\u2019Andriamanitra, ka tsy afaka mifehy azy ilay ratsy.",
"19": "Fantatsika fa avy amin\u2019Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan\u2019ilay ratsy.",
"20": "Fantatsika anefa fa efa tonga ny Zanak\u2019Andriamanitra, ary nomeny fahiratan-tsaina isika mba hahalala an\u2019ilay tena Andriamanitra. Ary amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy Zanany isika no tafaray amin\u2019ilay tena izy, dia ilay tena Andriamanitra sady mpanome fiainana mandrakizay.",
"21": "Ry\u00a0zanako malalako, mitandrema amin\u2019ny sampy."
},
"meta": {
"name": "1 Jaona",
"order": 61,
"chapter_number": 5
}
}